Malahelo koa aho izany.

1. Herimiafina ( 14/03/2006 19:06)
Tena te hahita trano mitafo bozaka izaho, te handia tany mena, tanimbary. Ela aho izay tsy nahita sarety, ela aho izay tsy nahita olona tsy mikiraro miaina akaikin'ny tany, ny natiora.:snif::snif:
Ela izay tsy nihevoka fofona setroka kitay tao andakozia, mangirifiry maso fa tsy mahazaka setroka. Te hahita ambanivohitra aho izany klé. Indrisy mantsy fa tsy afaka mody. tsss:twisted::twisted:
novalian'i fanaina ny 04/05/2006 13:04
2. ftma ( 14/03/2006 19:14)
Herimiafina: samy malahelo izany ko, izaho mbola mahatsiaro ilay trano tany tafo-bozaka tany Alakamisin' Ambositra na dia ora roa aza vao tonga tany faly ery nipetraka t@ tsihy sy nijery ny fandrahoana sakafo @ kitay, ravimboamanga sy patsa ny loaka t@ izay hummmmm
3. pissoa ( 14/03/2006 19:29)
Ntsoooo, fa injay ity mahazo an-droky ry Herimiafina :-*:-*:-*:-*
4. Fiffi ( 14/03/2006 19:37)
Herimiafina: ndryyyyy , mahita izao lazainao izao aho dia te- :snif::snif::snif: koa nefa tsy hafa-manaotra koa ny aty eh! fa aherezo ny fo fa mbola ho avy ny fotoana ahitanao ireny indray. Mahereza dia hasio fivavahana .:-*:-*:*:-*
5. pika ( 15/03/2006 04:14)
herimiafina a minoa dia matokia fa misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra :-*
eh mba sary aloha jeri2 e dia ny saina no alefa any tandremo sao :snif::snif: mahereza e
6. Fiffi ( 15/03/2006 05:21)
Herimiafina: mihainoha hira gasy fa ataovy ireny mihetsiketsika ireny de mandihiza kely na irery aza ianao. :-*:-*
7. rurik ( 15/03/2006 06:52)
ny ahy indray ny fataoko dia ny miresaka @malagasy mitady sit gasy dia miresaka eeeeeeeeeeeee sady mihaino radio gasy dia mba mihamaivana ny alahelo nefa na dia izany aza dia mionona ,ny saina no amboarina fa lavitra sady tsy afa manoatra :snif::snif::snif:
8. Fiffi ( 15/03/2006 07:00)
mampitomany sy tonga daholo ny halahelon-tsika raha vao mahita an'io lazain'i Herimiafina io , mbola hita hiany ny fitiavantsika ny tanindrazantsika tsirairay avy. Fa mba toneho kely ny fo fa mbola ho avy ny andro hifaliantsika ary ahitantsika indray ny tanindrazantsika malalantsika ity. Ndryyyy izany " nihevoka fofona setroka kitay tao andakozia, mangirifiry maso fa tsy mahazaka setroka":snif::snif:
9. Mifenty ( 15/03/2006 07:17)
refa otran reny de manokatra varavaran-kely no atao de mihaino hira mampanembona iny. De miakatra eo am le varavaran-kely

fa tsy mi saute an.
10. Fiffi ( 15/03/2006 07:21)
tonga soa indray aloha ianao ry Mifenty ah! nalahelo koa angaha ? :(
11. dadabe ( 15/03/2006 07:58)
Herimiafina hadinonao le hoe malahelo ny Coco eny @ plage sy ny ....eny namahora Lycee saint pierre:wink:
12. Fiffi ( 15/03/2006 08:05)
ny ahy ny halelovako dia ireny fihotiana goavy sy bibasy ireny :-D ny fihinana lasary manga :miam: :(
13. Angie ( 15/03/2006 08:44)
ny ahy njay tena le masikita miaraka @saosy voandro ary ny crevette, manginy fotsiny ny sakafo sinoa mmh ataon'ny neninay daholo ireo an tena tsy andriko zay hahatongavany hikaliana zavatra hafa.

Za njay tsy tia mihaino hira gasy irery ao antrano famanjary mi-snif be eo hihihi "mahatsiaro ny taloha ..." tsy mamely e aleo aty ampiasana ihany na refa miaraka @ zoky hihiih
14. Fiffi ( 15/03/2006 09:10)
Angie: :miam::miam: mankasitraka sy mankatelina lalandava ny sakafo gasy eh! :)
15. zoara ( 15/03/2006 09:18)
he! any zay le masikita sy saosy voanjo,ny salade composé,ny takariva, ny tanora mamindra amoron'ny arabe "no stress",le miantsena sy le tabataba be ao antsena.....
16. mamzelkely ( 15/03/2006 09:40)
za malahelo anareo namako rht malahelo an dago saingy indrisy fa tsisy afaka ataoko sa ve handefasako billet nareo :°)
17. Angie ( 15/03/2006 09:46)
tena malahelo ny programme @ radio kou aloha za e ny Rdb surtout,
Ny tena tsy halelovako dia ny mahita ireo mi-snob eran'ny tanana. efa leo mahita ny aty aho ka ny any le olona simple fa mi-sourire foana @ fiainana ireny no tena tiako be.
18. rapala ( 15/03/2006 10:58)
handefaso billet ary ry mamzelkely a, tena tsara be izany dia mihaona any daholo isika , sa ahoana?:-*:*(l):roll:
19. pissoa ( 15/03/2006 11:04)
Ny ahy ry zareo le mangahazo ngôda beeee any Arivonimamo no mampanaelo anah aty ah, zah te hihinana mangahazo foana kle :( De le mitanina afo ao am-panefan'olona sady mitono mangahazo sy vomanga rehefa any ambanivohitra ireny :cry::cry:
20. Fiffi ( 15/03/2006 15:49)
ny ahy ny fikikisana vona manga :-D:-D iza no mahay hoe tena fotsy be vao avela ? :-D:-D dia ny mijery ireny lamba be dia be miahy eo ambonin'ny bozaka ireny :(:(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2126