FIANGONANA

41. Strong3 ( 24/07/2015 10:43)

rhaj0:

RBNIR:
Fanamarihana kely fotsiny ity vala ity no nolazainy fa tsy hoe ireto vala ireto....Tokony ho tokana ilay Vala fa tsy mizarazara be toy ny ankehitriny.....

Ka rehefa mifanipaka an-karona samy te-ho "kristiana tena izy" tanaty vala iray, dia, raha ny fahitako azy aloha, dia tsara raha lasa maromaro io ny "vala" e...

Dia izao indray izany mifanipaka ny "vala" fa samy te-hoe, ny valany no "vala tena izy".. dia mody hoe "tokana ny vala"..

Dia ao nareo izany ee...



niahahaha.... misy ilana ny tsimisiAtra ihany hoa eo amin'ny fiainana... toa maranitsaina noho ny milaza ahy ho mazava izy ireny indraindray ...

dia ianareo natao hanazava ny tontolo indray no azavain'ny jamba hahahah...

dia makasitraka ny fisianao eto amin'ity Lohahevitra Fivavahana, finoana ity re ry rhaJ0 ôh
42. rhaj0 ( 24/07/2015 11:20)
Eny ho'a azany fa dia ianao izany ry Strong3:
- no sady "kristiana tena izy"
- no koa ao anaty "vala (kristiana) tena izy".

Ny (kristiana) hafa rehetra, na namanao izy na zokinao, izay kristiana hafa any rehetra any, na t@ andro taloha rehetra teny, dia .. tsisy qualificatif mahalaza azy...

Ifalio sy ireharehao ao ho'a izany n'enao kouh...
43. RBNIR ( 24/07/2015 12:32)

rhaj0:

Eny ho'a azany fa dia ianao izany ry Strong3:
- no sady "kristiana tena izy"
- no koa ao anaty "vala (kristiana) tena izy".

Ny (kristiana) hafa rehetra, na namanao izy na zokinao, izay kristiana hafa any rehetra any, na t@ andro taloha rehetra teny, dia .. tsisy qualificatif mahalaza azy...

Ifalio sy ireharehao ao ho'a izany n'enao kouh...

Aza atao vazivazy hoy aho ilay resaka.....
Misy zavatra fantatro tsy fantatrao....
Misy zavatra iainako, tsy iainanao....
Zavatra REEL no resahiko fa tsy IREEL,
Tsy te hahita olona hitomany sy hanenina aho matoa milaza an'izany!!!!
A BON ENTENDEUR!!!!
44. rhaj0 ( 24/07/2015 12:44)
Ilay izy ange ry RBNIR ka dia tena "absurde" ee... ary ny vokany (consequences) anefany mety ho giravy...

Fa dia tsy atao mampatezitra ilay izy fa atao hihomehezana eee.. (fiainana efa sarotra ity...)
45. RBNIR ( 24/07/2015 13:00)

rhaj0:

Fa dia tsy atao mampatezitra ilay izy fa atao hihomehezana eee.. (fiainana efa sarotra ity...)

Sarotra v ny fiainanareo any? :) Raha ny aty dia ekena hoe sarotra fa ny any otran'ny mifanohitra amin'izany an!
46. Strong3 ( 24/07/2015 13:02)
hihihih i rhaj0 ve hitomany izany na hisy afo mandoro ny tanany aza eo hihih
47. fihents ( 25/07/2015 03:22)

tealala:

Ekeko, fa ny olona t@ izany ve zany nanompo an i Mosesy, Ely, Josoa sns ?


Manaja r'isé tealala a !
Tsy nanompo, fa nanaraka satria ireo olona ireo no nomenan'Atra consigne ahafahan'ny zanak'Isiraely hifandray Aminy. Amzao kosa dia Jesosy Kristy @ alàlan'ny Fanahy Masina, tsy mahay mivavaka isé raha tsy ny Fanahy Masina dia ny Fanahy avy @Kristy no mampianatra mivavaka, tsy tafiditra ao an-tranon'i Ray isé raha tsy @ alàlan'i Jesosy Kristy. Sady avaho tsara r'isé lay hoe Mosesy sy ny namany dia olona tahaka antsika ian, fa i Jesosy Kristy ané dia zanak'Atra e ! manam-pahefana feno, Izy dia niteny miitsy hoe "Efa nomena Ahy ny fahefana ety an-tany sy any an-danitra", ary Jehovah Ray dia efa nanamafy hoe "Ity no zanako malalako, Izy no henoy" teo am-panaovana batisa an'i Jesosy Kristy no nisian'izay tranga izay. Mahereza r'isé mamaky Baiboly fa ao no misy ny fahamarinana rehetra f'aza mandeha @ heri-tsaina zany, voafitaky ny fahavalo (satàna) amzany sé fa fetsy ané io fahavalontsika io e ! Mahereza, tia anao Jesosy.
48. Hajarilala7 ( 28/07/2015 07:56)

bor2lais:

