Fivavahana sy fampianarana

1. ikaretsaka ( 20/06/2008 17:18)

Fanamarihana Tsy haiko ity na eritreritra sendra mandalo ity na fanabeazana na fivavahana sy finoana... fa napetrako ato ihany aloha dia arakarak'izay andraisanareo azy satria misy mety handray azy ara pinoana..misy mety handray azy ara-pampianarana

Eto Etazonia dia misy sekoly (lycee) anakiroa mazana be izay dia Chaminade HS izay an'ny katolika sy Shiloe na Shiloh Hebrew (tsy haiko tsara ny manoratra azy) izay an'ny Jiosy ...

Isan'taona dia ny 99% n'ny mpianatra amin'ireo sekoly ireo no matetika lasa any amin'ireny University malaza top 10 eto ireny, ary lasa tonga de prioritaire aza! ary anisan'ny sekoly matanjaka indrindra eto Etazonia izy ireo hatramin'izay!

Izao anefa : Ny lalana fidirana amin'ireo sekoly ireo (ankoatran'ny fanadinana fidirana ao izay efa mafimafy ihany) dia misy hoe raha tsy katolika 3 eme generation (ny an'ny chaminade) na jiosy 3 eme generation (ny shiloh) ny mpianatra dia bye bye!

(azafady fa ny * dia ilay chaminade moa ny ** dia i shiloh mba tsy hiverimberenan'ny teny imbetsaka)
hazavaiko lalindalina:
-> tsy maintsy katolika*/ na jiosy** ny raibe sy ny renibe (avy any @ ray sy ny reny) ary manana paroasy sy sinagoga ary actifs

->tsy maintsy katolika*/na jiosy** ny ray niteraka sy ny reny niteraka ary actifs koa
->dia ilay zaza kao moa torak'izany

dia ny fanontaniako dia hoe ..
(tsy eto US ihany ity)

1) misy antony sy effets be ve iznay ilay fivavahana amin'ny education an'ireo zaza ireo matoa ataony important be sy hentitra be izy ireo ilay fivavahana io @ resaka fifantenana ny mpianatra ao aminy ? ary mahatonga azy ho isan'ny malaza erantany?

2)maninona matetika ny olona nobeazin'ireo foto-pinoana roa ireo foana no andrandraina eo anivom-piaraha monina?

3) Inona no tena manintona ny olona ho mitangorona sy miady mafy ny hampianarany ny zanany @ ireny sekoly ireny (ny any @ sekoly katolika any dago no tiako lazaina eto) nefa avy eo tezitra rehefa tratran'ny fitsipika apetrak'ireny?
répondu par ikaretsaka le 25/07/2008 22:18
2. mbaliana ( 20/06/2008 19:02)
ka any tsinona mampianatra fivavahana ...
3. ikaretsaka ( 20/06/2008 19:57)
ka ny fanontaniako dia hoe:
1)ilay fampianarana sy ny education miharo @ ny fivavahaNY izany ve no "mampahay"?
2)sa ry zareo ao @ ireo fivavahana ireo mihitsy no mahay?

