hanambady lhl athee... mila torohevitra sy fanampiana

1. hira ( 19/03/2008 03:22)
Manao ahoana daholo ô! Manavao aho @ ity forum ity, nefa efa mba mpamakimaky ihany ka mino aho fa mety misy afaka hanampy ahy ny torohevitrareo, ary isaorana anareo mialoha izany.
Dans 1an et demi eo ho eo izaho sy ilay malalako no hanambady. Efa vita vodiondry zahay, samy gasy, mifanaratsaina tsara. Katolika aho, izy athee (vita batisa fa kely dia niala tany Dago) nefa vonona hanao mariage religieux izy pour moi. Ny tany ampiangonana nilaza taminay fa tsisy pbm ny fanasoavana ny mariazinay, fa kosa misy fepetra hoe mi s'engager aho mba hanalehibe ny zanako ao @ finoana kristianina. Dia teo ny discussions no nanomboka, satria raha ny hoe hiteraka izany aloha tsy dia au programme loatra, du moins dans l'immédiat, kanefa dia tsy maintsy mamaly an'io fanontaniana io izahay alohan'ny hiofanana @ mariazy.
Ny ahy aloha ny ao andohako dia mazava tsara: izy tsy mino, donc anjarako sy adidiko ny mitaiza ny zanako ho kristianina, ao anatin'izany ny fivavahana, ny sakramenta ary ny pratiques religieuses. Ny azy indray dia hoe tsy raisina @ hoe fivavahana ilay izy, fa tezaina @ valeurs tsara fotsiny ny ankizy. Tsy maninona raha mivavaka sy mandeha any ampiangonana à la limite hoy izy, fa pas question hoe atao batemy na kominio voalohany izany etc etc... Lazainy hoe tsy tiany ho "terena" ny zanany e, lavages de cerveau fotsiny ireny e... discours-na athée classique :(. Izaho indray miezaka ny manazava aminy fa impossible mihintsy ny hoe tonga dia manatsafidy ny zazakely, fa tsy maintsy toroinao lalana izy, fa rehefa lehibe kosa izy afaka manao izay hitany fa mety aminy. Hitako hoe metimety kokoa raha ampafantariko fivavahana izy aloha, dia avy eo afaka manohy izany na tsia, toy izay hoe avelako dans l'ignorance de la religion dia tsy misy choix hafa raha tsy hoe être athée.
Leo be aho fa lasa resakin'ny moana sy marenina ny anay. 'Zaho aloha dia hitako hoe malala-tsaina ihany @ resaka fivavahana satria vao kely aho dia nampianarina hanaja sy handray izay soa ao @ fivavahan'ny hafa noho ny dadako sy ny fianakaviako izay protestans hiringiriny nefa izaho nisafidy ho katolika toy ny mamako rehefa lehibebe. Màzana ihany ny ni jongler entre les deux, sy niaritra ny préjugés andaniny sy ny ankilany. Fa tena maozatra lavitra ny miresaka @ olona tsy mino an'Andriamanitra, tsy manana culture religieuse na ny kely aza. Tena kivy aho :?

Ny tiako anontaniana eto dia hoe mba efa nisy nandalo t@ izany ve, hoe tsy fifankazahoana noho ny fivavahana? Misy manana sosonkevitra ve hoe inona no tsara ataonay? Inona ny compromis tokony ekeko? Marina ve ny fiheverako sa diso entitra loatra aho? Matetika aho mihevitra hoe avelao ho any dia rehefa eo ny zaza vao hita nefa tsy maintsy hi faire face an'izany ihany ka aleo izao dia dinihina...
Misaotra mialoha, ary miala tsiny fa somary lava lay resaka.
novalian'i moi ny 08/04/2008 11:23
2. ainaheri ( 19/03/2008 05:39)
Raha tena fitiavana no natolony anao,tsy tokony anisy keskilia @ zany izy,tsy mandé fotsiny izy isak\'alahady d zay,fa fetsy be lery .....refa vita ny mariage d anjaran\'lery ndray ny mi-imposé la loi apres!!

