Loterana sy FJKM sy ny hafa mifanakaiky

41. booboo ( 19/12/2006 16:55)
Tsisy FJK ...frantsay zany. Na tondé ERF (tsy miankina @ zay foiben-draha any Mada) na FPMA (manana ny litorjia manokana = fjkm + loterana + anglikana) na ireny fg évangélique tsy miankina @ fg 4 lehibe mahazatra...
42. Rasiligaoma ( 19/12/2006 18:30)
ah ok..
Dia tsy fifampiakinany mihitsy izany io?
ohatra hoe ny katolika manko izao dia tsy misy hoe samihafa izany ny perikopa EKAR mada sy EKA..euh France na canada na vatican na tsy haiko.
fa mitovy daholo
43. booboo ( 19/12/2006 18:42)
Raha resaka perikopa dia tsia. Na izany aza, tsy hoe samy maka ho azy ny fg protestanta (fjkm na loterana na ny hafa) fa mivondrona anatin'ny euh...truc truc des églises réformées mondiales aby zareo. Rehefa tonga ny synodes dia mivory mandinika thèmes maromaro any zareo iarahan'ny fg protestanta eran-tany : foto-pinoana sns.
44. simplex ( 19/12/2006 19:34)

Any Frantsa re Eglise de Jesus Christ en France a, EJCF no anarany.

Ny EJCF sy ny CJCUSA kosa v d tsy hitovy ny zavatra atao ? :-w:-w
45. booboo ( 19/12/2006 20:13)
Aaa, Tsy EJCF zany fa FJKM foana, fa kosa @ lohan'ny ttsy ohatra dia eo ambany misy hoe Eglise Reformée...(raha tany mpiteny frantsay).
46. ikaretsaka ( 20/12/2006 02:33)
fa za kosa mino fa tsy hitovy ny vakiteny @ alahady any amin'ny ECJF sy ny CJCUSA sy ny FJKM,,za ze fiangonana protestanta gasy ihany no mety hitovy.. raha hitovy...

f any an'ny kato izao alahady faha efatry ny avent.. jereo ao @ lohahevitra ao fa mitovy daholo na ny CathoFrance na ny CathoGasy na ny CathoUSA na ny CathoComorien
47. jentilisa ( 20/12/2006 06:12)
resaka ara-tantara io e! ny fiangonana protestanta amin'ny ankapobeny sy ny ortodoksa dia fiangonana nasionaly amin'ny ankapobeny. Ny fiangonana katolika dia izay anarany izay...miainga any Vatican ny zavatra rehetra. Ny protestanta kosa tsy miandry baiko fa izay itarihan'ny Fanahy Masina azy. Raha izay no antsoina hoe inspiraka tsy maninona loatra fa ilay inspiraka izany dia isaky ny firenena sady araka ny fanapahan-kevitry ny sinaoda e!
48. ikaretsaka ( 20/12/2006 06:38)
tsy resaka tantara io... resaka ze revin'i pasitera (sinaoda) ny anakiray de ny anankiray de ny 1 resaka fitandrovana ny firaisana
Fa samy voatariky ny fanahy masina io fa avelaho ny fanahy masina aloha haka touche kely!...

fa zay eo ihany fa tsy any loatra ny adihevitra

Fa ilay eo @ ilay resaka maha pratique an'ilay izy no tiana hiverenana sy hojerena akaiky

ikaretsaka:
ahoana kay @ izay ry zareo.. raha lasa any chine aho zao ka te hivavaka protestant nefa tsy mahay teny sinoa de ahoana ny iany fika hanarahako azy ?


dia ahoana?? ny tiako ho fantatra dia ..

imagine o hoe any chine ianareo de mivavaka ao ampiangonana protestant @ teny sinoa.. nareo tsy mi pizy ninoninona @ teny sinoa an ... meteza @ place-ko


dia misy manontany anareo na nareo no tonga saina tampoka hoe
hinona ny nambarany t@ vakiteny sy toriteny teo?..
ahoana ny ahalalana fa "fanolorana" izao ... "fankamasinana" izao... "credo" izao sns?

Raha katolika manko misy fika io... io nolazaiko hoe arahana amin'ny boky misy ny fiteninao de na aiza na aiza de arakao sy tsy very ianao ary azonao ny theme noho io (ataoko hoe guide ilay missal/ boky ) .. fa ny anareo ahoana?

tsy mandeha izany ny perikopako sinaodaly vao mandeha any @ Protestant vazaha aho ve?

tokony tsinjovina ihany izay an!
49. simplex ( 20/12/2006 10:04)
ika:
imagine o hoe any chine ianareo de mivavaka ao ampiangonana protestant @ teny sinoa.. nareo tsy mi pizy ninoninona @ teny sinoa an ... meteza @ place-ko

ka ra any chine ela no tsy mahay teny sinoa de namany very ihany. Any Hong Kong nga ka hoe tsy mifaka a. Fa sinon, tsy maintsy mila interprete foana ela @ ze zavatra ataon'la any...
Ra ohatra moa ka tena tsy mahita interprete iaraka @ la any ampiangonana'la d aza mande mivavaka any ampiangonana fa ao antrano mivavaka. Refa tafaverina manao misimisy ;-)

