Iza Atra ? Ireo finoana 17 samy manana ny ATra-ny

1. niryna ( 19/11/2008 18:52)
Mahafaly ny mihaino sy mizara ny finoan'ny hafa.Mahatonga ny tena hifikitra amin'ny finoan'ny tena koa ilay izy raha toa ka latsa-paka ilay finoana (tsara rafitra-good foundation -toy ny trano tsara fototra).

Ireto aza misy finoana maro ka mba afaka mizara ve hianareo e .
Anjaratsika kosa no mihaino fa mba irina ny tsy hisy ny fitsikerana a
Misaotra mialoha.
Iza no namorona azy ? Iza no nanoratra azy na toerana niforonany?.Iza ilay Atra aminy? . Kristy ? Fanahy masina mino izany ve? Famonjena ? Fiianana ao aorian'ny fahafatesana ? Ahoana no fomba fivavahany (worship)?

Ireto avy ary izany ,omeo raha mahita hianao .



2. ikaretsaka ( 19/11/2008 19:01)
ny ifandraisan'izy mianakavy dia ilay samy mino fa ilay lohananon'ilay hery tsy fantany sy tsy hainy manazava t no ataon'ny olona hoe Andriamanitra
fa ny ankoatran'izay dia samy manana ny kipitsopitsony arakaraky ny fotokevitra ijoroany sy ny tanjona tiany hahatongavana: endoctrination, fampitahorana , fanalana probleme @ alalan'ny relief, ary fifanasoavana
3. fijo ( 19/11/2008 21:36)
samy niainga tamin'ny tsy fahalala sy tahotra nytsy hay sy hoavy ireo,ary samy mino fa misy "hery ivelany"tsy voafehiny mifehy azy.

avy eo dia samy nak any fombafomba kely metimety aminy
4. niryna ( 20/11/2008 05:12)
Ireto avy ary izany ary Izay mba mahalala dia afaka mizara e

Ireto avy ary ireo finoana samy hafa : mety ho hafa koa angamba no filaza azy @ teny hafa ..

Jehovah witness na Temoin de Jehovah - Mormonism - Unification Church- Christian Science- Unity School of Christianity- Islam na Silamo-Nation of Islam- Baha'i World Faith- Judaism-Hinduism-Hare krishna-Transcendental Meditation-Buddhism-Nichiren Shoshu Buddhism--Wicca-Scientology - New Age ...raha mbola mahita moa dia raisina an-tanandroa .


Iza no namorona azy ,oviana izany ?
Inona no boky am-piasainy na ny anarany hoentiny ?
Aminy Izy Atra ?
Iza i kristy ?
Iza na mino ny Fanahy masina ve izy ?
Inona no atao mba ahazoana famonjena sa tsy mino izany ?
Inona no mitranga aorian'ny fahafatesana sa tsy mino an'izany ?
Dia ahoana no fampiharana izany finoana izany @ fiainana andavan'andro ?

:D
5. Nandra1 ( 20/11/2008 09:28)
Tena aleo ihany mahitanao mampiasa tsimpona de mitori-teny ry niryna toy zay mitady 19 sa 20 @ olona eto??????
De inona no tokony hidirana amin'ireo sa te hanaratsy sy hanamavo, aleo samy hanana ny finoany any fa aza miditra @ izany, ze hahasoa tsara ny finoanao atao tsara, rehefa tsy mahita toriana intsony de eny Tsaralalàna rehetra eny, eny @ boîtes sns...........eny no tokony handeha! fanontaniana miteraka ady sy tsy tokony hipetraka!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!! :evil:
6. fahamarinana ( 20/11/2008 10:03)
:arrow: .Tsy miaro any niryna aho ary mino aho fa tsy ilainy akory izany fa amiko dia tsara ilay dinika satria tsara ho fantatra.Anjaran'ny tsi11 no mamaly na tsia ary azo atao ny mamaly am-panajana tahaka ny ataon'ika sy fijo maneho ny heviny tery ambony...
Ny an'ny nandra1 resaka vao miainga dia efa mamely sahady nefa ilay olona aza vao nametraka fanontaniana fontsiny ! Ato tokoa anie ka dinika fivavahana sy finoana,izany hoe azo lazaina ny momba ny rehetra...
Tsiky dia ampy e !
fa mbola hiverina avy akeo fa tapaka tampoka ilay feeling-ko e:) (l)
7. Nandra1 ( 20/11/2008 10:28)
Iza no namorona azy ,oviana izany ?
Inona no boky am-piasainy na ny anarany hoentiny ?
Aminy Izy Atra ?
Iza i kristy ?
Iza na mino ny Fanahy masina ve izy ?
Inona no atao mba ahazoana famonjena sa tsy mino izany ?
Inona no mitranga aorian'ny fahafatesana sa tsy mino an'izany ?
Dia ahoana no fampiharana izany finoana izany @ fiainana andavan'andro ?

