Ny krismasy sy ny baiboly?

61. Tefigasy ( 07/12/2012 05:05)
didi10:

Ho avy masiaka aminao eo Jojo rehefa avy eo lol!!!

Io ary ny an'ise fa mivovo mafy mihitsy izy io ambony io, hihihihihihihihi
62. jojo3t ( 07/12/2012 05:34)

Tefigasy:

didi10:

Ho avy masiaka aminao eo Jojo rehefa avy eo lol!!!

Io ary ny an'ise fa mivovo mafy mihitsy izy io ambony io, hihihihihihihihi
Salama namana, tsy tonga masiaka zah fa tonga sariaka,...
63. didi10 ( 07/12/2012 06:30)

Miharena:

Ka amiko dia mety ny fankalazana ho an-dry zareo Eoropeana. Na ny aty amin'ny ila-bolantany atsimo aza dia eo aminireo fotoana ireo no lava indrindra ny ANDRO. Izany hoe hanjakan'ny Masoandro na ny MAZAVA. Koa tsy mahagaga raha nanome fangitaham-panahy hatrany ny fahkalazana ny Noely hatrizay nanaovana azy ho fankalazana ny fahaterahan'i Kristy izay.



Rehefa lava be ny alina amin'ny ririnina ka manjaka izany ny haizina dia inona ny fety tokony hankalazaina?
64. niryna ( 07/12/2012 06:43)
Tefigasy:

leva2:

Velona Jesosy!
Fanontaniana maromaro angatahako valiny aminao namana isany :

Te haka fanahy ve ianao sa tena tsy mahalala ?
leva2:

1- krismasy sa noely? fa tsy tena mitovy ireo.

Inona no ary no tsy mampitovy ireo hoy ianao? Ny dikany na ny heviny amin'ny teny malagasy dia hoe "fankalazana ny mpamonjy noho ny fahaterahany sy ny fahatongavany ho tonga nofo teto an-tany"
Nateraka ny zanak’Andriamanitra ary tonga olona, tonga nofo dia Jesoa Kristy voalaza fa mpamonjy izao tontolo izao. Zany fahatongavana ho nofo izany no mitarika ny fankalazana ny krismasy teo amin’ny tantaran’ny fiangonana. Ny teny hoe Krismasy dia avy amin’ny teny anglisy fa ny noely kosa dia avy amin’ny teny frantsay. Ny hevitra ambarany dia mitovy ihany. Samy avy amin’ny teny latina izy roa ireo hoe natalis izay adika hoe ny nahaterahana
leva2:

2- 25 dec tokoa ve no teraka ny Tompo? raha tsia, taiza ity date 25 déc ity?

