FALY BE NY TENAKO IZANY EH "MISY MAHAY MITONDRA HAFATRA"

121. RBNIR ( 09/10/2015 06:57)

Strong3:


RBNIR:

Namana strong, ilay batisa original aza anie hoy aho mila manana antoka isika fa olona nirahina mivantana no manao an'ilay izy e, (JAONA, JESOSY, IREO MPIANATR 'I JESOSY ary farany i filipo)

Mpaniraka : JEHOVAH RAY , na I JESOSY na ny FANAHY MASINA......

Tena sure v fa vita tamin'ilay original i Strong???


« Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. » (Asan'ny Apostoly 16:31)


oh ! rangahy namana ôh... sao hadinonao ary fa maro no voavonjy tsy nandalo batisa
ary mbola averiko ihany ity verset ity
:
___ ny I Kor 15 dia fototrin'ny finoana marina , ka ny fahalala no nitarika ahy ahafantatra amin'ny finoana ; fa zanany aho; tsy tamin'ny rano ihany fa tamin'ny fanahy sy ny afo ihany koa araka ity epistilin'i Jaona ity ihany:
____ « Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. » (1 Jaona 5:1)
« Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. » (1 Jaona 5:2)
« Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. » (1 Jaona 5:3)
« Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. » (1 Jaona 5:4)
« Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra? » (1 Jaona 5:5)
« Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. » (1 Jaona 5:6)
« Fa misy telo izay manambara, » (1 Jaona 5:7)
« dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo. » (1 Jaona 5:8)
[size=16]« Raha mandray ny fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany. » (1 Jaona 5:9)
« Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy. » (1 Jaona 5:10)
« Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. » (1 Jaona 5:11)[/size]

« Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. » (1 Jaona 5:12)


__ « Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy, » (1 Petera 3:18)
« izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina, » (1 Petera 3:19)
« dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano, » (1 Petera 3:20)
« izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana* ny fieritreretana tsara eo anatrehan**'Andriamanitra***, amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty. [* Na: fanontanian'] [** Na: amin'] [*** Na: ny fitadiavan'ny fieritreretana tsara an'Andriamanitra] » (1 Petera 3:21)
« Izay eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery. » (1 Petera 3:22)


Mazava amiko ny soratra masina! mitafy ny natiora vaovao ao Aminy aho :
__ « [Ny fahazotoan'ny zanak'Andriamanitra hanao ny sitrapon'ny Ramy sy hifankatia amin'ny namany, ary ny fahatokiana ananany] Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon*'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy. [* Gr. nomen'] » (1 Jaona 3:1)
« Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. » (1 Jaona 3:2)

« Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy. » (1 Jaona 3:3)
« Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna. » (1 Jaona 3:4)
« Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra* ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. [* Na: hitondra] » (1 Jaona 3:5)
« Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. » (1 Jaona 3:6)
« Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jaona 3:7)
« Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly. » (1 Jaona 3:8)
« Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak'Andriamanitra. » (1 Jaona 3:9)


Izy no nametraka ahy ho zanany ka ahoana no ilazanao fa tsy tsy ho AZOKO ANTOKA NY IDENTITEako ao amin'ny Jesosy Kristy ?

ianareo mihevitena ho tsy roa ama-tany io no tena ahiakoa , tratran'ny fandrik'ilay ratsy , latsaka anatin'ny FIEBOHEBOANA SY FANANDRATATENA ARY FITIAVANA HIAVAKA ka tsy mahatsapa intsony hoe efa tsy ao anatin'ny voa hamantarana ny Tena Zanak'Atra marina. ---> koa mananatra anao amin'ny Anaran'i Jesosy Tompo aho: ATSAHARO NY FIEBOEBOANA SY FANDOKAFATENA MIHOAPAPA fa tsy mahasoa anao ao amin'ny Tompo sy ny asa fitoriana ny filazantsara izany!
... Koa raha ny amiko dia tsy identifiéna ao amin'ny fiangonana aho fa ao amin'Ilay Zanak'Atra Velona dia Jesosy Kristy Tompo.
izay tsy fanambaran'ny fiangonana fa zanak'Atra aho fa , Fanambaran'Atra Tsitoha fa zanany ao amin'i Jesosy Zanany aho--> Isaia 53:10


