FANEKENA TALOHA SY NY FANEKENA VAOVAO

61. RBNIR ( 09/02/2015 06:46)

endriny:

HO ahy dia izao: Fomba fijery sy fomba fiainan'ny olona an-davanandro ihany io. Tsy ny zavatra efa anananao no mitondra hafaliana ho anao kokoa noho ny zavatra vaovao misy eo aminao. Raha manana 1 tapitrisa ariary ianao ao am-bata tsy anaovanao fety io a, fa raha mba nahazo 4 alina ianao androany dia miaraka midom-bera 4 arivo amin'ny namana etsy amin'ny tsenakely. Fa tsy hoe ilay 1 tapitrisa tany anaty vata no antony nifaliana fa ilay 4 alina.

Raha misy vahiny tonga ao aminao, dia rosoana zava-pisotro. Irahina mitokana mihintsy ny ankizy sy ny mpanampy raha misy andeha hividy haingana ramanonaka sy kafe... fa raha tonga avy miasa ny vadiko. na avy mianatra ny zanako...izaho mbola tsy naniraka ankizy na mpanampy andeha hividy zavatra hohanina ho azy.. Saingy ianao no tsy haiko a
KOa raha ianao aza mahatsapa izany maika ve fa Atra...

Tena nihezaka ny hahazo ilay resaka ity aho fa tsy azoko mihitsy.....
62. Strong3 ( 09/02/2015 13:25)
Ahoana ny hevitrao..?
Galatiana 3 : 10. Fa izay rehetra amin'ny asan'ny lalàna dia eo ambanin'ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna (Deoteronomia 27:26).

toy ny milàza io soratra masina io fa tsy afaka @ Jiosy (israely) ny ozona; izany hoe lasa olom-boaozona ny israely na dia marina aza fa firenena nofidina izy ireo, saingy nitsimbadika izany noho ny tsy fahatanterahana t@ fankatoavana ny lalàna rehetra..araka ny gal 03/10 ...tapany farany.
63. endriny ( 09/02/2015 15:12)

RBNIR:

endriny:

HO ahy dia izao: Fomba fijery sy fomba fiainan'ny olona an-davanandro ihany io. Tsy ny zavatra efa anananao no mitondra hafaliana ho anao kokoa noho ny zavatra vaovao misy eo aminao. Raha manana 1 tapitrisa ariary ianao ao am-bata tsy anaovanao fety io a, fa raha mba nahazo 4 alina ianao androany dia miaraka midom-bera 4 arivo amin'ny namana etsy amin'ny tsenakely. Fa tsy hoe ilay 1 tapitrisa tany anaty vata no antony nifaliana fa ilay 4 alina.

Raha misy vahiny tonga ao aminao, dia rosoana zava-pisotro. Irahina mitokana mihintsy ny ankizy sy ny mpanampy raha misy andeha hividy haingana ramanonaka sy kafe... fa raha tonga avy miasa ny vadiko. na avy mianatra ny zanako...izaho mbola tsy naniraka ankizy na mpanampy andeha hividy zavatra hohanina ho azy.. Saingy ianao no tsy haiko a
KOa raha ianao aza mahatsapa izany maika ve fa Atra...

Tena nihezaka ny hahazo ilay resaka ity aho fa tsy azoko mihitsy.....

Izany hoe tsy omena tsiny ianao fa efa amin'ny tenivahiny mantsy ny fampianarana izao, moa ny fomba Malagasy efa noverizin'ny fomba vazaha,

Fa ny tiako faritana fotsiny dia ilay hoe: "faly Atra raha misy mpanota miverina, ary manao fety mihintsy ny lanitra". Dia hoy aho aminao hoe: "faly ilay mpiompy kisoa ary manao fety raha nisy kisoa iray narary ka sitrana, na dia eo aza ireo kisoa 99 tsy narary, dia ilay narary sitrana no mahafaly azy" Asa mazava ve?

