Hazo noely sy baiboly ?

61. RBNIR ( 08/01/2014 11:50)
Aoka hazava ihany aloha:

Misy karazana zaza madinika 2 resahina eto :

1- Ireo tsy mihevitra ny tenany ho hendry sy manantsaina (Mat.11:25) tsy miaina amin'ny lojikan'olombelona fa ny lojikan'Andriamanitra (mihaino sy manaraka izay olona fantany fa tena nirahin'Andriamanitra tokoa rehefa avy namantatra ny voa araka ny hafatr'i Jesosy).

2- Etsy andaniny kosa dia ireo voalaza fa zaza tsy mahazaka ventin-kanina Heb.5:12-14 (olona ao amin'ny Tompo ihany saingy mbola fahanana ronono aloha sao tsy mahalevonkanina ka mety ho faty mihitsy aza).

Ny filazana izany tsy fireharehana velively fa fampieritreretana e,

Samia ho tahin'ny Tompo
62. hery ( 08/01/2014 12:03)
Aoka hazava ihany tokoa mba tsy hahodikodina (manipuler-na) ilay resaka.

1. Hoy ianao hoe "Noel" = No-el = tsy misy Andriamanitra.

2. Dia teneniko hoe tsy izy izany satria tsy izany mihitsy no izy fa na dia tsy mahay aza dia afaka mba mamakafaka kely ny resaka dikan-teny satria mba mpampianatra baiboly ihany ny tena.

3. Dia avadikao hoe ambara amin'ny zaza bodo sy tsy mahay ilay resaka.

Ka hoy aho hoe izany dikan-teny izany no fampianarana entin'ny zaza-bodo aminay ve? Hoe "Noel" = No-el = tsisy Andriamanitra?

63. bor2lais ( 08/01/2014 12:14)
RBNIR:

oh fotsiny i bor2lais isaky ny mitondra an'ilay ventin-kanina eto aho dia milaza foana izy fa mibahana ilay varavarana hono aho....

Mahatadidy lesona a ! :-)
64. RBNIR ( 08/01/2014 12:37)
hery:

Aoka hazava ihany tokoa mba tsy hahodikodina (manipuler-na) ilay resaka.
1. Hoy ianao hoe "Noel" = No-el = tsy misy Andriamanitra.
2. Dia teneniko hoe tsy izy izany satria tsy izany mihitsy no izy fa na dia tsy mahay aza dia afaka mba mamakafaka kely ny resaka dikan-teny satria mba mpampianatra baiboly ihany ny tena.
3. Dia avadikao hoe ambara amin'ny zaza bodo sy tsy mahay ilay resaka.

Ka hoy aho hoe izany dikan-teny izany no fampianarana entin'ny zaza-bodo aminay ve? Hoe "Noel" = No-el = tsisy Andriamanitra?

Marina fa hoe misy dikany tokoa ny Noel ao anaty wikipedia, nefa ny tiana ambara eto dia hoe, misy dikany anankiray izay MIBARIBARY nefa tsy naseho ny olona mihevitra ny tenany ho "hendry" sy manan-tsaina mihitsy (ireo izy tsy mba mety hanetry tena hiaino ny zaza madinika no tena marina oh ireo mpanoradalana sy fariseo nahita an'i Jesosy ho madinika dia tsy mba nihaino azy). Nisy aza nilaza hoe tsy ilay io v ilay zanak'i Josefa mpandrafitra tary?......
Ankehitriny misy ny mahita ny hafa ho madinika dia tsy mihaino satria tsy mba nianatra sns....

Izay ilay hafatra namana
65. hery ( 08/01/2014 13:31)
Dia ilay dikany mibaribary ve ilay etymologique hoe "Noel" = "No" (tsia) sy "El" Andriamanitra?

Lazao tokoa aloha fa sao dia izahay no tsy mahay noho ny zazabodo
66. RBNIR ( 08/01/2014 13:48)

hery:

Dia ilay dikany mibaribary ve ilay etymologique hoe "Noel" = "No" (tsia) sy "El" Andriamanitra?

Izay ilay izy namana, saingy raha ny logique no ampiasainao dia ho lavinao io, fa raha manaiky manao zaza madinika ianao dia ho ekenao io

67. bor2lais ( 08/01/2014 15:05)
RBNIR:

Misy karazana zaza madinika 2 resahina eto :

1- Ireo tsy mihevitra ny tenany ho hendry sy manantsaina (Mat.11:25) tsy miaina amin'ny lojikan'olombelona fa ny lojikan'Andriamanitra (mihaino sy manaraka izay olona fantany fa tena nirahin'Andriamanitra tokoa rehefa avy namantatra ny voa araka ny hafatr'i Jesosy).

:-)
Dia io olona io ve ry namana RBNIR no niteny taminao ny dikan'ilay hoe "Noël" ?

