FANTARO IZAY INOANAO

1. tsiafoi1 ( 16/04/2007 13:32)
Manoloana izao karam-pivavahana maro samihafa misy @'izao fotoana izao, idd fa amin'ny lafiny christianisme, dia ataoko fa FAHENDRENA LALINA ny manadihady mba "tsy ihinana amam-bolany" ka ny farany vao ho kenda.

Ny tondro-zotra tsara idd ho antsika milaza ho kristianina, dia tsy misy afatsy ny BAIBOLY ihany. Tsy tokony atao mampifamaly na mampisaraka ny tenin'Andriamanitra, fa isaky ny loha-hevitra iray, na valin-kevitra iray mitsidika, dia aleo manontany tena foana hoe : ARAKA NY BAIBOLY VE IZANY??,
- raha ENY, Tsy iadian-kevitra fa RAISO dia AMPIARO,
- raha TSIA kosa, dia valiana tsotra hoe AOKA IHANY.

Raha misalasala ny @'izay voalazan'ny BAIBOLY, na ny Tenin'Andriamanitra isika dia,aleo mihitsy tsy miteny hoe kristianina, satria TSY MATOKY izay lazain'Andriamanitra ao amin'ny teniny. Midika TSY FINOANA IZANY.
répondu par tsiafoi1 le 21/05/2007 18:30
2. tsiafoi1 ( 16/04/2007 13:45)
Tsara tsindrina manokana ny tsy maintsy hanekena NY BAIBOLY ho FOTOTRA, satria misy amintsika ato anaty serasera :
- raha vao ilazana toko sy andininy dia sorena
- na mitsipaka izay voalazan'ny Baiboly marindrano
- na misy manolotra hevitra tsy voalaza ao anaty BAIBOLY
Eto amin'ity dinika ity izany dia tsy maintsy hamarinina amin'ny BAIBOLY avy ny teny rehetra lazaina, raha tsy izany dia AOKA IHANY !!!
3. prime ( 16/04/2007 13:48)
Misaotra... mazava tsara... ary tena itoviako hevitra tanteraka...
4. tsiafoi1 ( 16/04/2007 13:57)
Ny silamo ohatra, dia mifototra @'ny CORAN
Ary ny kristianina, moa mifototra marina @'ny BIBLE ?
FANTARO NY BAIBOLY DIA HO FANTATRAO MARINA ZAY INOANAO!:idea:
5. diamondra27 ( 16/04/2007 14:13)
mazava

6. tsiafoi1 ( 16/04/2007 14:27)
Alohan\'ny andraisana ny BAIBOLY ho FOTOTRA anefa, dia tsy aleo hodinihina aloa hoe:
- TENA TENIN\'ANDRIAMANITRA MARINA VE IO BAIBOLY IO?? na hoe
- INONA NO POROFO FA TENIN\'ANDRIAMANITRA MARINA IO FA TSY BOKY TSOTRA TOY NY BOKY REHETRA??
Arosoy ary ny valin-teny rehetra azontsika omena...
[IMG]http://smileys.inzenet.org/repository/Respect/0020.gif[/IMG]
7. ikaretsaka ( 16/04/2007 15:04)
tsiafoi1:

Ny silamo ohatra, dia mifototra @'ny CORAN
Ary ny kristianina, moa mifototra marina @'ny BIBLE ?
FANTARO NY BAIBOLY DIA HO FANTATRAO MARINA ZAY INOANAO!:idea:

ahitsiko kely
ny kristianina dia Credo( fiekem-pinoana sy fototry ny finoana) fa tsy Bible ka:

Tsy mifototra @ Coran ny silamo fa mifototra amin'ny finoana fa i tsy misy afa tsy i Allah no Andriamanitra dia i Mohamedy (Mahomet) no mpaminaniny

Tsy Voatery hifototra @ Baiboly ihany ny atao hoe kristianina fa izay mifototra @ Finoana ny hoe:
Andriamanitra Tokana Olona Telo no Andriamanitra (trinite masina) dia I kristy Sady Andriamanitra no Zanany, tonga tety antany sy nijaly dia nitsangana t@ andro fahatelo, mpamonjy antsika ... dia namela ny hafany t@ apostoly sy ny dimbiny (
8. rakaroka ( 16/04/2007 19:43)
[quote=tsiafoi1]

Ny tondro-zotra tsara idd ho antsika milaza ho kristianina, dia tsy misy afatsy ny BAIBOLY ihany. Tsy tokony atao mampifamaly na mampisaraka ny tenin'Andriamanitra, fa isaky ny loha-hevitra iray, na valin-kevitra iray mitsidika, dia aleo manontany tena foana hoe : ARAKA NY BAIBOLY VE IZANY??,
- raha ENY, Tsy iadian-kevitra fa RAISO dia AMPIARO,
- raha TSIA kosa, dia valiana tsotra hoe AOKA IHANY.