Fa raha tena tia izy (fantany enao fa nino talou)tsy tokony anakana @ zazakely @ fomba fitaizana kristianina!!(hvtro manokana reo an)
3. ikaretsaka ( 19/03/2008 05:49)
Ny tany ampiangonana nilaza taminay fa tsisy pbm ny fanasoavana ny mariazinay, fa kosa misy fepetra hoe mi s'engager aho mba hanalehibe ny zanako ao @ finoana kristianina


pour an le maha "zesta" sy hanalana henatra anao te hanao ilay fanambadiana hiditra am-piangonana fotsiny iznay ve no anaovany ilay izy "ho anao"

sa hanaiky an'io conditions io izy?

zaza niaraha nanao ilay zaza ka dia ataovy kosa hoe "ianareo"

misy sangisangina olona malaza Mpanakanto izay io hoe
"rehefa tsy mitovy dia ny voalohany ny accords.. dia na io lasa jazz na io lasa hivalana... arakaraky ny musicien
fa rah atsy sur dia tsara kokoa ny tsy mitendry azy toy izay ny mitendry mamalana, satria manala baraka ny mamalana" (jaco pastorius)
4. ainaheri ( 19/03/2008 06:00)
Ny tiako anontaniana eto dia hoe mba efa nisy nandalo t@ izany ve, hoe tsy fifankazahoana noho ny fivavahana?


Enao lou zao fa ny tany aloa tsy tadidiko....Ny tiko tsindrina kely; raha ao aminy ny fitiavana ataoko tsy hisy ny olana na tsy andé hanaraka anareo isak'alahady aza izy!!!


Misy manana sosonkevitra ve hoe inona no tsara ataonay?


Reseho lahatra izy fa hafa² kokoa ny zaza voataiza ara-pinoana ary ny fankanesany any akory tsy midika we lavage de cervô fa fitaizana ara-panahy!!


Matetika aho mihevitra hoe avelao ho any dia rehefa eo ny zaza vao hita nefa tsy maintsy hi faire face an'izany ihany ka aleo izao dia dinihina..



Raha ny fihevitro diso be enao ra izany,satria mety tsy azo soroina tsony ka ho lasa disa² eo @ tokantranonareo 2 ny iafarany,aleo miresaka iany diany mbola tsy eo ny zaza

Bon courage enao sy ho an'reo zay manana olana ara-tokantrano
5. soanja ( 19/03/2008 06:09)
Matoa ny Athee ny olona iray dia misy antony tokoa.
Ny antony nahatonga azy ho Athee zany no tokony hojerendry akaiky satria mety fiantraikan'ny zavatra niainany na nianarany na hitany teny amin'ny manodidina azy no nahatonga azy naka izany fanapahan-kevitra ho izany.

Hira> Vao roatokom-bolana izay no afaka nanova ny sain'i Athees roa hijery ny fisian'Andriamanitra aho. Fahasoavana lehibe izany eo imasoko satria nihevitra aho fa tsy ahavita izany amin'ny androm-piainako sady tsy dia mahazatra ahy ny manova ny fomba fisainan'ny olona ary indrindra ny hanova ny finoany.

Ny finoana mantsy dia miasa ho an'ny tsiraidray ary ny tena irery ihany no afaka mahazo/mahatsapa fahambiazana noho izany fa ny fahasoavoana kosa dia ho an'ny rehetra izay manodidina eo mandray ny vokatra tsara.

