Ka manara-baovao daholo ve k'lou nareo ee..

1. rhaj0 ( 10/04/2015 13:12)
http://www.cnn.com/2015/04/09/living/jesus-tomb-talpiot-evidence/index.html
Updated 7:57 PM ET, Thu April 9, 2015
The ossuaries in this tomb, remarkably, seemed to bear familiar names: "Yeshua bar Yosef" (Jesus, son of Joseph), and "Mariamne e Mara" (Mary, known as the master). Other boxes were inscribed with the names Mary (another Mary), Matthew, Joseph and Judas.

This was, the filmmakers argued, Jesus' family: his mother Mary, his brother Joseph, and, most importantly, the other Mary. That's Mary Magdalene, who was buried beside Jesus because they were married. And the box of Judas, which reads "Judas, son of Jesus," was exactly what it purports to be: the resting place of Jesus and Mary's son.


Raha adika globaloba... "mety" ho io hita io hono ny fasan'i Jesosy, zanak'i Josef, sy Mary reniny, sy Mary (vadiny), ary Joseph rahalahiny sy Judas zanak'i Jesosy...
novalian'i rhaj0 ny 24/04/2015 13:14
2. gasy1zay ( 10/04/2015 13:37)
Dia hita tokoa hoe samy maika @ izay tiana haharesy lahatra azy ny olona e! Samy manana ny fomba fandraisany izay lazain'ny mpitantara
3. rhaj0 ( 10/04/2015 13:53)
gasy1zay:
...haharesy lahatra...
ity indray aloha dia na averina in-100 aman-1000 azany dia tsy hi-click ana(re)o (kristiana) mihintsy.. efa hoe, TSY ny handresy lahatra na ny handrava ny finoanao no atao eto, fa manao dinidinika sy mizara izay hita sy fomba fijery fotsiny.

Efa atao an-kira hoe "Atsipinay 'lay kOzy, (tsy) mihaino ianao dia (tsy) tsara", fa esy ee.. mbola mikamenona ihany ry Kristiana hoe "enjehina" hono izy... Ka ahoana azany: tsy ao anaty versets ve ilay izy, sa tena tsy ao anaty soatoavina (kristiana) miihintsy eee ?? Efa hoe tsy hotr'an(re)o daholo ho'a ny olona...
4. gasy1zay ( 10/04/2015 14:00)

rhaj0:

gasy1zay:
...haharesy lahatra...
ity indray aloha dia na averina in-100 aman-1000 azany dia tsy hi-click ana(re)o (kristiana) mihintsy.. efa hoe, TSY ny handresy lahatra na ny handrava ny finoanao no atao eto, fa manao dinidinika sy mizara izay hita sy fomba fijery fotsiny.

Efa atao an-kira hoe "Atsipinay 'lay kOzy, (tsy) mihaino ianao dia (tsy) tsara", fa esy ee.. mbola mikamenona ihany ry Kristiana hoe "enjehina" hono izy... Ka ahoana azany: tsy ao anaty versets ve ilay izy, sa tena tsy ao anaty soatoavina (kristiana) miihintsy eee ?? Efa hoe tsy hotr'an(re)o daholo ho'a ny olona...


