Ka manara-baovao daholo ve k'lou nareo ee..

21. RBNIR ( 14/04/2015 07:35)
rhaj0:

Dia hilaza izany ianao (sy ny profetanao) fa toatoa ny hisy ny "fandripahana" ato ho ato ? Dia nareo sisa no ho velona fa ianareo no nofinidy ???

Fanamarihana kely fotsiny namana rhajo : any aoriana kely any dia hizara 2 koa hoy aho ny kristiaina (izay fivavahana hany tena hitoetra amin'izay fotoana izay).
Etsy andaniny ireo mitory ilay tena fahamarinana (hotarian'ireo apostoly vaovao)
Etsy ankilanay ireo manohitra izany (hotarian'ilay bibidia)

Ary ilay acte fandripahana dia ny bibidia irery no ho responsable ary ny victime kosa dia ireo rehetra tsy hanaiky hiankohoka aminy....

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
22. Strong3 ( 14/04/2015 10:16)
ka raha tsy manaraka ny pub eto dia tsy maintsy hiankohoka amin'ny bibidia izany ...
satria ny ao ihany no marina
ezakezaho ihany ny fitorianareo mba hanerantany fa hisy ho faty tsy handre anareo any hoany nefa ny bibidia ho tonga ihany
23. rhaj0 ( 14/04/2015 10:21)
hi hi hi.. ny fahitako azy k'lou dia "mitovy" ihany I RBNIR sy Strong3 fa tsy "sahala" fotsiny e... izay no mampifanditra an'izy mirahalahy mianaka eto lava io :-)
24. Strong3 ( 14/04/2015 10:41)
mdr ...! inona ilay mampitovy ry tsimisiAtra?
25. RBNIR ( 14/04/2015 11:45)
rhaj0:

hi hi hi.. ny fahitako azy k'lou dia "mitovy" ihany I RBNIR sy Strong3 fa tsy "sahala" fotsiny e... izay no mampifanditra an'izy mirahalahy mianaka eto lava io :-)

Faly aho raha misy manetry tena ka hanaiky hanaraka ny fahamarinana namana...
« Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. » (Jao.10:16)

Averina tanteraka ny taloha, Vala iray (valan'ny fahamarinana), Mpiandry iray (Jesosy) ary fahamarinana iray (ilay tsy misy kilema noraisin'i Jesosy mivantana tamin'ny Rainy ary nampianariny mivantana indray kosa.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
26. bor2lais ( 14/04/2015 12:29)
RBNIR:

Averina tanteraka ny taloha

:-)
27. rhaj0 ( 14/04/2015 12:42)
:-) Koa raha izany dia mila ovaiko izany ny loha-teny..
"Ka hanaraka ny taloha daholo ve k'lou nareo eee..."
28. rhaj0 ( 14/04/2015 12:48)
Strong3:
mdr ...! inona ilay mampitovy ry tsimisiAtra?

Hitanao izao io ohatra fa nareo miral mianaka samy mirevy izao "taloha" izao... samy (mikatona) any ny sainareo... "mitovy fa tsy sahala" izany k'inona indray azany...
29. RBNIR ( 14/04/2015 13:06)
Aza mba ho isan'izay tsy mino hoy aho, raha tsy mino dieny izao amin'izany fotoana izany ilay bibidia tena hanao fahagagana (sandoka), ho tena sarotra aminao ny hanaraka an'ireo apostoly vaovao ireo....
Ary tsy ho fantatrao akory fa efa mandray ilay mariky ny fahafatesana ianao amin'izany andro izany nefa dia hihevitra fa tena ao amin'ny Tompo.....
Conseil d'amis izany....

Samia ho tahin'ny Tompo....
30. rhaj0 ( 14/04/2015 13:17)
Tena latsaka lalina ao anatin'ny mystique-nareo ao nareo 'ty kah... incroyab...