Amiko dia raiso mora ny fiainana. Efa nanapa-kevitra ianao hanambady tsy mpino dia safidy malalaka izany ary raha toa ka hiteraka ianareo dia izay hampilamina io tokatrano io ho mahery, mafonja ho an'ny fianakaviana no zava-dehibe. Ny tiako hiaviana dia hoe ny lehilahy no lohan'ny fianakaviana. Araho ny heviny raha toa ka hitanao fa tsy manimba ny zanakao izany. Tokony isaotra an'Andriamanitra aza indry fa nanaiky hanorina ny tokatranonareo eo ambony vatolampy izy. Bestaka tokoa ny tsy hanaiky hanao mariazy an-deglizy raha tsy mpino. Izy nety. Efa fahasoavana izany. Tohizo hatrany ny vavaka mangina fa mihaino ny Tompo.

Misaora an'Andriamanitra raha mamela ny zaza hamonjy fiangonana izy. Aza miady aminy kosa izay tsy avelany. Any aoriana ny zaza dia araka ny lazainao io hoe hanana ny safidy hanao ireo sakrameta masina ireo. Sadidiny izany satria efa lehibe izy amn'izay tsy misy fanerena intsony araka ny voalzan'ilay ho vadinao.

Ny hany hafatro kosa dia raha sanatria ka tsy afaka ny hamonjy fiangonana ny ankizy dia ianao kosa no ataovy solom-piangonana eo anoloany.

Tempolin'i Kristy ny tenantsika. Modely tsara indrindra amin'ny mahaKrsitianina. Ampianaro, ampafantaro ary karohy eo anivony fa miasa i Jesoa n'aiza n'aiza. Ny famirapiratanao no fitaratra hotarafiny ary ho fiandrihanana hiankinany. Tsy ny trano fiangonana akory no zava-dehibe fany finoana ao anaty mahery sy mandaitra. Ireo no asehoy ho an-janakao. Ianao ilay Katekista ary ianao ilay fanilon'i Eokaristia!

Hino marimarina aho raha miseho ireo dia hanaraka ho azy ho isan'ny Mpino ny ho vadinao na ho ela na haingana. Tadidio ary minoa fa miasa Jesoa! Hanjaka eo aminareo anie ny fiadanan'izy Tompo!

6. mandaoro ( 19/03/2008 07:15)
marina dhl reo voalazan'ny namana reo, ataovy aloha zay handresena lahatra ny fofom-badinao raha zao nareo efa tsy hifanara-tsaina de tsy hanjary ny tokan-tranonareo, ny zaza no antoky ny ho avinareo ka tsy misy afa tsy ny vavaka no tsara anabeazana azy dieny mbola kely.
7. nikopol ( 19/03/2008 08:34)
Tsaratsara kokoa ianao mitady fofombady hafa mpivavaka toa anao. Efa fivelarantsaina be ny azy nanaiky ny hanao mariazy any ampiangonana. Ary zavadehibe no nolaziany fa ho tazainy aminy valeurs tsara ny ankizy.

Raha hoe athée aho ka raha izaho no eo aminy toerany dia tsy hanambady anao izany aho satria zanaka hikambanana nefa ianao iziriziry aminy fitaizana tianao atao nefa tsy hadiahadianao akory ny antony. Inona ny objectifs an’ilay fitaizana ? na ny anao na ny azy ? tsy mitovitovy ihany ve ? satria ve ianao kristianina dia voatery ho kristianina ny ankizy ?

Ny fanambadiana dia resaka “paquet”, raha izay lafiny izay fotsiny no manelingelina anao eny aminy, dia hitako fa tsy tokony hanambady azy ianao satria ambony loatra ilay fiheveranao ilay fivavahana ( aminao izany ny endrika ivelany no mikoty fa tsy ny valeurs) ka tsy ho sambatra mihintsy ianao miaraka aminy raha tsy iova hevitra angaha. Nefa mino aho fa na hanambady mpivavaka aza ianao dia mety hitovitovy ihany.