Ny olona dia tsarain'Andriamanitra araka izay teny reny sy fantany,
Raha toa ka nijanona tamin'ny finona no fantany dia afaka izy raha ity fotsiny no reny sy fantany fa raha efa nahare an'ity kosa ilay olona « Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. » (1 Jao.5:1)
Fa raha ohatra kosa ka efa nahare an'ity izy dia tsy maintsy miroso amin'ny batisa (original)...
« [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Mar. 16:16)

Ho antsika eto ohatra dia izay rehetra efa nandre ny teny rehetra nozaraina teto dia afaka tsarain'Andriamanitra amin'ny teny rehetra nozaraina teto....


122. RBNIR ( 09/10/2015 09:24)
RBNIR:

ianareo mihevitena ho tsy roa ama-tany io no tena ahiakoa , tratran'ny fandrik'ilay ratsy , latsaka anatin'ny FIEBOHEBOANA SY FANANDRATATENA ARY FITIAVANA HIAVAKA ka tsy mahatsapa intsony hoe efa tsy ao anatin'ny voa hamantarana ny Tena Zanak'Atra marina. ---> koa mananatra anao amin'ny Anaran'i Jesosy Tompo aho: ATSAHARO NY FIEBOEBOANA SY FANDOKAFATENA MIHOAPAPA fa tsy mahasoa anao ao amin'ny Tompo sy ny asa fitoriana ny filazantsara izany!

Tsy misy mandoka tena mihitsy eo fa milaza ny tena marina fotsiny ihany,
F'angah tsara noho ny anao ny zavatra toriko eto???? Raha tsara maninona no tsy raisinao????
123. Strong3 ( 09/10/2015 10:59)
aiza no misy fampitahana nataoko?
tsy mitsahatra mihitsy ilay fanahin'ny fandokafatena , fieboeboana , fandandratatena mihoapapana

raha mihoatrana izay notorian'i Paoly izay torianareo dia mihevera tena fa mpampitombo resaka
ary ny bokin'ny apoka dia milaza fitomboan-doza amin'izay mpampitombo izay voasoratra
124. RBNIR ( 09/10/2015 11:06)
Filazana no marina no ataoko namana Strong a, tsy maintsy ambara ny olona ny tena marina dia tokana ny fampianarana tsy misy kilema dia fampianarana avy tamin'Andriamanitra nomena mivantana an'i JEsosy, I Jesosy indray kosa no mifidy olona mivantana ampianarina dia iny olona iny no mampianatra amin'ny olona hafa....Voamarina hatrany izany ao anaty baiboly, tsy fandokafantena izany fa fanambarana ny marina fotsiny ihany,
Tsy afenina mety hisy tohina (tahaka anao) nefa ny marina tsy maintsy torina!!!!
125. Hajarilala7 ( 10/10/2015 07:10)

RBNIR:

Filazana no marina no ataoko namana Strong a, tsy maintsy ambara ny olona ny tena marina dia tokana ny fampianarana tsy misy kilema dia fampianarana avy tamin'Andriamanitra nomena mivantana an'i JEsosy, I Jesosy indray kosa no mifidy olona mivantana ampianarina dia iny olona iny no mampianatra amin'ny olona hafa....Voamarina hatrany izany ao anaty baiboly, tsy fandokafantena izany fa fanambarana ny marina fotsiny ihany,
Tsy afenina mety hisy tohina (tahaka anao) nefa ny marina tsy maintsy torina!!!!
Raha izaho koa izaho mba miteny fa tena izaho irery no Bôgôsy dia ahoana hoy ianao RBNIR???? Tena marina anie fa Bôgôsy aho é! Ny marina no lazaiko aminareo!
126. RBNIR ( 11/10/2015 07:59)
Hajarilala7:

Raha izaho koa izaho mba miteny fa tena izaho irery no Bôgôsy dia ahoana hoy ianao RBNIR???? Tena marina anie fa Bôgôsy aho é! Ny marina no lazaiko aminareo!

