hazon'aina

21. angouz ( 31/05/2016 14:04)
Fa poizina hoan'ny olombelona tokoa ny very fanahy mbola velona
22. rhaj0 ( 31/05/2016 14:32)
Manao filibuster indray 'le zalahy ireto. Tsy ny resaka no vabahana fa ny hirahira sy toko aman'andininy (voatsindrotsindrok'i RBNIR tany an-kafa tany indray) no asesika... hi hi hi.. izaho indray tsy voarebirebinareo @ izany fa dia mbola hisisihako eto ianareo eee... :-)

Ka dia azafady kely, fa ivereno tsara ny lazain'i Jehovah Andmntra, @ teny Anglisy, azony ilay teny gasin'i Andrianaivoravelona mifamaofao.

He must [size=16]not[/size] be allowed to reach out his hand and take also from the tree of life and eat,
and [size=16]live forever[/size].

MIdika hoe: TSY ho avela hihinana @ ilay "hazon'aina" i Raolona, saitra izany no azahoany ny "fiainana mandrakizay".

Izany hoe, raha fintinina, ny TSY ny ahazoan-dRaolona ny Fiainana Mandrakizay (toa ny iray @ ireo Andmntra) no tanjona.

Dia vakio tsara ny andininy 24 fa nasiany "kerobima sy ny lelafon’ ny sabatra" mihintsy HANAKANA an-dRaolona tsy hikasika ity "hazon'aina".

Dia raha atao ny "parabole", dia ilay "hazon'aina" kay toa ilay "hazon'ny fahalalana".

Ka dia ny TSY ahazoan-dRaolona fahalalana izany no zava-dehibe ho an'i Jehovah Andrmntra. Dia rahefa lazaina fa "maizin-tsaina" i Rakrisy mpanaraka ara-baki-teny ny Baiboly, dia hotry ny tegna no olon-doza..
23. angouz ( 31/05/2016 14:37)
hono oa fa maninona ianao refa manoratra anaran'Andriamanitra dia manomboka @soram-baventy
24. rhaj0 ( 31/05/2016 14:43)
rahefa manoratra Harry Potter koa dia atomboka @ sora-baventy. Anarana-na Personazy imazinera ao @ tantara-angano daholo izany.

Fa iverenako, fa dia tsy amelan'ilay KEROBIMA, na koa, ilay cherubim (anglisy) na chérubin (frantsay) ahazo "fahalalana" izany ianareo eee... Sa moa ianareo,ANgouz sy RBNIR mihintsy no chérubins manakana ny olona TSY hahazo fahalalana ? :-)
25. rhaj0 ( 31/05/2016 16:22)
entre-pa fa manapa-tsinay mihintsy anie mamaky Baiboly ity ee... ilay chérubin, izay navadik'Andrianaivoravelona ho Kerobima izany, dia, hozy Ralarozy :

1- Nom donné dans la tradition chrétienne à une catégorie d'anges. (Les chérubins ont été généralement représentés comme des anges sans corps, réduits à une tête ailée.)

hi hi hi.. dia io ve no manakana an-dRaolona TSY hihinana @ "hazon'aina" ???

Fa inty koa dikan'ny Kerobima faha-2:
2- Familier. Enfant joli et frais.

hi hi hi... i Angouz ve te-hiverina ho zazakely ee ??
26. RBNIR ( 01/06/2016 05:28)
« Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina sy hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna. » (Apok.22:14)

Izay manasa ny ankanjony no hanana fahefana amin'ny hasonaina sy hiditra ilay vavahady......
27. lahindroy ( 01/06/2016 07:26)

miarahaba ny rehetra

"« fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. » (Gen.2:17)"

ny fihinana an'io "hazon'aina" io izany moa no nihavian'ny fahafatesana ?
ireto misy fanontanina tsotra

-nihinana an'io "hazon'aina" io koa angaha ny biby , ny bacterie , ny virus , ny zava-maniry ?
-ny fihinana an'io "hazon'aina" io irery ihany ve ny fomba hanazavan'ny finoana rehetra misy eto an-tany ny nihavian'ny fahafatesana ?
--ny fihinana an'io "hazon'aina" io koa ve no entin'ny siansa hanazavana ny fahafatesan'ny zava-manan'aina rehetra misy eto an-tany ?