Misy mpivavaka, ny aty ivelany fotsiny no mpivavaka ( natao batisa na confirmation, sy ny sisa, mandeha mivavaka isak’alahady ...) fa sady mandika ny lalana mahampivavaka azy no tsy manana akory ireo valeurs dradradraina any ampiangoana tahaky ny fitiavana ny hafa sy ny fanaovantsoa sy ny sisa. Misy nefa tsy mpivavaka manana an’ireny valeurs ireny.

fonony sa ny atiny no tianao ?


8. endrika01 ( 19/03/2008 09:31)
Tokony we hamaly ity dinika ity no nahatongavako,nefa indro kely fa na izaho aza tsy mahalala akory lay atao hoe Atheé,mba azon\'hira>hazavaina ve azafady,ny vadinao mou hoy ianao we Atheé dia mino aho fa ahazo valiny mahafapo avy aminao aho:-D
9. rabilabila ( 19/03/2008 09:52)
Hira:

Matoa izy no nofinidinao ary nifidy anao tao anatin'ny maro,dia tsy ireo dénimonations hoe :kristianina sy athée no importants fa ny fifanojoan'ny fomba fijery sy ny " fondamentaux" rehetra ;ireo no dénominateurs communs-nareo ary amiko ireo no importants indrindra.

Efa misy resaka eo ambanimbany eo momba ilay fitaizana raha manampy anao :http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m47c70a9f5bef7

Ireo fondamentaux ireo no mampiaraka anareo ,ary ireo koa no tokony hampitaina amin'ny zanakareo any aoriana any .
Par contre ,tsy mety ary tsy tokony atao ny mamaritra ny zaza amin'ny firehana tokana ( na AT na Kristianina ) ,satria manome tapi-mason-tsoavaly ny ankizy izany ka tsy hanampy azy ( ary AT aho no manome io hafatra io ).Ny tiako lazaina dia ny manome fahalalàna azy en toute objectivité .

Misy zavatra noresahin'i Soanja io ambony io :
Tempolin'i Kristy ny tenantsika. Modely tsara indrindra amin'ny mahaKrsitianina. Ampianaro, ampafantaro ary karohy eo anivony fa miasa i Jesoa n'aiza n'aiza. Ny famirapiratanao no fitaratra hotarafiny ary ho fiandrihanana hiankinany. Tsy ny trano fiangonana akory no zava-dehibe fany finoana ao anaty mahery sy mandaitra. Ireo no asehoy ho an-janakao. Ianao ilay Katekista ary ianao ilay fanilon'i Eokaristia

Ary efa nisy ity nolazaiko ary ambadika:

Ary indrindra indrindra tsy tokony atao ambanin-javatra ny firesahana ( ny rehetra rehetra ) ,ary io resaka io dia tsy asiana "kokoa" satria ny fomba fiainantsika sy ny fitondran-tenantsika dia efa "kokoa" ho azy raha ahitany fizarana fitiavana sy fifanajàna ,ny fahatokisana izany hoe ny fandraisana azy ho olona "à part entière" mahavita manome ny arguments-ny ary mi-defendre azy


Points de vue anankiroa ireo :ny an'i Soanja Kristianina ary ny ahy AT nefa hitanao amin'izao fa mitovy ny "fondamentaux ".
Ataovy ohatran'izay ny fandehany fa hilamina ny rehetra.
Mazotoa
10. jemimah ( 19/03/2008 09:53)
SOANJA; ny fanahy masina no nanova ny fijeriny ry soanja fa tsy ianao a! fitaovana nampiasaina fotsiny ianao misy ahitsiko kely ny fanambaranao
11. sipagasy ( 19/03/2008 09:53)
fa izao e! amiko ann, dia tsy izay rehetra mamonjy ny trano fiangonana, no atao hoe mpivavaka, afaka tsara ianao mivavaka ao an-tokantranonao, iza no hisakana anao???? tsy misy angamba, koa beazo araka izay ny taranaka, ianao ny ho modely, filamatra eo @ androm-piainany, fomba ivelany ny any am-piangonana, fa ny anao no ampiroboroboy, marina ny voalazan'ny namana soanja io ambony io, ezaho, ary herezo fa ho somary mafy kely ny lalanao, mefa moa araka ny tenintsika dia tsy misy mafy tsy laitry ny zoto e!

