hazon'aina

61. radoratsimba ( 06/06/2016 12:21)

rhaj0:

Raha mahay mi-google ianao dia hahita hazon'aina be dia be... Fa dia mirary faran'ny herinandro zambatra miaraka @ izany eee :-)

hahahaha!!!
62. endriny ( 06/06/2016 12:25)

angouz:

rehefa miresaka baiboly otrany hoe samy miseho te ho mahay daholo izany dia farany hifandrafy otrany mankaleo ihany ilay izy rehefa tsy misy fiombonan-kevitra

Satria mifototra amin'ny fitantarana Angano sy Arira ilay baiboly, fa tsy nifototra tamin'ny zavanisy marina. Ka dia samy manana izay tiany andikana izay voasoratra daholo, araka ilay nofinofy sy tsindrimandry tonga ao aminy ny tsirairay. Izay no maha samy hafa ny finoana sy ny siansa.

Fa aleo hihomehy kely aloha e
"Rehefa mitsiry ny hazon'aina amin'ny lohataona dia maro ny tsirin'aina"
63. rhaj0 ( 06/06/2016 12:25)
stahtam:
Ny olona tokony hanazava ny baiboly koa dia efa voasoratra ao anatiny ao ka raha tsy io karazan'olona io izany no manazava azy dia olona manao "usurpation de fonction" fotsiny ihany izay manazava eo, na iza izy na iza, na marina toa inona aza ny fanazavana avoakany

Ny fahazoako ny resak'i Stahtam izany, dia ry Stahtam dia ilay ireny puriste ireny, ka tena ilay originelle ary tena ara-baki-teny mihintsy no ady eo.

Ny fandehan'ny Tantara anefany dia... lasa "demokratika vinaninany ilay Religion".. Ohatra hoe, t@ andron'ny Pur-Puriste, dia @ teny originelle ny lamesa (latina hono), fa izao @ tenin'ny izay eo ee..

Fa rahefa hitarina koa ity resaka, dia t@ andron'ny Pur-Pur-Puriste izany, dia ilay 'Y', ary Izy irery ihany no debabe amin'azy ao, fa izao moa, efa mitombo an-davitrisan'ny olona, ka dia lasa "demokratika vinaninany ilay Religion", ka dia lasa nisy debadebakely be dia be..

Dia io miady samy te-ho lohany, na hoe ilay "tena izy" nandova ny debabe rizareo rehetra ao...

Ny tena mahatsikaiky mampahonena ahy, amintsika samy eto @ serasera eto, dia ry RBNIR, izay tena "minobe" fa izao Herinirinany izao no "debadebakely tena izy" aminy, ary izao Herinirinany izao no hitarika izao tontolo izao.. indray andro any... sa "indray andro hono" ??? :-)
64. RBNIR ( 06/06/2016 12:31)
stahtam:

Azoko atoro tokoa ilay izy verset misy azy saingy ny tenako dia tsy mpitory na mpanoro hoe mandehana ary na atsy, fa ny azoko lazaina dia izao: na mbola tsy hitanao aza izay verset izay dia miharihary ho azy eny kosa izay tsy izy raha mazoto mikaroka ianao. Ohatra: betsaka mihitsy ny miantso ankehitriny hoe "araho ity" na "ekeo izao" na "aty aminay no marina". Jereo fa toetra iombonan'izy ireny ny hoe: fampianarana tena izy sy mahavonjy no omeny, sns... nefa jereo ny serasera teo ambonimbony teo fa misy na dia ny anaran'Ilay Mesia arahiny aza tsy fantany akory ("mbola saritaka be hono...) fa litera iray fotsiny no mba fantany (Y...) nefa dia sahy miantso vahoaka hoe "avia araho ity e! jereo e!...

Tamin'IZY tonga dia hoy izy hoe IZAHO JESOSY NO MANATRIKA ANAREO ETO.....TSY NITENY IZY HOE IZAHO Y.....NO MANATRIKA ANAREO ETO.....

Izaho tsy nahita azy nisehoany tao fa hoy IZY INDRAY ANDRO HOE ......« ..... Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao;18:37)

sy koa hoe : « Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, » (Jao.10:27)

Na dia tsy nanatrika tao aza aho....dia fantatro ny feony.......

Feo = fahamarinana = izay rehetra avy amin'ny marina no mihaino ny feony....

