FANEKENA TALOHA SY NY FANEKENA VAOVAO

121. RBNIR ( 15/09/2015 06:45)
P.S : mbola misy VITA iray hafa any amin'ny bokin'ny apokalispy any rehefa avy milatsaka ireo loza fito farany!!!
« Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin'ny tempoly, teo amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita. » (Apok.16:17)
Ny missiony tety an-tany no VITA!!! fa mbola tsy tapitra ny tantara akory...
122. Hajarilala7 ( 15/09/2015 15:42)

RBNIR:

Mampalahelo ahy ianareo RBNIR! Mbola ho tsarovanao izany indray andro any!

Izany hoe ianareo izany no hamita ny fampidinana ny loza fahafito farany dia misy io teny io hoe "VITA" vao vitan'ny asan'i Kristy Jesosy? Sa, ianareo mbola eto amin'ny andro fahatezerana sy famaliana???

Raha ny zavatra ataonareo ny amin'ny fitandremanareo ny lalàna aloha dia tena mbola eto ianareo amin'ireo loza fito ireo é!
Ny zanak'Andriamanitra tsy havelan'ny Tompo hiaritra izany na hijery izany fahatezerany izany! Ny zanaky ny fahatezerana no mbola eto! Dia vitao ary é!

Mba mahalala ny momba izany ve ianareo sa dia miteniteny foana fotsiny??? Ianao ihany ry RBNIR, no miteny izany etsy ambony!

Tokony ho fantatry ny olona fa tsy misy hidiran'ny zanak'Andriamanitra intsony ny amin'ny fahatezeran'Andriamanitra dia ny andron'i Jehovah, loza fito, aizina izany tsy misy mazava, ny olona mitoetra ao amin'ny aizina ara-panahy no mbola eto amin'izany, ny mazava efa lasa tompoko! Ka dia vitao ary izany!
123. RBNIR ( 15/09/2015 22:15)
Ianao milaza hoe efa Vitan'i Jesosy ny asa rehetra!!!
Dia manazava aho, ny missiony tety an-tany no nolazainy hoe Vita,
Mbola misy ny asa tsy vita ====> Vitao ny asan'ny Fahamarinana...
P.S : Anjely fito any an-danitra no handatsaka ny loza fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra!!!!
Izahay kosa mampibebaka ny olona mba tsy hotratran'izany!!!! Koa raha mety ianao dia MIBEBAHA!!!
124. RBNIR ( 15/09/2015 22:27)
P.S : tamin'ny andron'ny loza folo dia samy tao egypta na ny egyptianina na ny zanak'israely,
Ny loza anefa dia ho an'ny Egyptianina ihany,

Tahaka izany ihany no hiseho rehefa hiraraka ireo loza fito!!!
Ireo handray ny mariky ny bibidia ihany no hiharan'ny loza
« Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. » (Apok.16:2)

Ho an'ny vahoakan'Andriamanitra kosa (ireo izay tsy handray ny mariky ny bibidia) dia harovan'Andriamanitra izireo
« Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany » (Sal.91:7)
« Hijery maso fotsiny ianao,Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy. » (Sal.91:8)

Ekeo ilay Heb.4:9 namana « Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito) ho an'ny olon'Andriamanitra. »

Vakio ato hoe inona ny mariky ny bibidia ary inona kosa no marika avy amin'Andriamanitra namana

Hampahiratra ny mason-tsika anie IZY!!!!
125. Hajarilala7 ( 16/09/2015 05:58)

Loza folo tany Egypta indray no ataonao ohatra. Mbola hampahafantatra anao aho eto, fa fanahafahana ny Zanak'Israely no natao tany fa sty famaliana ny ratsy fanahy. Ny loza fito ao amin'ny Apokalypsy anie ka famaliana ny ratsy fanahy é! Tsy afaka amin'i Egypta (Tendrombohitr'i Sinay=Hagara) mihitsy ianareo an!

Ambara aminao eto ny nolazain'i Kristy :
1- Matio 24/ 37 : Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona. Taiza ry Noa valo mianaka tamin'ny niantombohan'ny safo-drano????
2- Lioka 17/ 28 : Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy;> Taiza ry Lota efa-mianaka raha nalatsaka tao Sodoma ny afo sy solifara????? Sa narovana tao Sodoma sy Gomora ve ry zareo???

