Loterana sy FJKM sy ny hafa mifanakaiky

61. pissoa ( 27/12/2006 15:11)
ikaretsaka> ka ny mahasamy hafa azy dia ara-drafitra... ny an'ny Katôlika Rômana dia mazava io satria Rôma no mametraka azy... fa ny an'ny FJKM sy LOTERANA, na any Genève aza no foiben'ireo (ary mamoaka ihany koa ny amin'ny foiben'ireo) dia manana fahafahana kokoa ny isam-pirenena handinika ny perikôpa ampiasainy isan-taona satria ilay filazantsara torina dia tokony hifantoka akaikikaiky kokoa amin'ny fiainan'ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy... ka ny an'ny FJKM sy ny LOTERANA dia isaky ny synôda lehibe no fandinihana izany...

Angamba kosa izay hifantohan'ny olona amin'Andriamanitra no atao fa tsy izay hifantohan'Andriamanitra amin'ny olona e ! Ny Taona litorjika an'ny Katolika dia mirakitra manontolo ny tantaram-piainan'i Jesoa + ... Ary i Jesoa dia efa tonga nofo ka heveriko fa anjaran'ny mpitory teny ny maha-tonga nofo ny tenin'Andriamanitra amin'ny tsirairay, izany hoe mitondra Azy eo amin'ny fiainana.

Raha tsy hain'ny mpitondra fivavahana izany, dia ampahana baiboly no hovakiany amin'ny olona isan'andro eo - satria iny no hitany fa mifanaraka amin'ny "zava-misy" ... Dia mampanontany tena koa hoe tena hita eo amin'ny fiainany ve io tenin'Andriamanitra tonga nofo io.
62. Rasiligaoma ( 27/12/2006 15:31)
eo indrindra isika izao!

raha tsy hain'ny mpitondra fivavahana izany, dia ampahana baiboly no hovakiany amin'ny olona isan'andro eo - satria iny no hitany fa mifanaraka amin'ny "zava-misy" ... Dia mampanontany tena koa hoe tena hita eo amin'ny fiainany ve io tenin'Andriamanitra tonga nofo io.
63. soanja ( 27/12/2006 19:27)
Ka ilay Andriamanitra tonga nofo io ve de mbola mandehandeha any fa sa efa lasa. Dia nisy solony ve sa ahoana e!

Toa taraiky amzay Andriamanitra tonga nofo izay foana isika nefa izy efa tsy eo intsony fa efa FANAHY no isehoany. Io fanahy dia miverina amin'ny endriky ny Teny miditra any anaty , na tontolo manodidina iasan'ny saina ary indrindra fa ny fifankatiavan'ny mpiara manotrona ao ampiangonana raha ny resaka eto.

Ny fahatsapana fa mifandray ny rehetra ao ampiangonana ary miara midera ny IRAY TSY TOHA no zavadehibe. Izany ny hoe ny ao anatin'ny tsirairay mifandray amin'ny HERY iray. Koa dia aza manahy akory ny resaka Teny ry Rasil fa zah mahafantatra ny tsapanao ao anatinao, ianao mahatsapa ny ao anatiko. Andriamanitra mahita fa mikatsaka azy isika .Ka na any Peru na Tibet na Island dia mifandraika aby eo rehefa iray ny rehetra ao anatin'ilay fiangonana. Fiarahamihoby, fiarahamidera ary fanompoana sesy lany.:-*:-*:-*
64. pissoa ( 27/12/2006 20:06)
Soanja : manidina be ianao :lol:

Ny zavatra rehetra vokatry ny asan'Andriamanitra amiko - dia taratry ny fahatongavan'Andriamanitra NOFO ary miara-monina amiko isan'andro. Ary izaho Katolika mandray Komonio ... fantatrao angamba izany atao hoe Komonio ? Raha tsy fantatrao io na tsy inoanao dia resaka hafa.
65. ikaretsaka ( 27/12/2006 20:45)
pissoa sy soanja > za ko aloha katolika mandray komonio..
fa ny ahy vatana sy fanahy no miditra ao amiko fa tsy vatana fotsiny :-*
fa iny eo ihany fa

ny an'ny sasnay izany teny fotsiny.. ny sasany miditra ao anatiny sy manodidina azy mihitsy..

fa mety aby zany e raha mahasoa anao ny an'ny hafa dia mba raiso koa
66. soanja ( 27/12/2006 21:08)
pissoa:

Soanja : manidina be ianao :lol:

Ny zavatra rehetra vokatry ny asan'Andriamanitra amiko - dia taratry ny fahatongavan'Andriamanitra NOFO ary miara-monina amiko isan'andro. Ary izaho Katolika mandray Komonio ... fantatrao angamba izany atao hoe Komonio ? Raha tsy fantatrao io na tsy inoanao dia resaka hafa.


