rafozako hono no hitantana ny rafivaviko @ mariazy!!!!
1. caramelle
(
15/12/2008 18:07)
miarahaba nareo retra eto @ serasera!!,zà ry reto misy olana kely tiko lazaina aminareo,na le lohateny ary d'efa mandreraka b kanefa de zay mits le fandehan'raharaha.Sipa efa ela tany dago tany io sipa io (le rafiko),fa hoe mampalahelo b hono zany fa kamboty ray sy reny kala,ka saika ho ampidirina t@ ty vadiko ty fony ny vadiko mbola tany dago(mbola zahay mpisipa t@ zany),satria izaho no tonga 1*teto andafy t@ zany,de nisy fotoana tsy niaraka tsony zahay.Fitimpitiniko ny fandehany tantara . Niiverina niaraka ary izahay nony tonga teto andafy izy,de adinony tany ndray le kalakely zay nanantena be kou angamba.Nandé ny andro sy ny fotoana,vao henoko vao haingana fa ho avy ilay kala fa misy olona haka vady azy sy hanafatra azy aty ka hanao mariazy aminy,de ny olana sy tena mandreraka ahy de zao:ny oul mpitaiza ty kalakely any dago ty zany hono manankina an'le kalakely @ rafozako satria efa nifankalala tany reo,ary nolazainy fa ho lasa solon-RAD n'le sipa hono ry zareo,de refa hanao mariazy atsy ho atsy zany le kalakely,de ty rafozan-dahiko no hitantana azy!!!! :evil: ,zareo mianakavy miray tsikombakomba any daolo,fa asa raha ho tonga le mariazy ,in ngà no holazainy amiko hoe ho aiza ry zareo fa lavitra any province mantsy le sipa no hipetraka,zareo tsy mahalala hoe fantatro le resaka zao!!.De tsy hitako zay hatao @ fihetsiko vis à vis @ reto rafozako reto @ zay fotoana zay fa lasa masosotra ahy na ny mijery sy mahita anzareo @ zao !!!tsy haiko tsony!!!
novalian'i ainaheri ny 13/01/2009 17:59
2. caramelle
(
15/12/2008 18:54)
de le vadiko @ zao zany tsy fantany hoe henoko le resaka fa mihevitra ahy hoe tena miesona b aho @ zao,zaho anefa tsy hiteny mits hoe fantatro le izy fa ho jereko tsara daolo ny firesak'izy mianakavy sy ny fihetsiny,ho hitako tsara @ zay fotoana zay ny fisainany sy ny fiatsaram-belatsihiny!!
3. Noue
(
15/12/2008 19:35)
raha izaho ianao ry caramelle dia aborako eo imaso eo daholo ny zavatra aiko eee ! satria raha tsy manao an'io ianao dia ahoana ? ho tanterahany avokoa ny tiany ataony ! fa asa aloha na mety oe hajanonony ve io raha lazainao eo daholo ny zavatra fantatrao ???? ka raha lazainao manko io dia asa na mety ho hajanoniny zany satria fantany fa tsy tantinao io aaa ???
4. caramelle
(
15/12/2008 20:42)
ka le izy anie ry Noue,na hiteny izany ary aho de efa fantatro fa tsy hiaino ahy zany ry zareo fa ,efa nisy mantsy t@ 1°?fony zahay vao tafaraka taty andafy taty de fantatro hoe nisy an'io kala io niaraka taminy tany dago,de niady zahay mivady t@ zany,de nony henon'i mamany hoe nampiady anay le izy de niseho niteny tamiko ny mamany t@ zay hoe,"efa miaraka nareo hoy izy fa ny fifandraisanay sy kala X(ataoko zay alou ny surnom-ny eto) ,anay zany!.Ka tsy hiaino ahy zany ry zareo fa miseho hoe samaritàna b ngà fa hoe mampalahelo hono le sipa!!