Voaporofony fa
1- 100% mitovy amin'ilay fampianarany fahiny ny fampianarany ankehitriny
2 -Betsaka no mangetaheta ny hamantatra ilay marina « ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. » (Jao.8:32)
Amin'ny saina tsy miangatra izy irery aloha hatreto raha ny eto madagascar (eny fa na ireo milaza fa mahafantatra ilay Anarana aza tsy misy na iray aza nahavita....) no nahavita nampahafantatra ilay marina....
3- Voaporofony tamin'ny fampianarany fa tsy nandainga izy raha nilaza fa hoe nampianarina azy marina tokoa ny bokin'ny apokalipsy (izay hafa mihitsy fa tsy mitovy tamin'ireo fampianarana rehetra hatramin'izay).....

Ka hoy IZY hoe ny ondriko mihaino ny feoko......
65. radoratsimba ( 06/06/2016 12:34)
tena marina le hoe samy manana ny marina aminy a
66. radoratsimba ( 06/06/2016 12:35)
Misy izao ilay fivavahana dia manala devoly foana foana, asa nga le olna ao aminy b devoly be daol sa tsy aiko
67. radoratsimba ( 06/06/2016 12:39)

RBNIR:

stahtam:

Azoko atoro tokoa ilay izy verset misy azy saingy ny tenako dia tsy mpitory na mpanoro hoe mandehana ary na atsy, fa ny azoko lazaina dia izao: na mbola tsy hitanao aza izay verset izay dia miharihary ho azy eny kosa izay tsy izy raha mazoto mikaroka ianao. Ohatra: betsaka mihitsy ny miantso ankehitriny hoe "araho ity" na "ekeo izao" na "aty aminay no marina". Jereo fa toetra iombonan'izy ireny ny hoe: fampianarana tena izy sy mahavonjy no omeny, sns... nefa jereo ny serasera teo ambonimbony teo fa misy na dia ny anaran'Ilay Mesia arahiny aza tsy fantany akory ("mbola saritaka be hono...) fa litera iray fotsiny no mba fantany (Y...) nefa dia sahy miantso vahoaka hoe "avia araho ity e! jereo e!...

Tamin'IZY tonga dia hoy izy hoe IZAHO JESOSY NO MANATRIKA ANAREO ETO.....TSY NITENY IZY HOE IZAHO Y.....NO MANATRIKA ANAREO ETO.....

Izaho tsy nahita azy nisehoany tao fa hoy IZY INDRAY ANDRO HOE ......« ..... Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao;18:37)

sy koa hoe : « Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, » (Jao.10:27)

Na dia tsy nanatrika tao aza aho....dia fantatro ny feony.......

Feo = fahamarinana = izay rehetra avy amin'ny marina no mihaino ny feony....

Voaporofony fa
1- 100% mitovy amin'ilay fampianarany fahiny ny fampianarany ankehitriny
2 -Betsaka no mangetaheta ny hamantatra ilay marina « ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. » (Jao.8:32)
Amin'ny saina tsy miangatra izy irery aloha hatreto raha ny eto madagascar (eny fa na ireo milaza fa mahafantatra ilay Anarana aza tsy misy na iray aza nahavita....) no nahavita nampahafantatra ilay marina....
3- Voaporofony tamin'ny fampianarany fa tsy nandainga izy raha nilaza fa hoe nampianarina azy marina tokoa ny bokin'ny apokalipsy (izay hafa mihitsy fa tsy mitovy tamin'ireo fampianarana rehetra hatramin'izay).....

Ka hoy IZY hoe ny ondriko mihaino ny feoko......

fampianarana t@ Moizy ve zany?
68. RBNIR ( 06/06/2016 12:45)
« Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo. » (Lio.16:16)

Ny olona mihevitra fa ny matio marka lioka ary jaona ihany no filazan-tsara....
Ny baiboly kosa manamafy fa efa hatramin'ny lalàna sy ny mpaminany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra....
69. radoratsimba ( 06/06/2016 12:48)

???
70. angouz ( 06/06/2016 19:46)
endriny:

[quote=angouz]
rehefa miresaka baiboly otrany hoe samy miseho te ho mahay daholo izany dia farany hifandrafy otrany mankaleo ihany ilay izy rehefa tsy misy fiombonan-kevitra

Satria mifototra amin'ny fitantarana Angano sy Arira ilay baiboly, fa tsy nifototra tamin'ny zavanisy marina. Ka dia samy manana izay tiany andikana izay voasoratra daholo, araka ilay nofinofy sy tsindrimandry tonga ao aminy ny tsirairay. Izay no maha samy hafa ny finoana sy ny siansa.

