Iza Atra ? Ireo finoana 17 samy manana ny ATra-ny

61. ikaretsaka ( 02/12/2008 18:49)
Fa le fanontaniako nge tsy novalian\' I niryna mihitsy e. Za hoa zao katolika fa. Efa niaina Sy mba lehibe tao @ prot sy nianatra io finoana io za taloha dia raha hizara aminareo ny fijery an\' io finoana io ve za de sahy hi garantir 100% ianao fa tsy hikritique ny nozaraiko?
62. xxx ( 03/12/2008 00:22)
:-D :-D :-D :-D :-D
63. niryna ( 03/12/2008 16:46)
ikaretsaka:

Fa le fanontaniako nge tsy novalian\' I niryna mihitsy e. Za hoa zao katolika fa. Efa niaina Sy mba lehibe tao @ prot sy nianatra io finoana io za taloha dia raha hizara aminareo ny fijery an\' io finoana io ve za de sahy hi garantir 100% ianao fa tsy hikritique ny nozaraiko?

misy teny tsy mila valiny fa satria misy mody adala ary misy aza manohitra ny tenin'Atra lava ka inona no andaniana andro amin'izany ,hitany eo ny jiro lasan'ny saka ary efa samy mahalala avokoa isika rehetra hoe inona no tanjona tian'iny tsirairay atao eto ,ao ny mianatra ,ao ny mizara ,ao ny mandrava dia anjaran'ny tsirairay io fa tsy ho voatery hamaly aho ka . efa mamaly aho izao io a
mba zarao aza ny finoana marobe fantatrao
64. ikaretsaka ( 03/12/2008 17:12)
niryna:

Aza miolakolaka hoa fa milaza ilay marina ankitsirano indray ika , tsy hainao ny namaly ilay izy mivantana sy mazava satria ngo de vohitsakitsaka sy afa kenatra ianao dia le pli vava (rehefe tsy mitovy aminao de moanohitra ny tenin atra) no sisa averimberina sy atao litania.....
Grow up de ahirato ny saina ry madama jambampinoana an...ny am... ny olona fatoranareo ary hanasana ny naso raha mbola tsy nihiratra
65. tywa68 ( 04/12/2008 10:30)
ô ry niryna a ! mba zarao @izay ary ny valiny e :lol:
Ika : calma enao hoa :-D
66. fahamarinana ( 04/12/2008 11:30)
:arrow: ika : calme tokoa fa ho asianay karetsaka eo an.. :wink: ...(l)
67. niryna ( 06/12/2008 05:03)
ikaretsaka:

Aza miolakolaka hoa fa milaza ilay marina ankitsirano indray ika , tsy hainao ny namaly ilay izy mivantana sy mazava satria ngo de vohitsakitsaka sy afa kenatra ianao dia le pli vava (rehefe tsy mitovy aminao de moanohitra ny tenin atra) no sisa averimberina sy atao litania.....
Grow up de ahirato ny saina ry madama jambampinoana an...ny am... ny olona fatoranareo ary hanasana ny naso raha mbola tsy nihiratra
raha tsy aiko dia valio aza e,tsy maninona ka ,izaho tsy niteny mihitsy hoe tapi-pahaizana ? mizara izay kely mba fantatro aho ,anjaranao ny mandray raha tianao izany ,anjaranao koa ny manda ,tsy maninona fa safidy io rahavako
:-*
raha resaka pli-vava indray dia efa voasoratra io :Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.
Salamo 1: 2

ahoana hoy ny soratra masina ?
Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy,Iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko Iza no hangovitako ? raha manatona ahy hihina ny nofoko ny ratsy fanahy ,izay fahavaloko sy rafilahiko dia izy ihany no tafintohina ka lavo Salamo 27 1-3
68. niryna ( 06/12/2008 06:29)
tywa68:

ô ry niryna a ! mba zarao @izay ary ny valiny e :lol:
Ika : calma enao hoa :-D

:D :D
ity indray aza ny faharoa e
Mizara fotsiny no ataoko ka afaka manampy izay mahafantatra mihoatra koa.

Mikasika ny Mormonism indray dia izao no filazan-dry zareo.

