Hazo noely sy baiboly ?

1. leva2 ( 18/12/2013 17:47)
Velona Jesosy !

Hazo noely : fahita eny an-tsena, any an-tokatrano sasany, eny an-dalambe fa fahita any amin'ny fiangonana sasany ihany koa. Fa nahoana ? Fa angaha voalazan'ny baiboly ? Sa sao dia teo ambody sapin ary Jesosy no teraka ?
Hazo noely : fety fanaon'ny ankizy mpianatra sekoly alahady rehefa harivan'ny 25 decembre.

Mba itondray fanazavana misimisy e, ho anareo izay mpandala io fomba io. Sa sanatria kristiana mpanara-drenirano fotsiny ?
novalian'i toriteny ny 22/03/2014 16:47
2. Maranatha ( 19/12/2013 06:19)
NA ilay hazo na ilay andro izay natao hankalazana dia samy tsy nahazoana alalana avy ao anaty baiboly avokoa. FAhefan'ny bibidia ireo . Tsy nanome alalana ireo ny lanitra
Fahefana=Anarana: Asan'ny apostoly 4:7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?
3. saho ( 19/12/2013 09:30)
salut,
ahoana koa ity hoe fahefan ny bibidia. Ny culture europeana no nanaparitaka ny finoana kristiana taty aoriana rehefa vita tao Rom ,ny tempoly vato fehizoro notanterahin ny mpianatry jesosy dia Apostoly Petera, izay mbola manana lanja amin ny fiainana kristiana katolika ao Vatican. Marihina fa Kristiana Katolika no finoana voalohany tena kristiana
Fanazavana hazo noely entre taona 1550 sy 1580 dia efa nanomboka nivoaka ny hira arbre de noel taty allemagne no nipoirany voalohany, Melkior Franck no nanoratra voalohany momba ny hazo noely taty Europe, allemand izy io. Dia nifandimby teo foana taona 1777-1827 nanoratra indray momba hazo noely allemand hafa antsoina hoe Joachim August Zarnack
Nanomboka taty aoriana dia notazonina ho fomba fankalazana krismasy le hazo noely , mpampianatra teto allemagne taona 1780-1861 antsoina hoe Ernst Anschütz izay nanavoatra ilay hira hazo noely ary notazomina foana taty aoriana ho symbol fankalazana krismasy le hira sy hazo noely
Ho an ireo izay liana sy te hahafantatra ny fiandohan ny hazo noely, mampalahelo tokoa raha tsy mahafantatra izany tantara izany, ka aoka tsy hifanome tsiny sy hifanala baraka eto, fa ny tsy fahalalana dia mampivoana sy mampanaonao foana
Mirary krismasy sambatra ho an ny mpiray tanindrazana eto serasera!
Maranatha:

NA ilay hazo na ilay andro izay natao hankalazana dia samy tsy nahazoana alalana avy ao anaty baiboly avokoa. FAhefan'ny bibidia ireo . Tsy nanome alalana ireo ny lanitra
Fahefana=Anarana: Asan'ny apostoly 4:7 Ary rehefa nataony teo ampovoany izy roa lahy, dia nanontaniany hoe: Fahefana manao ahoana, na anarana manao ahoana, no nanaovanareo izany?
4. RBNIR ( 19/12/2013 09:38)
Faly miarahaba ny namana rehetra,

« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Matio 15:9)

Ny 25 Desambra, ny hazo noely sns..... avy amin'olombelona daholo fa tsy nisy avy tamin'Andriamanitra

« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny ........ny fahamarinana. » (Jaona 4:24)

Tsy maintsy amin'ny fahamarinana no hivavahana amin'Andriamanitra.

Inona ny fahamarinana?
« .................ny teninao no fahamarinana. » (Jaona 17:17)

Ny tenin'Andriamanitra (fa tsy ny tenin'olombelona) no fahamarinana.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo



5. RBNIR ( 19/12/2013 09:45)
Tohizako,
Fa maninona no tsy maintsy amin'ny fahamarinana?
« Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ......» (Jaona 17:17)
Tsy maintsy amin'ny fahamarinana satria te homasina.