Zany hoe ny fazahoako azy izany dia raha tsy eo le kominio iny dia tsy aminao Andriamanitra?


67. pissoa ( 27/12/2006 21:12)
Ny fahazahoako ny teniko dia hoe tsy lasa izany ilay NOFO fa mbola eo foana ! Tsy manda ny Fanahy aho, fa ito teninao ito no nolaviko.
Soanja:
Toa taraiky amzay Andriamanitra tonga nofo izay foana isika nefa izy efa tsy eo intsony
68. soanja ( 27/12/2006 21:26)
pissoa:

Ny fahazahoako ny teniko dia hoe tsy lasa izany ilay NOFO fa mbola eo foana ! Tsy manda ny Fanahy aho, fa ito teninao ito no nolaviko.
Soanja:
Toa taraiky amzay Andriamanitra tonga nofo izay foana isika nefa izy efa tsy eo intsony



Le kominio eo ambany no nandraisako azy hoe izy le Andriamanitra tonga nofo resahinao. De tsy maintsy raisina izany iny fa raha tsy izany tsy eo Andriamanitra.
Sady amiko koa dia tsy izaho na le vatako No Andriamanitra fa Tempoliny aho. Izy ilay Fanahy ao anatiko fa tsy izy ilay NOFO ao anatiko. Aleo hazava io. Fa ny anareo mantsy izany nofo nitoetra Izy. zany hoe las izy mihitsy ve zany le nofonareo? Raha izay dia foana ny fahotana Tompoko satria Andriamanitra ianareo. Zah aloha tsy Andriamniatra mihitsy ary tsy manahy na manidina aho fa izay no momba ahy. Fanahy daholo no miasa eto , ny vatantsika dia tempoliny. Ao anatintsika izy saingy afaka miala tao moramora koa, no afaka miditra moramora koa.
Ny herin'ny Fanahy Masina no ao anatinareo. Dia manaiky aho fa tsy ilay NOFO akory. Ka raha tonga nofo ao aminareo izy dia hazavao tsara fa mbola tsy mazava izany e. Ahoana no fisehony.
Ny kominio amiko dia toy ny symbole ny fihavanana amin'ny Tompo. Zany hoe toy ny Batemy ihany. Ny Fanahy daholo no miasa eo. Io ilay Finoana e.

Misokatra ny adihevitra.





69. pissoa ( 27/12/2006 21:34)
Be "teoria" ianao no tena mahavoa anao ! Ary eto vao maika gaigy fa be teoria amin'ny resaka HS :-w:-D

Efa noteneniko teo fa raha tsy inoanao ny mikasika ny Komonio dia resaka hafa izany. Tsy hitanao koa ilay soratra iray hoe "Izay asan'Andriamanitra " Misy soratra angaha eo hoe "Andriamanitra aho", na mitovitovy amin'izany ... Mahay mamaky teny loatra ianao ka na ny tsy misoratra aza dia miforona ho azy ...
PS : Fahotana izany tompoko. :-D

Mikatona ny ady hevitra :-D:-D:-D
70. soanja ( 27/12/2006 21:47)
pissoa:

Be "teoria" ianao no tena mahavoa anao ! Ary eto vao maika gaigy fa be teoria amin'ny resaka HS :-w:-D

Efa noteneniko teo fa raha tsy inoanao ny mikasika ny Komonio dia resaka hafa izany. Tsy hitanao koa ilay soratra iray hoe "Izay asan'Andriamanitra " Misy soratra angaha eo hoe "Andriamanitra aho", na mitovitovy amin'izany ... Mahay mamaky teny loatra ianao ka na ny tsy misoratra aza dia miforona ho azy ...
PS : Fahotana izany tompoko. :-D

Mikatona ny ady hevitra :-D:-D:-D


Tsy mankavaly hoe. Niresaka an'io ianao tsy niteny fa HS ka nony halalinina dia mikatona ny adihevitra.

Ndana aloha maka fisainana dia miverina indray e. Mbola lava ny forum.

Yes Teoria daholo no miady eto fa izay fampiharana any aminareo mbola tsy hitako tsinona koa..

Ny fahotako dia fahotako izany. Andriamanitra irery no mahalala azy.

