Ny zaza mipetraka ivelan'i madagasikara

1. ni81 ( 22/10/2008 14:52)
Misy zaza malagasy (malagasy ray sy reny) maro no teraka taty ivelany fa tsy mahay miteny malagasy mihitsy, na mahay ny sasany, fa kely dia kely.
Misy koa ny sasany (malagasy ray fa reny hafa firenena, na ny mifamadika @ io) dia tsy mahay koa na mahay kelikely fotsiny. Dia maro ny resaka miseho momba io ka alefao ny adihevitra.
novalian'i niryna ny 31/10/2008 23:45
2. ssendra ( 22/10/2008 16:43)
ilay nièce ko aloha aky tam vao 3ans tany izy dia rehefa miteny gasy zahay dia mora mianatra sy mampihàtra ilay teny gasy izy...
DIA nandroso ny taona izao izy efa 7ans...
Izany hoe teo anelanelan'io aloha izy tsy nivaky loha nianatra fa nanirikiry azy indray aza no namerina izay nampernarana azy...
Fa izy 7 ans izao mafatifaty ery miteny gasy...Ohatra hainy ery miteny hoe tsaratsara nono...Sady mi rouler rrrrr ery...
Ny hevitro dia hoe na teraka andafy izy tsy mahay teny gasy aleo ihany ampianarina fa mijaly rehefa mande madà....N aloha dia ampianariko raha izaho manokana...Itenenana teny gasy izy ao antrano any ampianarna izy mahay teny vahiny .
3. karinah ( 22/10/2008 17:01)
[quote=ni81]
Misy zaza malagasy (malagasy ray sy reny) maro no teraka taty ivelany fa tsy mahay miteny malagasy mihitsy, na mahay ny sasany, fa kely dia kely.
Misy koa ny sasany (malagasy ray fa reny hafa firenena, na ny mifamadika @ io) dia tsy mahay koa na mahay kelikely fotsiny. Dia maro ny resaka miseho momba io ka alefao ny adihevitra.
------------------------------------
Amiko manokana de ridicule izany, satria nahoana? misy vazaha mpivady ve ohatra de miteraka any Mcar izy de ande tsy hampianariny teny Vazaha ny zanany fa teny gasy? :lol: , amiko izany ohatry ny fanaovana tsinontsinona ny tenin-drazana, lasa toa ny valalan'alika ilay tenindrazana amzay, sady mampiome be eee! rah amijery ny vahiny rehetra aho, mahay ny tenindrazany avy ny zanak'izy ireny, ny sinoa ny arabo ny afrikanina ary ny vazaha hafa, fa isika Malagasy ihany no manao tsinontsinona ny tenidrazatsika, mahamenatr'oul be!
Mba hafa indray manko raha hoe couple mixte, ka izy roa aza samy manana ny fiteniny donky tsy maintsy mitady teny iray hifampiresahana izy hany ka lasa sady tsy mahay ny fitenin-dreniny ilay zaza na ny fitenin-drainy, lety hahay ihany fa mi-comprendre fotsiny angaha na miteniteny kely eny fotsiny, izany aza efa mampalahelo ery mijery ilay zaza rehefa tafiaraka @ cousins kely sy ny cousine-keliny izy, satria mihanahana irery eo, rehefa milalao de samy manao baiko maona eo fotsiny, ny sasany miteny gasy ny sasany teny Italiana, ny azy teny frantsay, mahaontsa eee! ka tokony tsy atao tsinontsinona ny tenin-drazana raha mbola azo atao fa mahonena ny ankizy, ny ahy aloha de ampianariko miandalana eny fa efa hitako ny lesoka .
4. haritianah ( 22/10/2008 20:58)
hengitrengitra ny RAD malagasy ny fahitako azy.
Mba jerevo anie ny zanaka tavaratra é! jamais iteny frantsay refa reo samy reo ny miresaka.
Ny teniny alou no andrianiny, zay vao ny teny vaza, fa maro ny gasy mi boré ny zananay ts hitia ny teny gasy.
Amiko tsitako ny olana ny teny vaza ts maints hay iny refa aty fa ny maha zà anah kosa ts tokony modina adino tanteraka.
Misy fitenenana zay raha ts diso ny fitadidiko ankafiziko ny any hafa ary andrianiko ny anintena.
Fanambaniana ny maha malagasy ny tenany
5. fahamarinana ( 23/10/2008 04:59)
:arrow: ka karinah sy haritinah zany zao mirarakopana ny teny gasy ataon'ny zanakareo ? Mahafinaritra zany..Ny ahy manokana aloha dia mi-comperndre tanteraka,rehefa miresaka aminy aho dia teny gasy hatrany ,mamaly teny gasy izy ndraindray fa teny faran'izay simple aloha hatreto,any aoriana tsy fantatro fa amiko efa tsara izay noho ny tsy mi_comprendre mihintsy.
haritinah:
hengitrengitra ny RAD malagasy ny fahitako azy.

