Fivavahana sy fampianarana

81. Rasiligaoma ( 18/07/2008 03:25)
fa miresaka io ihany isika fa misy siosion- dalana havoakan'ny katolika tsy ho ela hono hoe ilaina fara faharatsiny mba misy katolika amin'ny fianakaviana na sponsorise-n'olona katolika fara faharatsiny, vao afaka mianatra amin'ny sekoly katolika ny zaza iray!
82. fijo ( 18/07/2008 21:23)
efa hiainana izany rasili an,i ari malala aza katolika nilaza fa tsy dia tiany io fomba io.tsy mbola lalana ofisialy kato io,fa efa hampiariny,eto kosa aloha dia tsy ekeko ilay asa soa ataony,satria asa soa mitongilana
83. Rasiligaoma ( 19/07/2008 05:22)
amiko ilay izy misy antony :
1) hampiriboroboana ireo sekolim-pinoana hafa, hafahafa be manko ilay hoe zanaka musulman anefa ampianariny any amin'ny katolika dia tsy mahazo mianatra katesizy hono sia tsy mahazo mivavaka alohan'ny kilasy hono (dia inona no antony hampianarana azy any?)

2) hanaporofoana hoe tsy resaka ara-bola, na matimatim-bola no fond an'ny sekoly fa mifantoka kokoa any amin'ny resaka education manaraka ilay fomba mihitsy
84. ari.malala ( 21/07/2008 07:17)
Rasiligaoma, lasa tsy mitombina intsony ilay universalité an'ny katolika (raha ny fijeriko manokana) raha tanteraka tokoa io vinavinan-dalàna teneninao io!
tena lasa manilika tsotra ftsn izao indray rahai izany mantsy! ary manahy aho fa atsy hoatsy dia hofoanana tanteraka ilay hoe sponsorisé par 1 katolika vao afaka handia fianarana tantanan'ny katolika: asa alou nefa...
85. Rasiligaoma ( 21/07/2008 13:47)
toa tsy resaka universalite loatra no tanjona fa resaka hialana amin'ilay hoe fanararaotana ataon'ny hafa finoana.

hialana ilay fomba hoe "rehefa metimety aminy dia atoniny dia rehefa tsy mety dia tsy atoniny"
resaka coexistence ilay izy izany e, mba manampy ny sasany hi existe kokoa! hanoro indrindra hoe:
-Raha te hianatra any @ katolika dia manaraka izay ataon'ny katolika, fa tsy atao fanararaotana fangalana fampianarana fotsiny ilay sekoly

-hamporisihina ireo fivavahana hafa hanangana ny sekolim-pinoany sy hampiroborobo izany ka afaka mahabe ny zanany araka ny finoany koa
86. ari.malala ( 22/07/2008 07:15)
ko nga na samy ao am sekoly katolika aza ts afaka ny hi coexister? ts haiko alou e :)
87. fijo ( 22/07/2008 21:25)
izay indrindra,fizarana fahalalana no tanjona,ka io tsy tokony hifidianana finoana.ny loza anie dia mody hiditra katolik any olonanefa ny sainy tsy ao akory e.izay vao tena ratsy ngamba le vokany.
88. ikaretsaka ( 23/07/2008 01:21)
ny fahitako an'io ry ari sy ry fijo sy ry Rasily dia mety tsy mi coexister ry zareo matoa naka io fanapahankevitra io ry kato an.

taty toa nisy resaka hoe Musulman nianatra tany @ Jiosy dia tsy nety nanala ny voaliny, dia lasa disadisa be, dia angamba nihitatra hatraty @ kato le izy hoe sao ho tratran'izany koa isika hoe prot tsa hamonjy lamesa na hianatra katesizy.
Raha ahako manokana tokoa aloha ka hoe zahako ro tompon'ny sekoly nefa ianao ro mandidy ahy @ sekoly tantanako tsary mety kosa e
89. ari.malala ( 23/07/2008 11:27)
ka le izy kosa anie alohan'ny hidirana ao amle sekoly d'efa fantatra ny conditions sns hoe raha te hianatra ao am sekoly d ts maints mianatra katesizy, mamonjy lamesa sns, d manaraka iz zan fa refa ts hanaraka d bye bye ko! otran'izany tao am la Ste, d nisy sipa karana izay nianatra tao, d hoe ts hanao tenue izy fa ramadan zareo ka tsy maints manao ny tenue any am maha karana anazy izy de mitady tsy hamonjy lamesa iany kou, fa ts nanaiky ry frères! ts maints fa nanaiky tsara enao teo ampidirana hoe hanaraka izay lalàna misy ato am sekoly d refa ts hanaraka enao d miala zany d ts maints nanaraka le sipa :)
90. Mandefitra ( 23/07/2008 11:50)
Ny fahendrena zany dia ny tsy mampiana-janaka any refa tsy Katolika ny tena.
91. ikaretsaka ( 23/07/2008 14:20)
mandefitra> izay no tanjona ange e.. fa tsy misy mi respecten'izay fa any no hifandriatana... io no tsy mazava!