Mba omeo eto svp hoe taiza i Kristy no nanome ohatra Loza folo tamin'ny namoahana ny Zanak'Israely tany Egypta izany andro izany ho an'ny vadiny, Ampakarina!

Amosa 5/ 20 : Moa tsy aizina va ny andron'i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany? Hisy fahazavana ve izany??? Iza no fahazavan'izao tontolo izao fa tsy ny zanak'Andriamanitra? Sa ianareo no hanazava ao amin'izany?

Efa mandindona anareo ny loza fito farany RBNIR!!! Satria zanak'ilay mpaminanivavy ianareo, Jezebela izany, Ellen G. White izany! Apokalypsy 2/ 20

MIBEBAHA hoy aho IANAREO ry sakaiza RBNIR ô! Ny zavatra teninareo sy inoanareo aza dia tsy fantatrareo sady DISO BE!

126. Hajarilala7 ( 16/09/2015 06:16)
Ekeo ilay Heb.4:9 namana « Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito) ho an'ny olon'Andriamanitra. »

Jesosy no fitsaharanay, dia Ilay efa ato anatiko, Izy no fahafahako. No mihoatra noho ny fahamarinanareo Fariseo izany. Mbola averiko eto, isan'andro izahay mitsahatra, afaka, Matio 11 :28-29, Jaona 8:32, 7j/7, 24h/24, 365j/365 - Ny anareo 1j/7, 52j/365. Mbola ao amin'ny nofo tokoa ianareo! Ny lalàn'i Mosesy nohamasinina tamin'ny ràm-biby no mbola tananareo sady hampivadianareo amin'ny ràn'i Kristy dia hita marina fa mijangajanga ianareo Romana 7: 3-4

Ny anareo dia tahaka ilay vehivavy azo ola-tanana nijangajanga vao lazaina fa mijangajanga fa ny anay kosa dia : Na iza na iza mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga sahady tao am-pony. Izahay tsy tompon'ny tenanay araka ny 1 Korintiana 6/ 19 satria ny Fanahy Masina no manapaka anay, ka tsy ny lalàna no mibaiko anay na tandremanay fa Ilay nanoratra ny lalàna no aty anatinay!
Izahay miankohoka isan'andro eo amin'Andriamanitra satria ao amin'ny Fanahy izahay Apokalypsy 14:4 Ny anareo dia isaky ny voalohambolana sy isan-tsabata dia izay vao avy ianareo NOFO iankohoka eo anatrehany§

127. RBNIR ( 16/09/2015 06:46)
Porofo fa samy ho eto an-tany ny olona rehefa hirotsaka ny loza fito???
Ny loza fito dia natao ho an'izay handray ny mariky ny bibidia irery ihany!!!!
Etsy andaniny ireo mandray mariky ny bibidia!!! etsy ankilany ireo tsy mety mandray!!!

Vakio tsara ny apokalipsy 13 fa samy eo ireo olona ireo (mpandray marika manenjika) ny tsy mpandray marika kosa enjehina sy vonoina) ary ny sisa tsy hofatin'ilay bibidia (sisa tsy maty maritiora) no "hotratra velona rehefa ho avy Ilay mpamonjy".....
« Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. » (1 Tes.4:15)
128. RBNIR ( 16/09/2015 08:24)
Hajarilala7:

Ny anareo dia tahaka ilay vehivavy azo ola-tanana nijangajanga vao lazaina fa mijangajanga fa ny anay kosa dia : Na iza na iza mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga sahady tao am-pony. Izahay tsy tompon'ny tenanay araka ny 1 Korintiana 6/ 19 satria ny Fanahy Masina no manapaka anay, ka tsy ny lalàna no mibaiko anay na tandremanay fa Ilay nanoratra ny lalàna no aty anatinay!

