FANTARO IZAY INOANAO
41. tsiafoi1
(
18/04/2007 12:20)
rakaroka : Mety azo raisina ho commentaire dirigé ihany izy ity raha izay no tianao. Satria amiko sarotra ny hiresaka zavatra tsy hay.
Betsaka tokoa ny karazam-pinoana, fa ho ahy manokana izay nanolotra ny loha-hevitra, dia tsy afaka hiresaka ankoatran'ny kristianina sy ny tontolon'ny Soratra Masina aho satria izay no maha-resy lahatra ahy sy mba ananako sombim-pahalalana kelY.

42. ikaretsaka
(
18/04/2007 12:32)
tsiafoy> dia tokony faritanao mazava hoe kristianina.. dia tokony mbola ampiana hoe biblika evanjelika.. protestanta ilay izy!
izay hita tsara hoe ato no ho velabelarina.. fa tsy raisina amin'ny ambangovangony fotsiny
izay hita tsara hoe ato no ho velabelarina.. fa tsy raisina amin'ny ambangovangony fotsiny
43. ikaretsaka
(
18/04/2007 12:34)
io le teneniko foana hoe aza matahotra ny mijoro amin'ilay finoana misy anao :
Raha misy manontany dia ataovy hoe
Anarana: Kristianina,
Fanampiny (raha ny ahy) Katolika Zezoita
Raha misy manontany dia ataovy hoe
Anarana: Kristianina,
Fanampiny (raha ny ahy) Katolika Zezoita
44. pissoa
(
18/04/2007 12:48)
tsiafoi1:
Pissoa : Raha mijery ny tantaran'ny Soratra Masina, dia tsy afa-miala @'ny mari-drefin'ny tantara izany hoe : NY TALOHA SY TAORIAN'i JESOA KRISTY.
- TALOHAN'I JESOA KRISTY HATRAMIN'NY ANDRO NAHAVELOMAN'I JESOA TOMPO: Nanoratra ny Testamenta taloha ireo Patriarika, Mpaminany ary Mpanjaka lehibe (Moizy, Josoa, Esdras, Natana, Solomon, David, Isaie, Jeremie, Nehémie, Amos,...)vavolombelon'ny fiarahana tamin'Andriamanitra tamin'izany fotoana izany,ireny no natambatra ho Testamenta Taloha, izay mirakitra fanambarana na fanomanana ny fiavian'iMesia amin'ny ankampobeny. Io TESTAMENTA TALOHA io no nampiasaina hatreo amin'ny andro nahaveloman'i Kristy sy ireo Apostoly izany.
- TAORIAN'i JESOA KRISTY:nanoratra ny fiaim-piainana sy ny zava-nisy niarahany tamin'i Jesoa ireo mpianatry ny Tompo izay antsoina hoe apostoly tamin'izany (Mathieu, Marc, Luc, John, Paul,Pierre, Jacob, Jude) ka nijoro vavolombelona tamin'ny zavatra hitany sy niainany. Ireny no natambatra ho TESTAMENTA VAOVAO
Nantsoina hoe TESTAMENTA satria mirakitra LOVA sarobidy ho an'ny taranaka aty aoriana, ka tsy tokony hatao antsirambina na tsinontsiniavina.
Ny anao ny tantaran'ny Baiboly no lasa resahinao sy ny hoe tsy azo atao tsirambina ! Tsisy manda an'izany aloha hatramin'izao. Ny ahy fotsiny tsy iny loatra ilay teneniko.
