Fahatsiarovana ny fetin'ny maty.

21. pissoa ( 02/11/2007 19:04)
Niryna : ary maninona no nalana ilay teniko tamin'ny namaly mikasika ilay fihatsaram-belatsihy ? Raha tsy hitanao tsara dia ito no nosaratako teo mikasika ilay fihatsaram-belatsihy.
Rehefa arahiko tsara ilay dinika dia ilay mandeha eny amin'ny fasana no tena olan'i Niryna. Toa tsy manisy olana ianao amin'ny fahatsiarovana ao am-po, tsy mampaninona anao ny manoratra amin'ny boky hoe ho an'i Dad na Mum sns. Fa ilay mandeha eny amin'ny fasana no ataonao hoe fampianarana vilana. Diniho lalina fa sao mirakitra fihatsaram-belatsihy izany zavatra ataonao izany. Izany hoe ety ivelany aho mody tsy mahatsiaro, mody manoratra eto amin'ny serasera hoe ozizy ny Baiboly sns, fa ao anatiko aho mahatsiaro ihany. Izany anie ra-olombelona no atao hoe mihatsaravelatsihy raha tsy fantatrareo e !!!


Asa indray aloha izany na fahotana na tsia fa Atra ihany no mahalala, ny fantatro fotsiny dia tsy mahatsiaro intsony ny maty hoy ny baiboly raha toherinao moa izany dia tohero fa tsy izaho no nanoratra an'io fa ny mandefa ny hafatra no anjarako.
Matio 22

31 Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe:

32 " Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba " ( Eks.3.6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona.

:-D:-D:-D
Vakio ao amin'ny Jenezy toko faha-4 ny tantaran'i Kaina sy Abela ! Ozizy Andriamanitra hoe mitaraina aty amiko ny feon'ny ran'ny rahalahinao mantsy an'i Kaina ! Efa maty i Abela tamin'io raha tsy diso aho :-D
22. pissoa ( 02/11/2007 19:08)
ka le izy ve fetin'ny maty sa andro ahatsiarovana ireo nodimandry? raha ny maty manko tsy manao fety izany ry zareo,ary mandainga izay milaza fa nahita ny maty nanao fety!ka tsy tokony ovaina ve le fomba fiteny sa ahoana ozy nareo?

Dia ahoana izany isika rehefa miteny hoe fetim-pirenena ry Bossista ? Ilay bolongan-tany Madagasikara ve mandindy eny anivon'ny ranomasina ? :-D:-D:-D
23. niryna ( 02/11/2007 19:08)
pissoa:

/b] Izany hoe ety ivelany aho mody tsy mahatsiaro, mody manoratra eto amin'ny serasera hoe ozizy ny Baiboly sns, fa ao anatiko aho mahatsiaro ihany. Izany anie ra-olombelona no atao hoe mihatsaravelatsihy raha tsy fantatrareo e !!! :-D:-D:-D

Tsy fahotana ny fahatsiarovana ny havana maty ary tsy heloka ny mivavaka ho an'ny fanahin'izy ireny.

Izany hoe mitsara olona izany hianao raha ny tena marina kanefa tsy misy afaka mitsara isika,manoro,mananatra,milaza ny marina ao anaty baiboly ka izay mandray tsara.
Indraindray anie ilay baiboly mankarary e,milaza ny marina mandrakariva izy saingy ny saintsika no tsy manaiky izay mifanaraka ao anatiny fa mety mihaino sy notaizana tamin'ny lalan-kafa dia efa zatra e.
Tsy afaka midera an'Atra hono ny maty,hoy ny baiboly. Dia ahoana izany kanefa izaho efa noentin'i mamanay na ny papanay tany foana nandritra ny androm-piainako,izaho aho nahafantatra fa tsy ao am-pasana intsony izy .... dia hanaiky izany ve ny saiko :-@:-@ fa lasa hiresaka amin'ny avelo :snif: indray izany aho raha miresaka amin'ny rivotra eo?
:roll::roll: kanefa tokoa aho nandeha tany tsy naheno an'i papako namaly ahy akory:idea::idea::b:b