Tandremo fa olona ihany anie izy e ! :-)
68. RBNIR ( 08/01/2014 16:57)

bor2lais:

« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lio.10:16)

Mila mihaino isika namana bor2lais, ary izao koa tsy izay rehetra miteny no henoina fa izay hita fa "mamoa ilay voa tsara"

Samia ho tahin'ny Tompo e
69. RBNIR ( 08/01/2014 17:34)
raha tianao dia ato tsindrio eto ny antony nihainoko azy ary mbola marina daholo ny voalazako aho hatramin'izao namana bor2lais.
Tsy afaka ny handainga aminao aho satria hoy ny soratra masina hoe « .....ary ny mpandainga rehetra dia hanana ny anjarany ao anatin'ny farihy mirehitra afo sy solifara; izany no fahafatesana faharoa. » (Apo.21:8)

Averiko hatrany, tsy misy tombotsoa ho ahy velively, na hanaraka ny olona na tsia (izaho tsy mivelona amin'ny fivavahana fa manana ny asako aho ary mahavelona ahy tsara ny fivelomako)
Ny fifaliako dia tokana : voazara ny fahamarinana ary faly indrindra aho raha ho betsaka ny hanapakevitra hanaraka ny marina ka hanana fanantenana marina ny amin'ny fiainana mandrak'izay,

Tsy kitoatoa ny fikatsahana fiainana mandrakizay namana, fa tena misy ny sitrapon'Andriamanitra tsy maintsy atao. Izay nasainy natao ihany no tokony atao, ary izay tsy avy aminy kosa (fa avy amin'olombelo) mila ialana satria mahafoana ny fivavahana ataontsika.

Mino aho fa samy te hahazo fiainana mandrak'izay daholo isika rehetra.

Samia ho tahin'ny Tompo namana

70. hery ( 08/01/2014 20:26)
Miaiky aho izay :-)

Tena manjary miahiahy ny dikanteny rehetra lazainao aho izao namana RBNIR ary indrindra ny fomba fandresenao lahatra. Hitako tamin'ity lohahevitra ity mihitsy ny fizotrany. Ary mety ho mainty ihany ny fotsy rehefa manaraka ny lojikanao. Ny mampalahelo dia tsy vitsy ireo izay voatarik'izany manipulation goavana izany. Saingy mino aho fa hanazava azy ireny ny Fanahy Masina.
71. RBNIR ( 09/01/2014 02:39)

Araho ny fandaharana namana a,
Dia vakio ny baiboly rehefa manaraka azy ianao dia anjaranao no mitsara na marina ny teneniko na tsia,
KOLO TV isa-maraina amin'ny 5ora sy sasany (otran'ny efa mandeha any an-dafy hono izy io izao raha tsy diso aho). Fandaharana vitao ny asan'ny fahamarinana
Vakio ny baiboly hoy aho rehefa manaraka ny fandaharana ianao (dia anjaranao ny mandinika).

Samia ho tahin'ny Tompo namama
72. RBNIR ( 09/01/2014 05:01)
Namana Hery,

Saino kely ange e,

Ianao any Italie, izaho aty Madagascar, dia ankoatran'izay, tsy fantatro na firy isan-jaton'ny mpisera eto no tsy mipetraka eto Madagascar sy antananarivo,
Fizarana ny marina tsotra no ataoko namana (hoy tokoa mantsy ilay mpitory filazantsara iray izay hoe fa lozako raha tsy mitory ny filazan-tsara aho).
Sady izaho koa e, ny olona anie tsy nataon'Andriamanitra ho toy ny robot ka azo manipulena e, nomena saina ny tsi11 handinika tsara,

Fitiavana no hifampizarana namana,
P.S: tsy voatery ankaty Madagascar ianao vao hanaraka ny fahamarinana, eto izao misy fahamarinana anankiray nozaraina: Tsy ankasitrahan'Andriamanitra ny 25 Decembre, hazo noely sns satria fampianaran'olombelona ireny fa tsy avy tamin'Andriamanitra. Ary izay manao ireny dia "foana" (toy ny tsy misy) eo anatrehan'Andriamanitra ny fivavahany,
Raha mijoro manomboka anio ianao ka sahy ny hanampakevitra hanantanteraka io fahamarinana io dia ho famonjena ho anao izay.
Mety ho avy ny problème isan-karazany (vavahady ety, sy lalana tery) nefa tsy aleo v fiainana mandrak'izay azo antoka???

Ny fizarana izany v ilay hoe manipulation namana, diso kosa angamba e, fitiavana no tena marina namana,

Samia ho tahin'ny Tompo e,

Samia ho tahin'ny Tompo e
73. moi ( 09/01/2014 05:33)
Mba misy olona niova fo tokoa ve tao anatin'ny andro noely, na noho ny fankalazana noely tany am-piangonana, na mba izy sendra niditra am-piangonana 25dec ?
Raha misy vavolombelona any ho any dia aoka ho tonga saina izay tsy mankasitraka noely. satria ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra ny mampiasa izany hampitodika ny olona aminy.
Ny lafi-tsarany (na tsy ara-panahy loatra aza) dia misy andro anankiray mba amnistie eto amin'izao tontolo izao, mba miato ny adiady ... Ho ahy aloha dia mbola VIVE NOEL e !
74. toriteny ( 09/01/2014 05:58)

moi:

Tsy nisy mihitsy angamba nilaza hoe aza mankalaza noely na ny krismasy. Fa ilay fomba fankalazana azy no mametraka problème fa raha io voalazanao io hoe any am-piangonana rano iray fa tsy hafangaro zavatra hafa dia vao maika aza aho mamporisika.

