Fahatsiarovana ny fetin'ny maty.

1. niryna ( 02/11/2007 06:15)
Inona no ao an-tsainao rehefa miresaka izany hoe fahatsiarovana ny fetin'ny maty izany hianao?
Maka olona iray izay tena tianao indrindra ka efa maty izy :cry::cry:
Ny zavatra hitako aloha dia misy olona mamboly voninkazo eo an-tokontanim-pasana.Tsy mba mitovy ny any amintsika fa mitovy ireny hoe fasam-bazaha ireny ny aty.Tokontany be fotsiny dia misy refiny hoe eto hianao no mamboly voninkazo.Misy tonga mamboly voninkazo ary manankarama olona mihitsy.Misy mandeha km maromaro mamangy ny mamany na ny dadany hono(avy tany am-pasana izany no tiako ho tenenina !)
Hoy ilay vehivavy izay hoe ny vadiny hono rehefa tezitra dia lasa mandeha eny am-pasana miresaka ny reniny dia afaka ny fony.Kanjo rehefa nifindra ry zareo dia tsy nandeha intsony fa lavitra loatra.

Tsy mba afaka nandevina an'ny raiko aho saingy nomen'Atra nofy talohan'ny nahafatesany.Nitomany efa ho adin'ny iray aho.Hitako tao anaty nofy daholo ny zavatra rehetra.Tsy mba nampahafantaran'ny olona aho fanatahotra hono ry zareo fa sao maninona aty an-tany lavitra aty.Mazana ny very havana aty an-tany lavitra aty an.Kanjo nony tonga ny sary tonga dia naveriko satria efa hitako tao anaty nofy daholo ilay izy.Hisaorako an'Atra manokana izany hatramin'izao.Tsy nomeny zavatra tsy ho zakako aho fa nampahafantariny ahy mialoha ilay izy ka nahay nihonona ny foko na dia mafy aza izany.
Nony nody aho dia tonga dia nitamberina ny fahitako azy tao an-tranonay ary nitondra voninkazo aho teny am-pasana ary nivavaka sy niresaka ny raiko,sady mbola nitomany izay no fahalalako azy.Toy izany koa ny rafozako izay tena tiako sy tia ahy.
Taty aoriana aho rehefa nahalala fa tsy ao am-pasana intsony ny raiko na ny rafozako fa ny vatany sisa no lasa vovoka fa ny fanahiny dia tsy ao intsony,ka raha ho eny am-pasana aho ka hiteny na hiresaka dia rivotra fotsiny no horesahiko.
Ny fantatro fotsiny dia fahatsiarovana sisa no tavela ary ny fitiavako azy ireo dia tsy miala ato am-poko.Izay no fara-fitiavako sy fara-fahatsiarovako azy ireo.
Hianareo ve rehefa mamaky ny tenin'Atra ka resy lahatra fa tsy maheno na midera an'Atra intsony ny maty dia mbola hiverina any am-pasana indray?
Hanatitra voninkazo,hiresaka aminy,hitomany ?
Ahoana ny hevitrao?
Misaotra mialoha
(l)niryna
novalian'i niryna ny 11/11/2007 05:55
2. tsiafoi1 ( 02/11/2007 14:02)
Zay fahatsiarovana rehetra ny amin'ny maty (na ny tsara na ny ratsy) de hadino ihany arakaraka ny fandrosoan'ny andro sy ny fotoana.

Fa aleo ny fiainana no hatrehana raha mbola velon'aina. Fa lalana tsy maintsy izoran'ny manan'aina rehetra ny fahafatesana, na ny soa na ny ratsy, tombon-dalana ho an'izay efa lasana fa isika rehetra mizotra ho any 'ny fahafatesana avokoa.
TSY ALEO VE NY VELONA NO MIFANASOA, toy izay laniana amin'ny voninkazo atoran-kisoa.
3. ikaretsaka ( 02/11/2007 14:17)
ny fiainan'ny velon'aina mitohy fa tsarovana koa ny asan'ny efa maty fony fahavelony ka.
raha izany manko de tsy mila tsarovana intsony ny asatanana sy asasoratr'ireny efa maty ireny
Dia raha extrapolena dia raisintsika ohatra ny baiboly : efa maty daholo ny olona nanoratra an'io. De midika ve izany fa tsy tokony horarahiana fa zavatr'olona efa maty?
4. Kwasi ( 02/11/2007 14:45)
Ho ahy indray aloha dia ny maty dia efa naman'ny maty. Fa ny fahatsiarovana dia mipetraka mandrakariva. Ary io tsy mila 1 novambra na voninkazo na famangiana fasana sns.
Ny ahy ny fahatsiarovana tsara indrindra ho an'ireo RR-ko izao dia ny mikolokolo ireo lovasoa navelany, toy ny fanabeazana sy ny soa toavina izay niezahany mandrakariva nampitaina taminay fony fahavvelony.
ika>ok
5. niryna ( 02/11/2007 15:05)
tsiafoi1:

Zay fahatsiarovana rehetra ny amin'ny maty (na ny tsara na ny ratsy) de hadino ihany arakaraka ny fandrosoan'ny andro sy ny fotoana.

Fa aleo ny fiainana no hatrehana raha mbola velon'aina. Fa lalana tsy maintsy izoran'ny manan'aina rehetra ny fahafatesana, na ny soa na ny ratsy, tombon-dalana ho an'izay efa lasana fa isika rehetra mizotra ho any 'ny fahafatesana avokoa.
TSY ALEO VE NY VELONA NO MIFANASOA, toy izay laniana amin'ny voninkazo atoran-kisoa.



:D:D indry aky mampihomehy ahy. Tsy afaka manao hoe maty vao ra-malala :lol:
6. niryna ( 02/11/2007 15:07)
ikaretsaka:

ny fiainan'ny velon'aina mitohy fa tsarovana koa ny asan'ny efa maty fony fahavelony ka.
raha izany manko de tsy mila tsarovana intsony ny asatanana sy asasoratr'ireny efa maty ireny
Dia raha extrapolena dia raisintsika ohatra ny baiboly : efa maty daholo ny olona nanoratra an'io. De midika ve izany fa tsy tokony horarahiana fa zavatr'olona efa maty?

Ka izany mahatonga ny hoe ato am-poko izy ireo.

7. niryna ( 02/11/2007 15:10)
Kwasi:

Ho ahy indray aloha dia ny maty dia efa naman'ny maty. Fa ny fahatsiarovana dia mipetraka mandrakariva. Ary io tsy mila 1 novambra na voninkazo na famangiana fasana sns.

ie,

Ny ahy ny fahatsiarovana tsara indrindra ho an'ireo RR-ko izao dia ny mikolokolo ireo lovasoa navelany, toy ny fanabeazana sy ny soa toavina izay niezahany mandrakariva nampitaina taminay fony fahavvelony.
ika>ok

ka izay no mahatonga ny hoe zaro amin'ny lalana tokony alehany ny zaza.Rehefa hatrizay ka lehibe izy ireo dia iny fitaizana azony tamin'ny rar iny no omeny ny zanany :)

8. ikaretsaka ( 02/11/2007 15:57)
dia aza adino ny mahatsiaro ireo RAR fa ireny no "nanazatra" anao @ lalana tokony halehanao.
Na maty aza izy, mampaninona ny manao hoe "misaotra dada na misaotra neny fa lasa izao aho ity"
Jeren'iu Niryna fotsiny ireny Graduate aty ireny e.. na ireny mpanoratra boky ireny.. Misy eo hoe for mom na for dad na for...
9. xxx ( 02/11/2007 16:01)
Miresaka fetin'ny maty ihany isika. Mba azon'Ikaretsaka omena ve ny fomba nahazoan'ny Katolika antoka fa taolambalon'i Md Piera marina no iorenan'ny fiangonana ao Vatikana?
Ankoatr'izay, tsy atahorana ve izany fiangonana miorina ambony fasana izany? Mino tokoa ve ny Katolika fa velona ny fanahin'ny olomasina? Ary ahoana izany ny olon-tsotra lasan-ko razana? valona koa izany ve ny fanahiny?
10. niryna ( 02/11/2007 16:22)
ikaretsaka:

dia aza adino ny mahatsiaro ireo RAR fa ireny no "nanazatra" anao @ lalana tokony halehanao.
Na maty aza izy, mampaninona ny manao hoe "misaotra dada na misaotra neny fa lasa izao aho ity"
Jeren'iu Niryna fotsiny ireny Graduate aty ireny e.. na ireny mpanoratra boky ireny.. Misy eo hoe for mom na for dad na for...

