Alarobia 21 andron'ny lavenona , fitombohan'ny karemy .
21. rush
(
21/02/2007 09:33)
misaotra Fiffi fa tena ao @ hilana azy mihintsy ireo hira natolotrao ireo.
Mazotoa daholo ary @ zao karemy zao.
Mazotoa daholo ary @ zao karemy zao.
23. majesty
(
21/02/2007 11:24)
Andeh ataoko sosokevitra any @ ingahy Benoit xvi any io hoe ataovy isan'andro ny karemy amin'ny maha fandinihan-tena azy sao mba ekeny!:D
24. Fiffi
(
21/02/2007 11:33)
Fiffi:aleo aloha hampiako fanazavana kely.....Maro ierehana ny lahika ary manerana ny sampan’asa isan-karazany. Mandritra ny karemy izy ireo dia miala amin’ny «Tsia» fa miditra amin’ny «Eny» nataony hatramin’ny nandraisany ny Batemy. Eny, amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra, toy ny nataon’i Jesoa Kristy. Karemy : fotoana tokony hampitodika bebe kokoa hiainana ny fahamasinana, hananana fanetren-tena, hanaovana asa fiantrana, hampiharihary ny fitiavan’Andriamanitra ivelomany isan’andro.
Karemy : fotoana tokony hampitodika bebe kokoa hiainana ny fahamasinana, hananana fanetren-tena, hanaovana asa fiantrana, hampiharihary ny fitiavan’Andriamanitra ivelomany isan’andro.
majesty: maninona moa ? hevitra tena tsara ny andry kah !
25. xxx
(
21/02/2007 19:02)
Azavao hoe ny atao hoe andron'ny lavenona?Aiza ao amin'ny baiboly ilay izy?
Angaha tsy fantatrareo fa olona no namorona io andro lavenona io?Isika mila Azy isan'andro ary tokony ahatsiaro azy isan'andro. Izany no antony andraisana satria ataovy ity ho fahatsiarovana ahy.Mitanisa ny fahasoavana maro izay nomeny ho antsika.Isan'andro izany no tokony ahatsiaro azy fa tsy indray mandeha ihany.

26. ikaretsaka
(
21/02/2007 19:21)
xxx:

xxx>misy fotoanany ny zava drehetra... raah tsy izany dia lahady foana ny andro isan'andro na fety foana na fandraisan-karama foana na alina foana na filalaovana fitia foana..
na fotoanan'ny manga eso foana na tsy haiko aby!
dia izao izany fotoanan'ny lavenona sy ny karemy..
jereo tsara misy basen'io dia nalaina tao amin'ny baiboly fa efa voadinika sy namboaria tamin'y fomba lalina be fa kosa tsy mbola miatona any amin'ilay hoe le hoe izay voalaza ao dia arahana arak'izay ao izay fa nandeha teny araka ny fandehan'ny fotoana sy ny fomba isan-karazany ilay izy!
(io dia ohatran'ny tsy voatery hanajana texto izay voalaza ao @ bokin'ny levitika ihany ohatra ... heo tsy maintsy ohatran'izao ny coupe-mbolo de tsy maintsy ohatran'izany)
dia io ohatran'i pasitera ihany, tsy andriamanitra sy ny baiboly no namorona an'i pasitera fa izay no inoanao dia izay!
fehiny:
ny fo sy ny finoana no mitondra an'io fa tsy izay fombafomba loatra ...
27. xxx
(
21/02/2007 19:30)
xxx :
1 - raha resaka hoe ao amin'ny Baiboly na tsia no tianao horesahina dia efa dinika lava be teto io, fa izao : tsy izay voalaza ao amin'ny Baiboly ihany no tokony atao fa izay rehetra mitarika azy ho amin'Andriamanitra. TSY MIDIKA NEFA IO HOE TSY VOARESAKA AO AMIN'NY BAIBOLY NY KAREMY. Vakio ny lazain'i Ikaretsaka.
2 - Ny fisian'ny Karemy dia tsy mandrara velively ny hanatonanao an'Andriamanitra amin'ny andro hafa ivelan'ny Karemy. Au contraire ... mandinika ny tenanao no ataonao ao ! Diniho ao ny fomba sy ny fotoana nanatonana an'Andriamanitra, ny fanarahana azy teo amin'ny fiainana. Hantentanana ny tsirairay hibebaka ny karemy noho ny andro sy ny fotoana rehetra tsy nanarahana an'Andriamanitra na tsy nibebahana Taminy ...
3 - Fa tena manatona an'Andriamanitra tokoa ve isika isan'andro ? Tena manaraka Azy tokoa ve isika amin'ny ataontsika isan'andro ? Rehefa misy manentana manokana mantsy amin'ny zavatra iray : fibebahana ohatra, dia maika ery isika hiteny hoe isan'andro no tokony atao izany ... Fa tena atao tokoa ve isan'andro ? Anjaran'ny tsirairay no mandinika sy miezaka.