4. rakaroka ( 20/06/2008 20:02)
'zaho koa @ misy ahy eto mahatsapa ny fisiana "réseau" Jiuf sy katô, sns.
Ataoko misy poste de travail maro : "juridique sy commercial sy admnistratif"
entre ses mains ary ifandovany. "Etats-Unis sy Afrique" du Sud aza mbo hita ihany ry Obama, mba notsaroana ny mainty ohatra t@ "Georgia on my mind".
Mandela,sns....
Ka tsapako question de structure et "assise" ilay izy. Na t@ "Dallas" izay aza,
taoko vao kely ny zaza dia efa zarina ho tompon'ny hoavin'ilay "Entreprise".
Nisy t@ mpianatra nafarako taty nianatra t@ kato tany Dago dia misy "branchement" fanohizana ny "étude-ny" aty, dia tsy nisy "blem" visa fa izy nifindra kilasy dia "aty no manohy izany!"
5. nofinofy ( 20/06/2008 20:36)
Za ndray aloha mahita hoe lojika be ilay izy, ary tsy ry zareo ihany, fa na ny silamo any amin'ny tany arbo, sy ny ankamaroan'ny finoana dia toy izany avokoa. ils veulent dominer izao tontolo izao(na au moins te hanana influence betsaka), dia any no fototra tsara indrindra, satria raha manana élite maromaro ry zareo, dia ireo no hitondra ny raharaha atsy ho atsy, ary hanaparitaka ny ideolojia izay eritreretiny ho marina, ny an'ny sasany dia tonga amin'ny lazainy hoe ady masina mihitsy; Ny fahita anefa matetika dia (ny anakamaroan) ireny mpitondra izay nohindrahindraina hoe nianatra tamin'ny sekolimpinoana ireny no manao fanararaotampahefana ary manimba ny ho avin'ny fireneny;
Tsy vaovao io ataon'ny sekolimpinoana io fa efa hatramin'ny ela ary misy amin'ny firenena rehetra: ohatra fotsiny nalaza be taloha izany Paul Minault izany an'ny protestanta hoa namoaka olo-manga maro , dia mirehareha koa ny katolika ami'ny saint - michel sy ny ESCA/ Essca sy marobe tsy voatanisa.
Ilay hoe olo-manga aloha dia samy manana ny fahitany azy e! ekena fa nisy olona nitondra zavatsoa ho an'ny fireneny navoakan'ireny sekoly ireny, fa tena marobe koa ireo lazaina fa olomanga sy avarapianarana nefa tsy hita hoe tonga aiza ny fitondrana nataony. Aleo hajaniko eo aloha fa sao lazain'ny sasany hoe resaka politika. Fa ny amaranako azy dia hoe: aleko ny ahy ny zanako tezaiko ato an-trano toy izay alefa any amin'ireny sekoly izay sekolimpinonoana ireny(je dis bien finonoana), fa tsy tiako HANAOVANY LAVAGE DE CERVEAU sahady ny zaza mbola kely, raha handany vola ihany aho hampianarana azy dia aleo izay tiako no hataon'ny taranako fa tsy izay tiandry zalahy(mompera, pasitera, rabin, imam sns...). Izay aloha ny fomba fijeriko azy fa tsy voatery ho marina izay lazaiko sy izay mba nofinofiko...
6. ikaretsaka ( 20/06/2008 22:02)
dia ho voataiza ao an-trano ve anefa le izy rehefa ela ny ela?

