Iza Atra ? Ireo finoana 17 samy manana ny ATra-ny

41. niryna ( 21/11/2008 21:36)
fijo:

raha te ahalala fotsiny an,tsy misy olana izany ,ary isika aby eto samy te ahalala,

mitovy hevitra aminao koa aho


:D
42. niryna ( 21/11/2008 21:43)
rakapy:

Io fanotaniana napetrak'i Nyrina io no fanotaniana anisan'ny mampiady sy mampifandrafy ny mpino maro eran-tany matetika. Eny fa na dia eo @ samy xana na samy Silamo na samy Buddhist aza.
Ny valiny anefa dia tokony ho tsotra fa @ maha olombelona ny olombelona dia ao foana ary tsy mety miala ilay hoe: "Ny anay no marina" , "Izay no nampianarina anay hatr'izay" sns...

Iza ary inona tokoa moa no atao hoe A/tra?
Raha voavalinao hoe inona no maha samihafa ireto A/tra ireto dia ho fantatrao hoe iza A/tra.

El Eloah, Adonai ,Yahweh Nissi, Jehovah, Allah, Elohim, Dieu, Zanahary, God.

ka izay no mba anontaniana an'i rakapy kou .

mba afaka mizara aminay ve hianao e

:wink:
43. niryna ( 21/11/2008 21:51)
rabilabila:

Ny ahy indray aloha efa arabaiko rehefa liana ny ahafantatra ny hafa ; tsy mampaninona ahy koa ny mampitaha , raha posssible no hananana objectivité , ary ho sarotsarotra ihany fa raha tsy izany dia hiafara amin'ireo lazain'i Ika sy Rakapy ireo. Avy amin'io fahalalàna sy fampitahàna io no iavian'ny SAFIDY , na hanaraka an'itsy na izaroa , na ny hanapa-kevitra ny tsy hino .

izay indrindra mantsy .

Raha vao miala amin'ny fandinihina ,ka tonga dia mametraka hoe "hanamafisako ny ahy ";dia efa misy préjugés maro dia maro dia tsy ho tonga any amin'ny fitsokafan-tsaina mihitsy akory .
eka ozy !


Tsaratsara kokoa anefa , hoy aho , no mahalàla ny fombafomban'ny zanak'olombelona hatrizay nisiany .Efa nanome fanazavàna lavabe teto aho momba azy io ,sombiny io lazain'i Fijo io hoe:"samy niainga tamin'ny tsy fahalala sy tahotra nytsy hay sy hoavy ireo,ary samy mino fa misy "hery ivelany"tsy voafehiny mifehy azy.
misaotra anao

avy eo dia samy nak any fombafomba kely metimety aminy "



:-*
44. niryna ( 21/11/2008 21:59)

misaotra aky faha ...


rabilabila:


Tokony hanana \"culture genérale\" -n\'ny histoire des réligions daholo ny olombelona rehatra mba ahafahana manana ny \"compréhension de l\'autre ==> TOLERANCE.
zarao anay hoe ny an'i rabila a .

:D
45. niryna ( 21/11/2008 22:21)
ikaretsaka:

le izy izao fotsiny e
raisiko amiko fotsiny le ohatra : za katolika izao fa kosa efa taranaka prot aho no nisafidy ny ho kato... iznay hoe afaka resahiko tsara ireo finoana ireo, fa tsy afeniko kosa anefa fa mety hanahirana ireo pros ny fijeriko sy ny filazako ny momba azy ireo, dia aleoko tsy miditra lalina.


Rehefa avy eo na ao @ samy kato aza
@ maha taizan-Jezoita ahy koa dia mijery @ fijery mirona kely any @ Jesuites ny ao @ katolisisma aho, nandalina momban'ny dominikanina koa aho anefa ary afaka miresaka momba izany kanefa mety hanahirana ny katolika ilay manaraka ny fijery dominikanina ny fijery sy ny filazako momba azy ireo dia aleoko tsy miditra lalina

fa zany akory tsy midika hoe satria za katolika mijery @ fomba Jesuite dia tsy hinamana amina silamo sunite! na Jiosy orthodoksa na Felem traditionalista
misaotra anao nizara


46. niryna ( 21/11/2008 22:39)
coopsal:

Fa ianareo izay mahafantatra ny marques rehetra, mba tanisao eto d lazalazao ny caractéristiques-ny!
mbola ho zaraiko ihany izay kely mba fantatro e fa miandry ireo mpino hafa isika mba mifampizara ka
Tahatahaka izay ve ity fanontanian'i Nyrina ity?

