Ireo LOZA ao @ Apoakatsymisy

1. rhaj0 ( 03/09/2016 12:12)
Loza iray ao @ Apaokalipisia ao hono dia hoe, ny ranomasina sy ny ranomamy dia lasa rà..

hi hi hi.. dia hozy i Lahindroy hoe, nitaveravera ilay anjely faha-3 tany an-danitra, ary dia niraraka tety an-tany daholo ny rà tanaty loviany, ary dia ho diba-drà hono ny tany eeee..
Fa hoy aho hoe, i Latera, izay la mère (nourricière), no toa tonga fotoana tao @ imagination-n'ny taloha tao, ary dia hoe, ho lasa rà menamenabe hono ny rano eee...
Na koa hoe, i Betsiboka angambany no hitan'ny voamason'ireo t@ l'an 0, ary dia lazainy fa ho toa izany koa hono no hitranga @ izay rano mandeha rehetra eee..

Hadinoy any izany imagination nandra de l'an zero izany, fa ndao dinihina ny ranomasina, @ niveau de connaissance 2016 eee...

Raha ny fahatakarako azy, dia ny olana ny @ ranomasina dia hoe, ny CO2 vokarintsika lava io, dia mitsonika ao an-dranomasina. CO2 + H2O === H2CO3. Miha-lasa acide kokoa ny ranomasina. Fa ilay miha-"lasa acide" dia tena miandalana miadana dia miadana. Ka dia sahala @ izay miova acidité rehetra, toy ny tany, dia mi-réagir arak'izany koa izany ny zava-maniry sy biby ao anaty ranomasina.

Ny tenantsika izao dia hitrangan'io équilibre chimique io koa. Ny malazalaza indray izao, dia hoe, rahefa plus acide toa izany koa ny vatantsika, dia lasa sompitra ho an'ny homamiadana ohatra. Ka efa voatanisa any ireo sakafo izay mampalasa acide ny tsiranoky ny vatantsika (toa ny siramamy), ary ampirisihina isika ny ampihena ny fihinanana ireny (jereo https://www.google.ca/search?q=food+acidic+alkaline+chart&espv=2&biw=1242&bih=615&site=webhp&tbm=isch&tbo=u&source=univ&sa=X&ved=0ahUKEwixhavRlPPOAhWkD8AKHb_nC-0QsAQIGw). Ary ireo manao méditation (respiration profonde sns..) hono, dia lasa manana vatana moins acide, ary dia tsaratsara kokoa ny fahasalamany.

Ka inona no atao @ ranomasina noho ity CO2 ity. Io no hiadiana lava @ sehatra iraisam-pirenena. Fa misy boaikely izay nahita fikabe, hoe io CO2 anaty ranomasina io, no anaovany traitement (scientifique) izany, ary dia sady mamokatra angovo no mampihena CO2. Boaikely no nampiana ary naneho ny fetezan'io, à petite échelle. Averiko indray, SCIENTIFIQUE io fa tsy rediredy. Mila tadiaviko ny artikla @ io, fa tena mahavelom-panantenana iilay izy.

Ka hoy aho hoe, hianaro ilay boaikely, na fara-faharatsiny araho ny fivoatran'ny Siansa sy ny fahalalan-draolona eeee... Dia izany no andaniana ny ron-doha sy ny jiro, fa TSY izao imagination rediredy nandran'ny l'an zero sy izao Apaokatsymisy izao foana no ventesina sy ivavahana mba ho tanteraka eo. Izany ry RBNIR aaa....

répondu par rhaj0 le 30/09/2016 13:10
2. rhaj0 ( 03/09/2016 12:15)
Azafady fa mikorontana ny mise en page fa averiko indray...

Loza iray ao @ Apaokalipisia ao hono dia hoe, ny ranomasina sy ny ranomamy dia lasa rà..

hi hi hi.. dia hozy i Lahindroy hoe, nitaveravera ilay anjely faha-3 tany an-danitra, ary dia niraraka tety an-tany daholo ny rà tanaty loviany, ary dia ho diba-drà hono ny tany eeee..
Fa hoy aho hoe, i Latera, izay la mère (nourricière), no toa tonga fotoana tao @ imagination-n'ny taloha tao, ary dia hoe, ho lasa rà menamenabe hono ny rano eee...
Na koa hoe, i Betsiboka angambany no hitan'ny voamason'ireo t@ l'an 0, ary dia lazainy fa ho toa izany koa hono no hitranga @ izay rano mandeha rehetra eee..

