Ireo LOZA ao @ Apoakatsymisy

21. rhaj0 ( 07/09/2016 13:49)
esy e ry RBNIR.. ny record milanja 1kg raha be indrindra, nefa ilay "talenta" efa amam-30 na 40 kg hoz'ianao. F'angaha izy io ry RBNIR tsy ny havesany no mampilatsaka azy. Sa i Angele indray izany no mitazona azy tsy hianjera, fa avelany ho ngezangeza tsara, @ izay tena hihinan'ny tsakaokany izay ianjerany ao, hatrany @ dezeran'i Aostralia ka hatrany Sahara?

Dia ilay "trou noir" mahatonga plate tectonic hikisaka @ rezonema-RBNIR koa angaha... mba miara-mivanitika amiko ve ianao @ io sa mbola miziriziry?

(fa hotry ny izaho ilay Atheista foana ho'a no manazava, fa dia tena TSY misy izany ny Kristiana tsara sitra-po, eto @ serasera eto, mba mahay siansa dia hanazava an'i RBNIR ireo teny tsindrotsindrohany ireo.. ka dia ao ianao hitan'ny havanao ao izany ry RBNIR aaa... ivanitihan'ny ankizy ao.. zavatra ianaran'ny ankizy @ ara-dalana scientifiquement ireo, fa TSY reviredy faminaniam-baiboly/torah no iaingany, ary TSY rezonema petapeta-toko toa ny anao io no ataony)
22. RBNIR ( 07/09/2016 14:39)
intemperie mbola tsy nisy otran'izany no hisy amin'izany andro izany rhajo a!!! ho torak'ovitra ny zanak'olombelona, ary "ho reraka ny fon'ny olona hiandry izay hiafarany eo...

P.S : izaho mahita hoe ireo kristianina otran'ny efa tonga saina an!! ianao irery sisa sy ireo hafa izay mitonona ho tsy kristianina....
23. rhaj0 ( 07/09/2016 14:58)
Ny "climat change" re ry RBNIR dia isan-karazany ny fisehony arakaraky ny jeogirafia aa... Ao ny lasa niha-nafana sy maina ary miha-maina, ary ao lasa ny niha-nafana sy lena ary miha-lena (nitsonika ny lanezy).

ka eo fotsiny izany dia efa kOpy ianao, fa ny faminanian'i bevinaninao, na ny marimarina kokoa, ny ozonozona (tsisy consequence) nataony io, dia tena hihatra @ vohitrakelinao ihany, izay feno "mpino" azy (ne concerne que celui qui le croit), sady feno mpanota. Ka mivoaha haingana ho'a avy tao @ box-kely tao :-)
24. endriny ( 08/09/2016 05:05)
Dia alohan'ireo loza ireo kanefa misy ilay famantarana: Indreny miraraka avy eny an-danitra ny kintana, ohatran'ny firaraky ny voan'ny aviavy ety amin'ny tany... (bokin'ny fanambarana 6:13)
25. RBNIR ( 08/09/2016 07:04)

endriny:

Dia alohan'ireo loza ireo kanefa misy ilay famantarana: Indreny miraraka avy eny an-danitra ny kintana, ohatran'ny firaraky ny voan'ny aviavy ety amin'ny tany... (bokin'ny fanambarana 6:13)

Salama endriny, ela ela izy izany, ary araka ny hitako ankehitriny dia tena efa "niova" tanteraka ny hevitrao mikasika ny finona (misaotra Azy tanteraka isika amin'izany zavatra izany)...

Manantena ny hifankahita tava aminaio any amin'ilay FIAINANA MANDRAKIZAY namana....
26. rhaj0 ( 08/09/2016 11:13)
O ry RBNIR, any @ ilay "FIAINANA MANDRAKIZAY" anie, ka ny fanahy fotsiny hono no mivezivezy eee... ny nofo aman-taolana dia tavela any ambany rangolahy, ka tena TSISY an'izany "mifankahita tava" izany eo.
27. endriny ( 09/09/2016 11:23)
Efa miraraka ety an-tany ny kintana dia mbola vao fanambarana ihany izany... Kay tokoa moa ohatran'ny haben'ny aviavy ny haben'ny kintana, ny sasany ohatran'ny voan'akotry

Ka rehefa avy niraraka ny kintana dia ho tonga amin'izay ny loza fito ary indreo ny dragona hiseho avy ao ambanin'ny tany
28. endriny ( 09/09/2016 11:26)
Efa miraraka ety an-tany ny kintana dia mbola vao fanambarana ihany izany... Kay tokoa moa ohatran'ny haben'ny aviavy ny haben'ny kintana, ny sasany ohatran'ny voan'akotry

Ka rehefa avy niraraka ny kintana dia ho tonga amin'izay ny loza fito ary indreo ny dragona hiseho avy ao ambanin'ny tany
29. rhaj0 ( 10/09/2016 15:12)
Dia loza iray koa izao dia hoe voan'ny VAY "daholo" hono ny olona.. Dia matahotra ery ry RBNIR, dia minobe fa izany no ho famantarana.