Fa maninona no te ho masina?
« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, .......» (Apokalypsy 21:27)
Satria te hiditra mafy ao amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao. Izay masina ihany no hotafiditra ao.

Araho ny fandaharana kolo tv isa-maraina amin'ny 5ora sy fahefany ka hatramin'ny 6ora latsaka fahefany fa ho hitanao ao ny marina rehetra.
Fampianaran'i Jesosy mivantana no ampianarina ao ka na iza na iza tena mangetaheta ny marina dia hahita tokoa izy,

Hafatra ho an'ny rehetra, ialao ny fampianaran'olombelona rehetra fa ho reraka fotsiny isika mivavaka satria toy ny tsy misy eo anatrehan'Andriamanitra izany. Katsaho kosa ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra marina satria io irery ihany no antoka hahazoana ny fiainana mandrak'izay.

Izay manana maso aoka hahita, izay manana saina aoka hisaina.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo


6. saho ( 19/12/2013 10:35)
Misy fifanekempinoana iraisana eo Amin ny samy Kristiana, vavaka roa tena iraisana. Ireo izay tsy manaiky ny vavaka dia aoka tsy hanambany ny fivavahana tena kristiana. Olombelona nofo sy ra daholo isika rehetra, tsy misy madio sy tsy misy heloka toa an i Jesosy Kristy eto antany ny tsirairay. Izy no hifidy sy nifidy ny olony izay tena mpanompo milaza sy manaparitaka ny filazantsara...ary olombelona nofo sy ra ireo voafidiny sy mbola ho fidiany, koa ny Symbole hazo noely izay nipoitra taty europe izay fomba iraisana erantany ny fomba kristiana taty aoriana, amiko mahafinaritra be, mampifaly ny ankizy ny hazo noely, mampifaly fianakaviana hahatsiarovana fotoana lehibe iraisan ny kristiana erantany na atsimo na avaratra na andrefana na atsinanana, ireo kristiana tsy ankanavaka ka tsy hitako ny maharatsy izany, fa ny tsy fitiavana sy fanenjehina izany rehefa mibahana ao antsain ny sasany dia azo lazaina hoe fanatika le olona....fanatsarana le izy fa tsy raisina hoe manimbazimba ny ao anaty baiboly sns....vavaka iraisana no tena ilaina raha tena kristiana ianao fa tsy ny fanenjehina sy tsy fankatoavana ny fomba iraisana erantany izay miseho ho fifaliana fa tsy fankahalana
RBNIR:

Tohizako,
Fa maninona no tsy maintsy amin'ny fahamarinana?
« Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ......» (Jaona 17:17)
Tsy maintsy amin'ny fahamarinana satria te homasina.

Fa maninona no te ho masina?
« Ary tsy mba hiditra ao mihitsy izay tsy masina, .......» (Apokalypsy 21:27)
Satria te hiditra mafy ao amin'ilay tany vaovao sy lanitra vaovao. Izay masina ihany no hotafiditra ao.

Araho ny fandaharana kolo tv isa-maraina amin'ny 5ora sy fahefany ka hatramin'ny 6ora latsaka fahefany fa ho hitanao ao ny marina rehetra.
Fampianaran'i Jesosy mivantana no ampianarina ao ka na iza na iza tena mangetaheta ny marina dia hahita tokoa izy,

Hafatra ho an'ny rehetra, ialao ny fampianaran'olombelona rehetra fa ho reraka fotsiny isika mivavaka satria toy ny tsy misy eo anatrehan'Andriamanitra izany. Katsaho kosa ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra marina satria io irery ihany no antoka hahazoana ny fiainana mandrak'izay.

Izay manana maso aoka hahita, izay manana saina aoka hisaina.

