Ka manara-baovao daholo ve k'lou nareo ee..

41. Strong3 ( 16/04/2015 10:44)

rhaj0:

Okay azany e. Fa fotsiny, ahoana koa azany t@ andron'i Mosesy sy Davida IZY ka dia hita sy re foana, be tantara daholo ny mpanoratra Baiboly, fa izao kosa tena tsy re tsaika toa ny taloha intsony e... Tena "niova" kosany IZY raha ny @ io eee...

Izay ilay lazaiko anao foana rhaj0 hoe: raha angano ny baiboly dia izy no fanakorotanana saina avo lenta indrindra, ary ianao io no anisany tsy afabela amin'izany... amin'izao fotoana izao

hoy ianao hoe aiza IZY IZAO?
efa tsy Izy intsony no miditra miantsehatra fa ny Fanahiny izany no tsy ahitanao azy mi-se-manifesté :-)
42. gasy1zay ( 16/04/2015 14:10)

rhaj0:

gasy1zay:
...fa ny olona sasany no tsy te hino, na tsy manaiky hino, fa ohatrany mahafinaritra ilay tsy misy miteny hoe aza mijangajanga, aza mandainga...

Ka hono ho'a azany e... ianao Kristiana, sa ve i Gasy1zay irery, ianareo ve raha tsy "tenenina" na hoe "io apetraka io ny Didy", ka hoe "aza mijangakanga sy aza mandainga", izay nareo vao tsy manao izany ??

Raha izany dia mampalahelo mahonena eee...

Io tsara mihintsy ilay andrana hoe, rahefa amina tontolo-feno-pancarte ilay ankizy dia tsy dia mahay mi(s)aina @ izy tenany irery (raa miolotra @ namany)..

Izaho k'lou ry Gasy1zay dia TSY mila misy miteny hoe "aza mijangajanga" vao tsy manao a...

Tsara izany refa tsy mijangajanga ianao fa hitanao @ izao fa misy ilaina azy mintsy ny fivavahana satria nisy izany mety nijangajanga sns ... raha tsy nivavaka satria tsy mba hendry toa an'i rhaj0 :)
43. rhaj0 ( 16/04/2015 14:25)
Ny mahalasa saina ny olona (TSY-mpino) izao ho'a dia hoe, rahefa mifoha t@ torimason(tsainy) ireto mpino an'alin-kisa ireto, dia ho ahoana...

Nozarina ny "mino", ka rahatrizay "tsy mino" intsony dia... welcome to the real world.

Fa (matetika) anefa ho'a aloha, ny olona "nino taloha" ka nisafidy (tonga saina) ny TSY-hino, toa iretsy pasitera anglikana sy advantista noresahina lavabe teto, "Ho an'ny Atheist", dia olona lucide sy responsable tsara.. mahatsapa tsara ny responsabilite an'ny tenany izy, ary indrindra koa, ny responsabilite sociale koa...

Ny olona re ry Gasy1zay dia "mieritreritra" a :

... miaina anaty societe raolona, dia misaina ary manao izay ampandeha milamina ny fiaraha-miaina anaty societe. Ary mivoatra ny societe, ka dia flexible ny raolona sy ny sainy...

44. gasy1zay ( 16/04/2015 16:58)

Io samy manana ny fomba fijeriny ry rhaj0 ka raha hoy ianao hoe izao no fivoarana dia tsy hanaraka anareo izahay fa aminay toa mivary lavo ilay société ny fahitanay azy : L+L sy V+V avela mivady, ny olona tokony hivady tsy mety hisy hivady fa dia concubinage hono dia refa tsy mety dia misaraka dia manova indray, manginy fotsiny ny toaka, rongony, vono olona, halatra, kolikoly ....

