"Fahampirafesana"

1. Vahinala ( 24/01/2006 21:45)
Tena lasa tsy matiko lolo mintsy zany ry zareo ty resaka hoe mampirafy ty a, inona marina no mahatonga ny olona 1 hampirafy, filàn'ny nofo ve sa ditra ve sa misy tsy mahafapo ve amin'ny fiarahana sa ny elanelantany ve ???? Tena fanina za an ! Tiako ho fantatra daholo izay afaka mitantara indrindra fa izay nahatsiaro hoe efa nandalo tamzany, dia hisaorana mialoha.
Vahinala aloha efa nampirafy e, fa amin'ny manaraka ny tohiny ( à suivre.... ):wink:
2. diamondra27 ( 24/01/2006 22:43)
ato @ sera² ve zao de misy mapirafy?
3. jennifer2 ( 24/01/2006 23:18)
4. fijo ( 25/01/2006 04:05)
ka tamindry nampirafy aloha inona no antony?
ary matahotra le izy ve ndry sa ahoana?raha matahotra,naninona nefa no nanao?
5. Fiffi ( 25/01/2006 05:51)
fijo: mba mametraka fanontanianay i Vahinala dia novalianao fanontaniana koa!! 8O
Tsy dia aiko loatra aloha hoe maninona tokoa ny olona no mampirafy 8O , misy aza tsy matahotra an'Andriamanitra izao efa manan-janaka , vao tsy ela ny fanambadiana dia manao izao . Asa raha hoe tsy afa-po @ vadiny ve no mahatonga izao ? 8O fa na izany aza tena tsy azoko koa aloha e!
6. ari.malala ( 25/01/2006 06:05)
:oops::oops:za t@ mbola ankizy no nanandrana indray mandeha d ts nanao intsony. Ny antony zany alo ts haiko e, fa toy izao no fandehan'ny tantara, nande nanao vacs tany Moramanga ah, taty Tana ef anisy ankizy niaraka t@ko, d tonga tany d nifanena t@ amour d'enfance sady premier amour ko tany ndray ah, d we manin mou ra miverina miaraka ko sady ts niady ts nifanditra fa nisaraka d nisaraka komsa fts.. d za ko mo ts sarotiny fa aventure e:oops: fa ny nahafay ana, d zao, ka vacances de noêl io fotoana io, d ts tafaraka izahay reveillon fa samy tany @ fianakaviana, ny 01 nifanena nifampiarahaba fts d samy lasa ndray fa samy miaramikaly @ fianakaviana, ny hariva samy reraka d samy natory tany antranony, za nefa ny 02 d efa lasa nody taty Tana. Ny alahady nanaraka an'io 02 janvier io d tonga niarahaba ana tratry ny taona tao antrano ilay miaraka @ko eto Tana, d tonga za d nangovitra b nahita anazy, nefa ts fanaoko mints zany an, d lasa izy avy eo vita ny resakay. Ny après midi tonga ko le avy any Moramanga hoe hiresaka @ko... naika tapaka lalandra ah t@zay andro zay, ary d fay ts namerina intsony mintsy mandrak'ity ny androany
7. xxx ( 25/01/2006 06:57)
Manintona an'anahy ty resaka ity. Ny hevitro aloha dia tsy ampy ilay fiarahana matoa mitady any ivelany ny vehivavy. Raha ny hevitro manokana dia tsy misy lehilahy hoe tena tsy mapirafy zany. Na ny olona miaraka amiko aza fantatro fa mampirafy fa amiko ny fanajana rehefa mbola manafina aminao izy sady tia anao. Hevitro io fa asa ny anareo.
8. majakely ( 25/01/2006 07:12)
Injainjay kou io vahinala tena otran'ny tsy hampoizinao zany a ,,,Otran' hoe tsy fanahiniana e,,(misy hilaza anah zao hoe :tsy marina izany!!)hihi, tongatonga ho azy titia ho azy zany,,,tinao le olona hafa nefa ianao efa manana ny tena tinao ,,,sarotra be ve le zavatra lazaiko??,Na de hoe tsy nitady ny hampirafy aza ianao de nampirafy ho azy...tsss...hihihi
9. kala ( 25/01/2006 07:57)
zà ndray tsy menatra an'izany fa ny antony samy manana ny azy.
Le mampirafy aloha 1 indrindra azo sorohina, sady azo volena ê! I kala efa nanandrana fa ny tohiny:evil: be