Samia ho tahin'ny Tompo daholo



7. bor2lais ( 20/12/2013 09:40)
Mamaky takotra daholo indray fa akaiky ny Krismasy a ! :-)
Aza dia ny fanondro no jerena fa ny zavatra tondroiny ry namana leva2 sy ny tariny a ! :-)
leva2:

Fa nahoana ? Fa angaha voalazan'ny baiboly ? Sa sao dia teo ambody sapin ary Jesosy no teraka ?
8. vahiny2004 ( 20/12/2013 10:36)

bor2lais:

Mamaky takotra daholo indray fa akaiky ny Krismasy a ! :-)
Aza dia ny fanondro no jerena fa ny zavatra tondroiny ry namana leva2 sy ny tariny a ! :-)



Izaho dia gaga !
9. moi ( 20/12/2013 11:15)
tsy zoviana amiko ny tantaran'ny noely, manomboka am daty 25 decembre, ny hazonoely, ny dadabe noely, ny cadeau de noel koa.
Tsy hanazava betsaka ny antony nahatonga an'ireo za, fa ny fomba fiainako ny noely no safoiko kely eto. Tsara tokoa ny mahafantatra hoe nahoana kay no nisy hazonoely, nahoana no 25...
Ny zavatra ekeko dia fanokanana (convention ihany) ny 25dec. Mba asiana andro iray mba hankalazana ny nahaterahan'ny Tompo e (indrisy fa lasa fety commercial izy ity). Ny fahafatesany aza ange no hoe tokony ho tsarovana e!
Tandremako any am-piangonana sao io sapin io indray no hankalazaina fa tsy Jeso (soa fa any ampiangonanay dia eny am sisiny ny sapin fa tsy natao afovoany ; ny fiodikodinan'ny ankizy eo mantsy dia efa endrika somary fihobiana hazonoely zany). Fadiana ny fiteny hoe fankalazana ny hazonoely... Mampiditra sapin ao antranoko kosa aho, sy ny guirlande satria mba fantatro ihany ny décoration sahaza izany vanimpotoana izany !
NY AZA ADINO : anniversaire an' i Jeso io, nefa dia isika indray no mitady cadeau amin'ny andron'ny noely !!!! ary mino aho fa vitsy ny manomana cadeau ho Azy; Ny cadeau tiany indrindra dia ny fonao.
Hatramin'io dadabe noely io no tsy mba handaingako izany ny ankizy, fa ny fomba hanazavana aminy dia hoe lasa Dadabe Noely daholo ny dada rehetra ny alin'ny 24 iny, ary raha tsy eo dada dia Maman Noel. Lazaiko anao fa nataoko tam janako izany, liana ery izy hoe "dia nanao akanjo pere noel zany dada?" fa notsoriko hoe efa natory ianareo dia atao inona intsony moa mbola hiakanjo dadabe noely ?
izay mamy atelomy, izay mangidy aloavy.
10. bor2lais ( 20/12/2013 14:08)
toi:

Ny fahafatesany aza ange no hoe tokony ho tsarovana e!

Tsy nisy ny fahafatesana raha tsy nisy ny fahaterahana ! :-)
11. Nehemiah ( 20/12/2013 14:22)
bor2lais:

Mamaky takotra daholo indray fa akaiky ny Krismasy a ! :-)

:-)
12. RBNIR ( 21/12/2013 18:33)
Faly miarahaba namana,

Raha hitanao ny namanao fa mirimorimo mankany ankady, teneno izy raha tena tia azy ianao,

Mazava ny tenin'Andriamanitra "Foana ny fivavahan'ireo amiko"
Foana = toy ny tsy misy,

Manana ny Sitrapony Andriamanitra ary iny sitraky ny fony iny no tokony ho tanterahina fa tsy sitrapon'ny olona maro akory (tadidio ny tantaran'i sodoma sy gomora sy ny tantaran'i noa valo mianaka) Tsy natakalon'Andriamanitra ireo olom-bitsy tena nanompo azy ny be sy maro.

« Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. » (Mat.7:13)

Amin'Andriamanitra dia tsy ny amaroan'ny olona no jereny fa izay manome voninahitra ny teniny no ankasitrahany (na dia vitsy dia vitsy aza izany).

Izay manana maso aoka hahita, izay manantsaina aoka hisaina.

Samia ho tahin'ny Tompo namana
13. leva2 ( 22/12/2013 21:47)
Les Celtes considéraient le 24 décembre, comme le jour de la renaissance du Soleil. Ils avaient coutume d'associer un arbre à chaque mois lunaire, ils avaient dédié l'épicéa, qui était l'arbre de l'enfantement, à ce jour-là.
Au XIe siècle, les fidèles avaient coutume de présenter des scènes appelées Mystères, dont celle du Paradis. L'arbre du Paradis était souvent symbolisé par un sapin garni de pommes rouges.
C'est en 1521 que le sapin ou arbre de Noël ou encore arbre du Christ a été mentionné pour la première fois en Alsace. Il existe également des documents attestant d'une fête le 24 décembre
Au XIIe siècle la tradition du sapin apparait en Europe, en Alsace.
On parle alors de décorer les maisons avec des branches coupées 3 jours avant Noël.
Il était répandu en Alsace et dans la région de Bâle. Il représentait à l'origine l'Arbre d'Eden dans les mystères joués la veille de Noël sur les bords du Rhin. Pour le décorer, on attachait des pommes à ses branches.
Il existe également des documents attestant d'une fête le 24 décembre 1510 à Riga en Lettonieoù des marchands dansaient outour d'un arbre décoré de roses artificielles avant de le brûler.
En 1546, on parle sérieusement d'arbres de Noël quand la ville de Sélestat en Alsace autorise à couper des arbres verts pour Noël, au cours de la nuit de la Saint Thomas, le 21 décembre. Symbole de la vierge, les roses faisaient partie de la panoplie de décoration pour parer les sapins en Alsace au XVIe siècle, ainsi que des pommes, des confiseries et des petits gâteaux qui ressemblaient à des hosties.
Les pommes avaient également une valeur symbolique, car sur l'ancien calendrier des saints, le 24 décembre était réservé à Eve et Adam, canonisés par les Eglises orientales.
A l'époque l'église considérait l'arbre de Noël comme une pratique païenne et franc-maçonne.
Et ce fût le cas jusqu'au milieu du XXe siècle.

En fait, avant que la fête de Noel n'existe, il existait déjà un rite paien lors des fêtes du solstice d'hiver : on décorait un arbre, symbole de vie, avec des fruits, des fleurs, du blé.
(mbola hotohizana)
14. leva2 ( 22/12/2013 21:50)

Nehemiah:

bor2lais:

Mamaky takotra daholo indray fa akaiky ny Krismasy a ! :-)

:-)


tsy takotra vakiana angamba fa marina potserina sy haseho e
15. bor2lais ( 23/12/2013 11:13)
Ny marina aseho angamba dia hoe : te-hankalaza Krismasy tahaka anay ihany ianareo saingy voafatotra ... Ity iray ity ny santionany :
maranatha:

apetraka foana amin'ny toeran'ny Mpamonjy ny fanam-pahan-kevitra rehetra raisina.
Tsy mankalaza aniversaire izany izahay. Mandeha tahaka ny nandehanany. Raha nankalaza Izy iza no hanaiky ho gisitra eto???


Raha te-hamaky misimisy dia eto :
Tsindrio eto

Lohateny fanaonao isan-kerintaona ity ry namana leva2 tsy atao mahagaga intsony a ! Izay ilay mamaky takotra lazaiko ! :-)

Dia mirary Krismasy sambatra 2013 ho anao sy ny namana rehetra aloha izany ! :-)
16. leva2 ( 23/12/2013 21:44)

bor2lais:

Ny marina aseho angamba dia hoe : te-hankalaza Krismasy tahaka anay ihany ianareo saingy voafatotra ... Ity iray ity ny santionany :
maranatha:

apetraka foana amin'ny toeran'ny Mpamonjy ny fanam-pahan-kevitra rehetra raisina.
Tsy mankalaza aniversaire izany izahay. Mandeha tahaka ny nandehanany. Raha nankalaza Izy iza no hanaiky ho gisitra eto???


