Ny krismasy sy ny baiboly?

1. leva2 ( 03/12/2012 20:00)
Velona Jesosy!

Fanontaniana maromaro angatahako valiny aminao namana isany :

1- krismasy sa noely? fa tsy tena mitovy ireo.

2- 25 dec tokoa ve no teraka ny Tompo? raha tsia, taiza ity date 25 déc ity?

3- Araka ny baiboly, hita ao ve ny teny hoe krismasy na noely?
Araka ny baiboly, nankalaza ny anniversaire-ny ve Jesosy sy ny mpianany?
Araka ny baiboly, ny hazo noely? ny dadabenoely? ny kilalao? sns ...

4- Manana antony hafa ve ianao hanohananao ny tokony hankalazana na tsia ny nahaterahan'ny Tompo?

Ho tahian'ny Tompo daholo ianareo namana isany!
novalian'i Miharena ny 22/12/2012 06:47
2. Tefigasy ( 04/12/2012 05:37)
leva2:

Velona Jesosy!
Fanontaniana maromaro angatahako valiny aminao namana isany :

Te haka fanahy ve ianao sa tena tsy mahalala ?
leva2:

1- krismasy sa noely? fa tsy tena mitovy ireo.

Inona no ary no tsy mampitovy ireo hoy ianao? Ny dikany na ny heviny amin'ny teny malagasy dia hoe "fankalazana ny mpamonjy noho ny fahaterahany sy ny fahatongavany ho tonga nofo teto an-tany"
Nateraka ny zanak’Andriamanitra ary tonga olona, tonga nofo dia Jesoa Kristy voalaza fa mpamonjy izao tontolo izao. Zany fahatongavana ho nofo izany no mitarika ny fankalazana ny krismasy teo amin’ny tantaran’ny fiangonana. Ny teny hoe Krismasy dia avy amin’ny teny anglisy fa ny noely kosa dia avy amin’ny teny frantsay. Ny hevitra ambarany dia mitovy ihany. Samy avy amin’ny teny latina izy roa ireo hoe natalis izay adika hoe ny nahaterahana
leva2:

2- 25 dec tokoa ve no teraka ny Tompo? raha tsia, taiza ity date 25 déc ity?

Mety ho 25 Dec no teraka ny Tompo, mety tsy ho 25 Dec ihany koa, raha nisy tena nahalala izany dia mino aho fa tsy nisy intsony ny fisalasalana sy fametrahana fanontaniana toa izao ataonao eto izao. Saingy izao, noho izay tsy fahafantarana ny daty tena marina izay dia napetraka fotsiny io 25 Dec io. Na ovaina ho 09 Mars io daty io, tsy any no olana satria daty napetraka fotsiny io.
Tany amin’ny tananan’ny jentilisa fahiny dia nanana Andriamanitra be dia be izy ireo, farafahakeliny 400 satria misy Andriamanitra avokoa ny zavatra tsirairay avy. Iray tamin’ireny Andriamanitra marobe nankalazaina ireny ilay atao hoe «Mithra». Ny fotoana izay fivavahana sy fankalazana izany Mithra izany dia herin’andro maninjitra, misy firavoravoana sy fety fankalaza ary ny 25 Desambra no ivon’ny fankalazana izany firavoravoana ity Andriamanitra ity izany. Tamin’izay moa ny anarany dia hoe dies natalis solis invicti, teny latina adika malalaka hoe ny nahaterahan’ny masoandro tsy hay resena
Isika dia miaina sy mipetraka ao anatin’ny fiaraha-monina. Ny Tompo rahateo dia milaza mazava fa izy tsy hanala antsika eo amin’izao tontolo izao fa ny hiaro antsika kosa ny amin’ilay ratsy, dia ny fihevitr’izao tontolo izao izany.
Rehefa nandinika ny soratra masina ny fiangonana dia nahita avy amin’ireto soratra vitsivitsy ireto fa Jesoa mihitsy hay ity tsiriritin’ny jentilisa ho masoandro tsy hay resena io, i Jesoa izany fahazavana lehibe izany.
Jao.8:12 : ary Jesoa niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe izaho no fahazavan’izao tontolo izao, izay manaraka ahy tsy mba handeha amin’ny maizina fa hanana fahazavan’aina.
Jao.9:5:raha amin’izao tontolo izao Aho dia fahazavan’izao tontolo izao.
Mampiseho ireo fa i Jesoa no fahazavan’izao tontolo izao. Izy no masoandro manazava ny fiainana feno haizina ety amin’izao tontolo izao.
Isa.9:1 : ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe, izay mitoetra ao amin’ny tany fahafatesana no mahita ny mazava. Misy mazava izay avy amin’Andriamanitra ary ny olona ao amin’ny maizina dia mahita izany.
Isa.9:5 : fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no nomena antsika ary ny fanapahana dia eo amin’ny sorony, ary ny anarany atao hoe mahagaga, mpanolo-tsaina, Andriamanitra mahery rain’ny mandrakizay, andrian’ny fiadanana.

