Araka ny Bouddhisme

1. rainisalama ( 02/06/2006 07:38)
-Araka ny bouddhisme dia tsy nisy ny fiandohana ary tsy misy fiafaran'izao tontolo izao,noho izany dia tsy misy Andriamanitra namorona.Andro lany fotsiny ny fitediavana hamaly an'io fanontaniana teo aloha io hoe "Misy ve sa tsy misy Andriamanitra".Sady fanontaniana afa nipetraka foana io hatramin'izay fa tsy nisy mihitsy nahitana valiny mahafa-po,ary tsy hisy valiny mahafa-po mihitsy.Ny zavatra tiako marihina fotsiny amintsika dia ny fifandraisan'ny kolontsaina bouddhista sy ny fahendren'ny razantsika.Samy manana ny antsoina hoe "vision holistique" izy ireo ,izany hoe fomba fijery communautaire ,malalaka ,mahafaokabe....Izany dia mifanohitra amin'ny fomba fijery na filozofia tandrefana izay "individualiste" (ohatra fotsiny hoe ny fianakaviana dia ny Ray sy Reny ary ny Zanaka fotsiny ihany=io no atao hoe famille nucléaire).

Ny fanontaniana mety ahazahoana valiny mahafa-po angaha dia ny hoe:"Moa ve misy marina ireo Andriamanitra inoan'ny olona fa Andriamanitra hatramin'izao ?".

Raha io no fanontaniana apetraka amin'ny dinidinika dia hitako fa mitombina kokoa nohon'ny efa napetraka teo alohaloha kely teo.Raha tsy izany dia manjary fandrebireben'ny mpino (mpino Andriamanitra efa voafaritra) an'ireo tsy mpino na ireo misalasala fotsiny ny petrakevitra mba tsy hidirana amin'ny adihevitra tena izy.
novalian'i Vaika ny 10/06/2006 16:17
2. diamondra27 ( 02/06/2006 08:13)
ié, marina mihitsy io voalazanao io
"Moa ve misy marina ireo Andriamanitra inoan'ny olona fa Andriamanitra hatramin'izao ?Raha io no fanontaniana apetraka amin'ny dinidinika dia hitako fa mitombina kokoa nohon'ny efa napetraka teo alohaloha kely teo.Raha tsy izany dia manjary fandrebireben'ny mpino (mpino Andriamanitra efa voafaritra) an'ireo tsy mpino na ireo misalasala fotsiny ny petrakevitra mba tsy hidirana amin'ny adihevitra tena izy.".
3. diamondra27 ( 02/06/2006 08:15)
boudista moa izany de mino an'i bouddah e!
4. caprio ( 02/06/2006 08:54)
rainisalama,betsaka ny mety hitovy hevitra @nao kanefa betsaka koa ireo mino fa misy Atra satria nahita porofo mivaingana teo @ fiainany izy, zany we tsy afaka miady hevitra betsaka ny @io isika ary tsarovy sy tadidio fa indray andro any dia hitady an,Atra enao io sy izao tontolo izao ary @izay fotoana izay dia enao hiany no hamaly io fanontanianao io
5. Fiffi ( 02/06/2006 09:51)
no comment
6. Vaika ( 02/06/2006 09:59)
rainisalama : somary tohizako kely ny voalazanao raha tsy mahadiso.
Ny finoana dia ara-panahy (âme !) : "l'intellect (ny saina) ne fait que poser des questions et n'apporte jamais de réponse".
Iza no namorona antsika ? = Andriamanitra !
Iza no namorona an'Andriamanitra....???
Tsy hisy farany ny fanontaniana ary tsy hisy valiny hahafa-po rahateo.
Raha nanondro ny volana ilay hendry, ilay adala nifantoka sy nijery ilay fanondro...
boudista moa izany de mino an'i bouddah e!
Bouddah dia nilaza fotsiny ihany fa misy ilay "fahamarinana" (la vérité !) ary izay ihany no ny lahatra sy anjarany teto an-tany.
Fa ity misy angano kely :
Indray andro, hono, ny olombelona dia nanana fahefana samy andriamanitra daholo. Nefa nivari-lavo sy samy nanao izay saim-pantany. Iray monja no nahatsiaro tena. Ary noho ny fahefany dia nesoriny ny maha-andriamanitra ny rehetra.
Nefa aiza hoy izy no hanafenako azy ? Satria raha hafeniko any an-danitra na haleviko lalina anaty tany dia any andro any volana any taona, dia ho hitan-dra-olombelona ihany satria manan-tsaina tsy hitsahatra ny hikaroka izy.
Ka tapaka ny hevitra fa afeniny ao anatin'ny tenan-dra-olombelona ihany fa ao indrindra no tsy ho karohiny.

