Ny tenantsika dia tempolin'Atra:ny sigara,toaka,rongony sns?

1. niryna ( 21/03/2008 18:28)
Raha tempolin'Atra ny tenantsika dia tsy azo simbana izany na amin'ny inona na amin'ny inona.Raha mifoka sigara tsy mitsahatra ny olona dia mety hiantefa amin'ny aretina toy ny cancer izany,raha mifoka rongony dia simba ny ati-doha,lany ritra ny vola fa mitady an'io foana,raha vokatry ny olana misy eo amin'ny fiainana koa ka misotro kely ,misotro kely dia farany lasa mamo tampona ka mandry an-tatatra lava,na tsy mety miala intsony.Santionany ireo fa maro ny zavatra izay itadiavan'ireo olona hoe"Aiza ao amin'ny baiboly no misy azy ireo"
Aiza ? Inona no teny omen'i kristy fampianarana antsika fa tempolin'Atra ny tenantsika?
misaotra antsika.
Tratry ny paka isika rehetra.
novalian'i niryna ny 08/04/2008 17:24
2. tess ( 21/03/2008 18:34)
kanefa indray misy olona tsy mifoka tsy misotro tsy midaina fa tratran'ny cancer....dia ahoana no fandraisan'i nyrina an'io izany raha ampifandrasina amin'ilay hoe tempolin'andriamanitra?????:-P
3. fijo ( 21/03/2008 20:35)
dadanay tsy misotro,tsy mifika ,tsy midaina fa mpanao boxe,nefa matin'ny cancer nyvavony.de ahoana.sa nosimbain'i jesoa fa tsy nisotro ny rany????
4. ni81 ( 21/03/2008 21:05)
hoy tess:
kanefa indray misy olona tsy mifoka tsy misotro tsy midaina fa tratran'ny cancer....dia ahoana no fandraisan'i nyrina an'io izany raha ampifandrasina amin'ilay hoe tempolin'andriamanitra

hoy fijo:
dadanay tsy misotro,tsy mifika ,tsy midaina fa mpanao boxe,nefa matin'ny cancer nyvavony.de ahoana.sa nosimbain'i jesoa fa tsy nisotro ny rany????

Nohariana tsy hisy tomika ny olombelona, eny fa ny zava-boahary koa aza, fa saingy nanota isika dia tsy maintsy nisy ny fahafatesana. Ireo olona ireo araka ny voalaza dia tsy nifoka, tsy nisotro, fa nisy zavatra hafa nahatonga ny cancer.
Ka raha toa efa nitandrina ny tsy tokony ho natao (toaka, sigara, rongony sns...) nefa nianjadian'io aretin-dratsy io ihany izy ireo, dia nanana ny fiadanam-po na dia mafy aza ny fangirifiana nihatra.
5. pissoa ( 21/03/2008 21:09)
Ny conclusion an'i Fijo hoa dia maivana fona :-D:-D:-D

Ny zavatra lazaina dia hoe manimba ny rongony etc ... izany akory tsy midika hoe ireo ihany no manimba !!!
6. fijo ( 21/03/2008 21:15)
ka manampy ilay resak'i tess anie eho e.
7. ni81 ( 21/03/2008 21:24)
hoy pissoa
Ny zavatra lazaina dia hoe manimba ny rongony etc ... izany akory tsy midika hoe ireo ihany no manimba

