FALY BE NY TENAKO IZANY EH "MISY MAHAY MITONDRA HAFATRA"

1. Strong3 ( 11/09/2015 13:16)
Dia makasitraka an'i RBNIR fa hitako naseho tv mihitsy ny fanotaniako teto ! good good good :-)

fa dia tena mba nivaninika aho tamin'ny maraina teo 11/09/2015

sempotra ingahy pasy namaly hoe :
"isika irery ve no fiangonana marina?" hoy ingahy paopaoly

dia ny hany navalin'ingahy pasy dia hoe : "NY MARINA NO TORIANTSIKA KA MAZAVA IZANY FA MARINA ISIKA"

dia nipetraka indray ny fanotaniana faharoa
"ny fiangonantsika irery ve no vala tokana?" hoy ingahy paopaoly

dia izao no valiny:
"iray ihany no mpiandry fa tsy maro" ka dia mazava izany fa tsy eto intsony i JESOSY fa ny IRANY NO HITANDRINA NY ONDRY
.....
tahaka ny te hiteny izany i pasitera hoe :
IZAHO PASITERA HERINIRINA FITIAVANA no solotenan'i Jesosy kristy hitandrina ny ondry manerantany

dia ampitao any indray re ry namana fa nampné be ilay valiteny...
sao mba izy tenany no tokony hiresaka eto hiangaliako ny resaka tokony hifanitsiana :-)

fa dia misaotra fa hay mahay mampita resaka isé
novalian'i Strong3 ny 21/10/2015 12:41
2. gasy1zay ( 11/09/2015 13:46)
Mbola maro ny fanontaniana tokony valian'ingahy Heritiana fa tsy ireo ihany, toy ny hoe :
1- Tsy niasa ve zany Fanahy Masina hanitsy ireo mpitondra/mpiandry ondry diso lalana nandritra ny 2000 taona?
2- Inona ireo fampianarana tena "vaovao" nentiny akoatran'ireo efa nampianarin'ireo lazainy fa diso na misy kilema : ny fanajana ny andro sabata manko toa efa heno talohany(advantista, Maihol,...), ny fahafolonkarena( ny ankabeazan'ny fiangonana zandriny), ny (nilaza fa) nisehoan'i Jesoa ( Nenilava, FPVM, HVKL, ...), ny batisa anaty ranobe (efa nalaza efa ela)
3- Olona firy zany no eritreretiny ho tratra @ fitoriana ataony raha izy irery no tena "manana ilay tsisy kilema"
4- INona le tena kileman'ireo fiangonana hafa?
3. rhaj0 ( 11/09/2015 15:46)
Eo am-piandrasana an'i Heritiana Herinirina, na i RBNIR, dia hanandrakandrana hamaly aho, araka ny fahatakarako azy..

1- ... mpitondra/mpiandry ondry diso lalana ? ka h@ 4- .. kileman'ireo fiangonana hafa?

==> planiNY daholo izany. Tena sitra-poNY ny naha-"diso" sy "be kilema" ny olona/fiangonana h@ izay ka h@ izao..

NY fahazoako azy, dia izay foana ilay izy : "avelany" ho ratsy sy ho lO ao, dia avy eo... ho avy IZY @ angady sy n yharona.. mety hoe, ringaniny sahala t@ andron'i Noah.. mety hoe hanaovany sorona ny ZanaNY... dia io izany izao, mety hoe .. i Heritiana (sy i gasy1zay sy strong3) no irahiny eto eee... dia izay fivoakan'ny resaka eto dia ... "sitrapoNY" daholo ihany.

4. gasy1zay ( 11/09/2015 16:39)

rhaj0:

raha ny halalin'ny imagination'i rhaj0 aloha dia tena mety hahatsangana sekta mintsy e!
5. rhaj0 ( 11/09/2015 19:00)
gasy1zay:
raha ny halalin'ny imagination'i rhaj0 aloha dia tena mety hahatsangana sekta mintsy e!

hi hi hi .. dia soa ihany izany fa iaho ity ka TSY mino eeee... sady allergique @ ireny sekta mpanambaka sy mpamitaka ary mpambotry olona ireny...