Inona ary le intérêt @ ipetrahan' ireo fanontaniana ireo @ Fahamarinana, na ho ela na ho haingana de tsy maintsy hisy comparaison eo nefa finoana no resahana na de fivavahana sy finoana aza! Vao maika hiampy an'ireo tsy mpino!
Za tsy mamely fa tsy mety izao, ary hiafara @ blasphème raha hisy tafintohana @ évolution ny discussionareo @ io sujet io!
8. fahamarinana ( 20/11/2008 10:50)
:arrow: Tsy voatery hisy interets ho anao manokana na ho ahy na ho an'ny sasany ihany koa fa amiko na fampahalalana monja aza sy fizarana izay mba hay...dia mety ho tsara ho ahy na hanamafisako ny ahy manokana aza !!!
Amiko manokana samy manana ny finoany tokoa ny tsi11 ka raha mitombina ny finoanao dia tsy misy tokony hampatahotra akory...ary amin'ny maha-finoana maro azy dia rariny koa raha manazava ny azy izy,raha tanty ka tiany ny hanazava azy ary indrindra raha manaiky ny hanao izany izy...fa tsy hoe akory natokana ho an'ny protestant sy katolika sy ny hafa monja ny dinika.Izay tsy fifankahafatarana izay no mety mampiteniteny foana ny hafa !
Misy hisy ny ho tafitohina ,hisy ny blaspheme rahatoa tokoa ka tsy hanaja na hanaraka ny fangatahan'ny mpametraka dinika hoe :
niryna:
misy finoana maro ka mba afaka mizara ve hianareo e ..Anjaratsika kosa no mihaino fa mba irina ny tsy hisy ny fitsikerana a
Misaotra mialoha


:arrow: dia anjarantsika tsi11 no miezaka hanaja izay.
Ny tiako marihina monja dia aza afangaro amin'ilay tsikera nataon'ny nandra 1 mikasika ny tsipona mety ataon'nyirina na tsia...fa lasa mihitatra dia mivaona ny dinika. :) (l)
9. Nandra1 ( 20/11/2008 11:17)
Na catho sy protestanta fotsiny aza efa wawawa be eto hanaovan'ny athée azy @ interpretation ny teny rehetra ve? vao mainka fa finoana bobaka be ary samy hanatsara ny azy avy ka ho mora raikitra ny adi-hevitra na de efa nametraka io aza nyrina satria ny olona rehetra samy sarotiny @ azy dhl ary samy tsy hisy hanaiky ho gisitra!
Ny tiako marihina monja dia aza afangaro amin'ilay tsikera nataon'ny nandra 1 mikasika ny tsipona mety ataon'nyirina na tsia...fa lasa mihitatra dia mivaona ny dinika.

Amiko de aleo mahita tsimpona toy izay sujet hitarika ady satria tsy ho voafehy mihintsy ny olona votom-pinoany avy!
Hay ve le tsipona no tsy zakanao e!, mahay manazava tsara i Nyrina fa tsy tokony hampiasa tsipona foana! Ohatranao izao tsy mila tsipona ary mivantana tsara, na somary maneso aza nefa mazava ny tiana ho lazaina!
Mialatsiny @ ze tsy mahazaka fa aleo hivantana ary samy tsy hihatsaravelatsihy izany @ tena zava-misy e!
10. fahamarinana ( 20/11/2008 11:37)
:arrow: raha tahaka izay anie ry nandra1 (dadany koa ilay ps aloha an.. :-D ) dia ilay resaka finoana sy fivavahana mihintsy izany no tsy tokony ho tsy atao na foanana satria na hihodi-kavia isika na hihodi-kavanana dia na nisy io dinika nampidirin'ny niryna io na tsia dia hifamaly foana izany isika rahatoa tsy manaiky hiova na hanandrana hiova..!
Ka raha atomboka eto ary ilay hoe mba manaja sy mandefitra....tsy misy mangidy tsy andramana sady efa nomarihany tsara koa!
Mialatsiny @ ze tsy mahazaka fa aleo hivantana ary samy tsy hihatsaravelatsihy izany @ tena zava-misy e!