Ilay mazava lehibe niposaka teo dia tsy iza fa ilay zaza izay nateraka. Ilay fahazavana niposaka dia milaza indrindra ilay zaza izay nomena. Io ilay mazava lehibe. Nasehon’ny fiangonana amin’izay fa ilay lazain’ny jentilisa hoe masoandro tsy hay resena dia tsy fantany akory hoe iza izany. Nasehon’ny fiangonana fa milaza ilay zanak’Andriamanitra izay nateraka, milaza ilay Jesoa io mazava lehibe io. Jesoa no efa niteny rahateo fa izy no fahazavan’izao tontolo izao,Izy no ilay masoandro tsy hay resena. Norasin’ny fiangonana tamin’izany ny andron’ny 25 Desambra izay efa andro fetin’ny jentilisa rahateo, novaina, nodiovina, nesorina ny foto-kevitra jentilisa fa naseho sy navadika ho fitoriana ny filazan-tsara ny andro 25 Desambra dia ho fahatsiarovana ny nahatonga ny zanak’Andriamanitra ho olona
leva2:

3- Araka ny baiboly, hita ao ve ny teny hoe krismasy na noely?

Tsy hita ao anaty baiboly ny teny hoe krismasy. Toy ny hoe gateau, tsy hita ao anaty baiboly koa izany, saingy toa mihinana gateau daholo ihany ny olona na tsy voasoratra ao aza izany sady tsara sy mahasalama. Fantatra fa tsy niteny izany ny soratra masina, fa ny fiangonana eo amin’ny mission nanirahan’Andriamanitra azy dia nandray ny krismasy ho andro ahatsiarovana ny nahaterahan’ny zanak’Andriamanitra, indrindra ny foto-kevitra hoe tonga nofo ny teny, ny zanak’Andriamanitra.
leva2:

Araka ny baiboly, nankalaza ny anniversaire-ny ve Jesosy sy ny mpianany?

Satria tsy hita ao anaty baiboly ny hoe krismasy, andro nahaterahan'i Jesoa kia lozika be raha tsy nanao anniversaire ry Jesoa sy ny mpianany. Sady raha nanao izany izy ireo dia tsy nisy nampisalasala intsony ny andro sy ny daty nahaterahan'i Jesoa. Saingy izao, tamin'ny andro nahaterahan'i Jesoa dia nankalazaina izany.
Lio.2:15-16 : ary tamin’izany rehefa niala teo aminy ireo anjey ireo ka nankany an-danitra dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ireo ka nanao hoe andeha isika hakany betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarina antsika, dia nandeha faingana izy ka nahita an’i maria sy josefa ary ny zazakely nandry teo ampihinanam-bilona.
Ny voalohany nataon’ny olona dia nandeha nizaha ilay fahaterahana. Tsy nionona tamin’ny filazan’ny anjely fa niainga teo amin’ny toerana izay nisy azy ka nandeha hijery, hitady, hizaha izany zava-nisy izany. Toe-po voalohany entina mankalaza ilay fahaterahana: tsy afa-po amin’ny teny fotsiny fa tena mandeha mitady, mihaona mihitsy amin’ilay zanak’Andriamanitra, mihaona mihitsy amin’ilay mpamonjy. Tena fankalazana lehibe izany hihaona amin’ilay mpamonjy vao nateraka hanafaka amin’ny fahotana izany
Lio.2:17 : ary rehefa nahita izy dia nampiely izay teny nampilazaina taminy ny amin’izany zaza izany.
Rehefa nahita Azy ny mpiandry ondry dia nilaza izany zavatra nampahafantarin’ny anjely azy izany. Nanambara ity zaza ity tamin’ny olona.
Ny fankalazana faharoa izany eto dia ny fandehanana mizara, nandeha nitory , nandeha nilaza ny amin’izany zavatra efa nambara taminy izay dia ny nahaterahan’ny mpamonjy ho tonga olona, hiaraka honina amintsika. Tonga izy nateraka ho olona mba hitondra ny fahotan’izao tontolo izao amin’ny tenany.
Lio.2:20 : niverina ka lasa nidera an’Andriamanitra noho ny zavatra reny sy hitany araka izay nolazaina taminy.
Rehefa avy nilaza tamin’ny olona ireo mpiandry ondry ireo dia niverina ka nidera an’Andriamanitra. Fankalazana lehibe izay nasehon’ireo olona ireo tamin’izany fahaterahana izany. Izany no fankalazana ambaran’ny soratra masina, fankalazana kristianina, fankalazana an’Andriamanitra izay nanome ny zanany lahy tokana mba hamonjy antsika amin’ny fahotana.
Mat.2:11: ary rehefa tafiditra tao an-trano izy dia nahita ny zazakely sy maria reniny ka niankohoka teo anatrehany, ary rehefa nosokafany ny fitehirizan-drakiny dia nanolotra zavatra ho azy izy dia volamena sy zava-manitra ary mioa.
Io kosa dia milaza ireo mpanjaka avy any antsinana, izay mahafantatra tsara ny mahapanjaka an’i Jesoa. Tonga izy ireo dia niankohoka teo anatrehany. Mpanjaka ireo nefa dia niankohoka teo anatrehan’ity mpanjakan’ny jiosy vao teraka ity. Manambara izany fa an’ity zaza ity ny fahefana, ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao ary dia nanome voninahitra, niankohoka teo anatrehany izy ireo.
Ny fankalazana tokony atao izany dia ny fiankohofana, manome voninahitra ilay mpanjakan’ny mpanjaka satria na ny mpanjaka aza dia miankohoka eo anatrehan’ity mpanjaka ity.
Nosokafany ny fitehirizan-drakitra dia nanolotra fanomezana ho an’ilay zanak’Andriamanitra izy: volamena, zava-manitra, miora.
leva2:

Araka ny baiboly, ny hazo noely? ny dadabenoely? ny kilalao? sns ...

