FANEKENA TALOHA SY NY FANEKENA VAOVAO

41. RBNIR ( 03/02/2015 07:42)

RBNIR:

rhaj0:

Dia raha tsisy indra-fo ny A.tr'i RBIR ao @ "imagination"-ny ao... dia nefa ny A.trao, ao @ "imagination"-nao ao, be indra-fo... dia ifalio ny anao eee... haninona anao (sy ny imagination-nao) moa ny A.tra any @ imagination-ndRBNIR ??? :-)

Fa inona ny olana ry stilo, endriny ary rhajo, ilay zaza v?
Manana adidy ny ray aman-dreny, raha mino ny ray na ny reny dia ho avotra ilay zaza...
Raha tianao ny zanakao dia minoa (mialatsiny adinoko ny toko sy andininy.....)
Samia ho tahin'ny Tompo

Tena misaotra Azy lehibe fa hita ihany ilay toko sy andininy,
1 Korintiana 7
12 Fa amin’ ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.13 Ary raha misy vehivavy manam-bady tsy mino, ka mety mitoetra aminy ihany ny lahy, dia aoka tsy hialany izy.14 Fa ny lahy tsy mino dia efa masina ao amin’ ny vavy ary ny vavy tsy mino dia efa masina ao amin’ ny rahalahy; raha tsy izany kosa, dia tsy madio ny zanakareo; fa raha izany, dia masina izy.15 Fa raha ny tsy mino no miala, aoka hiala izy. Na rahalahy na anabavy dia tsy voafehy amin’ izany; fa Andriamanitra efa niantso antsika amin’ ny fihavanana.

Araka io teny io raha tian-tsika ny zanatsika dia MINOA....
Tena manana adidy amin'izy ireny isika Ray aman-dreny....

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
42. RBNIR ( 03/02/2015 07:44)
Io teny io koa no porofo fa hoe tsy tokony hisaraka ny mpivady raha sendra ka lasa mpino ny anankiray.......Misy fampianarana "hafahafa" anefa mampisaraka mpivady sy tsy mampanoa Ray sy reny ary mitaona ny olona hankahala fianakaviana satria "tsy mpino hono"........
43. rhaj0 ( 03/02/2015 13:31)
RBNIR:
Raha miteny aho hoe réel ny fisiany dia tena réel toy ny fisiako sy ny fisianao namana ...

réel
Sens 1 Qui existe.
Sens 2 Matériel, authentique

D'efa hoe mi-existe ao @ imagination-nao Izany fa tena tsisy ifandirana = authentique,
Fa raha @ 'sens 2', dia tena 'Matériel' mihintsy izany ny existence-ny an ?...

Sa io indray ilay hoe, na 'réel' io na tsy 'réel', na 'Matériel" io na tsia... izay definition iraisan'ny samy olb dia tsisy dikany daholo manoloana ny... "imagination"-nao, na hoe izay rehetra mikasika ny A.trao, araka ny "imagination"-nao irery ao..
44. RBNIR ( 03/02/2015 20:46)
45. RBNIR ( 04/02/2015 05:59)
rhaj0:

Sens 1 Qui existe.
Sens 2 Matériel, authentique[/i]
D'efa hoe mi-existe ao @ imagination-nao Izany fa tena tsisy ifandirana = authentique,
Fa raha @ 'sens 2', dia tena 'Matériel' mihintsy izany ny existence-ny an ?...
Sa io indray ilay hoe, na 'réel' io na tsy 'réel', na 'Matériel" io na tsia... izay definition iraisan'ny samy olb dia tsisy dikany daholo manoloana ny... "imagination"-nao, na hoe izay rehetra mikasika ny A.trao, araka ny "imagination"-nao irery ao..

Faly misera namana rhajo, réel ny zavatra hitan'i paoly apostoly namana, ka nahatonga azy nivadika ho kristianina, lohan'ny tamin'ny fanenjehana an'i JEsosy sy ny mpanaradia Azy izy , avy eo kosa indray lohany tamin'ny finoana....
Fitiavany daholo izany Jao.3:16
Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Aza manamafy fo fa minoa namana.....

Samia ho tahin'ny Tompo
46. endriny ( 04/02/2015 06:24)

Raha be fitiavana tokoa io Atra io, inona no mbola anarahany anay tamin'ny ota nataon'i Adama sy Eva.

Fa raha io hoe nomeny novoina sy nalatsaka ny ran'ny zanany mba anavotana anay, dia Atra tia ra izany ity Atra ity, ka tsy mahay afa tsy ny mamono. Sa ahoana?
47. RBNIR ( 04/02/2015 06:53)
endriny:

Raha be fitiavana tokoa io Atra io, inona no mbola anarahany anay tamin'ny ota nataon'i Adama sy Eva.
Fa raha io hoe nomeny novoina sy nalatsaka ny ran'ny zanany mba anavotana anay, dia Atra tia ra izany ity Atra ity, ka tsy mahay afa tsy ny mamono. Sa ahoana?

