FANTARO IZAY INOANAO
21. ikaretsaka
(
17/04/2007 12:51)
ka hitady fanamarinana foana ve? raha misy decision tampoka hatao dia mbola hitady hoe nankaiza ny baiboliko teto ( io ilay lazaiko heo raha eo izy tsara, raha tsy eo izy tsy maninona) moa ilay voasoratra ange efa hita teto koa fa samy manana ny fomba fandraisany azy e)
dia io ilay tenin'i Md fransoa xavier tao amin'ny diariny raha te ho any Amerika izy ka lasa tany India sy Japana hoe " na te hiankandrefana aza aho dia nentin'ny tompo niantsinanana, fa tsy maninona fa nomen'ny Ray soroka mafy aho hahazaka ny jiogany sy ny lohako, ... sy le hoe tsy izay tiako foana no omen'ny tompo ahy , fa izay fantany fa ilaiko..." AMDG
zany no mahatonga ny mpino maro ohatra tsy zakan'ny sainy intsony ny tranga dia lazainy fa avy amin'Andriamanitra avokoa ka mahatonga azy manontany tena hoe, fa maninona ny raiko sy ny reniko no ao anatin'ny taona iray ohatra dia alainao avokoa?...
dia io ilay tenin'i Md fransoa xavier tao amin'ny diariny raha te ho any Amerika izy ka lasa tany India sy Japana hoe " na te hiankandrefana aza aho dia nentin'ny tompo niantsinanana, fa tsy maninona fa nomen'ny Ray soroka mafy aho hahazaka ny jiogany sy ny lohako, ... sy le hoe tsy izay tiako foana no omen'ny tompo ahy , fa izay fantany fa ilaiko..." AMDG
22. cutie
(
17/04/2007 14:53)
prime [ Valio ] 17-04-2007 10:57:31
Lohateny : Re : FANTARO IZAY INOANAO
Ika,rakaroka,cutie> Ny kristiana dia mino an'i Kristy hatramin'ny faminaniana rehetra voalaza hatramin'ny namoronana izao tontolo izao sy ny fiainany ary ny fanjakàny any am-parany... ary izany rehetra izany dia araka izay voasoratra ao amin'ny baiboly no hiainana azy fa raha tsy izany dia "feno tsilo" n'izao tontolo izao sy ny fampianarany ka lasa takona i Kristy fa ny fahendren'izao tontolo izao indray no lazaina fa foto-pinoana kristiana
nga tsy ny testamenta vao2 no arahin'i kristiana :roll:
23. tsiafoi1
(
17/04/2007 15:05)
Ny fisian\'ny boky maro samihafa milazalaza ny momba an\'Andriamanitra, na Jesoa Kristy, ny ny Fanahy Masina, dia tsy mahafoana velively ny BAIBOLY akory. Commentaires bibliques, na interprétations bibliques ihany izy rehetra ireny, izany hoe miankina amin\'ny inspiration sy ny fahitan\'ny mpanoratra ts11 avy ny baiboly.
FINOANA = FANEKENA NY ZAVATRA TSY HITA
BAIBOLY = Boky 66 mitambatra, ho an\'ny baiboly catholique dia miampy io
1) boky mirakitra ny tantaram-piainan\'ireo izay nanana fifandraisana mivantana na tsia tamin\'Andriamanitra : TANTARA I-2 ; SAMOELA 1-2 ; JOSOA, JOBA...
2) boky mirakitra làlam-pisoronana : LEVITIKOSY...
3) boky mirakitra ny faminan\'ireo izay nahita vision avy tamin\'Andriamanitra : ISAIA - JEREMIA - APOKALYPSY...
4) boky mirakitra Vavaka sy hira fiderana an\'Andriamanitra : SALAMO

24. ikaretsaka
(
17/04/2007 15:09)
prime. ny tsy azoko kely fa mba raha tsy mampaninona dia mba velabelarina indray (azafady eee) dia hoe t@ ny nisafidy hoe ireto aby ny boky atambatra ho baiboly .. dia nisy kaonsily nanapahana izany. ary efa siekla 2 mahery taty afara vao nanomboka nitsiry ilay hevitra. tsy nisy apostoly na olombelona niara niaina tamin'i jesoa sy ny apostoly nahita an'izy ireo mivantana fa nisy olona maromaro nivory izay efa dimbin'i piera no nitarika azy ... izay nisy ny "fanahy masina" no nanapaka hoe ireto aby no atao ao ... dia nekena ilay izy.
dia mba lasa ny saiko hoe ka saika mba hanontany anao symiandry valiny am-po hoe : rehefa inona ilay kaonsily no ekena dia rehefa inona no tsy ekena, dia rehefa inona no "araky ny fanahy masina" dia rehefa inona no tsia?