Tamin'ny vaovao farany dia manao fikarohana eny amin'ny planeta mars i ra-olombelona ;-)
7. diamondra27 ( 02/06/2006 10:16)
:-w:-w

de aleo hikaroka foana raolombelona e!
fa vovoka isika ary mbola hody vovoka ihany.
Sa koa oe: tsy ny olombelona rehetra satria misy dorana???

De le Andriamanitra izany dia samy hafa e!
ny essentiel de samia mino ny Atra inoany avyFa ny bodista sy ny tropiny aloha de mitady ze mahafaly azy = bien être fa tsy mitsinjo ze ho avy any izy e!
de iza koa moa le mino ny incarnation? etc....

8. Fiffi ( 02/06/2006 10:33)
heu....http://www.bouddhisme.com/
9. Fiffi ( 02/06/2006 10:34)
http://www.bouddhisme.com/
10. Vaika ( 02/06/2006 10:50)
Andray kosa ankia ry diams !
dorana...bodista sy ny tropiny...incarnation...
Ny tiko lazaina fotsiny dia i Bouddah tsy andriamanitra ! Ary tsy ny saina (intellect !) hoy izy no mitondra ny finoana fa ny fanahy (âme !). Ny fanahy hono mantsy tsy mandeha lôjika ohatran'ny saina. Ka mety ho izay angamba no tian'i rainisalama ambara amin'ilay resaka hoe : tsy misy ny fiandohana sy ny fiafarana. Ilay dualité : début/fin, noir/blanc, naissance/mort... dia tsy misy intsony rehefa tonga amin'ilay fahamarinana fa lasa iray ihany ireo zavatra rehetra ireo : ny fiandohana sy ny fiafarana dia iray ihany, ny fahaterahana sy ny fahafatesana dia iray ihany...
Ary notsipihin'i Bouddah fa tsy ny saina no mitondra ny finoana dia hoy izy hoe : "ny fahamarinana (la vérité !) dia tsy azo ampitaina amin'ny vava(la parole !) na amin'ny soratra (l'écrit) fa efa ao amin'ny tsirairay".
avyFa ny bodista sy ny tropiny aloha de mitady ze mahafaly azy = bien être fa tsy mitsinjo ze ho avy any izy e!
Raha tsy hahadiso ry diams dia ny hamonjy ny olona rehetra (tsy an-kanavaka) no anjaran'i Bouddah, izay ny lahatra nianjady taminy. Fa ilay "cliché" bouddhiste = méditation dia làlana hafa indray iny.;-)
11. rainisalama ( 02/06/2006 11:01)
caprio:

rainisalama,betsaka ny mety hitovy hevitra @nao kanefa betsaka koa ireo mino fa misy Atra satria nahita porofo mivaingana teo @ fiainany izy,..
Ka io anie tompoko ilay lazaiko hoe Andriamanitra iza ê!Lazaiko marina aminao fa raha mino aho fa misy andriamanitra,ny anaporofoako ny fisiany dia tsotra be=satria ny fisian\'ny aiko fotsiny dia porofo voalohany,ny fanomezany masoandro ahy,ny fanomezany oxygène ahy mba hiainako,ny fanasiany trondro anaty rano mba ho jonoiko,ny famelàny ahy ahazo paps na dia mahery aza ny herisetran\'i S-arkozy,...Izany rehetra izany dia positif eo amin\'ny fiainako ary entiko manaporofo ny intervention nataon\'i Andriamanitro io,par conséquent ny fisiany...Ny resaka paps fotsiny izao dia tena fahagagana be mihitsy ho ahy ary tsy eritreretiko mihitsy ho vitan\'olombelona,ary tsy io ihany fa mbola betsaka ny toy izany...

