Alarobia 21 andron'ny lavenona , fitombohan'ny karemy .

1. Fiffi ( 18/02/2007 22:07)
Hiditra @ karemy indray isika zao...@ Alarobia zao io ary andron'ny lavenona....

Ny Karemy koa dia mampahatsiahy ny kristianina fa i Kristy raha nandresy ny fahafatesana dia tsy nampiasa hery mahagaga fa nisedra izany toy ny olombelona rehetra. Fa ny fitsanganany ho velona no nanehoany ny fandreseny.


Tsy miova ny foto-kevitry ny karemy dia ny fiomanan’ny kristianina amin’ny fankalazana ny Paka izay fahatsiarovana ny fijalian’i Kristy, ny nahafatesany ary ny fitsanganany ho velona nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana. Fotoam-pibebahana mialoha ny Paka ny karemy. Tokony hametra-panontaniana ny tsirairay manoloana ny fomba fiainany andava­nandro mba tsy ho lasa fahazarana fotsiny ny karemy.

Tsy ny fifadian-kanina izany no atao vaindohan-draharaha fa ny fibebahana mba hiala amin’ny tsy mety atao amin’ny mpiara-belona, ny fiezahana ho masina sy hiaina ny fitiava-namana. Mba ho mendrika ilay fanavotana sy fifaliana nentin’i Kristy tamin’ny fandreseny ny faha­fatesana.
2. ravatorano ( 19/02/2007 06:48)
marina mihitsy zany fiffi ah
ny karemy dia toy ny ando fy fotoana hanaovan tsoa sy fizarana ny tsara rehetra amin ny hafa indrindra fa ny hatsaram panahy sy ny toetra mendrika !
ny karemy dia tsy hoe akory tsy mhinakanina na tsy mihina kena na koa mampijaly tena amin ny fifandi kanina fa araky ny efa voalaza etsy ambony io dia andro-pibebahana sy fihomanan amin'ny fiavian 'ny fitsanganan'ny Zanak'Olona !
3. prime ( 19/02/2007 08:38)
Mahereza aby ary ô...
4. mignone ( 19/02/2007 15:48)
fa ilay karemy ve tsy ny katolika no manao azy sa rehetra rehetra ?
5. Fiffi ( 19/02/2007 16:05)
aleo hoe zay tsy katolika no hamaly azy......
6. xxx ( 19/02/2007 17:59)
Ny fiangonana Katolika no manentana ny zanany hanatanteraka ny Karemy. Saingy tsy bedy, ary inoako fa ankasitrahan'Andriamanitra mihitsy, raha te hiaraka mibebaka amin'ny Katolika i mignone na Katolika na tsia :)
7. Fiffi ( 19/02/2007 18:18)
xxx:
Saingy tsy bedy, ary inoako fa ankasitrahan'Andriamanitra mihitsy, raha te hiaraka mibebaka amin'ny Katolika i mignone na Katolika na tsia :)
miombon-k'hevitra tanteraka @ xxx zah !


8. booboo ( 19/02/2007 18:20)
Tsy ny fg katolika ihany kah :wink:. ny fg protestanta ihany koa. Ary tena io nolazain'i Fiffi io ambony en itallic io koa no nazavaina anay t@ sekoly alahady sy ny tariny momba ny karemy. Donky.....
9. Fiffi ( 19/02/2007 18:24)
donky.....natao ho an'ny rehetra zany ! tsy misy ankanavaka ny karemy !
10. andry08 ( 19/02/2007 20:27)
donky...ndao hanao karemy!
11. cutie ( 19/02/2007 23:10)
misaotra an-jy alou ry fiffi nampatsiahy fa za de tsy nahalala mitsy raha tsy njy nilaza hihihihi.
:-*
12. MIMAZA ( 20/02/2007 05:00)
slt daholo vanim-potoana fibebahana tokoa ny karemy fa tsy fifadiankanina fotsiny ny ezaka ataonao amin'ny fialana aminy fahotana no tena zava-dehibe hiomanana alohan'ny paka koa de mahereza daholo ary mibebaka e
13. prime ( 20/02/2007 06:03)
Mahereza hatrany ô...
14. niryna ( 20/02/2007 08:49)
Samy ary mahatsiaro ny zavatra maro nomeny antsika,ary tsy ny fifaliana ihany no azontsika taminy fa ny fisian'ny fisedrana isan'andro dia anisany hery iray lehibe hanankinan-tsika azy tantereka^:^^:^
15. majesty ( 20/02/2007 10:01)
Raha fiainam-pibebahana sy fanaovan-tsoa sns ny karemy koa maninona no atao indray mandeha isan'taona,tsy tokony ho isan'andro ve zany dia karemy foana satria isan'andro no mila mibebaka :D sa amin'io ihany dia rehefa vita io dia samy manao izay tiany atao indray ntsika :D:D
16. Fiffi ( 20/02/2007 12:21)
raha hoe karemy isan'andro kosa angamba heu...ho vita ve zany ? saingy ny fibebahana kosa nahoana no tsy ho vita io ?
17. mimi ( 20/02/2007 12:44)
ny andro karemy izany dia fanamafisana ny fandinihantena sy ny fihavaozana marina tokoa tokony isan'andro ny karemy nefa @ maha olombelona ny tsirairay sady raha tena kristianina dia mahatsapa fa tsy mora ny miatrika izany . ka @ fotoanan'ny karemy hoatran'izao izay indray mandeha isantaona dia mila miezaka manantona akaiky hatrany @ Andriamanitra isika sy mila mahatsapa fa ilay zanany tokana dia nafoiny nohon'ny aminao sy amiko izany hoe ilay FARA FITIAVANY ka eo izany isika no mila mandinitena hoe aiza no fiatraikan'izany nandritra ny tombonandro rehetra mbola nomeny antsika ?
IZAY aloha ny fahatsapako azy manokana e.
18. prime ( 20/02/2007 15:21)
Mitombina ihany koa aloha ny fanamarihan'i majesty hoe ka tsy aleo isanandro no karemy raha izany?...

Hoy mantsy ny Tenin'Andriamanitra :

"Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo." Efesiana 4:26... izany hoe na ny ota isanandro eny fa na dia ny fahatezerana (izay tsy voatery ho ota) aza dia tsy tsara akory raha milona ka raha mbola mifoha rahampitso dia mbola ao ihany...
Izany hoe ny ota herintaona mihitsy ve no andrasana hiandrona dia io fotoana iray io no iverenana amin'Andriamanitra?
19. Fiffi ( 20/02/2007 16:25)
prime:
Mitombina ihany koa aloha ny fanamarihan'i majesty hoe ka tsy aleo isanandro no karemy raha izany?...
mihombon-k'hevitra @ io koa aloha zah an ! raha raisina ho "fibebahana" ny karemy....... ny karemy koh de:

Karemy : fotoana tokony hampitodika bebe kokoa hiainana ny fahamasinana, hananana fanetren-tena, hanaovana asa fiantrana, hampiharihary ny fitiavan’Andriamanitra ivelomany isan’andro.


20. Fiffi ( 20/02/2007 22:28)
http://www.kokoom.com/fjkmandraisoro/hira/hira400_421.html sao de misy mahasoa antsika @ zao andron'ny fibebahana sy karemy zao.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0081