Dia tena tsy-mi-click anareo mihintsy ve, fa tena revirevin'olona t@ fotoan'androny tsy nahalala izay misy teo ambony tany, revirevy talohabe izany fikirinareo h@ izao fotoan'andro izao izany? Tsy hitanareo ve fa feno "pensEe magique" izany resakareo izany?
31. gasy1zay ( 14/04/2015 14:43)
Rehefa misy Andriamanitra ary mamaly vavaka, mitantana sy mivimbina, mamonjy sy manome fiainana dia mitombina foana izay na t@ andron'i Mosesy, na Davida, na ny apostoly, na t@ andron'ny martiora na izao ankehitriny izao. Andriamanitra tsy miova na dia mitombo aza ny tsy mpino.
32. rhaj0 ( 14/04/2015 15:01)
Okay azany e. Fa fotsiny, ahoana koa azany t@ andron'i Mosesy sy Davida IZY ka dia hita sy re foana, be tantara daholo ny mpanoratra Baiboly, fa izao kosa tena tsy re tsaika toa ny taloha intsony e... Tena "niova" kosany IZY raha ny @ io eee...
33. RBNIR ( 14/04/2015 16:33)

rhaj0:

Tena latsaka lalina ao anatin'ny mystique-nareo ao nareo 'ty kah... incroyab...

Dia tena tsy-mi-click anareo mihintsy ve, fa tena revirevin'olona t@ fotoan'androny tsy nahalala izay misy teo ambony tany, revirevy talohabe izany fikirinareo h@ izao fotoan'andro izao izany? Tsy hitanareo ve fa feno "pensEe magique" izany resakareo izany?

O Rhajo a! dia mbola mila averina ihany v ity teny ity (sa dia efa takona amin'ny masonareo mihitsy)....
(io ilay nambarako matetika hoe : misy zavatra fantatro, tsy fantatrao, misy zavatra hiainako tsy hiainanao).....

Fa matoa aho sahy mijoro sy milaza fa MISY IZY dia tena MISY IZY (toy ny fisianao sy ny fisiako namana).......
Raha tsy mino ianao dia mihevitra ahy ho mpandainga nefa aoka ho fantatrao fa izaho koa dia tena matahotra an'ity teny ity....« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, na izay manao vetaveta, na izay mandainga, fa izay voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana izay an'ny Zanak'ondry ihany. » (Apok.21:27)
34. rhaj0 ( 14/04/2015 16:41)
tsy mihevitra anao ho "mpandainga" aho kah.. Izay no "hitanao" (ao @ imagination-nao) ao, tsisy lainga, fa dia izay izany kouh...

Fa hoy fotsiny aho hoe, "ao @ imagination-nao" irery ao re io eee.. Tsisy n'inona hotr'izany eto @ ity tany ity fa dia mba mifohaza @ izay eee.. sao dia lasan'ny akoho ny loaka :-)
35. RBNIR ( 15/04/2015 02:45)

Faly misera namana,

Hafa ny immagination, ary hafa ny réel namana....
Réel ny zavatra ambarako aminao eto......

Anjaranao sisa, na hino ianao na tsy hino....

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
36. gasy1zay ( 15/04/2015 14:57)

rhaj0:

Okay azany e. Fa fotsiny, ahoana koa azany t@ andron'i Mosesy sy Davida IZY ka dia hita sy re foana, be tantara daholo ny mpanoratra Baiboly, fa izao kosa tena tsy re tsaika toa ny taloha intsony e... Tena "niova" kosany IZY raha ny @ io eee...

t@ andron'i Mosesy dia tena niresaka mivantana t@ olony Andriamanitra,
t@ andron'i Davida dia miresaka @ mpaminany izy @ " fahitana" dia ny mpaminany indray no mampita ny hafatra @ mpanjaka sy ny vahoaka
t@ andron'ny Jesoa dia izy no zanak'Andriamanitra, nampianatra sy nanasitrana ary nanao fahagagana
rehefa nitsangana t@ maty i Jesoa ka niakatra any an-danitra dia ny Fanahy Masina no tena miasa : mampitombo ny finoana, mitaridalana, mananatra (miculpabiliser anao refa tsy mety ny ataonao), manova ( tsy mpino lasa mpino) sns sns ......