Hoy aho hoe :
DISO ny fiheverana fa TSY MAINTSY avy amin'ny BAIBOLY (araka ny boky maro be notanisainao) no hahafantarana an'i Kristy, na ao ihany no afaka hanovozana ny harenan'ny mahaKristianina. I Piera ohatra, tsy nanana TESTAMENTA VAOVAO izy tamin'ny fotoan'androny ... izy aza isan'ny nanoratra tao ! Toy izany koa ny namany hafa. Ny Kristianina tany Filipo ohatra dia mety tsy nanana ny IKorintianina sy ny IIKorintianina tamin'izany, izany hoe tsy nanana ny TESTAMENTA VAOVAO izy ireo. :-D:-D:-D
45. tsiafoi1
(
18/04/2007 13:05)
Ikaretsaka : Marina Tsy mbola nisy tokoa ny baiboly t@\'izany, fa na ny didy folo aza dia nosoratan\'Yaweh tamin\'ny vato fisaka roa. Ny fampitana ny tantara sy ireny temoignage fahiny ireny tamin\'ny taranaka taty aoriana no natao tamin\'ny vato, kiky rindrina, sary vongana maro samihafa, horonan-koditra, ary farany dia ny baiboly
46. prime
(
18/04/2007 13:46)
ikaretsaka:... Ny baiboly anie tsy voatery ilay boky no handeha horaisina (nefa tsara hatrany vakiana) fa rehefa feno sy miaina ary velona amin\'ny tenin\'Andriamanitra ny mpino dia velona ao aminy ilay baiboly ary ny fanahin\'Andriamanitra mampahiratra azy mandrakariva ny amin\'ny mety sy ny tsy mety... (averiko indray, tsara hatrany nefa ny mamaky ny baiboly)
ka hitady fanamarinana foana ve? raha misy decision tampoka hatao dia mbola hitady hoe nankaiza ny baiboliko teto ( io ilay lazaiko heo raha eo izy tsara, raha tsy eo izy tsy maninona) moa ilay voasoratra ange efa hita teto koa fa samy manana ny fomba fandraisany azy e)
ikaretsaka:... Ekena tanteraka...
dia io ilay tenin\'i Md fransoa xavier tao amin\'ny diariny raha te ho any Amerika izy ka lasa tany India sy Japana hoe \" na te hiankandrefana aza aho dia nentin\'ny tompo niantsinanana, fa tsy maninona fa nomen\'ny Ray soroka mafy aho hahazaka ny jiogany sy ny lohako, ... sy le hoe tsy izay tiako foana no omen\'ny tompo ahy , fa izay fantany fa ilaiko...\" AMDG
cutie:... ny Testamenta Vaovao angaha tsy ao anatin\'ny baiboly?:-D
nga tsy ny testamenta vao2 no arahin\'i kristiana
dia mba lasa ny saiko hoe ka saika mba hanontany anao symiandry valiny am-po hoe : rehefa inona ilay kaonsily no ekena dia rehefa inona no tsy ekena, dia rehefa inona no \"araky ny fanahy masina\" dia rehefa inona no tsia?... Tsy ny tantara ve no tsara hamaritana azy ry Ika?... ny konsily dia nekena foana... fa rehefa niala ry Lotera sy ny namany dia tany amin\'ny Synoda Foibe no nanapaka indray ho an\'ny Protestanta fa ny an\'ny katôlika ny konsily mbola manan-kery mandrak\'ity ny androany, sa tsy izay moa?... na teo amin\'ny samy Protestanta aza dia samy nanana ny Synoda lehibeany avy ary mbola nitsinjara isam-paritra indray koa io avy eo... ka samy nanana ny fahefàna isan\'ambaratongany...
Ny mahaaraka ny fanahy masina azy na tsia dia tsy misy mahafantatra izay afatsy ilay nanao azy sy ny antony nanaovana azy ary ny tanjona tiana ahatongavana... ny azo hamarana azy angaha dia roa ihany, ny tenin\'Andriamanitra afaka manamarina na tsia ilay asa na ilay \"konsily\" ohatra sy ny \"vokatra\" araka ny fampianaran\'i Kristy manao hoe ny vokatra no ahafantarana ny hazo...
rakaroka:... Tsara i tsiafoi1 no mamaly ny fanontanianao... fa asa re fa mba te hizara sy hampatsiahy kosa izy kanoooo... fahadisoana ve ny manao izany?
Asa koa!...Nahoana moa no napetraka ity lohahevitra ity raha efa fantatry ny olona izay inoany?
rakaroka:... fa ny asa tsy misy finoana koa dia zava-poana...:lol::-D:-D
Fa ny finoana tsy misy asa dia maty momoka
pissoa:... Ekena, fa saingy io \"traditions\" lazaina io indrindra no \"tsy voatery\" ho araka ny soratra masina intsony fa efa idirana kolon-tsaina maro izay \"tsy voatery\" kristiana... raha tsy hiresaka fotsiny ny \"indulgences\" sy ny \"purgatoire\" sy ny \"inquisitions\" t@ fotoan\'androny... soa fa taty aoriana nanaiky ihany tsikelikely ny fiangonana ny tsy fahamarinan\'ireny ara-tsoratra masina... ary mbola tantara mitohy io hatramin\'izao fa ny fombafombam-pivavahana isankarazany dia mbola mila handinihin-tena avokoa (tsy ny katôlika loatra ihany no tiako resahina etoana fa na ny Protestanta Loterana sy FJKM sy ny fiangonana hafa koa aza...)