Ilay izy tsy hoe izay bogosy fa izay marina e,
Fampianarana tsy msy kilema no tena resaka, dia ny baiboly no manamarina ny teny,
Ary na iza na iza mifanaraka amin'izay dia amiko ekeko avokoa (raha voaporofony fa tena 100% mitovy amin'i Jesosy ny fampianarany,
Izay fotsiny ihany namana, efa nambarako fa isika tsy manenjika na manaratsy an'iza na iza fa mihezaka mampiseho ny marina amin'ny olona rehetra....
127. tealala ( 11/10/2015 10:09)

RBNIR:

Hajarilala7:

Raha izaho koa izaho mba miteny fa tena izaho irery no Bôgôsy dia ahoana hoy ianao RBNIR???? Tena marina anie fa Bôgôsy aho é! Ny marina no lazaiko aminareo!

Ilay izy tsy hoe izay bogosy fa izay marina e,
Fampianarana tsy msy kilema no tena resaka, dia ny baiboly no manamarina ny teny,
Ary na iza na iza mifanaraka amin'izay dia amiko ekeko avokoa (raha voaporofony fa tena 100% mitovy amin'i Jesosy ny fampianarany,
Izay fotsiny ihany namana, efa nambarako fa isika tsy manenjika na manaratsy an'iza na iza fa mihezaka mampiseho ny marina amin'ny olona rehetra....

Fa le izy iza no mapianatra anao? i jesosy sa ny ray sa i pasitera?
128. RBNIR ( 11/10/2015 22:12)
tealala:

Fa le izy iza no mapianatra anao? i jesosy sa ny ray sa i pasitera?

Faly misera namana,
Nanomboka tamin'i Jesosy dia izao no rafitra fampitana ilay fampianarana....
1- « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)

Ray----->Jesosy

2- « Ary ny mpianatra iraika ambin'ny folo lahy dia nankany Galilia, ho any amin'ilay tendrombohitra nasain'i Jesosy halehany. » (Mat.28:16)
« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Mat.28:19)

Jesosy indray kosa avy eo mampianatra olona mivantana dia maniraka an'ireny olona nampianariny mivantana ireny "hampianatra" sy "hanao batisa"

Vakio tsara fa ao amin'ny andininy faha 16 dia voalaza mazava hoe mpianatra iraika ambin'ny folo lahy......

Izay no ara-baiboly aloha hatreto!!!
129. Strong3 ( 12/10/2015 09:37)
« Ary hoy Izy: Mitandrema, fandrao ho voafitaka ianareo; fa maro no ho avy amin'ny anarako sady hanao hoe: Izaho no Izy; ary koa: Efa akaiky ny andro; koa aza manaraka azy. » (Lioka 21:8)

efa voasoratra fa ho maro no toa anareo izay feno ny fanahin'ny fandokafa-tena sy fieboeboana ary manao tsinotsinona ny hafa ...
« [Ny amin'ny fihemorana any am-parany,] Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. » (2 Timoty 3:1)
« Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy*, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9,3] » (2 Timoty 3:2)
« tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, » (2 Timoty 3:3)
« mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an'Andriamanitra, » (2 Timoty 3:4)
« manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro. » (2 Timoty 3:5)
« Fa isan'ireny izay misokosoko miditra any an-tranon'ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran'ny fahotana, entin'ny filàna maro, » (2 Timoty 3:6)
« mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina. » (2 Timoty 3:7)
« Ary tahaka ny nanoheran'i Jana sy Jambra an'i Mosesy no anoheran'ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina. » (2 Timoty 3:8)
« Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo koa. » (2 Timoty 3:9)

KOA DIA MITANDREMA IANAREO FA FAMANTARANA AVOKOA IZAO PUB REHETRA IZAO...
io voa anakiray io no mamaritra fa VOA HAFA NO entinareo fa tsy ilay Tena Tsy Misy kilema, dia ity:
__ IZAHO (pasitera fitiavanaherin...) IRERY NO ETO MADAGASIKARA navelan'i Jesosy hitory ny marina tsy misy kilema.