Fa aiza ndray aho no milaza heo handresy lahatra ahy ianao rhaj0, ny fahitako azy dia tsotra :ianao resy lahatra fa tsy zanak'Andriamanitra Jesoa Kristy dia mahita io reportage io ianao dia ilay ampahiny mety manamafy ny fijerinao no manandaja aminao fa ny ahy ilay ampahiny manamafy ny finoako dia izay, avereno jerena @ fomba fijery "neutre" ilay izy dia mety ho azonao ny tiako ambara.
5. rhaj0 ( 10/04/2015 14:06)
a.. tsy teto izany fa tany an-kafa.. .anyway... hi hi hi ... raha namaky h@ farany ianao, dia nahita fa voakiana ilay resaka.. fa ny tiako zaraina fotsiny dia misy zava-misy (tsy) ao anaty Baiboly re io fa dia sokafo ihany ny maso(n-tsaina) eee...
6. gasy1zay ( 10/04/2015 14:20)
hitanao tsara fa nojereko ny lien nalefanao ka tsy efa manokatra ny masoko ve za zany, izaho indray tsy mitsoaka @ izay vaovao lazain'ny hafa fa dia jereko tokoa moa, saingy efa fantatro izay hinoako ary aza manahy ianao rhaj0 fa misy valiny daoly ny fanontaniana mety hatikitika ana(re)o tsy mpino raha mbola mikasika ny Tompo sy ny Baiboly fa iana(re)o moa toa minia tsy manaiky ka tsy afaka manery izahay fa tompon-tsafidy raolombelona, na dia ianao nomena fahalalahana hisafidy aza dia efa fitiavany anao :)
7. rhaj0 ( 10/04/2015 14:29)
okey dokey... dia mahafinaritra izany rahefa mba mivoaka dia mitety internet fa tsy dia hoe Baiboly ihany sy Baiboly hatrany ao foana kouh... zarazarao eto koa azany izay hitanao any e..
8. fidinirina ( 13/04/2015 04:19)
Zay no tena mahavoa an'i rhaj0 (sy ny hafa). Hita mihitsy ilay tsy fisian'ny fototra mazava @ finoana. Rehefa ny cnn no miteny dia .. izay (hono) dia maika hanely tsaho. Fa iza no miteny (aminao) fa marina ny voalazany. Tsy efa tontolon'ny varotra moa zao no betsaka, mitady izay hisintonana mpijery fotsiny. Dia vao omena scoup kely dia misanasana ny vava oe ay ve, io ary ...?
Fa rehefa toriana sy lazaina hoe Misy Andriamanitra, Jesoa Kristy no mpamonjy, aiza ihany ?
Tsy mila mivoaka @ internet oa vao hino. Tsy manana an'izany ny Malagasy rehetra. Baiboly no soratra masina itenenan'ny Tompo amintsika, io aza mbola misy tsy mahay mamaky teny.
Apokalypsy 22:18-19
18 Izaho dia manambara amin’izay rehetra mandre ny tenin’ny faminaniana amin’ity boky ity: Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy ireo loza voasoratra eto anatin’ity boky ity ho azy;
19 ary raha misy manaisotra amin’ny teny amin’ny bokin’ity faminaniana ity, dia hesorin’ Andriamanitra ny anjarany amin’ ny hazon’aina sy amin’ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin’ity boky ity.
9. RBNIR ( 13/04/2015 08:04)
rhaj0:

gasy1zay:
...haharesy lahatra...
ity indray aloha dia na averina in-100 aman-1000 azany dia tsy hi-click ana(re)o (kristiana) mihintsy.. efa hoe, TSY ny handresy lahatra na ny handrava ny finoanao no atao eto, fa manao dinidinika sy mizara izay hita sy fomba fijery fotsiny.

Efa atao an-kira hoe "Atsipinay 'lay kOzy, (tsy) mihaino ianao dia (tsy) tsara", fa esy ee.. mbola mikamenona ihany ry Kristiana hoe "enjehina" hono izy... Ka ahoana azany: tsy ao anaty versets ve ilay izy, sa tena tsy ao anaty soatoavina (kristiana) miihintsy eee ?? Efa hoe tsy hotr'an(re)o daholo ho'a ny olona...

Faly misera namana,

Tandremo fotsiny ary sao tafalatsaka ho isan'izay voalaza ato ary....

« ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin'izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. » (2 Tes.2:10)
« Koa izany no ampanateran'Andriamanitra fiàsan'ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, » (2 Tes.2:11)
« mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina. » (2 Tes.2:12)

1- Manolotra ny fitiavany IZY nefa tsy raisin-tsika....
2- Tezitra Izy dia hampanaterany fiasan'ny fahadisoan-kevitra isika mba hinoantsika lainga.... (ny lainga indray no toa marina manomboka eo)
3- Fanamelohana satria tsy nino ny marina fa nankasitraka ny tsy marina....

Aza fatra-pitady famantarana....fa izao no nambaran'i Jesosy mikasika ireo olona fatra-pitady an'izany....« Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa. » (Mat.16:4)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!

Izao fotsiny ny ahy ny hafatro, tsy adala akory ny marobe nofidiny ho vavolombelona ho an'ny hafa.....Ary misy amin'izireny aza hisehoany mivantana mihitsy na koa hiresahany mivantana mihitsy na hanehony ny voninahiny mba ho vavolombelona ho an'ny hafa (io ilay nambarako matetika hoe : misy zavatra fantatro, tsy fantatrao, misy zavatra hiainako tsy hiainanao).....