Am-pifaliana hatrany!:-*
12. booboo ( 19/03/2008 10:01)
Miombon-kevitra tanteraka @ Soanja, Rabilabila sy Nikopol ary Sipagasy.
13. ni81 ( 19/03/2008 10:43)
Tokony we hamaly ity dinika ity no nahatongavako,nefa indro kely fa na izaho aza tsy mahalala akory lay atao hoe Atheé,mba azon'hira>hazavaina ve azafady,ny vadinao mou hoy ianao we Atheé dia mino aho fa ahazo valiny mahafapo avy aminao aho

Hovaliako i endrika01 na dia i hira aza no nametrahanao ilay fanontaniana. ATHEE = tsy mino ny fisian'Andriamanitra (rehefa mety ho ANDRIAMANITRA), dia misy koa ilay atao hoe: AGNOSTIQUE = mino fa misy Andriamanitra fa misalasala sy tsy mitombina ny finoany azy (na izy ireo).
14. ni81 ( 19/03/2008 10:47)
Tsy afaka ny hanova olombelona ianao fa kosa ny fijoroana @ fahamarinana izay arahanao no hampilamina ny sisa rehetra. Matoa izy manaiky hanao mariazy dia efa fanetren-tena lehibe aloha izay dia tohizo ny ezaka rehetra ary aza mitsahatra mangataka fanampiana @ ilay Ray ao ambony fa mino aho fa hivaha ny olana rehetra.
15. tsiambaratelo ( 19/03/2008 11:14)
ni81:
Tokony we hamaly ity dinika ity no nahatongavako,nefa indro kely fa na izaho aza tsy mahalala akory lay atao hoe Atheé,mba azon\'hira>hazavaina ve azafady,ny vadinao mou hoy ianao we Atheé dia mino aho fa ahazo valiny mahafapo avy aminao aho
Hovaliako i endrika01 na dia i hira aza no nametrahanao ilay fanontaniana. ATHEE = tsy mino ny fisian\'Andriamanitra (rehefa mety ho ANDRIAMANITRA), dia misy koa ilay atao hoe: AGNOSTIQUE = mino fa misy Andriamanitra fa misalasala sy tsy mitombina ny finoany azy (na izy ireo).
Hay ve izany no atao we ATHEÉ é,tena tsy mino an\'Andriamanitra,fa mety ihino ihany izy ireny rehefa mahay mandresy lahatra azy ny manodidina sy ireo olona akaiky azy!
16. Fody ( 19/03/2008 12:04)


Matoa miaraka sy vonona ny hivady ny olona roa dia satria mifankatia izy izay.

Ny vadinao (na ilay ho vadinao) dia tia anao amin'ny maha anao manontolo, ary manaiky an'izay maha anao izay. Ny fanekeny ny hanao mariazy dia porofon'izany (raha tsy hoe misy zavatra hafa tiany hatongavana angaha)

Ianao, vehivavy, malagasy, kristiana io no tiany, sy hitany fa tsara sy soa.
Ka raha tsara ianao, ao izay niavianao, izay tsara koa, satria ny hazo no vanon-ko lakana ny tany naniriany no tsara.
Raha soa ianao, ao izay nikolokolo sy nahabe anao ka nahasoa anao. Isan'ny nanabe anao ny Fianakaviana, ny fiaraha-monina, ny Fiangonana. Ireo no nahasoa anao ka nahababo ny fony.

Ho an'ny mpivady:
Ny adidin'ny mpivady, rehefa miteraka izy, dia ny mitady hatrany ny hahasoa sy hahatsara ny zanany. Ka raha hitany fa soa sy tsara ianao, inona no hisalasalany amin'ny fanabeazana ny zanakareo amin'izay fanabeazana nomena anao, izay hitany fa soa sy tsara?