"Commentaire dirigé" monja ihany izany no resaka "atao"?...Ka maro @ blem quotidien anie no tsy misoratra direct ao @ baiboly, rahateo na ny samy mampiasa ny baiboly aza mbola samy manampy boky kely fanazavana fanampiny tahaka ny "concordance" ny témoin de Jéhovah mbola manampy boky hafa sns...
Nifototra t@ Baiboly daholo 'gné ireny fa samy nihevitra ny mahatsata ny "extrapolation 'ngamba:roll:
9. ikaretsaka ( 16/04/2007 19:46)
izay re rakaroka no nanitsiako azy io ambony io a:wink:
10. cutie ( 17/04/2007 04:13)
[quote]Tsy Voatery hifototra @ Baiboly ihany ny atao hoe kristianina fa izay mifototra @ Finoana ny hoe:
Andriamanitra Tokana Olona Telo no Andriamanitra (trinite masina) dia I kristy Sady Andriamanitra no Zanany, tonga tety antany sy nijaly dia nitsangana t@ andro fahatelo, mpamonjy antsika ... dia namela ny hafany t@ apostoly sy ny dimbiny (
11. majesty ( 17/04/2007 04:40)
Tsy ampy raha mamaky sy mihaino izay lazain'olona fotsiny mikasika ny baiboly,fa ny tena tsara dia ny manao fandinihana manokana mihitsy mikasika an'izay loha-hevitra mandeha eny rehetra eny ka amin'izay fotoana izay dia ianao ihany dia afaka ny hilaza na marina izany na diso.Mazotoa!:D
12. rakaroka ( 17/04/2007 06:17)
majesty:

Tsy ampy raha mamaky sy mihaino izay lazain'olona fotsiny mikasika ny baiboly,fa ny tena tsara dia ny manao fandinihana manokana mihitsy mikasika an'izay loha-hevitra mandeha eny rehetra eny ka amin'izay fotoana izay dia ianao ihany dia afaka ny hilaza na marina izany na diso.Mazotoa!:D

^:^^:^Ekena à 100%, sady aleo ampihariko ny réglement napetrany: Araka ny voasoratra ao anaty baiboly rahateo hoe: "FANTARO ny zavatra
REHETRA
(tsy ankanavaka io) ary tazony mafy izay tsara!:wink:
13. prime ( 17/04/2007 08:57)
Ika,rakaroka,cutie> Ny kristiana dia mino an\'i Kristy hatramin\'ny faminaniana rehetra voalaza hatramin\'ny namoronana izao tontolo izao sy ny fiainany ary ny fanjakàny any am-parany... ary izany rehetra izany dia araka izay voasoratra ao amin\'ny baiboly no hiainana azy fa raha tsy izany dia \"feno tsilo\" n\'izao tontolo izao sy ny fampianarany ka lasa takona i Kristy fa ny fahendren\'izao tontolo izao indray no lazaina fa foto-pinoana kristiana...
14. rakaroka ( 17/04/2007 10:33)
prime:

Ilay "Christ" en perso mihitsy 'ngamba no afaka hi-définir marina izay mino sy tsy mino azy, fa tsy ny tombana ivelany fanaon'ny olona :lol:
15. prime ( 17/04/2007 11:39)
rakaroka> Raha tsy mahafantatra izay inoany ny olona dia tsy misy antony ivavahana...