fa le izy stereotypena ange no tena mahagaga e...
vao hoe taiza ianao no nianatra ka vao misy anakiray ao anaty Cv anao heo sekolim-pinoana dia mahazo avantage kokoa foana ianao.
7. LazaDaddy ( 20/06/2008 22:23)
ikaretsaka:
vao hoe taiza ianao no nianatra ka vao misy anakiray ao anaty Cv anao heo sekolim-pinoana dia mahazo avantage kokoa foana ianao.
ohatra an-dRatsiraka midehaka hoe "ancien Saint Michel" tonga dia prezida :-P :-P :-P
8. ikaretsaka ( 20/06/2008 22:31)
nga ratsiraka irery? i Castro, kennedy sns...
9. rijadolly ( 21/06/2008 04:59)
nofinofy:
Za ndray aloha mahita hoe lojika be ilay izy, ary tsy ry zareo ihany, fa na ny silamo any amin\'ny tany arbo, sy ny ankamaroan\'ny finoana dia toy izany avokoa. ils veulent dominer izao tontolo izao(na au moins te hanana influence betsaka), dia any no fototra tsara indrindra, satria raha manana élite maromaro ry zareo, dia ireo no hitondra ny raharaha atsy ho atsy, ary hanaparitaka ny ideolojia izay eritreretiny ho marina , ny an\'ny sasany dia tonga amin\'ny lazainy hoe ady masina mihitsy; Ny fahita anefa matetika dia (ny anakamaroan) ireny mpitondra izay nohindrahindraina hoe nianatra tamin\'ny sekolimpinoana ireny no manao fanararaotampahefana ary manimba ny ho avin\'ny fireneny;
Tsy vaovao io ataon\'ny sekolimpinoana io fa efa hatramin\'ny ela ary misy amin\'ny firenena rehetra: ohatra fotsiny nalaza be taloha izany Paul Minault izany an\'ny protestanta hoa namoaka olo-manga maro , dia mirehareha koa ny katolika ami\'ny saint - michel sy ny ESCA/ Essca sy marobe tsy voatanisa.
Ilay hoe olo-manga aloha dia samy manana ny fahitany azy e! ekena fa nisy olona nitondra zavatsoa ho an\'ny fireneny navoakan\'ireny sekoly ireny, fa tena marobe koa ireo lazaina fa olomanga sy avarapianarana nefa tsy hita hoe tonga aiza ny fitondrana nataony. Aleo hajaniko eo aloha fa sao lazain\'ny sasany hoe resaka politika.
Za dé manoana io hevitry nofy io,fa tsongaiko manokana io miloko io fa ra io ny tanjon\'sekoly mpinoana dia za milaza fa tsy itondra an\'zao tontolo zao izany izireo fa manafaingana ny ady lehibe faha-3,fanampin\'izay dia tsoriko amin\'nareo fa laviko tanteraka izany manavakavaka finoana izany indrindra raha samy Kristianina,aoka re tsy avy aty amitsika Kristianina mihitsy ilay fanavakavahana izany é!Tsy izay ilay lalana.Tsarain\'finoana hafa ary vakina fotsiny anié isika é!ny torina,lalana tsara nefa ny atao miverin-dalana.Atao aiza ilay ondry nania ra izay ny fiheveran\'Finoana azy?Tsy sokafana ve ny varavara ra tena any aminao marina ny laklé?Ra efa mihevitra ny atoko Finoana iray fa taranak\'israely,dia tsy azo vonjena ve ny Jetlisa?Tadidio fa tsy 100 ny isa raha mbola tsy ao ny 1 fa lasa 99.(l) (l)
Fanamarinana akaiky dia akaiky i nofinofy,tsy fantatro na Kristianina nofy na tsy,eny mety tsy mpino,Tsoriko fa tsy manome tsiny azy aho satria zao ny ataon\'Kristianina.Mandany andro amin\'zavatra tsy izy no tsy manoy ny lalana nentin\'Ilay inoany marina dia Ilay Zanak\'Andriamanitra.Ilay midina ambany mihitsy no tsy aitsika fa ilay mirehareha no betsaka.
10. rakaroka ( 21/06/2008 08:27)
Tena sarotra BBBeee ny hoe pakofana ao an-trano fotsiny ny zaza ankehitriny koh. Raha hahavita ny fiainany manontolo moa isika maninn?
HAFA ihany ny hoe misy porte ouverte @ hafa koh. 'zaho MAHATSAPA TANTERAKA NY voalaza hoe manana "Avantage" sarotra hananan'ny hafa mihitsy ny sehatra isan-karazany izay miréservé sy migardé ny avantage izany!
Saino ihany!
11. nofinofy ( 21/06/2008 18:46)
rakaroka:

Tena sarotra BBBeee ny hoe pakofana ao an-trano fotsiny ny zaza ankehitriny koh. Raha hahavita ny fiainany manontolo moa isika maninn?
HAFA ihany ny hoe misy porte ouverte @ hafa koh. 'zaho MAHATSAPA TANTERAKA NY voalaza hoe manana "Avantage" sarotra hananan'ny hafa mihitsy ny sehatra isan-karazany izay miréservé sy migardé ny avantage izany!
Saino ihany!

