Misy ve Dieu?

181. RBNIR ( 18/02/2016 04:41)
P.S : tsy manakipily siansa mihitsy isika...Izay zavatra voaporofo ary voamarina dia fahamarinana tsy manohitra izany JESOSY.....Hitanao ilay trou noir???
Fa raha théorie amin'ny millions na milliard d'année mbola aléatoire izany tsy afaka hinoana ho marina mihitsy....
182. endriny ( 18/02/2016 05:10)

tealala:

i josefa nampanakarena an i egypta, raha tsy nisy i josefa matin'ny mosary egipta ..taty aorina nandevozina ireo israeliana.
izany hoe raha manavotra ahy i endriny amin'ny loza anjo ahy dia mbola aton endriny manankarena za d andevoziko i endriny aveo sady tsy avelako andeha mihitsy. mety?

Fa angaha tsy hoe izay te ho lehibe aminareo no aoka ho mpanomponareo (aoka ho andevonareo e)... Ka normal be raha lasa andevo izany ny taranak'i Josefa koa...

Izaho izao miasa, mifofotra mba mikarama amin'ity ministera ity kanefa ny minisitra ihany no manankarena... Dia andevoziny eto aho tsy omeny afa tsy fialan-tsasatra 30 andro isan-taona..

Ny mpiangona tao aminay taloha miankohoka sy mandoalika mihintsy rehefa mandala I Monseniera, dia mandoa rakitra be dia be sy vokatra mba hampanankarena an'i Monseniera... Kanefa izahay tamin'io miankohoka ohatran'ny andevo rehefa mandala izy...

Fa rehefa fandripahana dia fandripahana fa tsy asiana fe-petra... A la Normal satria ilay Atra mpanao sorona zanaka sy olona
183. tealala ( 18/02/2016 06:45)
"izay te ho
lehibe aminareo no aoka ho
mpanomponare" aiza no misy an izany kay?
ianreo no manaiky ndevozna ao ko. afaka mitaky ny rariny anie ry ebdriny e fa mbola zakanareo izy izany rehefa hiaeretanareo ao ko.
184. tealala ( 18/02/2016 08:12)
ay any anaty tt vaovao nenao ko.
185. rhaj0 ( 18/02/2016 11:35)
RBNIR:
Aleonareo théorie misavaona, toy izay zavatra voaporofo, misy vavolombelona mijoro hatramin'ny fahafatesana.......

rhaj0:
O ry RBNIR... mila fantarinao hoe, inona sy inona no (n)ataon'ny siantista ka mahatonga @ ireo fanazavana ireo. Manangona artefacts dia manao mesure sy analizy ary kirakira no nataon-dreo nifandimby, ary amarinina tsara fa mifameno sy mifandrary daholo ny zava-drehetra alohan'ny hipentsopetsonana. Voa-verifier-n'ny saintista hafa independent daholo izany. Raha tena tia ahalala anie ianao, dia afaka mikaroka mamaky scientific paper, ary ahita sy afaka ny hitsara ny natao rehetra eeee...

'ngo dia heverinao sahala @ Baiboly azany ireo resaka ireo, ka pouh pouh pouh izao resaka rehetra izao, dia tonga dia arahina fiventesana hoe, "marina hany izany" (amen amen allelluya). Ny vavolombelona arangaranganao @ io, olona tsy nanao mesure/analizy/kirakira/.. akoriny, fa izay perception-ny tao, na Ifatsora manao tour passe-passe, na Ivavolombelona domelin'ny tsihaitsihay ao, ary tonga dia minou fotsy... Dia izany ve no anteheranao ny fi(s)ainanao ho'a h@ izao eee...

Tsarovy (na fantaro) fa ny ataon'ny Siantista anie ka mifampiditra eee... ny methode na izay teknika ary teoria ampasain'ny mpandalina ka mitondra @ ireo fanazavana ny lasantsika ireo, dia methode sy technique ary teroia izay katsentsefinao ao io, ka mahatsaratsara ny fiainanao ao. Ka rahefa akipilinao ny Siansa, dia 'ndana manaja-tena sahala @ ireny Amish ireny ho'a, fa tsy mihatsara velatsihy, dia manetry ny zavatra katsentsefinao lava ao.

RBNIR:
Ny zavatra tsy ao antsinareo ao mihitsy dia hoe ahoana ireto olona marobe mahavita fahagagana sady mahavita mijoro vavolombelona hatramin'ny fahafatesana ireto......

Hoz'enao hoe "theorie misavoana" ny an'ny Siansa.. Ka dia mba ahoana koa azany ho'a ianao mbola mikatsentsitra ny vokatry ny "theorie (sy technique sy methode suy logique sns) misavoana" izany, fa tsy mba mijoro ho tena marina ho @ finoanao (baiboly de l'an zero), sy ho voninahitry ny inoanao (Andrmntry ny Canaanites) toa ireo Amish eee...

