fanontaniana nanitikitika

1. xxx ( 17/10/2005 07:52)
aona kay ny hevitrareo ny momba ilay olona miaraka dia ilay ramatoa oatra efa niteraka 3 nefa ilay bandy mbola tsia dia nifankatia (hivady)...

amiko rehefa mifankatia ilay olona dia izay , kanefa matetika eo aminy fiarahamonina (gasy) toa tsy ekena ilay izy fa hatao resabe ...
novalian'i lilbon ny 21/10/2005 12:21
2. akamatiana ( 17/10/2005 07:58)
na miteraka firy na firy re an , refa mifankatia d zay no zava-dehibe , na anao resabe aza ny manodidina , anareo nge zany , nareo no hivady fa tsy ny manodidina , asa klou e:-D
3. xxx ( 17/10/2005 08:01)
tsy milay kosa aloha izany e, aiza ve ka vao hanambady de tonga de haka ny efa misy zanany. Raha ohatra hoe efa samy nanambady avy taloha ka samy efa nisy na tsy nisy zaza de tsy olana loatra angamba. Sipa be dia be mihanàhana 'reo lesy de tsy mba misy tandrify anareo fa tonga de hizaka ny tsy heran'ny aina?
4. akamatiana ( 17/10/2005 08:04)
xxx aiza kousa e, refa zay le fitiavana kousa maninn??? zay kou zany ny anjara nge e!
5. xxx ( 17/10/2005 08:14)
tsia, izay resaka anjara izay mihitsy ilay mampidi-kizo...Mahazo misafidy izay tiany ho atao angeh ny olona tsirairay e! Safidinao io fa tsy anjara izany velively. Ianao ihany no voa raha nanao safidy adala!
6. akamatiana ( 17/10/2005 08:21)
d zay nge zany nge zany safidiny e!
7. xxx ( 17/10/2005 08:30)
xxx , dia raha avadika kely , ilay bandy indray no efa niteraka dia aona ?
aona mou hilazanao oe safidy adala zany ? zay le toetsaina gasy 1 !:lol:
8. nikopol ( 17/10/2005 08:30)
refa tsy te hanambady anilay ramatoa niteraka telo nohon'ny fiarahamonina dia ilay fiarahamonina vadiana ...
9. akamatiana ( 17/10/2005 08:39)
marina ne ny nikopol=D
10. xxx ( 17/10/2005 08:46)
mba fanontaniana nge ny ahy ry nikopol ee ? :lol:
11. akamatiana ( 17/10/2005 08:50)
xxx d z safidinareo fa aza miheno sy mirarà vavan'oul e!
12. xxx ( 17/10/2005 08:52)
akamatiana > tsy za nge ilay izy e ! fa mba fanontaniana satria zavatra hite eo aminy fiarahamonina malagasy!
13. fasaly ( 17/10/2005 09:03)
rehefa mifankatia sy mifanaky ny situation misy izy roa ka mivady de izay ny zava-dehibe fa raha fiara-monina lava io kou no jerena de tsisy zavatra ho vanona e! aleo zay hi kritik sy hitsivalana ho any ny ahy tsy ataoko manakana ny zavatra tiko hatao zay olona ivelany any, sady efa lany andro wa zany fisainana izany fa efa mivoatra be anie zao ny fiainana e! le bandy aza mahazàka kou !n ndray!...
14. akamatiana ( 17/10/2005 09:25)
xxx kay mou!!! ka neveriko fa enao nge e, hihiihih , ka ny fiaraha-monina nge misy an'zany fona e, fa anjaranao ny manao ze mahasoa sy mahamety anao :)
15. ari.malala ( 17/10/2005 09:53)
c ke j'aime! :) zay tiany ihany io na miteraka 100 aza le ol ka refa tiany tsy olana io. Ny fifankatianareo no zavadehibe.

Ho an'i xxx ila miteny hoe hizaka ny tsy eran'ny aina, refa tia an'le vhv d tia ny zanany, fa tsy azony ariana ireo, zay le we ny vady azo soloina fa ny zanaka tsy azo soloina. Refa tsy zaka ny zanany d tsy alaina ny reniny, tsotra be!!
16. pika ( 17/10/2005 10:08)
c ke j'aime
arakaraky ny hanenjehin'ny fiarahamonina azy ireo no toa vao maika ho mampifamatotra azy bebekokoa
sady hono hoa tsy aleo ve mijery olona toy izany nefa tena mifankatia toy izay olona samy tsy mbola niteraka ohatra nefa mifanalika sy tsy mifanaja fa gidragidra lava e
17. jajaf401 ( 17/10/2005 10:15)
De raha mbola miteraka ilay ramatoa de mba ametraho ny anao koa fa aza mivaky loha amizay efa naterany any, fa ny fitiavana no asandratra eh! :-D:-D:-D
18. ratole ( 17/10/2005 10:34)
Ka tsy aleo maka ilay vhv efa niteraka ary hita fa afaka miteraka toy izay maka olona mbola tsy niteraka kanefa tsy afaka hiteraka avy eo.
19. akamatiana ( 17/10/2005 10:44)
na efa niteraka na tsy afaka miteraka , tsy voasakan'innn n'innn kousa ny fitiavana e ny fitiavana
20. xxx ( 17/10/2005 11:03)
xxx:

xxx , dia raha avadika kely , ilay bandy indray no efa niteraka dia aona ?
aona mou hilazanao oe safidy adala zany ? zay le toetsaina gasy 1 !:lol:


tsotra fotsiny: ny lehilahy no natao hampaka-bady, tompon'ny teny farany indrindra aloha ny any @ntsika...raha tsy hoe bandy entina @ sangany angah, tsy mijoro @ maha izy azy. De haka ihany ve ry zalahy de efa mibaby no ho alaina a? angah de tsy misy hafa mihitsy? Ny vehivavy angeh kofehy manara-panjaitra e! (azafady fa fiteny gasy io an!!!!) ka raha efa manan-janaka ilay bandy ka ohatra hoe efa maty vady, sanatria na efa nisaraka, sanatria, de raha mba te hanana izany toka-trano izany rasipa ka reviny ilay bandy de tsy olana. OK???:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.31