Misy ve Dieu?

221. rhaj0 ( 19/02/2016 12:17)
RBNIR:
sao dia heverinao fa mikombona aza ny kristianina...

TSY mihevitra mihintsy aho hoe mikombona ny Kristiana kah... araka ny resaka teto dia

1- izay mampetimety ny baolina no ataony. Tsindrontsindrohiny na resa-baiboly na resaka siansa, dia iankohofany ny resaka itsy, firany ny resaka atsy.. TSISY cohérence sy mba hoe "true to his own value system", fa tonga akory azany dia manandra-tena hoe, izay ataony izay, sy izy tenabeny ao no "tena izy". Olona "mikombona" ve izany?

2- tohin'io ihany, dia alahady izy mangalatr'akoho, alatsinainy izy manendy akoho.. TSISY olana aminy na mifanipaka sy mifanitsaka ny eritreriny sy ataony ao. Olona "mikombona" ve izany?
222. RBNIR ( 19/02/2016 12:29)
Mety ho marina tokoa fa mety misy manao araka izay mampetipety ny baolina....

Fa izahay kosa nampianarina hoe « Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Mat. 7:13)

Aleonay miditra amin'ilay vavahady ety toy izay ny malalaka, ary koa « Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. » (Mat.16:24)

Manao izay mampetipety ny baolina v izany e??? tsy ireo miala tsy mety miditra amin'izany aza no tena manao izay mampetipety ny baolina???
223. RBNIR ( 19/02/2016 12:30)
Averiko hatrany aza atao anaty sobika iray hoy aho ny olona rehetra....
224. RBNIR ( 19/02/2016 12:30)
i jodasy koa anie ka mba nofidiny sy nampianariny mivantana ihany e, nefa dia fantan-tsika ny fiafarany!!!!
225. tealala ( 19/02/2016 12:37)

RBNIR:

i jodasy koa anie ka mba nofidiny sy nampianariny mivantana ihany e, nefa dia fantan-tsika ny fiafarany!!!!

Ka mety hoy izy hoe, ahoana koa ary ity zoky miteny fa zanak'andriamintra ty?
226. tealala ( 19/02/2016 12:50)

tealala:

RBNIR:

tealala:

raha mamaky an ireo aho dia lasa pasitora tealala dia tsara voany.
sady lasa manana ankohonana andiamanitra.

Torohevitra omeko anao raha tsy maniraka anao mivantana IZY aza mitetateta fa tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra izany...
Ireo apostoly dia voafidy mivantana, nampianarina mivantana izay vao namita iraka...

« Dia hoy Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin'ny anarako; Tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinotsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo. » (Jer.14:14)

Be dia be no manira-tena ankehitriny nefa IZY tsy mbola nifidy ary IZY tsy mbola nampianatra...

Vokany : toy ny mpandainga, mampianatra zavatra diso no be dia be....

"aza mitetateta fa tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra izany..." iza no mitetateta?
"Ireo apostoly dia voafidy mivantana, nampianarina mivantana izay vao namita iraka." teny inona ilay "apostoly"
(Jer.14:14) : Iza kay no maminany amin'izao ry RBNIR? iza no naminany?
"Be dia be no manira-tena ankehitriny nefa IZY tsy mbola nifidy ary IZY tsy mbola nampianatra..." Iza no efa nahita an'i pasiteranareo nampianarin'i jesosy nareo?
"Vokany : toy ny mpandainga, mampianatra zavatra diso no be dia be...." manaiky ianao fa ny 10% harena dia omena ny levita? (ao anaty TT taloha izany) dia i pasitera firy % ny rà ny no levita?

Apiko kely, iza izany izao no voafitaka sy voky lainga isaky ny asabotsy?
dia aiza ilay naman'i Pasitera hoe any ivelany?
227. RBNIR ( 19/02/2016 12:53)
tealala:

Ka mety hoy izy hoe, ahoana koa ary ity zoky miteny fa zanak'andriamintra ty?

« Ary Jodasy, ilay namadika Azy, raha nahita fa nohelohina Jesosy, dia nanenina ka namerina ny sekely volafotsy telo-polo tamin'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona » (Mat.27:3)
« ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao. » (Mat.27:4)
« Ary nony natsipiny teo amin'ny tempoly ny vola, dia niala izy ka lasa nandeha, dia nanao tadimody ary nananton-tena, ka dia maty. » (Mat.27:5)
228. tealala ( 19/02/2016 13:15)
Toroko hevitra kely ingahy RBNIR, vakio tsara ny TT taloha, na koa raha mazoto dia mandeha amin'ny source e :), dia vakio tsara fa raha izao dia voafitapitak'i pastora amin'io TT vavao io enao.. ny sasany t@ ireo evangila aza tsy navoaka fa ndrao dia mitsaoka ny olona angamba
229. rhaj0 ( 19/02/2016 13:44)
RBNIR:
Aleonay miditra amin'ilay vavahady ety toy izay ny malalaka..