RBNIR:

Hoy Jesosy hoe : « Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mat.24:14)

VAKIO TSARA FA HOY IZY HOE HOTORIANA (futur) AMIN'IZAO TONTOLO IZAO ITY FILAZANTSARAN'NY FANJAKANA ITY (tsy filazan-tsara hafa fa ilay filazantsara notoriany 2000 taona lasa ihany) DIA VAO HO TONGA NY FARANY.......

RBNIR:

Faly misera aminao indray ry namana bor2lais

:-)

Ny hoe "hotorina" hoy Jesosy dia marina izany. Tsy iray na roa no hanao an'io fa ny Fanahy Masina izay nampanantenainy fa "homeny" futur koa io tamin'izany. Io ilay Elia sao tsy fantatrareo, Ny Fanahy no mampiasa ny olona izay manana azy. Ny Fanahy koa dia efa mibitsika amin'ny olona rehetra na dia mpanota aza, fa misy manohitra ihany.

Tsy olona no hamita ny fahamarinana fa ny Fanahy Masina izay miteny.
49. Strong3 ( 28/07/2015 11:06)
:-)
50. rhaj0 ( 28/07/2015 21:21)
Hajarilala7:
ny Fanahy Masina izay miteny

hono ho'a... efa nanontaniako an'i Strong3 ihany ity fa averiko eto indray..
"miteny ny FM" : ka tena "mahare feo" ve ho'a nareo izany ???
51. fihents ( 29/07/2015 03:26)
Manaja anao rhaj0
rhaj0:

Hajarilala7:
ny Fanahy Masina izay miteny

hono ho'a... efa nanontaniako an'i Strong3 ihany ity fa averiko eto indray..
"miteny ny FM" : ka tena "mahare feo" ve ho'a nareo izany ???


Ny FM dia mteny @ alàlan'ny feon'ny fieritreretana, ny sofin'ny fanahinao no mandré azy fa tsy ny sofin'ny phisique-nao, fa ny tena ahalalànao hoe ny FM no miteny amnao, teny mampahery, na mananatra, na mampatsiahy tenin'Atra, manolo-tsaina @zvtra rhtra atao e ! sns.. izay ngeh no mahatsara amlay manana an'i Tompo e ! tsy miady irery fa eo ny FM.

Andramo ka izahao fa tsara Jehovah rsé a ! Tia anao Jesosy.
52. rhaj0 ( 29/07/2015 11:23)
okey dokey.. "miteny aminao izany ny FM" ary dia "mahare izany feo" izany ny "fieritreretanao", hoz'ianao

Ilay "feo" izany TSY mandalo ny lava-tsofinao, fa tonga dia direct any @ ati-dohanao, raha ny fazahoako azy

Ka rahefa atao ny kaonty, dia "mahare feo" ihany izany ianao (na ny ati-dohanao) eee...


Inona no maha-menatra anao ny mitsotra fa "mahare feo" ianao eee ??? Maninona no asarotina sy miolankolana toa io eee ??? i G W Bush io efa milaza fa izy dia "mahare feo"... i Jeanne d'Arc koa ... ka maninona no menatse eee e???
53. Strong3 ( 29/07/2015 11:43)

fihents:

Manaja anao rhaj0
rhaj0:

Hajarilala7:
ny Fanahy Masina izay miteny

hono ho'a... efa nanontaniako an'i Strong3 ihany ity fa averiko eto indray..
"miteny ny FM" : ka tena "mahare feo" ve ho'a nareo izany ???


Ny FM dia mteny @ alàlan'ny feon'ny fieritreretana, ny sofin'ny fanahinao no mandré azy fa tsy ny sofin'ny phisique-nao, fa ny tena ahalalànao hoe ny FM no miteny amnao, teny mampahery, na mananatra, na mampatsiahy tenin'Atra, manolo-tsaina @zvtra rhtra atao e ! sns.. izay ngeh no mahatsara amlay manana an'i Tompo e ! tsy miady irery fa eo ny FM.