I Kristy mahafantatra ny Azy fa ny mpino koa mahafantatra ny Andriamaniny fa tsy mandeha ila ny finoana kristiana... raha tsy mahafantatra ny mpino iray fa voavela heloka, nohamarinin'Andriamanitra, nohamasinin'Andriamanitra, ary nomeny ny Fanahy Masina ary anisan'ny fiankaviamben'ny olom-boavonjy dia mila miverina mandinin-tena tsara fa sao lany andro manao asa soa fotsiny fa tsy manana anjara ny amin'ny fiainana mandrakizay...
16. ikaretsaka ( 17/04/2007 12:03)
prime:
rakaroka> Raha tsy mahafantatra izay inoany ny olona dia tsy misy antony ivavahana...

marina dia marina

ary izany rehetra izany dia araka izay voasoratra ao amin'ny baiboly no hiainana azy fa raha tsy izany dia "feno tsilo" n'izao tontolo izao sy ny fampianarany ka lasa takona i Kristy fa ny fahendren'izao tontolo izao indray no lazaina fa foto-pinoana kristiana...

Tsy no baiboly loatra no fahendrena kristianina amiko fa ny finoana an'i kristy aloha voalohany indrindra, ary ny fiteneany sy fampitany hafatra ho anao tsy voatery ho ao anaty baiboly ihany fa mety amin'ny alalan'ny firesahanao aminy rehefa avy mandray komonio, (ilay izy ao am-ponao iny indrindra) mety amin'ny fahitanao azy amin'ny tranga manodidina anao, ny zavaboahary sns...
Raha ao ny baiboliko tsara... raha tsy azo izy tsy maninona, fa tsy handany andro za hanao hoe nankaiza ny baiboliko teo?
17. anselme999 ( 17/04/2007 12:18)
OH!ra karetsaka enao moa tena mpino marina,fantaro aloha ny atao hoe finoana fa tsy miteniteny foana eo!
18. anselme999 ( 17/04/2007 12:18)
OH!ra karetsaka enao moa tena mpino marina,fantaro aloha ny atao hoe finoana fa tsy miteniteny foana eo!
19. prime ( 17/04/2007 12:25)
ikaretsaka:
Tsy no baiboly loatra no fahendrena kristianina amiko fa ny finoana an\'i kristy aloha voalohany indrindra, ary ny fiteneany sy fampitany hafatra ho anao tsy voatery ho ao anaty baiboly ihany fa mety amin\'ny alalan\'ny firesahanao aminy rehefa avy mandray komonio, (ilay izy ao am-ponao iny indrindra) mety amin\'ny fahitanao azy amin\'ny tranga manodidina anao, ny zavaboahary sns...
Raha ao ny baiboliko tsara... raha tsy azo izy tsy maninona, fa tsy handany andro za hanao hoe nankaiza ny baiboliko teo?
... Ekena ny voalazanao, saingy misy kely fanamarihana fotsiny hoe, fa na izay fanahy miteny aminao aza (na avy nandray komonio aza ianao) na ny tranga, na ny zavaboahary sns... tsy mandeha ho azy amin\'izao ireny fa mbola tsy maintsy hamarinina amin\'izay voasoratra ao amin\'ny soratra masina vao azo ekena tanteraka fa avy amin\'Andriamanitra marina...

Efa betsaka no naminany, nahazo tsindrimandry, niteny amin\'ny fiteny tsy fantatra... vita batisa, mpandray ary avy nohamasinina nefa rehefa zahàna amin\'ny tenin\'Andriamanitra dia hay fanahy mpamitaka efa namitsaka ela no manomboka miasa satria mitady ialàn\'ilay olona...

Ekena fa tsy handeha hitady baiboly isaky ny zava-misy fa kosa tsy hoe izay miseho dia mety avy amin\'Andriamanitra daholo ka izay saina kelin\'olombelona io no entina andrefesana ny fahendren\'Andriamanitra tsy voafetra...

Izany no mahatonga ny mpino maro ohatra tsy zakan\'ny sainy intsony ny tranga dia lazainy fa avy amin\'Andriamanitra avokoa ka mahatonga azy manontany tena hoe, fa maninona ny raiko sy ny reniko no ao anatin\'ny taona iray ohatra dia alainao avokoa?...
20. anselme999 ( 17/04/2007 12:43)
8O^:^O! ra prime sao de tafahoatra loatra le kozy lavabe ;
ny tena tsy kobonareo de hoe :ny zavatra rehetra dia avy @Andriamanitra daholo,raha ohatra ary ka esorin,Andriamanitra amin'izay toerana misy anao ve ianao de mety afaka hamaly,na ny hanao veloma ny fianakavianao akory aza tsy ho vitanao ,noho ny fahefan'Andriamanitra,IZY no mandidy ny zavatra rehetra ary avy aminy avokoa izay rehetra miseho
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0997