Ahitsiko ny eritreritrao: tsy hoe akory tsy avela hivaoka ny trano mihitsy fa ny EDUCATION dia ny ao antrano no manao azy. Afaka manana namana izy, milalao, mihira sns...Ireny sekoly ireny anie, dia iarahana mahalala fa ny fomba fijerin'ny mapmpianatra sy ny mpiaramianatra aminy no tena mamolavola azy e!(Atoroy ahy ny namanao dia ho lazaiko anao ny toetranao). Mahafantatra olona aho izay nanao fanabezana tao antrano, fa tena misokatra mihitsy ny sain'ilay zaza ary mahazo ny laharana voalohany foana amin'ireo concours izay atao kanefa afaka miaina anaty fiarahamonina ohatra ny olondrehetra koa ilay izy rehefa olondehibe. Amiko aloha dia safidy io, fa hevitra ampiadiana ny antsika. Ety ambany masoandro dia misy lafiny ratsy sy tsara daholo ny zavatra rehetra.
12. rakaroka ( 23/06/2008 12:56)
Ny "blem" tsapako matetika, dia na ilay ray aman-dreny mi-éduque ny zanany ao an-trano aza, limité et borné @ fijeriny, donk mihena indrindra noho izany koa ny "chance" ahalasa lavitra ilay zaza!
Misy sehatra tsy vitan'ny kitranoantrano fa tsy maintsy mis'élancer miaraka @ hafa ianao vao "intégré" ary afaka hanana accès @ différentes porte. Eto @ misy ahy eto dia saiky conditions sahala @ izay no mipetraka. Ohatra raha tsy membre @ serasera nandritra ny izao sy izao tsy afaka manana droit de tel ou tel. Ka ilay izy tsy hoe namana nihirahira fotsiny matetika fa présence effective no ilain'ireo structure maaaaaro!
13. ikaretsaka ( 23/06/2008 13:10)
izay mantsy!

misy fahasamihafana foana io... heo ity nandeha fianarana dia ity tsy nandeha

fianarana lazaiko eto dia hoe sekoly an...
hita foana io rehefa ela ny ela fa misy zavatra "en manque" na ny esprit d'equipe aza...