Fa matoa aho sahy mijoro sy milaza fa MISY IZY dia tena MISY IZY (toy ny fisianao sy ny fisiako namana).......

Samia ho tahin'ny Tompo namana...
10. Strong3 ( 13/04/2015 10:00)
Salama eh! __ izao indray vao tonga naka aina kely :-)
____ ............_____...........

Vaovao efa tota be nge izany lazain'i rhaj0 fa vaovao izany eh, efa hita io fa film fotsiny entina andotoana ny finoana kristiana ...

mba zavatra hafa ahaha no vaovao hoe ... efa hanangana ny 3ème temple ny israeliana de hita fa miandalana ny fahantanterahanan'ny faminaniana arabaiboly
fa ry tsimisiAtra mbola mitady porofo hoe misy fanahy tokoa ve ny olombelona sa tsia... fa rehefa hiporofo izireo hoe misy fanahy ny olona de izay vao hikaroka indray hoe mety maty sa tsia
ohatran'ny hoe hitako ery izany fotoana hampikoropaka olona maro eto antany , hilaza hoe tahaka izay nino ihany :-)
11. rhaj0 ( 13/04/2015 10:22)
http://en.wikipedia.org/wiki/Third_Temple
io ve no tianao lazaina?

Ka raha azoko izany ilay hoe "faminaniana ao @ baiboly" dia i raolona no manantanteraka ilay nolazaina fa ho tanteraka.

ka eto izao misy faminaniana maromaro @ ity taona ity re ry Strong3 fa dia... hiasa nareo izany... akaiky ny septambra..
http://lmgtfy.com/?q=proph%C3%A9tie+chr%C3%A9tienne+2015
12. Strong3 ( 13/04/2015 10:47)
hihihi ... hainao tsara izy
mba hainao moa fa ingahy jodasy dia nanantateraka teo imaso ny faminanian'i JC ?!

tsy mahagaga izany , ahita ny masona raha tsy hoe efa dadabe nga enao ka tsy ahatratra ny armagedona :-) [size=6] mody io sari nijay io manko no aseho eto hihihi... [/size]
13. RBNIR ( 13/04/2015 12:10)
Aza malaky hetsiketsehina, na hampitahorina....
« mba tsy halaky hohetsiketsehina amin'ny saina na hampitahorina ianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny teny, na amin'ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron'ny Tompo. » (2 Tes.2:2)
« Aza mety hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, » (2 Tes.2:3)
VAKIO ATO
Tsy mandainga io teny io, tsy maintsy hiroborobo be ilay fitoriana lehibe farany aloha...
Horava i babilona lehibe.....
Ny kristianina sisa hitoetra....
Avy eo indray kosa dia avy amin'ireo kristianina ihany hisy iray hofidin'ny devoly ho lasa bibidia hanenjika ireo apostoly vaovao...

Io bibidia io no ilay lehilahin'ota na ilay zanaky ny fahaverezana voalaza ery ambony, izao no famantarana fa efa akaiky dia akaiky ny farany.....Misy fihemorana be vokatry ny fanenjehan'io bibidia io.....
Betsaka no tsy hahazaka ny henjika (enga anie mba tsy ho izaho sy ianao aloha) dia hihemotra....Io ilay famantarana andrasana ery ambony....

Septembre 2015 hoy ianao??
Efa manomboka ilay fitoriana lehibe farany fa mbola tsy tena miroborobo,
Efa manomboka koa ny fandravana an'i babilona fa mbola tsy afaka miteny isika fa ny kristianina sisa no mitoetra,
Manaraka izay mbola tsy miseho ilay lehilahin'ota noho izany tsy mbola misy ny henjika aloha hatreto ary mbola tsy misy koa ireo mihemotra vokatr'izany....

Farany tsy misy daty précis azo omena hoy aho fa juste famantarana no ho hita....

Noho izany aza malaky hetsiketsehina na hampitahorina isika fa tsy maintsy hiseho aloha ilay bibidia hanenjika ireo mpitory ao amin'ny fitoriana lehibe farany ary hahita miharihary isika fihemorana lehibe tsy misy otran'izany noho ny fanenjehana (enga anie mba tsy ho anisany isika hoy aho) vao ho tonga ny farany...