Mety ho 25 Dec no teraka ny Tompo, mety tsy ho 25 Dec ihany koa, raha nisy tena nahalala izany dia mino aho fa tsy nisy intsony ny fisalasalana sy fametrahana fanontaniana toa izao ataonao eto izao. Saingy izao, noho izay tsy fahafantarana ny daty tena marina izay dia napetraka fotsiny io 25 Dec io. Na ovaina ho 09 Mars io daty io, tsy any no olana satria daty napetraka fotsiny io.
Tany amin’ny tananan’ny jentilisa fahiny dia nanana Andriamanitra be dia be izy ireo, farafahakeliny 400 satria misy Andriamanitra avokoa ny zavatra tsirairay avy. Iray tamin’ireny Andriamanitra marobe nankalazaina ireny ilay atao hoe «Mithra». Ny fotoana izay fivavahana sy fankalazana izany Mithra izany dia herin’andro maninjitra, misy firavoravoana sy fety fankalaza ary ny 25 Desambra no ivon’ny fankalazana izany firavoravoana ity Andriamanitra ity izany. Tamin’izay moa ny anarany dia hoe dies natalis solis invicti, teny latina adika malalaka hoe ny nahaterahan’ny masoandro tsy hay resena
Isika dia miaina sy mipetraka ao anatin’ny fiaraha-monina. Ny Tompo rahateo dia milaza mazava fa izy tsy hanala antsika eo amin’izao tontolo izao fa ny hiaro antsika kosa ny amin’ilay ratsy, dia ny fihevitr’izao tontolo izao izany.
Rehefa nandinika ny soratra masina ny fiangonana dia nahita avy amin’ireto soratra vitsivitsy ireto fa Jesoa mihitsy hay ity tsiriritin’ny jentilisa ho masoandro tsy hay resena io, i Jesoa izany fahazavana lehibe izany.
Jao.8:12 : ary Jesoa niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe izaho no fahazavan’izao tontolo izao, izay manaraka ahy tsy mba handeha amin’ny maizina fa hanana fahazavan’aina.
Jao.9:5:raha amin’izao tontolo izao Aho dia fahazavan’izao tontolo izao.
Mampiseho ireo fa i Jesoa no fahazavan’izao tontolo izao. Izy no masoandro manazava ny fiainana feno haizina ety amin’izao tontolo izao.
Isa.9:1 : ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe, izay mitoetra ao amin’ny tany fahafatesana no mahita ny mazava. Misy mazava izay avy amin’Andriamanitra ary ny olona ao amin’ny maizina dia mahita izany.
Isa.9:5 : fa zaza no teraka ho antsika, zazalahy no nomena antsika ary ny fanapahana dia eo amin’ny sorony, ary ny anarany atao hoe mahagaga, mpanolo-tsaina, Andriamanitra mahery rain’ny mandrakizay, andrian’ny fiadanana.

Ilay mazava lehibe niposaka teo dia tsy iza fa ilay zaza izay nateraka. Ilay fahazavana niposaka dia milaza indrindra ilay zaza izay nomena. Io ilay mazava lehibe. Nasehon’ny fiangonana amin’izay fa ilay lazain’ny jentilisa hoe masoandro tsy hay resena dia tsy fantany akory hoe iza izany. Nasehon’ny fiangonana fa milaza ilay zanak’Andriamanitra izay nateraka, milaza ilay Jesoa io mazava lehibe io. Jesoa no efa niteny rahateo fa izy no fahazavan’izao tontolo izao,Izy no ilay masoandro tsy hay resena. Norasin’ny fiangonana tamin’izany ny andron’ny 25 Desambra izay efa andro fetin’ny jentilisa rahateo, novaina, nodiovina, nesorina ny foto-kevitra jentilisa fa naseho sy navadika ho fitoriana ny filazan-tsara ny andro 25 Desambra dia ho fahatsiarovana ny nahatonga ny zanak’Andriamanitra ho olona
leva2:

3- Araka ny baiboly, hita ao ve ny teny hoe krismasy na noely?

Tsy hita ao anaty baiboly ny teny hoe krismasy. Toy ny hoe gateau, tsy hita ao anaty baiboly koa izany, saingy toa mihinana gateau daholo ihany ny olona na tsy voasoratra ao aza izany sady tsara sy mahasalama. Fantatra fa tsy niteny izany ny soratra masina, fa ny fiangonana eo amin’ny mission nanirahan’Andriamanitra azy dia nandray ny krismasy ho andro ahatsiarovana ny nahaterahan’ny zanak’Andriamanitra, indrindra ny foto-kevitra hoe tonga nofo ny teny, ny zanak’Andriamanitra.
leva2:

Araka ny baiboly, nankalaza ny anniversaire-ny ve Jesosy sy ny mpianany?