Izany hoe fomba eto an-tany ihany io: Ety an-tany tahaka ny any an-danitra
Raha tena tsy azonao dia tsy maninona alaiko amin'ny taxibe mihintsy ianao dia miaraka manenjika isika e
64. Strong3 ( 10/02/2015 07:09)

Misy zavatra mahalasa saina sy mampieritreritra ahy lalina ity resak'isé ity namana ny "endriny"// ___ misaotra an'isé betsaka aho

_____ akohatr'io dia mba manana ambara ao rehefa namaky ny votoantin-dresaka;
ny Kristiana dia mifaly amin'ny fanantenana. fa tsy mifaly amin'izay atao hoe "ANIO"
manangona ao antsopitra (lanitra)izy mba hovantaniny rahatrizay. ireo hitany masony dia sombiny ihany nefa mety hampitsiky kely azy.
________ mety hampifangaroin'isé angamba ny fitadiavana ny very sy ny fifaliana amin'ny zavatra nisasarana ... fampianarana roa samy hafa ireo.

ohatra: i Lota ; teo amin'ny saha lemademaka izireo dia te hijanona , ... fa hoy ny anjely; atsy aloha no ahavelona anareo. na dia mahafaly sy azo iainana aza eto dia any no misy ny tsara kokoa.
___ tsy ny fanomezana trondro no vahaolana fa ny fanomezana haranjono... (sinoa)
65. endriny ( 10/02/2015 10:46)
Strong3

Izao angamba no tiako lazaina e. Ny hafaliana dia avy amin'ny bitika fa tsy ny maro akory. Ilay kisoa nanary, raha nijanona narary dia matin'aretina avy eo.. Moa tsy naman'ny very ve izany?

Hoy i Strong3: "ny fifalian'ny kristianina dia tsy ilay anio akory fa ilay ho mandrakizay". Dia hoy aho hoe: "rha tsy ifaliana ny masoandro miposaka, ny volana baliaka, ny kintana mamiratra, sy izay mba kely vita hamenoana ny kibo, ny fanahy sy ny saina... Dia ahoana ny aminao?"

Ny fifalian'ny olona voalohany dia hoe kibo voky no ho an'ny tenany io na hp an'ny vady sy ny zanany.. Dia rehefa avy eo ny mpiaramonina aminy... Ary ny filan'ny kibo no manery ny olona hitady voalohany... Rehefa avy eo izy vao mitady hoe vady, zanaka...
66. Strong3 ( 12/02/2015 09:35)

« Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase. » (Jaona 6:27)
__
« fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin'ny tany izy. » (Filipiana 3:19)
« Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia Jesosy Kristy Tompo, » (Filipiana 3:20)
« Izay hanova ny tenan'ny fietren-tenantsika ka hitovy endrika amin'ny tenan'ny voninahiny, araka ny fiàsan'ny heriny, izay ahaizany hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. » (Filipiana 3:21)

TSY KRISTIANA amiko ny manana saina toa ny anao io ry "endriny" __ olona nofo sy rà tsy mihevitra ny fanahiny, fa mifaly amin'ny zavatra handalo ka tonga MPISASATRA TSY MAHITA FITSAHARANA ANATY fa manomboka miahy ny ampitso ka andevozin'ny fitiavam-bola sy ny harena. KA NA MIVAVAKA AZA IZY DIA NY AHABE HARENA SY VONINAHITRA azy no antony HANDOLIANY SY HANAOVANY FANATITRA SY SORONA ANY AMPIANGONANA ... POUFFF

« Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany. » (1 Jaona 2:16)
__
« Ary amin'ny hafatratry ny fitiavany harena no hanaovany varotra anareo amin'ny teny mamitaka; efa ela izay no tsy nijanonjanona ny fitsarana ireny, ary tsy rendremana ny fahaverezany. » (2 Petera 2:3)
« Fa ireo kosa izay miteny ratsy ny zavatra tsy fantany (tahaka ny biby tsy manan-tsaina, fa zava-manan'aina fotsiny ihany, izay teraka ho fisambotra sy ho famono) dia haringana tokoa amin'ny fahalotoany, » (2 Petera 2:12)
« ary hiharan'ny ratsy ho valin'ny faharatsiany izy. Ataony ho zava-mahafinaritra ny velona vetivety amin'ny fy, ka be pentimpentina sy tsiny izy sady velona amin'ny fy eo amin'ny fanasam-pifankatiavany*, raha miara-mihinana aminareo, [* Na: [amin'ny famitahany]. » (2 Petera 2:13)
« manana maso feno fijangajangana, izay tsy mety mitsahatra amin'ny fahotana: dia mamitaka ny tsy miorina tsara izy; ary mampaharatra ny fony amin'ny hafatratry ny fitiavany harena, dia zanaky ny fanozonana izy; » (2 Petera 2:14)
« Fa mandoka fatratra ny zava-poana ireo, ka ny filan'ny nofo, dia ny fijejojejoana, no entiny mamitaka ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony*; [* Na: Satria velona amin'ny filan'ny nofo ireo, dia ny fandokafany fatratra ny zava-poana no entiny mitaona ny olona izay saiky afaka tsy ho naman'ny velona eo amin'ny fahadisoana intsony ho amin'ny fijejojejoana] » (2 Petera 2:18)
« fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon'ny fahalotoana; efa izay maharesy ny olona dia mahandevo avy. » (2 Petera 2:19)