28. stahtam ( 01/06/2016 08:04)

[quote=lahindroy]

[quote=stahtam]
Araka ny filaharan'ny fanontanianao:
1°) Ny fihinanana ny "hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy" no nihavian'ny fahafatesana (ho an'izay mino ny voalazan'ny baiboly ihany!) fa tsy ny fihinanana io "hazon'aina" io. Hazo roa miavaka tsara ireo.
Manomboka eto izany dia soloy hoe "hazo FAHALALANA NY TSARA SY NY RATSY" ilay hoe "hazon'aina".
2°) TSY nihinana an'io "hazon'aina" (na io hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy) io ny biby, ny bacterie, ny virus, ny zava-maniry... fa noho ny nataon'ny olombelona (mpanjakan'ny zava-boary) dia vakio ny tohiny fa voaozona ny tany ka tonga "naniry tsilo...", izany hoe nisy vokany t@ hafa ihany koa izay nataony. Ohatra iray hafa koa ny nahafaty an'i Abela: "nitaraina" (koa) ny tany teo: izay hoe misy fiantraikany @ firindran'ny fiaina teto ambonin'ny tany ny fidiran'ny fihinanana ilay hazo voarara.
3°) Ny finoana hafa, @ maha-hafa azy dia tsy misy ifandraisany firy @ io. Ohatra: ny finoana malagasy dia ravin-kazo nihintsana avy any an-danitra no nihavian'ny vehivavy ka tsy ho avy @ fihinanana voankazo velively izany no nahatonga ny fahafatesana @ io finoana iray io. Toraka izay koa ny finoana hafa.
4°) Ny fahafantarako dia "vieillissement de cellules" na zavatra mifandraindraika @ izany no anazavan'ny science ny fahafatesana fa araka ny baiboly irery ihany izay resaka fihinanana izay.
29. rhaj0 ( 01/06/2016 12:27)
stahtam:
noho ny nataon'ny olombelona (mpanjakan'ny zava-boary) dia vakio ny tohiny fa voaozona ny tany ka tonga "naniry tsilo..."

1- ilay "mpanjakan'ny zava-boahary" aloha dia @ Kristianisma (sy ny cousin-ny) ihany. Fa @ Finoana hafa dia tsisy revy "mpanjaka-mpanjaka" sy "andrian-andriana" izany.

2- dia @ revy Kristianina, rahefa nampinoana zareo fa "mpanjaka". dia io pollution sy rechauffement iaraha-mahita io no vokany. Ny amerindiana anefa ohatra, dia mino fa "mpindrana-izy-fa-tsy-tompony", ary dia nohajainy ny zava-boahary.

3- Dia maninona @ Kristiana koa azany ny tsilo. Tsy rahefa mba mianatra siansa natioraly any an-tsekoly ve, dia mba kopy ianao ny @ adaptation-n'izay zava-maniry eo. Dia avy eo koa, maninona @ Kristiana koa ohatra ny bibilava? Maninona azy ny goaika (sa voromailala)? Maninona ny ramanavy...

Dia hitanao tsara i@ ireo izao, fa revirevin'ny taonjato zero ireo "soatoavina-kristiana" ireo. Izay no takan'ny hoza-dohany t@ izay fotoan'androny izay.

Dia mbola izany foana ve no taritaritina h@ izao, ny taona ity efa mandroso????
30. RBNIR ( 01/06/2016 13:37)
rhaj0:

Dia hitanao tsara i@ ireo izao, fa revirevin'ny taonjato zero ireo "soatoavina-kristiana" ireo. Izay no takan'ny hoza-dohany t@ izay fotoan'androny izay.

Dia mbola izany foana ve no taritaritina h@ izao, ny taona ity efa mandroso????

Fa mbola tsy voavalin'i rhajo mihitsy ange hatramin'izao ity fanontaniana ity e,

Tamin'ny fomba ahoana no nahafantaran'i Jesosy tamin'ny taona 0 hoe rehefa maizina ny masoandro dia tsy hazava intsony ny volana nefa izany fampianarana izany taty aoriana B vao fantatra ary tamin'izany andro izany tsy nisy vidéo satelite, tsy nisy telescope akory aza ary ny eny amin'ny lanitra eny dia tsy nisy mihitsy nahafantarana fa ny volana dia tsy mitovy amin'ireo kintana izay mirehitra????!!!
31. stahtam ( 01/06/2016 14:38)

rhaj0:

[quote=stahtam]noho ny nataon'ny olombelona (mpanjakan'ny zava-boary) dia vakio ny tohiny fa voaozona ny tany ka tonga "naniry tsilo..."