5. ikaretsaka
(
15/12/2008 20:45)
alamino tokoa.. raha hitantana moa maninona? juste hoe mba mi rendre service fotsiny!
fa avy eo kosa dia ataovy imaso imaso hoe tsary mifanadala tsony fa samby any @ tokantranony aby
fa avy eo kosa dia ataovy imaso imaso hoe tsary mifanadala tsony fa samby any @ tokantranony aby
6. caramelle
(
15/12/2008 20:57)
ka eo ndrindra le probléme-ko,rendre service tsy maninona,(eo eo iany),fa le kala zany,tsy maintsy hamangy satria tsy mafantatr'oul afa tsy ry zareo reto,izahay sy ny RADny vadiko nefa mifanakaiky ny trano,de le vadiko zany sure fa tsy maintsy hifanena ao daolo ,ambenako tsara mits alou fa raha vao misy mivôna ao de avy @ zay aho @ angady sy harona!
7. ikaretsaka
(
15/12/2008 21:15)
ataovy carte sur table aloha de raha vao migidraka de izay atao koa..
atao mifamarafara sy fantany tsara aloha hoe tsy de voanao loatra ny zao sy ny zao ka raha misy izany de... de faritana tsara ny azo atao sy tsy azo.. ka raha vao misy mi depasse ilay bordure de ...
sady action no hoe "efa nilaza za"
atao mifamarafara sy fantany tsara aloha hoe tsy de voanao loatra ny zao sy ny zao ka raha misy izany de... de faritana tsara ny azo atao sy tsy azo.. ka raha vao misy mi depasse ilay bordure de ...
sady action no hoe "efa nilaza za"
8. caramelle
(
15/12/2008 21:38)
ny tena danz zao de ry zareo mianakavy mits anie no mitovy loha é!!,ary mpiray tsikombakomba gaigy lahy sy vavy doly(tsy afenina aminareo),zay le tsy voako mits! na hiady hvtr aminy eo ary enao de tsy ahazo rariny mits fa de hoe :anay zany fa refa nivady nareo de ampy zay hoy izy!!!! :evil: ,ny aferanay sy kala X aferanay zany!,nefa @ maha rafy vavy azy tô tsy haiko mitsy ny hionona @ zany hoe :ao!miaraka @ rafozana ao le kala!!!eny fa na de efa manana ny azy kou ary izy @ zay!!,le "filin"'le rafozako mitsy no tena tsy reviko sady tsy azoko é!!
9. caramelle
(
15/12/2008 21:41)
misaotra anareo alou nanome toro hvtr,fa rampitso tohizako ndray fa hilaozana kely alou nareo!!!,,raisina antanandroa zay toro hvtr mboul misy any ry zareo fa de misaotra ndrindra à!! ^:^
10. nanas
(
15/12/2008 23:30)
Tsy misy ohatran ny honest ry reto a! aboray izay zavatra tsy zakanao, diovy ny saina fa ny fiainana mitohy hatrany, ny ratsy manko ianao mety hahazo aretim-po sy saina, ny olona koa etsy andaniny mety hoe hanao zay tena tsy zakanao mihitsy no tanjony. Ataovy mazava amin ny vadinao ny resaka fa rehefa misaraka izy sy ilay kala dia tokony ho tapaka tarangany ny fihetsehem-po avy aminy ( alahelo zany sy ny tariny). Lazao azy fa efa nekeny ho vadiny ianao, dia tokony mba hanaja izay safidiny zay ny havany. Ianao kosa anefa tokony mba manaja izay safidiny havany koa, raha hamonjy ny raharahan io kala io no mahatsara azy mianakavy dia ekeo. Ataovy mazava fa ny vadinao no lehibe amin ny fiainanao fa tsy ny havany sy izay ataony any, tsory aminy hoe marary ny fonao mahare an izany saingy tsy maintsy ekena satria ny zava-dehibe eo amin ny fiananao dia ny vadinao. Anjarany no mieritreritra fa olona mba misy fo mitempo hoatranao ihany izy.