Ikaretsaka a, mba ampio izy manazava io amiko fa toa tsy tafavoakny le izy. Misaotra. Ianao tsinona tena mino tanteraka an'io. Zah koa mino fa vatana izy miditra any amiko saingy tsy lasa zah le vatana fa fanahy no mitoetra izay mampifandray anay.


71. pissoa ( 27/12/2006 22:28)
:-D:-D:-D

Tsy manakavaly : Izaho rehefa tsy manankavaly dia miteny ka ! Kristianina Siantifika aho fa tsy karazana olona mpanao disseration ka tsy maintsy mameno 2 pages :)

Le kominio eo ambany no nandraisako azy hoe izy le Andriamanitra tonga nofo resahinao. De tsy maintsy raisina izany iny fa raha tsy izany tsy eo Andriamanitra.

Efa novaliako ianao fa tsy hitanao angamba
Tsy manda ny Fanahy aho.
Ankoatra izay, mbola betsaka ny toerana tsy manana Pretra amin'izao, ka tsy misy Lamesa any aminy. Fa tsy misakana an'Andriamanitra tsy ho any izany.

Ny resaka Jesoa tonga nofo eo amin'ny fiainana. Ny fiainana Kristianina amiko dia tsy vitan'ny hoe "Izaho ao anaty" ... zava-dehibe io, fa tsy io fotsiny. Mila kajiako ilay "Izaho ety ivelany". Mety ho afaka miteny amiko ve ianao fa "tsara ny ao anaty" nefa ny ety "ivelany" tsy manjary ny toetra sns ? Dia io ilay "tonga nofo" resahiko ... Izay rehetra hita ety ivelany, izay rehefa "fiainana", toetra, ... andavan'andro ataontsika ka hahafahana mitaratra ny hatsaran'i Kristy - dia fahatongavan'i Kristy ho nofo. Vokatry ny Fanahy ve izany ? Tsy haiko, sady tsy mampaninona ahy !

(Izaho manokana koa dia resy lahatra fa tsy mino hoe misy ratsy ety ivelany nefa tsara ao anaty izany - ny mihatsaravelatsihy no hain'ny olona fa tsy ny miharatsivelatsihy :-D )

Ny fisian'i Jesoa Vatana sy Fanahy ao amin'ny Komonio dia finoana ! Raha mino ianao tsara, tsy mino ianao tsy amiko ny olana.
72. cutie ( 27/12/2006 22:43)
raha azoko tsara alou ny lazainareo hatramizay de :
kominio=vatana+fanahy=nofo=jesoa
Ny resaka Jesoa tonga nofo eo amin'ny fiainana. Ny fiainana Kristianina amiko dia tsy vitan'ny hoe "Izaho ao anaty" ... zava-dehibe io, fa tsy io fotsiny. Mila kajiako ilay "Izaho ety ivelany". Mety ho afaka miteny amiko ve ianao fa "tsara ny ao anaty" nefa ny ety "ivelany" tsy manjary ny toetra sns ? Dia io ilay "tonga nofo" resahiko ... Izay rehetra hita ety ivelany, izay rehefa "fiainana", toetra, ... andavan'andro ataontsika ka hahafahana mitaratra ny hatsaran'i Kristy - dia fahatongavan'i Kristy ho nofo. Vokatry ny Fanahy ve izany ? Tsy haiko, sady tsy mampaninona ahy !

vokatry ny fanahy zany satria ny fanahy ao anaty no taratry ny endriky ny kristiana ety ivelany .
Raha amiko zany de tsy afa-misaraka ny vatana sy fanahy :lol:
73. cutie ( 27/12/2006 22:50)
Zah koa mino fa vatana izy miditra any amiko saingy tsy lasa zah le vatana fa fanahy no mitoetra izay mampifandray anay

le fanahy tafiditra ao anatin-jy no lasa vatana ety @ endrika ivelany :lol:
74. soanja ( 27/12/2006 23:24)
pissoa:

Ny fahazahoako ny teniko dia hoe tsy lasa izany ilay NOFO fa mbola eo foana ! Tsy manda ny Fanahy aho, fa ito teninao ito no nolaviko.
Soanja:
Toa taraiky amzay Andriamanitra tonga nofo izay foana isika nefa izy efa tsy eo intsony



ka io Fanahy io tompoko no hadinonao nony nitsikera ianao. Naninona no notapahinao le teny? Misy tohiny anie le teo e.
Fa raha nanohy an'io ianao dia tsy nisy ny HS :D

Ny Kominio no nabosesikao avy any. De izay no nampifandraisiko. Tsy mety ny mampifandray ve? fahotana ve? Asa mba inona loatra ity fahotana ity aminareo. Handemena ny atidohako ve? :lol:

Efa nilaozako ela izay stade izay tompoko.