25. cutie
(
17/04/2007 15:17)
izany hoe miankina amin'ny inspiration sy ny fahitan'ny mpanoratra ts11 avy ny baiboly.
hay ve fa tsy TA ndray nga :roll:
26. ikaretsaka
(
17/04/2007 15:43)
tsiafoy> 46 fa tsy 66 ka:wink: 46 ny an'ny katolika fa 37 ny an'ny propesta! (indrokelin'ny mpandrafitra iny)
-Tsisy Bokin'i Maccabees 1 sy 2 ny propesta (izay milaza bebe kokoa ny momban'ny afo fandiovana)
-Tsisy Baruch
-Tsisy Tobita. tsisy Jodita
-Tsisy ny "bokin'ny Fahendrena" (an'i salomona)
-Bokin'i Siraka
_nesorina ny toko sasany amin'ny Bokin'i Estera
-Ny salamo faha 151
-Ny bokin'i Manasse
-Ny bokin'i Jude
-ny epistilin'i Jakoba (James)
http://en.wikipedia.org/wiki/Books_of_the_Bible

27. rakaroka
(
17/04/2007 21:36)
Kay ilay baiboly natao ifotorana mihitsy no tsy mitovy izany koa ny an'ny sasany toa nahafahana raha izany:roll::roll::?::?:
28. ikaretsaka
(
17/04/2007 22:49)
ka nanimba ny teoria hono e:
izay no ilazako hoe feno ve? nefa nanesorana?
otran'ny contradictoire be zany ny andry zareo e... aoka izay mahay hanazava raha diso izany fihevitro izany