Ny namorona azy dia Joseph Smith,Jr ( 1805-1844),ny anaran'ny fiangonana noforonina dia (LSD) na hoe Church of Jesus Christ of Latter-Day Saints izay tamin'ny 1830 tao New York ,USA .
Ny foibeny (Headquarters) dia Salt Lake City,Utah. USA

Ireo bokin'ny Mormon : Doctrine and Convenants: Pearls of Great Price, the Bible(king James,Version only na Smith's "Inspired Version "

Andrimananitra Atra izay atao hoe Ray dia olona izy taloha ( Elohim) ka lasa nivadika ho Atra (God the Father was once a man,but" progressed" to godwood),ary nanana vatana sy nofo izy ary toy izany koa ny vadiny (His wife-Mary izay antsoina -Heavenly Mother ) .Tsy telo izay iray (no trinity).Ray ,Zanaka ary Fanahy Masina dia Atra telo samihafa ( three separate gods) .Olona nanamboninahitra ,nanan-kaja,nanana ny mahaizy azy (worthy man) ary dia lasa nivadika ho Atra ho azy .

Jesosy Kristy dia Atra mitokana avy amin'ilay Ray (Elohim) .Zaza manam-panahy avy amin'ny Ray zy Renin'Atra (spirit child by the Father and Mother in Heaven. Ka izy no zakana voalohany indrindra amin'ny olona rehetra. Ny nisiany dia vokatry ny firaisan'ny Elohim sy Mary.
Jesosy dia nanambady .Ary ny fahafatesany teo ambony hazofijaliana dia tsy manafaka ny fahotan'ny olona izany .Fa izy kosa no ahatongavan' ny fitsanganan'ny tenan'ny maty rehetra

Ny fanahy masina na Holy Spirit dia tsy mitovy amin'ny hoe Holy Ghost
Ny fanahy masina dia tsy Atra fa vokatry ny hery hafa toy ny jiro herimbaratra izay avy amin'Atra na fahazavana avy amin'i kristy.

Mino ny famonjena ve ? Ahoana ?
Ny fitsanganan'ny tenan'ny maty dia vokatry ny fahasoavan'Atra ,fa ny famonjena dia avy amin'ilay Atra ary vokatry ny asa atao izany fa tsy mino fotsiny ihany akory.Tafiditra amin'izany ny mpanompo mahatoky izay nampanaovina ny asan'Atra ,fanaovana batisa mormon ,fandoavana ny fahafolon-karena, .Tsy mankany @ fiainana mandrakizay raha toa ka tsy fikambanana Mormon.

Ny fiainana aorian'ny fahafatesana
Matetika ny olona rehetra dia mandeha amin'ny toerana telo samy hafa izay any an-danitra ( heavenly Kingdom) ary vokatry ny asa natao tamin'ny fanompoana an'Atra izany,fa ireo tsy mpanaradia kosa sy ireo mpamono olona dia mandeha any amin'ny toerana maizina.(go to outer darkness)

Ny finoany,ny zavatra ataony

Tsy misotro toaka,na mifoka sigara na misotro dite (tea).Atao batisa amin'ny alalan'ny fahatesana(baptism on behalf of the dead).Mandeha mitory filazantsara mandritra ny roa taona ary dia mitety varavarana Dia misy toerana manokana koa izay hivavahana(secret temple) ka ny olona izay voazaha toetra ihany no mahazo miditra ao .
Ny mponina avy any Afrika dia tsy nahazo niditra tamin'io fivavahana io raha tsy taty aorian'ny taona 1976

Izay no mba vaovao kely azo zaraiko anareo mikasika ny Mormon

(l) niryna
69. tywa68 ( 06/12/2008 11:09)
misaotra an'i niryna nahavita nitady an'ireo détails be da be ireo, fa mandainga aho raha miteny hoe namaky tsara :lol: tsy maninn nefa fa efa hitako hoe tsy hiova ny finoako zay arahiko sy mahafa-pò ahy h@zao aloha aho, fa kosa miezak mijery ny an'ny hafa mba hananako fandeferana sy fanekena fa samihafa aby isika sy mendrika daholo eo imason'Atra nahary antsika ! ny Tompo anie hitahy antsika rehetra tsy an-kanavaka ! amen :-*
70. fahamarinana ( 06/12/2008 11:15)
:arrow: zà koa mihezaka mamaky na dia lava be aza.. :wink: (l)
71. niryna ( 06/12/2008 18:12)
tsy misy fisaorana e,marina tokoa izany fa somary lava ilay izy . tsy misy fisaorana e :-*
72. felanawil ( 07/12/2008 14:30)
niryna:

rakapy:

Fa inona kay no maha samihafa an'i God @ A/tra ? inona no maha samihafa an'i Dieu @ Allah? inona no maha samihafa an'i Torah @ Zanahary sns...?

Raha ny fahitako azy dia isika olombelona mihintsy no te hisaratsaraka sy hifanavakavaka na koa te hanambony kokoa ny zava-patany fa ny zavatra inoana dia iray ihany.
Jereo fotsiny ange eto @ forum e! na ny samy xana izay voalaza fa i jesosy aza no tompoiny sy arahan'izy ireo , dia hita fa mifanatsafa izay tsy izy tokoa izy ireo !