Hadinoy any izany imagination nandra de l'an zero izany, fa ndao dinihina ny ranomasina, @ niveau de connaissance 2016 eee...

Raha ny fahatakarako azy, dia ny olana ny @ ranomasina dia hoe, ny CO2 vokarintsika lava io, dia mitsonika ao an-dranomasina. CO2 + H2O === H2CO3. Miha-lasa acide kokoa ny ranomasina. Fa ilay miha-"lasa acide" dia tena miandalana miadana dia miadana. Ka dia sahala @ izay miova acidité rehetra, toy ny tany, dia mi-réagir arak'izany koa izany ny zava-maniry sy biby ao anaty ranomasina.

Ny tenantsika izao dia hitrangan'io équilibre chimique io koa. Ny malazalaza indray izao, dia hoe, rahefa plus acide toa izany koa ny vatantsika, dia lasa sompitra ho an'ny homamiadana ohatra. Ka efa voatanisa any ireo sakafo izay mampalasa acide ny tsiranoky ny vatantsika (toa ny siramamy), ary ampirisihina isika ny ampihena ny fihinanana ireny (jereo eto). Ary ireo manao méditation (respiration profonde sns..) hono, dia lasa manana vatana moins acide, ary dia tsaratsara kokoa ny fahasalamany.

Ka inona no atao @ ranomasina noho ity CO2 ity. Io no hiadiana lava @ sehatra iraisam-pirenena. Fa misy boaikely izay nahita fikabe, hoe io CO2 anaty ranomasina io, no anaovany traitement (scientifique) izany, ary dia sady mamokatra angovo no mampihena CO2. Boaikely no nampiana ary naneho ny fetezan'io, à petite échelle. Averiko indray, SCIENTIFIQUE io fa tsy rediredy. Mila tadiaviko ny artikla @ io, fa tena mahavelom-panantenana iilay izy.

Ka hoy aho hoe, hianaro ilay boaikely, na fara-faharatsiny araho ny fivoatran'ny Siansa sy ny fahalalan-draolona eeee... Dia izany no andaniana ny ron-doha sy ny jiro, fa TSY izao imagination rediredy nandran'ny l'an zero sy izao Apaokatsymisy izao foana no ventesina sy ivavahana mba ho tanteraka eo. Izany ry RBNIR aaa....
3. RBNIR ( 04/09/2016 13:04)
Ny fahalalan'olombelona dia voafetra amin'ny hitany sy tsapany ankehitriny.....

Efa nanome porofo Andriamanitra fa hainy ny manova ny rano ho rà.....« Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin'ny ranon'i Egypta ny tananao, dia ambonin'ny sampan-dranony sy ambonin'ny lahin-dranony, sy ambonin'ny heniheniny, ary ambonin'ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran'ny tany Egypta rehetra, na amin'ny fitoeran-drano hazo na amin'ny fitoeran-drano vato. » (Eksodosy 7:19)
« Ary nataon'i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian'i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason'i Farao sy teo imason'ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily; » (Eksodosy 7:20)
« koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra. » (Eksodosy 7:21)
4. lahindroy ( 04/09/2016 16:38)

[quote=RBNIR]

Efa nanome porofo Andriamanitra fa hainy ny manova ny rano ho rà.....« Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin'ny ranon'i Egypta ny tananao, dia ambonin'ny sampan-dranony sy ambonin'ny lahin-dranony, sy ambonin'ny heniheniny, ary ambonin'ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran'ny tany Egypta rehetra, na amin'ny fitoeran-drano hazo na amin'ny fitoeran-drano vato. » (Eksodosy 7:19)

asa aloha hoe ry RBNIR , inona no ataonao hoe porofo ; ny azoko lazaina dia mety ho "porofo" tokoa izany ho an'ireo olona mino fa tena marina sy nisy tokoa izay voalaza ao anaty ny baiboly , izany hoe ireo izay mifototra amin'ny baiboly ny finoany !(jiosy , kristiana , silamo )

