Hazo noely sy baiboly ?

21. hery ( 28/12/2013 14:50)
Ny protestanta no tena sahirana amin'io :-)

Ny katolika mantsy efa zatra mahita "symboles" sy mahafantatra ny tena dikan'ny symboles izay toy ny fitaratra ihany. Ny katolika dia efa zatra mahita sary vongana sy mahatsapa hoe tsy ilay sary vongana no Andriamanitra ka tsy mampaninona azy ny mahita sapins sns rehefa fantany hoe fiderana an'Andriamanitra izay tsy hita maso no ataony.
22. toriteny ( 28/12/2013 15:31)
:) Tsy mety Hery a! Izy anie milaza tsara fa tsy afaka manompo Tompo 2 isiaka é. Lio 16:13:"Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa ; fa ny anankiray ho halany , ary ny anankiray ho tiany ; na ny anankiray hombany , ary ny anankiray hohamavoiny . Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy mamôna ianareo ."

Tsy misy olona manompo mamôna à proprement parler izany anie e(hoe tena miankohoka sy mivavaka amin'ny andriamanitry ny vola) fa nefa vao mitia ny vola (na olona na zavatra hafa)mihoatra an'Andriamanitra ianao dia efa raisinao ho andriamanitrao izy. Raha ny père noel izany sy ny mikasika azy no ataonao mibahana amin'ny noely dia izay no plus important aminao noho Andriamanitra.

Ny ahy aloha tena tsy manao izahay é!! Tena madiodio atokana fiderana an'Andriamanitra ny anay ny 25 dec fa tsisy fofompofona sapin sns. Ohatran'ny tsy hamadihanay mihitsy na ny hanateranay voninkazo. Fa tsy hoe mankeny ihany fa tsy manatira fotsiny.

Ny anay ao an-trano io an.
23. bor2lais ( 28/12/2013 17:07)
Mba iza loatra re izany Fiangonana manao an-dry père noel sy ny namana ho ambony noho Andriamanitra izany e ? :-)

Tandremonareo mpampiasa tablet any ampiangonana sao manao an'i Bill Gate sy ny namany ho ambony noho Andriamanitra a ! :-)
24. toriteny ( 29/12/2013 12:08)

bor2lais:

Mba iza loatra re izany Fiangonana manao an-dry père noel sy ny namana ho ambony noho Andriamanitra izany e ? :-)

Tandremonareo mpampiasa tablet any ampiangonana sao manao an'i Bill Gate sy ny namany ho ambony noho Andriamanitra a ! :-)

Tena amin'ny fo tsy miangatra, ianao bordelais no tiako hamaly. Iza aminao no tena manjaka eo amin'ny fianakaviana Malagasy ny alin'ny 25 décembre? Ny fanaovana sapin, ny mametraka guirlande, ny dadabe noely mitondra kilalao, ny buche sy ny sakafo be ny ampitso sa fiderana an'Andriamanitra? Misy olona tena tsy manao noely hono ny noely raha tsy mametraka sapin. Fa angaha izany no anton'ny 25 décembre? Ny hany mba hananan'Andriamanitra toerana amin'ny 25 décembre amin'izao dia ny sasakalina(habitude sisa no handehanana any ary adiny 2 raha betsaka dia mody) dia ny fotoam-pivavahana ny ampitso mba hampiderana akanjo sy kiraro vaovao. Fa ilay Jesosy tena takona, takona tanteraka.

Manontany ianao hoe iza ny fiangonana manao an'ny père noel hambony? Any am-piangonana angamba tsy misy fa Andrimanitra no ambony any na dia misy fofompofona sapin ihany aza nefa tokony ho zato isan-jato ho an'Andriamanitra. Fa ny any an-tokantranon'ny samy kristianina dia tsy mihambahamba aho milaza fa tena takona Jesosy.

Ilay tablette ndray, za anisan'ny mampiasa tablette any am-piangonana amin'ny fihirana sy baiboly fa tsy hitako izay problème aloha hatreto. Io izany rehefa tsy concentré ianao tsy ny tablette no tsy maha-concentré anao ao am-piangonana fa mahita hitaomana anao tsy hivavaka foana ny devoly.