[Tsy hoe ilay siansa na ny finoana no tiko tenenina fa ny manitatran'ilay resaka mankany @hoe ny ahy no marina fa ny anao no diso ary ilay hazon'aina efa haiko ny dikany fa lasa mitatra zavatra hafa ilay adi-hevitra, raha tsy diso an dia hoy lahindroy hoe izao ihany no mahatongan'ny adi-pinoana etsy sy eroa, mba fantatrareo moa fa mandrava fihavanana mihintsy io tsy fitoviam-pijery io, fa raha haka ohatra anankiray za hoe : natao ho loka ny mankany @paradisa loka dia izaho sy ny pasterako mankany fa ianareo tsy mankany, iza moa no mahalala izay fahotana anatiny olona iray tena, fa tokony ovaina lohahevitra hafa ilay izy fa resaka hazon'aina lasa jiosy sy gasy no tohiny, izay fotsiny fa tsy hoe manohitra aho akory fa mba ovay hafa ilay izy dia any no tokony hitohy de zay mba tsy hisavoritaka ho any mpamaky fotsiny e !
71. angouz ( 06/06/2016 20:09)
radoratsimba:

RBNIR:

« Ny lalàna sy ny mpaminany dia hatramin'i Jaona; ary hatramin'izany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary misesika izay rehetra miditra eo. » (Lio.16:16)

Ny olona mihevitra fa ny matio marka lioka ary jaona ihany no filazan-tsara....
Ny baiboly kosa manamafy fa efa hatramin'ny lalàna sy ny mpaminany no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra....

???
hatramin'ny nisiany jaona jereo hoe hatraiza i jaona no niteraka raha fahazahoako ny tiany ambara aloha an !
72. angouz ( 06/06/2016 20:10)

73. angouz ( 06/06/2016 20:23)
Jereo misy jaona roa ao anatiny baiboly dia ilay nanao bapteme no tiany lazaina dia ilay natao bapteme no tiany lazaina.Azafady fa lasa niverina indroa ilay soratra eo ambony fa raha azo atao Hery dia mba fafao ny iray azafady maniraka zoky, misaotra
74. angouz ( 06/06/2016 20:26)
Jereo misy jaona roa ao anatiny baiboly dia ilay nanao bapteme no jaona dia ilay natao bapteme no tiany lazaina .Azafady fa lasa niverina indroa ilay soratra eo ambony fa raha azo atao Hery dia mba fafao ny iray azafady maniraka zoky, misaotra
75. RBNIR ( 06/06/2016 23:26)
« Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra* ahy, ka hitsangana any am-parany** eo ambonin'ny vovoka Izy.» (Joba 19:25)

Efa notorina hatramin'ny taloha ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra....

Joba ohatra dia nijoro tamin'ny fahamarinana hatramin'ny farany satria fantany fa velona ny Mpanavotra azy, ary tamin'izany dia efa nanana ilay fanantenana ny amin'ny farany ihany koa izy...

« Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra*;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho] » (Joba 19:26)
« Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko* ato anatiko.[Heb. voako] » (Joba 19:27)

Ny olona rehetra nivavaka taminy hatramin'izany dia samy nampanantenainy ilay fanjakan'Andriamanitra avokoa fa tsy hoe vao tamin'ny andron'i Kristy akory no nisian'izany....

Ny Fanekena no nisy fiovana (ILAY TALOHA NAVAOZINA HO VAOVAO) fa ny fampanantenana dia tokana (FIAINANA MANDRAKIZAY NA FANJAKAN'ANDRIAMANITRA......
76. endriny ( 07/06/2016 14:22)

angouz:

Tsy hoe ilay siansa na ny finoana no tiko tenenina fa ny manitatran'ilay resaka mankany @hoe ny ahy no marina fa ny anao no diso

Ka eo indrindra ary, ny tiako ambara aminao dia hoe satria mifototra amin'ny zavatra tsy azo porofoina ilay finoana, ary amin'ny zavatra inoana kanefa mety misy na tsy misy akory. Dia sarotra dia sarotra ny ahmpitovy ny fomba fijery amin'io.