45. rhaj0 ( 16/04/2015 18:38)
Hoe "fivoarana" ny manaiky ny L&L na V&V sy ny concubinage... io k'lou ry Gasy1zay dia "vivre et laisser vivre" tsotra fotsiny... Asa ianao raha mahalala olona miaina ao anatin'izany, fa izaho k'lou mahalala, ary mahita be dia be, ary tena TSY hitako izay olana, safidiny ny azy, ary olon-dehibe tsy noterena na novozonana izy ao, ary olona tsotra, miasa tsara, tia ny zanany sns... fa dia olona toa izaho sy ianao daholo ihany ireny olona ireny

Fa io moa diaboliser-nareo Kristiana foana, TSY mahalala ireto olona akoriny ho'a nareo, fa dia hoe, hozy ny debabenareo na ny Baiboly hoe, minou... dia io toutou mivouvou io tokoany iana(re)o ary manaratsy manebaka ny olona io (hoe "mivary lavo")
46. RBNIR ( 17/04/2015 07:01)

Faly misera namana,

« Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. » (Gal.5:16)
« Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. » (Gal.5:17)

Ny Fanahy voalaza eto dia ilay Fanahy (avec F fa tsy f) izay midika Andriamanitra « Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Kor.3:17),

Azo adika io teny io raha izany hoe "Fa ny nofo manohitra Andriamanitra, ary Andriamanitra manohitra ny nofo; Mandehana araka Andriamanitra........."

L&L V&V sns ireny dia vokatry ny filan'ny nofo avokoa.....Ireny dia sokajin'Andriamanitra ho isan'ny atao hoe "fahavetavetana"......« Aza mandry amin'ny lehilahy tahaka ny fandry amin'ny vehivavy; fa fahavetavetana izany. » (Lev.18:22)
« Ary aza mandry amin'ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian'ny biby; fa zavatra fady indrindra izany. » (Lev.18:23)

Ny olona manantateraka an'ireny kosa dia olona manao vetaveta ny filazany azy.....

Ity teny ity no tena mampitahotra....« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apok.21:27)

Tena tsy sitrak'Andriamanitra ny fanaovan'ny olona an'ireny ary tsy tokony ankasitraka an'ireny isika (mba tsy hiombonana ota aminy) fa aleo mampahafantra azireo ampitiavana kosa fa tena milalao Afo izay milomano ao anatin'ireny namana......

Toe-javatra tahakan'ireny no nitranga tao sodoma sy gomora ka nahatonga an'Andriamanitra nidina sy nandrava an'ireo tanana ireo.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana....

47. Strong3 ( 17/04/2015 10:45)
tsy torimaso io
48. rhaj0 ( 17/04/2015 13:18)
RBNIR:
L&L V&V sns ireny dia vokatry ny filan'ny nofo avokoa...

Asa ho'a... izany ve no nampinoan'ny Apostolinao anao ao ry RBNIR ?... Dia tena tsy mpanao afa-tsy kilentidentika sahala @ bitro izany ireny L&L V&V rehetra ireny ???

Mba mahafantatra olona homosekisoaly ve ho'a k'lou nareo ireo eee?
49. rhaj0 ( 17/04/2015 16:16)
RBNIR:
tsy tokony ankasitraka an'ireny isika (mba tsy hiombonana ota aminy)

Aiza ho aiza ao @ Baiboly izany resak'i RBNIR io izany ?

Na @ ankapobeny, inona ary @ inona aby izany hoe "miombona ota" izany ?
50. RBNIR ( 20/04/2015 05:12)
rhaj0:

RBNIR:
tsy tokony ankasitraka an'ireny isika (mba tsy hiombonana ota aminy)

Aiza ho aiza ao @ Baiboly izany resak'i RBNIR io izany ?

Na @ ankapobeny, inona ary @ inona aby izany hoe "miombona ota" izany ?