___ MANANA FINOANA MAFY FOTOTR ANY KRISTIANA KA TSY HISAINY FANTIANTOKA NY FAHARESANA eto an-tany!!!

ny rehetra mpandalina ny atao hoe "FAHAMBARANA" dia miara miaky fa ny KRISTIANA NO OLONA MANANA NY FAHASAMBARANA TONGA LAFATRA __ satria nahoana??? __ na ORY AZA IZY DIA MIFALY SATRIA MISY "FANANTENANA" velona ao anatiny, dia ny ho amin'ny ao ankohatra. :-)
67. endriny ( 12/02/2015 15:58)

Strong3:

endriny:

Strong3

Izao angamba no tiako lazaina e. Ny hafaliana dia avy amin'ny bitika fa tsy ny maro akory. Ilay kisoa nanary, raha nijanona narary dia matin'aretina avy eo.. Moa tsy naman'ny very ve izany?

Hoy i Strong3: "ny fifalian'ny kristianina dia tsy ilay anio akory fa ilay ho mandrakizay". Dia hoy aho hoe: "rha tsy ifaliana ny masoandro miposaka, ny volana baliaka, ny kintana mamiratra, sy izay mba kely vita hamenoana ny kibo, ny fanahy sy ny saina... Dia ahoana ny aminao?"

Ny fifalian'ny olona voalohany dia hoe kibo voky no ho an'ny tenany io na hp an'ny vady sy ny zanany.. Dia rehefa avy eo ny mpiaramonina aminy... Ary ny filan'ny kibo no manery ny olona hitady voalohany... Rehefa avy eo izy vao mitady hoe vady, zanaka...

« Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen'ny Zanak'olona anareo; fa Izy no nasian'Andriamanitra Ray tombo-kase. » (Jaona 6:27)
__
« fahaverezana no hiafarany, ny kibony no andriamaniny, ny fahamenarany no voninahiny, fa misaina ny amin'ny tany izy. » (Filipiana 3:19)

Aza fady fa izaho tsy maintsy miasa mba hamenoana ny kibonay mianakavy aloha dia mba andoavan'ny hofan-trano sy ny Jirama ary ny fandehanana taxibe maraina sy hariva.

Tena tsy haiko ilay manambaka olona amin'ny zavatra tsy misy fa nofinofy any an-danitra e... MIala tsiny amin'ny fihavanana
68. RBNIR ( 13/02/2015 07:36)
Faly misera,
Raha naharaka tsara ny fanazavana isika dia ao amin'ny fanekena vaovao dia tsy hoe rava akory ilay lalàna, fa hotanterahina.
Tsy ilay soratanana tety ivelany intsony fa "soratana ao ampon'ny olona mba hotanterahiny, omena fahasoavana ilay olona (1 esorina ilay ota mpanandevo tsy nahafahana manao ny tsara ary fanampiny omena ny olona ny Fanahy Masina hanome hery azy sy hanova ny fiainany handeha araka ny lalàna sy ny fitsipikan'Andriamanitra)

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
69. endriny ( 13/02/2015 13:36)
Raha mijery tsara ny baiboly sy mandinika ianao dia fampidirana eo amin'ny didy folo misy milaza: "Ity no fifanekena... sy tsy miova mandrakizay"

Dia nahoana no hoe misy fanekena vaovao?

