Fahatsiarovana ny fetin'ny maty.

101. niryna ( 11/11/2007 05:54)
xxx:

Raha saina ilay izy dia sarotra ihany satria lasa mamorona ny tsy misy izany ny saina. Ilay asan-devoly anefa heno sy tsapa tanteraka ary misy mampiasa azy amin'ny alalan'ny fiantsoana ny maty mba hanatanteraka izay tiana hatao. Mibaiko ny maty izany toy ny ataon'ny Gasy mangata-pitahiana amin'ny razana io. Hirahina ilay razana mba hitahy ny tena. Ny tena misy ankehitriny dia angatahina indray Andrianmanitra sy ny razana dia mitondra Baiboly eny amin'ny Doany. Misy olona mihetsika tromba sy ny sisa avy eo rehefa hoe miteny ny razana.

Io karazany io no mba tiako anontaniana ny Katolika satria mitovy firafitra amin'ny fomba Malagasy ny fomba fivavahana Katolika ankehitriny amin'ireo Masindahy sy Masimbavy marobe tsy voatanisa ireo.
Avy amin'ny Malagasy ve no nalain-dry zareo tahaka sa efa fanaon'ny olombelona rehetra taloha io fombafomba io?

Sady lasa miantso an'Atra izany dia miantso ny maty indray ilay olona? Ka hery roa izany no miara-tonga eo raha izany :roll: Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita* iza no hidera Anao?Sal 6

Valio hono io ry ika fa izaho koa mba te-ahafantatra a.
102. niryna ( 11/11/2007 05:55)
ikaretsaka:

ka tsy efa impiry mamorona ny tsy misy moa ny saina ry xxx?



:roll:
103. niryna ( 11/11/2007 05:55)
ikaretsaka:

esory lavitra hoa io fomba fijery io hoe rehefa zavatra "hafahafa" samihafa amin'ny fijery sy tsy takantry ny saina ny manazava azy dia "devoly izay"
raha tsy izany dia devoly aby ny teknolojia vaovao rehetra



=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0442