29. rakaroka
(
17/04/2007 22:58)
[quote=prime]
Asa koa!...Nahoana moa no napetraka ity lohahevitra ity raha efa fantatry ny olona izay inoany?:roll::?:
Toa nisy fotoan'andro tokoa naha irery an'i Jesoa an!
Azon'ny olona ve ny tiany ho lazaina?... tamin'izany ary ankehitriny?....
Fa ny finoana tsy misy asa dia maty momoka
rakaroka> Raha tsy mahafantatra izay inoany ny olona dia tsy misy antony ivavahana...
Asa koa!...Nahoana moa no napetraka ity lohahevitra ity raha efa fantatry ny olona izay inoany?:roll::?:
I Kristy mahafantatra ny Azy fa ny mpino koa mahafantatra ny Andriamaniny fa tsy mandeha ila ny finoana kristiana...
Toa nisy fotoan'andro tokoa naha irery an'i Jesoa an!
Azon'ny olona ve ny tiany ho lazaina?... tamin'izany ary ankehitriny?....
raha tsy mahafantatra ny mpino iray fa voavela heloka, nohamarinin'Andriamanitra, nohamasinin'Andriamanitra, ary nomeny ny Fanahy Masina ary anisan'ny fiankaviamben'ny olom-boavonjy dia mila miverina mandinin-tena tsara fa sao lany andro manao asa soa fotsiny fa tsy manana anjara ny amin'ny fiainana mandrakizay...
Fa ny finoana tsy misy asa dia maty momoka
30. ikaretsaka
(
17/04/2007 23:41)
rakaroka:
Fa ny finoana tsy misy asa dia maty momoka
marina...:wink:
ary ny \"asa\" araka ny finoana dia tsy voafetra amin\'ny ny fitsiponana andalana ao amin\'ny baiboly sy ny fanaovana toriteny lava sy fiapangana olona hoe rehefa tsy mitovy fijery aminay dia mpanota .. zahay nibebaka sns...
fa miala amin\'ny fanasoavana ny mpiara belona sy ny ohatra atao amin\'ny fiainana andavanandro.
31. cutie
(
18/04/2007 00:17)
Hoy i rakaroka:
Fa ny finoana tsy misy asa dia maty momoka
araky le hira zay we " practise what you preach ":lol:
32. tsiafoi1
(
18/04/2007 07:06)
tsiafoy> 46 fa tsy 66 ka 46 ny an'ny katolika fa 37 ny an'ny propesta! (indrokelin'ny mpandrafitra iny)
Bold textUnderlined text66 ny boky mitambatra ao amin'ny BAIBOLY iraisan'ny kristianina rehetra, akoatry ny baiboly catholique izay miampy ireo antsoina hoe deterokanonika
Ireto avy ireo boky 66 ireo, ary mbola omeko miaraka amin'ny bibliographie tss11 sy ny vanim-potoana nanoratana azy :
Bold textUnderlined textTestameta taloha : Boky 39
1- GENESISY : FIANDOHANA
2- EKSODOSY : FAHAFAHANA
3- LEVITIKOSY : FISORONANA
4- NOMERY: FANISANA
5- DEOTERONOMIA : FAMERENAN-TENY
6- JOSOA
7- MPITSARA
8- ROTA
9- SAMOELA I
10- SAMOELA II
11- MPANJAKA I
12- MPANJAKA II
13- TANTARA I
14- TANTARA II
15- EZRA
16- NEHEMIA
17- ESTERA
18- JOBA
19- SALAMO
20- OHABOLANA
21- MPITORITENY
22- TONONKIRAN'iSOLOMONA36) ZEFANIA
23- ISAIA
24- JEREMIA
25- FITOMANIANA
26- EZEKIELA
27- DANIELA
28- HOSEA
29- JOELA
30- AMOSA
31- OBADIA
32- JONA
33- MIKA
34- NAHOMA
35- HABAKOKA
36- ZEFANIA
37- HAGAY
38- ZAKARIA
39- MALAKIA
Bold textUnderlined textTestamenta vaovao:Boky 27
1- MATIO
2- MARKA
3- LIOKA
4- JAONA
5- ASAN'NY APOSTOLY
6- ROMANA
7- KORINTIANA I
8- KORINTIANA II
9- GALATIANA
10- EFESIANA
11- FILIPIANA
12- KOLOSIANA
13- TESALONIANINA I
14- TESALONIANINA II
15- TIMOTY I
16- TIMOTY II
17- TITOSY
18- FILEMONA
19- HEBREO
20- JAKOBA
21- PETERA I
22- PETERA II
23- JAONA I
24- JAONA II
25- JAONA III
26- JODA
27- APOKALYPSY
33. tsiafoi1
(
18/04/2007 07:29)
Karetsaka : Tsy no baiboly loatra no fahendrena kristianina amiko fa ny finoana an'i kristy aloha voalohany indrindra
Ka hono hoa ry Karetsaka a, taiza no nahalalanao ny momba an'i Kristy??:-/
Ny fahalalanao, na ny FAHATSAPANAO an'i Kristy no NITERAKA NY FINOANAO azy. Izany FAHATSAPANA izany anefa dia NIAINGA mandrakariva t@'ny FANDRENESANA, na ny FIHAINOANA, na ny FAMAKINAO NY TENIN'ANDRIAMANITRA, satria tsy nisy niaina ny vanim-potoana niainan'Jesoa isika, fa t@'ny alalan'ny BAIBOLY sy ny boky maro samihafa mijoro vavolombelona no nahalalantsika an'iJesoa, ka nanandramantsika ny fisiany, ary niteraka ny finoantsika Azy.
Noho izany ry Karetsaka, mitombina mandrakariva fa Tondro-zotran'ny fahendrena kristianina ny BAIBOLY na 66 izy io na 47. Aleo dinihina sy trandrahana fa fahendrena izany ary tsy mahadiso.