Misaotra anao nanazava bebe kokoa. Io angamba vao tena mazava hoe TARATRA ilay Andriamanitra tonga NOFO. Inona ary io tarany io ? Amiko io dia ilay FANAHY. Ka na ao amin'ny Kominio na amin'ny rano mangalahala any andohasaha na n'aiza n'aiza dia hinoako fa miditra ao amiko izy rehefa mahatsapa Aho.

Ny ety ivelany indray. Ny fahatsapanao fa miasa ao aminao io FANAHY MASINA io dia ny fahatsapana fahatoniana no voAlohany indrindra. fahatsapana te hanao asa soa. Ny fahatsapana ny tsy hiatsaravelatsihy intsony, ny fahatsapana tsy hanota intsony, EZAKA EZAKA EZAKA. Ny endrika ety ivelany no itarafan'ny mpijery, sy mpihaino ary mpandray ny tianao hampitaina sy izay ataonao.
Io le nazavainao e. Ny FANAHY no miasa amin'io. Io ilay mitsilo , io ilay afo, io ilay fitivana sns.
Any anaty hatsarana, ety ivelany seho milamina sady mampiaiky ny hafa.

Manaiky ve aloha ianao fa Tempolin'Andriamanitra ny vatanao e? mba valio koa zah? Izy ao anatinao? Tsy manahy koa rah tianao ny hiteny hoe izy ilay vatana ao anaty. finoana tokoa izany. Tsy misakana anao tsy hino izany koa aho. Fa ny hany ampitaiko na ho anao na ny hafa dia ity vatantsika ity no ho faty dia satria io no mijanona ety an-tany. NY AMBINY dia mankany amin'ny tanjona tiany tratrarina, ny antsika Kristianina moa izany dia ny fiainana mandrakizay. Izay mbola resaka lavabe.

Yes 2 pages ny ahy satria rehefa manazava dia manazava tokoa fa tsy maka tapatapany. Io no maha zah ny zah ka tsy hitako hoe ahoana. faly zah fa io zah.

Ny Kominio dia hinoako tokoa saingy amin'ilay izy hoe fahatsiarovana na symbole ny fisian'ny Kristy na ilay Teny tonga nofo. Rehefa mandray azy aho dia i Kristy no eritreretiko ary i Kristy no ao anatiko saingy tsy hoe vatana fa Fanahy. Ary izy mitoetra araka ilay lazaindry ihany. Zany hoe mety tsy finoana Katolika hoy indry dia tsy manahy koa fa ny Finoako dia tsy voafetran'ny concept ny hafa, izay matetika limite.

75. pissoa ( 28/12/2006 05:38)
Soanja - raha te handemy saim-bahoaka aho dia soratra lava be tsisy farany no nataoko ... Fa tsy fanazavana tandrametaka kely otran'io ! :-D

Clap ho an'i cutie.

Tsy mampaninona hoy aho na vokatry ny Fanahy ilay fahatongavana ho nofo. Efa hatrany ampiandohana rahateo no toy izany ny fahatongavan'i Jesoa ho nofo : " ... He was conceived by the Power of the Holy Spirit ... " Tsy nanafoana/nanakona ny nofo nitoerany izany.

ka io Fanahy io tompoko no hadinonao nony nitsikera ianao. [...]

Tsy hadinoko ilay izy, ary toa naveriko isaky ny mamaly aza fa ianao no 8O (:-D:-D:-D)
Tsy manda ny Fanahy aho

Ny Komonio tsy nabosesiko fa efa teo foana, talohan'ny nahaterahanao aza. Ianao manda ny nofo, no mahatonga ny Komonio voaresantsika teo. Efa lazainao moa fa tsy mino ny "vatana" ao ianao, dia averiko indray fa resaka hafa izany !