Inoako fa izay représentant ny marque tsirairay samy afaka hilaza ny fahatsarany rehetra, manana safidy malalaka aho hifidy izay marque tiako, ary manana safidy malalaka aho hiteny hoe "ny ahy ny XXXX no hitako tsara indrindra", ary mety hiteny ireo namako izay mitady hafa koa aho hoe ilay marque XXXX ry ireto tena milay ah!! Fa zah efa nampiasa anle marque MMMM fa tena tsy nahazaka hatr@ écran-ko! (ohatra).


:D
47. ikaretsaka ( 21/11/2008 23:35)
ka ny olana @ io anie dia hanahirana raha ilay miasa ao @marika XXXX no mitady hilaza ny momban'ny ao @ YYYY e
na nampianarin'ny tao @ XXXX momban'ny YYYY tahaky ny inona aza izy tsy mahalaza ny momban'ny YYYY noho ilay tena miasa ao @ YYYY
48. coopsal ( 24/11/2008 09:10)
- Nisy ny nanao famintinana ny @ finoana rehetra
- Nisy ny nanao analyse ka naminavina izay mety hiafaran'izao adihevitra izao
- Nisy ny nanaiky fa tsara ny fisehoan'ny zavatra eto (izaho anatiny) mba hahafahana mijery sao dia diso fijery s fahalalana ny rehetra ka nitsaratsara foana.
- Ary iza @izay no afaka hanomboka hamaly an'ilay fanontaniana?
49. ikaretsaka ( 24/11/2008 20:33)
ka aminareo izay prot ve de mety raha izaho izay tsy prot fa nianatra ny momban'ny prot sy tao no niala no inty hanazava aminareo nhy momban'ny prot?
mino aho fa ny 90% nareo dia ho outraged aby..na dia marina aza ny ambarako

ireo kato ve hiety raha ohatra ka olona silamo fa kosa nianatra ny momban'ny kato no hanazava aminy ny momban'ny kato?


o lehiretsy e... sao hanahirana
50. coopsal ( 28/11/2008 15:23)
Vao resaka finoana izany!
Ny antokon'olona samihafa samy milaza izay heviny mikasika an' Andriamanitra ...
How much God should be outraged?
Fa izao no nanehoany ny fitiavany ny olombelona : Nirahiny ny ZanaNy Lahitokana, izay hany tokana mahafantatra Azy, hampahafantatra Azy marina amin'ny olombelona!
51. ikaretsaka ( 28/11/2008 15:52)
Io 'nirahiny ny zanany lahitokana' ko ange ra coopsal ka mbola discutable e! Ho an' ny mormons zao ohatra misy os nefa mbola tsy he ndry ihany raolombelona de nisy ny bokin'i mormon!
Ny silamo koa mbola misy hoe nisehoan'ny gabriely ra mahomet dia nataony dictee

Ny baha'i koa

Sns sns


Ny tiako lazaina d hoe aza ferana eo @ le anao ihany na tsy inoanao aza ny hafa, fa jereo koa
52. fijo ( 28/11/2008 23:05)
io fanirahana ny zanany io koa anie misy fahadisoana fotoana e.
voalazanareo mpamaky boky fa voavonjy izay mino sy manaraka an'i lery.

raha mianatra tantara anefa ny ankizy,dia misy hoe "taona700 talohan'ny JC,

izany hoe ireny olona ireny avy di atsy misy voavonjy fa dila daholo??????ny olona tantarain'ny testamenta taloha koa izany mety maro no hiaraka hifandom bera aminay ary amin'ny mafampana ary ka
53. ikaretsaka ( 29/11/2008 18:00)
Zay nge le ilazako hatrany amboalohany hoe ny hiafaran' ity dinika ity de ho any @ fanambaniana ny an'ny hafa sy fanindraindraina ny an'ny tena e!

Io ary le nolazaiko
54. niryna ( 01/12/2008 17:00)
niryna:

Ireto avy ary izany ary Izay mba mahalala dia afaka mizara e

Ireto avy ary ireo finoana samy hafa : mety ho hafa koa angamba no filaza azy @ teny hafa ..