Ny @ ireo vavolombelona ahindrahindranao.. Efa hoe "vavolombelona" nijery fotsiny, voan'i Belazao tao aby daholo, tsy nisy hoe nisaina nanadihady na nikirakira, fa tonga dia mibareraka minou fotsy tao daholo.. Sady ampahafirin'ny isan'olona midaina koa anefa azany izany eee.. Ireny koa anie ka "vavolombelona" eee... toa ireo any India ho'a, ka rahefa mi-marijuana dia, izay hono no (état) akaiky @ Andrmntra.
186. tealala ( 18/02/2016 15:19)
Io izany tsy "théorie misavoana" io ry RBNIR a, zavatra misy io e.
fa ny fanontaniako izao mba apetrako amin'i rhaj0, hoe avy aiza ny "lois", satria misy "lois" daholo rehefa ny natiora no resahina dia rehefa dikaitsika izy ireny dia mmisy zavatra tsy milamina foana.
187. rhaj0 ( 18/02/2016 15:45)
ny lois inona aloha no tianao tenenina..

Raha ny lois eo anivon'ny fiaraha-monina, dia vokatry ny fandinihan'izay teo ny fiaraha-monina io eee.. Hitanao tsara @ izao ère moderne izao, fa misy ny législateurs, ary mamorona na manavoatra, na mandrava ny lois tokoany moa zareo, dia raolona ao ihany koa no mampihatra azy.

Dia azonao izany ohatra hoe, ny "aza misotro toaka", dia t@ 1900s tany dia voarara izany tao zamerika tao, fa efa tsy "heloka" systématique intsony io izao, fa kosa, misy lois be dia be mamariparitra ny azo sy tsy azo atao raha ny @ io eee.. Ny marijuana indray izao no manaraka...

Ka raolona ihany no mamorona ny lois, dia ... taloha fony tsy nipataloha moa, sarotra be ny mampihatra azy (na izao azany tsy hita izay tena anaovana azy), ka dia atao hoe i Andrmntra no nanao ny lois (nakapoka t@ vato na baiboly), na koa nanome ilay Andriana ny fahazavana (ohatra i Jesosy), ary dia mikombona daholo ny olona eee...



Raha ny lois physiques (iuniverselles) indray dia... vokatry ny fikarohana/fanadihadiana/kirakira/... ataon-draolona koa io eee... ary dia nofintinina ho "lois" mba hampazava ny fiasan'izao tontolo izao.

Dia kOpy ianao, fa rahefa mivoatra mitombo ny fahalalana, dia mety misy lois mila ahitsy... Ohatra izao ny loi gravitation an'i Newton, tsy hoe diso, fa nahitsy no-préciser-na hoe aiza no mi-appliquer.


Fa io izany rahefa "miova" araka ny fivoarana ny lois, dia aza mikirapaka fa izay ny fiainana eeee... Aza mba mivarina dia minomino foana ka hoe, ny lois dia mandrakizay tsimiova fa nisy izany Andrmntra izany no "nametraka" azy. Raolona, araka ny fivoaran'ny fiaraha-monina sy ny fahalalany tao ihany no "nametraka" an'io mazava...
188. tealala ( 18/02/2016 16:11)
"Raha ny lois physiques (iuniverselles) indray dia... vokatry ny fikarohana/fanadihadiana/kirakira/... ataon-draolona koa io eee... ary dia nofintinina ho "lois" mba hampazava ny fiasan'izao tontolo izao."
fa aminao izany dia raha tsy nisy ny "vokatry ny fikarohana/fanadihadiana/kirakira/... ataon-draolona koa io eee... ary dia nofintinina ho "lois" mba hampazava ny fiasan'izao tontolo izao." dia tsy nisy izany gravité izany?
189. tealala ( 18/02/2016 16:13)
Amiko manokana tsinona, na tsy amiko manokana be dia be no mety mitovy fijery amiko fa izaho aloha no eto izao.
ilay "lois physiques (iuniverselles)" fa raolombelona niezaka dia kôpy amin'ilay fandehany hoe izao ity, fa tsy kôpy izy hoe iza no nametraka ilay lois.
190. endriny ( 18/02/2016 16:56)
Oviana koa no nisy lois tamin'ny physique izany?
191. endriny ( 18/02/2016 16:57)

tealala:

ay any anaty tt vaovao nenao ko.


hihihihi izany ve? hitako no tsy hitako
192. rhaj0 ( 18/02/2016 17:06)
ilay reflexe hoe, mametraka hoe "iza no nametraka ny lois".. io k'lou dia izay izany ny anao ry Tealala.

izany reflexe izany, raha ny fahitako azy, dia miaraka @ ilay reflexe hoe, "rahefa tsy takatry ny hoza-doha, dia akapoka ho Andrmntra".