Tsia. Toy ny zavatra nataon'i Heroda vao teraka ny mpamonjy dia ny namono ireo ankizy madinika no tao an-tsainy. Ary famonoana ny ankizy madinika tsy hahafantatra ny tena marina ny fanandratana ny dadabenoely, hazonoely, .... Anisany mbola fanilihana an'i Jesoa Kristy ireny zavatra ireny ka ireny indray no misandratra fa ilay mpamonjy teraka tsy dia tazan afiry. Tadidio fa nailika tany antranon'omby ny mpamonjy raha vao teraka fa tsy tany anaty hotel na maternite. Amin’ny andro krismasy tahaka izao, nahaterahan’ny Tompo, dia eo no tena hanilihana an’ny zanak’Andriamanitra fa nosoloina zavatra hafa izy. Nosoloina foto-kevitra hafa, nosoloina olona hafa ilay nateraka ho mpamonjy ary nosoloina zavatra hafa ny zavatra manodidina izany.
Ny fotokevitry ny krismasy dia Andriamanitra tonga nofo. Nosoloina foto-kevitra hafa anefa izany ka nanjary fetin’ny ankizy ny krismasy, fetin’ny fanomezana. Lasa andron’ny fivarotana sy fividianana, lasa raharaham-barotra ilay krismasy, hanjakazakan’ny mpivarotra sy ny fanakalozana, tsy hita fa nailika natao sesitany ilay fotokevitra momba ny fahatongavan’Andriamanitra nofo tao amin’ity Jesoa zaza ity.
Nosoloina olon-kafa koa izy, ilay zanaka tonga nofo teo mba hamonjy izao tontolo izao lasa natao sesi-tany dia nanjary olon-kafa indray no lasa ivon’ny fankalazana dia i dadabenoely. Lasa i dadabenoely izany izao no lasa malaza amin’ny krismasy fantatry ny olona, fantatry ny ankizy indrindra indrindra. Dadabenoely no fantany fa i Jesoa teraka ho an’izao tontolo izao, hananany fiainana mandrakizay dia tsy fantatry ny olona, tsy fantatry ny ankizy izany Jesoa tonga nofo izany. Nahilika ary dia lasa any amin’ny toerana faharoa, fahatelo, fahaefatra, fa lasa dadabenoely sy izay momba izany zavatra izany no mitana ny laharana voalohany izao.
Nosoloina zavatra hafa koa ny zavatra tamin’ny krismasy voalohany, tamin’ny krismasy voalohany dia tao amin’ny fihinanam-bilon’i bethleheme. Ny fihinanam-bilona dia entina hilazana ny fanetren-tenan’Andriamanitra, ny fahatsoran’ny asam-pamonjena, ny fahatsoran’ny fanetren-tena tao amin’Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao. Izany fihinanam-bilona izany dia nosoloina hazonoely, nosoloina chocolat, nosoloina girlandy. Nosoloina zavatra mamirapiratra, zavatra mirentirenty ilay fanentren-tena tao amin’ny fihinanam-bilona ary voailika tanteraka mihitsy, natao sesi-tany Jesoa sy izay manodidina azy ka nosoloina izany foto-kevitra hafa izany.
leva2:

4- Manana antony hafa ve ianao hanohananao ny tokony hankalazana na tsia ny nahaterahan'ny Tompo?

Mino aho fa efa voarainao eo ambony ireo ny valin'ity fanontaniana farany ity. Mitsangana ka mandehana ary manaova izay mba nantaon'ny mpiandry ondry sy ny mpanjaka avy any antsinanan tamin'izany fotoana izany !
leva2:

Ho tahian'ny Tompo daholo ianareo namana isany!

Dia ho aminao hatrany anie ny fahasovan'Andriamanitra
3. hery ( 04/12/2012 08:27)

Fanontaniana maromaro angatahako valiny aminao namana isany :


Misaotra an'i leva2 manome fahafahana ahy ihany koa mba hanazava sy hitory ny finoako. Matoa manontany ianao dia mahaliana anao ihany koa ny zavatra inoako.
Ka ny holazaiko eto dia izay avy aminay Katolika :-)


1- krismasy sa noely? fa tsy tena mitovy ireo.


Mitovy ireo aminay. Noel, christmas, natale, natalis, fahaterahana sns...


2- 25 dec tokoa ve no teraka ny Tompo? raha tsia, taiza ity date 25 déc ity?


Aminay dia tsy dia important loatra ny tena daty marina. Ny ankalazaina sy isaorana an'Andriamanitra dia ny fanetren-tenany izy Andriamanitra nidina tety antany ho famonjena ny olona. Ny katolika dia mankalaza ny nahaterahan'ny Tompo amin'ny daty 25 desambra, toa ny fankalazany ny Assomption ny datin'ny 15 aout, sy ny fankalazany ny nahaterahan'i Maria ny 8 septambra, sy ny fankalazana ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo ny 21 aogositra. Tsy ny daty no tena manan-danja fa ilay fankalazàna.
Ilay daty 25 hoe avy aiza? Tsy haiko. Betsaka ny zavatra efa henoko hoe mifandraika amin'ny sollistice d'hiver izany hoe fahaterahan'ny masoandro indray. Ka i Kristy no fahazavana mova tsy masoandro ho antsika... sns. Fa tsy dia ivakianay loha loatra hoe avy aiza.



