Loterana sy FJKM sy ny hafa mifanakaiky
1. soanja
(
16/12/2006 06:11)
Hono hoy aho inona no tena mahasamihafa an'ireo rehefa miditra ao ampiangonana ka hiangona ao azafady? Ary raha misy mazoto hanazava inona ny antony nampisaraka an'ireo? Misaotra mialoha. Aty US inona ny fiangonana mifandraika amin'i FJKM azafady?
répondu par mimich le 05/01/2007 13:56
2. ikaretsaka
(
16/12/2006 06:24)
Izaho koa mba liana ny te hahafantatra ..
misaotra @ soanja @ le fanontaniana
misaotra @ soanja @ le fanontaniana
4. jentilisa
(
16/12/2006 08:46)
Izaho moa sady zatra loterana no zatra fjkm ihany koa. Tena fiangonana samihafa tokoa ireo na dia iray ihany aza ny fihirana ao am-piangonana.
Ny loterana no niadohan'ny reformasiona ary noraisina ho daty manan-tantara ny 31 oktobra amin'ny fiangonana nohavaozina.
Ny foto-kevitra aloha dia efa mahasamihafa azy. Ny niandohan'ny adi-hevitra dia ilay teny eo amin'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo manao hoe: "Ity ny tenako...izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy, ity no rako izay nalatska ho famelan-keloka, izao no ataovy ho fahatsiarovana ahy. Ny loterana manizingizina kokoa fa ny ity ny tenako sy ny ity ny rako no tsara avoitra kokoa ary ny reforme (fjkm) kosa dia manizingizina kokoa ny hoe izao no atao ho fahatsiarovana ahy. Toy ny zavatra bitika io nefa dia io no tsy nampitambatra ny fiangonana ho iray. Tsy nitambatra hatrany am-boalohany izany ireo fiangonana ireo...hatrany Eoropa na dia nisy aza izay fiezahana hampitambatra azy roa izay na any ivelany na eto antoerana.
Manaraka izany indray eo amin'ny litorjia: Ny an'ny loterana dia niainga avy amin'ny fombam-pivavahana katolika ihany no nanesorana ny fanandratana an'i Maria sy fiaraha-mivavaka amin'ny olo-masina (izay heverin'ny katolika fa ny maty ihany nefa amin'ny protestanta kosa dia ny velona indrindra indrindra...tsy dia mahay ny an'ny katolika kosa aho na dia izany aza).
Ny an'ny fjkm kosa dia "namorona" vaovao mihitsy satria noheverina tany amin'ny taonjato faha-XVI tany ho any fa izay rehetra mamofopofona katolika na dia io litorjia io aza dia tsy azoazony mihitsy.
Izany hoe rehefa ao am-piangonana dia mahazo miditra ny tara rehefa mandeha ny hira ohatra ny an'ny loterana fa ny an'ny fjkm kosa dia miandry any ho any amin'ny 20 mn any mihitsy ny olona tara vao mahazo miditra indray. Mikatona ny varavarana mandritra izany fotoana izany. Efa vita tateraka ny fanambarana ny sitrapon'Andriamanitra, ny vavaka fifonana sy ny famelan-keloka ary ny fanambaram-pinoana vao misokatra io varavarana io.
Ny an'ny loterana rehefa mihira dia hiraina avokoa ny andininy rehatra amin'ny hira iray fa ny an'ny fjkm kosa dia an-kavitsiana vao misy hira hiraina manontolo izany, andininy iray hatrany no atao na roa raha be indrindra.
Ny an'ny loterana dia mitsangana raha vao manomboka ny fotoana ka miditra mankeny amin'ny alitara ny pastora, fa mipetraka avy hatrany raha vao vita ny amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Ny an'ny fjkm kosa dia mitsangana hatrany raha vao manomboka ny fidiran'ny mpitandrina, mamaky ny salamo fiderana, manao ny hira fiderana ary tsy mipetraka raha tsy efa vita ny vavaka fiderana, amin'ny ankapobeny dia maharitra 7 mn eo ho eo io fitsanganana voalohany io.
Ny an'ny loterana dia mitsangana rehefa mandeha ny famakian-teny ao amin'ny baiboly na testamenta taloha io na testamenta vaovao. Ny an'ny fjkm kosa dia amin'ny testamenta vaovao ka ny filazantsara ihany no mitsangana.
Ny loterana dia ny fanekem-pinoana apostolika ihany (atanaziana raha tsy diso aho) no atao isan'alahady. Ny an'ny fjkm kosa dia misy efatra karazany izy eto Madagasikara ary izaho manokana dia tsy mahatadidy na inona na inona afa-tsy ilay iraisan'ny fjkm syny loterana ihany, ny hafa moa dia vakiana hatrany.
Eo amin'ny toriteny ihany koa dia misy mahasamihafa azy: ny loterana rehefa mitoriteny ny ankabetsahany sady izay no tokony ho izy aminy dia voaboasana avokoa ny teny novakiana teo na ny tany amin'ny testamenta taloha na ny tany amin'ny testamenta vaovao. Ny an'ny fjkm kosa ny hitako matetika dia maka andini-tsoratra iray na tapany kely ihany aza dia iny no velabelarina.
Eo amin'ny fandraisana ihany koa dia misy mahasamihafa ny loterana sy ny fjkm: ny loterana mankeny amin'ny alitara ary mandohalika rehefa mandray, ny Pastora ihany no mizara ny mofo sy ny divaim-pandraisana. Ny an'ny fjkm kosa dia eny an-toerana ipetrahana ihany no mandray ary mitsangana, ny diakona kosa (tsy mitovy amin'ny diakra katolika io diakona io fa olom-boafidy tao am-piangonana hanao ny raharaha sy mandray fanapahan-kevitra amin'ny zavatra atao ao am-piangonana).
Asa raha efa ampy io na mbola ampiana fanazavana?
Ny mitovy amin'ny fjkm any US moa dia ny presbiteriana...nefa misy lafiny maha-friends azy ihany raha ny fihaviany teto Madagasikara!