Dia mbola tsy kOpy ve ianao ry RBNIR hoe, izany VAY izany no mba takatry ny hoza-dohan'ny taloha, l'an -3000, dia izany no nampitahorina ny zazabelelo ho'a??

Hadinoy any aloha izany imagination nandran'ny taloha izany, fa ndao azany dinihina hoe, inona ny aretina mety tena mba maharavarava ny zanak'olb. Jereo ato ohatra ny tantara, fa tao ny pesta, cholera, variole, gripa espaniola.. Ilay variole izao namely mafy ny amerindiana, ary ilay gripa espaniola (karazan'ny H1N1) namely ny atsimon' Eoropa t@ 1918, nahafaty efa ho 30 millions

Fa efa misy fanefitra sy fitsaboana azy daholo izao ireo. Dia izay no halalinina sy fantarina ary andaniana ny jiro sy ny ron-doha ho'a, fa tsy izao fampitahorana-zaza-belelo tantarain'i Apoakatsymisy izao foana no ivavahana mba ho tanteraka ao eee... Izany ry RBNIR aaa...


Ny aretina mandringana koa dia matetika mamely anaty. @ izao fotoana izao izao, dia ny homamiadana hono no aretina voalohany mamono, efa 8 millions isan-taona izy teo. Ny aretina aty (foie) sy rein betsaka voany dia maty; tsy lazaina ny tapaka lalan-dra...

Ka ny handaniana ny ron-doha sy ny jiro dia mianatra mba ahalala kokoa an'ireo, dia mitaiza-tena isorohana azy, sy mitady fanefitra ets ....

Ny fotoana laninao mievoka baiboly sy apoakatsymisy ao izao, mety efa nahaizanao nitaiza-tena mba tsy ho voan'ireo aretina ireo. Asiavo prioritE iilay fiainana eee..

30. RBNIR ( 12/09/2016 05:45)
Salama rhajo,
1- « fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. » (1 Kor.15:52)
« Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. » (1 Kor.15:53)
« Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety maty ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona* (Isa. 25. 8). [* Gr. voatelina ka resy] » (1 Kor.15:54)
Alohan'ny amindrana ny olona any amin'ilay fiainana mandrak'izay dia "homena vatana vaovao tsy mety ho lo ilay olona....
Tsy fanahy fotsiny araka ny voalazanao ilay izy araka izany

2 - Ny vay hisy amin'izany fotoana izany dia "vay be mbola tsy nisy ohatran'izany mihitsy (mbola mafy noho ny sida izany nefa ny sida aza izao mbola tsy hahitan'ny olona fanafody)....
31. rhaj0 ( 12/09/2016 10:54)
RBNIR:
Alohan'ny amindrana ny olona any amin'ilay fiainana mandrak'izay dia "homena vatana vaovao tsy mety ho lo ilay olona....

Esy e ry RBNIR.. Ka vatana toa ilay vatanao tany @ garabola izy io, dia mba niverina t@ laoniny izany ilay potiky ny toaka teo, sa... hi hi hi.. tena mety vatana vaovao toa ireny transsexuel ireny mihintsy...

Ampanofinofisana ao ry RBNIR dia faly ery.. Izay ilay karoty eee...

RBNIR:
Ny vay hisy amin'izany fotoana izany dia "vay be mbola tsy nisy ohatran'izany mihitsy (mbola mafy noho ny sida izany nefa ny sida aza izao mbola tsy hahitan'ny olona fanafody)....

Ka hoe ulcere hozy ny frantsay, ary "festering sores" hozy ny anglisy, koa inona indray ity "tsy mbola hitan'ny olona" ity. Mbola tsy immportE angaha no tianao tenenina?

Dia ampifendrofendroana ao ry RBNIR dia koditra tokoany... Izay ilay kibay eee...


Ka dia hendry tsara ianao ao izany ry RBNIR aaa... Tsy mba manita-kevitra sy mandalidalina sy mamakafaka ny zava-misy ho'a, fa izao redirevin'ny l'an -3000 izao foana no andrianao ao, dia ivavahanao mba ho tanteraka.

32. RBNIR ( 12/09/2016 12:29)
Misy zavatra fantatro tsy fantatrao, misy zavatra iainako tsy iainanao, Matoa aho miteny hoe "tena misy Andriamanitra" dia tena misy marina tokoa IZY......

« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jaona 14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jaona 14:17)
« Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankaty aminareo Aho. » (Jaona 14:18)

TSY MANINONA FA ALEO MBOLA HIKIAKIAKA MAFY IHANY AHO!!! MBA TSY HISY HANOME TSINY AORIANA KELY AO!!!

AOKA HO LOZAKO RAHA MANDAINGA AHO!!! « Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay ...... izay mandainga, ........ » (Apok.21:27)

Ary aoka ho lozako ihany koa raha tsy manambara aho « Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho! » (1 Kor.9:16)

TENA MISY ANDRIAMANITRA ARY ZAVA-DOZA NO MIANDRY IZAY TSY MIBEBAKA SY MANAO NY SITRAPONY.......


IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
33. rhaj0 ( 12/09/2016 16:40)
RBNIR:
ZAVA-DOZA NO MIANDRY IZAY TSY MIBEBAKA SY MANAO NY SITRAPONY.

Amoahay toko aman'andininy izay mitantara an'Andrmntra manozona ny "zanany" iharan-"java-doza" izany indray hoe ry RBNIR.. Hoe rahefa "tsy manao ny sitrapony" dia tena mihinan'ny tsakaokany.
34. RBNIR ( 12/09/2016 17:31)

rhaj0:

RBNIR:
ZAVA-DOZA NO MIANDRY IZAY TSY MIBEBAKA SY MANAO NY SITRAPONY.

Amoahay toko aman'andininy izay mitantara an'Andrmntra manozona ny "zanany" iharan-"java-doza" izany indray hoe ry RBNIR.. Hoe rahefa "tsy manao ny sitrapony" dia tena mihinan'ny tsakaokany.

« Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. » (Matio 7:21)

Koa asakasak'izay tsy hanao ny sitrapony namana....
35. rhaj0 ( 13/09/2016 01:55)
Ny fanontaniako moa dia hoe
--- Amoahay toko aman'andininy izay mitantara an'Andrmntra manozona ny "zanany" iharan-"java-doza"

Dia ny toko aman'andininy navoakan'i RBNIR dia hoe
(Matio 7:21)

okey dokey... ao @ Matio izany hono, hoz'i RBNIR, i Andrmntra manozona ny "zanany" iharan-"java-doza" eee...

Dia ao nareo izany kouh.. fa io ho'a "izay mino Azy ihany no ho voaNY", fa raha aminay (atheista) dia ozonozona TSISy consequences-ny izany eee...
36. RBNIR ( 13/09/2016 10:26)
« Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy, ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy. » (Apokalypsy 22:11)


Na fitahiana, Na Ozona, tsy aleo "manao ny marina" sy "manamasina ny tena" mba tsy ho voaozona????
37. rhaj0 ( 13/09/2016 10:48)
Eny ho'a eee... mba karazana "Ray" inona koa ho'a no "manozonozona" an-janany izany ee... nefa anie toa omnipotent-be hono Izy ao eee... Dia hoe koa hoe omnipresent.

(ny imagination-nao, anao irery ao, no mamorona "Ray mpanozonozona" ao re ry RBNIR aaa....)
38. RBNIR ( 13/09/2016 11:52)

rhaj0:

Eny ho'a eee... mba karazana "Ray" inona koa ho'a no "manozonozona" an-janany izany ee... nefa anie toa omnipotent-be hono Izy ao eee... Dia hoe koa hoe omnipresent.

(ny imagination-nao, anao irery ao, no mamorona "Ray mpanozonozona" ao re ry RBNIR aaa....)

Tsy mahafaka anao amin'ny fitsaran'Andriamanitra izany rhajo....
39. rhaj0 ( 13/09/2016 12:46)
hi hi hi... ato @ imagination-ko ato izao, dia tazatazako ery i RBNIR, fa ataon'i RBNIR tsy afa-bela aho ao @ imagination-ny ao. Nefa ato @ imagination-ko ato @ io, ijijiko fotsiny ny baolina, ary dia io voan'ny sangodina io i RBNIR... :-)

Fa iza moa no ianaran-dRBNIR fa tsy ny Rainy (imaginaire), ka dia io mba "manozonozona" sy "mamendrofendro" io koa izany hono i RBNIR... esy eee.... Maninona raha mba maniry soa @ mpiara-belona ry RBNIR aaa...
40. RBNIR ( 13/09/2016 12:57)

rhaj0:

hi hi hi... ato @ imagination-ko ato izao, dia tazatazako ery i RBNIR, fa ataon'i RBNIR tsy afa-bela aho ao @ imagination-ny ao. Nefa ato @ imagination-ko ato @ io, ijijiko fotsiny ny baolina, ary dia io voan'ny sangodina io i RBNIR... :-)

Fa iza moa no ianaran-dRBNIR fa tsy ny Rainy (imaginaire), ka dia io mba "manozonozona" sy "mamendrofendro" io koa izany hono i RBNIR... esy eee.... Maninona raha mba maniry soa @ mpiara-belona ry RBNIR aaa...

Milaza ny marina aho, tsy hoe Fitiavana Andriamanitra dia azo vazivaziana amin'izay tiantsika hatao (Saino kely, fa raha izay tokoa dia inona moa no tokony haha Andriamanitra Azy fa tsy mitovy Aminy daholo v izany isika ka dia samy afaka ny hanao izay tiantsika atao EO IMASONY AVOKOA????)

« Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany. » (Galatiana 6:7)

Ny mpamitaka no manafina ny marina fa ny tena marina dia Andriamanitra tsy azo vazivaziana,

Ary izay ilay fitiavana : milaza ny marina milaza ny tena toetran'Andriamanitra rehetra amin'ny olona....

Tsy tia heloka Andriamanitra...

Tohizako kely ilay tenin'i Jesosy ao amin'ilay Mat.7.....« Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. » (Matio 7:23)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.166