Satria tsy hita ao anaty baiboly ny hoe krismasy, andro nahaterahan'i Jesoa kia lozika be raha tsy nanao anniversaire ry Jesoa sy ny mpianany. Sady raha nanao izany izy ireo dia tsy nisy nampisalasala intsony ny andro sy ny daty nahaterahan'i Jesoa. Saingy izao, tamin'ny andro nahaterahan'i Jesoa dia nankalazaina izany.
Lio.2:15-16 : ary tamin’izany rehefa niala teo aminy ireo anjey ireo ka nankany an-danitra dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ireo ka nanao hoe andeha isika hakany betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarina antsika, dia nandeha faingana izy ka nahita an’i maria sy josefa ary ny zazakely nandry teo ampihinanam-bilona.
Ny voalohany nataon’ny olona dia nandeha nizaha ilay fahaterahana. Tsy nionona tamin’ny filazan’ny anjely fa niainga teo amin’ny toerana izay nisy azy ka nandeha hijery, hitady, hizaha izany zava-nisy izany. Toe-po voalohany entina mankalaza ilay fahaterahana: tsy afa-po amin’ny teny fotsiny fa tena mandeha mitady, mihaona mihitsy amin’ilay zanak’Andriamanitra, mihaona mihitsy amin’ilay mpamonjy. Tena fankalazana lehibe izany hihaona amin’ilay mpamonjy vao nateraka hanafaka amin’ny fahotana izany
Lio.2:17 : ary rehefa nahita izy dia nampiely izay teny nampilazaina taminy ny amin’izany zaza izany.
Rehefa nahita Azy ny mpiandry ondry dia nilaza izany zavatra nampahafantarin’ny anjely azy izany. Nanambara ity zaza ity tamin’ny olona.
Ny fankalazana faharoa izany eto dia ny fandehanana mizara, nandeha nitory , nandeha nilaza ny amin’izany zavatra efa nambara taminy izay dia ny nahaterahan’ny mpamonjy ho tonga olona, hiaraka honina amintsika. Tonga izy nateraka ho olona mba hitondra ny fahotan’izao tontolo izao amin’ny tenany.
Lio.2:20 : niverina ka lasa nidera an’Andriamanitra noho ny zavatra reny sy hitany araka izay nolazaina taminy.
Rehefa avy nilaza tamin’ny olona ireo mpiandry ondry ireo dia niverina ka nidera an’Andriamanitra. Fankalazana lehibe izay nasehon’ireo olona ireo tamin’izany fahaterahana izany. Izany no fankalazana ambaran’ny soratra masina, fankalazana kristianina, fankalazana an’Andriamanitra izay nanome ny zanany lahy tokana mba hamonjy antsika amin’ny fahotana.
Mat.2:11: ary rehefa tafiditra tao an-trano izy dia nahita ny zazakely sy maria reniny ka niankohoka teo anatrehany, ary rehefa nosokafany ny fitehirizan-drakiny dia nanolotra zavatra ho azy izy dia volamena sy zava-manitra ary mioa.
Io kosa dia milaza ireo mpanjaka avy any antsinana, izay mahafantatra tsara ny mahapanjaka an’i Jesoa. Tonga izy ireo dia niankohoka teo anatrehany. Mpanjaka ireo nefa dia niankohoka teo anatrehan’ity mpanjakan’ny jiosy vao teraka ity. Manambara izany fa an’ity zaza ity ny fahefana, ny fanjakana rehetra manerana izao tontolo izao ary dia nanome voninahitra, niankohoka teo anatrehany izy ireo.
Ny fankalazana tokony atao izany dia ny fiankohofana, manome voninahitra ilay mpanjakan’ny mpanjaka satria na ny mpanjaka aza dia miankohoka eo anatrehan’ity mpanjaka ity.
Nosokafany ny fitehirizan-drakitra dia nanolotra fanomezana ho an’ilay zanak’Andriamanitra izy: volamena, zava-manitra, miora.
leva2:

Araka ny baiboly, ny hazo noely? ny dadabenoely? ny kilalao? sns ...