Amin\'ny hafa koa (ny anay ohatra) dia tsy ny Baiboly ihany no hanovozana ny harena amin\'ny mahaKristianina ! Ohatra fotsiny amin\'zany ny tradition ao amin\'ny fiangonana (traditions = lovantsofina niampita hatramin\'ny ela) ...
pissoa:... Dia asa re ry pissoa fa dia amiko aloha sarotra ihany ny \"mety\" tsy ilàko baiboly eo amin\'ny fiainam-pinoana...
Ny Baiboly dia MANAMPY fa mety tsy ilaina akory amin\'ny finoana sy fanarahana an\'i Kristy.
pissoa:... Aiza kosa e... fa ahoana no ilazànao fa tsy nanana baiboly ny kristiana voalohany?... Kristy raha tsaroanao dia mpampianatra tao amin\'ny synagoga, dia aoka tsy hadinoina fa namaky ny \"torah\" (Boky mirakitra ny tantara sy ny hira sy ny faminaniana hitantsika ao amin\'ny testamenta taloha io) izy... Sa ny testamenta taloha io tsy anisan\'ny baiboly...
Ohatra : Nanana Baiboly ve ry Tsiafoi ny Kristianina taloha be ? Izany hoe tamin\'i Kristy vao niala tamin\'ny endrika NOFO. Sao tsy nanana akory izy ireo fa ny apostoly no nandeha nitety tanana ka nahatonga azy ireo ho Kristianina ... Ka tsy Kristianina ve izany izy ireo ? Sa ianareo amin\'izao \"Fotoana\" izao no tena Kristianina satria ianareo \"manana baiboly\" fa izy ireo ... sarintsarina Kristianina fotsiny ihany ? [Fanontaniana efa nandeha teto io averiko io fa mbola tsy voavaly ]
Mazava ho azy fa i Kristy no filazantsara velona ka tsy nisy ny testamenta vaovao sy ny epistily tamin\'izany fotoana izany... Rehefa lasa indray Kristy dia ny \"torah\" hatrany no nampiasain\'ireo kristiana voalohany niaraka tamin\'ny fanambaràn\'ireo kristiana voalohany nijoro vavolombelona... manaporofo ny tsy mahamarim-pototra ny baiboly ve izany?... ary taoriana dia noraiketina an-tsoratra avokoa ny vaovao mahafaly rehefa nanomboka nihamaty sy nihavitsy ireo Apostoly, vavolombelona velona afaka nanambara ny tena filazantsara... dia mbola manaporofo ny tsy mahamarim-pototra ny baiboly koa ve izany?...
Mba jereo amin\'ny lafiny rehetra ny zava-misy fa aza raisina araka izay hita fotsiny... ianareo ihany no mpanamafy fa aza raisina am-bolony na an-tendrony ny tranga iray fa mba halalino aloha... ny tantara, ny tontolo niainana tamin\'izany (politika, ekonomika, kolon-tsaina, fiaraha-monina...) fa tsy malalaka toy ny ankehitriny ny fivavahana kristiana ka moramora ny milaza azy fa niharan\'ny tohana maro nefa isaorana Kristy fa na lavina toa ahoana aza ny baiboly dia mbola velona eo mandrak\'ankehitriny araka ny voasoratra hoe \"velona sy mahery ny tenin\'Andriamanitra...\"
[Tena ialàko tsiny bdb aminareo rey olona ^:^ raha lavabe fa tena manana olana ara-teknika ny tenako ka tsy afaka miditra isaky ny teny tiana ambara fa tsy maintsy natambatra sy nofintinina araka izay azo natao ny valin\'teny]
47. Rasiligaoma
(
18/04/2007 14:24)
Hoy i rakaroka:
Fa ny finoana tsy misy asa dia maty momoka
prime:
... fa ny asa tsy misy finoana koa dia zava-poana...
