FANTARO IZAY INOANAO

61. ikaretsaka ( 20/04/2007 22:51)
ary tsy forum ilay izy fa toriteny na blogy .. raha kabary tsy valiana izany
62. tywa68 ( 21/04/2007 08:28)
ouf ! ka samy afa-pò ve zany t@ireo valiny isakarazany ireo ? sa reraka dia mbola hiverina hanohy :lol::-D
63. xxx ( 21/04/2007 14:22)
Izy ty koa anie tokony tsy io ny lohahevitra fa amiko dia misandrahaka be izany hoe fantaro izay inoanao na Bodiste sy silamo sy ny christianina d tokony afaka handray anjara fatsy voatokana ho christianina fotsiny raha io ny lohahevitra ...
64. cutie ( 21/04/2007 16:13)
xxx:-*
65. tsiafoi1 ( 23/04/2007 09:34)
Mazava anie ny teniko any aloa any e! Misy tokoa ny karazam-pinoana maro be, Bodista, Silamo, Kristianina, Hindoista, Satanista, Sampy sns... Samy manana izay ITOKIANY sy INOANY ny ts11 avy...

Fa mazava ny petra-kevitra any amboalohany (jereo tamin'ny 16-04-07) fa Manoloana ny karazam-pivavahana izay mipoitra avy ao anatin'ny Kristianisma fa tsy karazam-pinoana akory, DIA inona no tokony ho atao satria tokony ho IRAY NY FINOANA KRISTIANISMA, SATRIA IRAY ANDRIAMANITRA, IRAY NY TOMPO dia JESOA KRISTY, iray ny FANAHY MASINA, koa nahoana kosa no misy KARAZAM-PIVAVAHANA mipoitra avy ao anaty Kristianisma, izay efa miotran'ny 250 ankehitriny???
66. tsiafoi1 ( 23/04/2007 09:44)
Misokatra ho an'ny Karazam-pivavahana rehetra mitonona ho Kristianinaity loha-hevitra ity

Ary mba hisian'ny fifanajana eo ami'ny ts11 mpandray anjara, dia aleo tsy hanindraindra anaram-piangonana na anaram-pivavahana ny ts11 avy.
67. tsiafoi1 ( 23/04/2007 09:51)
Raha manahirana antsika ary dia TOVANO AN'ERITRERITRA HOE :

FANTARO IZAY INOANAO RY KRISTIANINA O!
68. ikaretsaka ( 23/04/2007 12:29)
hay ve..
raha izay dia ny ahy ny finoako raha kristianina dia mifototra @ credo ('Zaho mino an'Andriamanaitra ) ary fa tsy any @ baiboly fotsiny.
Raha mifototra @ baiboly manko dia i satana koa mampiasa an'io t@ izy naka fanahy ny tompo. ary na iza na iza nampiasa aby, na ny silamo na ny baha'i
fa izy tsy nanao fiekem-pinoana amin'ilay an'ny kristianina.
69. tsiafoi1 ( 24/04/2007 11:52)
Saingy aoka tsy ho adinontsika fa raha nalain'i Satana fanahy ny Tompo Jesoa dia tsy mba adinony mihitsy ny niteny hoe : Fa voasoratra hoe ... ary dia nampisongadina andalan-teny tao amin'ny Soratra Masina "Torah" mandrakariva Izy.
70. dadie ( 24/04/2007 11:57)
tsiafoi> hihihihi,mahay soratra masina b dry an :-*
71. niryna ( 24/04/2007 13:13)
tsiafoi1:

Misokatra ho an'ny Karazam-pivavahana rehetra mitonona ho Kristianinaity loha-hevitra ity

Ary mba hisian'ny fifanajana eo ami'ny ts11 mpandray anjara, dia aleo tsy hanindraindra anaram-piangonana na anaram-pivavahana ny ts11 avy.



=D=D=D misaotra aky nizara a
niryna
72. ikaretsaka ( 24/04/2007 15:00)
Hoy i tsiafoi1:
Misokatra ho an'ny Karazam-pivavahana rehetra mitonona ho Kristianinaity loha-hevitra ity

hafahafa be le filazanao azy!
le rehetra de avy eo ndray fehezina!
73. rakaroka ( 25/04/2007 22:56)
tsiafoi1:

Raha manahirana antsika ary dia TOVANO AN'ERITRERITRA HOE :

FANTARO IZAY INOANAO RY KRISTIANINA O!



Ny olana fototra dia eo @ tsy fitovizana fiheverana!
Aoka hitandrina fatratra isika mihevi-tena fa "tsy misy fijery mitombina" raha tsy ny fihevintsika... Tsy dia "adala" na naifik'Atra avokoa ny "reste du monde"
Ny "enjeu" goavana dia mety hi-se trouver @ "fihavahana" ary any @ "sens" mampihaotra ny mpitazana ivelany ny "fiheverany" antsika!
Ny marina raha teo @ sehatra nolalovako: tsy i Jesoa irery monja no noheverin'ny karazan'olona maro fa "Christ"...fa na ry "Joseph Smith" sy ny marobe
tsy hotanisaiko eto dia mihevitra toa anareo izao daholo. Ary rizareo aza no midehaka ho "vrai".
Raha raisina koa ny resaky Ika etsy ambony dia tsy
voafaritra sy voafetran'ny baiboly ny "balise" maha "kristiana ny kristiana" rahateo tsy natao arahina ara-bakinteny angamba izany fa samy manana ny hiheverany azy sy ny mety aminy. Ka eo no angatahana ny "intervention"ny fanahy Masina angamba
hoe mba hitsilo tanteraka ny fiainan'ny kristiana tsy
@ alalan'ny baiboly ihany fa araka ny teny hoe:" ny zavatra rehetra(tsy an-kanavaka) miara miasa ahasoa izay tia an'Atra...sns blablabla haintsika tsianjery!:wink:
74. tsiafoi1 ( 30/04/2007 10:22)
Eo ampianarana ny Soratra Masina isika, dia tsara mandrakariva, ny mamantatra :
- Iza no mpanoratra, na hoe iza no miteny ?
- Inona no ventin-kevitra fonosin\'ny toko (chapitre)iray manontolo ?
- Ny vanim-potoana resahina ... ?