Tsia. Toy ny zavatra nataon'i Heroda vao teraka ny mpamonjy dia ny namono ireo ankizy madinika no tao an-tsainy. Ary famonoana ny ankizy madinika tsy hahafantatra ny tena marina ny fanandratana ny dadabenoely, hazonoely, .... Anisany mbola fanilihana an'i Jesoa Kristy ireny zavatra ireny ka ireny indray no misandratra fa ilay mpamonjy teraka tsy dia tazan afiry. Tadidio fa nailika tany antranon'omby ny mpamonjy raha vao teraka fa tsy tany anaty hotel na maternite. Amin’ny andro krismasy tahaka izao, nahaterahan’ny Tompo, dia eo no tena hanilihana an’ny zanak’Andriamanitra fa nosoloina zavatra hafa izy. Nosoloina foto-kevitra hafa, nosoloina olona hafa ilay nateraka ho mpamonjy ary nosoloina zavatra hafa ny zavatra manodidina izany.
Ny fotokevitry ny krismasy dia Andriamanitra tonga nofo. Nosoloina foto-kevitra hafa anefa izany ka nanjary fetin’ny ankizy ny krismasy, fetin’ny fanomezana. Lasa andron’ny fivarotana sy fividianana, lasa raharaham-barotra ilay krismasy, hanjakazakan’ny mpivarotra sy ny fanakalozana, tsy hita fa nailika natao sesitany ilay fotokevitra momba ny fahatongavan’Andriamanitra nofo tao amin’ity Jesoa zaza ity.
Nosoloina olon-kafa koa izy, ilay zanaka tonga nofo teo mba hamonjy izao tontolo izao lasa natao sesi-tany dia nanjary olon-kafa indray no lasa ivon’ny fankalazana dia i dadabenoely. Lasa i dadabenoely izany izao no lasa malaza amin’ny krismasy fantatry ny olona, fantatry ny ankizy indrindra indrindra. Dadabenoely no fantany fa i Jesoa teraka ho an’izao tontolo izao, hananany fiainana mandrakizay dia tsy fantatry ny olona, tsy fantatry ny ankizy izany Jesoa tonga nofo izany. Nahilika ary dia lasa any amin’ny toerana faharoa, fahatelo, fahaefatra, fa lasa dadabenoely sy izay momba izany zavatra izany no mitana ny laharana voalohany izao.
Nosoloina zavatra hafa koa ny zavatra tamin’ny krismasy voalohany, tamin’ny krismasy voalohany dia tao amin’ny fihinanam-bilon’i bethleheme. Ny fihinanam-bilona dia entina hilazana ny fanetren-tenan’Andriamanitra, ny fahatsoran’ny asam-pamonjena, ny fahatsoran’ny fanetren-tena tao amin’Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao. Izany fihinanam-bilona izany dia nosoloina hazonoely, nosoloina chocolat, nosoloina girlandy. Nosoloina zavatra mamirapiratra, zavatra mirentirenty ilay fanentren-tena tao amin’ny fihinanam-bilona ary voailika tanteraka mihitsy, natao sesi-tany Jesoa sy izay manodidina azy ka nosoloina izany foto-kevitra hafa izany.
leva2:

4- Manana antony hafa ve ianao hanohananao ny tokony hankalazana na tsia ny nahaterahan'ny Tompo?

Mino aho fa efa voarainao eo ambony ireo ny valin'ity fanontaniana farany ity. Mitsangana ka mandehana ary manaova izay mba nantaon'ny mpiandry ondry sy ny mpanjaka avy any antsinanan tamin'izany fotoana izany !
leva2:

Ho tahian'ny Tompo daholo ianareo namana isany!

Dia ho aminao hatrany anie ny fahasovan'Andriamanitra
mazava tsara ny valiny,misaotra anao nizara .Finoana inona matetika no mametraka ireo teny ireo raha fantatrao o .hi,hi ,izy tenany ihany dia mety mahalala .Raha toa ka fanontaniana fotsiny indray dia efa novalianao ilay izy
65. sitlo ( 07/12/2012 06:49)
Inona marina aloha ilay olana raha misy olona mivavaka amin'ny masoandro ka izay no anaovany ny tsara sy ny mety?
Fombafomba daholo izany fa ny zavatra ataony amin'ny manodidina azy no manan-danja.