Tsy efa naverimberiko impiry v hoe ilay lazaiko ihany ange no averinao e, moa tsy voalazako fa ny ambany fahasoavana dia ambany fitarihan'ny fahasoavana (ilay Fanahy Masina) fa tsy eo ambany fitarihan'ilay lalàna ety ivelany intsony??? ary ny tanjona mitovy amin'ny taloha ihany tsy hijangajanga intsony saingy hatrany ampo fa tsy ety ivelany fotsiny???
Izay ilay atao hoe na ianao tsy mamaky tsara!!! na minia tsy mamaky!!!!
Ka raha otran'izay ary ny amin'ny resaka fijangajangana dia mba ahoana kosa ary ny momba ny Sabata (na ny andro fahafito e) Heb.4:9 dia mbola hisy ny andro fahafito (fa tsy niteny izy hoe isan'andro)??????
129. Hajarilala7 ( 16/09/2015 15:02)

Tsy efa voalazan'ny Tompo ve fa : Matio 24/ 37 : Fa tahaka ny andron'i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian'ny Zanak'olona.
Ianao miteny fa toy ny tany Egypta nisy ny loza folo dia mbola eo koa ny zanak'Andriamanitra, iza no miteny aminao fa amin'ny andro aoriana ny bibidia sy ny marikany vao hiseho??? Mahafantara ianareo! Efa misy ny fanenjehana sy ny famonoana.

Ary Apokalypsy 16 ve sa lasa apokalypsy 13 indray ilay hoe "VITA"é! Ianareo no mivadibadika, mijoro tsara aloha fa lasa resaka "adala"!

Mbola averiko fa tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, efa ao anaty sambofiara izy valo vao nanomboka ny safodrano. Efa lasa ny Ampakarina vao ho tonga ny loza! Ianareo izany mbola hidi-doza. Ny Fanahy miasa aty anatinay dia hendry ary manala anay amin'ny loza izay hihatra amin'ny mpanota!
130. Hajarilala7 ( 16/09/2015 15:16)

RBNIR:

Hajarilala7:

Ny anareo dia tahaka ilay vehivavy azo ola-tanana nijangajanga vao lazaina fa mijangajanga fa ny anay kosa dia : Na iza na iza mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga sahady tao am-pony. Izahay tsy tompon'ny tenanay araka ny 1 Korintiana 6/ 19 satria ny Fanahy Masina no manapaka anay, ka tsy ny lalàna no mibaiko anay na tandremanay fa Ilay nanoratra ny lalàna no aty anatinay!

Tsy efa naverimberiko impiry v hoe ilay lazaiko ihany ange no averinao e, moa tsy voalazako fa ny ambany fahasoavana dia ambany fitarihan'ny fahasoavana (ilay Fanahy Masina) fa tsy eo ambany fitarihan'ilay lalàna ety ivelany intsony??? ary ny tanjona mitovy amin'ny taloha ihany tsy hijangajanga intsony saingy hatrany ampo fa tsy ety ivelany fotsiny???
Izay ilay atao hoe na ianao tsy mamaky tsara!!! na minia tsy mamaky!!!!
Ka raha otran'izay ary ny amin'ny resaka fijangajangana dia mba ahoana kosa ary ny momba ny Sabata (na ny andro fahafito e) Heb.4:9 dia mbola hisy ny andro fahafito (fa tsy niteny izy hoe isan'andro)??????

Hoy ianao : Izay ilay atao hoe na ianao tsy mamaky tsara!!! na minia tsy mamaky!!!!

< Tsy vitan'ny mamaky izahay fa mandinika mihitsy, toy ny biby madio fa sao tsy fantatrareo! Ianareo no mamaky fa tsy mandinika!

Iza no hilaza amin'ny olona, izay tapahin'ny Fanahy Masina (araka ny 1 Korint 16:9) tsy tompon'ny tenany hoe "Manaja ny andro sabata sy voaloham-bolana, na ny lalàna ry Fanahy Masina! Efa tafahoatra loatra ny .................nareo! Mbola manina ny tongolo tany Egypta ve?

Hoy indray ianao : Heb.4:9 dia mbola hisy ny andro fahafito (fa tsy niteny izy hoe isan'andro)??????
< Asa raha tafiditra amin'ny isan'andro isan'andro ny andro sabata sy ny voaloham-bolanareo na tsia???
Mihoatra noho ny fahamarinanareo Fariseo angamba ny fahamarinana izany! Ianareo aza mbola ratsy lavitra noho ny Fariseo, saria ny fariseo tsy nanafangaro ny fanekena roa!

