Ka manara-baovao daholo ve k'lou nareo ee..

61. endriny ( 22/04/2015 06:07)
Fampianarana tsy misy kilema fa bilabila...
62. RBNIR ( 22/04/2015 06:13)
endriny:

Fampianarana tsy misy kilema fa bilabila...

Blabla hoy i endriny nefa izy aza mbola tsy tafiditra akory, tsy ainy akory ny manavaka ny misy kilema sy tsy misy kilema.....
63. fidinirina ( 24/04/2015 04:24)
rhaj0:

Fa (matetika) anefa ho'a aloha, ny olona "nino taloha" ka nisafidy (tonga saina) ny TSY-hino, toa iretsy pasitera anglikana sy advantista noresahina lavabe teto, "Ho an'ny Atheist", dia olona lucide sy responsable tsara.. mahatsapa tsara ny responsabilite an'ny tenany izy, ary indrindra koa, ny responsabilite sociale koa...

I Samoela 2: 3 Aza dia mahery miteny avonavona; Ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, Ary Izy no mandanja ny asa.

Romana 3:27 Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin’ny lalàna manao ahoana? amin’ ny lalàn’ny asa va? Tsia; fa amin’ ny lalàn’ny finoana.
64. rhaj0 ( 24/04/2015 13:14)
Iretsy pasitera anglikana sy advantista niala na nanipaka ny finoana ireo angaha "niavonavona" na "nirehareha" ? Tena hotry ny humiliation sy fiaikena fa diso sy nandiso azany no betsaka.

F'n'enareo moa raha vao toherina kely fotsiny n'enareo, dia raha tsy ilay hoe "enjehina zahay", dia io mahay tsara mody hoe, ny olona no "mirehareha" sy "miavonavona"...

Maninona raha ny foto-dresaka (fa TSY ny olona) no halalinina eee ?...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3341