Jehovah witness na Temoin de Jehovah - Mormonism - Unification Church- Christian Science- Unity School of Christianity- Islam na Silamo-Nation of Islam- Baha'i World Faith- Judaism-Hinduism-Hare krishna-Transcendental Meditation-Buddhism-Nichiren Shoshu Buddhism--Wicca-Scientology - New Age ...raha mbola mahita moa dia raisina an-tanandroa .


Iza no namorona azy ,oviana izany ?
Inona no boky am-piasainy na ny anarany hoentiny ?
Aminy Izy Atra ?
Iza i kristy ?
Iza na mino ny Fanahy masina ve izy ?
Inona no atao mba ahazoana famonjena sa tsy mino izany ?
Inona no mitranga aorian'ny fahafatesana sa tsy mino an'izany ?
Dia ahoana no fampiharana izany finoana izany @ fiainana andavan'andro ?

:D

Mhafaly ahy ny mizara antsika rehetra izay mba kely fantatro ,mahasoa ny mahalala ny finoan'ny hafa satria tsy finoana kristiana ihany no misy erak'izao tontolo izao.Ny fahalalana ny finoan'ny hafa dia mba ahafahantsika mba mandinika hoe hay ve misy izany koa e.
Samy manana ny fomba fandraisany azy avokoa isika ,tsara izany ,mizara fotsiny no ataoko eto ka raha mbola misy mahafantatra moa na tsy voateniko na koa hoe toa tsy izany no nahalalako azy dia zarao ihany e
Misaotra antsika rehetra niara-nizara izay mba kely fantatsika avy e


niryna

55. niryna ( 01/12/2008 18:18)
Araka ny finoana misy no mba zaraiko eto an ,anjarantsika raha misy afaka manampy ny namaha ihany koa

Jehovah's witnesses na Temoin de Jehovah


Iza no namorona azy ,oviana izany ?


Charles Taze Russell ( 1852-1916) taty aoriana Joseph Rutherford ( 1869-1942) dia nanomboka 1879 no nanomboka Pennsylvania ..ny foibe dia any Brooklyn ,New York .

Aminy iza ATra ?
Atra dia iray ihany (one person God) Jehovah . fa tsy trinity na Atra telo izay iray. Kristy no olona nataon'i Jehovah voalohany indrindra



Inona no boky ampiasainy na ny anarany hoentiny ?


Ny boky aeliny dia ny watchtower ary manana baiboy izay (New World Trasnlation ihany ) ,Reasoning from the Sriptures,You can live forever in Paradise on Earth .Watchtower and Awake! ireo no karazana magazines z arainy.


Iza i kristy ?

Kristy dia tsy Atra .Talohany niainany tety an-tany dia anjely Michael.Atra na Jehovah dia namorona ity tontolo ity avy aminy. Tety an-tany dia olona niaina tao anatin'ny fahamarinana izy ( he was a man who lived a perfect life) .
Rehefa maty izy izay tsy teo amin'ny hazofijaliana fa teo amin'ny tsato-kazo na (stake not on the cross) dia nitsangana tamin'ny maty ary ny vatany dia potika (his body was destroy) .Kristy dia tsy ho avy izany satria efa tonga tety an-tany izy ary tsy nisy nahita (invisible) tamin'ny taona 1914 ary ara-panahy fa tsy ara-batana. Tsy ho ela ihany hoy ireo Temoin de Jehovah a dia ho avy izy hiaraka ny anjeliny ary dia andripaka ireo rehetra tsy Temoin de Jehovah .

Averiko indray fa ireo no filazan'io finoana io an

Iza na mino ny Fanahy masina ve izy ?
Tsy manana toetra mahaolona ny Fanahy masina (impersonal) amindry zareo ary tsy Atra ihany koa (not God) fa kosa dia tsy hita maso ary manana hery avy amin'ny alalan'i Jehovah

Inona no atao mba ahazoana famonjena sa tsy mino izany ?


Atao batisa toy ny hoe ao amin'ny Temoin de Jehovah ohatra.Ireo olona mpanaradia io fivavahana io dia tsy maintsy miasa amin'Atra mandritra ny fiainany ary mitety varavarana (door-to -door) Ny famonjena dia voafetra ka ireo 144,000 dia ireo izay namasinina (anointed ones) .Ary efa tratra ireo isa ireo

Inona no mitranga aorian'ny fahafatesana sa tsy mino an'izany ?