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
14. Strong3 ( 13/04/2015 12:34)
nga moa dia misy taitaitsy etoa ...

c T la pub
15. RBNIR ( 13/04/2015 12:48)

Strong3:

nga moa dia misy taitaitsy etoa ...

c T la pub

Mamaly ny namana rhajo isika namana, akaiky ny septembre hoy izy ary nisy rohy nomeny ao mifanaraka an'izany...
Efa nambarako hatrany tsy ny kristianina rehetra no mahafantatra ny marina fa izay nampahafantarina ihany....
Raha te hahafantatra dia mijereva fandaharana...
« Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. » (Mat.5:6)

16. rhaj0 ( 13/04/2015 13:10)
Ny @ 3eme temple k'lou ry Strong3 dia... esy e... dia mikiry biby ao izany ny Israeliana mamboatra azy io, @ izay hoe "tanteraka ny faminaniana" ? na dia hotrhotry ny misy mifanindry @ revy moslimo sy/na palestiniana azny izany?.. F'ianao moa mi-s'identifier @ peuple israelien kokoa noho ny peuple hafa ka dia mihoby ao izany ianao.. okay.


Ary hono ho'a ry RBNIR, inona indray no hitranga r@ Septambra 2015 ?
(tena mba hamorony lohahevitra manokana hoe e... )

17. RBNIR ( 13/04/2015 13:37)
rhaj0:

Ary hono ho'a ry RBNIR, inona indray no hitranga r@ Septambra 2015 ?
(tena mba hamorony lohahevitra manokana hoe e... )

Izaho manokana namana tsy mahafantatra izay hitranga amin'ny septambre 2015....
Aleho ho an'izay milaza ho mahafantatra azy no hilaza ny aminy...
Izay nampahafantarina ahy kosa efa voalazako teto avokoa....
18. rhaj0 ( 13/04/2015 14:48)
ok.. z'afady fa hotry ny hoe nitady fanamafisana fotsiny aho... ts'hita fa lalodalovana eee :-)
ka dia izao izany hozy RBNIR e...
RBNIR:
Septembre 2015 hoy ianao??
Efa manomboka ilay fitoriana lehibe farany fa mbola tsy tena miroborobo,
Efa manomboka koa ny fandravana an'i babilona fa mbola tsy afaka miteny isika fa ny kristianina sisa no mitoetra,
Manaraka izay mbola tsy miseho ilay lehilahin'ota noho izany tsy mbola misy ny henjika aloha hatreto ary mbola tsy misy koa ireo mihemotra vokatr'izany....

Farany tsy misy daty précis azo omena hoy aho fa juste famantarana no ho hita....


Ilay #2 hoe ny kristianina sisa no mitoetra... dia hono ho'a... tena @ izao fahalalana @ izao taon-jato izao ve ry RBNIR, dia tena mbola "mino" ary "mino ara-baki-teny" an'io #2 io ianao RBNIR ???

Ny fahalalana @ izao taon-jato izao, dia misy ary maro no TSY Kristiana, eto @ ity tany ity... h@ amerindiana sy ny pygmees ao amazonie, ka h@ moslimo sy hindu amina milliards, sy koa ireo 72%-n'ny Siantista any @ U...

Dia hilaza izany ianao (sy ny profetanao) fa toatoa ny hisy ny "fandripahana" ato ho ato ? Dia nareo sisa no ho velona fa ianareo no nofinidy ???
19. rhaj0 ( 13/04/2015 16:01)
http://www.msn.com/fr-ca/video/watch/video/vi-AAa2iai?ocid=OutNCAF&from=OutNCAF&FORM=BWVOLC
Entre-pa fa sao dia io ao io no (isan')ny famantarana tian'i RBNIR lazaina?.
20. RBNIR ( 14/04/2015 06:26)
rhaj0:

Ilay #2 hoe ny kristianina sisa no mitoetra... dia hono ho'a... tena @ izao fahalalana @ izao taon-jato izao ve ry RBNIR, dia tena mbola "mino" ary "mino ara-baki-teny" an'io #2 io ianao RBNIR ???