Tsy misy porofo arabaiboly mihitsy izany fa tora-po fotsiny ihany!
tsy misy faminaniana arabaiboly izany fa foronin'ny saina mahaolona tia eboebo fotsiny ihany

tena efa akaiky marina Izy!
130. RBNIR ( 12/10/2015 11:23)
ity no porofo.....« Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona. » (Jao.15:16)

Izay tsy otran'io dia tokony andinika ny tenany izy....

Izay milaza fa otran'io kosa dia tokony ho 100% mitovy amin'ny fampianaran'i Jesosy ny fampianarany (tsy anampiana ary tsy analana)....

P.S: tsy niteny mihitsy aho hoe izaho (izahay) irery fa efa misy hoy aho 1 eto mada dia 1 any ivelany...Ny ankoatran'izay mbola tsy nilaza i Jesosy fa raha misy aza izany tsy maintsy fantatra ho azy satria tokony 100% mitovy amin'i Jesosy ny fampianarany ary tsy manohitra velively izao fampianarana izao...
131. Hajarilala7 ( 12/10/2015 12:21)

RBNIR:

ity no porofo.....« Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona. » (Jao.15:16)

Izay tsy otran'io dia tokony andinika ny tenany izy....

Izay milaza fa otran'io kosa dia tokony ho 100% mitovy amin'ny fampianaran'i Jesosy ny fampianarany (tsy anampiana ary tsy analana)....

P.S: tsy niteny mihitsy aho hoe izaho (izahay) irery fa efa misy hoy aho 1 eto mada dia 1 any ivelany...Ny ankoatran'izay mbola tsy nilaza i Jesosy fa raha misy aza izany tsy maintsy fantatra ho azy satria tokony 100% mitovy amin'i Jesosy ny fampianarany ary tsy manohitra velively izao fampianarana izao...
Tsy mbola reraka ve ianao ry Strong3 a! Miresaka amin'ny olona efa voapetaky ny vy mahamay anie ianao é!
132. RBNIR ( 12/10/2015 12:35)
Hajarilala7:

Tsy mbola reraka ve ianao ry Strong3 a! Miresaka amin'ny olona efa voapetaky ny vy mahamay anie ianao é!


Dia variana amin'izao vy mahamay izao ianareo dia ny marina mandalo eo ambanimasonareo???
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
133. Strong3 ( 14/10/2015 06:51)
tsy reraka ao satria ...
mbola tsy tonga eny amin'ny rahon'ny lanitra ny Mpamonjy ahy

RBNIR:
ity no porofo.....« Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona. » (Jao.15:16)

Izay tsy otran'io dia tokony andinika ny tenany izy....


izao ve no porofo fa nirahina manokana eto madagasikara ianareo irery ?
__ toa tahaka ny manabaribary olona enao ka, marina eh
iza no mpivavaka tsy mino sy tsy mandray io teny io mba ho fananany sy hanarahany ny Tompo izay inoany?

toa miezaka ny hanampitsofina fotsiny ianao hoe :
tsy rarahiako izany fa nenay ihany , nenay hatrany ...
atra ve hifidy olona tia voninahitra sy fieboeboana?
fa raha nomen'ny devoly izany Jesosy teo antendrombohitra dia nandà mafy ka aleony niandry ny voninahitra atolotrin'ny Rainy Azy!
___ ary io fitiavana hosotra sy voninahitra io no mahasolafaka anareo panao bup rehetra ireo
any sud-af hoa mbola misokatra raha te hiroborobo hainga ; fa tsy eto no mandokatena tsy ahoatsiahoana eto
iomehezan'ireo efa tafa ireo fotsiny, izao ny olona mahafeno coliséum sy palais , nénareo ANS aza kopahina vao feno

dia aiza iry hoe hatrany amparan'ny tany raha madagasikara aza tsy rakotra?