25. bor2lais ( 30/12/2013 10:44)
toriteny:

Manontany ianao hoe iza ny fiangonana manao an'ny père noel hambony? Any am-piangonana angamba tsy misy fa Andrimanitra no ambony any na dia misy fofompofona sapin ihany aza nefa tokony ho zato isan-jato ho an'Andriamanitra.

Hay ve ! Ka ny fandraisako ny famalinao ny voalazan'i Hery etsy ambony mantsy dia toa ny Fiangonana mihitsy no manompo père noël, sns. :-)
toriteny:

Fa ny any an-tokantranon'ny samy kristianina dia tsy mihambahamba aho milaza fa tena takona Jesosy.

Hevitrao manokana moa io ka tsy asiako resaka firy ! ;-) I toriteny ve kristiana ? :-)
toriteny:

Ilay tablette ndray, za anisan'ny mampiasa tablette any am-piangonana amin'ny fihirana sy baiboly fa tsy hitako izay problème aloha hatreto. Io izany rehefa tsy concentré ianao tsy ny tablette no tsy maha-concentré anao ao am-piangonana fa mahita hitaomana anao tsy hivavaka foana ny devoly.

Tsy tahaka izay ihany koa ve ny fomba fijery ilay sapin na ilay lazainao hoe "fampiderana akanjo" ? :-) "Mahita hitaomana anao tsy hivavaka foana ny devoly !" ;-)
26. toriteny ( 31/12/2013 03:13)
bor2lais:

Hay ve ! Ka ny fandraisako ny famalinao ny voalazan'i Hery etsy ambony mantsy dia toa ny Fiangonana mihitsy no manompo père noël, sns. :-)
Izao ary e

Ka ny fiangonana anie tokony hanome exemple ry bordelais e. Izay no namaliako an'i Hery hoe tsy mety ilay manao sapin any am-piangonana fa lasa ohatran'ny hoe permis ilay izy. Koa ny fiangonana aza manao kou!! Lasa tsy 100% kristianina ilay noely fa misy endrika païen(sapin, guiurlande tam andron'i Mythra). Dia nefa iny no hoentin'ny mpiangona hatrany an-tranony. Izahay ohatra raha niteny ny pasitera nay tamin'ny herintaona hoe maninona raha tsy asiana an'ireny ny fiangonana, (pasitera izay contre sy mahay tsara fa tsy ara-kristianina ny sapin) dia ny navaliny dia hoe tsy tokony brusqué-na be loatra ny olona fa zarina tsikelikely esorina aminy ny fanaovana an'ireny fa manjary sao dia manozongozona ny finoany ka mampiala azy tsy ho isan'ny fiangonana fa handehanany any amin'ireny secte ireny. Marina aloha izay raha kely finoana ianao satria hitako amin'ny reniko ilay izy izay tenenina foana isan-taona nefa mbola manao sapin foana :)

bor2lais:

Hevitrao manokana moa io ka tsy asiako resaka firy ! ;-) I toriteny ve kristiana ? :-)

Ie za kristianina fa tsy ahitanao tapaka guirlande iray izany ao an-tranonay. 24 izahay nanao sasakalina, dia ny 25 nanao sakafo toa ny olon-drehetra fa ny gateau nenay nataonay gateau d'anniversaire fa tsy buche. Ny ankizy nahazo kilalao fa Jésus no nanome azy no fantany fa tsy hainy izany père noel izany raha hanontanianao azy. Fa izahay tsy nividy akanjo sy kiraro ho azy ireo tamin'ny noely fa isaky ny manana moyen fotsiny aho dia mividy akanjo noentiny mivavaka. Tsy tiako inculquer na amin'dry zareo mihitsy izany ilay hoe noel=akanjo vaovao, kiraro vaovao, buche, sapin misy any an-tokan-holo'ny hafa.