Ny fanambadiana dia fifanakalozana, ary tsara raha misy ny tsy fitoviana hitadiavana miaraka izay tena mahasoa. Tsy misy mahavaha ny olana akoatra anareo mivady. Miresaha, mifampidiniha: "fa raha ny mpivady no tsy miresaka very ny androtokom-pitiavana".

Mahereza!

17. moi ( 19/03/2008 12:24)
Raha ny tena sitrapon'Atra, tsy misy iandian-kevitra mihitsy, dia tsy natao hivady @ athée izany ny mpino kristiana. Saingy hafa ny nidoboan'ilay fo, ary manantena izany rehefa tia. Ka tsy manome tsiny aho raha efa avertie ianao no mbola hiroso satria natao hisafidy isika, ary ny indice efa tsy manome vahana anao hiroso.
Atra malahelo anao re hitodihana e.
18. hira ( 19/03/2008 12:32)
rabilabila>>
Matoa izy no nofinidinao ary nifidy anao tao anatin'ny maro,dia tsy ireo dénimonations hoe :kristianina sy athée no importants fa ny fifanojoan'ny fomba fijery sy ny " fondamentaux" rehetra ;ireo no dénominateurs communs-nareo ary amiko ireo no importants indrindra

Miombonkevitra aminao aho, izany no filamatra nentinay nanorina ny fifankatiavanay, nefa moa raha vita ihany ny resaka hoe samy maka ho azy @ fomba fiheverana ny fivavahana, dia rattrapés ihany izahay vao miditra ilay resaka zanaka, satria io tsy vitan'ny maka ho azy, fa tena ikambanana.

ikaretsaka>>
pour an le maha "zesta" sy hanalana henatra anao te hanao ilay fanambadiana hiditra am-piangonana fotsiny iznay ve no anaovany ilay izy "ho anao" sa hanaiky an'io conditions io izy?

T@ izahay niresaka an'ilay izy dia nazavaiko azy tsara fa ny an'ny katolika dia Andriamanitra no manorina ny tokantrano, ary na dia tsy manambady araky ny lalana civil aza aloha, dia tsy valide ny mariage raha tsy ao @ église. Tsy hoe fanalankenatra na hoe zesta te ho any ampiangonana no nanenkeny izany pour moi, fa par rapport @ ilay 4 piliers du mariage chrétien (raha katolika ianao dia azonao angamba no tiako ambara). après ny éducation'ny ankizy @ fomba kristianina, c'est là toute la question!!!:-o

soanja>>
Matoa ny Athee ny olona iray dia misy antony tokoa.
Ny antony nahatonga azy ho Athee zany no tokony hojerendry akaiky satria mety fiantraikan'ny zavatra niainany na nianarany na hitany teny amin'ny manodidina azy no nahatonga azy naka izany fanapahan-kevitra ho izany

rabilabila>>
Par contre ,tsy mety ary tsy tokony atao ny mamaritra ny zaza amin'ny firehana tokana ( na AT na Kristianina ) ,satria manome tapi-mason-tsoavaly ny ankizy izany ka tsy hanampy azy ( ary AT aho no manome io hafatra io ).Ny tiako lazaina dia ny manome fahalalàna azy en toute objectivité