Gratuit tokoany ny incantation koa maninona no tsy anamparana.. izany ry RBNIR o ?

Raha ny fahitako azy, ny Amish no manaja ny tenany, ary manaja ny finoany sy ny inoany..

Fa sisa, anisany ry RBNIR, dia i Rafitsindrotsindroka fotsiny ihany.. mahery be mi-imafiner...
230. RBNIR ( 19/02/2016 20:42)

tealala:

Toroko hevitra kely ingahy RBNIR, vakio tsara ny TT taloha, na koa raha mazoto dia mandeha amin'ny source e :), dia vakio tsara fa raha izao dia voafitapitak'i pastora amin'io TT vavao io enao.. ny sasany t@ ireo evangila aza tsy navoaka fa ndrao dia mitsaoka ny olona angamba

Baiboly anie hoy aho no vakiko e : TT sy TV....
Ary Jesosy no nahafehy indrindra ny TT....
Mbola kely aza IZY dia nampitalanjona ireo mpampianatra ny TT....
« Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan'ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan'ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy. » (Lio.2:46)
« Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany. » (Lio.2:47)

Ary raha nalain'ny devoly fanahy IZY dia nasehony tsara ny fifehezany sy ny fitandremany ireo voasoratra ao amin'ny TT
231. RBNIR ( 19/02/2016 21:09)
rhaj0:

RBNIR:
Aleonay miditra amin'ilay vavahady ety toy izay ny malalaka..

Gratuit tokoany ny incantation koa maninona no tsy anamparana.. izany ry RBNIR o ?

Raha ny fahitako azy, ny Amish no manaja ny tenany, ary manaja ny finoany sy ny inoany..

Fa sisa, anisany ry RBNIR, dia i Rafitsindrotsindroka fotsiny ihany.. mahery be mi-imafiner...

Hoy ianao hoe manao izay mampetipety ny baolina....
Raha ohatra ka niditra sy nampiditra olona tao amin'ireo vavahady malalaka aho.....dia marina tena manao izay mampetipety ny baolina....saingy tsapan'i rhajo tsara ange fa tena tery ilay vavahady nidirako sy ezahiko ampidiran'olona e!!!! ary izay no tena tsy zakan'i rhajo satria hitan-drhajo ankehitriny fa toa mitady ho maro koa ireo te hanaraka ahy hiditra ao!!!
Eto angeh hoy aho vakiana fotsiny ny fisainan'ny olona e!!!

Ary mbola hotalanjona ianao aoriana kely ao rhajo satria efa tena hanomboka amin'izay ilay fitoriana lehibe farany ary ho maro dia ho maro ny hiditra ao amin'io vavahady ety io na dia betsaka aza no hisakana eo ambavahady....

Fa mba mandiniha tena ihany hoy aho e! tsy laitrako angeh ny hahitanao hanenina any aoriana any rhajo e! isika mba efa samy "mpinamana" ihany teto amin'ny serasera ihany....
Sa tsy namako rhajo?!!! hihihi....
232. endriny ( 20/02/2016 05:43)
Ao Ambohimanga ry RBNIR misy vavahady tsy afak'omby fa sao dia tokony aho no idirana a.

Fitoriana lehibe: Efa ataon'ny japoney fihomehezana fotsiny ny finoana kristianina fa mba miheverna tena

Dia tsy ampiasana zavatra vita Japoney ihany koa hoe.... hihihihiihihi.

Ny ao Raoma aza miangavingavy amin'ny Japoney mafy mihintsy mba hanitatra ilay masolavitra ahafana mijery ny lanitra ao Raoma koa (Telescope).
233. rhaj0 ( 22/02/2016 11:49)
RBNIR:
Fa mba mandiniha tena ihany hoy aho e! tsy laitrako angeh ny hahitanao hanenina any aoriana any rhajo e! isika mba efa samy "mpinamana" ihany teto amin'ny serasera ihany....

hi hi hi... et reciproquement io RBNIR aa... Ianao izao tsy ho ela, raha tsy efa izao ianao dia efa ao io, tsy ho ela dia ivanitihan'ny Ankizy @ ity finoanao ity eee...