Faly misera namana,
« dia olona mahalala tsara ny fitsipika nomen'Andriamanitra fa izay manao izany zavatra izany no miendrika ho faty, nefa tsy manao izany ihany izy, fa mankasitraka ny manao koa. » (Rom. 1:32)
Araka io teny io dia tsy ankasitrahan'Andriamanitra ny fahankasitrahan'ny olona ny manao zavatra tsy mety.....hoy mantsy izy amin'ny faran'ny teny hoe "...fa mankasitraka ny manao koa....
« Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe: Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy. » (Apok.18:4)

Io teny amin'ny apokalipsy io indray kosa dia mitaona ny olona tsy hiombona ota amin'izay manao izany.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
51. RBNIR ( 20/04/2015 09:32)
Ity koa namana rhajo misy teny anankiray manamafy fa tsy tokony ankasitraka ny manao ny tsy mety eo anatrehan'Andriamanitra isika....
« Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika* ny handrin'ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao eo aminy.[Heb. marika mitanam-bokovoko] » (Ezek.9:4)
Izay misento noho ny fahavetavetana no asiana marika....(matoa misento dia tsy mankasitraka...)

Izay tsy misento kosa....dia vakio tsara ny tohiny....
« Ary reko Izy nanao tamin'ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza; aoka tsy hamindra fo aminy ny masonareo, ary aza ananana antra izy, » (Ezek.9:5)
« Fa na lahy antitra, na zatovo, na virijina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina ary atombohy hatreo amin'ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin'ny lahy antitra izay teo anoloan'ny trano ireo. » (Ezek.9:6)

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
52. rhaj0 ( 20/04/2015 15:33)
Raha ny fazahoako io Rom 1:32 io izany dia hoe, izay manota, sy koa, izay mankasitraka ireo mpanota (@ teny anglisy dia hoe, approve of those who practice them), dia "mendrika ny ho faty" (deserve death).

hum... giravy anie izany e... Raha ny fahitako azy, dia tena io izany no inoanareo ara-baki-teny ao, tsisy consideration-n'ny tantara sy jeogirafia, fa dia ampiharinareo ao @ fiainanareo ao koa, ka anehoanareo TSY-fankasitrahana izay zavatra ataon'ny olona any rehetra any...

ka dia izay ataon'ny olona, na any @ privacy-ny any na intimitE-ny izany, ary safidin'ilay olona vory saina vory nofo io, dia jabajabahanareo. satria mantsy toa hotry ny tsy maintsy maneho ianareo fa TSY-mankasitraka, raha tsy izany dia ho "mendrika ny ho faty" ao koa...

wow...[size=16] giravibe ity... Izay vao azoko hoe, fa maninona azany no be fanitrikitrihana izay fiainan'olona hafa any ireto mpino ireto fa tsy ny fiainany no atrehiny.. [/size]

wow... tena giravibe ity...
53. RBNIR ( 21/04/2015 04:55)

Fa iza moa isika no hitsara Azy ry namana?

Ary tsarovy koa fa isika no nanao ny fahadisoana fa tsy Izy....
« Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony. » (Oha.19:3)

