Fivavahana sy fampianarana

21. ari.malala ( 25/06/2008 06:19)
fijo:
fa io fomba ataondry zareo io dia FANAVAKAVAHANA ARAPINOANA
ie, za koa alou mahita anizany e! katolika ny tenako fa na izaho ao anatiny aza mahatsiaro mal à l'aise refa misy fanavakavahana toy izany!


LD:
O ry zareo a! Dia ahoana izany ilay ohabolana fampiasan'ny tanora tao imerina fahiny hoe:

"Tovovavin'i ESCA, votsa saina fa kinga v..."?


tohizo klou le v fa samy manana ny v ny kou io, za zao miheritreritra hoe vava io, d ie, tsara raha kinga vava milaza ny marina sy am tsara ka! :D
22. ikaretsaka ( 25/06/2008 11:08)
ny fanontaniako anie tsotra e... nisy effets tsara teo @ education ve le "fanavakavahana ara-pinoana? eny hoy nareo...
mazava be mantsy fa raha sekoly miankina @ fiangonana le izy de tsy maintsy miseho fa ny finoan'ilay fiangonana no tsy maintsy miditra ..impossible heo sekoly silamo dia fampianarana protestant no atao ao ohatra!!

-ankoatran'ilay discipline izay mifantoka be @ finoana, dia inona no maha samihafa azy @ tsy ara pinoana (sekolim-panjakana ohatra) ka mahatonga ny RAR hifandrombaka handefa ny zanany any?
23. fijo ( 25/06/2008 21:41)
tsy le finoana no handefasan'y ray amandreny ny zanany any,(ny zanaka protes tsy nalefany tany rah atsara ny azy)fa le fomba fampianarana misy ao.hentitra kokoa ireo sekoly ireo,ary izay dia tsy dia fahita firy any aminn'y sekoli-mpanjakana.ny ray amandreny anefa samy mahalala fa ny zaaza voataiza sy voaharaka tsara ihany no hafaka hianatra tsara.izay no tena handefasany ny zanany any.

"y fanontaniako anie tsotra e... nisy effets tsara teo @ education ve le "fanavakavahana ara-pinoana? eny hoy nareo.."
nisy vokany tsara,fa nisy vokany ratsy koa,satria mitongilana le fizarana ny soa tao.
raha ankizy efa voafantina no ampianarina mora ny mahazo vokatra tsara kokoa noho ny sekoly hafa.
izahay tao amin'ny ND 34 no iray kilasy,30 no hafaka bac. ary 2 sisa no nahavita ny fianaran ateny ankatso.
24. ikaretsaka ( 25/06/2008 22:35)
misy sekolim-panjakana entitra an.. na sekoly prive (tsy ara panjakana ireny)
dia maninona no ratsy ny protes?
25. fijo ( 26/06/2008 18:47)
raha raisina ny any mada ka izay haiko no resahako,dia nisy tsara tany taloha.(rasalama sy ny sekoly mangarivotra tao mahajanga )dia sekoly protestanta tsara ary niadivana mihintsy fahiny.saingy nanomboka teo amin'ny 75 teo,dia niova ny fomba fampianarana,satria moa mpampianatra avy any amin'ny lycée ihany no mampianatra any,ka lasa vola sisa no henjehana fa tsy ilay fampitana fahalalana.
26. ikaretsaka ( 26/06/2008 23:29)
gravy koa izany toe tsaina izany a
27. prime ( 27/06/2008 11:11)
Ikaretsaka> tsy ratsy ny protest no sady tsy ratsy rahateo ny sekoly protestanta fa manana olana... samy hafa izay...

Fa fahiny, raha ny teto dago dia referansa tsara ny sekoly toa ny Paul Minault, Ambohijatovo avaratra, Ambohimanoro, Rasalama sns...
28. ikaretsaka ( 27/06/2008 14:37)
(Tsy protestanta aloha Ambohimanoro fa Anglikanina)
ka Hafa ny fahiny sy ny ankehitriny ange ry prime e... Za tsy manda ilay olana fa ny tsy azoko dia hoe naninona no tsy vahana malaky ny olana dia ny nikezaka nampijanona na nanatsara aza ireo reference ireo, no nimasoana?
29. fijo ( 27/06/2008 20:45)
(ambohijatovo ambony koa adinoko ny nilaza azy.)saingy tsy le fahiny intsony no resahina fa izao.izao ireo tsy azo antoka toy ny fahiny intsony,ary tena io fitadiavambola io sisa.paul minault no tsy haiko raha niova koa,fa tamin'ny taona 85 tany mbola tena sekoly nifampitadiavana ny teny.

ka io dia mbola le rafitra protes koa no nanimba azy raha ny fahitako azy
30. ikaretsaka ( 27/06/2008 22:17)
fa maninona le systeme no nanimba ra fijo... ?
de raha simba naninona no tsy namboarina
31. prime ( 30/06/2008 11:57)
ika:
(Tsy protestanta aloha Ambohimanoro fa Anglikanina)
... HS indray aho eto fa tsy maninona, vety2 fotsiny... Hay moa ve ry Ika ny Anglikana tsy Protestanta raha niala tamin'i Roma tamin'ny fotoan'androny (refereransa ny Mpanjaka Henri VIII)... :)

Ikaretsaka,Fijo> Olana goavana ny ao ambadika ka izay no antony tsy ahavitàna ny fanarenana azy... Paul Minault ankehitriny dia lasa anisan'ireo sekoly mampalahelo (tsy izay ny lohahevitra fa dia mba hamaliana ny fanontaniana fotsiny)...