Ka ny FM tsy hoe hiseho aminao fa ny fomba fiaisany no tsapanao ry rhaj0, rehefa manana misy manindrona anao ny ao anatinao refa manao ny tsy mety ianao dia efa fomba fiaisany iray izay, rehefa tsy mety ny eritreritrao raha tsy mandeha miangona rehefa alahady dia efa izy koa izay, rehefa mahatsiaro faly ianao fa voavela heloka dia izy daoly izany e! Rehefa mino ianao fa zanak'Andriamanitra handova ny fiainana mandrakizay dia mbola asany aby :)
37. rhaj0 ( 15/04/2015 15:27)
Ka "niova" ihany izany IZY e.. taloha fony tsy-nipataloha IZY dia "niresaka" (na mivantana na @ mpaminany na tamin-Janany), (hany ka be no voatantara tanaty Baibl), fa izao kosa IZY dia "TSY miresaka" intsony (hany ka TSISY ho tantaraina intsony izao), fa dia tonga izy dia "manindrona anaty" (hozy Gasy1zay izay) na hotrhotr'izany.. okay.
38. gasy1zay ( 15/04/2015 16:32)

Ka inona moa ny antony nisehoany fahiny? Nisafidy an'i Abrahama izy fa naninona? "Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany"

i Jesoa Kristy io lazaina io, ny fisafidianana an'i Abrahama sy ny zanak'Israely dia fisafidianana taranaka sy firenena hiavian'ilay Mesia, zanak'Andriamanitra velona hisolo voina antsika ahafahana mandova ny lanitra, efa tonga i Jesoa Kristy 2000 taona lasa izay, efa nitsangana t@ maty izy, efa nijoro vavolombelona ireo mpianany ary nandrakitra izany tanaty boky atao hoe baiboly. Efa voasoratra ny hafatry ny Tompo, sy ny torolalàna ahazoana ny fiainana mandrakizay, efa notoriana, mbola toriana isak'alahady any ampiangonana, ary mbola hotoriana izany rehetra izany mba ho fantatry ny be sy ny maro.

Ka inona ary hoy rhaj0 no mbola tadiavinao? i JC hiverina fanindroany hanao fahagagana sa hiseho amina(re)o tsy mpino :) efa voavotra ny zavadrehetra fa ny olona sasany no tsy te hino, na tsy manaiky hino, fa ohatrany mahafinaritra ilay tsy misy miteny hoe aza mijangajanga, aza mandainga, aza ....
39. rhaj0 ( 15/04/2015 18:51)
gasy1zay:
...fa ny olona sasany no tsy te hino, na tsy manaiky hino, fa ohatrany mahafinaritra ilay tsy misy miteny hoe aza mijangajanga, aza mandainga...

Ka hono ho'a azany e... ianao Kristiana, sa ve i Gasy1zay irery, ianareo ve raha tsy "tenenina" na hoe "io apetraka io ny Didy", ka hoe "aza mijangakanga sy aza mandainga", izay nareo vao tsy manao izany ??

Raha izany dia mampalahelo mahonena eee...

Io tsara mihintsy ilay andrana hoe, rahefa amina tontolo-feno-pancarte ilay ankizy dia tsy dia mahay mi(s)aina @ izy tenany irery (raa miolotra @ namany)..

Izaho k'lou ry Gasy1zay dia TSY mila misy miteny hoe "aza mijangajanga" vao tsy manao a...

40. RBNIR ( 16/04/2015 04:44)
rhaj0:

gasy1zay:
...fa ny olona sasany no tsy te hino, na tsy manaiky hino, fa ohatrany mahafinaritra ilay tsy misy miteny hoe aza mijangajanga, aza mandainga...

Ka hono ho'a azany e... ianao Kristiana, sa ve i Gasy1zay irery, ianareo ve raha tsy "tenenina" na hoe "io apetraka io ny Didy", ka hoe "aza mijangakanga sy aza mandainga", izay nareo vao tsy manao izany ??

Raha izany dia mampalahelo mahonena eee...

Faly misera namana,
Tsy lavitry ny fanjakan'Andriamanitra ianao namana.
Omeo voninahitra i Jesosy Tompo,
Tompoy Izy ary minoa Azy.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3989