Ireo 144,000 dia hipetraka any an-danitra (heaven) ary ireo Temoin de Jehovah ireo olona ireo.Ny rehetra kosa dia hijanona ety an-tany ihany dia ireo olo-marina hafa izany ary tsy maintsy manaja sy manaraka ny sitrapon'Atra mandritra ny 1,000 taona

Dia ahoana no fampiharana izany finoana izany @ fiainana andavan'andro ?

Mamaky ireo ireo baiboly na magazines maro na tracts maro eo ambony ireo (watchtower bible ) ary dia mihaona ao amin'ny kingdom Hall fa tsy any am-piangonana.Mila mandray anjara amin'ny fizarana ireo tract ,mitety varavarana mizara ny tenin'Atra .Mandray kominio na ny fandraisana ny fanasan'ny tompo indray mandeha ao anatin'ny herintaona ary ireo olona izay olona efa voafidin'Atra ihany (anointed ones) .
Tsy mankalaza ny karazam-pety rehetra izy (do not observe holidays) na ny fankalazana ny andro nahaterahana (birthday) tsy mahazo mifidy (do not vote) ary tsy mitoraka salut ny sainam-pirenena (not salute the flag) ,tsy mandeha manao miaramila ary tsy manome ra rehefa misy olona marary ka mila transfusion ..

izay no mba fantatro ka zaraiko anareo
mbola hitohy
56. coopsal ( 02/12/2008 10:44)
Ikaretsaka:
Ny tiako lazaina d hoe aza ferana eo @ le anao ihany na tsy inoanao aza ny hafa, fa jereo koa

==> Fony aho mbola tsy nino sy zaza be ara-pinoana dia tsy te hijery ny hafa! Fa na ny fomban'ny fiangonana mitovy t@izay niangonako sasany aza dia hafa t@ko!
Rehefa nino an'i Kristy aho dia Kristy no mampianatra ahy hijery ny hafa.
Ny fijerena ny hafa kosa amiko tsy midika mihitsy hoe mety ho diso indray ilay efa marina.

Tany @ dokotera nisafo izahay sy ny vadiko indray mandeha dia niteny taminy hoe "mihotra", dia taitra be izy, hoy izy hoe "aza mihoatra izany!". Nosakanany avy hatrany ilay zavatra satria inoany (araka ny fahalalany sy finoany ny nianarany) fa tsy mety izany.
D azonao apetraka koa eto ny fanamarihanao hoe "fa ngah ianao raha dokotera nahita fianarana dia tsy izy mihitsy ny an'ny mpanotra sy ny renin-jaza?".

Ny tiako ahatongavana dia hoe "ny marina marina foana!".
57. coopsal ( 02/12/2008 12:29)
Ikaretsaka:
Io 'nirahiny ny zanany lahitokana' ko ange ra coopsal ka mbola discutable e

==> Ie, izaho koa fahiny nisalasala t@io. Fa nekeko @izay ilay raha rehefa nandre an'i Kristy namaly ahy aho. Izay no importancen'ilay fahafantarana (ka inoana) fa tena nitsangana izy. Fa na ny mpianatra aza nivalaketraka rehefa maty izy ... fa nino ny Soratra Masina izy ireo rehefa hitany ny porofo fa velona Izy.
Mety tsy manana porofo ianareo hatrizao mba hanekenareo (ka tsy hiady hevitra intsony ny @izay)! Nefa inoako fa Andriamanitra mampahafantatra anareo an'izany! fa raha tsy ny fo no mitady dia tsy hisy hahita sy hahafantatra Azy.

fijo:
izany hoe ireny olona ireny avy di atsy misy voavonjy fa dila daholo?

==> Hoy ilay rahalahy mpitory filazantsara iray izay hoe : "Celui qui n'avait pas la chance de croire n'avait pas non plus la chance de ne pas croire! ... ce qui n'est pas le cas pour vous tous ici!".
Ho an'ny taranak'Israely sy izay tao aminy, efa nampanantenain' Andriamanitra t@ izy ireo ny famonjena (KRisty) fa notanterahina fotsiny izany t@ fotoan' andro voatendrin' Andriamanitra. Noho izany izy ireo dia afaka nino.