prime: mba mieritrerika kely r\'Ise an
Impossible tanteraka izany asa tsy misy finoana izany.ny Logiquen\'ny asa manko dia na tsy \"mino\" (ny mino lazaiko eto dia olona tsy misy religion) aza ianao dia mino (ilay mino misy fanantenana)
:matoa mamboly ny tantsaha iray dia mino fa hamokatra izy izay, matoa mandrary sobika ny olona iray dia mino izy fa hahavita sobika izy izay!
fa raha \"mino ianao\" fa hahavita izao rehetra izao na hahatanteraka an\'izao rehetra izao. nefa mijanona eo @ io staden\'ny \"finoana io fotsiny\" fa tsy miasa, dia mahazo mino eo ianao, raha tsy hoe misy miracle angaha, fa tsy hisy vokatra ho azonao na ho tonga ho azy eo.
Ny mahaaraka ny fanahy masina azy na tsia dia tsy misy mahafantatra izay afatsy ilay nanao azy sy ny antony nanaovana azy ary ny tanjona tiana ahatongavana... ny azo hamarana azy angaha dia roa ihany, ny tenin\'Andriamanitra afaka manamarina na tsia ilay asa na ilay \"konsily\" ohatra sy ny \"vokatra\" araka ny fampianaran\'i Kristy manao hoe ny vokatra no ahafantarana ny hazo...
tsy ny \"konsily\" na ny \"sinaoda\" na ny \"tenin\'Andriamanitra\" loatra angamba hoy aho fa ilay vokany tokoa.tsy manao dokambarotra aho fa ampitovio fotsiny!
... Ekena, fa saingy io \"traditions\" lazaina io indrindra no \"tsy voatery\" ho araka ny soratra masina intsony fa efa idirana kolon-tsaina maro izay \"tsy voatery\" kristiana... raha tsy hiresaka fotsiny ny \"indulgences\" sy ny \"purgatoire\" sy ny \"inquisitions\" t@ fotoan\'androny
Ara tsoratra masina ireo ka... saingy nesorin\'ilay hoe reformiste (jereo ny bokin\'i makabeo faharoa fa ao daholo ireo)
48. cutie
(
18/04/2007 16:26)
Hoy i cutie:
nga tsy ny testamenta vao2 no arahin'i kristiana
... ny Testamenta Vaovao angaha tsy ao anatin'ny baiboly?
tsy azon'i prime njay zey laizako de mandray antendrony :-D
49. rakaroka
(
18/04/2007 17:43)
Rasiligaoma:
Hoy i rakaroka:
Fa ny finoana tsy misy asa dia maty momoka
[quote=prime]... fa ny asa tsy misy finoana koa dia zava-poana...
prime: mba mieritrerika kely r\'Ise an
Izay mihitsy r'ise Rasily...Blem mihitsy ilay fironana loatra amin'ilay "finoana" fotsiny ihany dia tsinontsiniavina mihitsy ny "asa", anefa tsy milatsaka avy any an-danitra intsony anie ny mana ankehitriny; hafa angamba faha tantara:wink:
51. rakaroka
(
19/04/2007 21:42)
ikaretsaka:
marina daholo izany ny zanako!
tsary misy "mana" tsotry izao.
asivo asa ihany ilay izy
:roll::roll::?:zanako?:roll::roll:
Rakaretsaka no mbola zafikeliko mihitsy aza ko!:
-D:-D:-D
52. fijo
(
19/04/2007 22:46)
za dia mino ,fa tsy ilaina ny baiboly sy ny finoana,fa ny fanaovana ny soa sy ny tsara no zavadehibe,
54. rakaroka
(
20/04/2007 07:38)
ikaretsaka:
rakaroka> fitenin'i mompera io ry zanako :-D:wink:
Eka ouz! Mompera Ika :-D:-D:-D
55. tsiafoi1
(
20/04/2007 10:47)
ikaretsaka : Ny famaritana tsotra sy mazava ny atao hoe Kristianina azoko omena anao dia izao :
KRISTIANINA avy amin\'ny teny hoe KRISTY, izay midika hoe IREO MPOMBA SY MPANARADIA AN\'I JESOA KRISTY, na ny marina kokoa IREO MPOMBA NY FOTO-KEVITR\'I JESOA KRISTY. Ka aiza moa no ahitana izany foto-kevitra ijoroan\'i Jesoa izany, moa tsy ao anatin\'ny BAIBOLY???
ikaretsaka : Tsy dia fahendrena loatra amiko ny manindraindra anaram-piangonana, na manonona anaram-piangonana, satria tsy izay no tokony ho asandratra fa ny anaran\'i JESOA KRISTY, izay vatolampy iorenan\'ny FINOANA. Raha misy tokony hireharehana dia JESOA KRISTY, izay fototry ny maha KRISTIANINA ANAO.