Tsy misy maharatsy an'izany ka,fa ilay fampianarana vilana no mila mitandrina.Tonga any am-pasana dia miresaka eo, dia eo,dia eo.Tafiditr'i satana ny baolina satria minomino foana ilay olona.Ny tenin'Atra mantsy no manambara 5 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.

6 Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao aty ambanin'ny masoandro izy.
Mpitorinteny 9:5-6

11. niryna ( 02/11/2007 16:39)
xxx:

Miresaka fetin'ny maty ihany isika. Mba azon'Ikaretsaka omena ve ny fomba nahazoan'ny Katolika antoka fa taolambalon'i Md Piera marina no iorenan'ny fiangonana ao Vatikana?
Ankoatr'izay, tsy atahorana ve izany fiangonana miorina ambony fasana izany? Mino tokoa ve ny Katolika fa velona ny fanahin'ny olomasina? Ary ahoana izany ny olon-tsotra lasan-ko razana? valona koa izany ve ny fanahiny?

valio hono io ry ika a.
Ny maty rehetra dia velona daholo aloha ny fanahiny amiko e,saingy tsy afaka ny hanelanelana amin'Atra sy i Kristy mihitsy na iray aza :roll:
Hianao no fiainana sy fahamarinana ry tompo o.[u]Lalana tokana mankany amin'ny ray ,ry tompo o.
Io hiran'ny katolika no tiako indrindra sady marina ary i kristy tokoa,izy irery no lalana mankany amin'ny ray fa tsy ireo olo-masina efa maty,na zavatra hafa sa ahoana hoy hianao? :o

12. ikaretsaka ( 02/11/2007 16:42)
Andraso valiako araka ny filaharany aza ny fanontanian\'i XXX
1)Tsy hoe eo ambony taolambalo no miorina ny basilika , fa eo ambonin\'ny toerana nandevenana azy (fasana)
Architecte aho ary efa mba nandinika tsara ny structuren\'ny Basilikan\'i Md Piera, dia ny fondation-ny ao ambany ao mifanandrify tsara @ Otely sy ny baldaquin (Tsy haiko ny handikana ny baldaquin amin\'ny teny Gasy fa ilay ohatran\'ny tafo manarona ny otely iny) dia fasana no ao , jereo koa ny ao ambany ao fa cave feno sacrophages,( rehefa sendra mba tonga any Roma dia aza adino ny mamangy vatican grotto! Via Cornelius sns...)
ny fomba taloha dia raha maty ianao dia tsy mandeha lavitra izany (hoe gasy ianao ka maty any ampita dia ampodiana any M/kar) fa alevina akaikin\'ny toerana nahafatesanao ihany

izao koa na tiana na tsy tiana . raha hoe fasana nilevenanao sy nirarahan\'ny nofonao ho vovoka de tsy maintsy niraraham-bovokao ilay toerana, na navadika aza ianao:wink: donc misy relique anao ao izany!

2)Firifiry moa ny fiangonana miorina eo ambony fasana, jerevo ny ao ambanin\'ireny fiangonana katolika Malaza ireny (cathedrale) fa sacrophages aby ny ao amin\'ny cave-ny?Antsirabe, Andohalo , sns.., ny monasteres (benedictine ao Ambositra ohatra)

3) ie mino ny katolika fa velona ny fanahin\'ny olomasina, ny porofo manambara sy mahatonga azy mino izany? hitany @ fiainany andavan\'andro ny fiasany! \"tsaraina amin\'ny voany ny hazo hoy ilay teny izay\"

4)tsy ny Katolika ihany no mino hoe velona ny fanahin\'ny olona lasan-ko razana ... fa rehefa kristianina dia samy mino hoe any @ izay misy azy any izy ireny mandra pahatongan\'ny fitsarana farany sy ny fiverenany am-boninahitra indray!
fa ilay hoe \'aiza\' no misy azy.. no polemiques be, samy manana ny fiheviny :wink:
13. pissoa ( 02/11/2007 17:00)
Ity dinika ity dia efa fanin-3 raha kely indrindra no nataon'i Niryna teto. Tsy haiko na sarotra be ilay izy, na ny mpanokatra dinika mihitsy no tsy mba mety mahazo zavatra ... :-D:-D:-D

xxx:
Ankoatr'izay, tsy atahorana ve izany fiangonana miorina ambony fasana izany?