Ilay hoe hevitro manokana. Tsy hevitro manokana kosa io fa ny tokantrano rehetra manao sapin dsaholo e. Sa ianao mahita olona tsy manao sapin? Ianao ve izao mametraka any an-tranonao? Tsy sur za hoe ireny mpividy guirlande sy boule de déco sy sapin eraky ny lalana ireny tsy ao anaty fiangonana daholo. Samy mivavaka daholo ireny nefa mbola manao sapin en même temps. Ny Lio 16:13 dia mazava:"Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa ; fa ny anankiray ho halany (du verbe haïr), ary ny anankiray ho tiany ; na ny anankiray hombany , ary ny anankiray hohamavoiny(du verbe mépriser)" . HS kely fa Hery na Robinson rehefa mi-haïr ny adversaire ny tsy hiteny mihitsy i Hery hoe za tsy tia an'io fa asiako sarin'i Robinson ihany ny ao an-tranoko na ny mifanohitra an'izay.FA rehefa halanao ny olona iray dia tsy asianao mikasika aminy mihitsy ao aminao.

bor2lais:

Tsy tahaka izay ihany koa ve ny fomba fijery ilay sapin na ilay lazainao hoe "fampiderana akanjo" ? :-) "Mahita hitaomana anao tsy hivavaka foana ny devoly !" ;-)

Tsy mitovy ny tablette sy ny fampiderana akanjo kah. Ny fijejojejoana mitarika fijangajangana izay tsy sitrapon'Andriamanitra fa ny tablette arakaraky ny olona mampiasa azy ihany. Izay no noteneniko aminao hoe tsy ny tablette irery akory no hany afaka ampiasain'ny devoly ao am-piangonana tsy hiconcentriavanao ka hoe fadio ny tablette fa fitaovan'i satana. Fa na manana zavatra kely aza rehefa tsy ampy finoana ianao dia iny no hitarihan'ny devoly anao. Nefa raha manana finoana ianao n'inon'inona fankam-panahy eo anoloanao, n'inon'inona fanananao sy harenanao tsy voatarika izany ianao.

Ny ahy izao ohatra ny tablette tena miasa be amiko satria za tsy mahita lavitra na dia efa manao solomaso aza dia alaiko sary amin'iny amin'ny fanombohan'ny fotoana ilay tableau misy ny fandaharam-potoana iny. dia afaka alehibiazina ny soratra ihany koa fa indrindra indrindra afaka sokafana en même temps ny concordance, ny baiboly amin'ny teny gasy sy teny frantsay amin'ny tablette izay mavesatra loatra raha hoentina isan-kalahady nefa miasa be amiko amin'ny fotoanan'ny toriteny.

27. moi ( 31/12/2013 05:04)
samy manontany tena zany e, hoe maninona no manao sapin za, maninona no mampiasa tablette any am-piangonana...
Samy mahafantatra izay any am-pony any, fa ny ahy efa nolazaiko fa décor maharesy lahatra ahy amin'izao volon'andro izao ny sapin miaraka amin'ny forongony, tsisy idiran'izay maha sampy azy fa objet de déco io amiko.
Toy izany koa ange ny faty (razana) e, atao inona ampidirina ao ampiangonana izy io ?
Ilay teny hoe "tsy mahay manompo tompo roa", somary any amin'ny fitiavan-karena, fitiavam-bola no contexte tsindrin'io kokoa, fa raha itarina contexte hafa io dia manahirana, ohatra hoe vady, fianakaviana ... sapin... Tsisy manompo sapin zany eo e !
Io tablette any am-piangonana io, ahatsiarovako fa raha niangona tao amin'ny FPMA Paris voalohany aho dia gaga fa marobe no toa variana mihaino hira amin'ny écouteur-ny (casque) ao am-piangonana, indrindra rehefa ao anatin'ny toriteny ! Dia gaga elah, hay ve ka mihaino toriteny kay ry zareo fa saingy izy tsy dia mahay teny gasy dia ilay fandikanteny en direct radio FM no arahany ao ! Ka aza maika hitsaratsara isika !
Angamba samy mahafantatra isika fa zava-tsoa ny tantely (le miel), fa raha ampiasainao amin'ny zava-dratsy io dia lasa ratsy ! ny ody gasy anie ka misy an'izany hoe osorana tantely, afangaro tantely ... Tsy ny tantely no ratsy fa ny nampiasana azy. Dia hifady tantely ?
Ohatra farany : ny antsy dia fitaovana vitan'olombelona anisan'ny manampy be dia be, fa raha ampiasainao amonoanao tena, na amonoan'olona io dia lasa fitaovana ratsy. Misy tokantrano tompoko amin'izao tsy mitahiry antsy ao an-trano fa sao io ihany hono no hamonoan'ny olona azy raha misy manafika izy !!!
Ampiasao fa mba amin'ny lafiny tsara ny sapin. Za dia mampirisika.
28. bor2lais ( 31/12/2013 09:04)
moi > +1 (avec toi) :-)
toriteny:

Ie za kristianina fa tsy ahitanao tapaka guirlande iray izany ao an-tranonay. 24 izahay nanao sasakalina, dia ny 25 nanao sakafo toa ny olon-drehetra fa ny gateau nenay nataonay gateau d'anniversaire fa tsy buche. Ny ankizy nahazo kilalao fa Jésus no nanome azy no fantany fa tsy hainy izany père noel izany raha hanontanianao azy. Fa izahay tsy nividy akanjo sy kiraro ho azy ireo tamin'ny noely fa isaky ny manana moyen fotsiny aho dia mividy akanjo noentiny mivavaka. Tsy tiako inculquer na amin'dry zareo mihitsy izany ilay hoe noel=akanjo vaovao, kiraro vaovao, buche, sapin misy any an-tokan-holo'ny hafa.

Izay izany no mety aminao fa tohizo ! Saingy aza aratsiana ny an'ny hafa satria tsy voatery izay eritreretinao no eritreretiny ! :-)
toriteny:

Tsy mitovy ny tablette sy ny fampiderana akanjo kah. Ny fijejojejoana mitarika fijangajangana izay tsy sitrapon'Andriamanitra fa ny tablette arakaraky ny olona mampiasa azy ihany.

Hitanao fa arakaraky ny olona mampiasa azy ihany !! :-)

HS kely
1. Dia labozia firy no nataonareo teo ambonin'ilay gateau d'anniversaire ? :-)
2. Tsy mitovy tsiro @ buche ve ? ;-)
29. hery ( 31/12/2013 09:20)
Ho anay dia tsy olana ho an'ny mpiangona io satria efa hazavaina amin'ny kristianina hatrany ny dikan'ireny zavatra rehetra ao ampiangonana ireny (ny hazofijaliana, ny sapin, ny sary vongana, ny labozia, ny akanjo anaovan'ny mpisorona sns...) Ka tsy misy risque e :-)

Ny mpijery anie no sahirana e. Ka raha sahirana dia aleo tokoa tsy manao sao dia manompo sampy.

30. leva2 ( 31/12/2013 17:12)

hery:

tsy olana ho anareo fa amin'Andriamanitra, ankasitrahany ve ? heverinareo fa izay metimety aminareo no ùety aminareo koa? efa narosoko teo aloha ny fototra maha-sampy ny sapin de noel sns, fa mitampina inn ny masonareo e? eny fa na ny teny hoe noel aza dia tsy kristiana velively, aza mba kristiana manara-drenirano fotsony e, fantato ny zvtra reetr ary izay tsara ihany no hazony mafy!

hotahin'ny Tompo daholo e
31. saho ( 31/12/2013 20:19)
Leva2>
efa vanimpotoana hiditra 2014 isika androany, misy finoana isankarazany zao miseho erantany indrindra fa hoe finoana mivoatra kristiana miala finoana katolika izay tena nipoiran ny finoana kristiana
misy ny finoana hafa ankoatra ny finoana katolika, ny tsara aminao dia misafidy ny tianao sy mifanaraka ny eritreritrao, misy ny adventiste, loterana, anglikana, baptiste sy ireo secte isankarazany
aza manambany ny finoana katolika izay fototry ny finoana kristiana, misy fifanekempinoana erantany, manandanja sy be mpanaraka erantany
raha tena mifantona tena finoana ianao, dia mety tafaverina amboalohany indray rehefa avy nitetitety ireo antokompinoana ireo
za protestante, tany mada ary tsy manaratsy ny finoana protestanta za, fa mahatsapa aty antany lavitra fa ny finoana katolika no manandanja aty Amin ny toerana misy ahy, ary tena hahatsapana mihitsy fa ny tranon andriamanitra dia natao hivavahana ho an ny olona rehetra tsy ankanavaka rehefa mandray ny fanekempinoana tena kristiana mazava tsy misy romoromo
Anjaran ny tsirairay no maka ny safidiny, fa Andriamanitra dia fitiavana, i Jesosy dia nirahiny tety antany hamonjy ny ondriny nania, Amen
32. leva2 ( 01/01/2014 15:50)

saho:

Tratry ny taona e, dia mirary ny fitahian'Andriamanitra ho an'ny rehetra.