Voasoratra hoe :
"Le Christ lui-même a souffert la mort pour les péchés, une fois pour toutes. Lui l'innocent, il est mort pour des coupables, afin de vous conduire à Dieu. Il a été mis à mort dans son corps mais il a été ramené à la vie par l'Esprit. Par cet Esprit, il avait déjà prêché aux hommes maintenant prisonniers du séjour des morts qui autrefois s'étaient montrés rebelles,"[1Pierre 3:18-19]

Ny zavatra misy kosa dia izao, avantage ho antsika velona @ izao andro farany izao ny ahafahana mino an'i Kristy dieny ety!

Fanoharana : Nisy olona nindrana vola tamiko, nilaza mialoha izy fa elaela vao ho voaveriny. "tsy maninona" hoy aho. NY zava-marina dia hitako fa raha mbola izao situation-ny sy moyens-ny izao tsy ho voaveriny amiko mihitsy ilay vola, saingy navelako izy hiteny hoe "haveriko".
Izy moa karazan'ireny "honnête gens" ireny, ka menatra (hitako mivaramena foana) isaka ny mifanena amiko rehefa volana vitsivitsy mbola tsy voaverina ihany ny trosa. Izahay nefa mifanena isanandro, toa te hiteny hoe "tena miala tsiny fa mbola tsy manana", kanefa isanandro "mbola sy manana" foana, satria tena tsy manana ny moyen izy. Indray andro aho niteny taminy @izay hoe "ataovy toy ny tsy nitrosa tamiko ianao.". Hoy izy hoe "tena menatra anao aho, aleo fa tena tsy maintsy haveriko ...".

Toy izany no ataon'ny olona @ Andriamanitra, sy ny ataon' Andriamanitra. Ny fahotana dia toy trosan'Andriamanitra @ olona. Isanandro (na isankalahady na zoma na sabotsy ...) mifona @ Andriamanitra ny olona, ary manao promesse hoe "tsy hanao intsony" ... "je paierai". NY marina, izay efa fantatr' Andriamanitra rahateo dia izao, tsy misy olona afaka handoa ny trosam- pahotany! Maro no mihevitra fa rehefa be ny asa soa atao na fombam- pivavahana tanterahina (na kristiana io na tsia!) dia voaloha ny trosa amin' Andriamanitra! Raha izany dia tsy ho menatra, tsy hanome tsiny ary tsy hiala tsiny intsony ny olona satria efa nanao zavatra mba hanafahana ilay tsiny.
Teo anatrehan'izany, tian' Andriamanitra ny olona ka "nandefasaNy ny ZanaNy Lahitokana" handoa ny trosa rehetra (@ alalan'ny fijaliany sy fahafatesany). Ary ny filazan-tsara dia ny fanambarana @ olona hoe "efa voaloha ny trosa ry ireto ah!".
Fa tahaka ilay fanoharana nataoko tetsy ambony, ny olona no tsy manaiky fa mbola te hiseho ho "honnête" ka mbola hoe "miezaka fa tsy maintsy ho voaloha io". Nofy izany!


Kristy no efa nahafoy ny aiNy mba ho honitra noho ny fahotan'ny olombelona rehetra! Ary receipt (tapa-kila fanamarinana) izany dia ny fitsanganaNy ho velona ny andro fahatelo (araka ny voasoratra).
Izaho hatrizay naheno an'io trosa voaloha io foana, fa tsy nanana antoka aho.
Ankehitriny dia ananako ny reçu nandoavana ny trosako : Kristy velona. Izay
no antony inoako fa marina izany. Ary izany no maha filazan-tsara (na vaovao mahafaly) azy!