Mitatra be ilay resaka fa aleo angamba faranako amin'ito ny fandraisako anjara amin'ity topic ity.

Ilay "vive Noel lazainao" aloha tsy haiko na "Vive noel avec ou sans père noel sy ny manodidina azy". Tsy haiko koa ianao na resy lahatra na tsia ny mikasika ny tsy tokony hanaovana sapin fa raha resy lahatra ianao dia miovà lalana tahaka ireo Magy rehefa nampahafantarana izy ireo fa tady hamono ny zaza i Heroda fa aza miverina amin'ny lalanao fahiny intsony.

Ho an'ireo mbola tsy resy lahatra ny hanajanona sapin. Ny magy izay olona manam-pahaizana aza voafitak'i Heroda ihany rehefa nolazain'ny mpanjaka fa hiankohoka eo amin'ny zaza no antony hanontaniany izay misy ny zaza. Ny devoly ihany koa mety hamitaka anao torak'izany, mety hiteny izy hoe mampifalifaly ny zazakely ny sapin, manampy ny fiankohofana eo amin'i Jesosy ny fisian'ny sapin. FA aza mora fitahina re ry olona a! Raha tsy mahatoky izay lazaina eto ianareo angataho ny Fanahy MAsina hitarika anaraoe amin'ny choix dia aza miala amin'izay voalazan'ny baiboly fa io ihany no balise tsara indrindra ho antsika kristianina.
75. RBNIR ( 09/01/2014 06:09)

toriteny:

Tsy nisy mihitsy angamba nilaza hoe aza mankalaza noely na ny krismasy.

Izaho no niteny namana,

76. toriteny ( 09/01/2014 06:12)

RBNIR:

toriteny:

Tsy nisy mihitsy angamba nilaza hoe aza mankalaza noely na ny krismasy.

Izaho no niteny namana,

Isiaka sy ianao to efa nihady hevitra lava be an'io tany ambadika tany
77. RBNIR ( 09/01/2014 06:32)

toriteny:

RBNIR:

toriteny:

Tsy nisy mihitsy angamba nilaza hoe aza mankalaza noely na ny krismasy.

Izaho no niteny namana,
Otran'ny tsy nahatsiaro aho namana fa teto izao no tsaroako voalohany nizarako ny tena marina momba azy io,

Samia ho tahin'ny Tompo

Isiaka sy ianao to efa nihady hevitra lava be an'io tany ambadika tany
78. bor2lais ( 09/01/2014 09:00)
RBNIR:

« Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy. » (Lio.10:16)

Mila mihaino isika namana bor2lais, ary izao koa tsy izay rehetra miteny no henoina fa izay hita fa "mamoa ilay voa tsara"

Ny mamoa voa tsara omaly tsy voatery mamoa voa tsara anio ry namana RBNIR a ! :-)

Raha azoko tsara ny valinteninao dia io olona lazainao io no namatratra tao an-tsainao fa ny dikan'ny teny hoe "Noël" dia hoe "Tsy misy Andriamanitra". Dia sahinao ny milaza fa avy amin'Andriamanitra izany dikanteny izany satria izy no niteny ! Tsy fitokisana amin'Andriamanitra intsony ange izany ry namana RBNIR e ! :-)

RBNIR:

Sady izaho koa e, ny olona anie tsy nataon'Andriamanitra ho toy ny robot ka azo manipulena e, nomena saina ny tsi11 handinika tsara

Tsarovy fa misy ny "zaza bodo" izay azo manipulena toy ny robot a ! :-)

hery:

Ny mampalahelo dia tsy vitsy ireo izay voatarik'izany manipulation goavana izany.

Efa filazako matetika ity nefa averiko ihany (sao mety mahasoa ny hafa) :
Fomba fiasa fanaony (sekta) amin'izany ny fanerena (mivantana na ankolaka) sy/na fampitahorana (amin'ny alalan'ny tsimpona ohatra) ! ;-)

Izay no mba fandinihan'i bor2lais araka ny saina nomeNY ahy e ! :-)
79. RBNIR ( 09/01/2014 09:34)

Hangina aho ka tsy hiloa-bava satria efa voasoratra daholo fa tsy maintsy hiatra amin'ny tena ireo nafafinao ireo namana, faly ny foko mahita ny fahatanterahan'ny teny amiko, misaotra fa ho lehibe ny valisoa namana,
Izao no porofo manamarina fa tsy diso ny lalako satria raha teny soa no nafafinao mety ho nampiheritreritra ihany,

Samia ho tahin'ny Tompo namana.
80. bor2lais ( 09/01/2014 10:37)
RBNIR:

Izao no porofo manamarina fa tsy diso ny lalako satria raha teny soa no nafafinao mety ho nampiheritreritra ihany

Averiko aminao ity teninao ity :
RBNIR:

Raha hitanao ny namanao fa mirimorimo mankany ankady, teneno izy raha tena tia azy ianao

:-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6665