Dia ampy ve izany hatao porofo fa misy Andriamanitra?Indridra indrindra ,ampy ve izany ahafahana manaporofo fa io Andriamanitro io no nanampy tosika ahy hanam-bintana tsara nohon\'ny hafa?

Dia ahoana kosa indray ny momba ireo olona manana andriamanin-kafa nohon\'ny ahy????Marihiko fa tena tafavoaka be mihitsy (ara-piainana) ireo olona mpanompo sampy fantatro (farasisan\'ny mpanompo sampy araka ny nentin-drazana).Dia ampy ve izany hitenenana sy hanamporofoana hoe ny sampin\'izy ireo no Andriamanitra?Ary hoe Andriamanitra dia misy????

Ataoko fa tsara kokoa ny mametraka fanontaniana manao hoe:\"Inona re no mety ho hitantsika raha afaka mahita ny zava-misy any amin\'ny 998 687 Milliards d\'Année Lumière isika e?\" ,Na koa hoe :\"Inona no zava-nisy tany amin\'ny taon-dasa miisa 998 687 Milliards d\'années?\".Na koa hoe \"Aiza no ambony,any ambony lohantsika sa any ambany tongontsika?\"; \"Iza no horizontal:ny tsipika Nord Sud sa ny tsipika Est Ouest?\".

Amiko manokana dia \"tsy misy ny fotoana\",\"tsy misy ny zava-baovao\",\"tsy misy ny fidifiana\",\"tsy misy ny fetra NA ARA-POTOANA na ARA-BELARANA\"

TSY HOE REHEFA TSY MAHITA VALINY MAHAFA-PO AMIN\'NY FANONTANIANAO AKORY IANAO DIA HAMPISY ANDRIAMANITRA MBA HANATSORANA NY RESAKA.IZANY INDRINDRA NO TSY AHAFAHAN\'NY MARO MANAPOROFO NY FISIANY,ARY KOA TSY AHAFAHANA MANAPOROFO NY TSY FISIANY=NOHO IZANY DIA ADY HEVITRA MANDANY ANDRO NY AMIN\'IO.

Ilay hoe:\"Ny Andriamanitra inoan\'ny olona amin\'izao fotoana ve mba misy?\" io no tsara apetraka hoa!
12. Rainikarabo ( 02/06/2006 11:17)
rainisalama:

Dia ahoana kosa indray ny momba ireo olona manana andriamanin-kafa nohon\'ny ahy????Marihiko fa tena tafavoaka be mihitsy (ara-piainana) ireo olona mpanompo sampy fantatro (farasisan\'ny mpanompo sampy araka ny nentin-drazana).Dia ampy ve izany hitenenana sy hanamporofoana hoe ny sampin\'izy ireo no Andriamanitra?Ary hoe Andriamanitra dia misy????



Fa inona ny sampy tompoin'ireo manaraka ny nentin-drazana?
Fanamarihana kely fotsiny ho anao: Ny mpakamamy ny finoana nentim-paharazana (manasina Mpanjaka sy Razana sy Zava-manan-kasina), dia mino ny fisian'Andriamanitra Mpahary izao tontolo izao sy loharanom-pahasoavana.Tsy mila porofo ny fisiany fa ny Asany dia efa ampy ahafantarana fa lehibe sy mahery Izy.Izy anefa tsy miahy izay tsy miahy ny tenany, araka ny fahendren'ny razana manao hoe "Zanahary tsy mitahy mandry".
13. prime ( 02/06/2006 12:55)
rainisalama> matahotra ny mpino angaha ianao...??? toa mandroso mihemotra mantsy ilay fitarihinao ny adihevitra... tsy tianao ny mpino ny andriamanitra efa voafaritra hanambara ny heviny nefa ianao ihany no manao tari-dresaka hoe ny andriamanitra inoan'ny olona amin'izao fotoana izao ve mba misy?
Ny tsy mpino indray ve no hiady hevitra momba ny finoana???, toa tsy hitako loatra ny tombony amin'izany... avelao ny mpino hilaza ny heviny dia miady ny hevitra...
Sa mahafinaritra ilay hitsaratsara finoan'olona eto nefa ianao aza tsy mivonona hiaino ny tena miaina azy akory???:?:
14. toovs ( 02/06/2006 13:10)
[quote=diamondra27]
:-w:-w

de aleo hikaroka foana raolombelona e!
fa vovoka isika ary mbola hody vovoka ihany.
Sa koa oe: tsy ny olombelona rehetra satria misy dorana???