1- ilay "mpanjakan'ny zava-boahary" aloha dia @ Kristianisma (sy ny cousin-ny) ihany. Fa @ Finoana hafa dia tsisy revy "mpanjaka-mpanjaka" sy "andrian-andriana" izany.

2- dia @ revy Kristianina, rahefa nampinoana zareo fa "mpanjaka". dia io pollution sy rechauffement iaraha-mahita io no vokany. Ny amerindiana anefa ohatra, dia mino fa "mpindrana-izy-fa-tsy-tompony", ary dia nohajainy ny zava-boahary.

3- Dia maninona @ Kristiana koa azany ny tsilo. Tsy rahefa mba mianatra siansa natioraly any an-tsekoly ve, dia mba kopy ianao ny @ adaptation-n'izay zava-maniry eo. Dia avy eo koa, maninona @ Kristiana koa ohatra ny bibilava? Maninona azy ny goaika (sa voromailala)? Maninona ny ramanavy...

Dia hitanao tsara i@ ireo izao, fa revirevin'ny taonjato zero ireo "soatoavina-kristiana" ireo. Izay no takan'ny hoza-dohany t@ izay fotoan'androny izay.

Dia mbola izany foana ve no taritaritina h@ izao, ny taona ity efa mandroso????
[quote=stahtam]
Mazava be ny iantefan'ny resaka finoana baiboly raha jerena tsara ny fampahatsiahivana teo aloha (tsy ho an'ny tsy mino ny resaka baiboly, tahaka ny hoe tsy ho an'ny kristiana ny coran, tsy ho an'ny silamo ny resaka momba an'nyi Bouddha...). Amin'ny finoana toa ny anao ohatra dia miova ny fahalalana rehefa mandroso ny taona, saingy @ finoana hafa indray dia ny taona no mandroso fa ny finoany, finoany ihany (ho Bouddhiste foana ny Bouddhiste na @ l'an 3000 aza, ho Silamo foana ny Silamo na @ l'an ... aza, ny Judaistes dia ny finoany foana no tsy maintsy ho taritaritiny eo na hisy levona aza ...) tahaka ny voalazanao eo @ n° 1- io ihany e!
32. RBNIR ( 01/06/2016 15:38)
Mba asio toko sy andininy ry sthatam fa sao dia heverin'i rhajo fa hevitrao izany a!
« Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. » (Heb.13:8)

Tsy miova IZY : izay tiany taloha dia iny ihany koa no tiany ankehitriny ary ho mandrakizay...

Izay notakiany taloha dia iny ihany koa no takiany ankehitriny ary ho mandrakizay....

Eo imasony ny olona mitovy daholo na taloha na ny ankehitriny, ary ny nahatongavany dia....

« Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray; » (Asa.15:16)

« Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany. » (Isa.58:12)

Nisy zavatra naorina fahagola, indrisy efa rava dia hanangana izany indray no niverenany....

Araho ato fa ho fantatrao ilay efa rava ela.....

33. RBNIR ( 01/06/2016 15:41)
Fahagola = tamin'ny andron'ny taranaka voalohan'i Adama sy Eva.....

Tamin'izany dia efa nisy ny mpisorona ary ny anarany dia atao hoe Melkizedeka....

Tonga Jesosy mba hiverenan'ny fisoronana tamin'ny andron'i Melkizedeka indray....

« Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). » (Heb.7:17)
34. RBNIR ( 01/06/2016 15:43)
« [Ny namaboana an'i Lota sy ny namonjen'i Abrama azy, ary ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrama] Ary tamin'ny andron'i Amrafela. mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama. ary Tidala. mpanjakan'ny Goima, » (Gen.14:1)

Tamin'ny Fahagola dia nisy izany fomba fisoronana nankasitrahan'Andriamanitra izany dia tsy inona fa ny fomba fisoronana nataon'i Melkizedeka.....
35. RBNIR ( 01/06/2016 15:49)
36. rhaj0 ( 01/06/2016 16:39)
RBNIR:
Tsy miova IZY : izay tiany taloha dia iny ihany koa no tiany ankehitriny ary ho mandrakizay...