Ny fanambadiana anie ka faneken'ny lahy sy ny vavy é! dia toy izany koa ireo fanekena roa ireo (taloha sy ny vaovao), maty aloha ny iray (lalànn'i Mosesy) eo amin'ny vavy vao afaka manambady hafa izy (lalàn'i Kristy). Romana 7/ 3-4.

Ianareo indray dia mamaky fa tsy mba mandinika! Ratsy be izany an!
131. RBNIR ( 17/09/2015 03:08)
Ity ny teny mampifandray ny apok.16 sy ny apok.13
« Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. » (Apok.16:2)

Raha nivadika ho isan'andro ny Sabata (fitsaharana) dia tsy notsindrina tsara intsony ity teny ity.......
« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)

Farany ny loza fito dia fotoana aty alohan'ny hahatongavan'ny Tompo,
132. RBNIR ( 17/09/2015 05:32)
Otran'izao ny filaharan'ny zavatra hitranga:
1- Apok.13 etsy andaniny ny bibidia sy ny mpanaraka azy hanenjika ireo tsy mety handray ny marika
2- Hiraraka ny fahatezeran'Andriamanitra (LOZA FITO) ho an'ireo izay manana ny mariky ny bibidia, ireo tsy nandray kosa dia hijery maso fotsiny....HISY NENINA BE VAVA HO AN'IZAY TSY NETY NANDRAY NY MARIK'I JEHOVAH!!!!!
3- Ho tonga i Jesosy dia haniraka ny mpanompony hisambotra an'ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka izay hatsipy velona any anaty farihy afo « Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. » (Apok.19:20)
4- Hatsangana ny maty "tao amin'ny Tompo" dia miaraka hakarina amin'ireo olona sisa tratra velona (sisa tsy lasa maritiora).....
« Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. » (1 Tes.4:15)
« Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; » (1 Tes.4:16)
« ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. » (1 Tes.4:17).......
Izay ilay izy namana, mbola samy eto dia hiraraka ny loza fito farany saingy harovan'Andriamanitra ireo rehetra tsy mety handray ny marik'i ny bibidia
133. Hajarilala7 ( 17/09/2015 06:21)

RBNIR:

Ity ny teny mampifandray ny apok.16 sy ny apok.13
« Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. » (Apok.16:2)

Raha nivadika ho isan'andro ny Sabata (fitsaharana) dia tsy notsindrina tsara intsony ity teny ity.......
« Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)

Farany ny loza fito dia fotoana aty alohan'ny hahatongavan'ny Tompo,

Hoy ianao : Ity ny teny mampifandray ny apok.16 sy ny apok.13
« Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin'ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan'ny sariny. » (Apok.16:2)
< Ny olona nanana ny mariky ny bibidia sns... no voalaza eo. DINIHONAREO NY VOASORATRA! Ianareo dia mamaky fotsiny. Aiza no misy filazana fa mbola eo ny zanak'Andriamanitra (=MAZAVA) amin'izany? sa ianareo isan'ireo efa resy lahatra fa manana ny mariky ny bibidia??? Ny olona mana ny mariky ny bibidia anie ka tsy avotra intsony é! Sa aminareo dia tsy tafaraka foa ny manana sy ny tsy manana ny mariky ny bibidia???

Hoy ianao : Raha nivadika ho isan'andro ny Sabata (fitsaharana) dia tsy notsindrina tsara intsony ity teny ity.......
Ianareo no isaky ny andro sabata no mitsahatra ny fanahinareo dia tohizo fa mbola tsy ampy, tsy mihoatra noho ny an'ny Fariseo ny fahamarinanreo rah ny amin'ny lalàna ary mety ho latsaky ny an'ny Fariseo aza satria ireny dia tena nitandrina izany andro izany araka ny lalàn'i Mosesy. Tandremo ny lalàna RBNIR, fa tsara io lalàna io ho anareo izay nanaovana azy (1 Timoty 1 : 8-10).
Ny amiko mantsy dia efa tanteraka ilay hoe : Galatiana 2:20 "Voahombo miaraka amin’i Kristy amin’ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo, dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra Izay efa tia ahy, ka nanolotra ny tenany ho ahy." Tsy izaho intsony no velona, ka raha izaho no asainao mitandrina ny andro sabata, mitandrina ny hoe Aza mijangajanga" sns.... dia miala tsiny fa ny Tompon'ny Sabata, dia Kristy Jesosy, sady faran'ny lalàna no efa velona ato amiko sady ivelomako. Diso adresse ianareo izay mampitandrina ny lalàna raha izaho no asainareo mitandrina izany.

