teny argot ve sa teny gasy sa teny inona ???

1. dadabe ( 09/04/2005 03:40)
Mba lasa ihany r'zareo ny saiko mandinika ny fomba fiteny eo @fiarahamonina malagasy,misy ny teny frantsay nohagasina tsotra izao,misy ny teny anglisy nohagasiana,ao indray ireo teny gasy noforonina izay tsy ao anaty voambolana ary azo ampiasaina eo @samy namana,fa tsy azo ampiasaina raha eo anatrehan'olona tokony hajaina.
Izao ary mba mitadiava hoe ianao teny izay fantatrao ,ary ampiarao @fanazavana raha azo atao,dia 2 isaky ny namana ihany.Apetraho ilay teny tena izy dia asio "=" dia apetraho ilay fiteny vaovao.

Aleo izaho no hanao voalohany
1-madagasikara=dago
2-vola ariary=kodiny
.....tohizo ary e....
novalian'i dadabe ny 31/05/2005 18:28
2. dadabe ( 09/04/2005 05:32)
1-Antsirabe = bira (satria hono mangatsiaka any de rehefa mangatsiaka ny olona de manao hoe brrrr)
2-malaky (hurry up)=spida (fomba fitenin'ny namana)
3. hery ( 09/04/2005 07:34)
Raha ny vola

Ariary roa = keta
Ariefatra = Mavo
Ary folo = zaza
Roapolo = sariii
Telopolo = Sarii sy zaza ( :-) )
Ariary zato = Clou
Roanjato = Kala iray (Na lame)
Arivo = Gala
iray Alina = Maizina
...

Efa t@ zah tany dago io, le nivovo teny Anjanmanal.
4. dadabe ( 09/04/2005 09:20)
hery>hahahahahahah fa efa hoe 2 ihany hoa
mahita mihitsy anie nareo zany e
5. sonwin ( 09/04/2005 10:19)
kofa= tovolahy
entana= faritra iray eny amin'ny vehivavy
6. mishou ( 09/04/2005 11:10)
dadabe> nogasiana no fiteny fa tsy nohagasiana, inona moa ny olona amin'izany, misy teny français ohatra tsy misy dikany @ teny anglais fa ilay teny français mihitsy no ampiasaina ohatra hoe garage, toy izany koa ny marketing tsy misy dikany @ teny français fa mahay an'io daholo ry zareo français.

"kala iray sy clou" = telon-jato ariary na olona kotringa
"mitoraka bolao"(boulon nogasiana io an) = mandainga
7. hery ( 09/04/2005 11:42)
dadabe> :-) ary tena tsy hitako le hoe roa :-) fa azafady... io ilay hoe misy diso koa na dia tsy mivoaka ny vala aza :-)
8. kinaoly ( 09/04/2005 13:23)
misantila : mizesta
mitsilikiliky eo amny devant ny tsenako : manelingelina =))
sipa na bandy kodiny be : konjokonjo
sipa na bandy tôda be : te hoderaina =))
9. dadabe ( 09/04/2005 14:15)
hery>tsy misy tsiny e :D
mishou >misaotra t@fanamarihana sady =))=))=))= kala 1 sy klou vaovao ndray zany le

1-tratra ambodiomby=traingo
2-mangatsiaka=frizy
10. iartistika ( 09/04/2005 18:08)
ramtsa = ramanonaka
kefona =sakafo
11. Ralay ( 10/04/2005 01:46)
mikemba= mikonty mou zany (Compter)
jenjma= manja (Tsara tarehy)
12. saotra ( 10/04/2005 02:31)
wao , maro ny teny argot mbola tsy henoko eto ah!
jangil= mahajanga ( tsy fatako ny nahatonga azy anizany)
blem= olana
13. saotra ( 10/04/2005 02:36)
ramaka= nona
joba= sipa= vehivavy
14. maditra ( 10/04/2005 05:30)
efa ela zah tsy tany dago ary tsy dia mahay ireo teny ireo koa fa satria roa izy ity dia mahita zah!
sanjila= chance(tsy haiko amin'ny teny gasy=vintana tsara angamba).fampiasa be any avaratra Tamatave
mitira= tsara (fampiasa amin'ny kiraro(kitro), voiture(vame na daba), na vehivavy koa (zaza).
hihi, miala tsiny dadabe fa nandika lalana koa izahay! :-D
15. iartistika ( 10/04/2005 10:05)
bessa sy lôla = mofo dipaina sy akondro
maina =rongony,daina..
16. dadabe ( 10/04/2005 10:23)
iartistika>hihih zany ve lety tsy noforonin'ialahy? bessa sy lola....hihihi
1-miaritra ny mafy=mitrefle
2-taxi(fiara karetsaka)=pikla
17. Fanja1 ( 10/04/2005 10:33)
:roll: za tsymahita fa mianatra eto!
18. siso ( 10/04/2005 10:36)
ireto misy kely koa ryzalahy
mody gisa > mody fanina
tsy masaka > tsy tsra na tsy nadeha @ tokony ho izy
henjehiny ramaria> naona
nanapôka> nangalatra
nanabotra;namita> nanendaka(mpanedaka no miteny anio)

19. iartistika ( 10/04/2005 10:37)
polio = jereo
kobo = hita,tratra..
20. siso ( 10/04/2005 11:02)
andao hikisaka> andao andeha
pikla >taxy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4335