3- Araka ny baiboly, hita ao ve ny teny hoe krismasy na noely?
Araka ny baiboly, nankalaza ny anniversaire-ny ve Jesosy sy ny mpianany?
Araka ny baiboly, ny hazo noely? ny dadabenoely? ny kilalao? sns ...



Toa ny maha tsy araka ny baiboly ny hoe informatika, ordinatera, vary amin'anana, henakisoa sy ravitoto (ity farany toa ao ihany)


4- Manana antony hafa ve ianao hanohananao ny tokony hankalazana na tsia ny nahaterahan'ny Tompo?



Ho an'izay tsy mankalàza, antony anohanany ny tsy ankalazàny hoe tsy andriamaniny i Jesoa ka tsy hitako izay hankalazàny azy.
Ho anay Katolika dia fomba iray hiainana ny misterin'ny fiainan'i Jesoa ny fankalazàna ny nahaterahany. Tsy ny nahaterahany ihany rahateo no ankalazanay fa ireo dingam-pianana rehetra izay nolalovany. Anisan'izany ohatra ny namoràna an'i Jesoa, ny batisan'i Jesoa, ny nanolorana azy tao an-tempoly, ny namoronany ny Eokaristia masina tamin'ny alakamisy alohan'ny Paska, ny zomà masina namantsihana azy, ny alahady Paska nitsanganany tamin'ny maty, ny niakarany any an-danitra. Ireo rehetra ireo dia ankalazain'ny Katolika amin'ny daty voafaritra... izay tsy voatery misy idirany mihitsy amin'ny daty tena marina, satria araka ny voalazako dia tsy dia important aminay ny hoe daty firy sy ora fahafiry.


Ho tahian'ny Tompo daholo ianareo namana isany!


Isika rehetra, dia mirary noely na krismasy sambatra ho anao.
4. Maranatha ( 04/12/2012 10:27)

leva2:

Velona Jesosy!

Fanontaniana maromaro angatahako valiny aminao namana isany :

1- krismasy sa noely? fa tsy tena mitovy ireo.

2- 25 dec tokoa ve no teraka ny Tompo? raha tsia, taiza ity date 25 déc ity?

3- Araka ny baiboly, hita ao ve ny teny hoe krismasy na noely?
Araka ny baiboly, nankalaza ny anniversaire-ny ve Jesosy sy ny mpianany?
Araka ny baiboly, ny hazo noely? ny dadabenoely? ny kilalao? sns ...

4- Manana antony hafa ve ianao hanohananao ny tokony hankalazana na tsia ny nahaterahan'ny Tompo?

Ho tahian'ny Tompo daholo ianareo namana isany!


Fiadanana namana, somary malahelo aho no mihomehy ihany koa mahita ireo valiny naroson'ireo namana eo ambony. Tena voapetaky ny vy mahamay tokoa ve ny handriny (ny sainy) no tsy mahalala ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao.

Tsisy baiko mihintsy hita ao anaty baiboly maniraka hankalazana io FETIN-DEMONY io . Ny asaina hatao (Didy faha 4) tsy hataony fa ny tsy tokony hatao fa baikon'ny Bibidia no harahina. manaporofo izany fa miankohoka eo anatrahan'ny Bibidia ry zareo.

Tsy maninona fa hazavaiko ihany sady hampisokatra ny sainy ihany koa
1- krismasy sa noely? :

Krismasy = Krist + mess : Lamesan'ny kristy . Dia eo vao mba mahalala mihiditra amin'ny fiangonana izao fatritran'olona rehetra izao mitombo ny rakitra, mizara bombon sy biscuit sns... tsy nandray fanasan'i Tompo nandritra ny heritaona dia eo vao manararaotra mandray ireo vongan'ota mandehandeha.

Noely = No +el : Tsy + A/tra : tsy mankasitraka ny fisian''A/tra

2- 25 dec tokoa ve no teraka ny Tompo? raha tsia, taiza ity date 25 déc ity?
TSIA tsy 25 daty fanaklazana an'i Mithra io dia novaina fa teo no teraka ny Mpamonjy. Hevin-DEMONY no nametraka io .

3- Araka ny baiboly, hita ao ve ny teny hoe krismasy na noely?
Araka ny baiboly, nankalaza ny anniversaire-ny ve Jesosy sy ny mpianany?
Araka ny baiboly, ny hazo noely? ny dadabenoely? ny kilalao? sns ...
Tsy ara-bvaiboly daholo ireo rehetra ireo ry heroda no mpankalaza ny daty nahaterahany . ry zareo jentilisa.

4- Manana antony hafa ve ianao hanohananao ny tokony hankalazana na tsia ny nahaterahan'ny Tompo?

Tsy manohana mihintsy aho hankalaza amin'ny andro iray ny fahaterahan'ny Tompo. hoy ny Lioka 2:11 fa Mpamonjy no teraka ho anareo ANIO ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo,
izany hoe isan'andro dia tokony ho teraka ao amponao ny Tompo fa hianao kosa mihamaty ( ny toetra) Mba hanamarina ilay teny ao @ gal 2:20 Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Avoindrindra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.
Fa tsy hiandry ny 25 Dec vao hiala amin'ny ratsy sy hiiditra ampiangonana.