Angamba tsara apetraka mazava namana fa izaho tsy protestanta, tsy katolika, tsy adventiste, sns ... ary tsy ho izany mihitsy fa KRISTIANA. Tsy miondana fampianaram-piangonana aho, satria misy fampianaran'olombelona mandrakariva izy ireny izay mandiso mazava hoazy ny tenin'Andriamanitra, na protestanta io, ka katolika io, na adventiste io, na inona na inona.

Tsy hisafidy n'iza n'iza aho raha izay no tianao ho fantatra, fa misafidy an'i Kristy kosa, ary ny ahy idirako daholo izay tandrify ahy, afa-tsy ity iray ity : Temoins d Jehovah. Ny tena kristiana, ary tokony ho izany mihitsy ianao izay mamaky io, dia manana esprit de discernement, na ny Fanahy Masina mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny mety sy ny tsy mety : tsy araka izay iheverako na iheveranao azy nefa, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra. Dia izay mihitsy no tiako hahatongavana eto fa mpino manara-drenirano fotsiny no be dia be, ka izay ampianarin'ny fiangonana dia arahina be fahatany fa tsy fantarina akory izay fotony. Averiko ihany fa tena fahavetavetana eo anatrehan'Andriamanitra ny fanafangaroana ny fomban-tsampy (noel) amin'ny fanompoana Azy.

Miresaka katolika sy protestanta ianao, matoa nisy ny protestanta dia nisy tsy nety tao amin'ny katolika ka notoherina sy nialana, ary saiky izany daholo no nipoiran'ireo fiangonana marobe isankarazany maneran-tany ireo. Ny mijoro amin'ny maha-kristiana no tsara indrindra namana, fa tsy manindraindra ny maha-katolika na maha-protestanta. Tsy hanontany ny maha-katolika na maha-protestanta anao miitsy ny Tompo amin'ny fiaviany eny amin'ny rahon'ny lanitra, fa ny tombokase no hojerena, dia ny Fanahy Masina izay noraisinao (na tsia), ilay Jesosy velona ao anaty (Gal 2/20) no hojerena fa tsy ny karatra maha-mpandray anao, na ny toeram-panompoanao.

Ny fanekem-pinoana : tsy misy maha-ratsy izany mihitsy fa endrika firaisana ao amin'ny Tompo izany, fa moa ve namana mahita resaka noely ao ianao a? fa izay mantsy no fototry ny resaka eto e.
Raha somary enjanina kely aza de hoe :
nankalaza ny anniversairen'i Jesoa ve ry Maria sy Josefa ?
sinon, nisy filazana farafaharatsiny hoe nankalaza izany ny mpianatra ka voarakitra ao anaty baiboly ?
mba fantatrao ve hoe nanomboka oviana no nankalazaina izany ? hevitr'iza ?
Nahoana no nankalazaina ny 25 dec izany izay mazava fa tsy date nahaterahany akory ?

Farany, mba jereo sy diniho izay atolotra anareo izay vao mihinana fa aza dia misesika izay atolotra anareo be fahatany e, tsy izay maha-metimety ny be sy ny maro anie no izy fa izay sitrapon'Andriamanitra no tsy maintsy arahina e.

Mahereza daholo !
33. moi ( 02/01/2014 04:59)
raha izay tena hita voasoratra ao anaty baiboly ihany no azo atao, heverinareo fa hany sitrapon'Andriamanitra, dia be dia be ny zavatra fanaonao io izay tsy voasoratra ao akory !
Ohatra fotsiny : ny fampiasana telefaonina ; tsy ampiasa zany ianao satria tsy Andriamanitra mihitsy no namorona an'io taty aoriana, ary tsy hita ao anaty baiboly ny fampiasana an'izany, dia tokony ho fadiana satria sao fahotana ! Tadiavo izay tenin'Andriamanitra ahitana fa azo atao ny mampiasa telefaonina e ! fa ny ahy averiko fa ny fampiasana an'ireny ihany no mahamety na tsia azy... ataovy fitaovana fandrahonana io, na "téléphone rose", na fahafahana manompa tsy hita maso !
34. leva2 ( 04/01/2014 00:26)

moi:

Velona Jesosy !

