Ireo LOZA ao @ Apoakatsymisy

41. rhaj0 ( 13/09/2016 17:49)
RBNIR:
inona moa no tokony haha Andriamanitra Azy fa tsy mitovy Aminy daholo v izany isika

Tena TSY mitovy Aminy ny olona 2016 kah... ohatra hoe:
- Izao ny RaR mahatakatra izany "unconditional love" izany ... reciproquement avy @ zanany koa
- izao na ny Ankizy eny @ EPP azany mahatakatra fa tsisy an'izany kintana miraradraraka tahaka ny voatsinefy izany
- be dia be ny resaka efa nandeha efa takatry ny Ankizy 2016 eee... na ny sambofiara-oainin'ny goaika Noah, na ny vady voalohan'i Adama dia i Lillith...
42. RBNIR ( 28/09/2016 06:40)

rhaj0:

RBNIR:
inona moa no tokony haha Andriamanitra Azy fa tsy mitovy Aminy daholo v izany isika

Tena TSY mitovy Aminy ny olona 2016 kah... ohatra hoe:
- Izao ny RaR mahatakatra izany "unconditional love" izany ... reciproquement avy @ zanany koa
- izao na ny Ankizy eny @ EPP azany mahatakatra fa tsisy an'izany kintana miraradraraka tahaka ny voatsinefy izany
- be dia be ny resaka efa nandeha efa takatry ny Ankizy 2016 eee... na ny sambofiara-oainin'ny goaika Noah, na ny vady voalohan'i Adama dia i Lillith...


Aza miatsaravelatsihy rhajo a! resabe fotsiny izany unconditional love izany,
Ny zavatra misy amin'izao fotoana izao dia mpianakavy aza mifanaritaka....
43. rhaj0 ( 28/09/2016 12:32)
RBNIR:
Ny zavatra misy amin'izao fotoana izao dia mpianakavy aza mifanaritaka....

Tantarao hoe ry RBNIR ny "mpianakavy mifanaritaka" ao aminareo ao?? Nefa ianareo @ io "mpianakavy ao @ Tompo" hono??

Raha tsy hitantara ianao, dia afaka dia efa lazaiko mialoha: io ho'a ilay "miady lova". Samy te-"handova ny fanjakan'ny Rainy" (imaginaire) ao daholo ianareo, ary dia io mifanipaka toa adrisa an-tsobika. Koa na ny iray tam-po sy RaR-nao ao azany, hozy i Jesosy en personne, dia hadinoy any fa ilay fiainaNAO mandrakizay ihany banjinina.

Izahay mianakavy kely ato k'lou nefa ka dia salanitra eee :-)
44. RBNIR ( 28/09/2016 13:05)

rhaj0:

Izahay mianakavy kely ato k'lou nefa ka dia salanitra eee :-)

Dia tena sure v fa tanterakao ilay hoe unconditional love rhajo??? ok milamina ny fianakavianao fa ivelan'ny fianakavianao no tiako resahina..;
45. rhaj0 ( 28/09/2016 13:13)
Ny isavorovoron-kilantoana ny hitako aty k'lou ry RBNIR aaa... araka ny fahendren'ny Malagasy koa io.

Fa ilay "mifanaritaka" ao aminareo mpianakavy (ao @ Tompo) ao izao no sirika be io. Dia ianao RBNIR mihintsy azany io vaky vava @ izany io ambony io.

Tantarao hoe ho'a eee... (ianao toa manontany ahy dia valiako, fa ny fanontaniako toa tsy valianao).. tantarao ny "ady-lova" ataonareo ao..
46. RBNIR ( 28/09/2016 13:24)
Ohatra : misy olona iray miditra ao antranonao mitondra basy (fa izany no otran'ny malaza any aminareo any izao) avy dia mandripaka.......
Vitanao v ny misakambina azy ary mitsodrano azy handeha????

Raha mbola tsy mahavita an'izany ianao dia aza mitsara an'Andriamanitra satria io Andriamanitra io nampianatra an'i Jesosy tahaka an'izao....« Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany. » (Lio.23:34)

Olona nampijaly Azy, namono Azy ary nandefona Azy ireo nangatahany famelana tamin'ny Rainy ireo.....