Sa tena mpamazivazy be mihintsy ity Atra inoantsika ity....?
70. Strong3 ( 16/02/2015 11:04)
hihihih ka ny tota hoe rou mody natao vaovao io eh! nefa io olona mi Dieu io no nilaza hoe : didy vaovao no omeko anareo ; ary tsy niteniteny foana Izy nilaza izany fa ny Mat 17:5 dia nilaza fa nahazo fahefana Izy ; ka afaka nanome didy vaovao ho henoin'ny maro

manahirana moa ny miady hevitra rhefa akatona ny varavarana eh. ka aleo de ny mpitazana no hitsara ...

Ngamba an'isan'irony hebraikamesianika ireony ny namana RBNIR ka TE HILAZA FA TSY ISAN'NY BAIBOLY NY bokin'ny Matio ka hatrany amin'ny Apokalipsy... nefa mba hitako miditra amin'ireo ihany ny resany eto.

71. endriny ( 17/02/2015 05:54)

Strong3:

hihihih ka ny tota hoe rou mody natao vaovao io eh! nefa io olona mi Dieu io no nilaza hoe : didy vaovao no omeko anareo ; ary tsy niteniteny foana Izy nilaza izany fa ny Mat 17:5 dia nilaza fa nahazo fahefana Izy ; ka afaka nanome didy vaovao ho henoin'ny maro

Dia diso izany ilay hoe fifanekena mandrakizay tao amin'ny testamenta taloha ve? Dia inona fotsiny no mahamandrakizay azy raha asiana vaovao ihany aty aoriana?
72. RBNIR ( 17/02/2015 07:05)
endriny:

Dia diso izany ilay hoe fifanekena mandrakizay tao amin'ny testamenta taloha ve? Dia inona fotsiny no mahamandrakizay azy raha asiana vaovao ihany aty aoriana?

Satria nahitana tsiny ilay fanekena taloha....Tsy mahaisotra ny ota ka tsy mahafaka ny olona amin'ny fahotana fa dia miverina manota foana ny olona......
73. endriny ( 24/02/2015 05:16)

Dia araka io Laojikanao io dia mbola hisy koa izany Fanekena faha-telo araka ilay nolazaiko ve? Satria mbola manota foana ny olona izao.
74. Hajarilala7 ( 07/09/2015 15:13)

RBNIR:

Faly misera hatrany ry namana isany,

Fampitahana :
Ao amin'ny y fanekena vaovao dia
1- ny fitoerana masina (na tabernakely) dia tsy natao tanana fa nataon'Andriamanitra Heb.8:2 ary tsy ety an-tany fa any an-danitra Heb.9:24
2- Tsy biby (zanak'ondry) intsony no atao fanatria fa ny tenany Jao.1:29
3- Tsy ràm-biby intsony no nampiasaina fa ny ràn'i Jesosy ary tsy aterina isan'andro na isan-taona intsony fa aterina indray mandeha ihany Heb.9:11,12
4- Tsy mila mpanalalana intsony fa Izy no mpanalalana ho an'ny maro ary mahavonjy izay rehetra manatona Azy 1 Tim.2:5) sy Heb.7:23-25
5- Ny ràm-biby tsy mahaisotra ny ota Heb.10:4 fa ny ràn'i Jesosy no mahaisotra ny ota 1 Jao.3:5 sy Tit.2:14

Dia isay aloha fa alefan-tsika tsikelikely mba tsy handreraka ny famakiana azy ary hotohizana raha sitrapon'ny Tompo....

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany
Ny mahagaga aminareo mpandika lalàna satria ny lalàna dia natao ho an'ny mpandika lalàna dia izao : fantatrareo ny mampiavaka sy ny tsy mampitovy ny fanekena roa kanefa dia akambanareo. Ny fisoronana koa miova fa ny lalàna tadiavinareo tsy ovàna fa atambatra. Na alefanareo tsikelikely io na be dia be avy hatrany dia METY HO ANAREO MADITRA, MITANDRINA LALANA ny mitandrina ny lalàna 1 Timoty 1/ 9
75. Hajarilala7 ( 07/09/2015 15:27)

RBNIR:

Hodinganiko kely amin'izay.....
Hoy aho hoe tsy kitoatoa ny fikatsahana ny fanjakan'Andriamanitra fa tena misy ny point de départ ary misy ny arrivée, otran'izao ny fipetrany :