Raha ny sitrapon'Andriamanitra no resahina : zavatra roa tsy azo sarahina ireto : ny teniny (baiboly) sy ny firaisana amin'ny Fanahy Masina, fa na mahalala tenin'Andriamanitra be toy ny inona aza nefa tsy eo na tsy marim-pototra ny firaisana amin'ny Fanahy Masina dia mivily ny fahazoana ilay tenin'Andriamanitra, ary mety ny devoly mihitsy aza no tonga hanazava sy hamily azy.
Miresaka telephone ianao, izany hoe ny fandrosoan'ny siansa sy ny teknolojia izany raha bangoina. Mahavariana ahy ny fahasahianao miteny fa : "tsy Andriamanitra mihitsy no namorona an'io taty aoriana". Fa ianao io namana, sao dia mba tsy Andriamanitra no nahary sy naha-toy izao anao fa i dada sy i neny no tena nahay ? Ny olana tokoa, rehefa mahitahita kely ra-olombelona, dia mihevi-tena ho zavatra, dia mitompo teny fantatra amin'izay ary mahavita maniratsira ilay nahary tongotra aman-tanana azy. Hoy ny teniNY : "Voninahitr’Andriamanitra ny manafin-javatra; Fa voninahitry ny mpanjaka kosa ny mamanta-javatra" Oha 25/2. Sain'olombelona no nahita ny telephone namana, fa iza no nanao ny saina ? fa iza no nametraka ny fahendrena tao ka nahaizany nahatakatra izany ? Ny fandrosoan'ny siansa sy teknolojia no noharin'ny testamenta taloha tamin'ny egyptiana sy ny fahaizany amam-pahalalany omban'ireo fitaovana raitra sy mahomby ara-teknika,
nandraran'Andriamanitra ny zanak'israely mafy tsy hitoky tamin'izany. Mba vakio ny tantaran'i Joba toko faha-38 hatramin'ny 42 e, fa santionany ity :
"ARY teo anatin’ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’i Joba ka nanao hoe:
Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana
Amin’ny teny tsy misy fahalalana?
Misikina ary tahaka ny lehilahy;
Fa hanadina anao Aho, ka valio:--
Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany?
Ambarao, raha hainao.
Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao?
Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? " Job 38/1-5.

Fa tsy dia tena any loatra ny resaka. Ekeko ny teninao amin'ny hoe : "izay hampiasanao azy ihany io na ho amin'ny tsara, na ho amin'ny ratsy" satria telephone no resaka.
Fa raha sapin de noel sy ny forongony : andeha atao hoe manana rafy ianao (sanatria) izay tena halanao maizina, satria fandrafiana an'Andriamanitra ny sampy, ary noel = noyo el (teny gaulois) dia sampy europeana nivavahana tamin'ny masoandro na i Mithra. Dia nalaina izay zavatra rehetra tian'io rafinao io dia nomena anao koa satria noheverina fa tianao izany, ny fomba fanaony koa torak'izany, ary ny andro nahaterahanao aza dia nakisaka ka nankalazaina tamin'ny vanin'andro nahaterahan'ilay rafinao. Dia sitrakao ve izany namana ? dia hahafaly anao ve izany ?