Ireny anaram-piangonana ireny, dia tsy voasoratra ao @\'ny TENY FOTOTRA, na ny BAIBOLY, tsy misy voalaza ao ireny na dia iray aza, ireny dia firehana najoron\'olombelona hanohanana foto-kevitra na doctrines izay heveriny fa marina.Tsy misy na dia iray aza ireo fanampin\'anarana lazainao ireo. TSY MISY TENY AO HOE [u]\"ireo kristianina CATHOLIQUE, na ireo kristianina PROESTANTA, na ireo kristianina ANGLIKANA, na ireo kristianina ADVANTISTA, na ireo kristianina JESOSY MAMONJY, na ireo Kristianina XXX...\"[/u. Tsy misy an\'izany ao, fa raha mahita ny iray amin\'ireo fanampin\'anarana ireo enao omeko anao ny tél, dia omeko anao ny karamako iray volana.
Ary raha tena KRISTIANINA tokoa isika dia tokony hifototra @\'ny TENY FOTOTRA (DIEM) na ny BAIBOLY.

56. tsiafoi1
(
20/04/2007 11:15)
Mizara roa zany isika mpanaraka ny dinika eto :
1) Ireo milaza fa KRISTIANINA, ary MANAIKY FA ILAINA NY BAIBOLY HO TENY FOTOTRA
2) Ireo milaza fa KRISTIANINA, nefa MANDA NY BAIBOLY HO TENY FOTOTRA
Ho an'ireo voalohany FANTARO ARY IZAY INOANAO @'ny alalan'ny famakafakana sy fandalinana NY TENY FOTOTRA DIEM, na ny BAIBOLY),
Ho an'ireo faharoa ataonao ahoana no ahafantatra, ka ny TENY FOTOTRA DIEM iaingana aza lavinao??
Raha nisy boky tranainy idd sy manan-danja idd, ary tsy lefin'ny siècles maro nifandimby, ary manamarina ny sciences sy ny tantara, dia miara-manaiky amiko izao tontolo izao fa ny BAIBOLY.
Jereo ny Encyclopédie QUILLET mirakitra ny Tantara, fa mandrakitra ny tantaramp-pirenena Israelianina, izay voaporofon'ireo archéologues ny tantara rehetra voalazan'ny Baiboly.

57. tsiafoi1
(
20/04/2007 11:32)
Aleo asiantsika fitsipi-dalao eto, mba tsy hanindraindra anaram-piangonana, sy ny fanandratana anaram-piangonana iray, dia toy ny fanaovana tsinontsinona ny an'ny hafa, nefa "Andriamanitra aza minia tsy mijery ny andron'ny tsifahalalana", ary any @'ireny fiangonana maro samihafa ireny, dia misy KRISTIANINA TSO-PO, mandeha araka izay fantany sy nampianarina azy.
Aleo tsy hotononina eto ny anaram-piangonana misy anao, na ny boky mifandraika @'izany, fa aleo ny BAIBOLY = TENY FOTOTRA na DIEM, izay ihany no ampiasaintsika rehetra, satria iny no iraisana eran-tany.

58. tsiafoi1
(
20/04/2007 11:52)
ikaretsaka : tiako ahitsy kely ise TSY MATAHOTRA MIJORO AMIN'NY FINOAKO ZA KA :Indro averiko eto ambany raha mahafinaritra an'ise ny hahita azy
"Izaho MINO an'ANDRIAMANITRA RAY (Yaweh no anarany), sy JESOA KRISTY, Zanan'ny Lahy tokana Tompontsika, ary MINO ny FANAHY MASINA"; izay ny finoako r'ise a.
"Izaho MINO an'ANDRIAMANITRA RAY (Yaweh no anarany), sy JESOA KRISTY, Zanan'ny Lahy tokana Tompontsika, ary MINO ny FANAHY MASINA"; izay ny finoako r'ise a.