Marina mihitsy io voalazanao io. Na dia ny zavatra atono lava io aza ange dia voalaza fa mahatonga ny cancer e! Fa ny toaka sy rongony ary ny sigara dia efa tsy misy tsy mahalala ny haratsiany fa manao fanahy iniana hatrany.
Nisy madama izay raha mba tenenina momba ny sigara izy dia zao no valin-teniny hoe: ny ahy io no tena fahafinaretako retsy e! Raha te-hiala aho dia afaka fa zà tsy te hiala! Zao moa izy, tsy hoe sanatria mandatsa, fa ny sigara no niala taminy satria izy nodimandry. Ary ny nahafaty azy dia lasa nisy allergie foana tao anatiny tao. (nampalahelo)
8. fijo ( 21/03/2008 21:28)
ka avelao ny olon ahanao izay tiany,rahafantany ny mety hiantra aminy .safidy io.
9. rakaroka ( 21/03/2008 21:54)
Dia mbô nahafinaritra ahy kosa aloha ny resak'i Nyrina eto=D=D=D satria mila resahina tokoa izy ity noho ny tranga maaaaaro izay fisintona lesona koa.
Tamin'ny taon-dasa iry maromaro ny olona nitaraina ho tran'ny AVC anefa mbola tanora. Ny olana dia izy no manao ny ataony midiroka fa ny fianankaviana iray manontolo no mipenipenina hoe "atao" ahoana ity?
Nisy ranamana nodimandry aza satria nosimbany noho ny adalany ny vavoniny, dia avy teo lazaina fa ny dokotera sy ny hopitaly indray no tsy mahavoa. Ny marina anefa il n'a qu'à faire attention à sa santé déjà efa tsy ampy fitaovana ny hopitaly, ny "taux"n'ny rongony efa "azokoa anie hanampitrotraka amin'ny surdosage raha toranina hodidiana "normal" raha tsy hahatanty. Dia avy eo
mipopopopo ny daholobe amin'ny hadalana BBbbe.
Indrisy raha mba nisy mantsy ianao ra-FAHENDRENA:wink: fa dia matin'ny adalany ihany ireo namana e!:cry::cry::cry:
10. ikaretsaka ( 21/03/2008 23:19)
izay .. na inona na inona hoa dia ataovy @ atonony.. na ity fivavahana ity aza rehefa trop de lasa fanatisme
11. milaibe ( 22/03/2008 01:40)
"Fahafatesana ny tambin'ny ota" ka na tsy migoka,mifoka,mijanganja sns ianao(tempolin'Atra) dia miafara @ fahafatesana daholo. Iza no tompon'andraikitra? Tsika ihany indirectement @ ilay taranaka mpanota dia lasa tsy lavorary(imparfait ka zay lay nanolorany jesoa ny 2 chance ho an'1*1 mba hiavotany ka ahazo ny fiainana mandrakizay koa izay mino),ny manao tsirambina ny tempoliny dia manafaingana ny fahafatesany fotsiny fa ny fahafatesana dia lalantsika rehetra io
12. cutie ( 22/03/2008 05:25)
fa ny fahafatesana dia lalantsika rehetra io

io ihany no iombonako hevitra :)
13. Rasiligaoma ( 22/03/2008 05:48)
rehefa maty dia maty fa tsy hoe noho izao no nahafaty anao e!
misy manko tsy naninona tsy naninona dia maty: dia izay, maty izy dia maty!
ilay zaza alaina amin'ny avortement ireny izao ohatra
14. rakaroka ( 22/03/2008 08:12)
Rasiligaoma:

rehefa maty dia maty fa tsy hoe noho izao no nahafaty anao e!
misy manko tsy naninona tsy naninona dia maty: dia izay, maty izy dia maty!
ilay zaza alaina amin'ny avortement ireny izao ohatra


Oay lety eee8O8O:roll::?::oops::{:{:{8-)8-)
Tsy d'accord @ izany aho, noho ny hasin'ny fiainana ihany. Cas maro noho ny fahaiza-miaina dia mitombo ny ésperance de vie na longivitén'ny olona. Jereo ny fandrosoan'ny fikarohana @ musicovidose ohatra. Taloha 10 taona raha betsaka dia efa maty ny olona tran'izany, ankehitriny. efa tonga 30 taona. Cas "concret" tsy hodian'tsy hita izany.
Tsikaritra koa noho ny sakafo hanina sy mode de vie dia misy firenna manana logivité kokoa ny mponina tsy tahaka ny sasany. Donk raha nomena saina mandonika ihany, tsy sanatria voambary nafafy dia hihanina ao anaty tsilo, il faut savoir profiter notre vie dans le bon sens! 'zaho aloha tsy maika ny ho faty tant qu'une éternité ho any ihany angamba.Donk "KOJAIKO" ny ahy:lol:
15. diamondra27 ( 22/03/2008 08:47)
ny zavatra trop loatra ka mety misy fiatraikany @ tenanao na inon io na inon , de zay le tian'i Tompo lazaina hoe: aza adino fa tempolin'Atra ny tenanareo. Raha zatra minana sakafo matsiro izao de mahatonga aretina de marary enao aveo , de namany manimba ny tempoli'Atra izany satria tsy nahay nionona fa mibosesika ihany