34. tsiafoi1
(
18/04/2007 08:19)
FINOANA = FANEKENA NY ZAVATRA TSY HITA
- ohatra hoe tsy nisy nahita an\'i JESOA KRISTY afatsy izay niaina t@\'ny vanim-potoana nisiany, fa manaiky isika kristianina ankehitriny fa misy Izy. Ny vondron\'ireo mpino ato no atao hoe KRISTIANINA
- ohatra hoe tsy nisy nahita ny Andriamanitry Boudha, fa manaiky ireo antokon\'olona mpanaraka azy ankehitriny fa misy izany. Ny vondron\'ireo mpino an\'ity no atao hoe BODISTA
- ohatra hoe tsy nisy nahita an\'i Satan, fa manaiky ireo antokon\'olona mpanaraka izany fa misy izy (Cf Eglise du Satan any Hollywood. Ny vondron\'ireo mpino ato no atao hoe SATANISTA
- tsy nisy nahita an\'i Allah, fa manaiky ireo mpanaraka azy fa misy Izy... Ny vondron\'ireo mpino ato no antsoina hoe SILAMO...sns
Misy ny KARAZAM-PINOANA, izay miteraka KARAZAM-PIANGONANA na KARAZAM-PIVAVAHANA
Fa ny TENA OLANA ho antsika KRISTIANINA, milaza va IRAY ANDRIAMANITRA (TELO IZAY IRAY, na ny TRINITE MASINA = izay tokony fototra ijoroan\'ny finoantsika), nahoana no misy KARAZAM-PIANGONANA na ANTOKOM-PIVAVAHANA MARO MIPOITRA ATO AMINTSIKA??
Satria NY FIANGONANA = VONDRON\'OLONA MANARAKA KARAZAM-PINOANA IRAY, midika izany fa misy OLANA ao sehatry ny kristianisma. Ary raha misy ny OLANA, ka tiana hovahana, tsy maintsy fantarina ny FOTOTRY NY OLANA

35. tsiafoi1
(
18/04/2007 08:45)
Karetsaka , Cutie : Marina TSY HOE FINOANA AKORY NY BAIBOLY, fa ny tiako hotenenina dia hoe TENY FOTOTRA NIPOIRAN'NY FINOANA, na mahitsy kokoa hoe TONDRO ZOTRAN'NY FINOANA KRISTIANINA. Tao anatin'ny baiboly no nahalalantsika an'ANDRIAMANITRA TELO IZAY IRAY, na ny TRINITE MASINA.Ary tsy misy afaka manda izany.
Matoa misy ny OLANA eo amin'ny Kristianisma, dia any amin'ny FANDRAISANA IO TENY FOTOTRA IO no mahatonga izany OLANA izany, satria ny BAIBOLY tsy niova h@'izay ka h@'izao GENESISY - APOKALIPSY

36. pissoa
(
18/04/2007 09:01)
Tsiafoi1 : Vao eo ambony ianao dia efa mampiseho fa NIOVA io baiboly io ! Misy nanalana ny sasany ! :-D:-D:-D [aza manao tsianjery loatra]
Amin'ny hafa koa (ny anay ohatra) dia tsy ny Baiboly ihany no hanovozana ny harena amin'ny mahaKristianina ! Ohatra fotsiny amin'zany ny tradition ao amin'ny fiangonana (traditions = lovantsofina niampita hatramin'ny ela) ...
Ny Baiboly dia MANAMPY fa mety tsy ilaina akory amin'ny finoana sy fanarahana an'i Kristy. Ohatra : Nanana Baiboly ve ry Tsiafoi ny Kristianina taloha be ? Izany hoe tamin'i Kristy vao niala tamin'ny endrika NOFO. Sao tsy nanana akory izy ireo fa ny apostoly no nandeha nitety tanana ka nahatonga azy ireo ho Kristianina ... Ka tsy Kristianina ve izany izy ireo ? Sa ianareo amin'izao "Fotoana" izao no tena Kristianina satria ianareo "manana baiboly" fa izy ireo ... sarintsarina Kristianina fotsiny ihany ? [Fanontaniana efa nandeha teto io averiko io fa mbola tsy voavaly :-D:-D:-D]