Mety misy angamba aminareo tsy mieritreritra fa manan-trosa (fahotana) izay hotakiana (hatao ampamoaka) @ fotoana iray (fitsaran' Andriamanitra), mety misy koa no conscient an'izany saingy mbola mieritreritra fa miezaka mba handoa an'izany amin'ny alalan'ny humanisme, ny sociabilité, ny soidisant honnêteté, ny fombam-pivavahana toa miendrika tena fahamasinana (rite religieuse), ny fanaovana asa soa (oeuvres caritatives). Fa raha izaho, na dia
ataoko ihany aza izany rehetra izany dia tsy mba izany no ananako antoka ny acquittements! Raha izany dia ho izaho ihany no mi assurer ny fandoavana rehetra. Fa Kristy no efa mi assurer ny fandoavan-trosa ho ahy (sy izay mety hino rehetra), ary notanterahiNy izany t@ nahatongavany ho nofo, ny nampijaliana sy nandatsahandra azy, ary noporofoina t@ nitsanganaNy! Ny zavatra tokana mila imasoako dia ny mitahiry ny reçu mba tsy ho very rehefa tonga ny fotoan'ny ampamoaka, araka ny voasoratra hoe :
"Avy toy ny mpangalatra aho, sambatra izay mitandrina ny fitafiany mba tsy hiseho ny fahamenarany" [Apokalypsy 16:15]
58. ikaretsaka ( 02/12/2008 16:18)

Hoy i Ikaretsaka:
Io 'nirahiny ny zanany lahitokana' ko ange ra coopsal ka mbola discutable e

==> Ie, izaho koa fahiny nisalasala t@io. Fa nekeko @izay ilay raha rehefa nandre an'i Kristy namaly ahy aho. Izay no importancen'ilay fahafantarana (ka inoana) fa tena nitsangana izy. Fa na ny mpianatra aza nivalaketraka rehefa maty izy ... fa nino ny Soratra Masina izy ireo rehefa hitany ny porofo fa velona Izy.
Mety tsy manana porofo ianareo hatrizao mba hanekenareo (ka tsy hiady hevitra intsony ny @izay)! Nefa inoako fa Andriamanitra mampahafantatra anareo an'izany! fa raha tsy ny fo no mitady dia tsy hisy hahita sy hahafantatra Azy.


tsy ianao no resahikop eto fa ireo olona hafa finoana ..ireo silamo ..ireo hindous sns...
aza centrena any @ ianao ianao foana ilay izy fa tsy mety ...indrindra raha natokana ho an'ny olona hafa ankoatranao e

59. niryna ( 02/12/2008 18:13)
rakapy:

Fa inona kay no maha samihafa an'i God @ A/tra ? inona no maha samihafa an'i Dieu @ Allah? inona no maha samihafa an'i Torah @ Zanahary sns...?

Raha ny fahitako azy dia isika olombelona mihintsy no te hisaratsaraka sy hifanavakavaka na koa te hanambony kokoa ny zava-patany fa ny zavatra inoana dia iray ihany.
Jereo fotsiny ange eto @ forum e! na ny samy xana izay voalaza fa i jesosy aza no tompoiny sy arahan'izy ireo , dia hita fa mifanatsafa izay tsy izy tokoa izy ireo !

Ary ity loha-hevitra ity dia:- Na hampitombo ny elanelana
- Na hampifanantona

Ka dia mahaiza mitondra tena.





izay no eritreritrao dia hajaina ka fa afaka ny manavaza anay izay hinoanao ve hianao ry rakapy ?
60. niryna ( 02/12/2008 18:17)
Ikaretsaka:
Ny tiako lazaina d hoe aza ferana eo @ le anao ihany na tsy inoanao aza ny hafa, fa jereo koa
coopsal:

==> Fony aho mbola tsy nino sy zaza be ara-pinoana dia tsy te hijery ny hafa! Fa na ny fomban'ny fiangonana mitovy t@izay niangonako sasany aza dia hafa t@ko!
Rehefa nino an'i Kristy aho dia Kristy no mampianatra ahy hijery ny hafa.
Ny fijerena ny hafa kosa amiko tsy midika mihitsy hoe mety ho diso indray ilay efa marina.
mitovy hevitra aminao koa aho,miara miasa ny olona maro finoana aho ,tsara ho fantatra ny finoany ,mizara ny ahy koa aho .


Tany @ dokotera nisafo izahay sy ny vadiko indray mandeha dia niteny taminy hoe "mihotra", dia taitra be izy, hoy izy hoe "aza mihoatra izany!". Nosakanany avy hatrany ilay zavatra satria inoany (araka ny fahalalany sy finoany ny nianarany) fa tsy mety izany.
D azonao apetraka koa eto ny fanamarihanao hoe "fa ngah ianao raha dokotera nahita fianarana dia tsy izy mihitsy ny an'ny mpanotra sy ny renin-jaza?".

Ny tiako ahatongavana dia hoe "ny marina marina foana!".


=D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0085