Fa ny tena mahatsara ny kato an, izy tsy dia lava be loatra sady mba afaka misisika refa tara nefa tsy wain be:°) d matetika kou ny fitatazana rakitra tsy plat, zany hoe na A2 aza atsofoka any tsy koi. Nenay t@ mbola kely kitihana fotsiny ny vola efa ao d maneno de efa poinsa ;-)
ary hono hoah, misy kato ve any komoro ?:roll:

50. booboo ( 20/12/2006 10:53)
Fa ny tena mahatsara ny kato an, izy tsy dia lava be loatra


ié !! Zà tena aleoko mitokona tsisy atao ao an-trano toy izay hamonjy fetin'ny taranaka e, voka-dehibe ny truc truc e :^):^):^)...adiny 3 ny raha tsy vita ihany...:^):^)
51. pissoa ( 20/12/2006 10:57)
:-D:-D:-D
52. xxx ( 20/12/2006 14:32)
ny ahy tsy ny laitrako ity resa-bola mibahan-toerana be ty, tononina aby izao vokatra sy montant nomendra-anona izao.
53. ikaretsaka ( 20/12/2006 14:51)
ary ilay ... toerana voatokana aza adinonareo ko..
le hoe:
"mba afaka miala ve ramose fa toeran-dra anona eo" hozizy ilay diakona
hatrany koa ve le^^:{
54. prime ( 20/12/2006 15:06)
ikaretsaka> Tsy mitombina ny hoe haingam-panahy fotsiny fa manaraka perikopa ny FJKM, manaraka perikopa ny FLM... ary isanandro io fa tsy hoe isan'alahady ihany...
55. ikaretsaka ( 20/12/2006 15:54)
za ange tsy mandaha e.. fa io ambony io no tiako tsipihina

Fa ilay eo @ ilay resaka maha pratique an'ilay izy no tiana hiverenana sy hojerena akaiky

Hoy i ikaretsaka:
ahoana kay @ izay ry zareo.. raha lasa any chine aho zao ka te hivavaka protestant nefa tsy mahay teny sinoa de ahoana ny iany fika hanarahako azy ?



dia ahoana?? ny tiako ho fantatra dia ..

i
magine o hoe any chine ianareo de mivavaka ao ampiangonana protestant @ teny sinoa.. nareo tsy mi pizy ninoninona @ teny sinoa an ... meteza @ place-ko


dia misy manontany anareo na nareo no tonga saina tampoka hoe
hinona ny nambarany t@ vakiteny sy toriteny teo?..
ahoana ny ahalalana fa "fanolorana" izao ... "fankamasinana" izao... "credo" izao sns?



Raha katolika manko misy fika io... io nolazaiko hoe arahana amin'ny boky misy ny fiteninao de na aiza na aiza de arakao sy tsy very ianao ary azonao ny theme noho io (ataoko hoe guide ilay missal/ boky ) .. fa ny anareo ahoana?

tsy mandeha izany ny perikopako sinaodaly vao mandeha any @ Protestant vazaha aho ve?



tokony tsinjovina ihany izay an!
56. Rasiligaoma ( 26/12/2006 08:23)
tokony hotsinjovina mihitsy
57. prime ( 26/12/2006 13:14)
ikaretsaka> ka ny mahasamy hafa azy dia ara-drafitra... ny an\'ny Katôlika Rômana dia mazava io satria Rôma no mametraka azy... fa ny an\'ny FJKM sy LOTERANA, na any Genève aza no foiben\'ireo (ary mamoaka ihany koa ny amin\'ny foiben\'ireo) dia manana fahafahana kokoa ny isam-pirenena handinika ny perikôpa ampiasainy isan-taona satria ilay filazantsara torina dia tokony hifantoka akaikikaiky kokoa amin\'ny fiainan\'ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy... ka ny an\'ny FJKM sy ny LOTERANA dia isaky ny synôda lehibe no fandinihana izany...