11. vale
(
15/12/2008 23:57)
houlalalalalala, caramelle, efa samy manana ny azy anie izany ilay kalakely sy ny vadinao eee, izay fifampikarakarain'izy mianankavy any avelao any, minimisé-o le probleme fa aza atao mibahana be ao an-tsaina fa sao hankarary anao ny farany, mba conseil-ko aloha io an, ny ahy aza taloha mbola mafimafy noho izany fa nisy kalavavy izay vadin'ny cousin'ilay lelahy niaraka tamiko dia lasa taty an-dafy le cousin-ny dia ilay sipako foana no ni- veiller an'ilay kalavavy, dia lasa amoureuse tamin'ilay sipako ilay kalavavy, sady efa tsy nanantena ny hafaran'ilay cousin'ilay sipako intsony , dia nony samy tonga taty am zay dia mbola miantso tél an'ilay sipako foana ilay sipa, oe mba mangataka service etc, ... za amzany tsy hitako izay atao fa sady tezitra a no malaheloa nefa moa ry zareo efa nifankahalala sy nifampikarakara hatrizay ka dia mandefitra eee, tsy misy afa-tsy izay raha tina ny hiaraka amin'ny sipanao, farany moa izany leo an'ilay situation aho ny farany fa isak'izay misy zavatra atao dia tsy maintsy miditra foana ilay vehivavy, dia leo aho ny farany, ilay sipako koa ohatry ny hitako voasarikany izany fa saingy nanaja ny cousin-ny fotsiny, dia farany moa leo za , leo an'ilay vehivavy fa na maka sieste aza zay sy le sipako ohatra dia tamy izy miantso azy dia lasa koa le sipako, lasa foana e, dia leo za oe ohatr'izany foana ve, farany moa tsy niaraka intsony zay sy le sipako, (zavatr'hafa ny antony nisarahana aloha a!) dia nivalona teo ny tantara, fa na hatramin'izao aza za raha vao mieritreritra le vehivavy izay dia mbola tezitra foana, lol, izay ny hanaovako oe minimisé-o ilay blem raha mbola tinao ny hiaraka amin'ny vadinao fa io dia tsy maintsy izay ny fandehany fa efa nihainako io, izay dia courage!!! (l) :-* :-* :-*
12. vale
(
16/12/2008 00:03)
eny fa na de efa manana ny azy kou ary izy @ zay!!,le "filin"
ka marina mihintsy io, fa saingy indry tsy hahaleo ny be noho ny vitsy eo fa dia aza eritreretina be fotsiny fa mankarary saina! lol biz ! :wink:
13. fahamarinana
(
16/12/2008 06:57)
:arrow: mitovy hvtr amin'ny namana sasany ao ambony ao aho.Tsara kokoa atao carte sur table mba hazava ihany koa amin'ny vadinao hoe mahalala ilay raha sy tsy mankasitraka ianao.Na izany aza efa nifandray efa ela ry zareo ary mety efa noraisiny tahaka ny zanaka koa ilay sipakely.Ka mety tsy hampiova inona aminy na ho fantany aza fa tsy tianao,fa mety kosa hitandrina izy...na hiray tsikombakomba aza izy ireo dia raha mbola tia anao foana ny vadinao dia hitandrina koa izy.Koa dia mahereza e,araho tsara fontsiny rehefa mankany raha izay no mampandry saina anao,ohatra,no mba hitan'ny be sy ny maro fa misy koa ianao ary manan-danja tanteraka. :) (l)
14. dadatoakoto
(
16/12/2008 08:33)
Ze ifanarahan'ny rafozanao @ olonkafa any aza asiana blem! Fiainandry zareo zany tsy afaka miditra amin'izany enao! De otran'izay koa: ry zareo tsy afaka mihiditra @ fiainanareo mivady. Ny vadinao resahana tsara de kozio tsara tsy hifandray @n'io sipa io tsony, de ambeno tsara ny anao fa ny rafozanao tsy azonao sakanana @n'izay reviny. Ny vadinao atao ze ahafatarany tsara fa tsy revinao le pass zay de kozio aminy oe tsy mila fifandraisana intsony iz sy le sipa. raha tia anao ny vadina de tsy hanao ze zavatra efa tsy tianao intsony (surtout le resaka, resaka rafivavy) fa raha tsy manaiky lery d'efa tsy tia tsony koa izy zany.