na marina aza ny zavatra torianareo dia ho tahaka ny mpitaribato vilambava ianareo amin'ny ity fieboeboana ity;
izay lazain'ny ntaolo hoe: fandio iray barika tsy mahaleo fandonto iray tanana ; io
134. RBNIR ( 14/10/2015 06:59)
Io no porofo fa ny olona tena nirahiny dia IZY NO MIFIDY SY MANIRAKA fa tsy MANIRA-TENA AKORY NY OLONA RY NAMANA!!!
« Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona. » (Jao.15:16)
Vakio tsara fa hoy IZY hoe « Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa"

Koa manainga antsika aho mba hanontanio tsara aloha hoe tahaka an'izay marina v ny nanendrena ilay mpitarika ao amin'ny fiangonan-tsika ao sa???? Io no rafitra napetrany fa tsy napetrak'olona!!!
135. Strong3 ( 14/10/2015 09:03)
nifidy ANAREO ... ANAREO

be dia be ny pasteur nantsoina sy iresahan'ny Tompo manokana ary miasa araka izay anirahana azy ao izy
__ fa ireny rehetra ireny tsy mbola nisy nilaza hoe : izaho irery no nirahin'ny Tompo , izaho irery no manana ny fampianarana tsy misy kilema, blablabla

ny fampianarana dia aoka ho tsaroanao izay ambaran'i paoly araka ny 1 KOR 12 SY NY 1 KOR 14
__ ka aza dia ebolahy hoa fa toa ebôlà makarary ity fiangonanareo entina anditra be fotsiny hoe ianareo irery no marina!

____ za mieritreritra hoe : tao amin'io fiangonana io angamba ianao vao nivavaka eh?
na tao ianao vao mba nianatra baiboly izany. ka toa izay ambaranao dia eny tompoko daholo fa tsy misy saina handinika hoe : marina ve izany sa tsia; Asa 17

tadidiko ilay mpianatra tapotapohany naka 19/20 tamin'ny Tompo:
_ « Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy. » (Marka 9:37)
« Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika. » (Marka 9:38)
« Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety. » (Marka 9:39)
« Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. » (Marka 9:40)

... dia lazao indray fa satria izahay manohitra anareo dia tsy izy hahahahah ... :-)
mampimé mampalahelo enao ka .... snifff niahahahaha :-) :-) :-) :-)
136. RBNIR ( 14/10/2015 09:34)
Strong3:

be dia be ny pasteur nantsoina sy iresahan'ny Tompo manokana ary miasa araka izay anirahana azy ao izy
__ fa ireny rehetra ireny tsy mbola nisy nilaza hoe : izaho irery no nirahin'ny Tompo , izaho irery no manana ny fampianarana tsy misy kilema, blablabla

Mba ento eto hoe namana Strong3 izany be dia be izany, dia mba ento koa ilay fampianarany mba hanamarinana ny fanambarany???

Ny mahagaga ahy kely fotsiny dia hoe naninona izany "be dia be"lazainao izany no tsy nitory hoe tokony apostoly (olona iray fidin'i Jesosy sy ampianariny mivantana no tokony ho mpanorina fiangonana)???

« Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, » (Efe.2:19)
« natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; » (Efe.2:20)

« Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera*, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako**; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita*** tsy haharesy azy. » (Mat.16:18)

===> MISY DIKANY LEHIBE MATOA APOSTOLY NO NOFIDINA HANORINA NY FIANGONANY!!!!