Raha manaraka an-tsika tamin'ny ota nataon'i Adama marina izy dia tsy ho nisy fanavotana intsony.
Fa fitiavana no anton'ilay Jao.3:16 ary izay mino dia ho afaka ny hanantena fiainana mandrakizay indray na dia efa tokony tsy hahazo izany intsony aza....

Ilay rà dia tsy hoe tsy mahay afatsy ny mamono fa io dia fanantanterahana ny teniny...
« Ary saiky diovina amin'ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka. » (Heb.9:22)

Ary tamin'i Adama sy Eva dia efa nisy ny rà nalatsaka (zava-miafina koa izay) : mba ahazoana ilay akanjo nomena azireo dia tsy maintsy nalatsaka aloha ny ràn'ilay biby...

Raha tsy misy rà latsaka, tsy misy famelan-keloka........

Isa.55:8
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, Ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah.
Isa.55:9
Fa tahaka ny hahavon’ ny lanitra noho ny tany No hahavon’ ny làlako noho ny làlanareo Sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

Fiheviny izay tsy tokony asiana adihevitra akory......

48. endriny ( 04/02/2015 07:03)
Dia inona indray izany no anaovana tantara lava ilay hoe FAHOTANA TAMIN'NY FOTOTRA...

Fa nahoana moa no tsy tokony adihevitra ny fihevitry ny olona milaza fa mino azy... Izaho tsy hiteny hoe ny fiheviny satria mbola tsy nisy na iray aza naheno izay hoe fihevitr'Atra
49. RBNIR ( 04/02/2015 07:11)
endriny:

Dia inona indray izany no anaovana tantara lava ilay hoe FAHOTANA TAMIN'NY FOTOTRA...
Fa nahoana moa no tsy tokony adihevitra ny fihevitry ny olona milaza fa mino azy... Izaho tsy hiteny hoe ny fiheviny satria mbola tsy nisy na iray aza naheno izay hoe fihevitr'Atra

Ianao no tsy naheno fa efa be dia be ireo mpaminany taloha no naheno, Ankehitriny misy maheno, misy no efa nirahiny ampianatra...mbola misy koa any hafa fa mety miandry baiko izy.....
50. endriny ( 04/02/2015 07:26)

Dia ahoana ilay Fahotana tamin'ny fototra?
Dia tokony mbola hisy mpaminany izany izao... Sa tsy miteny intsony Atra?
51. RBNIR ( 04/02/2015 08:22)

1- Ota no nolovaina avy amin'i Adama sy Eva ary ny fanesorana an'io ota io (ho an'izay mino) no atao hoe "FAMONJENA" vakio tsara hatrany ambony ny fanazavana.
2-Tena mbola misy ny olona fidin'i Jesosy mivantana sy fidiny ho mpaminany (hitenenany mivantana ihany koa)....Tsy izay rehetra miteny anefa dia tokony hinona (ny voany no hamantarana ny hazo hoy IZY.....

Jereo ato fa ato misy iray hitako ary efa voamariko avy amin'ny baiboly ny fanambarany.....

Samia ho tahin'ny Tompo namana...
52. Strong3 ( 04/02/2015 08:22)

RBNIR:

Fanampiny namana strong3, tsy anjaran-tsika no maminavina izay mety ho anjaran'ny olona tsi11 avy, fa marina foana iny teny nolazain'Andriamanitra iny hoe ninia tsy nijery....
Tsy manameloka olona zavatra tsy fantany Andriamanitra, Izay no maha MPITSARA MARINA AZY,
Fa ankehitriny kosa n'iza n'iza mandre izao fitoriana izao dia mandidy ny olona Izy hibebaka ka hanaraka ny tena Marina....

Samia ho tahin'ny Tompo namana...

Aza adino namana fa TSARAINA AMIN'NY TSY FAHAFANTARANY NY OLONA. mila mahafehy ny artikla momba izay koa isé(nareo)
53. RBNIR ( 04/02/2015 09:08)
Olona voavoanjy = 1- nafahana tamin'ny ota (nesorina ny ota)
2- Mandray ny Fanahy Masina izay misolo ny toeran'ilay OTA ary mitaona ny olona hanao ny sitrapon'Andriamanitra
54. endriny ( 05/02/2015 06:59)

RBNIR:

1- Ota no nolovaina avy amin'i Adama sy Eva ary ny fanesorana an'io ota io (ho an'izay mino) no atao hoe "FAMONJENA" vakio tsara hatrany ambony ny fanazavana.

Izay no maha Atra tsy misy antra sy indrafo an'ity Atsika ity ry RBNIR. Ota sy heloka ihany koa dia ifandovana. Raha mpangalatra akoho ve I Dadanay dia ny ny zanak'anambaviko ihany koa izany tokony higadra fa zafikelin'ny mpangalatra akoho. Ary tokony andoa onitra sy hifona any amin'ilay tompon'akoho efa tamin'ny 30 taona lasa raha tsy izany tsy voatsodrano?