Aza mba miteniteny foana ry RBNIR.. IN-1 mandeha, efa noresahina teto, fa
- Jesosy dia tezitra be t@ ireo mpanaraka azy
- Jesosy dia namingavinga ny reniny, ka ni-inspirer ilay hira "zovy moa izato ianao"

Aiza izay "tiany" dia "tiany mandrakizay" eo???
37. stahtam ( 02/06/2016 07:11)

[quote=RBNIR]
Mba asio toko sy andininy ry sthatam fa sao dia heverin'i rhajo fa hevitrao izany a!
« Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. » (Heb.13:8)

Tsy miova IZY : izay tiany taloha dia iny ihany koa no tiany ankehitriny ary ho mandrakizay...

Izay notakiany taloha dia iny ihany koa no takiany ankehitriny ary ho mandrakizay....

Eo imasony ny olona mitovy daholo na taloha na ny ankehitriny, ary ny nahatongavany dia....

« Rehefa afaka izany, dia hiverina Aho Ka hanangana ny trano-lain'i Davida izay efa nianjera; Ary hanangana izay efa rava ao Aho Ka hanamboatra azy indray; » (Asa.15:16)

« Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany. » (Isa.58:12)

Nisy zavatra naorina fahagola, indrisy efa rava dia hanangana izany indray no niverenany....

Araho ato fa ho fantatrao ilay efa rava ela.....

[quote=stahtam]
Tena hevitro mihitsy no asehoko eto ka! Ny kristiana no miantehitra @ toko sy andininy. Fa ny zavatra lazaiko kosa dia haiko ny manaporofo azy hoe diso na marina. Ny heb 13/8 dia anarana tsy dia milamina loatra amiko ka tsy hampiasaiko aloha.
Raha IZAHO no omenao ireo versets momba ny hoe hanangana izay efa nianjera sy tarihinao hanaraka ilay fampianarana arahinao dia tsy hisy satria ianareo dia hafa firenena ka Jaona 4/22.
Raha IZAHO koa no ilazanao fa hoe fisoronan'i Melkizedeka no efa rava ela, hatsangana indray dia TSY HANDAITRA AMIKO mihitsy izany, satria ny trano-lain'i Davida no lazainy fa HATSANGANA INDRAY, ka fisainana noforonina ny filazana fa trano-lain'i Davida = fisoronan'i Melkizedeka.
38. RBNIR ( 02/06/2016 07:38)

IZY = JESOSY = Y....no voalaza fa taranaka hanangana ilay efa rava ela....
Araka ilay voasoratra ao amin'ny « Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany. » (Isa.58:12)

Raha mamaky ny ianao dia ny taranak'i Jakoba (Israely) no voatonona fa iantefan'io teny io ao....(

Tonga ary i Jesosy taty aoriana dia voalaza fa IZY dia....« Fa Izy dia nambara hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). » (Heb.7:17)

Arahao tsara ny tantara, hatramin'i Melkizedeka ka hatramin'io teny io nisy v hafa voalaza fa nisorona araka ny fanaon'i Melkizedeka.....

Tsy nisy.....Nankaiza ary ilay izy raha izany nandritra io fotoana lava Be io ??? tsy rava v ???......

[url=http://forum.serasera.org/forum/message/m57078d9edcc60]Fa tsy notohizanao mihitsy ange ilay resan-tsika tato e....Nefa ianao dia nilaza hoe raha nahavaly ilay fanontaniana 1 aho dia ho any ianao nefa indrisy, ilay fanontaniana voavaly saingy ianao tsy hita e..........

Fa tsy notohizan-tsika intsony ilay
39. RBNIR ( 02/06/2016 07:39)
Nataoko Y.... satria mbola maro koa ange hono no tena IZY fa tsy tokana e???!!!
Y...ihany no azo antoka fa ny tohiny mbola tena saritaka e!!!
40. stahtam ( 02/06/2016 08:23)

[quote=RBNIR]
Nataoko Y.... satria mbola maro koa ange hono no tena IZY fa tsy tokana e???!!!
Y...ihany no azo antoka fa ny tohiny mbola tena saritaka e!!!
[quote=stahtam]
Tokana tokoa no izy saingy ny Isaia 52/6 dia milaza fa ny olony dia hahalala ny anarany, ka izay milaza fa mbola "saritaka" dia mbola tsy olony izy izany ka aleo izay tena olony aloha no tadiaviko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2692