137. Strong3 ( 14/10/2015 12:25)
eh dia mampalahelo ahy enao ity kah!

tsy ambinina ny fisehosehoana sy fieboeboana , ny asa vita no ifampitsarana
izay no ilazako fa enao vao tao amin'ny vitao ny asan'ny fahamarinana angamba vao nivavaka izany, ka tsy mahalala biby afa tsy ny sahona

ry benja aza efa pasteur no niverina ho apostoly , taiza ianareo tamin'izany ... mbola nitsipozipozy kely fa izao vao mitombo ny dime , de afaka miteny matetika amin'ny TV
de mirehaka eto amin'izay.

misy fiangonana efa ho 30 taona eto antananarivo manana rafitra apostolika , fa aza dia miteninteny hoa

ny asa dia tsy manjono anaty kouveta ohatr'io ataonareo io ... ny efa mahalala no dilirina hivadika any aminareo satria ianareo nandray revelation kely vinaninany tao dia hoe :
avia fa zahay no tena zavatra sy mamiratra fa sisak'izay akosobolamena

aza na mba azonao izany lazain'ny 1 Kor 12/14 izany na tsia , fa dia entanimpo tampotampoan'ny maminany ao dia hoe :
ity zahay ilay milay sy bomba

fa afaka 10taoana ianareo dia anomboka ho sifotra nalandoha , dia hitsangana indray ny manaraka maty kambo dia hanao ny ataonareo ... dia tsy misy zavabaovao eto antany fa ny teo no miverina satria ianreo dia latsaka ao aminany nofo ihany ka tsy misy mahasamihafa amin'ny mpanao pub eh

izay aterakin'ny Fanahy dia fanahy ka mandeha araka ny fanahy , misaina araka ny fanahy , mitory amin'ny fitarihan'ny Fanahy ... « Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, » (1 Korintiana 13:4)

fa izay aterakin'ny nofo dia nofo ka ... « dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala* amin'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy, [* Gr. marary] » (1 Timoty 6:4)

DIA MBA TONGA SAINA RE RY RBNIR fa mampalahelo ity mahazo anareo ity eh

138. RBNIR ( 14/10/2015 12:31)
Azavao tsara fa aza entimpo namana Strong3 a, iza avy hoy aho ireo be dia be (nofidiny mivantana ary koa nampianariny mivantana) dia porofoy (satria ianao izany resy lahatra fa tena apostoly marina izireo) fa tena 100% mitovy an'i Jesosy ny fampianarany,
Izaho ange hoy aho tsy niteny hoe izaho (na izahay) irery e, fa ny fanambaran'i Jesosy no milaza hoe amin'izao fotoana izao dia 1 eto mada ary 1 any ivelany.....
Ka ento ary ireto izy namana hiarahana mahita fa isika indray tsy mba mpanohitra ny marina...
Aoka anefa mba ho 100% mitovy amin'ny fampianaran'i Jesosy ny fampianaran'izay olona entinao ry namana!!!
139. bor2lais ( 14/10/2015 14:15)
RBNIR:

fanambaran'i Jesosy no milaza hoe amin'izao fotoana izao dia 1 eto mada ary 1 any ivelany.....

:-)
"Dadarabe"-na(re)o ve no mitantara an'io RBNIR ?
:-)
140. rhaj0 ( 14/10/2015 14:44)
ntss.. rehefa samy mandefa ny "imagination"-ny ao kosany, maninona raha mba alefan-dry RBNIR toa io ny azy eee... ny imagination-nao ao koa anie dokotera ka mampivanitika gilady koa e.... Ohatra hoe, ianao izao mi-imaginer hoe, ho vonjen'i Jesosy ianao.. na ny fatinao.. na ny fanahinao, na whatever.... dia io ho'a, rahefa mipatitaka ny system solaire, koa na i Jesosy azany tsy hitany izay handraisany ny salakany, fa mipatitaka daholo isika taim-bovoka, koa ianao kouh toa hotsahotsan'ny...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1026