Tsy tsaroanareo angaha ilay tantara nolazain'i Jesosy hoe Samaritanina tsara fanahy?

Tsy hitako mihitsy izay olana raha misy olona mifaly fa mivoaka ny masoandro amin'ny andro ririnina. Ilay kristianina indray no mahita fa misy demony ilay olona. Asa re.
66. Nehemiah ( 07/12/2012 07:09)

sitlo:

Inona marina aloha ilay olana raha misy olona mivavaka amin'ny masoandro ka izay no anaovany ny tsara sy ny mety?

Raha tsy miraharaha izay tenenin'Andriamanitra moa dia tsy misy mihitsy.
67. Maranatha ( 07/12/2012 10:54)

leva2:

Velona Jesosy!

Resaka fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan'ny Mpamonjy moa izy ity.

Mino aho fa ny ankamaroan'ireo namana tsy mankasitraka azy ity dia samy mba mankalaza ny tsingerin-taona nahaterahany daholo ihany.

Tadidio koa fa misy karazany roa ny fahaterahana eo amin'ny Kristiana : fahaterahana ara-nofo, sy fahaterahana ara-panahy ho tonga zanak'Andriamanitra. Iza ary no tokony ho zava-dehibe kokoa aminao, ka tokony hankalazaina sy hiderana an'Andriamanitra? Ilay fahaterahana ara-nofo ve, sa ilay fahateraham-baovao lazain'ny Soratra Masina?

Fehiny, sady heveriko hoe marimaritra iraisan'ny rehetra dia izao :
RAHA SAMY HANKALAZA IHANY, MANINONA RAHA ILAY FAHATERAHAM-BAOVAO TONGA ZANAK'ANDRIAMANITRA SY NANDRAISANA NY FANAHY MASINA, ILAY FOTOANA NAHATERAHAN'I JESOSY KRISTY TAO AM-PONAO NO TSAROVANA, ANKALAZAINA SY HIDERANA AZY?

Mino aho fa tsy hisy handà izany, ary hahafaly ny Tompo izany.


Leva 2 apetraka foana amin'ny toeran'ny Mpamonjy ny fanam-pahan-kevitra rehetra raisina.

Tsy mankalaza aniversaire izany izahay. Mandeha tahaka ny nandehanany. Raha nankalaza Izy iza no hanaiky ho gisitra eto???.
Ny fanao dia teraka isan'andro mamono ny IZAHO . IZAHO Tsy maintsy mihena fa Izy kosa tsy maintsy mitombo. RAha atao hoe anio dia tsy maintsy mijery foana hoe inona ny fiainako no mbola tsy mitovy amin'ny Azy??

Isan'andro aho no teraka. isan'andro aho no manome voninahitra azy. Misaotra azy fa mbola nomeny tombon'andro hanitsiana izay diso. Romana 2:4 Sa hamavoinao ny haren'ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka?

TAIMBORAKA NY FANKALAZANA DATIN'ANDRO NAHATERAHANA NA HO ANAO NA HO AN'NY HAFA
68. bor2lais ( 07/12/2012 12:59)
izaho:

Dia ahoana ataontsika ry Pasteur sy ry Mompera Noel isany amin'ity resaka ity fa tsy hiditra any am-piangonana misy antsika mihitsy izany ny namany sasany ato a ?

Leva2:

Izaho namana dia hamerimberina foana eto hoe : aoka tsy haorina amin'ny fampianaram-piangonana, na izay lazain'i mompera na i pasitera ny finoantsika, fa hiorina amin'i Jesosy Kristy irery ihany sy ny tenin'Andriamanitra.
Hataonao ahoana ohatra no hanova izay fomba efa nahazatra ny fiangonana mpanisy hazo noely ao am-piangonana, fa ianao, rehefa mahalala fa tsy mety io fomba io dia tsy manaraka izany fomba izany. Fa tsy manao mpino manara-drenirano fotsiny, ka izay alehany eny, fa tena hiaraka aminy hoany amin'ny fahaverezana no hiafarany.