Io FITIAVANA io dia nampianarin'i Jesosy tamin'ny mpianany
« Ary ny olona niantso tamin'ny feo mahery sady nanentsin-tadiny ka indray nirodona taminy, » (Asan'ny Apostoly 7:57)
« dia nandroaka azy ho eny ivelan'ny tanàna ka nitora-bato azy; ary ireo vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo anilan'ny tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. » (Asan'ny Apostoly 7:58)
« Ary ny olona nitora-bato an'i Stefana, izay niantso hoe: Ry Jesosy Tompo ô, raiso ny fanahiko. » (Asan'ny Apostoly 7:59)
« Dia nandohalika izy ka niantso tamin'ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry. » (Asan'ny Apostoly 7:60)

Olona nitorabato an'i stefana ireo nangatahan'i Stefana famelana tamin'Andriamanitra ireo...

Ka raha mbola tsy mahavita otran'izany ianao ry rhajo dia aza dia mitsaratsara an'Andriamanitra a!!!

Io fitiavana io dia « Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, » (1 Korintiana 13:4)
« tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po, » (1 Korintiana 13:5)
« tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, » (1 Korintiana 13:6)
« mandefitra* ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra. [* Na: manarona] » (1 Korintiana 13:7)


Ka efa manana an'izany v ianao rhajo sa??
47. rhaj0 ( 28/09/2016 13:32)
O ry RBNIR... tohin'ny resaka atsy @ ilany azany, inty fanontaniana ho anao. Aza miodikodina fa tena tsy amelako ity raha tsy voavaly an..

Vitan'i Andmntra ve ny "misakambina ary mitsodrano" ny TSY-MPINO mba handeha ary TSY "ho very" izany?? an???

Toa kingakinga ery Izy izao mamonjy ny "mpino" mba TSY ho very.
Ireo "Tsy-Mpino" ve mba "tiany" (tsy ho very) koa ???

Maninona no manavakavaka izao Andrmntrao ao izao ???
Mba takatrao ve, na mba takatr'izao Andmntrao izao ve, ohatra, fa ny Croix-Rouge dia manana ny principe hoe: "vonjena" na ny andaniny na ny ankilany ???
48. RBNIR ( 28/09/2016 17:24)

rhaj0:

O ry RBNIR... tohin'ny resaka atsy @ ilany azany, inty fanontaniana ho anao. Aza miodikodina fa tena tsy amelako ity raha tsy voavaly an..

Vitan'i Andmntra ve ny "misakambina ary mitsodrano" ny TSY-MPINO mba handeha ary TSY "ho very" izany?? an???

Toa kingakinga ery Izy izao mamonjy ny "mpino" mba TSY ho very.
Ireo "Tsy-Mpino" ve mba "tiany" (tsy ho very) koa ???

Maninona no manavakavaka izao Andrmntrao ao izao ???
Mba takatrao ve, na mba takatr'izao Andmntrao izao ve, ohatra, fa ny Croix-Rouge dia manana ny principe hoe: "vonjena" na ny andaniny na ny ankilany ???

Inona anefa no mahatonga ny tsy mpino tsy hety hino Azy,
Miandrandra famonjena nefa antsoina hino tsy mety hino???
49. rhaj0 ( 28/09/2016 18:36)
Valianao fanontaniana indray moa ny fanontaniako. Fa dia mazava izany eee...

Fanontaniana :
Vitan'i Andmntra ve ny "misakambina ary mitsodrano" ny TSY-MPINO mba handeha ary TSY "ho very" izany?? an???

Valiny :
TSIA, TSY vitan'ny Andtrmna'i RBNIR ny "misakambina ary mitsodrano" ny TSY-MPINO.



Ka izany ve no famaritanao RBNIR izany hoe "be fitiavana" ??????
50. RBNIR ( 29/09/2016 06:19)
Ny tena marina rhajo, ny tsy zakan'ny sainao dia hoe maninona ary no tsy mety miteny ry zalahy hoe unconditionnal love ILAY FITIAVANA.....
51. rhaj0 ( 29/09/2016 10:34)
Tsy azoko tsara... "iza" ilay "ry zalahy" izay TSY mety miteny hoe, "unconditional love ILAY FItIAVANA" ???


Ny hany takatro aloha dia tena TSY takatr'i Andrmntra izany "unconditional love" izany eee.. Ny an'Andtrmna, ny fitiavany dia asiana "condition" ngozabe.

Ary ny olona TSY ameny izao Fitiavany izao, satria TSY mameno ny "condition", dia iharan'ilay hoe, "HatezeraNY Lehibe". Nefa anie ny ataon'ilay olona (TSY mino Azy) angaha dia heloka nahafaty na nampahory olona hafa akoriny ohatra eee..