15. heidi
(
16/12/2008 11:53)
caramelle, efa samy manana ny azy anie izany ilay kalakely sy ny vadinao eee, izay fifampikarakarain'izy mianankavy any avelao any, minimisé-o le probleme fa aza atao mibahana be ao an-tsaina fa sao hankarary anao ny farany
hummm marina mitsy izazny, amiko manokana tsy hitako izay olana....
otran'ny solondray amandreniny am izy kamboty izany ko, ny relation njareo tsara sy milam dia maninona kosa ary..... :-P
Tsy midika hoe ho lasan'ny koa ilay vadinao raha hitantana hamoaka azy am mariaziny ny rafozanao.... sady izy aza efa hande hanambady....FAU PAS kompliké la vie an
16. fahamarinana
(
16/12/2008 12:00)
:arrow: marina koa izay voalazan'ny tywa zay raha tsy hoe tratra nisarisary zoro taminy ilay vady..dia efa resaka hafa indray izay. (l)
17. tywa68
(
16/12/2008 12:07)
caramelle:
ka eo ndrindra le probléme-ko,rendre service tsy maninona,(eo eo iany),fa le kala zany,tsy maintsy hamangy satria tsy mafantatr'oul afa tsy ry zareo reto,izahay sy ny RADny vadiko nefa mifanakaiky ny trano,de le vadiko zany sure fa tsy maintsy hifanena ao daolo ,ambenako tsara mits alou fa raha vao misy mivôna ao de avy @ zay aho @ angady sy harona!
Tsy aleo v rhf tonga ilay rafivavy vao misafotofoto fa ndrao hanimba ny sain'ny rams aloha eo ! tsara ihany ny miteny aminy hoe nahare an'ilay resaka, d ho tsapanao eo ahoana ny fitiavany anao :wink: ny adidin'ilay RAD tsy azonao ho ferana satria an'azy zany.
18. myaina
(
16/12/2008 14:44)
miray hevitra amindry zareo eo ambony aho, ny vadinao ihany alamina, resaho tsara, apetraka ny reglement fa hoe tsy mahazaka an izany enao... raha sendra eo am toerany ve ny fifampikasohana amina ex-nao d ho zakany!!! ny ataon-drafozana, aza eritreretina fa azy iny!! fa mangala mesure fotsiny mba tsy hifanena amle sipa ao, na omano ny fo sy saina sao mifanena tampoka ao antranon-drafozanao!!!
19. fanantenana2003
(
16/12/2008 15:00)
oay tena sarotra be le sitiasion raha izany koa! za aloha dia mitovy an'i caramelle mihitsy eh! tsy mahataty izany hoe ny rafozako no hitondra an'i ex ny vadiko taloha ayayay, na dia hoe passer aza le izy! de manaova chantage retsy eh! miala ny ville misy anareo, manao mutation zany raha miasa! miala lavitra be mihitsy, za kosa aloha tsy mahazaka izany ex ny vadiko izany hifanena ahy tout les 4 matin zany eh! ireo rafozana retsy ampahafiriny koa fa de ialaho tao an! harary fo eo indry, le hiresaka nyv adi-dry mety solution fga soit izy hadaiga soit izy tonga de romotra be hoe ianao kay saro-piaro sns eh ! eviter-o de izao retsy fa harary fo eo indry, ny tapaka ny rafozandry tsy afaka decidenareo tsony! fa de le miresaka ny vady ara-diplomatika angambany sisa!
mahereza retsy fa de tsy haniry ahazo io sitiasion-dry io aho!
mahereza retsy fa de tsy haniry ahazo io sitiasion-dry io aho!
20. heidi
(
16/12/2008 15:50)
ka eo ndrindra le probléme-ko,rendre service tsy maninona,(eo eo iany),fa le kala zany,tsy maintsy hamangy satria tsy mafantatr'oul afa tsy ry zareo reto,izahay sy ny RADny vadiko nefa mifanakaiky ny trano,de le vadiko zany sure fa tsy maintsy hifanena ao daolo ,ambenako tsara mits alou fa raha vao misy mivôna ao de avy @ zay aho @ angady sy harona!
fa inona ary ity resaka angady sy harona ity :-D fa angaha tsy atokisanao ilay vadinao ny aminy aloha....??? rehefa HANANAO fahatokisana ilay vadinao dia tsy misy olana, efa samy manambady izao, hafa nyfiainana taloha hafa ny ankehitriny dia ny ampitso no jerena :-P