ho an'ny hafa kosa dia :
-boki-pinoana nosoratan'olombelona io (tahakan'ny boki-pinoana rehetra misy eto an-tany)

misy am-pahany ara-tantara ao anatin'izy ireny , izay tena nitranga tokoa ; amin'ny alalan'ny fampitahana ny voalaza ao amin'ireo tolotra hafa :"annales assyriennes, egyptiennes , babyloniennes..." , hitan'ireo mpanao fikarohana ( soratra hita eo amin'ny vohon'ny taotavy tanimanga aman'etsiny mbola voatahiry hatramin'izao -Musée du Louvres , British Museum ,na koa any amin'ireo musée maro any USA -PHILADELPHIE, HARVARD ...ary efa fantatra ny taona nanoratana azy amin'izao fotoana izao )
ny fahalalana aterak'ireny fikarohana ireny dia fahalalana azon'ny tsirairay (=ireo manam-pahaizana afaka mamaky ny teny samihafa nananoratana azy ireny , manana ny fitaovana ahafantarana ny daty nanoratana ) azy hamarinina na inona na inona finoany eny na tsy mpino aza ilay olona ( fahalalana izay mitovy saranga epistemolojika amin'ny fahalalana siantifika hafa rehetra !)

ny karazana porofo hafa koa azo ekena ka manamafy fa tena nisy tokoa ilay tranga dia ny ...fanaovana fanandramana mivantana , arahin'ny toera-pikarohana rehetra eto an-tany : ahinjitra ny tanan'izay olona fa heverinareo fa tena irakin'ny Andriamnitra inoanareo (Heriniaina ohatra na koa ry Fabiola -izay milaza koa fa sady nahita maso an'iYeshua no nirahiny aty Madagasikara hanao "mission" ) dia ho hita eo raha hisy ho lasa rà tokoa na tsia

Ny fahalalan'olombelona dia voafetra amin'ny hitany sy tsapany ankehitriny.....

Voafetran'ny fampiasana ny retsipamantarana (hita, tsapa , ...)tokoa ve ny fahalalan-draolombelona ?
Sao dia ireo nanoratra ny baiboly kosa aza no voafetran'izany ny fahalalany ?
ohatra tsotra :
toa tsy fantany fa ny tany no mihodina manodidina ny masoandro ;aman'arivo taona taty aoriana izany vao fantatry ny fahalalan-dRaolombelona ary nohenjehin'ny kristiana tahakanareo , ireo izay sahy nilaza an'izany satria ny "masoandro no nibaikon'i Josoa iantona eny an-danitra" (Copernic , Galilée )
afatsy ireo zava-manan'aina izay tsy voaresaka tamin'ny andron'i Noa sy ny sambony (izay mbola kopi-kolé nalaiana tamin'ny sivilizasiona mesopotamiana)
tsy niresaka momban'ny bactérie , na ny virus ry zareo na koa ny dinosaures sy ireo biby goavana rehetra nisy tany aloha tany (izay nisy efa hatram'ny 200 000 000 taona lasa izay -ny "fahalalana" -izay tsy misy fetra tokoa ny fahajambany sy ny fahavendranany -atolotry ny kristiana iringiriny dia vao 6 000 taona izay ny tany sy ny olombelona no nisy ! koa tsy mahagaga raha tsy nahafantatar ireo voalazako ireo ny mpanoratra ny baiboly satria izay ...HITANY SY TSAPANY ihany no noresahiny

eny voafetra angamba ny fahalalan'olombeloana ankehitriny ry RBNIR fa saingy io fahalalana voafetra io no afahanao manoratra eto na koa iantsoanao ny olona akaiky anao na aiz na aiza no misy anao fa ilay fahalalana "tsy misy kilema" kosa dia hatramin'izao aloha dia AOTRA ilay fahamarinan'ny hoe tena nisy tokoa ny "rà nameno ny farihy , na ny ranomasina na koa ny masoandro nihantona eny an-danitra ..."

5. RBNIR ( 04/09/2016 17:00)
lahindroy:

ho an'ny hafa kosa dia :
-boki-pinoana nosoratan'olombelona io (tahakan'ny boki-pinoana rehetra misy eto an-tany)

Raha tsy nisy ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty dia azo ekena ihany izany saingy marobe ny vavolombelona tamin'ny fitsanganan'i Jesosy (jao.20:15-21)

Ireo nanohitra Azy, « ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. » (1 Kor.15:14) Ny apostoly paoly ilay nanenjika azy fahiny no niteny an'io

Ary koa ankehitriny ireo mino ny tantarany.......