Hotahiny anie isika ry namana....
54. RBNIR ( 21/04/2015 08:00)
Sahala amin'ny zanaka an-trano ihany io hoy aho namana rhajo,
Tenenina hoe aza mizotra amin'io lalana io ianao fa loza ny hiafaran'io....
Nefa mizotra ihany...Hanarina mafy (atao daholo izao fomba izao hanakanana azy tsy hizotra any) Nefa dia mbola mizotra hatrany...
Avy eo tonga tokoa ny tokoa (voa ary tonga saina fa kay tena marina avokoa ireo teny rehetra nolazaina taminy, indrisy anefa mampalahelo fa tsy mety miaiky ny fahadisoany mihitsy (ne reconnait pas ses erreurs)....
Mampalahelo satria tsy fantany akory fa nanampahadisoana teo amin'ireo Ray aman-dreniny sy ny fianakaviany izy,
Ary ny loza dia miverina mody toy ny tsy naninona tsy naninona dia tsy mba mipitrapitra mampalahelo fa avy dia MIVANDRAVANDRA BE MAMPATAHOTRA....
Ireo fianakaviana indray no omena tsiny (nahazo ny zokiny lahy lazaina fa mpisolelaka tamin'i dada sy neny ary fototry ny fahadalany rehetra satria lasa tsy tian'i dada sy neny izy ) nahazo ny zandriny vavy (lazainy fa mpanaradrenirano ka na mety ny nataon'i dada sy neny na tsia dia nangina fotsiny ihany) I dada sy neny moa tsy lazaina intsony ny nanaovany azy avy any (ianareo ihany no fototr'izao fahavoazako izao tsy mahay mitaiza, ratsy saina miangajanaka sns......)
VAZAVAZA IZAO NATAONY TAMIN'NY RAY AMAN-DRENINY IZAO (Farany tsy menatra akory leikely fa hoy izy hoe aiza ny anjaralovako ry dada sy neny, MANANA DROIT AMIN'IO AHO FA SAO IANAREO MIHEVITRA!!!! ary ny anjarako aza no TOKONY HO LEHIBE INDRINDRA)...
Ilay Ray aman-dreny amin'io efa tena fadiranovana noho ny ditran'ilay zanany (tsy dia noho ilay zaza naniratsira loatra fa noho ny soucin-drizareo ny amin'ny fiainan'ilay zanany sy ny ho aviny....)
Zavatra tokana sady tsotra no nandrasana amin’ilay kely« Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po. » (Oha.28:13) (hiaiky ny fahadisoany ka hibebaka tsy hanao intsony).
Hiaiky diso fa nanota tamin’ireo Ray aman-dreniny ka hanetry tena « ka tsy miendrika hatao hœ zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho. » (Lio.15:19)
« Ary ilay zanany nanao taminy hœ: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hœ zanakao intsony. » (Lio.15:21)

Indrisy anefa fa dia ireo Ray aman-dreniny, ireo Havana tia azy indray no nifoterany….

Dia mahagaga ra-olombelona e!!!

Teny atsipy ho an’izay manam-panahy namana…..
55. rhaj0 ( 21/04/2015 12:45)
RBNIR:
Fa iza moa isika no hitsara Azy ry namana?

F'angaha nisy nitsara AZY ? ny mpino no "voatsikerako" io :
[size=15] fa maninona azany no be fanitrikitrihana izay fiainan'olona hafa any ireto mpino ireto fa tsy ny fiainany no atrehiny..

[/size]
Fa izay foana ho'a ny an'ny mpino ee.. rahefa izy mpino no oainina, dia lazainy fa ilay inoany no atao oainina.. Izy mpino no gana ao, koa savihany roritiny miaraka aminy ao ilay inoany... Fa mitombona ihany kosany anefa izany eee...
56. RBNIR ( 21/04/2015 13:01)

1- Ianao tsy mpino (tsy mahafantatra ny iraka nomena ny mpino).« Fa ireo kosa dia miteny ratsy izay zavatra rehetra tsy fantany akory; ary izay zavatra fantany fotsiny, tahaka ny fahalalan'ny biby tsy manan-tsaina kosa, no animbany* ny tenany.  » (Joda 10)

2- Anisan'ny iraka omena ny mpino ny filazana ny marina sy ny fitaomana ny olona hiala amin'ny tsy fahamarinana rehetra (mety hisy hahatsiaro voakendry mivantana toa anao izao) nefa tsy mahagaga izany fa fahatanterahan'ity teny ity fotsiny ihany. « Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo. » (Heb.4:12)

3 Ianao tsy mahalala fa ny mpino mahalala fa raha mamely ny mpino ianao dia mamely Azy.....« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lio.10:16)

Vakio ny bokin'ny Joda namana (Tianao Jesosy) dia mba miova amin'izay....

Samy ho tahiny anie isika rehetra...