Ary ity loha-hevitra ity dia:- Na hampitombo ny elanelana
- Na hampifanantona

Ka dia mahaiza mitondra tena.

izay no eritreritrao dia hajaina ka fa afaka ny manavaza anay izay hinoanao ve hianao ry rakapy ?

misy dia vendramp.... mihintsy nefa mba te hiteny,
fa nga tsy maintsy mino ny zavatsy ita maso
afaka mino ny tenany izy, ny fahaizany, na olona hafa sns
73. fahamarinana ( 07/12/2008 17:12)
:arrow: eh ben !!! :roll: (l)
74. ikaretsaka ( 08/12/2008 23:45)
Marina lo zay e
75. niryna ( 13/12/2008 00:43)
rakapy:

Fa inona kay no maha samihafa an'i God @ A/tra ? inona no maha samihafa an'i Dieu @ Allah? inona no maha samihafa an'i Torah @ Zanahary sns...?

Raha ny fahitako azy dia isika olombelona mihintsy no te hisaratsaraka sy hifanavakavaka na koa te hanambony kokoa ny zava-patany fa ny zavatra inoana dia iray ihany.
Jereo fotsiny ange eto @ forum e! na ny samy xana izay voalaza fa i jesosy aza no tompoiny sy arahan'izy ireo , dia hita fa mifanatsafa izay tsy izy tokoa izy ireo !

Ary ity loha-hevitra ity dia:- Na hampitombo ny elanelana
- Na hampifanantona
Ka dia mahaiza mitondra tena.

niryna:

izay no eritreritrao dia hajaina ka fa afaka ny manavaza anay izay hinoanao ve hianao ry rakapy ?

felanawil:

misy dia vendramp.... mihintsy nefa mba te hiteny,
fa nga tsy maintsy mino ny zavatsy ita maso
afaka mino ny tenany izy, ny fahaizany, na olona hafa sns

:oops: asa aloha izay tianao lazaina hoe vendrana eto e,
Tsy misy olona vendrana izany ry felana a > tsy ho voatery hitovy ny eritreritrao ny olona ka aza atao hoe vendrana izany :oops: mba mizara izy ary tsy ho voatery anaraka ihany koa hianao fa afaka mino ny tenanao tokoa ,ny fahaizanao ,ary olona hafa lazainao .

:oops: :lol:
76. niryna ( 13/12/2008 01:11)
Ity indray ary ny manaraka izay te hijery.
Hinduism

Ny namorona azy : Tsy nisy fa maro karazany ary niforona tamin'ny 1800- 1000 BC tany India.
Ny karazana boky nosoratana : Maro be ka tafiditra amin'izany ny "the Vedas( izay tranainy indrindra ary nanomboka tamin'ny 1000 BC) ,"the Upanishads" ary ny "Bhagavad-Gita:

Andriamanitra Atra dia fanahy feno manerana hatraiza hatraiza ary ny zavatra rehetra dia karazana Andriamanitra avokoa ( Brahman) .Ny olona dia mivavaka amin'ny (Brahman -ireo karazana Atra marobe -gods and goddesses)

Jesosy Kristy

Amindry zareo Jesosy Kristy dia mpampianatra (teacher) ,"a garu" na "an avatar" izay nipoiran'ny Vishmu .Izy dia zanak'Atra ary mbola misy koa maro hafa toy izany. Ny fahafatesan'i kristy dia tsy manala ny otantsika ary tsy nitsangana tamin'ny maty izany izy .
Io izany no fahafantaran'ny finoana Hindu an'i JK

Ny fanahy masina
Tsy mino ny fanahy masina ry zareo.
Tsy misy resaka izany hoe fanahy masina izany ao amin'ny finoany.

Ny famonjena miodikodina eo toy ny circle indray ny fiainana maty dia misy teraka dia ny fanahin'iny maty iny no mipetraka ao amin'ilay vao teraka.Dia ny ny fanaovana yoga sy ny meditation(fandinihantena) no tokona atao ary ny famonjena farany dia ny fihaonana an'i Brahman.

[ Ny fiainana aorian'ny fahafatesana
Fiverenan'ny fanahy indray ary araka ny maha tsara ilay olona ilay izy na koa hoe (good karma) raha toa ka tena mino tanteraka izy fa raha toa ka ratsy (bad karma) toetra kosa dia teraka indray ary mandoa ny fahotana rehetra iza natao avy eo ary dia hijaly tokoa .