:arrow:tsy voatery ,na dia misy aza toy izay.Mahita maro aho manodidina ahy fa tsy miangitraingitra akory ny rar fa tsy prioritaire aminy izay dia choix_ny iny fa tsy voatery hitovy ny rehetra.
Ary ianareo miteny izany fa mba nitondra ireto kilonga aho tany dago fa ny any koa anie tamin'izany ka miteny frantsay e,nefa tsy hoe any amin'ny college de france ka amin'ny fomba ahoana tokoa moa no ahafahany mièpratique ity teny gasy rahatoa ka tsy misy hitafatafana akory ankoatra ny rar ? (l)
6. tslem ( 23/10/2008 06:56)
fahamarinana:

:arrow: ka karinah sy haritinah zany zao mirarakopana ny teny gasy ataon'ny zanakareo ? Mahafinaritra zany..Ny ahy manokana aloha dia mi-comperndre tanteraka,rehefa miresaka aminy aho dia teny gasy hatrany ,mamaly teny gasy izy ndraindray fa teny faran'izay simple aloha hatreto,any aoriana tsy fantatro fa amiko efa tsara izay noho ny tsy mi_comprendre mihintsy


Ny ahy koa dia toy ny an'i fahama dia rehefa mba misy temps libre kely iny dia ampianariko voambolana malagasy ry zareo dia ataoko fifaninanana kely mahazo valisoa izay mahay,dia faly ery zareo.


7. ni81 ( 23/10/2008 07:17)
Amiko manokana de ridicule izany, satria nahoana? misy vazaha mpivady ve ohatra de miteraka any Mcar izy de ande tsy hampianariny teny Vazaha ny zanany fa teny gasy? , amiko izany ohatry ny fanaovana tsinontsinona ny tenin-drazana, lasa toa ny valalan'alika ilay tenindrazana amzay, sady mampiome be eee! rah amijery ny vahiny rehetra aho, mahay ny tenindrazany avy ny zanak'izy ireny, ny sinoa ny arabo ny afrikanina ary ny vazaha hafa, fa isika Malagasy ihany no manao tsinontsinona ny tenidrazatsika, mahamenatr'oul be!
tsy mandà ny hevitr'i karinah aho, fa ireo vazaha ireo angamba tsy mahay teny gasy dia tsy maintsy ny teniny no hifampiresahany(haka ohatra aho hoe: frantsay), dia koa fanampin'izany, ny sekoly ianaran'ny ankizy miteny frantsay. Dia ny teny frantsay izany no tena betsaka ataon'ireo zaza fa zara izy raha hifanerasera @ ankizy miteny gasy.
Fa ny ankizy gasy eto frantsa (eto no ataoko ohatra), dia any am-pianarana no androan-tokon'ny fiainany (miteny frantsay) ary kely fotsiny no hiarahana miteny gasy @ RAD dia lasa tsy dia mahay, fa tsy hoe manao valalan'amboa akory sanatria. Asa anefa...
8. xxx ( 23/10/2008 08:23)
karinah:

Amiko manokana de ridicule izany, satria nahoana? misy vazaha mpivady ve ohatra de miteraka any Mcar izy de ande tsy hampianariny teny Vazaha ny zanany fa teny gasy?


Aza dia mora mitsaratsara rey olona ô .
Mino ve nareo fa tena tsy fitiavana teny gasy ilay antony ?

Aiza aty Frantsa kay no misy école mampianatra amin'ny teny malagasy ?
Ny fahalalàko ireny vazaha any M/car ireny mantsy toa mandeha lycée français daholo ny zanany any M/car fa tsy mandeha any @ école malagasy

Misy miteny hoe jereo ny tavaratra : mba jereo aza ny proportion n'ny tavaratra eto Frantsa, immeuble iray manontolo tsy misy afa-tsy tavany ==> betsaka kokoa ny chances hifaneraseran'ny samy tavaratra ==> miteny ny fiteniny kokoa. Eto @ toerana misy ahy 3 ny fianakaviana gasy, tsy misy mitovy génération @ zanako . Izaho adiny firy no miaraka aminy ???