5. Fiffi
(
16/12/2006 09:09)
jentilisa: fa samy manaraka na mitovy hiany ve ny "lecture" sy ny " Evangile " heu...ohatra isakin'ny Alahady io an !
6. Samoana
(
16/12/2006 09:13)
misaotra anao Rajent'l:wink:. Efa imbetsaka aho no misy manontany foana taty hoe fjkm sa loterana saingy tsy novakiako loha mihintsy ny fombafomba tsy iraisan'izy ireo. Hazotozoto hiangona indray atsy ho atsy hijerena ireo voalaza ireo:lol:
8. jentilisa
(
16/12/2006 10:21)
Tsy mitovy ny perikopa isan'alahady na dia izany aza...tena samy manana ny azy mihitsy!
9. Imahaka
(
16/12/2006 12:17)
ny Loterana mpanara-dia ny fampianaran'i Lotera moa ny Fjkm mpanaraka an-dRasendrahasina.
Any US indray, refa protestanta ka tsy loterana ve tsy hety foana e. Ny Fjkm mantsy toa hoe Fiangonan'i Jesosy Kristy eto Madagasikara. Ka mety hoe eto ihany no misy azy fa any US izany raha atao dika tsotsotra dia Church of Jesus Christ in the USA. Tadiavo zany ny CJCUSA.

10. soanja
(
16/12/2006 17:39)
Jentilisa> Misaotra betsaka fa dia mazava tokoa ny fanazavana nomenao ary tena amin'ilay ilaivako azy mihitsy.
Mirary soa hatrany. Soanja:-*:-*:-*:-*:-*:-*

13. cutie
(
16/12/2006 22:05)
Aty US inona ny fiangonana mifandraika amin'i FJKM azafady?
prebysterian :lol::lol::lol:
vo indray mandeha ihany za no tany alou e , fa mitovy ny fjkm, na ny hira aza :)
16. simplex
(
16/12/2006 22:15)
eeeeeee tsy manakivy anjy za, :°)
d efa veloma ry paradisa 8)
za sy Imahaka zao samy tsy makany :-D:-D

17. cutie
(
16/12/2006 22:17)
ka tsy haiko zany koa :roll::roll::roll::roll:
prebysterian ry soanja a , amandaram mankany ange e :lol:

18. ikaretsaka
(
16/12/2006 22:35)
mba fanontaniana fotsiny ity an..
fa maninona tokoa kay ny FJKM Sy ny loterana no tsy mitovy ny "perikopa" isan'alahady? na samy FJKM aza fa fiangonana roa dia samihafa
ohatra hoe Raha mivavaka any Andravoahangy fivavahana za ohatra any dago dia tsy mitovy @ ny any Isotry fitiavana na ny vakiteny sns...?
Sa izay feeling an'ilay pasitera io fa tsy misy fototra hoe iraisana?
Ny an'ny Katolika (izay no fantatro aloha fa miala tsiny) tonga de fantatra hoa alahady faha izao mandavan-taona anio de zao ny "theme" aroson'ny fiangonana ERAN-TANY izany hoe na any Roma na any amin'ny tany farak'izay ambanivohitra indrindra any Dago na any frantsa na any US de mitovy aby?
Ny olana amin'io manko raha olona mpandehandeha be ohatranay ka te hivavaka ka @ teny tsy hainao.. (asa mety lasa any indonezia aho na any afrika teny tsy fatatro any ohatra) dia mab azokazoko hoe izao izany, satria arahana @ "missal" na ny "prions en eglise"
Fa raha FJKM za zany na loterannina ka sendra mandeha any @ le tany tsy misy ilay teny haiko dia tsy kopy lilil mihitsy?

19. soanja
(
17/12/2006 03:08)
Ny fiangonana Protestants rehetra rehetra mihitsy no tahak'izany ny fahitako azy. Miankina amin'ilay aingam-panahin'ilay pasitera eo ampanomanana ilay texte izy. Hitako ho mahafinaritra aloha izany satria efa ela no nandinihako fa lany morse ny mopera indraindray fa ny eo ihany no miverina fa zara raha manomana toriteny izy satria toa efa laniny tsianjery. Nefa tsy fantany fa zah koa efa mahalany tsianjery le tiany resahina. Marina e. Nefa asa moa. Fa raha any Japon kosa aho ohatra no hamonjy lamesa dia aleoko ihany mankany amin'ny Katolika satria mba arako ny fiehtsiketsika isan-karazany sady miteny gasy ao anaty aho.
20. ikaretsaka
(
17/12/2006 03:22)
dia ahoana kay @ izay ry zareo.. raha lasa any chine aho zao ka te hivavaka protestant nefa tsy mahay teny sinoa de ahoana ny fika hanarahako azy ?