tsy concours foana ange no atao heo fiainana e... raha afaka concours ianao akory tsy midika hoe mahay sy afaka hampita iny fahaizanao iny @ olona na ho leader hitarika azy!
14. ari.malala ( 24/06/2008 07:12)
ho ahy notaizaina tam sekolim-pinonana, d tena hitako mints ny tombon-tsoa azoko! efa nianatra tamin'ny sekoly ts sekolim-pinoana ah fa tena samy hafa b e! ao amle faharoa tena hoe baranahiny, na izay fanajana mpampianatra toy ny hoe ny mpampianatra no miditra aloh'ny mpianatra aza ts voahaja... izany hoe fanajana olona toy ny tompoko izany d tena banni tam vocabulaire tamizany, ny teny tsy maotina etsy andaniny..... sanatria ts manaratsy ny tsy sekolim-pinoana aho, fa any am sekolim-pinoana tena hoe beazina ny olona iray manontolo, vatana saina fanahy.
15. prime ( 24/06/2008 10:55)
ika:
1) misy antony sy effets be ve iznay ilay fivavahana amin'ny education an'ireo zaza ireo matoa ataony important be sy hentitra be izy ireo ilay fivavahana io @ resaka fifantenana ny mpianatra ao aminy ? ary mahatonga azy ho isan'ny malaza erantany?
... hitako hoe ialy fanontanian'i Ika dia tsy d tena fanontaniana loatra fa fanamarihana ihany koa... valiny, misy "effets" betsaka mihitsy... hafa mihitsy ny "éducation" miorina amin'ny finoana...
2)maninona matetika ny olona nobeazin'ireo foto-pinoana roa ireo foana no andrandraina eo anivom-piaraha monina?
... satria ny fototra iaingan'ny fanabeazana sy ny fitaizàna ao anatiny dia tsara ary manana lanja lehibe ilay finoana...
3) Inona no tena manintona ny olona ho mitangorona sy miady mafy ny hampianarany ny zanany @ ireny sekoly ireny (ny any @ sekoly katolika any dago no tiako lazaina eto) nefa avy eo tezitra rehefa tratran'ny fitsipika apetrak'ireny?
... Rhefa misy rafitra tsara sy fitaizana ary fanabeazana tsara dia manintona... ny hoe tezitra rehefa tratran'ny fitsipika dia tsy dia mety loatra satria matoa mampiditra ny zanaka amin'ireny dia efa tokony mivonona amin'izany ireo RAR.
16. ikaretsaka ( 24/06/2008 13:02)
sia ny tsy azoko koa dia hoe maninona na ny hafa finoana aza.. mifandombaka ny hampiditra ny zanany any @ st zao sy st zao sy st zao? nefa ny sasany @ ireny koa aza anie manana ny sekolim-pinoany e?
17. ari.malala ( 24/06/2008 13:20)
tsy haiko na diso ny fijeriko, fa mitady hanavaka finoana i ika hoe ra ts katolika iany v zany ts mahazo miditra am sekoly katolika? Eto Tana tokoa misy anizany, tsingolohana daolo ny situation ny RAD hoe katolika dool v, vita mariazy aradalàna v ny RAD, nandray sakramenta toy inona sy toy inona sns sns...
18. rakaroka ( 24/06/2008 14:25)
Samy mananna ny antsoina hoe "centre d'intérêt" na ny structure na ireo client tonga manantona.
'Zaho koa dia be t@na sekolim-pinoana ary nahatsapa ny soa sy ny lacune t@ izy ireny. Tsy voatery anie hoe rehefa tsy "attaché" @ fivavahana ohatra dia tsy ilaina. Ohatra nanao SN na formation militaire koa aho.Dia nisy discipline norantovina koa t@ izany fa endriny hafa!
Ny zavatra lazain'i Ika eto, efa resaka très haut niveau no ilazako azy. Tant que tsy comparable @ "atout" isaloran'ny mpianatra iray nivoaka t@ sekolim-pinoana izay heverintsika fa top amintsika velively ny "avantage" isaloran'ny mpianantra nivoaka @ ireo Oniversité. Ary haiko tsara fa misy classement des universtités izay mametraka ankitsirano ny "VALEUR"ny mpianatra nivoaka tao aminy. Ary reconnaissé-vany ny Grandes Entreprises. Tsy afaka hiteny akory
ny mpianatra major nivoaka tetsy Ankatso hoe "'zaho foana no major de promo ohatra. sahala @ tsy miteny ny boritra any @ firenena sasany!
19. fijo ( 24/06/2008 21:08)
ny tenako dia zanaka protes nefa nianatra ary nivoaka tamina sekoly katolika.za koa fantatry ny frera satria tsy nanafina atrany amboalohany fa tsy mpino.

\"fanamarihana kely\" mbola tsy nitranga ity ,fa raha mitranga mety hisy fiovana ireo sekoly ireo.
aleo aloha dia tsorina,fa io fomba ataondry zareo io dia FANAVAKAVAHANA ARAPINOANA,ary izay fomba izay dia rarana mafy sy voasazy ny lalana.ka rah amisy mitory ireo dia mino aho ary manatena fa horesy ary mety hiova ny fomba fandraisany ny mpianany.tsiahy kely iny.

fa hiditra amin\'ny resaka aho.matetika aloha dia ny sekoly \"tazomin\'ny antoko mpinoana no tena mahataiza ankizy kokoa.na fahaizana io na toetra.
tsy ilay fampianarana miaro fivavahana akory no mampahay ny ankizy,fa ny fepetra ampiarina amin\'ireny sekoly ireny.hentitra ny mpitondra ireny sekoly ireny ,ary vao mibolila dia \"out\"hany ka voasivana hoazy ny ankizy tafiditra ao.
oh:tao amin\'ny ND mahajanga ny ankizy kato aloha no alainy,ary raha misy ambiny ny toerana dia misy fifaninana atao ka izay voalohandohany eo ihany no voaray izany hoe efa ankizy mahay kokoa noho ny sasany no tafiditra ao.de miampy le fampianarana ao dia mitombo le fahalalana
20. LazaDaddy ( 24/06/2008 22:29)
O ry zareo a! Dia ahoana izany ilay ohabolana fampiasan'ny tanora tao imerina fahiny hoe:

"Tovovavin'i ESCA, votsa saina fa kinga v..."?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0469