:-D:-D:-D
Fa inona no tokony hampatahota amin'izany ?!

indry aky mampihomehy ahy. Tsy afaka manao hoe maty vao ra-malala

Tandremo fa tsy resaka maty vao ra-malala mihitsy no hahatsiarovan'ny olona ny olona maty. Ataoko hoe "olona" satria fehezina be loatra amin'ny hoe havana ilay izy, nefa tsy ny havana ihany no tsaroan'ny Eglizy rehetra mahatsiaro fa ny tsy havana ihany koa ;)


Rehefa arahiko tsara ilay dinika dia ilay mandeha eny amin'ny fasana no tena olan'i Niryna. Toa tsy manisy olana ianao amin'ny fahatsiarovana ao am-po, tsy mampaninona anao ny manoratra amin'ny boky hoe ho an'i Dad na Mum sns. Fa ilay mandeha eny amin'ny fasana no ataonao hoe fampianarana vilana. Diniho lalina fa sao mirakitra fihatsaram-belatsihy izany zavatra ataonao izany. Izany hoe ety ivelany aho mody tsy mahatsiaro, mody manoratra eto amin'ny serasera hoe ozizy ny Baiboly sns, fa ao anatiko aho mahatsiaro ihany. Izany anie ra-olombelona no atao hoe mihatsaravelatsihy raha tsy fantatrareo e !!! :-D:-D:-D

Tsy fahotana ny fahatsiarovana ny havana maty ary tsy heloka ny mivavaka ho an'ny fanahin'izy ireny.
14. ikaretsaka ( 02/11/2007 17:10)
hay moa// remix indray ity izany ry pissoa:-D
ary specialisten'ny remixmihitsy ireto "kristianina sasany"ireto a
15. niryna ( 02/11/2007 18:44)
pissoa:

Ity dinika ity dia efa fanin-3 raha kely indrindra no nataon'i Niryna teto. Tsy haiko na sarotra be ilay izy, na ny mpanokatra dinika mihitsy no tsy mba mety mahazo zavatra ... :-D:-D:-D

xxx:
Ankoatr'izay, tsy atahorana ve izany fiangonana miorina ambony fasana izany?

:-D:-D:-D
Fa inona no tokony hampatahota amin'izany ?!

indry aky mampihomehy ahy. Tsy afaka manao hoe maty vao ra-malala

Tandremo fa tsy resaka maty vao ra-malala mihitsy no hahatsiarovan'ny olona ny olona maty. Ataoko hoe "olona" satria fehezina be loatra amin'ny hoe havana ilay izy, nefa tsy ny havana ihany no tsaroan'ny Eglizy rehetra mahatsiaro fa ny tsy havana ihany koa ;)


Rehefa arahiko tsara ilay dinika dia ilay mandeha eny amin'ny fasana no tena olan'i Niryna. Toa tsy manisy olana ianao amin'ny fahatsiarovana ao am-po, tsy mampaninona anao ny manoratra amin'ny boky hoe ho an'i Dad na Mum sns. Fa ilay mandeha eny amin'ny fasana no ataonao hoe fampianarana vilana. Diniho lalina fa sao mirakitra fihatsaram-belatsihy izany zavatra ataonao izany. Izany hoe ety ivelany aho mody tsy mahatsiaro, mody manoratra eto amin'ny serasera hoe ozizy ny Baiboly sns, fa ao anatiko aho mahatsiaro ihany. Izany anie ra-olombelona no atao hoe mihatsaravelatsihy raha tsy fantatrareo e !!! :-D:-D:-D

Tsy fahotana ny fahatsiarovana ny havana maty ary tsy heloka ny mivavaka ho an'ny fanahin'izy ireny.