Fanefa indray... fa maninona tokoany koa moa ianareo Kristiana sasany ireo no allergique @ sekta (sasany) izay tsy anareo eeee ??? Nefa anie izany rehetra izany dia tena (mety) @ sitrapoNY sy plan-NY daholo ihany eeee... ary ny DidiNY dia hoe "mifankatiava ihany... raha mbola velon'aina..."
6. rhaj0 ( 11/09/2015 19:11)
ampiako kely.. "amin'ny anaran'Andriamanitra" daholo no anaovanareo resaka sy zavatra eo... na sekta nareo na (tsy) sekta... Koa maninona ho'a ny samy ianareo Kristiana mino AZY ao no mifamely toa io eee ?? ry Strong3 na koa ry Bor2lais dia mamely an-dry RBNIR lava eto ohatra ??

IZY azany tsy "nandefa famantarana" fa hoe tsy d'accord, koa maninona kosany nareo no hotry ny dia ... .. efa hoe ho'a hoe, jeren'ny Ankizy anie nareo eeee...
7. taxs ( 12/09/2015 05:57)
hahaha! nataoko ihany ny hoe; tsy hiomehy fa dia misenina mihitsy ity namana?rhaj0?ity.
iza ndray zany zao reo fifampively martoa ireo?
8. rhaj0 ( 12/09/2015 15:57)
hi hi hi...tsy mifampively martoa ireo fa madama kely roa avy nivavaka.. mihaingo manja randram-bolo, mitondra kopetra miady loko @ tadim-bolo... fa ilaozany mifampively @ kopetra eo an-tokotanim-piangonana, satria... hainao ihany... ny Baiboly @ io ao anaty kopetra ihany...
9. RBNIR ( 13/09/2015 06:08)

Strong3:

Dia makasitraka an'i RBNIR fa hitako naseho tv mihitsy ny fanotaniako teto ! good good good :-)

fa dia tena mba nivaninika aho tamin'ny maraina teo 11/09/2015

sempotra ingahy pasy namaly hoe :
"isika irery ve no fiangonana marina?" hoy ingahy paopaoly

dia ny hany navalin'ingahy pasy dia hoe : "NY MARINA NO TORIANTSIKA KA MAZAVA IZANY FA MARINA ISIKA"

dia nipetraka indray ny fanotaniana faharoa
"ny fiangonantsika irery ve no vala tokana?" hoy ingahy paopaoly

dia izao no valiny:
"iray ihany no mpiandry fa tsy maro" ka dia mazava izany fa tsy eto intsony i JESOSY fa ny IRANY NO HITANDRINA NY ONDRY
.....
tahaka ny te hiteny izany i pasitera hoe :
IZAHO PASITERA HERINIRINA FITIAVANA no solotenan'i Jesosy kristy hitandrina ny ondry manerantany

dia ampitao any indray re ry namana fa nampné be ilay valiteny...
sao mba izy tenany no tokony hiresaka eto hiangaliako ny resaka tokony hifanitsiana :-)

fa dia misaotra fa hay mahay mampita resaka isé

Mahafinaritra rehefa misy namana mijery ny fandaharana,
Tohizo hatrany namana fa any aoriana any ianao dia mba hanisan'ny hifaly sy hankasitrana an'Andriamanitra raha toa ka olom-boafidiny ihany koa (fa raha te ho isany atsaharo ny fanoherana sao hiova hevitra i Jesosy!!!!!)

Efa zava-dehibe rehefa nahavita dingana lehibe nanaraka ilay fandaharana ianao...
Izao ny tena marina , ny fiangonana marina dia izay fiangonana antsagan'i Jesosy Kristy mivantana amin'ny alalan'ny apostoly izay fidiany mivantana ihany koa.....

(izaho koa nijery an'iny fandaharana iny ary izay ilay hafatra tao namana)....

Mazava ilay hafatra nambara tamin'iny namana : tsy inona fa fampahafantarana ny olona ILAY MARINA koa raha MISY AVY AMIN'NY MARINA dia mihaino ny FEON'NY TOMPONY.......

« Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao ? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko. » (Jao.18:37)

Ka raha marina ny zavatra voalaza tao inona moa no tsy hihainoantsika azy (raha avy amin'ny marina tokoa isika???).
10. RBNIR ( 13/09/2015 06:39)
Marina tokoa ity tenin'Andriamanitra iray ity:
« Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isa.55:8)

Na izaho aza mba tena gaga dia tena gaga marina tokoa satria tena misy ireo olona izay mifofotra sy mively vy mafy dia mafy tokoa ary ny sasany dia tena manao amin'ny fony marina tokoa hampandrosoana ny asan'Andriamanitra......