Mieritrereta dia mandiniha fa mbola tsy tara ô !
35. moi ( 06/01/2014 06:16)
leva2>
Ny ahy aloha ny atao hoe Noharian'Andriamanitra dia izay atao hoe Naturel e, ary izay no mampisy ny hoe artificiel, ka ny telefaonina dia zavatra ARTIFICIEL amiko. (ny olombelona dia naturel a)
Fa ny fampiasana azy ihany no maharatsy na mahatsara amiko.
Fanampiny, mety amiko raha lasa fety kristiana daholo ireny fetin'izao tontolo izao ireny. Ohatra hoe Saint Sylvestre, Alahamadibe, taombaovao malagasy... dia hiova ny anarany amzay hoe noel3, noel4 sns e... noely isanandro e
Tsy fantatro izay nofidinao tamin'iny fifidianana teo iny, fa azo lazaina ho mpirafy i JLR sy HVM ; nisy artista nanohana tao, dia raha HVM ianao, lasa tsy ho tia Bodo sy Ambondrona ve, raha JLR ianao, lasa tsy ho tia an'ireo artista niaraka tamin'i HVM ve ?
Izaho aloha tiako ny artista e, na nalain'ny rafiko aza e !
azafady fa ça, c'est moi, pas toi, et pas Dieu
ary misaotra an'Atra aho manana an'izay fijery izay.
36. endriny ( 06/01/2014 19:20)
Tratry ny taona daholo.
Ilay hazo noely ange haingo-trano fa tsy natao hitompoana ry zareo e. Io ohatran'ny hoe manao mariazy, tsy ilay akanjo mariazy no inona fa ilay fanambadiana natao. Ka raha mino ny hazo noely ianao dia ohatra ilay olona mino hoe rehefa andeha hivavaka dia tsy maintsy manao akanjo fetina alahady.... Miankina amin'ilay akanjo mantsy ny fandraisan'Atry ny kristianina vavaka hono.
Mazotoa
37. RBNIR ( 07/01/2014 08:17)

endriny:

Faly miarahaba ny namana rehetra indray ary mirary soa ho an'ity taona vaovao ity ho an'ny rehetra.

Ny tena adinontsika dia hoe mba ahoana no fandraisan'Andriamanitra ny fanaovan'ny olona ireny?

« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Mat.15:9)

Ireny rehetra ireny dia zary lasa fampianarana ao amin'ny fiangonana,

Samia ho tahin'ny Tompo ry namana isany
38. lefitatra ( 07/01/2014 08:32)
momba ilay hazo Noely ihany,

Mpianatra ianao taloha na ankehitriny na koa mampiana-janaka
Moa ve tsy mila stylo en couleur na crayon de couleur ?
antony : mba hampazoto sy hampiditra tsara ao antsaina ilay lesona mba hampahomby tsara ny fianarana.
Mino aho angamba fa mitovy anzany koa ny fampiasana ny sapin sy ny guirland ... , fa arakaraky ny fandraisan'ny sain'ny tsirairay ihany anefa io, fa ny ana aloha dia tsy hitako ny olana ny fampiasana ireny. ary matoa manaiky ny fisian'io daholo ny lohan'ny eglisy rehetra dia mety izany ary mbola zavatra betsaka nohon'ny antsika no fantatr'ireo momba ny finoana satria izy efa tena nandalina manokana ( finoana ).
Mirary soa sy fahombiazana @ ity taona 2014 ity , ny fiadanana'ny Tompo anie ho eo amintsika mandrakariva.
39. toriteny ( 07/01/2014 10:04)

Misaotra an'Andriamanitra isiaka fa mbola nomeny tombon'andro ka nahatratra ity taona vaovao 2014 ity indray.

Moi>>> Miala tsiny mitsabaka kely amin'ny resakareo sy Leva fa ianao angamba mbola tsy convertis e? RAha ny famakiako anao mantsy dia mbola tsy nandray ny Tompo ianao satria raha efa nandray ny Tompo ianao tena tsapanao mihitsy ny halahelon'ilay FAnahi'Andriamanitra ao aminao rehefa misy zavatra hafa hampilaharinao Aminy eo amin'ny fiainanao. Tsy fanenjehina anao akory sanatria fa fitenenana fotsiny hoe évident be ilay izy rehefa manana ny Tompo ianao.

Ny père noel (izay an'ny paien fa tsy an'ny kristianina) dia miaraka ataonao amin'ny kitapo iray fonosana amin'Andriamanitra ny 25 décembre (hampitovianao amin'Andriamanitra).