:-D:-D:-D
76. Rasiligaoma ( 28/12/2006 15:12)
1)vataan sy fanahy io komonio io

2)tempolin'andriamanitra ny tenanao, ao anatinao io Andriamanitra io

3) aza rarahiana intsony ny maha vatana sy fanahy azy raha vao ao anatinao io fa plus ianao miraharaha plus izy lasa ao ihany fa lasa doute tsy mendrika ho tempoly intsony ilay vatana
77. tywa68 ( 29/12/2006 10:38)
ô r'ireto â ! aza abosesika izany ny komonio ê !
Efa hoe communion izany dia fiarahana io ary ilay finoana ny Trinité no tena fototra ! raha kristiana an ! mazava ho azy fa arahina asa sy fihetsika mendrika zany !
Rasiligaoma =D=D=D
78. prime ( 29/12/2006 13:16)
Mitovy hevitra amin\'i pissoa aho eto na dia mivaona amin\'ny lohahevitra kely aza... zava-dehibe eo amin\'ny fiainan\'ny mpino mihitsy ny fandraisana ny fanasàn\'ny Tompo na ny fandraisana kôminio... tena manambara firaisana mihitsy amin\'ny Jesosy io rehefa mandray ny vatana sy ny ràn\'i Kristy ary izay no mahazavadehibe azy ho tena sakramenta mihitsy... (t okony hanaovana size hafa) fa lasa mivaona mankany ny adihevitra raha tsy mahadiso...
ikaretsaka:
fa ny tiako lazaina de raha sendra misy ilay olona hafa firenena na fiteny tonga ao aminao mba hiaraka hivavaka aminao.
(ivereno ilay izaho tsy miteny sinoa nefa mety assigned handalo kely any ohatra) dia ahoana ?
... hafa mihitsy ny olana apetrakao... ny perikôpa anie karazana fitarihana ihany mikasika ny Tenin\'Andriamanitra raisina amin\'ilay andro iny fa tsy lalàna tsy maintsy arahina akory e... fa ny tsipihinao nefa eo amin\'ny lafiny kolontsaina sy ny teny aza no hanahirana noho ilay resaka perikôpa...
pissoa:
....Angamba kosa izay hifantohan\'ny olona amin\'Andriamanitra no atao fa tsy izay hifantohan\'Andriamanitra amin\'ny olona e !
... mitombina ny fanamarihanao fa ny dinika eto tsy hoe ahoana no itarihana ny olona hifantoka amin\'Andriamanitra fa hoe inona no mahasamihafa ny fiangonana... dia nitsidika ny resaka fahasamihafàna eo amin\'ny lafiny perikôpa sy litorjia sns... izay samy manana ny mahaizy azy fa tsy hoe izao no tsara na itsy ampifantohana ny olona na tsia... satria samy Andriamanitra iray ihany no torina fa ny olona itoriana no samihafa sy misy sokajiny...
79. pissoa ( 29/12/2006 14:29)
Prime : io no mahasamihafa ilay "perikopa sy litorjia". Ny zavatra hifantohany :oops:

Ny iray
Prime:
fa ny an'ny FJKM sy LOTERANA, na any Genève aza no foiben'ireo (ary mamoaka ihany koa ny amin'ny foiben'ireo) dia manana fahafahana kokoa ny isam-pirenena handinika ny perikôpa ampiasainy isan-taona satria ilay filazantsara torina dia tokony hifantoka akaikikaiky kokoa amin'ny fiainan'ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy... ka ny an'ny FJKM sy ny LOTERANA dia isaky ny synôda lehibe no fandinihana izany...

Ny iray
Pissoa:
Angamba kosa izay hifantohan'ny olona amin'Andriamanitra no atao fa tsy izay hifantohan'Andriamanitra amin'ny olona e ! Ny Taona litorjika an'ny Katolika dia mirakitra manontolo ny tantaram-piainan'i Jesoa + ... Ary i Jesoa dia efa tonga nofo ka heveriko fa anjaran'ny mpitory teny ny maha-tonga nofo ny tenin'Andriamanitra amin'ny tsirairay, izany hoe mitondra Azy eo amin'ny fiainana.


(Raha hors size io nataoko io dia tsy tokony notenenin'i Prime akory ilay hoe
satria ilay filazantsara torina dia tokony hifantoka akaikikaiky kokoa amin'ny fiainan'ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy

satria mamaly an'io ary manazava ny taona litorjika katolika io teniko io :wink: )
80. soanja ( 29/12/2006 16:51)
Rasiligaoma:

1)vataan sy fanahy io komonio io

2)tempolin'andriamanitra ny tenanao, ao anatinao io Andriamanitra io

3) aza rarahiana intsony ny maha vatana sy fanahy azy raha vao ao anatinao io fa plus ianao miraharaha plus izy lasa ao ihany fa lasa doute tsy mendrika ho tempoly intsony ilay vatana


Miaiky anao aho Rasiligaoma ka.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.248