37. tsiafoi1
(
18/04/2007 09:56)
Pissoa : Tena nanana baiboly tokoa ny olona taloha, fa saingy tsy avy hatrany dia an-taratasy tsara tarehy toy ny antsika ankehitriny,
Fa ny Soratra masina fahiny (satria io no teny nentina nilaza ny baiboly T@\'izany)dia voasoratra tamin\'ny vato, na ny tanimanga, jereo ange ao @\'ny Eksody 31/18 - Deotoronoma 27/2-3. Ny \"horonan-koditra no nandimby izany, ohatra malaza ny horonan-koditra\" hita tao @\'ny ranomasina maty, izay mitahiry ny bokin\'i Isaie Mpaminany manontolo, izay tsy latsaky ny 6.40m ny halavany. Tehirizina ao amin\'ny Musée du Livre ao Jerosalema izy ireny ankehitriny. Nandimby ny horonan-koditra ny \"papyrus\", nanahirana tokoa izy io satria nahatratra 11m no nilaina nitahirizana evanjely iray. Taon-jato faharoa taty aorian\'i Jesoa Kristy vao natambatra ho \"codice\" ireny \"papyrus ireny dia nozairina, t@\'io taon-jato faharoa io koa no nipoitra ny boky hoditr\'ondry manify. Tamin\'ny taon-jato faha-13 vao natao an-taratasy ny Soratra Masina na dia efa t@\'ny taon-jato faha-8 aza no nahavita taratasy rizareo tany chine. Ny 1448 vao tena voatonta toy izao ahitantsika ankehitriny izao ny Baiboly, ary Gutemberg no mpamorona fanotam-printy t@\'izany.
Tokony tsy ho adinoana raha mandalina ny tantara sy ny Soratra Masina, fa ny taona 1500 talohan\'i Kristy, izany hoe tamin\'ny andron\'i Moizy no efa nampiasan\'ny olombelona ny alfabeta \"protosinaïque\", izay fototry ny alfabeta ampiasaintsika ankehitriny. Nodimbiasan\'ny alfabeta \"cunéiforme\", sy ny \"hiérogliphes\" izany. Efa ela no nanoratra ny olombelona.
Hamaranako azy raha nampianatra Jesoa sy ireo apostoly namany, dia mazana namaky ny Soratra Masina izy ireo t@\'izany (Ny Testamenta Taloha io Soratra Masina) voalaza io

38. pissoa
(
18/04/2007 10:20)
mampihomehy ianao :-D:-D:-D
Eny nanana ny Testamenta Taloha tokoa ny olona "Taloha" ! Fa jereo indray ny famaritanao ny atao hoe Baiboly etsy ambony ! Ny Evanjely araka ny nanoratan'i Joany azy ohatra dia efa vita ny Evanjely telo nosoratan'ny telo hafa vao nosoratany io ... izany hoe tsy nananan'ny olona io tamin'izany fotoana izany !
Izany hoe tsy nanana io baiboly nofaritanao lava be io ry zareo tamin'izany ! Tsy nanana ny TESTAMENTA VAOVAO, izay mirakitra bebe kokoa sy explicit ny momba an'i Kristy, ampiasaintsika amin'izao izy ireo ! Saingy tsy nanakana azy tsy ho Kristianina izany ... ary heveriko hoe tena Kristinina izy ireo fa tsy Kristianina tapany na dia tapatapany koa aza ny Baiboliny :-D:-D:-D