28. Fiffi
(
21/02/2007 21:58)
xxx:fa nga kosa moa de hoe zao fahatongavan'ny andro lavenona zao de hoe zao hiany no ahatsiarovana azy ? "opportunité" indray io somary mavesa-danja nohon'ny isan'andro ka vao maika hararaotina hampitombohina ny fibebahana , ny finoana sns.......
Isan'andro izany no tokony ahatsiaro azy fa tsy indray mandeha ihany.
29. ikaretsaka
(
21/02/2007 22:25)
marina ny an'i fiffi
tsy maintsy misy andro mavesatra sy important kokoa nohon'ny 1..
raha tsy izany dia bontolo be fotsiny ny fiainana fa mitovy aby
tsy maintsy misy andro mavesatra sy important kokoa nohon'ny 1..
raha tsy izany dia bontolo be fotsiny ny fiainana fa mitovy aby
30. Fiffi
(
21/02/2007 22:34)
ikaretsaka: mitovy hevitra @ nao zah an ! de aleo tena hanararaotra bebe kokoa @ io opportunité io....tsy midika akory zany hoe....ny andro hafa hatao kely fa...zao vanim-potoana androany zao ambonin-javatra mihoatra lavitra ny isan'andro.....
33. Fiffi
(
22/02/2007 13:53)
heu...Jesoa aza tsy nifady sakafo nandritrin'ny 40 andro tsy nijaly izy koh !
Marina fa tsy misy hidiran'i Jesoa @ isika.....fa raha tsy nihinan-kanina omaly ve de mampijaly tena zany ? Mbola aiza aza zany ny herinandro masina ?
Marina fa tsy misy hidiran'i Jesoa @ isika.....fa raha tsy nihinan-kanina omaly ve de mampijaly tena zany ? Mbola aiza aza zany ny herinandro masina ?
35. Fiffi
(
22/02/2007 22:17)
cutie:heu....samy manana ny fombany ny tsirairay.....
nga tsy mihinan-kanian refa herinandro masina:roll::roll::roll:
-misy ny olona tena manao zay azony hatao mihintsy ny tsy hinanan-kanina mandritrin'ny karemy ...(mampijaly tena ozy ny sasany)
-misy indray ny alarobia lavenona hiany no mifady sakafo ....
-misy indray miandry ny herin'andro masina zay vao mifady sakafo....(tsy mihinana moh zany an)
-misy indray ny alarobia lavenona tsy misakafo de isakin'ny zoma de ny vola zay mety ho laniny @ sakafo de natokany ho an'ny karita sy ny mahantra....
-zay no hataoko hoe: samy manana ny fombany ny tsirairay....
36. fijo
(
22/02/2007 23:28)
eto izao dia efa olana hoanareo mpino anie e.
ny kato izao milaza ary manamafy fa ilaina io tsy fihinanan kanina io.
ny prote izao milaza fa forma io fa tsy misy dikany fa ny finoana ihany no mitondra azy.
ka milamina tsara klo nareo mpino,vao manaparitaka aty aminay ny disadisanareo.

37. majesty
(
23/02/2007 06:00)
fijo:izaho tsy ao anatin'ireo ka,satria ilay Andriamanitra inoako efa nampahafantatra ahy ny tokony atao sy ny tsy tokony atao ao anatin'ny soratra masina dia mbola ho ampiko @ fomba fanao noforonin'olombelona koa ve :D
sady ny tenin-drazana koa anie milaza hoe saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay hamarara e :D:D:D
Ny an'i Jesosy aza efa izy mihitsy no nifidy ny mpianany mbola misy mivadika aminy ihany koa.
sady ny tenin-drazana koa anie milaza hoe saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay hamarara e :D:D:D
Ny an'i Jesosy aza efa izy mihitsy no nifidy ny mpianany mbola misy mivadika aminy ihany koa.
38. Fiffi
(
23/02/2007 06:28)
ka hanomezan-tsiny azy ve ary raha manao an'zany izy raha toa ka zay no fantany fa tsara sy mety @ finoany ?
39. niryna
(
23/02/2007 06:49)
fijo:
dia mahereza ianareo mino,fa za aloha tsy hampijaly tena amin'izany.
Ianao kosa dia tsy maitsy maningana foana8O.Tsy misy manery anao kosa ny olona hoe manaova karemy 8-)
40. Fiffi
(
23/02/2007 07:11)
tsy maningana izy satria samy manana ny fanaony ny olona......tsy hoe raha tsy mitovy @ fanaon'ny olona sasany ve de hoe maningana ?