Hotry ny hoe, mandeha any @ Cartomancien ianao, dia raha TSY mino an'ilay Cartomancien ianao, dia tena ampiharan'ilay Cartomancien ny "Fahatezerana lehibe"..
52. RBNIR ( 29/09/2016 16:28)
Izao no notenenin'i Jesosy....
.
« Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo, » (Matio 5:44)
« mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina. » (Matio 5:45)

« Koa amin izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra. » (Matio 5:48)
53. rhaj0 ( 29/09/2016 17:14)
Ka ireo TSY-Mpino ho'a ve ry RBNIR mba "tian'i Jesosy" koa aa???

ntss.... ngo dia hiharan'ny "fahatezerana Lehibe" an'Andmntra eo koa i Jesosy, raha mitonantonana "hamonjy" ireo TSY-Mpino, ka manohitra ny sitrak'Andmntra, dia ny ahavery ireo TSY-Mpino Azy.
54. RBNIR ( 29/09/2016 20:54)
rhaj0:

Ka ireo TSY-Mpino ho'a ve ry RBNIR mba "tian'i Jesosy" koa aa???

ntss.... ngo dia hiharan'ny "fahatezerana Lehibe" an'Andmntra eo koa i Jesosy, raha mitonantonana "hamonjy" ireo TSY-Mpino, ka manohitra ny sitrak'Andmntra, dia ny ahavery ireo TSY-Mpino Azy.

hoy ny bokin'ny apokalipsy hoe « Fa ny osa sy ny tsy mino sy ny vetaveta sy ny mpamono olona sy ny mpijangajanga sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apokalypsy 21:8)
55. RBNIR ( 29/09/2016 20:55)
Tsy afaka miteny afats'izay nampitenenina anay izay ry rhajo a! Mazava B io teny io ny tsy mino dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara....
Ka safidy io e, na ianao hino dia ho afaka na ianao tsy hino dia efa fantatrao ny hiafaranao....
56. rhaj0 ( 30/09/2016 02:20)
Eny ho'a eee... ny sitrak'Andmntra, dia ny ahavery
- ireo TSY-Mpino Azy, hoz'Izy izay @ ilay fanenkem-pinoanareo izy teo
- sy koa ireo osa (wow: loza ity; i John de l'apoks no mamaritra rambon'osy @ io)
- sy koa ny vetaveta... (he he he.. t@ ianao mbola nisotro toaka be ireny ry RBNIR.. hi hi hi.. ireny angaha voafafa dia mahazo amnistie @ izao.. TSY voavidin'ilay 1/10-fananan'olona nangominao io...

hum ... ho may ianao androany... ho may ianao androany ry RBNIR... :-)
57. endriny ( 30/09/2016 04:23)
Ary ilay hoe hisy horohoron-tany sa moa hoe hihorohoro ny tany... Angaha moa ny tany tsy nihorohoro foana hatramin'izay?

Tsy hain-dry zareo hoe mikisaka ange ity tany diavina ity e. Raha miteny ny olona aho hoe misy tendrombohitra mitombo foana ny ahavony dia hoy ry zareo hoe: "Aza miteniteny foana fa tendrombohitra kaohan'ny riaka io foana ve dia hiakatra ahoana koa ny ahavony e?"

Raha miteny aho hoe: "Manandona, Antsirabe, Ambatolampy ary Antananarivo taloha dia lemaka sy lohasaha iray, ary nisy ny farihy lehibe indrindra teto Madagasikara." Dia misy ny miteny hoe: "Aza milaza atsanga tsy aman'orana, fa tsy mbola natambatr'Atra ny ranon'i Mangoky sy ny ranon'I Betsiboka"
58. RBNIR ( 30/09/2016 08:21)
rhaj0:

Eny ho'a eee... ny sitrak'Andmntra, dia ny ahavery

DISO BE MIHITSY IZANY!!! « Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely? » (Ezekiela 33:11)
59. rhaj0 ( 30/09/2016 11:07)
okey dokey... vaovao mahafaly izany..

Fa maninona azany no tsy no-preciser-ny tao @ Jaona ny resaka??

Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana , mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, SY IZAY REHETRA TSY MINO AZY, fa hanana fiainana mandrakizay . » (Jao.3:16)

Ka i Jaona ve no jaonijaonina (mamo) dia nanadino, sa i Ezekiela no jaonijaonina, dia mamoromporona????
60. RBNIR ( 30/09/2016 11:46)
Tsy mifanohitra ange ilay voasoratra ao amin'ny Ezekiela sy Jaona e, hoy ny ao amin'ny Ezekiela hoe :........ Mialà, mialà amin'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, ry taranak'Isiraely? » (Ezekiela 33:11)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1583