MArina fa tsy miankohoka sy mivavaka amin'ny père noel ianao fa c'est tout comme. Averiko indray fa tsy misy miankohoka à proprement parler eo amin'i Mamona izany (Lio16:13) nefa dia Mamôna no manjaka eto an-tany amin'izao noho ny fitiavan'ny olona vola be loatra mihoatra an'Andriamanitra. Dia ohatran'izany ihany koa, raha ny mon beau sapin sy petit papa noel no mibahana hatramin'ny tapaky ny volana novembre ary ny rythe mikasika ny sapin sy ny père noel no misongadina ny 24 sy 25 décembre contre quelques heures fotsiny ho fiderana an'Andriamanitra dia ny père Noel izany no mibahana betsaka eo amin'ny fetinareo fa tsy Andriamanitra. Tadidio ny teniny ao amin'ny MAt10:37: "Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy , ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy " Tsy tokony hisy zavatra tokony ho ambony noho Izy fa lasa sampy iny zavatra iny na dia tsy hivavahana aza. Ary Izy rahateo efa niteny ao amin'ny Eks12:35 fa tsy tokony hisy zavatra tokony hataontsika ho fanampin'Andriamanitra.

Tadidio sy aza adino fa Andriamanitra saro-piaro io Andriamanitritsika io. Ianao mety miheritreritra hoe anodin izany manao sapin izany fa raha misy zavatra tena tsy tantin'io Andriamanitra io na tamin'ny andron'ny zanak'Israely na amin'izao dia ny sampy. Ny zavatra hafa rehetra lefiny ihany fa ny mitia andriamanikafa noho Izy tena tsy zakany ka nahatonga ny zanak'israely rehetra izay nanao ombilahikely volamena dia tsy nisy tafiditra tao amin'ny tany Kanaana na iray aza. Ny olombelona mety hiatsara velatsy ihany hoe eo imasom-bahoaka maka an'i Hery fa ny vato harotsaka an'i JLR ohatra fa Andriamanitra tsy azo vazivaziana ohatran'izany. Tsotra anie ny Teniny e! Aza hafangaro fotsiny Izy sy andriamanitra hafa. FA raha Andriamanitra no asandratrao amin'io dia aza asiana zavatra hafa. FA raha tsy izany dia aza mivavaka akory amin'Andriamanitra fa atokano ho an'ny père noel rano ray ny 25 décembre. Au moins amin'izay mazava fa ilay père noel indray ny tianao dia Andriamanitra indray no halanao. FA ny matimaty ohatran'izao (sady maka ny atsy no maka ny aroa)no tena aloakan'ny vavan'Andriamanitra(Apo13:16).

endriny>>> tsy haingon-trano ny hazo ka.Ny haingotrano afaka atao eo, afaka tsy atao eo, tsy maninona na tsy misy ao an-trano fa ianao io ve manaiky ny tsy hanaovana sapin?
40. toriteny ( 07/01/2014 10:17)

lefitatra:

momba ilay hazo Noely ihany,

Mpianatra ianao taloha na ankehitriny na koa mampiana-janaka
Moa ve tsy mila stylo en couleur na crayon de couleur ?
antony : mba hampazoto sy hampiditra tsara ao antsaina ilay lesona mba hampahomby tsara ny fianarana.
Mino aho angamba fa mitovy anzany koa ny fampiasana ny sapin sy ny guirland ... , fa arakaraky ny fandraisan'ny sain'ny tsirairay ihany anefa io, fa ny ana aloha dia tsy hitako ny olana ny fampiasana ireny. ary matoa manaiky ny fisian'io daholo ny lohan'ny eglisy rehetra dia mety izany ary mbola zavatra betsaka nohon'ny antsika no fantatr'ireo momba ny finoana satria izy efa tena nandalina manokana ( finoana ).
Mirary soa sy fahombiazana @ ity taona 2014 ity , ny fiadanana'ny Tompo anie ho eo amintsika mandrakariva.

Dia tsy ho faly mihitsy ve ao amin'ny Tompo raha tsy asiana an'ireny? Ny fankalazana ny krismasy araka ny baiboly dia tsotra: manaova toy ny anjely, miderà sy misaora an'Andriamanitra. Lio2:13:" Ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka niaraka tamin'ilay anjely teo ka nidera an'Andriamanitra nanao hoe :Voninahitra any amin'ny avo indrindra ho an'Andriamanitra !", atero eo Aminy ny zavatra tsara indrindra eo aminao (tsy voatery ho ara-matériel) ary miankohofa eo aminy tahaka ny nataon'ireo MAgy fa indrindraindrindra aza avela vonoin'i Heroda moderina indray re ny zaza majinika e!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086