Ny finoana sy ny fampiharana izany

Ny mpianatra sasany na ireo (disciples) dia manao akanjo orange ary solaina ny volony. .Ny ankabeazan'ny Hindus dia mivavaka amin'ny vato sy ny zavatra vita amin'ny hazo ( woship stones and wooden idols ) .Ny sasany kosa dia mitaky fanarahana ny didy . Ireo mpianatra kosa dia manao fandinihantena avy amin'ny famerenana ny teny , na voasoratra na amin'ny alalan'ny sary Ny fanaovana yoga no fomba iray ataony amin'ny fandinihantena (meditation)

Io indray no mba zaraiko anareo androany.

(l) niryna
77. ikaretsaka ( 13/12/2008 17:26)
Tsy ho voatery ho ny "tena" ihany manko no dinihina rehefa mi mediter fa mety lohahevitra 1 hafa mihitsy tsy mikasika na mahakasika ny tena
78. fahamarinana ( 15/12/2008 07:04)
:arrow: misaotra niryna a0.... :) (l)
79. coopsal ( 16/12/2008 09:38)
felanawil:
fa nga tsy maintsy mino ny zavatsy ita maso
afaka mino ny tenany izy, ny fahaizany, na olona hafa sns

==> Marina izany.
Ny manahirana ahy fotsiny dia izao :
Ny tenako aza tsy hitako maso tanteraka, na hampiasa fitaratra aza aho! Sombintsombiny fotsiny amin'ny tenako no hitako indray mijery, ary misy ny zavatra tsy hitako mihitsy kanefa na hino aho na tsy hino, misy izy ireny (ohatra ny taova ao anaty), ary tsapako tsara rehefa marary na misy mahazo azy.
Ny fahaizako koa mba toy izany, ananako ilay teny hoe "fahaizana", ary haiko ny manavaka hoe fahaizako sy fahaizan'ny hafa, fa tsy hitako akory izany fahaizako izany! Tsy hitako fa inoako ary amiko ilay izy dia tena misy sy tsapako.
Misy aza zavatra iainako isanandro : électricité! Tsy hitako izany électrons mivezivezy izany, ary azoko tsy inoana mihitsy ny fisiany, saingy na hino aho na tsy hino, efa imbetsaka no lanin'ny courant ary voalaza fa raha maharitraritra aho lanin'ny courant na matanjaka be ny vaikany dia mety hahafaty. Tsy hiandry ho faty aho vao hitandrina tsy ho lanin'ny courant izay tsy hitan'ny masoko akory. Fa ekeko ny fahamarinany amin'izay sombiny kely efa iainako aminy ary tsy maintsy mitandrina aho mandrapahitako ny fika hoe tena hors de danger @ resaka courant aho.
...

Tsy mbola hitan'ireto masoko ireto izany Jesosy izany, ary tsy mbola henon'ireo sofiko ireo koa. Fa izaho kosa mahatsapa ny fisiany sy ny firesahaNy amiko, nanomboka tamin'ilay indray Alakamisy alina izay.
Afaka mino ianao na tsy mino izany! Andriamanitra dia inoako fa tsy manery na iza na iza hino Azy, sy ny fahamarinaNy (dia Kristy). Raha nanery Izy mantsy dia efa hatry ny ela no ho nanaovany an'izany ary tsy hisy olona tsy mino intsony ankehitriny! Saingy na hino ny olona na tsy hino, tsy mahafoana ny fahamarinaNy sy ny fisiaNy akory izany.
80. coopsal ( 16/12/2008 09:47)
[center]hindouisme[/center]
Tamin'ity taona ity aho dia nifanerasera ihany tamin'ny hindouisme, en l'occurrence ny Brahmanisme sy ny Sikh.
Misy lehilahy iray tany amin'ny taona 189x~192x tany Hindous (Sikh) hiringiriny, mpanakarena ary nampianarina tao amin'ny sekoly misiona anglikana tany aminy, nampahafantarina ny finoana kristiana ary dia nankahala fatratra.
Teo am-pitadiavana ny marina momba an' Andriamanitra izy, rehefa namoy fo ary nanapa-kevitra fa tsy hahita an'izany eto fa ho any ankoatra mba hitady an' Andriamanitra (suicid), dia niseho taminy Jesosy, ary hatreho izy dia lasa kristiana ... Sadhu Sundar Singh ... Izay liana, ahitana lahatsoratra maro momba azy sy ny fijoroany vavolombelona eto @ net, misy boky koa aza.
ity misy rohy na izany aza :
http://en.wikipedia.org/wiki/Sadhu_Sundar_Singh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084