AMIKO IO FETIN-DEMONY. TADIDIO TSARA TSY NY MANAO IHANY FA NY MANKASITRAKA KOA.

Ohab 28:4 Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin'ny fanoherana azy.
5. Tefigasy ( 04/12/2012 11:19)
Maranatha:

Fiadanana namana, somary malahelo aho no mihomehy ihany koa mahita ireo valiny naroson'ireo namana eo ambony. Tena voapetaky ny vy mahamay tokoa ve ny handriny (ny sainy) no tsy mahalala ny tokony hatao sy ny tsy tokony hatao.

Efa voaisy tombokase an'i Jesoa Kristy ny handriko raha izay no tianao ho fantatra, ary mirehareha amin'izany aho satria izay no hitondra ahy ho any aminy, marika fa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana ny anarako
Maranatha:

Tsisy baiko mihintsy hita ao anaty baiboly maniraka hankalazana io FETIN-DEMONY io .

Mety samy manana ny andriamanitrany tokoa isika. Jesoa Kristy teraka, tonga nofo, ankalazainay no ataonao hoe DEMONY. Anao izay, samy mbola hijoro eo anatrehany isika rehefa tonga ny fotoana dia izay iray hangovitra sy hikotro-nify!
Maranatha:

Tsy maninona fa hazavaiko ihany sady hampisokatra ny sainy ihany koa
1- krismasy sa noely? :

Krismasy = Krist + mess : Lamesan'ny kristy . Dia eo vao mba mahalala mihiditra amin'ny fiangonana izao fatritran'olona rehetra izao mitombo ny rakitra, mizara bombon sy biscuit sns... tsy nandray fanasan'i Tompo nandritra ny heritaona dia eo vao manararaotra mandray ireo vongan'ota mandehandeha.

Noely = No +el : Tsy + A/tra : tsy mankasitraka ny fisian''A/tra

Ary maninona no tsy hamoronana atsanga koa ny hoe "natalis" sy ny hoe "fahaterahana" ?
Maranatha:

2- 25 dec tokoa ve no teraka ny Tompo? raha tsia, taiza ity date 25 déc ity?
TSIA tsy 25 daty fanaklazana an'i Mithra io dia novaina fa teo no teraka ny Mpamonjy. Hevin-DEMONY no nametraka io .

Tsy mahagaga fa mety tsy mahita hazavana miposaka amin'ilay tena Jesosy ianao fa andriamanitra hafa feno haizina ny anareo no tompoina !
Maranatha:

3- Araka ny baiboly, hita ao ve ny teny hoe krismasy na noely?
Araka ny baiboly, nankalaza ny anniversaire-ny ve Jesosy sy ny mpianany?
Araka ny baiboly, ny hazo noely? ny dadabenoely? ny kilalao? sns ...
Tsy ara-bvaiboly daholo ireo rehetra ireo ry heroda no mpankalaza ny daty nahaterahany . ry zareo jentilisa.

4- Manana antony hafa ve ianao hanohananao ny tokony hankalazana na tsia ny nahaterahan'ny Tompo?

Tsy manohana mihintsy aho hankalaza amin'ny andro iray ny fahaterahan'ny Tompo.

Tadidio fa raha tsy tonga nofo teto an-tany Jesoa, tsy afaka hitondra ny fahotanao. Noho izany, fototra iray lehibe antoky ny famonjena ny fahaterahana toa ny paska !
Maranatha:

AMIKO IO FETIN-DEMONY. TADIDIO TSARA TSY NY MANAO IHANY FA NY MANKASITRAKA KOA.

Averiko indray mandeha fa mbola hifanatrika eo anatrehany isika, raha ny fankalzako ny mpamonjy noho ny fahaterahany no ilazana fa DEMONY i Jesosy satria teraka sy nateraka izy dia miomana dia ny izao fa ho mafy ny adinao aorina kely!
Mbola tsy tara e, mbola afaka miova fo ianao, mbola miandry i Jesoa na hiankohoka eo anatrehany ianao na hanopa azy ho demony hatrany!
6. Ilo ( 04/12/2012 11:20)

1- krismasy sa noely? fa tsy tena mitovy ireo.


Na inona na inona iantsoana azy, amiko dia fankalazana ny fahaterahan'ny mpamonjy.
Marina tokoa fa isan'andro isika no tokony misaotra sy mankalaza an'Andriamanitra noho ny nanomezany antsika an'i mpamonjy, fa maninona moa raha manokana andro iray ho Azy? Entina hitoriana hatrany ny filazantsara fa tsy hoe sanatria hivavahana @ sampy na hanao an'Andriamanitra ho tsy misy.
Hitoriana @ ireo olona izay tsy miditra am-piangonana raha tsy noely ny famonjena nataon'i Kristy. Na "fatritran'olona" na "vongan'ota" araka ny lazain'i Maranatha aza, tian'Andriamanitra avokoa ireny ary tsy misy tiany ho very isika.
"Lazao aminy hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany, mba ho velona izy." Ezekiela33.11


2- 25 dec tokoa ve no teraka ny Tompo? raha tsia, taiza ity date 25 déc ity?

Ny andro rehetra dia an'Andriamanitra. Tsy ilay andro akory no zava-dehibe sy ankalazaina fa Kristy izay tonga nofo, tonga hamonjy antsika izay very.