ari>ka izay mihitsy ange e ..eo am-panaovana inscription de oui oui fa avy eo non non tampoka!
92. fijo ( 23/07/2008 21:26)
io voalazan'i ari io,efa hay ny lalana misy ao,ka rah ahampianatra ny zanakao any ianao ,dia tokony hivonona hanaraka ny lalana ao.raha tsy hanao izay kosa aloha dia ekeko avy hatrany ny handroahana azy.fampianarana azy mba ahay manaiky ny lalanan'ny fiarahamonia misy koa io.
fa rah aterena hoe tsimaintsy jiosy na mpino izoa ,vao mahazo mandrato fianarana atsy;izay laviko satria fanavakavahana
93. ikaretsaka ( 23/07/2008 21:49)
ka inona no ho atao izany raha ialahy ny tale?

ilay fandavana hoe mila manao an'izao vao mahazo miditra ao @ sekoly iadidian'ialahy, ka nareo izao dia tsy izao ka sarotra, raha tsy hoe hanaiky ianareo hanaraka ny didy aman-dalana mifehy ny sekoly

sa ny fanerena azy hoe tsy maintsy manaraka ianareo na tiana na tsy tiana fa te ho ato!
94. Mandefitra ( 24/07/2008 05:41)
ika:
mandefitra> izay no tanjona ange e.. fa tsy misy mi respecten'izay fa any no hifandriatana... io no tsy mazava!

Taloha ngamba zany, fa ra zao efa maro no sekoly tsara azo ampianarana ny zaza ka. Ny vola sisa no erany.
Zahay zao anisan'ireo tsy nianatra tany @ sekoly katolika mitsy, fa tsy hitako loatra izay olana.
95. ikaretsaka ( 24/07/2008 18:29)
fa de asa re... fa ireo tsy "ianao" izany no iantefan'ilay remarque
96. fijo ( 24/07/2008 20:48)
raha za no tale dia tsotra sady hentitra.
1)misokatra hoan'ny rehetra ny sekoly.

2)misy lalana ny sekoly ary ,io dia tsimaintsy arahan'ny rehetra.

3)izay tsy manaraka ny lalana misy ao amin'ny sekoly ,dia raisiko ho adidy ny manala azy tsy hanimba ny hafa.

izay,sady tsy manavaka ialahy,no mametra koa ny azon'ny rehetra atao.

fa tsy hoe silamo,na tsy mpino aho ,dia alefako hianatra any amin'ny sekoly kato ny zanako ,fa any tsara ny fampianarana,saingy tsy ekeko ny hisin'ny sary hazofijaliana ao antsekoly.

mbay ery.izay no valiny.
97. ikaretsaka ( 24/07/2008 20:58)
ary ahoana raha misy mady loha dia mandefa ny zanany any ihany nefa tsy manaiky le hazo fijaliana araka le kozin ialahy farany io?
98. ari.malala ( 25/07/2008 07:16)
ika, d asorina tsy hoanisan'ny mpianatra izy e! efa mipetraka anie le lalàna e! ary ampahafantarina azy alohan'ny idirany io! raiso otranao nanao inscription tato am serasera iany io e! nanaiky ny conditions rehetra ianao hoe tsy manao teny mamoafady sy tsy manompa olona sns d niditra enao, fa firifiry mou ny oul nanao inscription tato no ts nanaiky fa nandika ny lalàna nipetraka d nasorina! mitovy iany zany! fa ilay hoe refa tsy katolika enao na tsy sponsorizena katolika d tena manavakavaka amko! taididio fa JEsoa aza tsy nanavaka fa nampianatra ny olona rehetra, na d ireo tsy iray firenena taminy aza! iza moa isika olombelona no ho sahy hanavaka hoe enao tsy katolika d ts horaisiko? :-P
99. ikaretsaka ( 25/07/2008 22:18)
si... nisy apostoly nifam-pi sponsoriser (ry zalahy zanak'i zebedea raha tsy diso aho) niditra ho apostoly an.. ilay niteny hoe hitanay ny Mesia ...
ary tadidio fa ny an'i Mere theresa nisy soratra be tao @ biraony nanao hoe
"Not because you are catholic, but because we are catholic"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.5521