:arrow: tsy misy tsiny e ary tsy hoe tsy zaka fa hevitry ny tsi11 daholo ireny tahaka ny anao fa dia samy maneho ny heviny rahateo moa amin'ny maha-dinika ary tsy voatery hitovy fijery.
Resaka tsipona indray,misy itovizantsika hevitra ihany fa araka ny dinika indray no mety hitiavako azy indrindra rehefa mifandray tsara ny dinika sy ny tsipona atao.Zà rahateo tsa mahay fa mba maka izay fampianarana sy fizarana hitako eto.
Aza raisin'ny nandra1 ho ho anao manokana ny teniko fa somary nanaitra ny zanak'atidohako monja...:)
Dia tohizo ny dinika ary miala tsiny amin'ny namana fa tsetsatsetsa tsy aritro monja ireo voalaza ireo.. (l)
11. naughtyboy ( 20/11/2008 14:02)
ekeny saiko 100% ny voalazany fijo si Ika ,ny lalana iray ahafantarana izay loharanony fahalalana sy fitiavana izay ny finoana sy ny fivelarany fanahy (oh.fivavahana,meditation..)
12. ikaretsaka ( 20/11/2008 16:47)
faha> tsara ny mizara sy mahampafantatra .. fa ny atahoran'ny olona anie de le izy hifarana amin'ny fampitahana ny azy sy ny tsy azy dia lasa manaratsy ilay hafa e..
izay kosa tsy mety
13. fahamarinana ( 20/11/2008 16:50)
:arrow: ekeko kah ,izay no ilazako hoe miezaka mamaly araka izay tratra sy heverina fa mety.. :) ,raha vita fa sarotra aloha indrindra misy mandranditra izay eo anoloana... :? (l)
14. ikaretsaka ( 20/11/2008 17:02)
ka ny olana amin'io dia raha heo neutre tsara tsy maninona..
fa raha hoe mormon ilay olona ka hizara sy "hampahafantatra" ny olona ny momban'ny baha'i ohatra dia mazava ho azy fa tsy maintsy le mormon aloha no hatsaraina kokoa nohon'ilay baha'i....


15. rakapy ( 20/11/2008 18:03)
Io fanotaniana napetrak'i Nyrina io no fanotaniana anisan'ny mampiady sy mampifandrafy ny mpino maro eran-tany matetika. Eny fa na dia eo @ samy xana na samy Silamo na samy Buddhist aza.
Ny valiny anefa dia tokony ho tsotra fa @ maha olombelona ny olombelona dia ao foana ary tsy mety miala ilay hoe: "Ny anay no marina" , "Izay no nampianarina anay hatr'izay" sns...

Iza ary inona tokoa moa no atao hoe A/tra?
Raha voavalinao hoe inona no maha samihafa ireto A/tra ireto dia ho fantatrao hoe iza A/tra.

El Eloah, Adonai ,Yahweh Nissi, Jehovah, Allah, Elohim, Dieu, Zanahary, God.


16. fijo ( 20/11/2008 20:57)
raha te ahalala fotsiny an,tsy misy olana izany ,ary isika aby eto samy te ahalala,
fa raha hoentina hitsikerana sy hanaratsiana ilay hafa,dia ratsy
17. rabilabila ( 20/11/2008 21:09)
Ny ahy indray aloha efa arabaiko rehefa liana ny ahafantatra ny hafa ; tsy mampaninona ahy koa ny mampitaha , raha posssible no hananana objectivité , ary ho sarotsarotra ihany fa raha tsy izany dia hiafara amin'ireo lazain'i Ika sy Rakapy ireo. Avy amin'io fahalalàna sy fampitahàna io no iavian'ny SAFIDY , na hanaraka an'itsy na izaroa , na ny hanapa-kevitra ny tsy hino .
Raha vao miala amin'ny fandinihina ,ka tonga dia mametraka hoe "hanamafisako ny ahy ";dia efa misy préjugés maro dia maro dia tsy ho tonga any amin'ny fitsokafan-tsaina mihitsy akory .