59. ikaretsaka
(
20/04/2007 12:37)
tsiafoi1:
KRISTIANINA avy amin'ny teny hoe KRISTY, izay midika hoe IREO MPOMBA SY MPANARADIA AN'I JESOA KRISTY, na ny marina kokoa IREO MPOMBA NY FOTO-KEVITR'I JESOA KRISTY. Ka aiza moa no ahitana izany foto-kevitra ijoroan'i Jesoa izany, moa tsy ao anatin'ny BAIBOLY??
1)Tsy misy teny mihitsy ao amin'ny baiboly miteny hoe ny baiboly irery ihany dia ampy ho fototry an'ny finoana kristianina.
2) Tsy mbola nisy ny Baiboly tamin'ny andron'i Jesoa. siekla 3 taty afara t@ Konsilin'i Carthage ny baiboly vao nisy.:wink:
Tsy ao anaty baiboly ihany ny fotokevitra ijoroan'i Jesoa fa avy amin'Andriamanitra, syny hitany t@ fiainana andavanandro
Joany koa dia niteny ao amin'ny tokony faha 21, 25 fa "na izao tontolo izao aza tsy ampy", dia maninona ny anao feranao ao anaty baiboly dia hoe ampy?
Paoly koa aza niteny mazava tsara izany raha nanafatra ny kristianina izy hoe tsy ampy raha ny soratra masina irery fa mila mivelatra ivelan'izany (2 Thess 2:15, Phil 4:9, 1 Corinth 11:2, 2 Thess 3:6).
tsiafoi1:
ikaretsaka : Tsy dia fahendrena loatra amiko ny manindraindra anaram-piangonana, na manonona anaram-piangonana, satria tsy izay no tokony ho asandratra fa ny anaran'i JESOA KRISTY, izay vatolampy iorenan'ny FINOANA. Raha misy tokony hireharehana dia JESOA KRISTY, izay fototry ny maha KRISTIANINA ANAO.
tsy nisy voasoratra mihitsy ao @ soratra masina hoe tsy fahendrena io na fahendrena! .
Fa amiko rehefa mi identifier anao ianao ianao dia ny anaranao sy ny fanampiny (matetika) no apoitra sy maha "fier(e)" anao, fa tsy mionona fotsiny ianao hoe za olombelona... fa miditra @ farak'izay details mihitsy hoe Ranona ny anararako, zanak'ianona sy anona
mainnka fa resaka finoana?
dia ny ahy apoitrako satria maha "fier" ahy hoe za Kristianina manaraka an'i Kristy ho tompo, ary manaraka ilay maha kristianina ahy araka ny fomba nampitainy sy nampianariny ny Apostoly izay nahita azy mivantana, ary mitohy @ ny dimbiny mandrak'ankehitrio
NY TENY FOTOTRA DIEM= tsy izany no atao hoe baiboly fa ny dikan'ny diem dia hoe Dikanteny iombonana eto Madagasikara. ny antony dia vokatr'ilay teny sasany nandikan'ny misionera anglisy ny baiboly t@ izany vaninandro izany , izay ny sasany tsy tena teny gasy fa angalisy nogasiana, sy nataony arak'izay afahaizany ny teny gasy fotsiny, moa ny sasany lasa sarotra amintsika ankehitrio ny mahazo azy .
60. rakaroka
(
20/04/2007 22:14)
tsiafoi1:
rakaroka : Mety azo raisina ho commentaire dirigé ihany izy ity raha izay no tianao. Satria amiko sarotra ny hiresaka zavatra tsy hay.
Nanao "vakansa tany Dago tany ambanivohitra Bbbe anefa aho, dia liana ery ny olona tany: liam-baovao izay tsy fantany, manana "capacité" manakatra hevitra sy mametra-panontaniana rizareo! ".
Betsaka tokoa ny karazam-pinoana, fa ho ahy manokana izay nanolotra ny loha-hevitra, dia tsy afaka hiresaka ankoatran'ny kristianina sy ny tontolon'ny Soratra Masina aho satria izay no maha-resy lahatra ahy sy mba ananako sombim-pahalalana kelY.
ny "famerana" entin'ny resakao dia mametra koa ny "intéréssement" @ sujet:
karazana mihaino "torinteny any am-piangonana ihany" satria misy "contrainte" Bbbe: karazana kabary tsy valiana izany, satria ny olona tsy ao anatin'ny baiboly koa dia tsy afaka hiresaka.