3- Araka ny baiboly, hita ao ve ny teny hoe krismasy na noely?
Araka ny baiboly, nankalaza ny anniversaire-ny ve Jesosy sy ny mpianany?
Araka ny baiboly, ny hazo noely? ny dadabenoely? ny kilalao? sns ...


Marina tokoa fa mety hampivily ny fisainantsika @ ilay tena ankalazaina dia ny fahatsiarovana ny nahaterahan'ny Mpamonjy ny fetifety, ny dadabenoely sy ny kilalao...
Ary mampianatra sahady ny ankizy handainga : manao voeux, kilalao avy any @ dadabenoely.
Amiko dia fotoana tsara hampahatsiahivako sy hanamafisako @ ny zanako ny avotra izay nataon'i Kristy ny andro noely.


4- Manana antony hafa ve ianao hanohananao ny tokony hankalazana na tsia ny nahaterahan'ny Tompo?

Amiko dia tokony hanararaotra ny mpino hitory ny Filazantsara na @ fotoana inona na @ fotoana inona mba hitondra ny olona izay mbola very @ lalam-pamonjena.
Raha tsy mitory isika dia ny fampianarana avy @ izao tontolo izao no manjaka eo.
Fotoana hiderana sy hankalazana an'Andriamanitra.
Fotoana koa hampahafantarana na hampahatsiahivana ny olona ny antony nahatongavan'i Kristy teto an-tany
Fotoana hitoriana ny famonjena nataon'i Kristy

7. RBNIR ( 04/12/2012 16:16)
Faly miharahaba ny namana rehetra hatrany,

NOEL = NO EL (TSY MISY ANDRIAMANITRA)
Secret io, izay manaiky ho zaza madinika sy adalan'izao tontolo izao (fa tsy hendry na manatsaina eto amin'izao tontolo izao) no mahafantatra io Secret .
« Tamin'izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin'ny zaza madinika. » (Mat.11:25)
« fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; » (1 Kor.1:27)

Tsy aleo zaza madinika na lazaina koa hoe adalan'izao tontolo izao dia ho havotra toy izay lazaina hoe manatsaina sy hendry eto amin'izao tontolo izao ity nefa ho very???

Samia manetry tena namana.

Samia ho tahin'ny Tompo
8. bor2lais ( 04/12/2012 16:29)
H.S kely ho an'ny namana RBNIR !
Araka ny hevitrao ve izany misy ny miteny ratsy ny Fanahy Masina eto ?
H.S tapitra ! :-)
9. hery ( 04/12/2012 16:37)
Nihomehy kely aho tamin'ilay hoe

Noel = no (tsisy) el (andriamanitra)

Lol)l

Ngamba ny teny hoe

Manely tsaho = man (lehilahy) - el (Andriamanitra) ...

Mba ampianaro ihany ny ankizy :-. :-)
10. RBNIR ( 04/12/2012 16:40)
bor2lais:

H.S kely ho an'ny namana RBNIR !
Araka ny hevitrao ve izany misy ny miteny ratsy ny Fanahy Masina eto ?
H.S tapitra ! :-)

Mbola faly mifampisera hatrany namana,
Tsy misy fitenenan-dratsy ny FM fa fahadisoankevitra no misy, (didin'olombelona entina ho fampianarana) = foana ny fivavahana,
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Mat.15:9)
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). » (Mar.7:7)

MAMPALAHELO

Ny Tompo anie hanazava ny sain-tsika rehetra,

Samia ho tahin'ny Tompo
11. RBNIR ( 04/12/2012 16:41)
hery:

Nihomehy kely aho tamin'ilay hoe

Noel = no (tsisy) el (andriamanitra)

Lol)l

Ngamba ny teny hoe

Manely tsaho = man (lehilahy) - el (Andriamanitra) ...

Mba ampianaro ihany ny ankizy :-. :-)


Izay rahery ilay no nahatonga ahy hilaza mialoha hoe Tsy aleo zaza madinika na lazaina koa hoe adalan'izao tontolo izao dia ho havotra toy izay lazaina hoe manatsaina sy hendry eto amin'izao tontolo izao ity nefa ho very???

Samia ho tahin'ny Tompo e,
12. hery ( 04/12/2012 16:42)
Dia avy eo hoe

Hotel = Hot (mafana) el (Andriamanitra)

Ho aiza isika ity? :-)
13. hery ( 04/12/2012 16:43)
Dia avy eo hoe

Hotel = Hot (mafana) el (Andriamanitra)

Ho aiza isika ity? :-)
14. hery ( 04/12/2012 19:25)

RBNIR:


Izay rahery ilay no nahatonga ahy hilaza mialoha hoe Tsy aleo zaza madinika na lazaina koa hoe adalan'izao tontolo izao dia ho havotra toy izay lazaina hoe manatsaina sy hendry eto amin'izao tontolo izao ity nefa ho very???

Samia ho tahin'ny Tompo e,


Ilay miteny ny olona ho demony amin'ny no-el (tsy andriamanitra, mbola mihomehy ihany aho loll) kosa hafahafa ihany ka.

Farafaharatsiny rehefa tsy nianatra ihany dia mba mijery amin'ny internet hoe inona marina no niavian'ny teny hoe noel Eto ohatra, fa tena sady manala baraka tena ihany ange e.