Tsaratsara kokoa anefa , hoy aho , no mahalàla ny fombafomban'ny zanak'olombelona hatrizay nisiany .Efa nanome fanazavàna lavabe teto aho momba azy io ,sombiny io lazain'i Fijo io hoe:"samy niainga tamin'ny tsy fahalala sy tahotra nytsy hay sy hoavy ireo,ary samy mino fa misy "hery ivelany"tsy voafehiny mifehy azy.

avy eo dia samy nak any fombafomba kely metimety aminy "
18. fijo ( 20/11/2008 21:14)
izay no hilazako hoe raha te ahalala dia tsara,fa io matetika mivadika tsikera.
19. rijadolly ( 21/11/2008 01:45)
Ny hevitro araka ny olana atahorana mety hitranga dia tsy ilay dinika aloha no foanana na isika mpidinika no lasa hifanaratsy ra vao mipiotra ilay hevitry ny 1.Fa ny Kristianina oh milaza ny azy,tsy maninona ra misy aza Kristiana samy milaza ny azy,miditra indray ny Silamo samy hafa manazava ny azy,miala any ndray ny Buddhism avy eo... fa
Anjaratsika kosa no mihaino fa mba irina ny tsy hisy ny fitsikerana a
Misaotra mialoha.
arosoy amin'izay fa liana zay e!
20. niryna ( 21/11/2008 05:53)
Nandra1:

Tena aleo ihany mahitanao mampiasa tsimpona de mitori-teny ry niryna toy zay mitady 19 sa 20 @ olona eto??????
:D

De inona no tokony hidirana amin'ireo sa te hanaratsy sy hanamavo,
hianao no niteny an'io fa tsy izaho a .:cry:

aleo samy hanana ny finoany any fa aza miditra @ izany, ze hahasoa tsara ny finoanao atao tsara, rehefa tsy mahita toriana intsony de eny Tsaralalàna rehetra eny, eny @ boîtes sns...........eny no tokony handeha! fanontaniana miteraka ady sy tsy tokony hipetraka!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!! :evil:
dia lasa tia tena izany isika fa tsy mba afaka mihaino ny an'ny hafa. Na inona anie ataoantsika na inona tsara koa mba mahafantatra ny an'ny hafa e ?
Inona izao ny an'i Nandra1 ?
Raha misy olona manontany anao ireo fanontaniako ireo dia ahoana no havalinao azy ...diniho kely anie e .

Nandra a na inona sujet omenao mety misy foana olona hitsipaka ny hevitr'ilay mpanome sujet ka .
Vakio tsara kosa aloha ny fanontaniako e ?
niryna:
Mahafaly ny mihaino sy mizara ny finoan'ny hafa.Mahatonga ny tena hifikitra amin'ny finoan'ny tena koa ilay izy raha toa ka latsa-paka ilay finoana (tsara rafitra-good foundation -toy ny trano tsara fototra).


Dia mbola noteneniko mazava tsara koa fa hoe
niryna:

Anjaratsika kosa no mihaino fa mba irina ny tsy hisy ny fitsikerana a
Misaotra mialoha.

Dia inona no olana amin'izany ?
Izaho no finoako .....
Ranona no namorona azy tamin'ny taona izao ......
Manana boky toa izao izahay .....
Aminay Atra dia .......
I kristy @ dia .......
Ny fanahy masina ve ? ...........
Raha resaka famonjena indray dia izao .....
Ary izany fiainana aorian'ny fahafatesana izany ve ? Izao no nazavaina taminay.
Ny fampiharanay azy amin'ny fiainana dia manana toerana fivoariana izahay na asa ..manana fiangonana koa na asa ...

Dia inona no mety mahatonga ady amin'izany ? asa lahy fa samy manana ny fifaindraisany azy avokoa ny tsi11 .

:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0933