Ity ohatra iray: "Nisy olona voan'ny homamiadana tamin'ny nonony tany Argentine, ary nivavaka foana tamin'i Masina Maria izy mba hitondra fanasitranana ho azy... sitrana izy taty aoriana ary dia nino fa nitondra fahasitranana ho azy I Masina Maria. Betsaka ary tsitambo isaina ihany koa anefa ny olona nivavaka ary tena miondana baiboly, sy mivakana lakroa ary sapile mihintsy aza miady amin'ny homamiadana, saingy matin'ilay aretina"

Eo izao dia efa tsy mitovy ny fomba fijery: "Ilay olona tany Argentine dia milaza fa manasitrana I Masina Maria". Ny fianakavian'ireo matin'ny homamiadana miteny: "Fa tsy I Masina Maria no mpanasitrana, fa Atra no manome ary izy no maka ary efa voafetra ny andron'ny olona"

angouz:
mba fantatrareo moa fa mandrava fihavanana mihintsy io tsy fitoviam-pijery io,

Izay no mahatonga ilay fandrindrana tian-kano tsy tian-kano atao hoe Dogme. Mino ianao any an-danitra mandrakizay, tsy mino ianao any amin'ny helo mandrakizay. DIa ry zareo ihany no mamaritra ny mandrakizay ho anao ao. Kanefa tamin'ny andron'i Mosesy tsy nisy nilaza izany mandrakizay izany mihintsy.

SAdy averiko indray fa noho ilay tantara mifotra amin'ny angano dia tsy maintsy manana ny fomba fahitany azy avy ny olona
77. rhaj0 ( 07/06/2016 18:45)
angouz:
mba fantatrareo moa fa mandrava fihavanana mihintsy io tsy fitoviam-pijery io,

Ianao no tara ry Angouz, fa efa noresahina lavabe teto ny @ FIhavanana sy FInoana
http://forum.serasera.org/forum/message/m571a1793956f9

Fa ny fehiny dia (toa) hoe, ho an'ny Kristiana (mafana fo), dia
Aleony Very Tsikalakalam-Pihavanana, Toa Izay Very Tsikalakalam-piVAvahana
78. RBNIR ( 08/06/2016 06:28)
endriny:

Ka eo indrindra ary, ny tiako ambara aminao dia hoe satria mifototra amin'ny zavatra tsy azo porofoina ilay finoana,

Ny porofo dia efa nomen'Andriamanitra fa ny olona mihitsy no tsy mety mandray azy....

JESOSY no fanaporofoana ho an'izao tontolo izao fa tena misy Andriamanitra

Andriamanitra dia tsy hita maso, ary noho izany dia maro ny olona no tsy mino ny fisiany ka tsy mandraharaha izay sitrapony,

Hoy anefa Izy indray andro tamin'ny olona (niteny tamin'ny alalan'ny mpaminaniny Isaia Izy tamin'izay) " Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony." (Isaia 7:11)

Nasainy nangataka famantarana ny olona.

Saingy.....hoy ny olona tamin'izany, "Fa hoy Ahaza: Tsy hangataka aho, fa tsy haka fanahy an'i Jehovah" (Isaia 7:12)

Tsy sahy nangataka ny olona satria natahotra ny haka fanahy an'Andriamanitra

Dia Andriamanitra no voatery nanome ny famantarana ho an-tsika :
" Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?" (Isaia 7:13)
"Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina* ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela**. [*Na: zazavavy][**Na: Imanoela = Amintsika Andriamanitra]" (Isaia 7:14)
Io no famantarana nampanantenain'Andriamanitra ny olona : Hanan'anaka ny virijiny ka hiteraka.

Dia tanteraka tokoa io fanomezana famantarana io taty aoriana namana :" Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany* hoe: " (Matio 1:22)
" Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela (Isa. 7. 14), izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra." (Matio 1:23)

Io famantarana io dia tsy inona fa : "ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany." (Matio 1:21)
I Jesosy namana no famantarana nomen'Andriamanitra an-tsika.

Nirahina hanao famantarana lehibe sady marobe Jesosy hanamporofoana fa tena misy tokoa Andriamanitra (Jereo ny boky Matio, Marka, Lioka ary Jaona) ao amin'ny testameta vaovao ao amin'ny Baiboly Masina fa ao no nanoratana ireo asa lehibe rehetra nataony.