Sa tsy notenenina tao amin'ny baiboly koa hoe mba mandalìna, mba mianàra dia tsy hianatra?
15. leva2 ( 04/12/2012 20:10)
Velona Jesosy!


Noely = No +el : Tsy + A/tra : tsy mankasitraka ny fisian''A/tra

Ity famaritanao ity kosa aloha namana Maranatha sao dia mba diso a : noël, teny frantsay io, avy amin'ny teny anankiroa gaulois hoe : "noïo" (nouveau) + "hel" soleil.
Fanompoan-tsampy vahiny tokoa izy io ka ny masoandro (izay anisan'ny zavaboarin' Andriamanitra Tsitoha) no nindraindraina ho andriamanitra. Tsy tena mitovy amin'ny hoe krismasy ny heviny.
Tena fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra ny fanafangaroana ny sampy amin'ny fanompoana Azy.

Eto indrindra dia mitodika aminao aho namana tefygasy :

Rehefa nandinika ny soratra masina ny fiangonana dia nahita avy amin’ireto soratra vitsivitsy ireto fa Jesoa mihitsy hay ity tsiriritin’ny jentilisa ho masoandro tsy hay resena io, i Jesoa izany fahazavana lehibe izany...
Norasin’ny fiangonana tamin’izany ny andron’ny 25 Desambra izay efa andro fetin’ny jentilisa rahateo, novaina, nodiovina, nesorina ny foto-kevitra jentilisa fa naseho sy navadika ho fitoriana ny filazan-tsara ny andro 25 Desambra dia ho fahatsiarovana ny nahatonga ny zanak’Andriamanitra ho olona.

Io masoandro mibaliaka miposaka maraina dia mody eny andrefana rehefa ariva, io anie namana no nivavahan'ny olona tamin'izany e. Ary mbola mandrak'ankehitriny io fomba io.
Dia sanatria ve handeha hiteny ianao namana hoe Jesosy = masoandro? satria niteny Jesosy hoe "izaho no Fahazavan'izao tontolo izao"? Raha ny fantatro aloha dia mbola nibaliaka teny ihany io masoandro io fony efa tety an-tany Jesosy. Ary io masoandro io dia mbola tamin'ny alalan'i Jesosy no nahariana azy fa aoka ho fantatsika tsara.
Miala tsiny namana fa raha izay no zohina dia mankany amin'ny tsy izy fampianaram-piangonanao.

Ho anao namana Hery, mety tsy hanananao tsiny ny tsy fahalalanao ny fototry ny fomba izay arahinao, nefa aoka tsy hanentsi-tadiny na hinia mikimpy manoloana ny marina.
16. leva2 ( 04/12/2012 20:29)
Velona Jesosy!

ZAVA-MISY :
1- Indray krismasy 25 dec hariva, niteny teo amin'ny fiangonana ny pasteur Richard ANDRIAMANJATO hoe : "manomboka izao dia hesorina hiala ato am-piangonana ny hazo noely sy ny dadabenoely sy ny forongony satria tsy hita ao anaty baiboly". Taona vitsivitsy taty aoriana anefa dia mbola niverina teo amin'ny fiangonana FJKM Ambohitately ihany izany.

2- Mba jereo anie ity rohy mikasika ny krismasy ity, dia jereo hoe aiza ho aiza no toerana misy ilay Jesosy vao teraka :
http://forum.serasera.org/forum/message/m491bc351f264a

3- 24 dec 2004 alina, handeha hody aho fa avy nihira tamin'ny chorale fa nanao antsam-panahy. Mifanena amiko eny an-dalana ny mamo, ny mpiady an-dalana, mandeha ny tsenan-toaka, mandeha ny bizna eny amin'ny ville ho an'ny mpaka sary, mandeha ny kilalao hamitahana ny ankizy fa avy amin'i dadabe noely. Fa ao ambadiky ny fiangonana katolika akaikinay dia misy tetezana izay, lalako manitsy ao ambanin'izy io rehefa mody. Akory ny hatairako nahita ireto tanora roa manao firaisana ara-nofo mitsangana eo amin'ny maizimaizina.
Ny mazava dia izay izany no fantany fa fankalaza ny nahaterahan'ny mpamonjy.
Ny zavatra hita koa aloha tamin'izay dia tsy mitovy ilay fankalazana tao am-piangonana sy ny fankalazana niseho teny ivelan'ny fiangonana.
saingy ankehitriny, ny fanontaniana dia hoe : Inona no sitrapon'Andriamanitra ny amin'ny fankalazana ny krismasy?
17. Tefigasy ( 05/12/2012 04:30)
leva2:

Eto indrindra dia mitodika aminao aho namana tefygasy :

Io masoandro mibaliaka miposaka maraina dia mody eny andrefana rehefa ariva, io anie namana no nivavahan'ny olona tamin'izany e. Ary mbola mandrak'ankehitriny io fomba io.
Dia sanatria ve handeha hiteny ianao namana hoe Jesosy = masoandro? satria niteny Jesosy hoe "izaho no Fahazavan'izao tontolo izao"? Raha ny fantatro aloha dia mbola nibaliaka teny ihany io masoandro io fony efa tety an-tany Jesosy. Ary io masoandro io dia mbola tamin'ny alalan'i Jesosy no nahariana azy fa aoka ho fantatsika tsara.
Miala tsiny namana fa raha izay no zohina dia mankany amin'ny tsy izy fampianaram-piangonanao.