Satria ny TENY na eo @\'ny fiainana andavan\'andro fotsiny aza, dia tsy mitovy ny heriny (valeur), na dia mitovy izao aza no nampiasaina azy.Ohatra raha ny filoham-pirenena no miteny azy dia manan-danja kokoa noho ny teny tenen\'ny zaza iray eny ampilalaovana. Noho izany tsara ny fahafantarana ilay niteny, mba hahafantarana izay hevitra fonosin\'ny TENY IRAY.
75. tsiafoi1 ( 30/04/2007 11:22)
Indro ary atombontsika eto ireo boky mandrakitra ny BAIBOLY :

1- GENESE : FIANDOHANA
- Mpanoratra: MOISE(Nalaina t@'ny rano)
- Asan'ny Mpanoratra :Mpitondra fanjakana ambony tany Egypte, nanana ny fahalalana ny siansa
- Ventin-kevitra fonosiny : Mitantara ny fiandohan'izao tontolo izao ; Ny faharatsiana ; Ny vahoaka Jiosy.
- Fotoana nanoratana azy : Nandritra ny niandrasany ondry tany Médian 1500-1400
2- EXODE : FAHAFAHANA
- Mpanoratra: MOISE(Nalaina t@'ny rano)
- Asan'ny Mpanoratra :Mpitondra fanjakana
ambony tany Egypte, nanana ny fahalalana ny
siansa
- Fotoana nanoratana azy : Nandritra ny dia ho any Canaan 1500-1400
- Ventin-kevitra fonosiny : Mitantara ny fivoahan'ny zanak'Israely tany Egypte.
76. Rasiligaoma ( 30/04/2007 14:54)
ilay ary @ ilay fanapahana hevitra hoe ireto aby ny boky havondrona ho lasa baiboly no mahaliana...
sy le hoe maninona i tobia sy jodita sy ry maccabes no tsy natao tao ho an'ny finoana sasany!
ahoana i tsiafoy @ ireo?8)
77. tsiafoi1 ( 02/05/2007 09:30)
Ny fanapanaha hoe ireto avy no boky avondrona ho Baiboly, dia nataon'ireo mpandalina ara-pivavahana jiosy 70 lahy t@'ny concil des septantes. Amin'izy ireo dia Apocriphes ihany ny bokin'ny tobia, jodita, maccabes sns, dia nekena eran-tany ireo.
78. tsiafoi1 ( 02/05/2007 16:15)
Misy tiako ahitsy izay voambara teo aloha :

Ny BAIBOLY ampiasain'ny protestana sy ny tariny ankehitriny, dia nadika t@'ny bible hébraïque (Torah, Prophète, les écrits)dika teny hebreo, zany hoe ireo testamenta taloha, miampy ny testamenta vaovao. Rehefa vita ny traduction dia nisy concil na convention t@'izany no nanapaka fa ireo no boky avondrona ho baiboly, ary dia nekena eran-tany izany. Na dia ny fivavahana katolika t@'izany aza dia nanaiky tanteraka izany. Ka io no nantsoina hoe premier canon.

T@'ny fandikana ny bible hebraïque ho @'ny teny grika, dia nisy ireo manampahaizana jiosy 70 na 72 lahy nandika izany tao anatin'ny 72jours (septantes), araka ny fahaizany azy. Vokatr'ilay traduction dia lasa niampy an'ireo bokin'ny tobia, jodita, maccabe sns... ireo indray ilay premier canon. Marihina fa tsy nisy an'ireo mihitsy ny traduction hebraïque voalohany. Ary ny concil de 30 t@'ny 1546 rehefa nanao études tao anatin'ny 12 siècles no nanapaka ny hampidirana an'ireo antsoina ho apocriphes ireo tao anaty baiboly katolika, ny antony moa tsy fantatro fa azy ireo nanapaka izay no mahafantatra azy, kanefa na dia izany aza dia mbola tsy nampidirina tao ihany koa ny bokin'i Esdras sy Prière de Manassé.

Ny votoatin-kevitr'ireo boky apocripheS na pseudo-canoniques ireo dia miresaka momba ny réincarnation, ny immortalité des âmes, mba hanamafisana fa mbola afaka mitahy ny maty (lazaina hoe olo-masina) sns, izay misalovana tanteraka ny toeran'i Jesoa Kristy.
79. ikaretsaka ( 04/05/2007 00:14)
ka tsy hay intsony anie ny tian;i tsiafoy hahatongavana e..
tantaram-baiboly sa tantaram-pinoana sa inona... misangojy be ity niafarany
80. tsiafoi1 ( 04/05/2007 09:28)
ikaretsaka a!: Ise kosa e!"Fantaro izay inoana" zay le izy, ka raha miresaka ny tantaran'ny baiboly, fa inona moa ny baiboly ? moa tsy Tenin'Andriamanitra!!. Ny fahalalana ny baiboly sy ny fiandohany moa tsy manamafy orina @'ny fahalalana izay inoana ?

"Fantaro ny zavatra rehetra, hazony mafy izay tsara", fa aza mihinana amam-bolony toy ny jamba sy mondry.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0084