Fanamarihana :
jentilisa:
Izany hoe rehefa ao am-piangonana dia mahazo miditra ny tara rehefa mandeha ny hira ohatra ny an\'ny loterana fa ny an\'ny fjkm kosa dia miandry any ho any amin\'ny 20 mn any mihitsy ny olona tara vao mahazo miditra indray. Mikatona ny varavarana mandritra izany fotoana izany. Efa vita tateraka ny fanambarana ny sitrapon\'Andriamanitra, ny vavaka fifonana sy ny famelan-keloka ary ny fanambaram-pinoana vao misokatra io varavarana io.
... tsy marina izany raha ho an\'ny FJKM, fa ny fanombohana ihany no mikatona ny varavarana (fiantsoana an\'Andriamanitra sy fideràna) ary rehefa avy eo dia misokatra indray izany ho fitsinjovana ireo tara alohan\'ny hanambaràna ny sitrapon\'Andriamanitra sy ny fangatahana famelan-keloka dia izay vao akatona ka tsy misokatra raha tsy efa hiditra filazan-draharaha...

jentilisa:
Ny an\'ny loterana rehefa mihira dia hiraina avokoa ny andininy rehatra amin\'ny hira iray fa ny an\'ny fjkm kosa dia an-kavitsiana vao misy hira hiraina manontolo izany, andininy iray hatrany no atao na roa raha be indrindra.
... tsia, ny hira sy ny tonon-kira amin\'ny litorjia reforme dia fanompoam-pivavahana feno ka raha mifandraika @ fandaharana perikôpa ny hira dia hiraina avokoa, raha andininy vitsivitsy ihany dia ireo ihany... izany hoe tena ampifanarahana tsara ny hira sy ny teny rehetra iainana ao anatin\'ny litorjia...

jentilisa:
Eo amin\'ny toriteny ihany koa dia misy mahasamihafa azy: ny loterana rehefa mitoriteny ny ankabetsahany sady izay no tokony ho izy aminy dia voaboasana avokoa ny teny novakiana teo na ny tany amin\'ny testamenta taloha na ny tany amin\'ny testamenta vaovao. Ny an\'ny fjkm kosa ny hitako matetika dia maka andini-tsoratra iray na tapany kely ihany aza dia iny no velabelarina.
... he!he!he... tsy marina izany r\'ise a... arakarak\'ilay mpitoriteny io fa angamba tena nisy antony manokana no nitoriana ilay andininy tokana io tamin\'iny fotoana iny... fa ny hafatr\'Andriamanitra dia sady ambara @ TT no ambara @ TV ihany koa ka samy voaboasana ireo ao amin\'ny litorjia FJKM...

jentilisa:
Ny an\'ny loterana dia niainga avy amin\'ny fombam-pivavahana katolika ihany no nanesorana ny fanandratana an\'i Maria sy fiaraha-mivavaka amin\'ny olo-masina (izay heverin\'ny katolika fa ny maty ihany nefa amin\'ny protestanta kosa dia ny velona indrindra indrindra...tsy dia mahay ny an\'ny katolika kosa aho na dia izany aza).
Ny an\'ny fjkm kosa dia \"namorona\" vaovao mihitsy satria noheverina tany amin\'ny taonjato faha-XVI tany ho any fa izay rehetra mamofopofona katolika na dia io litorjia io aza dia tsy azoazony mihitsy.
... ny an\'ny FJKM dia mifototra tanteraka amin\'ny Tenin\'Andriamanitra ny litorjia rehetra hatrany am-panombohana ka hatrany am-parany ary izay no nanovàny azy tanteraka... fa tsy \"namorona\" velively... tsy toy ny an\'ny katôlika sy ny loteràna ary ny anglikàna izay ny litorjia katôlika (niainga tamin\'ny fomba sy ny fiainana napetraky ny konsily isankarazany ho fomba fanompoam-pivavahana) ihany no nohavaozina...
58. ikaretsaka ( 26/12/2006 16:55)
prime:
ka ny mahasamy hafa azy dia ara-drafitra... ny an'ny Katôlika Rômana dia mazava io satria Rôma no mametraka azy... fa ny an'ny FJKM sy LOTERANA, na any Genève aza no foiben'ireo (ary mamoaka ihany koa ny amin'ny foiben'ireo) dia manana fahafahana kokoa ny isam-pirenena handinika ny perikôpa ampiasainy isan-taona satria ilay filazantsara torina dia tokony hifantoka akaikikaiky kokoa amin'ny fiainan'ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy... ka ny an'ny FJKM sy ny LOTERANA dia isaky ny synôda lehibe no fandinihana izany...


tsy misy nanda an'io ange ry prime e. fa ny tiako lazaina de raha sendra misy ilay olona hafa firenena na fiteny tonga ao aminao mba hiaraka hivavaka aminao.
(ivereno ilay izaho tsy miteny sinoa nefa mety assigned handalo kely any ohatra) dia ahoana ?
59. booboo ( 27/12/2006 12:55)
Ny tsara kokoa dia ny mitady fg manao culte international raha zany... Na mitovy aza ny raha vakiana sy hiraina sy ny tsy haiko, nefa tsisy raha azo ny lazaina (tsisy mpandika teny, tsisy programmes-n'ny culte zaraina ireny sns), dia arahina @ onjany ao fa ao no te-hiangona zany kouh...
60. Rasiligaoma ( 27/12/2006 14:55)
hihihihi mora tenenina ery ny an'i booboo
raha vitan'izany tokoa manko rehefa tena reel
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089