Ary lehibe dia lehibe tokoa izany asa sy famantarana izany ka izay no mahatonga ny tantaran'i Jesosy mbola voarakitra foana na dia efa 2000 taona lasa aza izany rehetra izany.
Ataoko angamba fa ny ankamaroan'ny olona dia mahafantatra izany daholo ankehitriny.

Ireto avy anefa no tena antony nanirahana an'i JEsosy tety ka nanaovany ireny famantarana lehibe ireny :
1- Hoy Izy ao amin'ny Mat.7:21 "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra."
Antony voalohany : Hitaona ny olona rehetra mba hanao ny Sitrapon'Andriamanitra mba hahazoan'ny olona hiditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

2- " Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin'ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny." (Matio 11:21)
Araka io teny io dia ny mba hibebahan'ny olona no tena antony faharoa nanaovana ireny famatarana lehibe ireny.

Ireo ihany no antony nanirahana an'i Jesosy Tompo tety an-tany namana,
Ampahafantarana ny olona fa dia MISY TOKOA Andriamanitra ka tokony HIBEBAKA sy HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA avokoa ny olona rehetra.

Tsy misy antony hafa fa ireo ihany.

Fa maninoa tokoa moa? Satria hoy Jesosy Tompo :
"Ary raha tonga ny Zanak'olona amin'ny voninahiny, arahin'ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianan'ny voninahiny Izy;" (Matio 25:31)
"Ary amin'izany ny Mpanjaka dia hilaza amin'izay eo amin'ny ankavanany hoe: Avia ianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao;" (Matio 25:34)
"Ary dia hilaza indray amin'izay eo amin'ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin'ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an'ny devoly sy ny anjeliny;" (Matio 25:41)
"fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo;" (Matio 25:42)

Araka ireo teny nataon'i Jesosy Tompo ireo dia ho avy ny fotoana mbola hiverenany indray ka hisy FANAVAHANA LEHIBE SADY MAHATAHOTRA AMIN'IZAY,

Ny zava-doza dia ny anjaran'ireo izay voahavaka ho eo an-kaviany. AFO MAHARITRA MANDRAKIZAY NO ANJARA HO AZY.
Afo maharitra mandrakizay izay tsy natao ho an'ny olona tamin'ny voalohany fa hoe ho an'ny devoly sy ny anjeliny ihany, saingy taty aoriana dia voatendry hanana anjara any koa ny olona rehefa tsy MIBEBAKA SY MANAO NY SITRAPON ANDRIAMANITRA.

Minoa izay nolazain'i JEsosy Tompo namana ka hinoy ny fisian'ny Afo maharitra mandrak'izay.

Tian-tsika Jesosy ,
Ankehitriny dia mitaona an-tsika rehetra aho HIBEBAKA SY HANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA.

Samy ho tahin'ny Tompo namana
79. RBNIR ( 08/06/2016 06:28)
Hoy Jesosy tamin'ny mpianany hoe « Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. » (Jaona 14:8)
« Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? » (Jao.14:9)
80. endriny ( 08/06/2016 06:45)

RBNIR:

Ny porofo dia efa nomen'Andriamanitra fa ny olona mihitsy no tsy mety mandray azy....

JESOSY no fanaporofoana ho an'izao tontolo izao fa tena misy Andriamanitra

Andriamanitra dia tsy hita maso, ary noho izany dia maro ny olona no tsy mino ny fisiany ka tsy mandraharaha izay sitrapony,

Porofo inona io?

Jesosy aza tsy nahavaly akory hoe rahoviana no fara andro koa... sady nidelira hoe: "Izao no famantarana, ny kintana hiraraka ..."

Kntana ve no miraraka ety an-tany dia mbola hisy olona ho velona ihany, hoe iny ny famantarana ry zareo fa mihomana isika fa hoavy ny fara andro.... hihihiih (mihomehy kely aho aloha)

Atra tsy hita maso satria tsy misy fa noforonin'ny sain'ny olona ihany... ka ireo rehetra mahay mampiasa an'io famoronana ny tsy misy sy mampino ny olona ny zava-tsy misy io no lasa mifehy ny tany amin'ny varotr'omby anaty ambiaty.

Dia ilazao koa fa efa nahita ny lanitra ianao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1739