Ny antony nahatonga azy ho AT dia mbola kely izy dia niala tany Dago. Protestants ry zareo ary izy dia vita batisa. Nifindra monina taty Frantsa ry zareo, dia ny RARniny tsy nandeha nivavaka intsony satria tsisy afa tsy fiangonana katolika tany @ izay nipetrahandry zareo. Sady koa ry zareo tao antrano tsy nampianarina na natoro n'inoninona momba ny fivavahana. Tena ignorant tanteraka izy raha resaka fivavahana no lazaina, toy ny ankamaroan'ny vazaha frantsay. Tsy mampaninona ahy anefa izany, satria zavatra maro hafa qui en vaut la peine no iarahako aminy.
Rabilabila>> Ilay firehana tokana toy ny azy no tsy tiako ataon'ny zanako. Ahoana moa no ahazoana miteny hoe "hisafidy" raha toa ka tsy misy au moins 2 choix eo anoloanao? Tsy mampaninona ahy raha mifidy ny ho AT ny zanako any aoriana, aleoko AT fa tsara toetra sy tsara fanahy toa an-drainy, toy izay mpivavaka nefa tsy manjary. Fa raha tsy ampianariko finoana sy fivavahana kosa izy, inona no safidy azony atao eo?


Hino marimarina aho raha miseho ireo dia hanaraka ho azy ho isan'ny Mpino ny ho vadinao na ho ela na haingana// Tsaratsara kokoa ianao mitady fofombady hafa mpivavaka toa anao// Tsaratsara kokoa ianao mitady fofombady hafa mpivavaka toa anao

Izaho aloha dia tsy manakevitra ny hitarika azy ho mpivavaka. Efa lehibe izy, vory saina, hajaiko ny safidiny.

nikopol>>
dia hitako fa tsy tokony hanambady azy ianao satria ambony loatra ilay fiheveranao ilay fivavahana ( aminao izany ny endrika ivelany no mikoty fa tsy ny valeurs) ka tsy ho sambatra mihintsy ianao miaraka aminy raha tsy iova hevitra angaha

Fofombadiko izy, ary raha misy zavatra iray maha sure et certaine ahy dia ny fifankatiavanay. Tsy heveriko na dia iray minitra aza ny hanao ny fiainako tsy eo anilany satria izy no porofo mivaingana fa misy olona iray natao ho anjaranao.


Hatr@izay aho tsy nahatsapa fa manandanja be amiko ny finoako, ary tsy nahalala mihintsy aho hoe haharary ahy ny hieritreritra fa ny zanako any aoriana any dia tsy azoko beazina sy atoro @ izany. Izy koa izao toy izany, mais dans le sens AT. Fantatro fa samy mazandoha izay ihany izahay roa, nefa tsy maintsy manapakevitra hoe inona no atao.
Raha resaka "valeurs" sns aloha dia tsy atahorako, samy afaka ho modely izahay, peut être lui plus que moi même. Fa concrètement, ahoana hoy ianareo kristianina na AT toa an-drabilabila, no fomba hamitanao fahalalàna ny zanakao @ izay lafiny izay?



19. hira ( 19/03/2008 12:38)
tapaka ny post-ko, fa misaotra anareo @ valinteny be dia be, ary miala tsiny fa izao vao afaka fa mbola tany ampianarana...
20. prime ( 19/03/2008 12:59)
Fanamarihana : raha mbola tsy nentina teo amin'Andriamanitra dia mbola tsy vady izany fa fofom-bady... izany hoe mbola tsy ilay neken'Andriamanitra sy nohamasininy...

Mitovy hevitra amin'ny namana sasany aho, fa ny tsara dia ny mivady amin'ny olona mino an'Andriamanitra satria antoky ny fiainana mandrakizay sy ny ho avy mihitsy no taratry ny fanambadiana fa tsy ny eto an-tany ihany... ka raha ny torohevitro dia mandiniha tsara mialoha fa ny fanambadiana dia indray mandeha ihany fa tsy miverimberina... tsy fitiavana ihany no fototry ny fanambadiana fa Andriamanitra indrindra indrindra izay nanorina izany ho amin'ny fahamasinana... (ny an'ny katolika moa dia sakramenta mihitsy aza, ianao rahateo katolika)...

Koa mahereza dia mandiniha tsara alohan'ny anaovana eny farany manoloana an'Andriamanitra... tsy fombafomba io fa fanekena masina misoratra any an-danitra...:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.009