Amiko tsy misy olana izany na in-pito aza no manao sujet mitovitovy,hafafazo hatrany ny voa fa aza kivy rahavako:-*:-* Misy mamoa voa tsara ary misy malazo,misy vao mamoa dia voafoakan'ny rivo mahery satria tsy marina tsara ny fototra nihorenany,ary misy kosa latsa-paka ilay fototra ka na misy rivo-mahery aza tsy mampihontsona azy izany .Mafy ilay fondation-ny no mahatonga izany :D:D.Raha marivo indray ilay fondation dia hieritreritra amin'izay izy hoe aiza ary ny toerana hanorenako trano fa nianjera ilay izy satria tsy mafy horona...Tsy ho tratran'ny rivo-doza intsony koa aho fa manana an'i Tompo ary izy irery no hinoako ....Mahereza fa aza kivy.Toy isika nampianarina namindra ihany io,im-piry no nianjera kanefa tafa-tsangana ihany.
Tsy misy hidiran'ny serasera mihitsy izany,aza kivy hoy ny baiboly milaza izay voalazan'ny soratra masina ,izay mino dia ho azy ,izay tsy mino moa kanefa efa notenenina tsy anjarako izany ka.
16. niryna ( 02/11/2007 18:51)
pissoa:

Ity dinika ity dia efa fanin-3 raha kely indrindra no nataon'i Niryna teto. Tsy haiko na sarotra be ilay izy, na ny mpanokatra dinika mihitsy no tsy mba mety mahazo zavatra ... :-D:-D:-D

Izany anie ra-olombelona no atao hoe mihatsaravelatsihy raha tsy fantatrareo e !!! :-D:-D:-D

=))=))

Tsy fahotana ny fahatsiarovana ny havana maty ary tsy heloka ny mivavaka ho an'ny fanahin'izy ireny.

Asa indray aloha izany na fahotana na tsia fa Atra ihany no mahalala, ny fantatro fotsiny dia tsy mahatsiaro intsony ny maty hoy ny baiboly raha toherinao moa izany dia tohero fa tsy izaho no nanoratra an'io fa ny mandefa ny hafatra no anjarako.
Matio 22

31 Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe:

32 " Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba " ( Eks.3.6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.
:-*


17. bosista ( 02/11/2007 18:51)
ka le izy ve fetin'ny maty sa andro ahatsiarovana ireo nodimandry? raha ny maty manko tsy manao fety izany ry zareo,ary mandainga izay milaza fa nahita ny maty nanao fety!ka tsy tokony ovaina ve le fomba fiteny sa ahoana ozy nareo?
18. niryna ( 02/11/2007 18:52)
bosista:

ka le izy ve fetin'ny maty sa andro ahatsiarovana ireo nodimandry? raha ny maty manko tsy manao fety izany ry zareo,ary mandainga izay milaza fa nahita ny maty nanao fety!ka tsy tokony ovaina ve le fomba fiteny sa ahoana ozy nareo?

Hitakou,misy mi-dance angamba moa izy ireny eo ambonin'ny fasana?


19. ikaretsaka ( 02/11/2007 18:54)
hafafazo fa aza miatsaraivelantsihy... fadio mihitsy ny hoe satria aho izao de izao..
rehefa entina hisaorana an'andriamanitra izy dia tsara aby (Rom 14:6)

pissoa:
Rehefa arahiko tsara ilay dinika dia ilay mandeha eny amin'ny fasana no tena olan'i Niryna. Toa tsy manisy olana ianao amin'ny fahatsiarovana ao am-po, tsy mampaninona anao ny manoratra amin'ny boky hoe ho an'i Dad na Mum sns. Fa ilay mandeha eny amin'ny fasana no ataonao hoe fampianarana vilana. Diniho lalina fa sao mirakitra fihatsaram-belatsihy izany zavatra ataonao izany. Izany hoe ety ivelany aho mody tsy mahatsiaro, mody manoratra eto amin'ny serasera hoe ozizy ny Baiboly sns, fa ao anatiko aho mahatsiaro ihany. Izany anie ra-olombelona no atao hoe mihatsaravelatsihy raha tsy fantatrareo e !!!

izay mantsy

Tsy fahotana ny fahatsiarovana ny havana maty ary tsy heloka ny mivavaka ho an'ny fanahin'izy ireny.

namaste.. raha tsy izany efa maty aby ny mpamangy fasana sy ny mpanao memorial etsy sy eroa:-D
20. bosista ( 02/11/2007 19:03)
niryna >> fetin'ny mpams zany no tianao ho lazaina sa...?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2188