Vakio raha tsy manahirana anao ny tantara.Tsy ny saintsika mihitsy anie aky no hitondrana ny tenin'Atra ,miangavy ny FM isika mba hanazava izay teny ao anaty baiboly.Iza no tsy alahelo ny ray niteraka an'i tena izao no maty?Rehefa mandalina ny tenin'Atra ny tena ka nosokafan'ny FM ny fahamarinana dia miaiky izay voalazany.
4 Miverena, Jehovah ô, afaho ny fanahiko; Vonjeo aho noho ny famindram-ponao.

5 Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana, any amin'ny fiainan-tsi-hita* iza no hidera Anao?
Salamo 6:4-5

Raiso ary izay fantatrao fa tsara ary diniho izay noheverinao fa tsy marina araka ny eritreretinao azy na hoe fantatrao fa ratsy.Safidy io rahavako.(l)(l)

24. bosista ( 02/11/2007 19:10)
pissoa>> ka le verset omenao anie tsy miresaka fetin-dry abela fa toa mitaraina!contraire izany ny anao! ny andininy milaza fa manao fety ry zareo no omeo raha misy e!fa tsy le we mitaraina, de misaotra!
25. niryna ( 02/11/2007 19:12)
pissoa:

ka le izy ve fetin'ny maty sa andro ahatsiarovana ireo nodimandry? raha ny maty manko tsy manao fety izany ry zareo,ary mandainga izay milaza fa nahita ny maty nanao fety!ka tsy tokony ovaina ve le fomba fiteny sa ahoana ozy nareo?

Dia ahoana izany isika rehefa miteny hoe fetim-pirenena ry Bossista ? Ilay bolongan-tany Madagasikara ve mandindy eny anivon'ny ranomasina ? :-D:-D:-D


Tsy misy hidiran'ny fetim-pirenena aky ilay izy pissoa.
Manao inona tokoa moa isika? Mikabary ny president dia miteny sy mampahatsiahy ireo veteran rehetra maty ho an'ny tanindrazana.Efa fahatsiarovana lehibe anie izany e.Marina ny teninao fa ilay mandeha eo am-pasana mihitsy no tiako ho resahina.
Misy mamaly ve eo rehefa mieritreritra isika hoe eto amin'ny fasana izaho? Miresaka amin'ny dadako?
Tena tsy mbola naheno kosa aloha aho fa sarotra ny mandainga.
Eny e,izay fantatrao fa manala ny alahelonao ahatsiarovanao ilay havana ataovy fa tsy maninona ka
26. bosista ( 02/11/2007 19:15)
pissoa>>ka inn moa no atao hoe firenena aminao de inona no atao hoe maty?
27. pissoa ( 02/11/2007 19:17)
pissoa>> ka le verset omenao anie tsy miresaka fetin-dry abela fa toa mitaraina!contraire izany ny anao! ny andininy milaza fa manao fety ry zareo no omeo raha misy e!fa tsy le we mitaraina, de misaotra!