Nefa izay no safidiny........

Raha nifidy an'i Davida ho mpanjaka Andriamanitra dia izao ny zavatra niseho...
« [Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely] Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Mandra-pahoviana no hahalahelovanao an'i Saoly, nefa Izaho efa nandà azy tsy ho mpanjakan'ny Isiraely? fenoy diloilo ny tandrokao, ka mandehana, fa hirahiko ho any amin'i Jese Betlehemita ianao; fa efa nahita mpanjaka ho Ahy ao amin'ny zanany Aho. » (1 Sam. 16:1)
« Fa hoy Samoela: Hataoko ahoana no fandeha; fa raha ren'i Saoly izany, moa tsy hovonoiny va aho? Ary hoy Jehovah: Mitondrà ombivavy kely ianao, ka lazao hoe: Avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho. » (1 Sam.16:2)
« Ary antsoy Jese mba ho any amin'ny fanatitra, ary Izaho no hampahafantatra anao izay hataonao; ka dia hohosoranao ho Ahy izay holazaiko aminao. » (1 Sam.16:3)
« Ary Samoela nanao izay nolazain'i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao? » (1 Sam.16:4)
« Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin'ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin'ny fanatitra. » (1 Sam.16:5)
« Ary nony tonga ireo, dia nijery an'i Eliaba izy ka nanao hoe: Ny voahosotr'i Jehovah tokoa ity eto anatrehany. » (1 Sam.16:6)
« Fa hoy Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. » (1 Sam.16:7)
« Ary Jese niantso an'i Abinadaba ka nampandalo azy teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah. » (1 Sam.16:8)
« Ary Jese dia nampandalo an'i Sama indray. Fa hoy izy: Tsy ity no nofidin'i Jehovah. » (1 Sam.16:9)
« Ary Jese nampandalo fito lahy tamin'ny zanany teo anatrehan'i Samoela. Fa hoy Samoela tamin'i Jese: Tsy nofidin'i Jehovah ireto. » (1 Sam.16:10)
« Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Tapitra eto avokoa va ny zanakao-lahy rehetra? Dia hoy izy: Ny faralahy no sisa, fa miandry ondry izy. Ary hoy Samoela tamin'i Jese: Maniraha haka azy, fa tsy hipetraka hihinana isika ambara-pahatongany eto. » (1 Sam.16:11)
« Dia naniraka izy ka nitondra azy hiditra. Ary mena volo* izy sady bary maso no tsara tarehy. Ary hoy Jehovah: Mitsangàna, hosory izy, fa io no izy.[Na: tendron-tava] » (1 Sam.16:12)
« Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin'ny rahalahiny; ary ny Fanahin'i Jehovah dia nilatsaka tamin'i Davida hatramin'iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama. » (1 Sam.16:13)

Na dia i Samoela mpaminany aza dia "voafitaka" ary dia nihevitra mihitsy fa hafa ilay nofinidin'i Jehovah.......

Raha nifidy apostoly indray i JEsosy dia ireto no nofidiny (nefa tamin'izany dia betsaka ny Jiosy mahay fivavahana tsara)
Petera sy ny rahalahiny : mpanarato,
Matio : mpamory hetra (ny mpamory hetra dia voasokajy tsy ho isan'ny mpivavaka mihitsy tamin'ny fotoan'androny,
sns sns..........

Dia tena notanterahan'Andriamanitra hatrany ity teny ity :
« Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. » (Mat.11:25)
« Ary tamin'izany ora izany dia ravoravo tamin'ny Fanahy Masina Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika; eny, Raiko, fa izany no sitrakao. » (Lio.10:21)

Tsy mahafaly an-tsika v raha malagasy ny iray amin'ireo olona izay nofidiny hitarika ilay fiangonana farany izay hampianatra ny olona rehetra an'ilay fampianarana tsy misy kilema nampianariny fahiny????