Tsy azonao angamba ny tiako hambara fa HS kely fotsiny iny ! Alaiko an-tsaina raha misy Pasitera sy/na Mompera antsoina hoe Noël mpitarika Fiangonana any ho any mijery an'ity sehatra ity (na olon-tsotra mpivavaka be manana an'io anarana io fotsiny koa aza) ! :-)

Izany rehetra izany ilazako fa isan'ny mba nahatsikaiky ahy koa ilay filazana hoe NO EL = tsy misy Andriamanitra ! :-)
69. Nehemiah ( 07/12/2012 14:20)
"Minuit ! Chrétiens, c'est l'heure solennelle
Où l'homme Dieu descendit jusqu'à nous,
Pour effacer la tache originelle
Et de son père arréter le courroux :
Le monde entier tressaille d'espérance
A cette nuit qui lui donne un sauveur
Peuple, à genoux ! Attends ta délivrance,
Noël ! Noël ! Voici le Rédempteur !
Noël ! Noël ! Voici le Rédempteur !

De notre foi que la lumière ardente
Nous guide tous au berceau de l'enfant.
Comme autrefois, une étoile brillante
Y conduisit les chefs de l'Orient.
Le Roi des Rois naît dans une humble crèche,
Puissants du jour fiers de votre grandeur,
Peuple, à genoux ! Attends ta délivrance,
Noël ! Noël ! Voici le Rédempteur !
Noël ! Noël ! Voici le Rédempteur !

Le Rédempteur a brisé toute entrave,
La terre est libre et le ciel est ouvert
Il voit un frère où n'était qu'un esclave
L'amour unit ceux qu'enchaînait le fer,
Qui lui dira notre reconnaissance ?
C'est pour nous tous qu'il naît, qu'il souffre et meurt :
Peuple, à genoux ! Attends ta délivrance,
Noël ! Noël ! Voici le Rédempteur !
Noël ! Noël ! Voici le Rédempteur ! "

Ooooooooay ! Asan-devoly ! Mankalaza ny fahaterahan'i Jesoa @ fomba kristianina sy @ fo feno fitiavana sy fiderana an'i Kristy ! Tena tsy mifanaraka @ Tenin'Andriamanitra izany ! Mivoaha, ry Satana ! Ho voaozona mandrakizay anie izy ireo !

Lol...

NB : FJKM ny tenako ;)
70. bor2lais ( 07/12/2012 16:14)
Andro_Malaza:

...
De notre foi que la lumière ardente
Nous guide tous au berceau de l'enfant.
Comme autrefois, une étoile brillante
Y conduisit les chefs de l'Orient.
...

Ny magy !! Tantara hafa koa iny e ! ;-)
71. Nehemiah ( 08/12/2012 05:21)

bor2lais:

Ny magy !! Tantara hafa koa iny e ! ;-)

Mt. 2:9-11
72. bor2lais ( 08/12/2012 09:43)
Nehemiah:

Mt. 2:9-11

Fantatro ka ! :-)
Azo atao sujet (lava be) eto koa no tiako lazaina ! ;-)
73. Nehemiah ( 08/12/2012 14:15)

bor2lais:

Nehemiah:

Mt. 2:9-11

Fantatro ka ! :-)
Azo atao sujet (lava be) eto koa no tiako lazaina ! ;-)

lol ;) !
74. bor2lais ( 10/12/2012 14:24)
Maranatha:

Leva 2 apetraka foana amin'ny toeran'ny Mpamonjy ny fanam-pahan-kevitra rehetra raisina.

Tsy mankalaza aniversaire izany izahay. Mandeha tahaka ny nandehanany. Raha nankalaza Izy iza no hanaiky ho gisitra eto???