Jereo ny zavatra novaliako tamin'io verset nomeko io. Tsy resaka fety koa anie io novaliako io raha sendra tsy nomarihinao e ! Ny voalaza teo dia hoe tsy an'ny maty hono Andriamanitra. Dia izay no nanomezako an'io. Nitaraina tany amin'Andriamanitra hono ilay maty ozizy Andriamanitra. Ary raha tohizana ny tantara dia namaly ny fitarainany Andriamanitra. :-D:-D:-D
28. niryna ( 02/11/2007 19:19)
[quote=pissoa]
Niryna : ary maninona no nalana ilay teniko tamin'ny namaly mikasika ilay fihatsaram-belatsihy ? Raha tsy hitanao tsara dia ito no nosaratako teo mikasika ilay fihatsaram-belatsihy.
Rehefa arahiko tsara ilay dinika dia ilay mandeha eny amin'ny fasana no tena olan'i Niryna. Toa tsy manisy olana ianao amin'ny fahatsiarovana ao am-po, tsy mampaninona anao ny manoratra amin'ny boky hoe ho an'i Dad na Mum sns. Fa ilay mandeha eny amin'ny fasana no ataonao hoe fampianarana vilana. Diniho lalina fa sao mirakitra fihatsaram-belatsihy izany zavatra ataonao izany. Izany hoe ety ivelany aho mody tsy mahatsiaro, mody manoratra eto amin'ny serasera hoe ozizy ny Baiboly sns, fa ao anatiko aho mahatsiaro ihany. Izany anie ra-olombelona no atao hoe mihatsaravelatsihy raha tsy fantatrareo e !!!


:D



ka izay no antony namaliako anao mikasika ilay fihatsarambelantsihy.Tsy afaka hitsara ny olona isika hoe mihatsara velatsihy izany,tsy misy mahafantatra ny ao am-pon'ny tsirairay.Azy sy Atra irery izany ary raha hiatsaravelatsihy izy hilaza izay voalazan'ny baiboly,izy ihany koa anie mbola ho tsaraina toy ny rehetra e.
29. niryna ( 02/11/2007 19:20)
bosista:

pissoa>>ka inn moa no atao hoe firenena aminao de inona no atao hoe maty?



:roll: ahoana tokoa io?
30. ikaretsaka ( 02/11/2007 19:25)
ny anareo koa termes 1 de iadiana eo!
na fety io na andro natokana
na firenena io na maty

dia marina ny an'i pissoa hoe satria hoe fetin'ny maty dia hitotorebika ny maty
na fetin'ny firenena dia hanao break dance be eo @ oseana Indianina i madagasikara
31. pissoa ( 02/11/2007 19:30)
ka izay no antony namaliako anao mikasika ilay fihatsarambelantsihy.Tsy afaka hitsara ny olona isika hoe mihatsara velatsihy izany,tsy misy mahafantatra ny ao am-pon'ny tsirairay.Azy sy Atra irery izany ary raha hiatsaravelatsihy izy hilaza izay voalazan'ny baiboly,izy ihany koa anie mbola ho tsaraina toy ny rehetra e.

izaho anie tsy nitsara e ! Nilaza taminao ny ataonao fotsiny aho : mihatsaravelatsihy. Efa nolazainao ny ao am-ponao e ! Ka nahoana no tsy ho fantatro indray !!! Raha tsy tadidinao dia hoy ianao tery ambony tery :
niryna:
Ny fantatro fotsiny dia fahatsiarovana sisa no tavela ary ny fitiavako azy ireo dia tsy miala ato am-poko.

niryna:
Ka izany mahatonga ny hoe ato am-poko izy ireo.

Inona kay ry Niryna no ataon'ny faty ao amponao ? :-D:-D:-D
32. ikaretsaka ( 02/11/2007 19:36)
matoa kosa ny olona miteny dia misy porofo sy avy @ zavara hita fa ato moa misy karazan'olona vao voadona kely any @ tendrom-pony izy dia ny fitenenana hoe " aza mitsara" foana no hialana bala, nefa ireo ary ny porofo ko! milaza ny hitany ilay olona
33. niryna ( 02/11/2007 20:10)
pissoa:

pissoa>> ka le verset omenao anie tsy miresaka fetin-dry abela fa toa mitaraina!contraire izany ny anao! ny andininy milaza fa manao fety ry zareo no omeo raha misy e!fa tsy le we mitaraina, de misaotra!