Depart......................Chemin.................................>Arrivée
1- Nofo -------------------------------------------------------------> fanahy
2- Misy ota ---------------------------------------------------------> Tsisy ota + Mandray ny Fanahy Masina
3- Andevon'ny ota-------------------------------------------------> Mpanompon'ny fahamarinana
4- Zanaky ny devoly-----------------------------------------------> Zanak'Andriamanitra
5- Tsy mahazo mandova-------------------------------------------> Mpandova
6- Afobe---------------------------------------------------------------> Fanjakan'ny Lanitra
7- Hahita sy hijaly miaraka amin'ny devoly------------------->Hahita sy hiaramonina amin'Andriamanitra

Ny 1 ;2;3; efa saika nomena teo ny toko sy andininy
Ny 4 kosa Jaona 8:44 sy gal.4:6
Ny 5 1 Kor.15:50 sy Rom.8:17
Ny 6,7 Mat.25:41 sy Mat.25:34 ary Apok.22:3.4

Mba hahatongavanao amin'ilay arrivée dia misy ny làlana (chemin) tsy maintsy hizorana...

Iny no hanentanako anao hanaraka an'ilay fandaharana Vitao ny asan'ny Fahamarinana Jereo ato

Koa dia manasa anao ary hanaraka izany fandaharana izany....

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany

Hoy ianao : 2- Misy ota ---------------------------------------------------------> Tsisy ota + Mandray ny Fanahy Masina
Nahoana no misy ny ota??? Valiny : Tsy misy ny ota raha tsy misy lalàna;
Ary ny olona tarihin'ny Fanahy Masina tsy manota, zanak'Andriamanitra.

Ianareo anefa mitandrina ny lalàna, midika izany fa mpanota ianareo sady tsy manana ny Fanahy Masina.

Ny teninao ihany no mamatototra anao RBNIR kanefa anie raha fanazavanao dia mety é!
Adinonao fa ny départ dia lalàna, ny arrivée dia Kristy! Romana 10/ 4 : Fa Kristy no faran'ny lalàna!

Hoy ianao : 5- Tsy mahazo mandova-------------------------------------------> Mpandova
Mba vakio ny Romana/ 14 ny amin'ny mpandova. fa tsy avy amin'ny lalàna no handovana.

Raha mbola azo atao dia manoro hevitra anao aho ry RBNIR : MIBEBAHA IANAREO!
76. Hajarilala7 ( 07/09/2015 15:32)

RBNIR:

Faly misera,
Raha naharaka tsara ny fanazavana isika dia ao amin'ny fanekena vaovao dia tsy hoe rava akory ilay lalàna, fa hotanterahina.
Tsy ilay soratanana tety ivelany intsony fa "soratana ao ampon'ny olona mba hotanterahiny, omena fahasoavana ilay olona (1 esorina ilay ota mpanandevo tsy nahafahana manao ny tsara ary fanampiny omena ny olona ny Fanahy Masina hanome hery azy sy hanova ny fiainany handeha araka ny lalàna sy ny fitsipikan'Andriamanitra)

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
Fantatreo ve avy amin'ny inona ilay lazainao fa OTA MANANDEVO??? Rha tsy misy lalàna dia tsy misy ny ota! araka ny Soratra Masina io! Romana 7 :8

Mamerina aminareo mpitandrina lalàna , sao dia ity no hafatry ny Tompo farany ho anareo : MIBEBAHA IANAREO FA HO VERY!!!
77. RBNIR ( 07/09/2015 19:39)
Hoy i Kristy indray andro :

« Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy? » (Jao.8:46)

Raha nanota i Kristy teto dia tsy maninona fa mpanota aho izany.....

« Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy » (Lio.4:1)
« ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy. » (Lio.4:2)
« Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. » (Lio.4:3)
« Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3). » (Lio.4:4)
« Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao. » (Lio.4:5)
« Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; » (Lio.4:6)
« koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany. » (Lio.4:7)
« Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20). » (Lio.4:8)
« Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any; » (Lio.4:9)
« fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao; » (Lio.4:10)
« Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). » (Lio.4:11)
« Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Lio.4:12)

Lalàna fahiny daholo ireo lalàna notandreman'i Jesosy ireo raha nalain'ny devoly fanahy Izy....