Ny olon niaraka tamiko nanana nampirafy anà de niady foana.Gidraka foana sady ny tsy laitrako de ny vavany we, izany aloha no revin'ny bandy fa raha mahavita enao mba ho hitako : akomboko ny vavako. Zà ndray tsy mampirafirafy foana zany fa araha manao zany aza zà ol mba misy singularité aminao, hoy i kala tsy rototra (vava fotsiny io t@'izany)
De hoatr'izany foana.....
Nandalo ny volana sy ny taona : nisy olon nanadala @'izay ary i kala. Nofotoriko ny momba azy : tsy mbola nanaiky aloha fa natahotra we de ahoana.
Tonga @'izay :evil::evil::evil::twisted::twisted::twisted: bedabe. Manin tokou moa raha andramana ê! (le ol amin'io efa nolazaiko fa zà aloha tsy libre fa manana anankiray. Tsy haiko fa de niaraka ê!.Zany we nanao doubla jeu i kala nandritry ny 3 semaines : lafatra be :lol::lol::lol::lol::lol: satria nampijaliana de nanapa-kofehy kely. Fa ny tena gravy â! mahina foana.I leiry t@'izany tsy naharaka n'in n'in. Izy koa efa afa-po any @ sisiny angamba:idea:
Fa ny saiko sy ny foko tsy mety de naleo nadaboka ê! Ditra le izy raha io cas io no jerena. Fa mety ho revy kou ka.

Nefa raha azo atao, aleo mifampiresaka ny tsy fahampiana eo @ lafiny fitiavana toy izay manao toy io.
Tsy masaka le mampirafy ê!
Hoan'izay mbola tsy nanao zany : stop aza manao.
Ze eo am-panaovana : ajanony any @'izay de courage:wink::wink::wink::wink:
10. Vahinala ( 25/01/2006 08:16)
fijo > Mbola ho tantaraiko ihany ny ahy fa tiako ho fantatra aloha ny hevitrareo mikasika ilay sujet d zay, tsy nilaza mintsy aho hoe matahotra fa te handalina fotsiny hoe inona marina aza no tena mahatonga le izy dia zay.

majakely > Tsy ampoizina ahoana njay aky za an !:-D:-D:-D

xxx > Tsy azoko ny tianao lazaina, fa anga moa ny vhv ihany no mampirafy ? Io tsy misy hoe iza na iza fa angamba ataoko fa ny mpanao an'izany dia samy ahitana lahy sy vavy avokoa.