Hazavaiko fa sao tsy azonao RBNIR ilay hoe "Fa Kristy no faran' ny lalàna" = Izy no arrivée, ka efa tonga ao amin'ny arrivée izahay tompoko, dia ao amin'i Kristy! Ianareo izay tsy mbola tonga kosa no hilazako hoe : TONGAVA é! Mandrosoa hatrany mba hananareo finoana masina indrindra!

Fantatro tokoa fa mazoto ho an'Andriamanitra ianao RBNIR! saingy tsy araka ny fahalalana. Tsy mbola tonga ao amin'i Kristy ianareo, izany hoe tsy mbola nibebaka. MAMPALAHELO IANAO.
Izay ilay nolazaiko tary amin'ny loha-hevitra iray hoe "Fa vavolombelon' ireny aho fa mazoto ho an' Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana. Fa satria tsy nahalala ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra izy ka nitady hanamarina ny tenany, dia tsy nanaiky ny fahamarinana avy amin' Andriamanitra. Fa Kristy no faran' ny lalàna ho fahamarinana ho an' izay rehetra mino (Romana 10/1-4.)

Haverikoiko fa sao tsy azonao RBNIR ilay hoe "Fa Kristy no faran' ny lalàna" Ny lalàna no départ ary Kristy no arrivée, ka efa tonga ao amin'ny arrivée (Kristy) izahay tompoko, dia ao amin'i Kristy! Izay ao amin'ny Krist dia efa nanombo ny nofony sy ny filany (Galatiana 5/ 24) Ianareo izay tsy mbola tonga kosa no hilazako hoe : TONGAVA é! (= MIBEBAHA é!) Mandrosoa hatrany mba hanananareo finoana masina indrindra!
134. RBNIR ( 17/09/2015 06:41)
1- Mety nifanena ny valitenin-tsika fa vakio fa efa nazavaiko io ny filaharan'ny zavatra hiseho....

2- Izany hoe misy teny "sahinao atao tsinontsinona ao amin'ny fanekena vaovao (na mihevitra ianao izany adala ilay niteny an'io teny io, na mety mihevitra mihitsy ianao fa "mahay lavitra noho izireo koa dia manao tsinontsinona izay nolazainy" « Koa dia mbola misy sabata fitsaharana (andro fahafito) ho an'ny olon'Andriamanitra. » (Heb.4:9)......
Satria raha ny fandraisako azy eto dia tsy horaisinao mihitsy io teny io.......
135. RBNIR ( 17/09/2015 07:14)
Namana hajarilala, aleo tsy miteny hoy aho toy izay miteniteny foana....
Izao teny izao v dia tokony ho lazain'ny olona milaza ho mpanompon'Andriamanitra?
Citation ity
" Tsy izaho intsony no velona, ka raha izaho no asainao mitandrina ny andro sabata, mitandrina ny hoe Aza mijangajanga" sns.... dia miala tsiny fa ny Tompon'ny Sabata, dia Kristy Jesosy, sady faran'ny lalàna no efa velona ato amiko sady ivelomako. Diso adresse ianareo izay mampitandrina ny lalàna raha izaho no asainareo mitandrina izany.

Dia nampianao hoe : Hazavaiko fa sao tsy azonao RBNIR ilay hoe "Fa Kristy no faran' ny lalàna" = Izy no arrivée

Raha ireo no raisina dia hoe : tsy nitandriana ny lalàna intsony i Kristy ary tsy notandremany intsony ilay hoe "Aza mijangajanga".........
Mba menatra e!!!!! Aleo mangina hoy aho fa miteniteny foana!!!!
136. Hajarilala7 ( 17/09/2015 15:58)

137. Hajarilala7 ( 17/09/2015 16:22)
Hajarilala7:

[quote=RBNIR]

138. Hajarilala7 ( 17/09/2015 16:24)
Hajarilala7:

[quote=Hajarilala7]

139. Hajarilala7 ( 17/09/2015 16:29)

140. Hajarilala7 ( 18/09/2015 05:45)
[quote=Hajarilala7]
[quote=Hajarilala7]
[quote=Hajarilala7]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2046