Izy izany no manery anao tsy ankalaza raha azoko tsara ? :-)
75. leva2 ( 10/12/2012 16:36)

Maranatha:

Mipetraha foana hoa eo amin'ny toeran'ny TOMPO rehefa handray fanam-pahan-kevitra sy hano zavatra iray.


Velona Jesosy!

Tiako ity principe-nao ity namana Maranatha, fa izany tokoa rehefa hoe :"tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko".
Tsy ny hevitro, na ny fomba fijeriko intsony izany no izy sy atao, fa ny an'ny Tompo.
Mba hahalalana ny hevitry ny Tompo sy ny fomba fijeriny anefa : mila mamaky ny TeninY, mila mivavaka mandrakariva ny hiasan'ny Fanahy Masina hanazava ny saina, ny fo.

Ny indrokelinao namana dia ny fomba firesakao : somary ovay anie ny fomba fijerinao ka ataovy toy izao : "Mahafantatra noho ny hafa aho, saingy tsy ny hiaro izany fahalalako izany loatra no himasoako, ka hanamavoiko ny hafa; fa handresy lahatra amim-pitiavana sy amim-pahendrena ireo namako aho ny amin'ny tsy maha-mety ny fomba arahiny, fa tiako koa izy raha mba toa ahy".

Mandrakizay ny FamindrampoNY!
76. Maranatha ( 12/12/2012 10:56)

leva2:

....
Ny indrokelinao namana dia ny fomba firesakao : somary ovay anie ny fomba fijerinao ka ataovy toy izao : "Mahafantatra noho ny hafa aho, saingy tsy ny hiaro izany fahalalako izany loatra no himasoako, ka hanamavoiko ny hafa; fa handresy lahatra amim-pitiavana sy amim-pahendrena ireo namako aho ny amin'ny tsy maha-mety ny fomba arahiny, fa tiako koa izy raha mba toa ahy".

Mandrakizay ny FamindrampoNY!

Fiadanana ho anao namana leva2 ! misaotra amin'ny fanitsiana fa Izao no aza adino ry namana misy karazany ny olona niresahan''ny Tompo . Rehefa ny olona no miseho ho efa mahalala sy mahay (mitovy @ fariseho) dia toy izao no fomba firesakin'ny Tompo aminy (tsy natao ho anao akory ity teny ity) :

Matio 23:13 Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra*.14 (Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon'ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)15 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza.16 Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin'ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny volamena amin'ny tempoly, dia haningo-tena izy.17 Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?18 Ary koa: Raha misy mianiana amin'ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin'ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.19 Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?20 Koa amin'izany, izay mianiana amin'ny alitara, dia mianiana aminy mbamin'ny zavatra rehetra izay eo amboniny.21 Ary izay mianiana amin'ny tempoly dia mianiana aminy mbamin'izay mitoetra ao anatiny.22 Ary izay mianiana amin'ny lanitra dia mianiana amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra mbamin'izay mipetraka eo amboniny.23 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon'ny solila sy ny aneta ary ny komina* ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.[*Anaran-java-maniry ireo]24 Ry mpitarika jamba!tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.25 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon'ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.26 Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin'ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.27 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan'ny maty mbamin'ny fahalotoana rehetra.
28 Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin'ny eo ivelany dia miseho amin'ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
29 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan'ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan'ny olona marina,
30 ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin'ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.31 Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak'izay namono ny mpaminany.32 Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran'ny razanareo.
33 Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin'ny helo?34 Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin'ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin'ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,-35 mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin'ny tany, hatramin'ny ran'i Abela marina ka hatramin'ny ran'i Zakaria, zanak'i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan'ny tempoly sy ny alitara.36 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.