Tsy fantatrareo akory ny ezaka ataon'ilay ray aman-dreny, ny environnement n'ny fiainany isan'andro, ny particularités n'ny ankizy tsirairay @ lafiny rehetra ...
9. ni81 ( 23/10/2008 08:43)
Aiza aty Frantsa kay no misy école mampianatra amin'ny teny malagasy ?
Ny fahalalàko ireny vazaha any M/car ireny mantsy toa mandeha lycée français daholo ny zanany any M/car fa tsy mandeha any @ école malagasy
izay indrindra mantsy ange ilay nolazaiko eo ambony eo e!
Misy miteny hoe jereo ny tavaratra : mba jereo aza ny proportion n'ny tavaratra eto Frantsa, immeuble iray manontolo tsy misy afa-tsy tavany ==> betsaka kokoa ny chances hifaneraseran'ny samy tavaratra ==> miteny ny fiteniny kokoa. Eto @ toerana misy ahy 3 ny fianakaviana gasy, tsy misy mitovy génération @ zanako . Izaho adiny firy no miaraka aminy ???
io koa dia efa olana iray hafa, ary indrindra ny fotoana hiarahana @ ireo ankizy fa vao tonga ao an-trano dia sahirana @ fikarakarana isan-karazany, tsy maintsy jerena ny lesona avy any am-pianarana dia eo indray dia efa miteny frantsay fa tsy handeha hanazava @ teny gasy!
Zà aloha tena mahita namana maromaro mihitsy fa tsy mahay teny gasy ara-dalàna ireo ankizy e! Isika lehibe tany dago aza mbola maro no voambolana tsy tena fantatra ary indrindra moa ny manoratra aza dia tena mila ezaka e!
10. ni81 ( 23/10/2008 08:45)
Dia mbola tohizako kely. Maro amin'ireo tavaratra koa no miteny @ teniny fa tsy mahay miteny frantsay loatra dia ny teniny no manavanana azy kokoa.
11. xxx ( 23/10/2008 09:03)
haritianah:

hengitrengitra ny RAD malagasy ny fahitako azy.
Mba jerevo anie ny zanaka tavaratra é! jamais iteny frantsay refa reo samy reo ny miresaka.