Manoloana ireny olona nijoro vavolombelona ireny dia lasa heloka ny tsy finoana ary fanamelohana no anjara ho azireo.....« mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina. » (2 Tes.2:12)

Koa asakasak'izay tsy hino, fa efa betsaka ihany izay fijoroana vavolombelona teto izay....
6. rhaj0 ( 06/09/2016 10:47)
RBNIR:
Efa nanome porofo Andriamanitra fa hainy ny manova ny rano ho rà.....« Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao... » (Eksodosy 7:21)

Ary ny Baiboly no manamarina ny fisian'Atra. Ary ny Baiboly no manamarina ny Baiboly.

efa caricaturiser-na ry RBNIR dia ivanitihan'ny Amkizy ity lojikany, fa eeeeeee.... dia mbola totofan'i RBNIR toko aman'andininy foana ihany ny resakany.

Dia tena tsy takatrao mihintsy ve ry RBNIR fa mihodikodina lava ao anaty baiboly ao fotsiny ny lojikanao?

Raha atao kisarisary indray, dia sahala @ ireny alika izay tsy mety afaka hidihidy ny fototry ny rambony ireny, ary dia tsy amelany fa kaikikaikeriny ao foana; na alainy havia, na alainy havanana, fa mbola mangidihidy foana eee... TSY takany mihintsy hoe, afaka mampiasa "fitaovana" anie analana hidihidy, rahefa tsy takatry ny vava ny fototry ny rambo, fa tsy ny fihodikodinana bontolo ao io no ahafaka izany.

Dia avy indray izao i RBNIR dia ho tezitra fa hoe ampitahaina @ alika.. parabaolina re io eee...
7. RBNIR ( 06/09/2016 10:58)
Izay v vao nahita havaly ry rhajo a! diso , tsy ny baiboly intsony no manamarina ny baiboly ankehitriny fa efa misy olona mijoro vavolombelona fa velona marina tokoa i JESOSY ary marina daholo ireny teny fikasana nolazainy ireny satria tanteraka amin'ny olona maro ilay izy ankehitriny....

Ianao no tsy mino : mampalahelo, hahafaka anao amin'ny fitsarana v anefa izany????
8. rhaj0 ( 06/09/2016 11:36)
[size=8](conzE ny aty t@ alatsinainy ry RBNIR aaa..)[/size]
Tena siora ianao fa "marina" ireo tsabo 7 be dia be ao @ Apoakatsymisy ao? Ilazao Loza iray hafa indray hoe ee...
10. rhaj0 ( 06/09/2016 12:26)
Tsy mahasahy miteny an-kahitsiana ny Loza tanisain'ny Apoakatsymisy mihintsy ho'a i RBNIR, fa asa angaha, mahamenatra ve ny "minomino" foana an'izao atsanga tsy aman'oran'Apoakatsymisy ao izao.

Fa tsy maninona fa inty misy iray notsindrohiko azany eee...

Loza iray hafa koa @ ireo 7 ireo: ho may ny 1/3-ny ala sy tany lavavolo.

Dia tena mino "ara-baki-teny" an'izany ve i RBNIR ao io? Hoe misy combinaison-na chiffres, 7 ny loza ary 1/3 no rava?? Ary izay no "faminaniana lehibe" ???

Ny ala sy tany lava volo may izao, dia ... ny aty zamerika hono, dia nanao an'io foana ny amerindiana izay elabe izay, fa controlé ny fandoroana ala. Rahefa may ny ala, dia ireo hazo madinika (sy marefo) dia maty, ary dia mitombo aizana be ireo hazo tsara, ary dia izay no nahatonga ireo hazo vaventy sy ranjanana aty io.

Fa raha any amintsika, raha dorana ny ala, dia... hafa indray ny karazany (espèces), ary hafa koa ny toetr'andro. Ny aty zamerika nefa izao dia be orana ihany, ary rahefa afaka ny lanezy, dia tena vonton-drano ny tany, tena mety vonto-drano ambara-paha-ririnina manaraka akoriny aza. Ny any amintsika anefa mora maina ihany. Dia toa ny any amintsika koa ny ao Moyen-Orient ao. Ka izay no takatry ny hoza-dohan'ny nanoratra ny Apoakatsymisy, dia izay no lazainy fa "faminaniana lehibe".