Rehefa ny olona no miseho mahay sy manohitra izay lazaina mikasika ny fahamarinana dia azoko antoka fa na hianao aza angamba ry namana Leva 2 mety hanitsana vovo-tongotra. Amin'ny fanetren-tena no hilazana aminao fa izay hampanaoviny ihany no hataonay. Hatao ahoana moa no hitenenana izany ho an'ny olona tsy mahafantatra soratra masina . Ireo namana misera ireo anie ry Leva 2 matoa sahy mamaly efa manana ny fahalalany sady tsy mila atoro intsony e!. Fa raha zavatra hitany fa marina inona no hamaliany manampy hevitra aza no tokony hataony.

Mirary soa ho anao!
77. bor2lais ( 13/12/2012 11:30)
maranatha:

Rehefa ny olona no miseho mahay sy manohitra izay lazaina mikasika ny fahamarinana dia azoko antoka fa na hianao aza angamba ry namana Leva 2 mety hanitsana vovo-tongotra.

Fa iza no fariseo na tokony hanitsanana vovo-tongotra eto aloha e ? :-)
maranatha:

Amin'ny fanetren-tena no hilazana aminao fa izay hampanaoviny ihany no hataonay.

:-)

maranatha:

apetraka foana amin'ny toeran'ny Mpamonjy ny fanam-pahan-kevitra rehetra raisina.
Tsy mankalaza aniversaire izany izahay. Mandeha tahaka ny nandehanany. Raha nankalaza Izy iza no hanaiky ho gisitra eto???

Hita hoe te-hankalaza izany ange ianao saingy voafatotry ny soratra e ! ;-)

Nefa mankalaza ny anniversaire nahafatesaNY anie ianao e ? Ny fiandohan'ny asam-pamonjeNY ve tsy nanomboka tamin'ny fahatongavaNY ho tonga nofo ? Amiko mantsy (tsy voasoratra izany sao dia mikaroka eo a ! :-) ) ny làlan'ny hazo fijaliana (izay heveriko fa tokony arahin'ny milaza fa mpanara-dia Azy) dia nanomboka teo am-pihinanam-bilona ary nifarana tany Golgota ? :-)

Izany hoe raha tena te-andeha tahaka ny nandehanaNY marina ianao dia heveriko fa tsy tokony adinoina ny "départ" fa tsy ny "arrivée" ihany fotsiny akory !

Mbola tsy gisitra ianao raha toa ka hankalaza ny fihaviaNY a ! ;-)

Raha ny resaka daty 25/12 no olanao ataovy daty hafa re ! :-)
78. Nehemiah ( 13/12/2012 14:43)
http://creation.com/making-the-christmas-sermon-relevant
79. RBNIR ( 18/12/2012 10:07)
Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Vaovao koa ity,
http://www.directmatin.fr/monde/2012-11-20/le-pape-remet-en-cause-la-date-de-naissance-du-christ-239285
Tonga amin'ilay fitenenana hoe (AZA MISEHO KATOLIKA ALOHAN NY PAPA)

« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jao.4:24).

Araka io teny io dia "....izay mivavaka aminy tsy maintsy amin'ny .....fahamarinana."

AIZA ILAY FAHAMARINANA?

MAHIRATA TIANAO JESOSY!!!

Samia ho tahin'ny Tompo daholo


80. leva2 ( 18/12/2012 17:10)

RBNIR:

Faly miarahaba ny namana rehetra indray,
Vaovao koa ity,
http://www.directmatin.fr/monde/2012-11-20/le-pape-remet-en-cause-la-date-de-naissance-du-christ-239285
Tonga amin'ilay fitenenana hoe (AZA MISEHO KATOLIKA ALOHAN NY PAPA)

« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jao.4:24).

Araka io teny io dia "....izay mivavaka aminy tsy maintsy amin'ny .....fahamarinana."

AIZA ILAY FAHAMARINANA?

MAHIRATA TIANAO JESOSY!!!

Samia ho tahin'ny Tompo daholo





Minoa ahy ianao namana fa raha ovain'ny katolika io daty io, dia hanaraka daholo koa ny protestanta sy ireo rehetra mpankalaza krismasy rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0706