Inona no olana amiko sy aminao amin'izany??? Izay no safidiny??? toy ny safidiny izay efa nataony hatrizay ihany????
11. RBNIR ( 13/09/2015 06:48)
Manana fo madio sy fijery tsy miangatra,
Raha marina no lazainy nahoana no tsy hino izaho sy ianao?
Raha diso kosa dia tsy maninona satrai izy aza mampianatra diso koa......
Nefa raha ny fandraisako ny teninareo eto tsy ilay fampianarana no omenareo tsiny fa noho izy nilaza ny mikasika ilay fiangonana marina sy ny tena dikan'ny atao hoe apostoly marina.....
12. endriny ( 15/09/2015 06:02)
Fa iza tokoa moa no afaka manamarina fa diso ny nolazainy? Sa hoe izy Malagasy fa tsy Eraopeanina?
13. Strong3 ( 16/09/2015 07:39)
:-)

amin'ny lundi mihaona fa efa hitako ireo! mazotoa misera daholo ato aloha eh
14. Hajarilala7 ( 16/09/2015 15:54)

endriny:

Fa iza tokoa moa no afaka manamarina fa diso ny nolazainy? Sa hoe izy Malagasy fa tsy Eraopeanina?
Izaho mahita zavatra marobe misy kilema amin'ny zavatra hampianarina! Mazoto ho an'Andriamanitra i RBNIR fa tsy araka ny fahalalana koa dia manamarina ny tenany izy fa tsy hamarin'Andriamanitra araka ny Romana 10/1-2
15. 1Marina7 ( 16/09/2015 16:59)

gasy1zay:

Mbola maro ny fanontaniana tokony valian'ingahy Heritiana fa tsy ireo ihany, toy ny hoe :
1- Tsy niasa ve zany Fanahy Masina hanitsy ireo mpitondra/mpiandry ondry diso lalana nandritra ny 2000 taona?
2- Inona ireo fampianarana tena "vaovao" nentiny akoatran'ireo efa nampianarin'ireo lazainy fa diso na misy kilema : ny fanajana ny andro sabata manko toa efa heno talohany(advantista, Maihol,...), ny fahafolonkarena( ny ankabeazan'ny fiangonana zandriny), ny (nilaza fa) nisehoan'i Jesoa ( Nenilava, FPVM, HVKL, ...), ny batisa anaty ranobe (efa nalaza efa ela)
3- Olona firy zany no eritreretiny ho tratra @ fitoriana ataony raha izy irery no tena "manana ilay tsisy kilema"
4- INona le tena kileman'ireo fiangonana hafa?

Ny kileman'ny fiangonana hafa dia ity MPANOTA MITORY TENY AMIN'NY MPANOTA ITY. Jamba mitarika jamba, Averiko hatrany ny fanazavako eto amin'ity serasera ity ANDRIAMANITRA TSY NANIRAKA MPANOTA HITORY TENY fa izay notendreny ka nohamarininy no nirahiny mba handeha sy hamoa. Vakio ny Romana 8: 30 Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa. SY ny Jaona 15:16 Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo,
NY FAHOTANA NO KILEMAN'NY FIANGONANA SATRIA TSY NIRAHIN'ANDRIAMANITRA NY MPITORY TENY AO AMINY satria tsy nahafaka fahotana ilay zanak'andriamanitra notoriny tao FA NY TENA ZANAK'ANDRIAMANITRA DIA NAHAFAKA FAHOTANA. Vakio ny Jaona Voalohany 3: 5 Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra [hitondra] ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy. 6 izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy. SY ny Jaona 6: 36 Koa raha ny Zanaka ny hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo.
MISY NY OLONA MARINA ETO AMBONY TANY.
ARAHO ny fampianarana entin' EPISKOPO Samüelson Edouard ao amin'ny Radio Télévision YAHOSHUAH International amin'ny site www.rtvyahoshuah.com, Ao amin'ny Radio HFF FM 97.2 eto Antananarivo, FM 104 ao Fianarantsoa sy Toliara ary Mahajanga, ny FM 91.4 ao Ambatondrazaka
16. 1Marina7 ( 16/09/2015 17:06)

rhaj0:

ampiako kely.. "amin'ny anaran'Andriamanitra" daholo no anaovanareo resaka sy zavatra eo... na sekta nareo na (tsy) sekta... Koa maninona ho'a ny samy ianareo Kristiana mino AZY ao no mifamely toa io eee ?? ry Strong3 na koa ry Bor2lais dia mamely an-dry RBNIR lava eto ohatra ??