Ny fahalalana @ izao taon-jato izao, dia misy ary maro no TSY Kristiana, eto @ ity tany ity... h@ amerindiana sy ny pygmees ao amazonie, ka h@ moslimo sy hindu amina milliards, sy koa ireo 72%-n'ny Siantista any @ U...

Dia hilaza izany ianao (sy ny profetanao) fa toatoa ny hisy ny "fandripahana" ato ho ato ? Dia nareo sisa no ho velona fa ianareo no nofinidy ???

Faly misera namana,
Tena marina ny fanamarihanao raha ny lojika dia tsy tokony ho possible intsony izany saingy efa nozaraiko tato ary vakio tsara fa amin'izany andro izany dia ny bibidia, ny mpaminany sandoka ary ny devoly dia hiaraka miasa hanao famantarana (fahagagana) mandainga (tsy avy amin'Andriamanitra fa avy amin'ny devoly) entina hamitahana, sy handresena lahatra ireo filoham-pirenena rehetra mpikambana ao amin'ny fikabanambe iraisam-mpirenena na ny Nation Unie...
Ary dia tena tsoriko aminao fa dia tena ho resy lahatra ireo filohampirenena ireo fa dia tena ilay bibidia irery tokoa no manana ny marina amin'izany fotoana izany ary dia izireo mihitsy no manolontena hanampy ilay bibidia handresy lahatra ny mponina rehetra any amin'ny fireneny avy, ary hanohana amin'ny fomba rehetra ireo vonona hiaramiasa amin'ilay bibidia....
Ny mampalahelo dia kristianina io bibidia io saingy voafitaky ny devoly ka lasa ho resy lahatra ny fampianaran-diso ary dia tena fidin'ny devoly mivantana ka dia sahy hanohitra ireo apostoly vaovao hitory ao amin'ilay fitoriana lehibe farany namana.....

Any aoriana any io bibidia io dia horesen'nyy devoly lahatra fa izy no ilay kristy ary dia omen'ilay devoly hery mihitsy izy amin'izany....
Vakio tsara ny tohin'ny mat.24.14 (Mat.24:23-28) ary jereo ato fa hamitaka ny olona rehetra amin'ny alalan'ny fihaviana sandoka io bibidia io ka raha azony atao na dia ireo olom-boafidy (mpanaradia an'ireo apostoly vaovao) aza dia hofitahiny....

Izay ihany koa no nahatonga ny apostoly paoly niteny an'izao rehefa naseho azy tamin'ny fahitana io bibidia na lehilahin'ota io « ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra (noresen'ny devoly lahatra izy fa izy no ilay kristy izay hiverina indray). » (2 Tes.2:4)

Ity ny porofo fa efa naseho an'i paoly marina tokoa io fiaviana sandoka sy fahagagana sandoka hataon'ilay bibidia io:
« ny fihavin'ilehiny dia araka ny fiàsan'i Satana amin'ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra » (2 Tes.2:9)

Diniho tsara ny fizarana rehetra nataoko teto namana......

Tsy misy mifanohitra na iray aza fa mazava tsara ny tantara rehetra (fitoriana nataon'i JEsosy tany amin'ny matio 24, ny filazana rehetra momba ny fiavian'ny farany sy ny momba ilay bibidia ao amin'ny bokin'ny apokalipsy....

VONINAHITRA ANIE HO AZY IRERY IHANY!!!!

TENA TIAN-TSIKA JESOSY!!!!

MIVERENA DAHOLO AMIN'NY FAMPIANARANA TSY MISY KILEMA MBA TSY HISY HO VOAFITAKA.....
« Ary nisy iray koa, dia anjely fahatelo, nanaraka ireny ka nanao tamin'ny feo mahery hoe: Raha misy miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tànany, » (Apok.14:9)
« dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra, izay naidina tao anatin'ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra, sady hampijalina amin'ny afo sy solifara eo anatrehan'ny anjely masina sy eo anatrehan'ny Zanak'ondry iry; » (Apok.14:10)
« ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay; ary tsy manam-pitsaharana na andro na alina izay miankohoka eo anoloan'ny bibi-dia sy ny sariny, na izay mandray ny mariky ny anarany. » (Apok.14:11)

NY TOMPO ANIE HOMBA AN-TSIKA REHETRA.......

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2747