Andramo ka izahao fa tsara Jehovah rsé a ! Tia anao Jesosy.


sao mba mitory zava-diso eto ka hivanitian'i tsimisiAtra eto indray ry sakaiza ôh... ny Asa 2 mba vakio kely aloha
alohan'ny hitenenana hoe : tsy mahareo feo na mahareo feo ny olona manana FM
54. rhaj0 ( 29/07/2015 11:49)


Renao ve.... Renao ve [size=4]renové[/size]

Ka "MAHARE FEO" ve ho'a nareo sa tsia eeee ??... :-)
55. Strong3 ( 29/07/2015 12:09)
hihihi... resak'olon-dehibe ao anaty box izany r'ilay lehibe any anaty bôkaly ah ...hahaha
56. rhaj0 ( 29/07/2015 12:16)
TSY mahasahy miteny i Strong3 fa hoe "mahare feo"... fa maninona loatrany azany ...

Fa anareo izay "mahare feo".. dia mba tantarao hoe, inona no "renareo" ? mba ameo ohatra izay nihatra na nampiharina t@ fiainanareo tao... misaotra mialoha e..
57. fihents ( 30/07/2015 12:59)
Manaja antsika retré !
rhaj0:

TSY mahasahy miteny i Strong3 fa hoe "mahare feo"... fa maninona loatrany azany ...

Fa anareo izay "mahare feo".. dia mba tantarao hoe, inona no "renareo" ? mba ameo ohatra izay nihatra na nampiharina t@ fiainanareo tao... misaotra mialoha e..


Za lou ts handainga sanatria, fa raha ny sofiko physique io, dia mbola tsy nahare feo, fa ny feon'ny fieritreretako kosa, dia misy manohitra indraindray, misy kosa anefa manoro làlana sns...

- Tranga 1 :
Zà dia manao asa à domicile (prestation), nisy fotoana ary taraiky be ny paiement dia nanapak-hevitr ny tsy haka asa lou za ra tsy tonga ny vola, talohan'ny nandraisako an'io décision io nefa dia nangataka t@ Tompo za hoe toroy hevitra, haka asa ve sa tsia, henoko araka ny teniko hoe t@ alàlan'ny feon'ny fieritreretako hoe aza maka.
Tonga ary ny vola 1 volana taty aoriana ngamba, ary nandray soa aman-tsara, tapakevtra ary za ty ny haka asa amzay ary dia tena nazoto miitsy satria tsara qualité be lay asa ho-traité-na, fa tany an-tsaiko tany nisy niteny hoe aza maka lou, zay fotsin no teniny, saika ny hidrikina ny haka ian zà, nefa hoy aho hoe : Ny Fanahin'Atra no mteny amiko" tamnio naharary ahy ny tsy naka lay asa, nefa noho io teny io, dia tsy naka.
Ny zandriko dia manana groupe manao à domicile kou, ary samy ao amnio toerana io no hakànay asa. Nankany aminy zà herinandro taty aoriana ngamba ra ts diso ny fitadidy, eo ampototry ny Ordi izy mimenomenona hoe "nanenenako ny naka ity asa ity fa doublon bdb lay izy", raha hazavaina tsotsotra, ny doublon amlay asa dia atao fa ts handraisana vola. Ouz za hoe msaotra Anao za ry Raiko fa raha tsy nanaraka ny teninao za dia zao no nanjo ahy. Deraina ny Tompo.