tsiafoi1:
BAIBOLY = Boky 66 mitambatra, ho an'ny baiboly catholique dia miampy io
1) boky mirakitra ny tantaram-piainan'ireo izay nanana fifandraisana mivantana na tsia tamin'Andriamanitra : TANTARA I-2 ; SAMOELA 1-2 ; JOSOA, JOBA...
2) boky mirakitra làlam-pisoronana : LEVITIKOSY...
3) boky mirakitra ny faminan'ireo izay nahita vision avy tamin'Andriamanitra : ISAIA - JEREMIA - APOKALYPSY...
4) boky mirakitra Vavaka sy hira fiderana an'Andriamanitra : SALAMO
tsiafoi1:
66 ny boky mitambatra ao amin'ny BAIBOLY iraisan'ny kristianina rehetra, akoatry ny baiboly catholique izay miampy ireo antsoina hoe deterokanonika
Ireto avy ireo boky 66 ireo, ary mbola omeko miaraka amin'ny bibliographie tss11 sy ny vanim-potoana nanoratana azy :
Testameta taloha : Boky 39
1- GENESISY : FIANDOHANA
2- EKSODOSY : FAHAFAHANA
3- LEVITIKOSY : FISORONANA
4- NOMERY: FANISANA
5- DEOTERONOMIA : FAMERENAN-TENY
6- JOSOA
7- MPITSARA
8- ROTA
9- SAMOELA I
10- SAMOELA II
11- MPANJAKA I
12- MPANJAKA II
13- TANTARA I
14- TANTARA II
15- EZRA
16- NEHEMIA
17- ESTERA
18- JOBA
19- SALAMO
20- OHABOLANA
21- MPITORITENY
22- TONONKIRAN'iSOLOMONA36) ZEFANIA
23- ISAIA
24- JEREMIA
25- FITOMANIANA
26- EZEKIELA
27- DANIELA
28- HOSEA
29- JOELA
30- AMOSA
31- OBADIA
32- JONA
33- MIKA
34- NAHOMA
35- HABAKOKA
36- ZEFANIA
37- HAGAY
38- ZAKARIA
39- MALAKIA
Testamenta vaovao:Boky 27
1- MATIO
2- MARKA
3- LIOKA
4- JAONA
5- ASAN'NY APOSTOLY
6- ROMANA
7- KORINTIANA I
8- KORINTIANA II
9- GALATIANA
10- EFESIANA
11- FILIPIANA
12- KOLOSIANA
13- TESALONIANINA I
14- TESALONIANINA II
15- TIMOTY I
16- TIMOTY II
17- TITOSY
18- FILEMONA
19- HEBREO
20- JAKOBA
21- PETERA I
22- PETERA II
23- JAONA I
24- JAONA II
25- JAONA III
26- JODA
27- APOKALYPSY
39. tsiafoi1
(
18/04/2007 11:36)
Pissoa : Raha mijery ny tantaran'ny Soratra Masina, dia tsy afa-miala @'ny mari-drefin'ny tantara izany hoe : NY TALOHA SY TAORIAN'i JESOA KRISTY.
- TALOHAN'I JESOA KRISTY HATRAMIN'NY ANDRO NAHAVELOMAN'I JESOA TOMPO: Nanoratra ny Testamenta taloha ireo Patriarika, Mpaminany ary Mpanjaka lehibe (Moizy, Josoa, Esdras, Natana, Solomon, David, Isaie, Jeremie, Nehémie, Amos,...)vavolombelon'ny fiarahana tamin'Andriamanitra tamin'izany fotoana izany,ireny no natambatra ho Testamenta Taloha, izay mirakitra fanambarana na fanomanana ny fiavian'iMesia amin'ny ankampobeny. Io TESTAMENTA TALOHA io no nampiasaina hatreo amin'ny andro nahaveloman'i Kristy sy ireo Apostoly izany.
- TAORIAN'i JESOA KRISTY:nanoratra ny fiaim-piainana sy ny zava-nisy niarahany tamin'i Jesoa ireo mpianatry ny Tompo izay antsoina hoe apostoly tamin'izany (Mathieu, Marc, Luc, John, Paul,Pierre, Jacob, Jude) ka nijoro vavolombelona tamin'ny zavatra hitany sy niainany. Ireny no natambatra ho TESTAMENTA VAOVAO
Nantsoina hoe TESTAMENTA satria mirakitra LOVA sarobidy ho an'ny taranaka aty aoriana, ka tsy tokony hatao antsirambina na tsinontsiniavina.

40. ikaretsaka
(
18/04/2007 12:18)
tsiafoi> fanamarihana kely miaro fanontaniaa :
tsy baiboly no nentin'ny olona taloha nitoriteny fa amin'izao fotsiny na t@ asa na alalan'ny sary vongana tamin'izany andro izany.. tsy nisy an'i jesoa na i piera
nitondra baiboly teny ivelany izany mihitsy ka nampiasa fitsimponana andininyyy!Tao am-piangonana (sinagoga) de ie!
ny fanaovana toko sy andininy tao amin'ny baiboly aza efa taty aoriana be vao nisy
dia ny tsy azoko koa dia maninona ireto no nesorina:
TAORIAN'I JESOA KRISTY
Fanamarihana: (iLioka sy Marka aloha tsy Apostoly fa niaraka akaiky taminy Jesoa sy ny apostoly fotsiny )
Taorianan'i Jesoa niakatra any an-danitra dia nanoratra daholo ny olona rehetra izay nahita ny nataony sy ny apostoly (karazan'ny nijoro vavolombelona) fa dia Konsily no nijerevana hoe ity atao ao anatin'ilay boky hoe testamenta vaovao dia ity tsy atao.

Tsisy Bokin'i Maccabees 1 sy 2 ny propesta (izay milaza bebe kokoa ny momban'ny afo fandiovana)