Dia nitelina dia miboloky lava eo tokoany ry RBNIR, satria dia tsy fantany ny tantara sy jeogirafia manerana ny tany. Ary dia izay "faminaniana" miorina amina combinaison-na chiffres 7 sy 3 izay, dia izay foana no ivavahany mba ho tanteraka ao.

Sa moa efa niala t@ io @ izay ianao ry RBNIR, ka izany no tsy asahianao mitanisa ireo Loza eto, fa mahamenatra ity "finonoam-poana" ity??
11. RBNIR ( 06/09/2016 12:35)
rhaj0:

Loza iray hafa koa @ ireo 7 ireo: ho may ny 1/3-ny ala sy tany lavavolo.

Tsy misy an'izany ao anatin'ilay loza fito fa masoandro no voalaza fa handoro ao dia ny olona no hodorany fa tsy ny ala akory.....
12. rhaj0 ( 06/09/2016 12:45)
RBNIR:
dia ny olona no hodorany fa tsy ny ala akory.

hi hi hi... danz-be izany drone an-dry Angèle izany... Sady @ izay, ny olona-mpanota ihany izao no voany, fa ry RBNIR @ io, na mandalo orana azany dia maina an...

Fa inona koa k'lou ny ao @ Apoks 8:7 sy ny trompetra voalohany ry RBNIR ?? Aza tsindrotsindrohana toa io ho'a ilay Baiboly...
13. RBNIR ( 06/09/2016 13:37)
Tandremo fa tsy hainao ny mampifandray ny loza fito sy ny trompetra fito....

Marina fa ny loza fahafito farany dia mifanindra an-dalana amin'ny trompetra fahafito farany, satria samy ahitana ireto zavatra 5 ireto....(helatra, feo, kotrokorana, horohorontany ary havandra vaventy)

Loza fahafito :
« Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. » (Apokalypsy 16:18)
« Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an'Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin'ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany. » (Apokalypsy 16:21)

Trompetra fahafito:
« Ary novohana ny tempolin'Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran'ny fanekeny teo anatin'ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy. » (Apokalypsy 11:19)

Saingy ny ankoatran'izay dia tsy mila dinihina tsara vao azo ampifandraisina....
14. rhaj0 ( 06/09/2016 15:44)
RBNIR:
Loza fahafito :
« Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian'olona tety ambonin'ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany. » (Apokalypsy 16:18)
« Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy...

Hono ho'a ry RBNIR, misy ifandraisany ve ny "horohoron-tany" sy ny "kotrokorana" ??

Efa hainao tsara enefa @ io fa ny "horohoron-tany" dia ny plate tectonic "any ambany any" no mikisaka; ary ny "kotrokorana" dia ny rahona mampiborotsaka orana sy misy electrostatique kely "ao ambaony ao"

hi hi hi.. dia tsy kopy ve ianao ry RBNIR, fa ilay olombe-nao de l'an zero dia TSY mahatakatra an'izany, ka dia nafangaroarony tao daholo izao phenomene mahavalaka rehetra izao, ampitahorina ny zazabelelo ? :-)
15. rhaj0 ( 06/09/2016 17:03)
rhaj0:
« Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin'ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy...

F'angaha tsy mahatapaka mihintsy ity reviredin'ingahy nanoratra ny Apoks ity eee... Fa ny mahavariana dia "minobe" ery ry RBNIR. Inty fanontaniana, ahitana raha mba miasa ihany ny coco-ndRBNIR, sa dia miboloky lava ao foana fotsiny ity izy :-)

Mba hainao ve ry RBNIR inona ity "lanjan-talenta" ??