Ary araka ny voasoratra dia efa "FENO NY FANAHY MASINA IZY" tamin'io fotoana io
Mpanota v izany i Jesosy satria nitandrina ireo lalàna ireo (lalàna tany amin'ny fanekena taloha daholo ireo lalàna notandremany ireo) ? Raha mpanota Izy dia tsy maninona fa mpanota aho izany satria inona moa izay izaho mihoatra Aminy Izy ary izany mpanota koa.

« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. » (1 Jao.2:6).....

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!!
78. Hajarilala7 ( 08/09/2015 06:33)

RBNIR:

Hoy i Kristy indray andro :

« Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy? » (Jao.8:46)

Raha nanota i Kristy teto dia tsy maninona fa mpanota aho izany.....

« Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy » (Lio.4:1)
« ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy. » (Lio.4:2)
« Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak'Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. » (Lio.4:3)
« Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona (Deo. 8. 3). » (Lio.4:4)
« Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao. » (Lio.4:5)
« Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy; » (Lio.4:6)
« koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany. » (Lio.4:7)
« Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13; 10. 20). » (Lio.4:8)
« Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon'ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any; » (Lio.4:9)
« fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao; » (Lio.4:10)
« Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). » (Lio.4:11)
« Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). » (Lio.4:12)

Lalàna fahiny daholo ireo lalàna notandreman'i Jesosy ireo raha nalain'ny devoly fanahy Izy....

Ary araka ny voasoratra dia efa "FENO NY FANAHY MASINA IZY" tamin'io fotoana io
Mpanota v izany i Jesosy satria nitandrina ireo lalàna ireo (lalàna tany amin'ny fanekena taloha daholo ireo lalàna notandremany ireo) ?

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!!
Hoy ianao hoe : Raha mpanota Izy dia tsy maninona fa mpanota aho izany satria inona moa izay izaho mihoatra Aminy Izy ary izany mpanota ko[/b[b]]a.

Iana izany tsy mpanota mitovy aminy??? satria ve Kristy niteny hoe : « Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy? » (Jao.8:46) dia hiteny izany koa ianao??
Tsy fantatrao ve ny voasoratra 1 Jaona 1:10 Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ao anatintsika.

Hanontany anao aho : Ianao ve no Kristy??

Hoy ny voasoratra : « Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. » (1 Jao.2:6).....
Dia inona ilay hoe "mandeha tahaka izay nandehanany koa"??? Dia ho any Gologota koa izany ianareo? Dia Hohombohana eo amin'ny hazo fijaliana any koa izany ianareo? Fa inona no boky nampiasaina tamin'ny andron'ny lalàna??? Tsy ny bokin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo ve? Sa tokony efa niteny ny taratasy nosoratan'i Paoly sy Petera Apostoly i Kristy??

Jesosy dia tonga tety an-tany tao ambanin'ny lalàna mba hanavotany izay rehetra eo ambanin'ny lalàna! Galatiana 4:4-5 Fa rehefa tonga tokoa ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna, Hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’anaka.

Tsy mbola tonga ao amin'ny finoana ianareo izay mbola mitandrina ny lalàna
Galatiana 3/ 24-25 : Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’izay mpitaiza intsony isika.

Mbola averiko eto indray é ! Tsara ny ataonareo mampitandrina ny lalàna ny olona tsy mbola manana ny Fanahy Masina. Ny lalàna manstsy dia natao ho an'ny olona izay mpanota sy mpandika lalàna, mpijangajanga sns ...1 Timoty 1:7-10 Dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany. Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin’ny olona araka izay antony, Ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy araka an' Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy masina sy ny olom-betaveta, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, "Ny mpivarotena, ny mpanao fahavetavetana, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò ary na inona na inona manohitra ny foto-pampianarana tsy misy kilema;"

Raha izahay efa manana ny Fanahy Masina dia tarihin'ny Fanahy Masina ka tsy mila mpitaiza hafa intsony, dia ny lalàna izany.

Any amin'ny faritra be dahalo sy eny amoron-dalana amin'ny alina ianareo no mila mampianatra sy mapitandrina ny lalàna mba hampilamina ny fiaraha-monina fotsiny fa tsy handovana Fiainana Mandrakizay.