IZY azany tsy "nandefa famantarana" fa hoe tsy d'accord, koa maninona kosany nareo no hotry ny dia ... .. efa hoe ho'a hoe, jeren'ny Ankizy anie nareo eeee...

Mifamaly hoy ianao ny samy kristiana, marina izany nefa aoka ho fantatrao fa raha vao miteny izahay dia samy mitambatra indray ireo mamaly anay na ianao milaza ho tsy mino na ho tsy kristiana io aza.
Inona moa no antony.
MISY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA TORINAY DIA NY HOE "OLONA MARINA NY TENA MIARAKA AMIN'ANDRIAMANITRA TENA IZY" ka fantaro ny andriamanitra tompoinareo hatramin'izay izay tsy naha-marina anareo. Tsy nahavita ny famonjena izany izy.
ARAHO NY FAMPIANARANA ENTIN' EPISKOPO Samüelson Edouard ao amin'ny Radio Télévision YAHOSHUAH International amin'ny site www.rtvyahoshuah.com, Ao amin'ny Radio HFF FM 97.2 eto Antananarivo, FM 104 ao Fianarantsoa sy Toliara ary Mahajanga, ny FM 91.4 ao Ambatondrazaka
17. 1Marina7 ( 16/09/2015 17:12)

RBNIR:

Mazava ilay hafatra nambara tamin'iny namana : tsy inona fa fampahafantarana ny olona ILAY MARINA koa raha MISY AVY AMIN'NY MARINA dia mihaino ny FEON'NY TOMPONY.......

Raha misy avy amin'ny MARINA dia inona no tokony ho toetrany;
VALINY: MARINA TAHAKA AZY Jaona Voalohany 3:7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.
MISY NY OLO-MARINA TAHAKA AN'ANDRIAMANITRA MARINA
ARAHO NY FAMPIANARANA ENTIN' EPISKOPO Samüelson Edouard ao amin'ny Radio Télévision YAHOSHUAH International amin'ny site www.rtvyahoshuah.com, Ao amin'ny Radio HFF FM 97.2 eto Antananarivo, FM 104 ao Fianarantsoa sy Toliara ary Mahajanga, ny FM 91.4 ao Ambatondrazaka
18. RBNIR ( 17/09/2015 05:34)
1Marina7:

Raha misy avy amin'ny MARINA dia inona no tokony ho toetrany;
VALINY: MARINA TAHAKA AZY Jaona Voalohany 3:7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.

Marina izany , tsy mampianatra zavatra diso koa : tsy mandrava ny lalàna fa manantanteraka azy VAKIO ATO « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Mitaona ny olona hitandrina ny didy toy ny nataon'i Jesosy « Fa hoy Jesosy taminy: ......raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.» (Matio 19:17)

Manaiky ilay voasoratra ao amin'ny heb.4:9 fa tsy manao tsinontsinona izany...

« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito vakio ny baiboly DIEM) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Hebr.4:9)

Hampahiratra ny masontsika anie IZY namana....
19. rhaj0 ( 17/09/2015 10:08)
1Marina7:
MISY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA TORINAY ...

"tsisy kilema" ahoana azany... Raha ny fahitako azy, dia tena MISY, ary feno Kilema ny fampianarana torinareo... raha tsy izany ve koa tsy raha vao mivoaka eto dia ... tonga dia hehezin'ny akoho tokan'anaka eeee... sa hihomehezan'i iaho koa toaka nakahy :-)
20. Hajarilala7 ( 17/09/2015 16:25)

RBNIR:

1Marina7:

Raha misy avy amin'ny MARINA dia inona no tokony ho toetrany;
VALINY: MARINA TAHAKA AZY Jaona Voalohany 3:7 Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.

Marina izany , tsy mampianatra zavatra diso koa : tsy mandrava ny lalàna fa manantanteraka azy VAKIO ATO « Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka. » (Mat.5:17)

Mitaona ny olona hitandrina ny didy toy ny nataon'i Jesosy « Fa hoy Jesosy taminy: ......raha te-hiditra any amin'ny fiainana ianao, tandremo ny didy.» (Matio 19:17)

Manaiky ilay voasoratra ao amin'ny heb.4:9 fa tsy manao tsinontsinona izany...

« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito vakio ny baiboly DIEM) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Hebr.4:9)

Hampahiratra ny masontsika anie IZY namana....

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2321