Jereo ny zavatra novaliako tamin'io verset nomeko io. Tsy resaka fety koa anie io novaliako io raha sendra tsy nomarihinao e ! Ny voalaza teo dia hoe tsy an'ny maty hono Andriamanitra. Dia izay no nanomezako an'io. Nitaraina tany amin'Andriamanitra hono ilay maty ozizy Andriamanitra. Ary raha tohizana ny tantara dia namaly ny fitarainany Andriamanitra. :-D:-D:-D

Ka izay no voasoratra ao kou,tsy an'ny maty fa an'ny velona .Na inona na inona zavatra ataontsika ao amin'ny maizina dia asehon'Atra ao amin'ny mazava.
Kaina anie namono ny rahalahiny e,hitan'Atra izy nanao an'izany,eny henon'Atra ny fitarainany ,hitany ny zavatra nataony ny rahalahiny ary niaiky izy fa nanao an'izany.Izay no nahatonga an'Atra niteny an'izany.Asa aloha fa dia aleo ny tantara no hitsara.
satria hoy ny tenin'Atra ao amin'ny Gen 4 nomenao io manao hoe 3[i] Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Jehovah;
4 fa nitondran'i Abela kosa ny voalohan-terak'ondriny , dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an' i Abela mbamin'ny fanatiny;

5 fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.
6 Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?
7 Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren'ny faniriany, kanefa hianao no tokony hanapaka azy.

8 Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an' i Abela rahalahiny, ka namono azy.
9 Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
10 Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny tany.
11 Ary ankehitriny dia voaozona hianao hiala amin'ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran'ny rahalahinao nalatsaky ny tànanao.
12 Raha miasa ny tany hianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany hianao.

Ireo teny ireo dia endrika hitenenana ny olona ankasitrahin'Atra sy ny olona manome fanatitra azy amin'izay ambiny fa tsy vokatry ny fony.Nampahafantaran'Atra azy ny zavatra nataony kanefa dia mbola nandaha ihany izy.Toy izany ihany koa isika ,na fantatra izao aza ny soratra masina dia lavintsika ilay izy.Voahozona ny taranany ary niala teo amin'Atra izy,ary dia mbola hiainana ihany koa io ka misy ny manaiky ny tenin'Atra ary misy ny manda.

13 Dia hoy Kaina tamin'i Jehovah: Lehibe ny valin'ny heloko mihoatra noho izay zakako.

14 Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.

15 Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.

16 Ary Kaina dia niala teo anatrehan'i Jehovah ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i Edena.


HEBREO 12

24 sy amin'i Jesosy, Mpanalalana amin'ny fanekena vaovao, ary amin'ny ra famafazana, izay miteny tsara lavitra noho ny an'i Abela.

Io dia mitovy endrika amin'ny Gen 4:10
ny hevitra tiany am-pitaina amintsika.
34. niryna ( 02/11/2007 20:12)
ikaretsaka:

ny anareo koa termes 1 de iadiana eo!
na fety io na andro natokana
na firenena io na maty

dia marina ny an'i pissoa hoe satria hoe fetin'ny maty dia hitotorebika ny maty
na fetin'ny firenena dia hanao break dance be eo @ oseana Indianina i madagasikara

aleo aho aloha ho eo amin'ny tora-pasika andinika izany na marina izany na tsia fa tena lasa mivoana k'ty

35. ikaretsaka ( 02/11/2007 20:56)
ka enao ihany no mampivoana azy ko
36. niryna ( 02/11/2007 21:30)
ikaretsaka:

ka enao ihany no mampivoana azy ko



:D
37. cutie ( 02/11/2007 21:32)
fa aiza ndry nirina no misy pora-pasika any aminareo :lol:
38. cutie ( 02/11/2007 21:32)
tora pasika:)
39. niryna ( 02/11/2007 21:35)
cutie:

tora pasika:)


:D eny amoron-dranomasina aky cutie a,hisaina kely ny toro-hevitr'ika izay hafa be ilay izy a.:lol:
40. cutie ( 02/11/2007 21:39)
aiza zany misy ranomasina zany :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.008