Ny krismasy sy ny baiboly?

81. didi10 ( 21/12/2012 18:49)
Elaela izy izany namana RBNIR!!!

Efa tena kofona mihitsy ato ireo mpanao krismasy dia tonga avy any koa ianao mbola nanampy trotraka :-)
82. Miharena ( 22/12/2012 06:47)
Efa tonga saina kosa anie izany ny Pape hoe misy zavatra tsy mety ny fanarahana daty e!

Dia toy izany koa isika miady hevitra Dabata sy Alahady io, mitovy tsy misy valaka ihany.

Matoa Dahalo tsy manana fahaizana na kely aza momba ny fivavahana no ampitondraina hafatra amin'izao fotoana izao dia mazava fa zava-poana no iadian'ny olona hevitra momba AZY fa tsy IZY no banjinina.

FA eo amin'ilay Krissmasy dia nahatsiaro fifaliana am-po ery izahay tamin'ny mbola kely mankalaza izany. Fa nony tonga ireo mpanatsatso dia nanjary niha-lefy io fifaliana io. Io ilay tonga amin'ny fitenenan'ny Tompo hoe ny fandio iray siny tsy mahaleo ny fandoto iray tandrka. Na dia diovina toy ny inona aza ary atokaana hanana fahamasinana ny fankalazana iray heverin'ny olona dia rehea misy manaratsy izany dia maloto ihany ilay izy. Hoy Jesoa izay, loza ho an'izay niavian'ny fanafintohinana.

Na inona na inona moa lazaina dia hoy aho hoe tsy mahakfona akory izany rehetra izany satria raha ny fiandohan'ny fankalazana aza dia nanomboka niala tamin'ny fivavahana tamin'ny masoandro ny olona fa i Jesoa no nobanjininy sy nataony am-po Mazava noho ny Masoandro. Anisan'nyfialana amin'ny sampy ihany ity Krismasy ity raha tena zohina. Toy ny nialan'ny namana tamin'ny fifehezan'ny Sabata fa ny Andro nitsanganana dia efa nampifoha sy niderana ny fahasoavan'Andriamanitra dia nitohy teo ny fetin(y fandresaena ny fahafatesana ka mandrak'ankehitriny.

Ka asakasak'ireo izay mitsongo ny fifalian'ny namany io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0074