- Tranga 2 (épreuve spirituelle volana vitsivitsy taorian'ny nandraisana ny Tompo) :
Nisy fotoana sahirana be, ara-bola io no resaka, taloha mbola tsy nanana ny Tompo n ao an-tsaina dia ny hoe aiza no hisambotra. Avy niasa zà tamzay, nandé tongotra Mahamasina - Itaosy, ny any an-trano tsy fantatra hoe misy hoanina sa tsia, tong tao an-trano dia nisy nohanina alou fa ny hariva no tsy fantatra hoe ahôna ndray, ny ankiz tsy mahalala tsy misy, Toy izao ny vavaka nataoko talohan'ny hisakafo atoandro : Misaotra Anao Jehovah Raiko fa nomenao zao sakafo atoandro izao, fantatrao anefa fa ny sakafo hariva dia tsy misy tokotaniny, hamarino amiko ny teninao hoe "Ny zanako sy ny asan'ny tanako dia ho adidiko ihany", fa izaho Tompo ô ! tsy hitady amin'olona na hisambotra fa manantena Anao aho. @ Anaranao Jesosy Kristy no hanaovako zany vavaka zany. Amen. Inona no nitranga, vao lany ny sakafo, nivoaka teo an-tokotany zà, ity ny zanaky ny tompotrano nanontany hoe mivarotra Logiciels ve nareo (marihiko mantsy fa taloha izahay nanao multi-service ar efa betsaka ny nahalala, fa tamnio ftôna io, tsy nanao tsoun fa ny données rehetra vô-graver tao anaty DVD.) eny hoà misy ao, nividy Logiciels izy valeur 75.000 Fmg, nirotsaka ny ranomasoko tamzay ary hoy aho hoe, Jehovah Raiko ô ! tsy hiala Aminao intsony aho n'in n'in hitranga fa Mpamonjy ahy ianao.

Maro2 ny tranga efa niainana niaraka t@Tompo, ndraindray ôtran hoe ts hita zay fomba hitantarana azy.

Fa mahafinaritra ny Tompo rzareo a ! io tenin'Atra ao anaty Bible io zan ny tena marina dia : Vakiana mba ahazoana FAHENDRENA
Hinoana mba ahazoana FAMONJENA
Hiainana mba ahazoana FAHAMASINANA. Deraina Jesosy.

Ho an'Atra irery ian ny Voninahitra.
58. rhaj0 ( 30/07/2015 15:43)
fihents:
fa tany an-tsaiko tany nisy niteny hoe aza maka lou, zay fotsin no teniny

wow.. dia i A.tra izany "miteny anao" ao, hoz'ianao... dia i A.tra izany io nanome "business advice" anao io eee ...

fihents:
tsy hitady amin'olona na hisambotra fa manantena Anao aho.

wow... dia nirahin'A.tra izany Ikala hanao business aminao eeee...


Raha izany tokoany moa izany dia, marina fa "tiany ianao" izany eeee... ary tena nataony PrioritE akoriny azany ianao, fa.... ny concurrent-nao @ business-nao izany dia any ny tranony eee... na koa, ny marary/marefo/resy/... any rehetra any dia mbola any daholo koa ny tranony...

Izay an... ?!
59. fihents ( 31/07/2015 11:02)
Manaja rsé !

rhaj0:

ny concurrent-nao @ business-nao izany dia any ny tranony eee... na koa, ny marary/marefo/resy/... any rehetra any dia mbola any daholo koa ny tranony...
Izay an... ?!


Amen rsé a !

Ny finoanao, ny nanompoanao Azy ka nanekenao Azy ho Tompo sy Mpamonjy anao, ary efa nanoratany ny anaranao ao amin’Ilay Bokin’ny Fianana izay eo am-pelatanany. Tsy hadinony! Araka ny nampahatsiarovany izany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Malakia hoe : “Ary tamin’izany, izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny Anarany. Ary ho rakitra soa ho ahy ireny amin’ny Andro izay hotendreko, hoy Jehovah Tompon’ny maro, ary ho antra Azy aho… ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy”. (Mal.3: 16-18).

Manavaka izay matoky Azy rsé Jehovah a ! Afaka miditra amzany kou sé. Tia anao Jesosy ry namako.
60. rhaj0 ( 31/07/2015 11:13)
Hono ho'a azany ry Fihents... inona no maha-samy hafa anao @ TGV na Augustin na i Organes t@ ireny coup d'etat t@ 2009 ireny ??

T@ ireny, dia nivavaka mafy mihintsy rizareo ireo, mba hahomby ny coup d'etat. Nisy youtube iray naneho an-dry Augustin sy/na Organes hoe, tena soa fa notahian'A.tra zareo, ary dia nahomby ny coup d'etat. Nivavaka TOA ANAO io rizareo, ary dia "nahare feo" hoe... "tairo @ izay". I Ny Hasina azany moa, dia nilaza t@ Ambassa amerikana mihintsy ho'a hoe, "divine inspiration" ny hanohanany an'i TGV (sy ny coup d'etat).

Ka inona no maha-samy hafa na mampitovy anao Fihents @ TGV ??? Samy "ao anaty boky" izany ianareo ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2768