Raha mbola misy manao toa izany koa ao amin'ny olona ao amin'ny fivorianareo : [size=80](araka ny 1 Timoty 1/9-10)[/size] mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy araka an' Andriamanitra sy ny mpanota, ny tsy masina sy ny olom-betaveta, ny mpamono ray sy mpamono reny, ny mpamono olona, "Ny mpivarotena, ny mpanao fahavetavetana, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò dia TSARA ary TENA TSARA ho anareo ny mitandrina sy mampitandrina ny lalàna.

Dia mila mibebaka ianareo dia atao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Tompo mba hahazoana famelàna ny helokareo, rehefa izany dia handray ny fanomezana ianareo dia ny FANAHY MASINA. Izay vao tsy mila mitandrina lalàna intsony ianareo fa tarihin'ny Fanahy Masina amin'izay! AMEN!

79. RBNIR ( 08/09/2015 06:51)
Tsy mamaly ahy mivantana anie ianao izany namana e! Izaho manontany hoe nanota v i Jesosy?

Mba hampahazava azy kokoa ary e:

Rehefa nalain'ny devoly fanahy i Jesosy dia hoy Izy hoe Efa voasoratra hoe : Aza......(lalàna (ilay tsy tianao no notanisainy teo)

Ankehitriny indray kosa ianao manao ahy hoe Aza mitandrina ny Sabata fa ho very ianareo...
Dia mamaly aho tahaka Azy hoe Efa voasoratra hoe « Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. » (Eks.20:8) sy koa hoe « Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito (vakio ny baiboly DIEM) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA ISAINA!!!!
80. Hajarilala7 ( 08/09/2015 06:56)

endriny:

RBNIR:

endriny:

Dia diso izany ilay hoe fifanekena mandrakizay tao amin'ny testamenta taloha ve? Dia inona fotsiny no mahamandrakizay azy raha asiana vaovao ihany aty aoriana?

Satria nahitana tsiny ilay fanekena taloha....Tsy mahaisotra ny ota ka tsy mahafaka ny olona amin'ny fahotana fa dia miverina manota foana ny olona......

Dia araka io Laojikanao io dia mbola hisy koa izany Fanekena faha-telo araka ilay nolazaiko ve? Satria mbola manota foana ny olona izao.
Tsy hisy intsony izany fanekena fahatelo izany! Inona no mahatonga ny olona manota izao??? Valiny : Tsy nahatanteraka ny fepetra ahazoana ny Fanahy Masina, izay tokony manapaka ny olona, fa lasa mpiangona sy mpitori-teny tsy manana Fanahy Masina no MAROBE! Dia tsara aloha raha mitandrina sy mampitandrina ny lalàna ireny olona ireny mba hampilamina ny fiaraha-monina ety an-tany.

Maro ireo izay nilaza ny tenany ho mpaminany ary isan'izany Ellen White izay tsy nirahin'Andriamanitra fa dia nitory sy nampianatra ary tonga amin'izao korontam-panahy misy izao. Ellen White dia mampitandrina ny lalàn'i Mosesy (izay fanekena taloha) no mitory ny finoana an'i Kristy Jesosy (Fanekena vaovao) Izay FIJANGAJANGANA, satria araka ny Soratra Masina :
- Apokalypsy 2:20-21 ‘Na izany aza, dia izao no anomezako tsiny anao: Leferinao ilay vehivavy Jezebela,+ izay mihambo ho mpaminanivavy sady mampianatra+ sy mamitaka ny mpanompoko+ hijangajanga+ sy hihinana zavatra atao sorona ho an’ny sampy.+ 21 Ary nomeko fotoana hibebahana+ izy, nefa tsy te hibebaka amin’ny fijangajangany.

- Romana 7:4 Ary amin' izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin' ny lalàna noho ny tenan' i Kristy, mba ho vadin' ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin' ny maty, mba hahavokarantsika ho an' Andriamanitra.

Ny lalàna tandreman'ny olona kanefa mbola te ho vadin'i Kristy koa izy. = FIJANGAJANGANA

Raha misy tokony ho fihaonana na toy izany aza misalasala manoratra aty amiko amin'ny e-mail : teny.fiainana@ymail.com
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2084