Raha ianareo aza hoy izy mahalala manome zavatra soa ny zanakareo maika fa ny Rainareo izay any an-danitra.. Sa diso koa io?

Fa Atra dia fitiava ary mandrakizay ny famindra-pony... Mety tsy marina koa ve ity sanatria... foufou mazy mazy...

RBNIR:

2-Tena mbola misy ny olona fidin'i Jesosy mivantana sy fidiny ho mpaminany (hitenenany mivantana ihany koa)....Tsy izay rehetra miteny anefa dia tokony hinona (ny voany no hamantarana ny hazo hoy IZY.....

Tsy mandaitra intsony ilay hoe ny voa no amantarana ny hazo fa efa misy hazo OGM izao... hihihihih

Isika ry ireto aza mahatsikaiky aza... Angaha tsy efa tanteraka tamin'ny famonoana ilay hoe Jesosy ny famonjena sy ny fanavotana... koa ahoana indray no mbola hisy mpaminany sy olona fidiany haminany?... sa inona indray no vinanian-dry zareo ao? Apokalipsy ve, ilay imazinasio hoy ny namana iray izay...?
55. Strong3 ( 05/02/2015 07:12)

:-) hihih ka izao indray vao nanangana olo-marina Atra hono; dia ao amin-dry zaraeo io fahahamarinana io, ary mianga ao ny hamonjena izao tontolo izao. satria tsy misy manerana izao tontolo izao io fiangonana sy io fampianarana vao nampidinin'Atra tamin'io pasteur io.
donku, mila miezaka be zareo hitory hatrany azia sy europe , amerik ary afrik ... firy taona anefa no nitsanganany izay mbola tsy nihoatra an'i saint marie ilay izy,
_ aza na izay ilay hoe: aty kristy aty kristy

henjana izy ity! mila mailo ihany hoa de mitombo amin'ny fandalinana fa betsaka ny panambaka.
56. rhaj0 ( 05/02/2015 17:43)
Strong3:
...betsaka ny panambaka

Toa samy manao azy ihany nareo rehetra kouh...

Rahefa voafetsifetsiny ianao dia mpanambaka izy.
Rahefa mametsifetsy ianao dia ... satria ianao no "tena izy"

F'angaha tsy samy zanany nareo e... mifanaraha fa manala-baraka Azy...
57. RBNIR ( 05/02/2015 18:44)
« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lio.10:16)

Efa naverimberiko hatrany fa tsy misy tombotsoa ho ahy na 1 fmg aza ity fitoriana ity ary tsy mitady voninahitra koa aho fa ny fampianarana tsy ahy fa Azy.....

Ny mampalahelo aho fotsiny tsy izaho ange no lavinareo fa Izy e! mazava be io soratra io...

Samia ho tahin'ny Tompo namana.....
58. rhaj0 ( 05/02/2015 21:15)
ilay tombo-tsoa ry RBNIR tsy voatery ho 1 fmg na voninahitra a... Rahefa "manaraka" ny fitorianao ilay olona dia faly ianao. Io "hafalianao" io angaha tsy tombo-tsoa ? Ianao azany io koa toa mihevitra ny ivarotra "hafaliana"..

Dia ianao RBNIR koa izany tafiditra @ io notondroina tao @ Lioka io... okay.
59. RBNIR ( 06/02/2015 02:39)

Raha izay aloha dia tena Marina namana.....Fifaliana tsy ahy irery fa iraisako amin'ny "marobe"...
« Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka. » (Lio.15:10)
Ny mahafaly indrinra dia ny fahafantarana fa mitombo indray "ny olona ho voavonjy".

Samia ho tahin'ny Tompo namana
60. endriny ( 06/02/2015 13:22)

HO ahy dia izao: Fomba fijery sy fomba fiainan'ny olona an-davanandro ihany io. Tsy ny zavatra efa anananao no mitondra hafaliana ho anao kokoa noho ny zavatra vaovao misy eo aminao. Raha manana 1 tapitrisa ariary ianao ao am-bata tsy anaovanao fety io a, fa raha mba nahazo 4 alina ianao androany dia miaraka midom-bera 4 arivo amin'ny namana etsy amin'ny tsenakely. Fa tsy hoe ilay 1 tapitrisa tany anaty vata no antony nifaliana fa ilay 4 alina.

Raha misy vahiny tonga ao aminao, dia rosoana zava-pisotro. Irahina mitokana mihintsy ny ankizy sy ny mpanampy raha misy andeha hividy haingana ramanonaka sy kafe... fa raha tonga avy miasa ny vadiko. na avy mianatra ny zanako...izaho mbola tsy naniraka ankizy na mpanampy andeha hividy zavatra hohanina ho azy.. Saingy ianao no tsy haiko a

KOa raha ianao aza mahatsapa izany maika ve fa Atra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4976