(tandremo aza minana sokola be loatra @zao paka zao...)

16. rakaroka ( 22/03/2008 09:19)
Raha ny marina aloha dia fikaja tokoa ny tena; fa tsy ny fanahy ihany. Angamba noho ny fitaizana, dia maro no mi-néglige izany, anefa ny "santé" no harena iray isan'ny sarobidy indrindra koa.Mandalo atsy amin'ny labotika "bien ête" atsy dia be amin'ny zava-boahary no alaina hanasoavana ny vatana, ny an'ny sasany dia ny hamotehana izany tsotr'izao no "INIANA" atao . Atao hoe "fitiavan-tena" tsy izanyn akory fa "havendrana" tsotr'izao lé izy e:
Ny tsy hamelezan'ny olondratsy ny tena aza tandrovina koa ny propre perso 'ndray no manampoizina ny tena 8O8O8O:roll::oops::cry::cry::x8-)8-):evil:
déjà ny vady aman-janaka mijaly ho an'ny mpisotro, ny tavoahangy natao hoentina 'ndray ve nama no mitodra an-tantatra dia andevo marina "andevozin'ny "FILANY":evil::evil:8O8O:x:?
17. ni81 ( 22/03/2008 12:28)
hoy fijo
ka avelao ny olon ahanao izay tiany,rahafantany ny mety hiantra aminy .safidy io.

Eny, manana ny safidy avokoa ny rehetra, fa kosa, misy ireo tsy tena mahalala, fa dia maka tahaka fotsiny. Fomban'ny olombelona mihitsy io maka tahaka io na dia tsy fantatra aza izay tena antony sy dikany matetika.
18. tess ( 22/03/2008 12:31)
ni81: inona ohatra ilay hoe alaina tahaka eto par rapport am volazan'i fijo:°):?:
19. todisoa2 ( 22/03/2008 12:32)
niryna:

Raha tempolin'Atra ny tenantsika dia tsy azo simbana izany na amin'ny inona na amin'ny inona.Raha mifoka sigara tsy mitsahatra ny olona dia mety hiantefa amin'ny aretina toy ny cancer izany,raha mifoka rongony dia simba ny ati-doha,lany ritra ny vola fa mitady an'io foana,raha vokatry ny olana misy eo amin'ny fiainana koa ka misotro kely ,misotro kely dia farany lasa mamo tampona ka mandry an-tatatra lava,na tsy mety miala intsony.Santionany ireo fa maro ny zavatra izay itadiavan'ireo olona hoe"Aiza ao amin'ny baiboly no misy azy ireo"
Aiza ? Inona no teny omen'i kristy fampianarana antsika fa tempolin'Atra ny tenantsika?
misaotra antsika.
Tratry ny paka isika rehetra.


Io le oe famonoan-tena an-kolaka (forme théologique, ahitana fonds ''mamono tena'')

20. ni81 ( 22/03/2008 12:42)
ni81: inona ohatra ilay hoe alaina tahaka eto par rapport am volazan'i fijo

Ohatra: misy oul sasany matavy, dia avy ny namany anankiray miteny aminy hoe: mifoha sigara kely retsy fa mampihena andry io a! dia avy dia mipololotra fa tsy hay izay ho vokany na ny tavy hihena (tsy inoako aloha io) na ho tsentsina ny avokavoka avy dia ho voa roa toy ny dakam-boriky!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1131