Ny ahy aloha, rahefa TSY takatra, dia TSY takatra, dia izay izany, koa maninona moa..
fa tsy eo dia hamoromporona na hivarimbarina amina finoanoam-poana hoe, izao sy izao eeee... Tsy efa hitanao foana ve @ Tantara, fa dia izay faritan'i be-famaritra-toa-rambon'osy dia ifikiran'izao adala sy hendry fragile @ tsy-fahalalany ao rehetra izao, dia mierina anefa ny fotoana, dia oainina foana, satria,... ianao ao, eny ianao irery ao, no TSY mahatakatra, fa ny zanakao any aoriana hahatakatra.


ny @ lois physiques universelles indray ry Endriny, dia ohatra hoe ny lois gravitationnelles ets...
193. tealala ( 18/02/2016 17:21)

endriny:


tealala:

ay any anaty tt vaovao nenao ko.


hihihihi izany ve? hitako no tsy hitako

mokôty 0 zany amiko e.
194. tealala ( 18/02/2016 17:24)
Ilay lois anie tsy hoe lois physique ihany e.
fa manino ary no rehefa dikaina ilay "lois physiques universelles" dia misy korontana foana?
195. tealala ( 18/02/2016 17:28)
Par hasard?
196. rhaj0 ( 18/02/2016 17:32)
ilay "lois physiques universelles" dia mi-décrire ny fiasan'izao tontolo izao fotsiny eee.. TSY hoe i raolona no "namorona" azy, fa nanavoitra azy fotsiny izy..

hafahafa mihintsy ho'a ny reflex-e-nao ry Tealala.. tena latsaka lalina loatra ao an-tsainao mihintsy ny hoe, misy "mamorona" ny izao sy izao. Efa hoe, efa oainina foana ho'a izay reflexe izay, rahefa nanao be-famaritra-toa-rambon'osy tao..

Tena tsy mety ve ny sainao ho'a, kahoe, manaiky fa TSY takatra ny resaka, dia TSY takatra izany. Teboka.
197. tealala ( 18/02/2016 17:41)
Ho anao anie izany e :D, tsy takatra teboka.. izay ko angamba ny tsy nampisy teboka ny Torah
198. tealala ( 18/02/2016 18:14)
Itanao ny toe-tsaina na hoe hevitra hoentinareo tahaka izany anie no namoronana an'i Adam e..
i rhaj0 izao ataotsika hoe matérialiste, manome porofo i rhaj0 hoe izao no mahatonga an izao, ny ankilany kosa tahaka an i RBNIR dia spirituel, jesosy nahatonga ny rano ho lasa divay, izy no andriamanitra tonga nofo izay tsy hananan'i rhaj0.. tsy hifanaraka mihitsy ianareo e.
"ISIKA" tsy hifanaraka mihitsy e.
199. rhaj0 ( 18/02/2016 19:24)
eny azany ee... tsisy "isika" izany eto fa samy manana ny reviny.

Ny anareo izany milaza fa taranak'i Madame Eva, noforonin'Atra avy t@ taola-tehezan'i Adama moa izy teo, ary izany dia teo @ 6.000 taona lasana izay, i raolombelona, araka ny lazain'ny Baiboly sy ny Torah ohatra.



Ny Siansa indray dia milaza fa i Lucy no (isan'ny) razamben-draolombelona, dia velona tany @ 3.200.000 taona lasana tany, araka ny taterin'i Wikipedia ohatra.
200. RBNIR ( 18/02/2016 23:46)
rhaj0:

Hoz'enao hoe "theorie misavoana" ny an'ny Siansa.. Ka dia mba ahoana koa azany ho'a ianao mbola mikatsentsitra ny vokatry ny "theorie (sy technique sy methode suy logique sns) misavoana" izany, fa tsy mba mijoro ho tena marina ho @ finoanao (baiboly de l'an zero), sy ho voninahitry ny inoanao (Andrmntry ny Canaanites) toa ireo Amish eee...

Ny @ ireo vavolombelona ahindrahindranao.. Efa hoe "vavolombelona" nijery fotsiny, voan'i Belazao tao aby daholo, tsy nisy hoe nisaina nanadihady na nikirakira, fa tonga dia mibareraka minou fotsy tao daholo.. Sady ampahafirin'ny isan'olona midaina koa anefa azany izany eee.. Ireny koa anie ka "vavolombelona" eee... toa ireo any India ho'a, ka rahefa mi-marijuana dia, izay hono no (état) akaiky @ Andrmntra.

1- Jesosy hoy aho tsy nanakipily siansa....
« Ary Izy nanao fanoharana taminy hoe: Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra. » (Lioka 21:29)
« Raha hitanareo fa vao manaroka ireo, dia fantatrareo ihany fa efa akaiky sahady ny lohataona. » (Lio.21:30)

Fa ny kianiko eto dia hoe il ya 1 200 0.....nous descendons de "lucy".........
Io no tsy voamarina ary aléatoire......

« Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. » (1 Tes.5:21)

2- Misy zavatra "iainan'izireo, tsy iainanao, misy zavatra "fantatr'izireo tsy fantatrao"...
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava] » (Jao.14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jao.14:17)

Vakio tsara io teny io, tsy azon'izao tontolo izao horaisina satria tsy hitany na fantany fa ianareo no mahafantatra Azy satria mitoetra ao aminareo izy ary ho ao anatinareo.......

Vitsy dia vitsy no olona tonga amin'io toerana io..........
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0944