Dia ity quiz ho anao koa:
- inona ny sahala @ soabakaka, araka ny resak'i Mose l'Apoks?
- dia iza no rahefa mirehitra ny hatezerana, dia mampahazo ny kapoaky ny divay an'izay mampatezitra azy?..
16. RBNIR ( 07/09/2016 10:22)
rhajo, rehefa nanao fikarohana aho dia ny avandra dia miforona aho anaty intempérie ary dia tena misy kotroka sy tselatra marina tokoa miaraka aminy,
Talenta 1 = 34-42 kgs, tsy hahagaga izany,

Efa natsidiko tato ny antony, herin'ilay trou noir io hoy aho aminao, io trou noir io hiterka fahasimbana amin'ny champs magnetique terrestre dia hanjary hisy intempéries BE mbola tsy nisy otran'izany ary ny horohorontany vokatry ny "attraction" hataon'ilay trou noir.....

Efa natao ho takatry ny saina io fa ianao moa tsy mety mino ka akory atao e!!!
17. rhaj0 ( 07/09/2016 10:46)

Ndrekaiky ooo... Dia hita mihintsy fa ny fomba fisainan'ny mpino no asehon'i RBNIR eee... tsompotsomponina ny atsy sy ny aroa, atambatambatra peta-toko ao, dia izay no itompoana teny ary atao fiki-maty ao, sy ivavahana mba ho tanteraka.

Mba misy kristiana tsara sitrapo ve eto, mba hamerina @ RBNIR à la raison oooo??... sa ve surmené ho'a izy ao io dia lasa miteniteny foana toa io... aiza nama koa asisisisika ao anaty rezonema be io h@ avandra ka h@ trou noir. Aoka re....
18. RBNIR ( 07/09/2016 10:52)

Ny problemanao ange dia ity e, théorien'olombelona amin'izao fotoana izao no hitokianao 100%,
Tsy lavina misy marina ireny fa tsy ampy ny fahatakaran'ny olombelona rhajo a! isika dia mbola intellligence kely ihany no hananantsika fa tsy mbola mahafehy ny univers isika....

Ny olana aminao dia hoe theoriquement ny masoandro tsy hivadika ho trou noir mihitsy....Kanefa mbola mijanona ho théorie izany aloha hatreto......Ho gaga ianao rehefa tonga ilay izy saingy.....HAHAVONJY ANAO V IZANY E????
19. rhaj0 ( 07/09/2016 12:25)
Hono ho'a ry RBNIR, ilay "lanjan-talenta" izany, hoz'ianao, dia any @ 34-42kg.
- Mba takatakatrao ve hoe, toatoa ny ahoana ny haben'ny avandra milanja toa izany?
- Ataovy indray ilay ianao "manao fikarohana" fa ho hitanao fa eo @ 30cm x 30cm x 40cm. Barika kely anie izany eee....
- Dia "ataovy indray ny fikarohana" hoe, toatoa ny ahoana ny formation-n'ireny avandra ireny "ao ambony ao".. Dia ahita indray ianao fa miainga @ enton-drano izay miha-mivaingana dia miha-lehibe.
- Dia afaka "manao fikarohana" indray ianao hoe, rahefa toatoa ny ahoana ilay vaingan-drano "ao ambony ao" io no mianjera dia lasa avandra io.
- Dia ho hitanao fa midega mihitnsy izao olombe nanoratra ny Apoks izao, ka "maminany" hoe, toa ny barikakely ilay vaingan-drano vao midoboka.
- Ary ho tsapanao fa izay "mino" an'izany, toa ianao RBNIR, izay "mino" an'izany kay no tena mitapisaona minomino foana fa tsy ilay olombe midega maminaninany foana ee...

Dia rahefa "manao fikarohana" ao ihany i RBNIR, dia eritrereto tsara indray izany fa, raha hoz'i belazao hoe, hilatsaka ity avandra, dia tena hatrany Aostralia ka hatrany Groenland sy desert de Sahara ve izany dia tena ho rarahan'ny avandra, sa... ny tiany tenenina dia ao @ "vohitrakelinao" ao ihany ry RBNIR no asiany, satria ao no be nandrasaonina minomino foana an'izany resaka izany...

20. RBNIR ( 07/09/2016 12:38)
Amin'izao fotoana hiainantsika izao dia efa misy "grelona mahatratra hatramin'ny 17.8 cm de diamètre,
http://la.climatologie.free.fr/record.htm
Tsy tokony hahagaga raha amin'izany fotoana izany hisy hilanja talenta 1 satria hisy intempérie faran'izay ratsy tsy misy otran'izany hatramn'izay nahatany ny tany.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.107