De le Andriamanitra izany dia samy hafa e!
ny essentiel de samia mino ny Atra inoany avyFa ny bodista sy ny tropiny aloha de mitady ze mahafaly azy = bien être fa tsy mitsinjo ze ho avy any izy e!
de iza koa moa le mino ny incarnation? etc....


[/quote= de inona no mahatonga anao hitsara ny bodista toy izao. Mba gaga ihany ah na de tsy bodista aza. Efa nandalina ny filozofia bodista angaha enao ka mi se permettre haka conclusion gratuite hoatra an'io. sa mba sombiny kely amin'ny fahendrena bodista no voavakinao na henonao tany ho any de mitsara sahady enao. Tadidio fa na kristianina aza ange ka tsy ny baiboly iray manontolo no anaovany fanadihadiana sy dinihiny de mety hivoana ny fihetsiny sy ny fijeriny avy eo e]


15. prime ( 02/06/2006 13:16)
:°)
16. Herimiafina ( 02/06/2006 13:36)
rainisalama:

-Araka ny bouddhisme dia tsy nisy ny fiandohana ary tsy misy fiafaran'izao tontolo izao,noho izany dia tsy misy Andriamanitra namorona.Andro lany fotsiny ny fitediavana hamaly an'io fanontaniana teo aloha io hoe "Misy ve sa tsy misy Andriamanitra".Sady fanontaniana afa nipetraka foana io hatramin'izay fa tsy nisy mihitsy nahitana valiny mahafa-po,ary tsy hisy valiny mahafa-po mihitsy.Ny zavatra tiako marihina fotsiny amintsika dia ny fifandraisan'ny kolontsaina bouddhista sy ny fahendren'ny razantsika.Samy manana ny antsoina hoe "vision holistique" izy ireo ,izany hoe fomba fijery communautaire ,malalaka ,mahafaokabe....Izany dia mifanohitra amin'ny fomba fijery na filozofia tandrefana izay "individualiste" (ohatra fotsiny hoe ny fianakaviana dia ny Ray sy Reny ary ny Zanaka fotsiny ihany=io no atao hoe famille nucléaire).

Ny fanontaniana mety ahazahoana valiny mahafa-po angaha dia ny hoe:"Moa ve misy marina ireo Andriamanitra inoan'ny olona fa Andriamanitra hatramin'izao ?".

Raha io no fanontaniana apetraka amin'ny dinidinika dia hitako fa mitombina kokoa nohon'ny efa napetraka teo alohaloha kely teo.Raha tsy izany dia manjary fandrebireben'ny mpino (mpino Andriamanitra efa voafaritra) an'ireo tsy mpino na ireo misalasala fotsiny ny petrakevitra mba tsy hidirana amin'ny adihevitra tena izy.

Momba ilay Boudhista dia sur amin'izany ve ianao? Efa tao amntsy no niala ka sarotsarotra ny inoako io voalaza io!

17. prime ( 02/06/2006 13:55)
:°):-P
18. Achia ( 02/06/2006 13:59)
ho anle tsy mino an'ANDRIAMANITRA de ny devoly ndray aloha no hampahafantarina azy e
19. prime ( 02/06/2006 14:10)
:-D:-D:-D
20. Achia ( 02/06/2006 16:15)
Mba tsetsa2 tsy aritra ny ahy ity efa nisy ny resaka teto hoe Andriamanitra dia iray ihany ka eto @ ity dinika ity ngamba mety hazava @ sasany @ izay maha samihafa ny Andriamanitry ny tsirairay e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5375