Mbola tsy niteny kosa angamba aho teto hoe Jesosy=Masoandro na mampitovy amin'i Jesoa amin'ny zava-boahary. Ianao no miheritreritra an'izany ao an-tsainao ary sur aho fa noho izany no antony nanokafanao ity lohahevitra ity !
Fa ilay hevitra aposaky ny jentilisa mikasika ny masoandro no nambarako. Ny jentilisa tamin'izany fotoana izany dia miandrandra Andriamanitra manome hazavana lehibe tsy hay resena, hazavana tsy mety maty. Izany no nandrandrainy fatratra ary noho ny mbola tsy fahafantarany ilay tena hazavana anefa dia ny masoandro no noheveriny fa manome azy, na manakaikikaiky kokoa ilay Andriamanitra ilainy izay mitondra hazavana. Tadidio fa tsy mbola nisy nitory an'i Jesoa tamin'izy ireo tamin'izany fotoana izany, mbola tsy nahalala an'i Jesoa ilay tena hazavana tsy hay resena izy ireo, fa ny hitan'ny masony sy tsapan'ny vatany dia ny masoandro no noheveriny fa mamaly io zavatra tedaviny io.
Izay fiheverana izay no nahatonga ny fiangonana tamin'izany andro izany hanova sy hanitsy an'ireto jentilisa ireto fa diso izy ireo. Tsy ny masoandro akory no tena hazavana tsy hay resena fa Jesoa ary tsy tokony ny masoandro no hifaliana rehefa 25 Dec fa Jesoa satria Jesoa no hazavana lehibe tsy hay resena fa tsy ny masoandro. Ary dia izay no nandraisana ny 25 Dec (averiko ihany hoe daty napetraka fotsiny) , fa tsy ny 25 Dec akory no tena daty fa na avadika 09 Mars aza io tsy misy olana na kely aza !
18. Tefigasy ( 05/12/2012 04:39)
leva2:

saingy ankehitriny, ny fanontaniana dia hoe : Inona no sitrapon'Andriamanitra ny amin'ny fankalazana ny krismasy?

Mba ambarao ary hoe ilay ao an-tsainao ao ?
Raha ny ahy manokana aloha, izay hita ao anaty baiboly ihany no ho etiko sy ataoko hankalaza izany satria izay no sitrapon'Andriamanitra voarakitra ao amin'ny teniny. efa nambarako teo ambony ihany hoe "Mitsangana ka mandehana ary manaova izay mba nantaon'ny mpiandry ondry sy ny mpanjaka avy any antsinanan tamin'izany fotoana izany !"
19. RBNIR ( 05/12/2012 04:57)
hery:


RBNIR:


Izay rahery ilay no nahatonga ahy hilaza mialoha hoe Tsy aleo zaza madinika na lazaina koa hoe adalan'izao tontolo izao dia ho havotra toy izay lazaina hoe manatsaina sy hendry eto amin'izao tontolo izao ity nefa ho very???

Samia ho tahin'ny Tompo e,


Ilay miteny ny olona ho demony amin'ny no-el (tsy andriamanitra, mbola mihomehy ihany aho loll) kosa hafahafa ihany ka.

Farafaharatsiny rehefa tsy nianatra ihany dia mba mijery amin'ny internet hoe inona marina no niavian'ny teny hoe noel Eto ohatra, fa tena sady manala baraka tena ihany ange e.

Sa tsy notenenina tao amin'ny baiboly koa hoe mba mandalìna, mba mianàra dia tsy hianatra?

Faly miarahaba namana,
Tsy ratsy akory ny fahalalana,
Fa ny TSARA INDRINDRA dia ny fahafantarana an'Andriamanitra.
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Matio 22:29)

Raha eo anatrehan'Andriamanitra dia inona moa ny maharatsy ny krismasy na noel na ny mitovitovy amin'izany??
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Matio 15:9)
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). » (Marka 7:7)

Io ihany no antony, fa tsy misy antony hafa,

Sitrapon'Andriamanitra namana dia tsy azo ampiana ary tsy azo analana (izay no mahatonga ilay hoe aleo ny Baiboly ihany satria efa nofaranany tamin'ny Apokalipsy io),

Samia ho tahin'ny Tompo daholo,
20. Tefigasy ( 05/12/2012 05:32)
RBNIR:

Faly miarahaba namana,
Tsy ratsy akory ny fahalalana,
Fa ny TSARA INDRINDRA dia ny fahafantarana an'Andriamanitra.
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Matio 22:29)

Mba mahagaga ihany hoe olona milaza azy ho tena mahafantatra an'Andriamanitra nefa na ny mankalaza Azy noho ny fahaterahany ho olombelona tonga nofo teto an-tany aza toheriny !
RBNIR:

Raha eo anatrehan'Andriamanitra dia inona moa ny maharatsy ny krismasy na noel na ny mitovitovy amin'izany??
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Matio 15:9)
« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). » (Marka 7:7)

Dia koseho ao anaty baibolinao ary ireo fiderana nataon'ny mpiandry ondry sy ny fiankohofana nataon'ireo mpanjaka avy any antsinanana tamin'ny andro nahaterahan'i jesoa satria fampianaran'olombelona koa ireo amniao e !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1589