Tsaroako taloha rahefa mandeha tongotra adiny iray mandeha/miverina any ampianarana iny aho, dia manala azy (@ resaka fivavahana/finoana) izaho sy ilay "namana tena namana" iray izay.. hi hi hi... dia tohizako eto miaraka aminao io RBNIR aa... :-)
234. RBNIR ( 22/02/2016 12:28)

Izaho dia efa nivanitihan'ny olona, ary tsy maintsy mbola hivanitihan'ny olona,
Ny iriko fotsiny indray andro any mba hahatsapa tena ihany ireo mpivanitika rehetra fa tsy rehefa ho tara loatra akory....

Efa voasoratra hoe:
« Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona: » (Lio.17:26)

Koa raha nihomehezana i Noa nanao ilay sambo fiara tamin'ny andro mbola nibaliaka nandritra ny zato taona...

Izaho koa efa vonona ny hihomehezana, saingy enga anie hoy aho ka tsy ho diso aoriana vao hahatsapa tena e!!!
235. rhaj0 ( 22/02/2016 16:02)
i Noah kosany ve tsy mampihomehy anao ry RBNIR aaa..

Ohatra ho'a hoe, toatoa iao izany ny resak'i Noah sy ilay aide-soferanèilay sambofiara

Noah- ahoana, efa ao ve i Jojo Lapin sy Finette teo?
Aidechauffeur- Eny, fa vao niteraka indray i Finette teo, ka dia ho ariana izany ireto zaza, satria tsi22 ihany hozy i Andmntra
N- ahoana, ao ve ny domoina anankiroa?
A- Eny, efa ao an-kibon'ny saka, fa ho halohany izany rahefa maina ny tany
N- ahoana, ao ve parasy anankiroa?
A- Eny, efa ao anaty salaka, mampangidihidy ny kitapon'aina...

236. tealala ( 22/02/2016 16:22)
hahahaha!!! tena fampianarana katesizy mihitsy izany ataon'i rhaj0 izany a :D
fa ao mba atoroko fomba fandraisana ilay tantaran'i Noah e, azo raisina azo tsy raisina a..
ny biby tao anatin'iny tantara iny dia ny olona tsy nino an Andriamanitra no tiany tenenina. Tsy aiko raha mila fanazavana fanampiny na koa mahafehy azy ve izany.
237. tealala ( 22/02/2016 16:24)
isan'izany ireo bonobos.
238. rhaj0 ( 22/02/2016 16:58)
Tealala:
ny biby tao anatin'iny tantara iny dia ny olona tsy nino an Andriamanitra

Dia nalahatra tsi22 hono izany ireo "biby" ireo, hoz'i Tealala ee.. anisan'ireo ny gasy razambentsika ooo ??? nalain'i Noah manokana mihintsy.. h@ ny aborizena tatsy Amazonia ka hatrany Aostralia..

ntsss... mamoromporona indray ry Tealala fa te-hiala oainina.. fa vao mainka oainina :-)
239. tealala ( 22/02/2016 17:20)

Izay andraisan'i rhaj0 azy mety daholo ka, mitovy ihany tsinona ny resultat .
fa raha ny analizin'ingahy no jerena dia ny katesizy ihany no tena mibahana ao an-tsainao ao.( izay ihany no mahatonga ahy miteny indrandray hoe na athée ary i rhaj0 manana tendance kristianina ihany a)
evident be anie izany ry rhaj0 e, tsy oainina amin'izany aho ka.., efa nisy anie hoy aho ny olona talohan'ny nanaovana an'i Adama e, ny razambenao efa ekena universelina fa nivoatra nivoatra hatrany dia io ianao io, manana fanahy ianao fa tahaka ilay fanahy ny razambenao (tsy haiko io na malagasy na canadien na homo...)
Izahay kosa fony novolavolaina :D dia manana fanahy tahaka ilay anao fa nahazo ny fanahy ahafahana mifandray amin'Andriamanitra..
240. rhaj0 ( 22/02/2016 18:22)
tealala:
efa nisy anie hoy aho ny olona talohan'ny nanaovana an'i Adama

Iieee... TSY anaty katesizy izany. Mba lazao etoana azany izany revy (mifanohitra @ katesizy) izany ee... Miaiky aho fa mahery ny imaginatoin an'i toin.

tealala:
Izahay kosa fony novolavolaina :D dia (..) nahazo ny fanahy ahafahana mifandray amin'Andriamanitra

hheeee.. anaty Katesisy koa izany, raha tsy diso aho. MItovy ihany izany ny imaginatoin an'i toin sy ny hafa ee...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3829