Fijo> Na t@ 85 izany aza dia efa nanomboka nidina ny lazan'ny Paul Minault satria niseho t@ vokam-panadinana avokoa izany... ny Tale ankehitriny dia efa mpampianatra tao hatramin'izay...
32. ikaretsaka ( 30/06/2008 14:38)
prime> ka naninona no tsy sedraina sy haravona ny olana ambadika ry prime fa dia avela amin'izao fotsiny

Prime> ny propesta lazaiko dia le tsy manaraka ny rite kato, fa le le sola scriptura, tsy mino ny transubstantiation sns... (ny anglikanina manaraka)
33. lizabeth ( 30/06/2008 17:42)
ikaretsaka:

fa maninona le systeme no nanimba ra fijo... ?
de raha simba naninona no tsy namboarina



tsy ny système protestanta no manimba fa izay mitondra ilay sekoly ! marina izany na ho an'ny katolika na protestanta na ny tsy miankina ! ny mpianatry esca ve mitovy fahaizana sy laza ohatran'ny saint-michel nefa samy katolika ? ny mpianatry galliéni sy rabe ve tsy mahay ?! ireo aza no tena hitako mahay !!!
ilay laza dia misy satria ankalazaina fa rehefa zohina dia samy manana ny maharatsy sy tsara azy avy, raha ny any mada no resahiko !
34. nofinofy ( 01/07/2008 06:01)
Mahafinaritra ny ady hevitra ary misy hevitra betsaka. Miankina tamin'izay niainan'ny tsirairay sy ny nitaizana azy ny fomba fijery ary tsy misy azo omen-tsiny. Fa ny ahy ny tiako hahatongavana dia ny hoe tsaratsara raha mba alefanareo (izay mahafantatra) any amin'ireo tomponandraikitra amin'ny fampianarana ny ady hevitra raha tena hanatsara zavatra no tanjona. Misy ny DINEC (katolika io), ny FISEPA(protestanta io), tsy fantatro ny fiantso azy ho an'nireo finoana hafa(Ikaretsaka angamba mety afaka hilaza ny Anglikana), misy koa ny an'ny Adventiste, Musulman, Lutherien sns...Eto Dago satria eto aloha no nipoirantsika rehetra(na ny ankamaroantsika). Ho an'ny any ampita dia mbola ady hevitra mitohy ary mijanona ho ady hevitra sy fampitandremana ho an'ireo izay mikasa hianatra any ivelany any aminireo sekolimpinoana, mba hanomana avy hatrany ny firazanana ara-pinoana fa raha tsy izany dia VOAAVAKAVAKA SY VOAILIKA; raha tsy izany dia mijanonà eto Dago ihany na mianara amin'ny Université tsy miankina amin'ny finoana.
Fanamarihana ny ahy iny fa mitohy ihany ny ady hevitra.
35. Mandefitra ( 01/07/2008 11:00)
Za mahita hoe resaka fitantana no olana @ sekoly protestanta. mahaleo tena kokoa ny talentsekoly @ fitantanany ny sekoliny, na dia eo aza ny hoe FISEPA.
Ka tsy misy idiran ny fiangonana loatra ny @ fitantanana, na dia mahazo tsiny avy @ izany aza ny protestanta.
36. lizabeth ( 01/07/2008 11:11)
nofinofy:

Ho an'ny any ampita dia mbola ady hevitra mitohy ary mijanona ho ady hevitra sy fampitandremana ho an'ireo izay mikasa hianatra any ivelany any aminireo sekolimpinoana, mba hanomana avy hatrany ny firazanana ara-pinoana fa raha tsy izany dia VOAAVAKAVAKA SY VOAILIKA; raha tsy izany dia mijanonà eto Dago ihany na mianara amin'ny Université tsy miankina amin'ny finoana.
Fanamarihana ny ahy iny fa mitohy ihany ny ady hevitra.



arakaraka ilay hoe aiza io ! raha aty frantsa dia tsy misy miraharaha izay finoanao sy tsy finoanao izany ny sekolim-pinoana fa rehefa manana vola adoboka ao fotsiny ianao dia raisiny. ny jiosy angaha no mifidy. ny protestanta moa ohatran'ny tsy dia misy dia ohatran'ny hoe mirotra any am katolika !
tsy misy tombony mihitsy ny filazana ny fihaviana amin'ny sekolim-pinoana aty fa raha mijery palmarès dia sekoly tsy miankina no toa miteny aty...!
37. nofinofy ( 01/07/2008 12:02)
lizabeth:

nofinofy:

Ho an'ny any ampita dia mbola ady hevitra mitohy ary mijanona ho ady hevitra sy fampitandremana ho an'ireo izay mikasa hianatra any ivelany any aminireo sekolimpinoana, mba hanomana avy hatrany ny firazanana ara-pinoana fa raha tsy izany dia VOAAVAKAVAKA SY VOAILIKA; raha tsy izany dia mijanonà eto Dago ihany na mianara amin'ny Université tsy miankina amin'ny finoana.
Fanamarihana ny ahy iny fa mitohy ihany ny ady hevitra.



arakaraka ilay hoe aiza io ! raha aty frantsa dia tsy misy miraharaha izay finoanao sy tsy finoanao izany ny sekolim-pinoana fa rehefa manana vola adoboka ao fotsiny ianao dia raisiny. ny jiosy angaha no mifidy. ny protestanta moa ohatran'ny tsy dia misy dia ohatran'ny hoe mirotra any am katolika !
tsy misy tombony mihitsy ny filazana ny fihaviana amin'ny sekolim-pinoana aty fa raha mijery palmarès dia sekoly tsy miankina no toa miteny aty...!



Eny e! misaotra anao ny aminizay fanamarihana mikasika an'i lafrantsa reny malala izay, fa Ikaretsaka(moa?) no nitarika azy ity ary ny zava-miseho any Etazonia no tantaraina ka izay no nahatonga ahy hiresaka iny. Sady logique koa anie izany e! ny frantsay izao efa tsy dia miraharaha izay fivavahana any intsony oharina amin'ny Amerikanina.
38. fijo ( 02/07/2008 21:25)
ika,le rafitra protes letsy lasa mihodina amin'ny vola an.azafady hoan'ny protes fa zavatra itako izany.

ohatra iray ity,ny pasitera amina fiangonana any ambanivohitra any raha misy olana ,ka mitaraina amin'ny fohibe ,dia matetika no tsy heno mihintsy ny tarainany.
ny fiangonana eny ambanivohitry mamanay ohatra,ao ambadiky iavoloha ao,ny rakitra isak'alahady dia 10 000fmg raha be hindrindra.i rapasy nefa mba te hanao zavatra hanamboarana ny fiangonana fa efa misy hidiran'ny rano ny tafo.de nanao antso,fa he he antso an'efitra ka ny akony no miverina.

ny fiangonana ao ampahamarinana nefa ny rakitra indray alahady mahatratra 2000 000 fmg,ary io fiangonana io raha vao misy olana na diany varavaran afotsiny aza dia tonga daholo ny lehibe rehetra mifandrimbona mitady ny hamahana ny olana.
izany hoe izay fitaratra sisa no henjehana atao izay tsy ahavaky azy,fa ny fiangonana miparitaka eny rehetra eny,dia natao hanamarihan afotsiny fa misy isika naiza naiza.ny katlika nefa na dia ireo mopera kely any bekily aza no misy olan adia tonga ny rehetra mifandrimbona manohana izany.ka io resaka rafitra izay mila jeren'ny protes raha te hiverina hanana ny maha izy azy izy
39. ikaretsaka ( 03/07/2008 02:29)
hitako kao io effects an'ny rafitra io e; saika mandeha irery i dadapasy na i tale @ lafiny rehetra ka na manao izay danin'ny kibony @ resaka fanapahana ny fiangonany (raha fiangonana be manan-katao le fiangonana) na dia sahirana dia sahirana mafy tokoa (raha ilay fiangonana somary ambanivolo lavitra ireny)

ny hitako herin'io an'ny kato koa dia ilay fikambanan-drelijiozy mieli-patrana sy ny charisme-ny tsirairay avy, mis amin'izy ireny tena lasa autonome mihitsy (ireny monastere ireny ohatra) nefa manampy ny manodidina ilay tanana koa.

dia eo @ izay le heo tsaraina @ voany ny hazo.... de akory?
40. Mandefitra ( 03/07/2008 08:45)
Ny fitoriana ny filazan-tsara no vaindohandraharaha ny fiangonana aloha.
Ka raha hitsara azy, dia io no tokony tarafina voalohany .
Tsy nahomby ny protestanta t@ lafiny fampianarana, mety tsy laharam-pahamehana loatra ilay izy izany, sady nomena fahalalahana ny tale samy hampandroso ny sekoliny avy.
Izany tsy midika fa tsy mitsinjo ny resaka sosialy ny protestanta, raha tsy hiresaka afa tsy ny tobimpitsaboana loteriana eny ambohibao, na ny akany mitaiza ny moana sy ny marenina isika, ny famangiana ny voafonja, ny fanampiana ny mahantra ... na tsy dradradraina etsy sy eroa aza izany.
Resaka fintantanana io ... ataoko fa tsy dia andraikitry ny fiangonana loatra.
raha tsy nahomby ve Didier Ratsiraka t@ fitondrana @ Madagasikara dia ratsy ny Katolika zany?
Raha tsy namely Andriamanjato Richar t@ fitantanana ny Kolejy Rasalama, tsy hoe ny fjkm akory no fositra ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0553