57. rhaj0 ( 21/04/2015 14:03)
nijery ilay Lio.10:16, dia ... "ianao RBNIR" io angaha isan'ilay 70 "notendreny" tao @ Lioka, ka dia io savihanao izany hoe, rahefa "ianao" koa no toherina dia "manohitra AZY" izany ??

Fa miaiky aho fa mahery ilay olombe nanoratra ny Baibl ee... Tena nafangarony tao, ary nataony hoe izy tenany koa no mahery... dia mino daholo tokoany ny sasany h@ izao...
58. RBNIR ( 21/04/2015 14:17)

rhaj0:

nijery ilay Lio.10:16, dia ... "ianao RBNIR7" io angaha isan'ilay 70 "notendreny" tao @ Lioka, ka dia io savihanao izany hoe, rahefa "ianao" koa no toherina dia "manohitra AZY" izany ??

Fa miaiky aho fa mahery ilay olombe nanoratra ny Baibl ee... Tena nafangarony tao, ary nataony hoe izy tenany koa no mahery... dia mino daholo tokoany ny sasany h@ izao...

Hoy aho teto hoe ny fahotan'ny olona amin'ny andro farany dia ny tsy finoan'ny olona ireo olona mitory ao amin'ilay fitoriana lehibe farany.....

Izaho tsy anisan'ny 70 lahy ary tsy nilaza koa fa an'isan'ireo 12 lahy hofidina farany fa izaho mizara ny fahamarinana fantatro toy ireo 70 lahy (satria efa nambarako fa ny fahamarinana fantatro dia ilay fampianarana tsy misy kilema ihany)...

Ka raha tsy mino ahy ianao dia mitovy amin'ny tsy mino ireo 70 lahy ihany namana....
59. rhaj0 ( 21/04/2015 16:45)
RBNIR:
Izaho tsy anisan'ny 70 lahy ... Ka raha tsy mino ahy ianao dia mitovy amin'ny tsy mino ireo 70 lahy ihany

TSY anisan'izy 70 ianao, hoz'ianao, fa kosa tena mitovy trousse @ izy 70 lahy ianao, izay no tianao tenenina ?

Eny azany e... Izay Kristiana rehetra (sa i RBNIR irery) izay mitori-teny (araka ny fandraisany azy manokana ao), izay Teny toriany izany dia ... mitovy @ izy 70 lahy "notendrena" tao @ Lioka, ka raha dohifina izy RBNIR, dia toa ny midohika an'AZY koa.

Fa dia harary fo @ izany ao re ianao ry RBNIR, fa ny olona dia hidohika anao foana eee...
[size=8]io izao hotrhotran'ilay razokiny mamely anay mafy foana fony kely, ka hoe izy sy izay teneniny hono tena tsy asianay sirany mihintsy izao "experience vecue"-ny izao... dia 'le hozy zahay mikimokimo atsy ambadika hoe... "vecue par un con"..[/size]
60. RBNIR ( 22/04/2015 02:59)

Ilay fampianarana tsy misy kilema no itovizako amin'ireo 70 lahy namana....
Izaho koa ange tsy hoe "manery" an'iza na iza e! "fa raha hitanao fa mirimorimo mankany amin'ny fahaverezana ny namanao tsy mba hiteny v ianao hoe aza dia mizotra mankany re....
Fitiavana ange izany ry namana e!
P.S: hitako fa tena mitady ny marina ianao namana (satria tsy mba ataonao tsinontsinona ireo teny izay nozaraina teto fa mahavita mandany fotoana mihitsy ianao mamaky amin'ny antsipirihany)...
Izy anie hampahiratra ny masonao....Efa nambarako ihany koa fa tsy lavitra ny fanjakany ianao satria hitako fa amin'ny fo madio ny famalianao fa tsy (faly hidohika fotsiny otran'ny sasany.....)
Hahita ny soa avy aminy anie ianao namana.......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2828