kala > Marina mihitsy nendry.
11. Herytae ( 25/01/2006 08:34)
Efa hoe efa voa-janahary io!fa ny fotony dia ny fitiavana.Mila fifehezan-tena fotsiny. Fa na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy misy tsy ampy foana eo @ ilay tianao.
12. xxx ( 25/01/2006 09:11)
ny tiako lazaina teo hoe ny vehivavy matetika tsy mampirafy rehefa ampy azy tsara ny ao an-trano, fa ny lehilaly misy vehivavy iray tena tiany (vady be)fa tsy manakana azy tsy hiodina izany. Ny an'ny lehilahy manko hafa mihitsy ny tena fitiavna dia hafa ny revy fotsiny ka na miodina aza izy ny tena tiany tiany foana. Fa ny vehivavy matetika rehefa mampirafy dia lasa any koa ny fitiavana na mizara.
13. oliviakely ( 25/01/2006 09:34)
le mampirafy zany midika oe tsy mahay mifehy tena manoloana tranga-javatra ray eh ny lehilahy matetika no tena voa an izay
fa mbola tsy mahalala ny tena fitiavana matoa manao an zany eh
manao kilalao tsin ko
sady io ange mivaly aminao foana eh raha mampirafy enao de ho avy ny toronao am manaraka ndrindra mo fa tsy manao le ray
fa tsisy tsara oatran ny mifanaja iany ehh
14. majakely ( 25/01/2006 09:52)
Tsy ampoizina io aki vahinala aa,,,euh... ahona mou zany ee??' tongatonga ho azy le fitiavan'lah anle ol zany e,,,tonga tsy nantsoina ,tsy notadiavina de zay fa teraka ny fampirafesana ,,De refa avieo gaga hoe :inn ary ty nataoko? ,,,nefa le zavatra mamyyy be ery an ,,satri mangalatsa njy aniee..mmh be kou ,hihihiiiiiii....asa re aa`!vahinala annn!!!
15. kala ( 25/01/2006 10:09)
Amiko aloha tsy de we tsy ampoizina ê!
Sady ampoizina no azo sakanana tsy hipoitra.
xxx >:-* marina aloha ny anjy ê! ny lehilahy tsy maintsy lmihodina fa kosa tsy midika we anaovana tsin tsin ny vady be ny any @ sisiny.
Zà ndray tsy mamporisika we mampirafesa re ol. Raha kôfiboay kou ange no tsy hampirafy - na in na in hattsaran'ny vadiny eo - araho maso fa mety pelaka izy zay na impuissant de tsy te-ho kobo.:-D:-D:-D:-D
Zà zao aza mahalala fa pasitera amperinasa nefa tena manana metiresy any @ sisiny.(tsy sanatria mitsara olona.:!:
Zà aloha efa nahita ê! fa tsy te-hiherika an'izany ntsony sady efa nifona sy nibebaka mafy t@'i JK.
:wink:
16. renikely ( 25/01/2006 11:05)
:):( Na inona antony na inona , tsy tsara ny mampirafy , mifehy tena fotsiny io dia vita, fanehoana fitiavana ihany koa ny tsy fampirafesana, mety hanahirana kely ho an'ny efa nanao azy fa izany akory tsy midika hoe tsy ahavita , ny fanahy no maha olona de asehoy fa manampanahy ianao dia resinao io, ampahafirin'izay zavatra toherina anefa io!!!
17. Vahinala ( 25/01/2006 11:30)
Aleo amzay ary za hiteny ny ana an, za efa niaraka tam bandy pendant taona maromaro mintsy, io koa no premier amour ko, ary efa niara nipetraka zay tany Dago, in3 aho angamba raha kely indrindra no nampirafy azy, ny antony dia satria aloha voalohany indrindra eo amin'ny resaka firaisana tena tsy nety mihitsy ny anay, frigide be foana za niaraka taminy nefa mba efa nifampiresahanay foana ihany ilay izy fa ts nety mihitsy. Ny nahagaga ahy anefa niaraka tamin'olonkafa aho tsy nisy olana mintsy fa nety tsara.
Ny olana faharoa dia ny fomba fiainanay mintsy no tsy nety (io no tena mivaingana nefa aleo aloha ts lazaiko fa lasa manao boky mivelatra be za:wink:). Tonga ary ny fotoana izay nampirafesako azy farany zay, ary teo aho vao tena tonga saina satria tsy toy ny teo aloha fa tena raiki-pitia tamin'ilay olona aho. Nanontany tena amzay ary aho hoe ahoana no maha possible anizay sa ve hoe efa tena tsy mitovy amin'ny taloha intsony ny fifankatiavanay fa lasa fahazarana (routine) sisa ilay fiarahana satria na avy amiko na avy aminy dia efa tsapa fa toa samy tsy dia nisy nivaky loha tsony fa samy mody amin'ny lera zay tiany ohatra.
Tsy zakako intsony nony avy eo fa dia niresaka taminy aho ary nolazaiko azy daholo ny marina ary nazavaiko azy koa fa tsy te hampijaly azy aho sanatria fa raha toa ka tena tsy mety marina intsony dia aleo hajanona ilay izy. Tsy nanda mihitsy izy fa samy ni fampi comprendre be zay na dia atao aza hoe mbola misy ihany kosa ilay fitia fa tsy foana tanteraka akory.
D zay, hatramzao mbola ilay olona niaraka tamiko talohan'ny nisarahako taminy io no miaraka amiko, tsy milaza aho hoe io no anjarako marina fa miankina amin'ny mbola tsy fantatra izany; raha ampitahaina amin'ny ilay taloha fotsiny dia milamina kokoa ny aminay afats'izao fisarahantoerana izao nefa efa tsy ho ela koa dia ho vita ka dia ho hita eo fa za aloha hatramin'ny niarahako taminy tsy mbola nampirafy azy mihitsy.
Dia izay no mahatonga ahy lasa saina hoe, tsy mbola tena ilay fitiavana tena izy ve no nitiavako ilay taloha matoa aho nahavita izany taminy (marihiko aloha fa 14ans angamba za no nanomboka niaraka zay), ka ankehitriny aho fa mahatsapa ho tena tia ??? Asa re :-w:-w:-w
18. vivi ( 25/01/2006 11:34)
ny tena marina , aloha d tsy hampoizina fa tongatonga eny fotsiny, ianao aza gaga we , ary toa tomber za zany , nefa efa trop tard, raha io cas io d tianao ilay olona @zay fotoana zay , fa raha ilay fanahiniana d fahotana kosa satria tena efa vita programa e !, tsy aiko aloha e!, fa za tsy manome tsiny ny manao satria ao raha matoa manao ilay olona !
19. Fiffi ( 25/01/2006 15:01)
ny ahy kosa aloha dia izao: ianareo milaza hoe "tsy nampoizina fa tongatonga eny fotsiny" ? an3 io aloha amiko dia tsy izany e! anjaran'ny trirairay anie no mitandri-tena e! indrindra fa raha efa manambady , raha sendra ianao ka ho voan'ny fahakampanahy hoe tongatonga tampoka io dia tonga dia miheritreritra aloha hoe "izaho koa ve dia hanao an'izany" ? tonga dia any @ vady sy ny zanaka no alefa voalohany ny heritreritra satria samy mahafantatra isika fa fijaliana no vokan'izany fahampirafesana izany. Asa aloha an! fa mba io no hevitro
20. Vahinala ( 25/01/2006 15:16)
Fiffi > zay ndray aloha mieritreritra hoe raha efa manambady aho mety tsy hahavita zany tsony e, asa aloha fa mbola tsy ao anatiny ka tsy fantatra e ! Fa ny ahy hoe araroty ny fahatanorana ahitana hoe iza marina ilay tena izy mba tsy any amin'ny tokantrano vao hivaralila eo !

Ary diso koa angamba io nosoratako io fa fampirafesana no izy fa tsy fahampirafesana koa, asa anefa:-w:-w
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2317