Sady ny tavaratra koa tsy référence, tsy faka tahaka. Jereo ny echec scolaire ny zanaky ry zareo ange eh! :}
12. xxx ( 23/10/2008 09:24)
Resaka efa novohizina teto ihany moa io lohahevitra io e!
Za zany rehefa eny an-dalana na eny an-tsena na ilay ao fiandrasana dokotera sn... dia miteny gasy am vadiko, dia hoy aho mantsy azy :"sambatra mihitsy isika afaka miresaka tsy fantatr'ireto vazaha ireto, fa zareo zao tsy maintsy miteny vazaha ihany na anglisy,sns...tsy mba manana ny azy tsisy mpahalala"
Noho izany dia miezaka mihitsy aho mampiteny gasy ny zanako aloha; fa io moa safidin'ny tsirairay.
13. fahamarinana ( 23/10/2008 09:34)
:arrow: HSkely fontsiny,mahita ny soratan'ny xxx11 io aho fa zà ndraik'andro tany amin'ny magazay nilahatra teo amin'ny caisse dia nisy vazaha tonga,ohatran'ny hoe hisongona zany dia niteny tam ilay vadiko aho hoe itony olona itony koa dia tsy mba mahalala fomba fa avy dia o eo hono...dia novaliany mora aho hoe manao ahoana tompoko o,tsy ho eo akory f'aza matahotra.Da menatra avao aho ,vavy be ity !!!.Ny tiako lazaina hoe misy tokoa vazaha miteny gasy (ireny zanatany generations maro ireny e) fa mety vitsiana angaha. :) (l)
14. ssendra ( 23/10/2008 09:55)
ny hitako aloha dia eo amin'ny faha 7 taonany ka hatram faha 11taonany eo ilay akizy mora mandray mianatra an'ilay langue raha ohatra ka efa tara ny nifampiresahana azy amin'ny teny gasy depuis mbola kely mihintsy, hitako io pratik io amin'ilay nièce keliko ....
15. xxx ( 23/10/2008 10:01)
HS kely fotsiny ko ty: Ilay toetsaina hoe " miteny gasy mba tsy ho fantatrin'ny olona....." hitako efa tsy de mety loatrany :(
16. ssendra ( 23/10/2008 10:07)
iny ndray efa toetra ratsy...RAHA HITENY gasy ka hifosa vazaha de mampanahelo be lay toetra....
17. ssendra ( 23/10/2008 10:10)
Otran'ny ilay kouzine ko izay nande paris zany de sendra tao anaty RER hono..
kouzzine-ko raha jerena otran'ny tsy gasy ny volony nataony frizé boucle be de be...
Dia nisy sipa roa vavy gasy hono tonga dia niresaka hoe jereo anie ny volonlay vevavy fa brône be mitsy hihihi
de nony nivoaka ry zareo de nataon'ilay kouzine hoe izaho anefa gasy...
18. fahamarinana ( 23/10/2008 10:14)
:arrow: xxx14 :ny ahy ndray aloha tsy hoe tsy ahafantaran'ny olona no hitenenako gasy fa gasy beuhhh ny vadiko ka toa hampihomehy ahy ihany raha hiteny vazaha aminy aho...ary tsy ndeha hiteny vazaha aho raha izy irery no miaraka amiko raha tsy hoe misy namako vazaha eo akaiko eo !Tsy resaka toe-tsaina gasy na inona loatra amiko fa zay no marina sy zava-misy. Eny e,safidin'ny tsi11 io amiko fa tsy dia hitako ny mahamety na tsy mahamety azy...ary tsa gasy irery avao anie fa raha anglisy aza eo anoloana impiry impiry moa dia miteny amin'ny fiteniny koa izay fa tsy hoe aty frantsa dia hiteny frantsay eo...fa ny antsika moa vao gasy no resahana dia mazana tsy mba misy tolérance fa raha ny hafa tsa olana loatra...sa?
(l)
19. ssendra ( 23/10/2008 10:45)
Fahamarinana: ka ny tiany lazaina angamba ilay hoe hitenenana teny gasy mba tsy hahafantaranlay olona hafa firenena ny zvtr resahina, mety hoe miresaka ilay olona hafa firenena....SATRIA na isika aza hita mitsy ohatra aty aminay misy olona miteny allemand dia hita izao fa miresaka anao ry zareo, hita am fijeriny ohatra de ataony am teny allemand mba tsy ho fantarao ny resahiny manjeraka be...Fa atao ahoana....
20. booboo ( 23/10/2008 10:53)
ny ahy tsy hitako loatra izay olana na miteny na tsy miteny malagasy ilay zaza. Izay fiteniny eo no fantatry ny rad-ny fa mety kokoa amin'ny zanany. Safidy ilay izy, dia tsisy hoe safidy tsara na ratsy izany - na miteny malagasy na tsia - fa izay fantatry zareo fa " mety " @ fitaizana ny zanany ( tsisy rad te hanan-dratsy zany @ gl ) .

Na izany aza @ izao ny pédo-psy sy izay mety ho psy ary ny doko mi-conseillé kokoa ny rad hoe tsara kokoa raha iresahana @ langue maternelle ny zaza hatrany am-bohoka mbaka ny efa maha-lehibe azy. Ny ati-dohan'ny zaza hatr@ faha 6 taonany tena éponge ka na iresahana teny karazany 4 aza izy @ io dia hainy foana ny manavaka an-dreo na mety hanao vary @ anana azy izy.
raha dieny mbola kely ny zaza no itenenana ny tenin-dreniny ( malagasy ) dia tsy very izany mihitsy iny fa matoa hadinony rehefa lehibe² izy dia na manao bloquage izay na no-refouler-ny any @ subconscient-ny....

Misy namanay izay, allemand ilay rangahy dia russe ny vadiny, dia en anglais zareo no mifampiresaka. Dia ilay rangahy tsy miteny afa-tsy allemand @ ilay zaza, ilay ramatoa en russe dia vao mivoaka ny trano ilay zaza dia en anglais ( pays anglophone zareo no mipetraka ). Fa tsy sahirana mihitsy ilay zaza mi-naviguer entre ireo langues 3 samy hafa ireo.

Misy zanaky ny namanay izay koa, 6 taona izy zao dia teraka taty an-dafy fa tena misosa beee mihitsy ny teny malagasiny ( tsisy accent koa @ zay ). Nefa dia ao an-trano fotsiny izy no maheno sy miteny teny malagasy. Vao mivoaka ny lava-trano dia efa teny frantsay no manodidina azy nefa....

Mahavariana ny atidohan'ny zaza sy ny ankizy fa mora mandray zavatra, tsy tahaka ny antsika efa lehibe tsy " tsotra " intsony rehefa mianatra....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5115