Raha te-hamaky misimisy dia eto :
Tsindrio eto

Lohateny fanaonao isan-kerintaona ity ry namana leva2 tsy atao mahagaga intsony a ! Izay ilay mamaky takotra lazaiko ! :-)

Dia mirary Krismasy sambatra 2013 ho anao sy ny namana rehetra aloha izany ! :-)


Misaotra amin'ny firarian-tsoa e!

ny tena olana anie namana tsy ny hoe fankalazana na tsy fankalazana, fa ny tena zava-doza dia ireo fomban-tsampim-bazaha bediabe tafiditra ao am-piangonana ao izay tena fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra.
ny tena olana amin'ny mpino dia ny manakatra izay sitrapon'Andriamanitra izay, fa tsy hoe izay sitraponao, izay itiavanao azy. MAZAVA IO FANADIHADIANA EO AMBONY IO FA SAMPY IZAO OHATRA NY HAZONOELY, TSISY IFANDRAISANY AMIN'NY TOMPO MIHITSY NA DIA KELY AZA. sitrak'Andriamanitra ve ny hisian'izany ao ampiangonana ? sokafy ny masom-panahy hahita sy hahalala ka hanaiky sy hankato !
17. Nehemiah ( 26/12/2013 13:43)
Fiadanana anie ho an'ny olona tsara sitra-po
18. bor2lais ( 26/12/2013 16:52)
leva2:

sitrak'Andriamanitra ve ny hisian'izany ao ampiangonana ?

Misaotra Azy fa tanteraka soa aman-tsara ny fankalazana ny Krismasy 2013 izay nentina nahatsiarovana ny fahatongavan'Ilay Teny tonga nofo izay tonga niara-nonina tamintsika !

Ho Azy irery ihany ny voninahitra ! :-)
19. hery ( 27/12/2013 20:23)
Sitrany matoa tanteraka e :-)

Mirary soa ho an'ny rehetra hatrany.

Ny mahafaly ahy rehefa Noely (na krismasy) dia ny fahatsapana hoe Jesoa Andriamanitra nanaiky ho tonga olombelona amin'ny fomban'ny zazakely. Azony natao ny nidina avy any an-danitra tonga dia efa olon-dehibe, amin'ny voninahitra mamirapiratra, saingy naleony tonga zaza teraka.

Andriamanitra eto amintsika e.
20. toriteny ( 28/12/2013 14:46)
Efa nisy adi-hevitra lava be ny mikasika ny 25 décembre fa hapetrako eto ihany ny rohy raha hitako ho an'izay izao vao miserasera. Fa raha ny tokony ho izy tsy tokony hifangaro ny fety kristianina sy ny fetin'izao tontolo izao.

Tsy kristianina ny sapin, ny guirlande, ny bûche, ny père noel, ny hira mon beau sapin, ny crèche atao sary vongana

Raha hanao noely tena kristianina ianao: ampirimo ny sapin sy ny guirlande ary ny sarin'ny père noel, soloy gateau tsotra ny buche, soloy fiderana ny mon beau sapin sy ny petit papa noel, daza ampafantarina ny ankizy hoe père noel no manome ny kilalao fa Jésus hoe. Manaova fety ihany anefa satria Mpamonjy no teraka ho antsika.

Mbola sarotra be ilay lalana hahatongavana any, na ny fiangonana aza mbola betsaka ny manao sapin (ny protestante io resahiko io satria izaho protestante dia izay ihany no fantatro) na dia efa noresahina tany Majunga tsy tadidiko tamin'ny herintaona sa tamin'ny 2taona ny hoe hanafoanana ny sapin any amin'ny fiangonana protestant. Mbola takona ihany hatramin'izao ilay Jesosy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2895